Ny Humanisma

Ny fitiavana no anisan’ny lafin-kevitra voateny betsaka indrindra ary tena ilain’izao androntsika izao. Ny fitiavana dia raozy malefaka mandrkariva ao anatin’ny finoana sy ao anatin’ny fanjakan’ny fo. Alohan’ny zava-drehetra, noharin’Andriamanitra tamin’ny fitiavana izao tontolo izao, ny feon-kira mahagaga sy mahafinaritra indrindra etoq amin’ny fisiana dia ny an’ny fitiavana. Ny fifamatorana mafy indrindra eo amin’ny fianakaviana, ny fiarahamonina sy ny firenena dia ny fitiavana. Ny fitiavana hoan’ny rehetra dia miseho amin’ny fisian’ny rindran-damina aminy fifanampiana sy ny fifanoanan’ny izay hita amin’ireo singa madinika isanisany.

Marina loatra izany fa ny anton-javatra lehibe indrindra ao anaty fanahy dia ny fitiavana? amin'ny maha singan’ny firindran’ny tontolo, saika ny voary tontolo no mitondra tena sy milalao amin'ny fomban’ny manokana izay azony avy amin’Andriamanitra ay amin'ny feon’ny fitiavana. Na izany aza, io fifanakalozam-pitiavana eo amin’ny zavaboary sy ny olombelona io dia toa tsy tsaroana satria ny sitrapon’Andriamanitra no mifehy tanteraka ny zavaboary izay tsy manan-tsitrapo. Amin’io falin-kevitra io no andraisan’ny zanak’olombelona anjara ampisainana amin’io rindram-pitiavana eo amin’ny fisiana io ary mampivelatra ny fitiavana araka izay itiavany azy ; mitaty ny fomba hanehoany iznay amin’ny maha olona izy. Vokany, amin’ny tsy fanaovana tsinontsinona ny fitiaana ao anatiny sy amin’ny anaran’ny fitiavana ao aminy dia tsy maintsy manohana sy manome fanampiana marina hoan’ny hafa izy. Tsy maintsy miaro ny firindrana nakapobeny izay ao an-tsainy izy amin’ny fanajana ny fitiavana izay ao anatin’ny fisiana toy ny lalàna voajanahary.

Ao amin’ny foto-kevitry ny silamo, ny hevitra sy ny fanomezan-danja ny fitiavana dia tena mifandanja. Ny mpangeja sy ny mpanao herisetra dia mandà ny fitiavana, satria ny fitiavana sy ny famindrampo aseho amin’ny mpanao herisetra dia mahatonga azy hanao herisetra mafimafy kokoa, mampirisika azy hamotika ny zon’ny hafa koa iznay. Izany no antony tsy maitsy tsy hanehoana ny famindrampo amin’ireo izay mandrahona ny fitiavana hoan’ny rehetra.

Ny famindram-po atao amin’ny mpamadika no tena zavatra ratsy indrindra tsy misy indrafo azo atao amin’ireo niaram-boina. Hoy ny Mpaminany : «Ampio ny rahalahinao na mpangeja izy na nogejaina. Afaka manampy ny mpangeja ianao mba hanajanonany ny fangejana ataony».