Ahoana ny hevitrao mikasika ny zon

Toe-javatra tena malalaka izay manokatra ady hevita izany. Sarotra amiko ny hamintina ny hevitro mikasika io toe-javatra io. Andaniny, tsy nasiana fanavahana ny lehilahy sy ny vehivavy. Ankilany, misy fahsamihafana ara-batana sy ara-pisainana amin’izy ireo. Amiko, ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy maintsy karazan-javatra izay tahakan’ny lafim-bola roa fa ny vola iray. Tsy nisy ny lehilahy raha tsy teo ny vehivavy, na ny vehivavy raha tsy teo ny lehilahy ; niara-nohariana izy roa. Na ny paradisa aza dia tsy paradisa marina raha tsy miaraka ao izy roa. Iznay no niarahan’I Adama nonina tamin’ny vehivavy.

Ny mpaminanintsika, ny CORAN sy ny fampianarany dia tsy manday ny lehilahy sy ny vehivavy ho voary misaraka. Mino aho fa ny olana eto dia ny fandraisan’ny olona hevitra avy amin'ny fanakorontanana ny fifandanjana.

Ao amin'ny tontolo sosialin’ny fiarahamonina silamo ahitana finoana silamo “mbola tsy misy pentina” avy amin'ny fomba amam-panao sy fomban-drazana tsy silamo, ny vehivavy dia mandray anjara mavitrika amin'ny fiainana andavanandro. Ohatra, nandritry ny vanim-potoana voalohan’ny silamo, I Aïcha vadin’ny Mpaminany dia nitari-tafika. Izy koa dia manapahaizana ara-pinoana izay hajain’ny rehetra ny heviny. Miara mivavaka amin'ny lehilavy ao amin'ny trano fivavahana ny vehivavy. Ao amin'ny trano fivavaha, ny vehivavy antitra dia afaka mifanandrina amin'ny kalifa amina resaka mikasika ny lalàna. Hatramin’ny taonjato faha XVIII, nandritry ny vanimpotoana “ottomane”, ny vadin’ny ambasadaoro anglisy dia nidera fatratra ny vehivavy silamo ary nilaza ampahamendrehana ny andraikitr’izy ireo ao amin'ny fiarahamonina sy ao amin'ny fianakaviana silamo.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.