Asa eo anivon

Asa eo anivon

Nandritra ny fotoana nisotroany ronono i Gülen no nanokana ny heriny manontolo hampifanantona ny asan’ireo firehan-kevitra ( tsy mitovy), kolontsaina, fivavahana ary firenena tsy mitovy. Nentina teo anatrehan’ny solontenam-pivavahana manerantany tany ‘Cap’, any Afrika atsimo ny lahatsoratra nosoratany mitondra ny lohateny hoe: «Ny ilana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny finoana samy hafa», ny volana Desambra 1999.

Voalazany tao fa: «zavatra tsy azo ialana ny fifanakalozan-kevitra», ary ny olona, na aiza na aiza firenena iainanana, na inona na inona rafitra pôlitika iainana, dia manana zavatra iombonana maro izay tsy inoany. Manolona izany rehetra izany, mihivitra i Gülen fa ilaina sady mahasoa ny mametraka fifanakalozan-kevitra voasaina tsara mba hanatsarana ny fifankazahoana. Mba hanatsarana izany no nanampianay tamin’ny fananganana fikambanana mpanao gazety sy mpanoratra (1994), ary ny asan’izy ireo izay namporisika ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandeferana eo amin’ny sokajim-piarahamonina samy hafa dia voaray tsara tamin’ny toerana maro.

Mbola ao anatin’izany tanjona izany ihany koa no nandraisan’i Gülen sy namangiany olona manankaja sy mahatarika ny mponin’i Turquie, tao koa ireo olona nanana ny maha izy azy avy amin’ny vazan-tany efatra. Isan’ireny ny Papa Joany Paoly faha II tao «Vatican» ( efa maty), i John O’Connor arsevekan’i “New York” (efa maty), I Leon Levy, ampittarika ny vondrona miady amin’ny fanalam-baraka teo aloha (ligne contre la diffamation).

Nifanatapatapakahitra tamin’ireny lehibem-pivavahana manana ny maha izy azy ireny i Gülen mba hifanazava mikasika ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny finoana ary mba handraisana fanapahan-kevitra amin’io toe-javatra io. Any «Turquie», ny albasadaoron’i Vatican sy ny lehiben’ny fiangonana Orthodox any, ny lehiben’ny fiombonambe armenianina ary ireo lehiben’ny fiombonana jiosy sy olona manan ny maha izy azy hafa dia matetina no mihaona amin’i Gülen, mampiseho ohatra amin’ny fifanakalozan-kevitra matotra amin’ireo olona tsy mitovy finoana amin’ny tenany izany. Tamin’ny fihaonany tamin’ny Papa Joany Paoly faha II tany «Vatican» (1998), nanolotra drafitr’asa mikasika ny hanafoanana ny olana any «Moyen Orient» i Gülen, izany dia vokatry ny fiarahamiasa ifotony tany amin’io toerana nahateran’ny fivavahana telo lehibe io.

Marihiny tsara ao amin’io drafitr’asa io fa na dia toe-javatra roa tsy dia mitovy loatra aza ny hairà sy ny fivavahana dia maneho fahamarianan iray ihany: «Matetika ny zanak’olombelona no manda (tsy miaiky) ny hairà noho ny fivavahana ary mandà ny fivavahana noho ny hairà amin’ny filazana fa zavatra roa mifanohitra ireo. Ny fahalalana rehetra dia avy amin’ Andriamanitra ary ny finoana ihany koa dia avy aminy. Noho izany, ahoana no ho afaka mifanohitra ireo zavatra roa ireo? Ialina ary ny fitambaran’ny ezaka ataontsika amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-pinoana mba hanatsarana ny fifankazahoana sy ny fifandeferana eo amin’ny olona samy olona.”

Namoaka fanehan-kevitra tamin’ny haino aman-jery manameloka ny fanafihana sy fampihorohoroana miseho tany Etats –Unis ny 11 Septambra I Gülen. Heveriny fa iny toe-javatra iny dia niteraka fanointoinana lehibe ny fandriampahalemana manerantany izay tena manalabaraka ny mpino. (…) tsy azo ampiasaina amin’ny anaran’ny finoana silamona oviana na oviana ny fapihorohorona ary tsy tanjona silamo. Tsy mba “musulman” ny mpampihorohoro ary tsy mba mampihorohoro ny “musulman”. Ny musulman iray dia fitaratra sy tandindon’ny fandriampahalemana , ny tsara sy ny fanantenana” Ny ezak’i Gülen ho an’ny fandriampahalemana erantany dia niadiankevitra tafiditra amin’ny lahadinika amin’ireo loabary andasy sy fihaonambe. “Ny fihaonamben’ireo maherifon’ny fandriam-pahalemana ankehitriny i Gülen, toan’i Jesosy, Boudha, Gandhi, Martin Luther King sy ny Mère Tereza.

Niara niasa tamina revio sy gazety maro i Gülen. Nanoratra ny lahatsoratra miavaka tao ami’ny magazina maro izy: ny ‘The Fountain, Yeni Ümit, Sizinti, Yagmur, ireo dia magazine sangany ara-panahy sy fanta-bahoaka indrindra any “Turquie”. Nanoratra obky mihoatra ny 40 izy, lahatsoratra an-jatony maro ary rakitsary sy rakipeo anarivony. Nano kabary betsaka mikasika ny finoana sy ny sosialy koa izy. Maro amin’ireo bokiny izay lafo indrindra any ‘Turquie’ no efa ita amin’ny teny anglisy, toy ny “Prophet Muhammad: Aspects of His Life, Questions And Answers About Faith, Pearls Of Wisdom, Prophet Muhammad as a Commander, Essentials Of The Islamic Faith, Towards The Lost Paradise sy Key Concepts In The Practice Of Sufism. Boky maro ihany koa no voadika amin’ny teny aleman, rosiana, albanay, japana, indoneziana, espangiola, sy frantsay.

Ny toeram-pampianarana naorin’I Gülen dia nametraka sampan’asa maro tsy natao hitadiavam-bola, vondrona sy fikambanana maro any ‘Turquie’ sy any ivelany izay manome vatsim-pianarana maro. Na dia anisan’ny endrika fantatra indrindra tao amin’ny sehatra politika aza I Gülen dia tsy nankasitraka ny hiditra lalina amin’izany. Anisan’ny nidera an’I Gülen ireo mpano gazety malaza, ny avaram-pianarana, ny olon’ny haino amanjery, ireo mpanao politika sy ny olom-panjakana ambony any ‘Turquie’ ary firenen-kafa maro. Izy rehetra ireny dia mahita an’I Gülen ho mpanova sy mpanavao ny fiarahamonina ary mampihatra izay lazainy. Nahatsapa izy ireo fa tena olon’ny fandriampahalemana izy, ambony fisainana sy manampahaizana amin’ny fivavahana, mpanolotsaina, mpanoratra sy Poeta, mpandinika lehibe ary mpitari-dalana ara-panahy izay nanokana ny fiainany hitadiavana vahaolana amin’ny ratsy sy ny zavatra ara-panahy tena ilain’ny fiarahamonina. Hitan’izy ireo fa ny hetsika ataony dia tena mendrika ny fanabeazana: fanabeazana ny fo amam-panahy sy ny saina. Io fanabeazana io dia mikendry ny hamelona sy hanamafy ny maha olona ny olona manontolo mba ho tonga mahay sy afaka manome zava-tsoa manala fahasahiranana ny hafa.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.