Eo Antokonan

Satria  isaky ny maraimbaovao, isaky ny fiposahan’y masoandro, isaky ny lohataona dia midika fanomboana vaovao, tsy misy hafa amin’izany isaky ny taonjato vaovao sy isaky ny taona arivo. Eo anatrehan’izany, teren’ny fotoana tsy misy fitsaharana ny zanak’olombelona ka mitady fiainam-baovao sy rivotra malefaka kokoa noho ny rivo-baovaon’ny maraina ary naniry sy nanantena ho tafavoaka moramora ny haizina ho any amin’ny fahazavana toy ny mandingana tokonana. Tsy misy azontsika natao afatsy ny nanombatombana fotsiny teo amin’ny fisehoan’ny lehilahy sy vehivavy voalohany teto an-tany.

Tahaka ny lanitra ny tany, tahaka izay hokindrein’Andriamanitra ; amin’ny maha izy azy tanteraka sy ny lananjany izay natao ho ny olombelona ny ampahany betsaka. Araka ny tety andro mahazatra, eo antokon’ny taona arivo faha telo aorian’ny nahaterahan’I Jesoa isika, ho amin’izany taona arivo izany anie nu fandriampahalemana. Na izany aza anefa, asatria ny fotoana dia miodina sy miroso manodidina ny zava-misy mifamahofaho ka miteraka fomba samy hafa handrefesana ny fotoana eto antany. Ohatran ny fandrefesana ny fotoana tena ampiasaina ankehitriny dia milaza fa eo amin’ny faritra handinganana arivo taona vaovao izao tontolo izao. Ary ny refy andro jiosy indray dia milaza fa eo amin’ny tapany faharoan’ny taona arivo fahavalo kosa isika izao araka ny rafi-potoana Hindo. Ary raha manaraka ny refy andro silamo, isika dia mamarana ny tapany voalohany amin’ny taona arivo faharoa.

Tsy maintsy tsiahivintsika fa na dia miovaova ny fomba fandrefesana fotoana, na dia ekena fa zato taona aza ny taonjato iray dia mendrika ho lazaina taonjatato iray koa ny 60 taona hiveloman’ny olona iray. Raha io fomba fijery io dia efa ao anatin’ny taona arivo fahaefatra aorian’ny nahaterahan’I Jesoa isika izao ary ao anatin’ny taona arivo fahatelo aorian’ny fotoana izay manamarika ny fanombohan’ny refy andro silamo. Sokafako izany ady hevitra izany noho ny disadisa ara-panahy miseho, indrindra fa any amin’ny tany tandrefana izay mety hiteraka toe-javatra mahatsiravina amin’ny taona arivo manaraka. Mivelona ao anatin’ny fanantenana mandrakizay ny sanak’olombelona ary zanaky ny fanantenana.

Na misy ara-batana asa ny zanak’olombelona kanefa very fanantenana izy dia maty ihany koa ny afom-piainana. Mitovy lanja tanteraka amin’ny finoana ny fanantenana. Ny ririnina no mametra ny ampahefatry ny taona iray ary ny ririnim-piainan’ny olona iray sy ny fiarahamonina dia fotoana fohy ihany. Ny fitohizan’ny asan’Andriamanitra dia mihodina manoloana ny tontolom-pahendrena any amin’ny tanjona feno famindram-po, tahaka ny famolavolan’ny andro sy ny alina ny fanantenana, mamelombelona ny fanahy sy tahaka ny fitondran’ny taona vaovao fanantenana hahita lohataona sy fahavaratra indray, ary na eo aza ny fiaina-mangidy fohy eo amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny tantaram-pirenena dia arahina fotoan-tsambatra izany.

Ho an’izay manam-pinoana, manak’eritreritra sy fahafahana mandanjalanja tsara dia tsy mitondra tahotra na fiheritreretana sy fahombiazana io fivoaran’ny andro avy amin’Andriamanitra sy anehoan’ny fahendreny io. Ny mifanohitra amin’izany no izy, loharanom-pandinihana sy fisaintsainana irany ary fanomezana mitohy ho an’izay manana fo maharitra sy mana fifohazam-panahy ary sofina mihaoino. Toy ny fiforonan’ny andro ao anatin’ny alina sy ny fanomezan’ny rirnina fandriana hijanonan’ny lohataona no hanadiovan’ny fiovaovan’ny fotoana ny fiainantsika.

Mamokatra izay ary manome voa izay nantenaina taminy ao amin’io fiovaovan’ny fotoana io. Ao anatin’io fihodinkodinana io koa no mahatonga ny maha olombelona ny olombelona vay amin’Andriamanitra ho lasa fahaizana  sy talenta ka mahatonga ny hairà hamony toy ny raozy ka mamorona ny teknolojia araka ny fivoaran’ny fotoana, ary ny olombelona dia miros tsikelikely  mankany amin’ny fahafatesana.

Rehefa hitantsika izay fijery ankapobeny izay, tsy itompoanteny fantatra na savoandanitra fa ny zavamisy sy azo tsapaintanana teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia tsy ao inoana fa mety amintsika ny ririnina na ny vanimpotoana mitovitovy aminy toy ny fangirifiriana, ny aretina ary ny fahasimbanjavatra. Rehefa marary dia tsy mitsahamanohitra ny vatana, mihamafy ny hery fiarovana ary izany no mitarika ny fandrosoan’ny fitsaboana, noho izany tsy dia hoe tsy ilaina loatra ny aretina na hoe manimba fotsiny. Toyizany koa ny loza ety anteny sy ny lanitra. Raha araka ny fomba fijery teolojika sy moraly, ireny loza ireny dia vokatry ny fahasiahantsika sy ny fahotantsika izay mila hampienjera ny lanitra sy ny tany ary koa vokatry ny fanovantsika ny zava-dratsy tsy tokony atao efa voararan’ny lalaàna sy ny fahendrena. Na mampiseho amin’ny olombelona ny faharatsiany aza ny loza dia mampifoha azy amin’ny torimason’ny tsy fitandremana ary miteraka ny fivoaran’ny “géologie” sy ny haimaritrano ary ny fitandremana. Na izany aza anefa, miteraka fahasiman-javatra sy manimba ny zanak’olombelona ireny loza ireny.

Ary raha mamaky ny “Coran” isika dia mahita izao teny izao:

“Raha tsy nosakanan’Andriamanitra ny olona dia ho potika avokoa ny trano sy ny fiangonana ary ny sinagoga sy ny trano fiangonan’ny mpino silamo izany anononana mandrakariva ny anaran’Andriamanitra” (22:40).

Izany hoe, raha tsy nanakana toy izay Andriamanitra dia tsy ho fantatra noho ny olona izay tsy mahalala ny ambony noho izy sy tsy mino fa hitsarana azy ny zavatra ataony ay ankoatra, hirenireny fahatany izy sy hampanjary ny tany ho toerana tsy azon’ny olombelona iainana koa. Mbola ao koa ity didin’Andriamanitra ity: “Mety hankahala mafy zavtra iray ianareo kanefa tsara aminareo izy, kanefa mety hotia zavatra irayizay ratsy aminareo ianareo” (2:216), ohatra, tianareo ny miady. Na dia mifototra amin’ny antony manokana aza ny ady ary natao hanatsarana ny toe-java-misy ka mety ahitana tombontsoa, tsy mba azo iriana ny fisiany fa mitarika mankany amin’ny ratsy izany. Mamela toeram-ponenana potipotika sy fianakaviana rava sy maty vady maro ary kamboty betsaka mitomany izany.

Na izany na tsy izany anefa dia tsy azo atao ambany maso tsy hita na odiana tsy fantatra ny zava-misy eo amin’ny fiainana. Ny zanak’olombelona dia fitaratra itarafana ny andraikitr’Andriamanitra sy ny anarany ary miavaka amin’ny zavaboary hafa rehetra noho ny voninahitra abmony sy andraikitra hanabe voa ny tany amin’ny anaran’Andriamanitra. Raha tsy afaka mandray ny fahendrena sy ny tanjona miafina ao amin’ny tsara sy ny ratsy izay nataon’Andriamanitra eny amin’ny lalankalehany izy dia tsy afaka handresy ny fahakiviana sy ny fiheritreretan-dratsy. Ho azy ireo dia toy izay hita ao amin’ny asa soratra ‘existansialiste’, miova ny fiainana kanefa tsy misy dikany, zavapoana tsy ilaina akory ny fisiana, tsy misy dikany na dia kely aza, aleo mamono tena ary ny fahafatesana dia manjary zavamisy tsy azo ioharana.

Ny Tena Toetra Fototry Ny Zanak’olombelona

Hitantsika teo ny fototra iorenan’ny zavatra tiana horesahina ka afaka mandinika ny amin’ny taona arivo fahatelo amin’izay isika izao.

Ny tantaran’ny zanak’olombelona dia ifototra tamin’ny aina roa izany maneho ny fototra maha olombelona ny olombelona sy miameno. Tamin’io fotoanan’ny ray sy ny rany voalohany io sy ny taranaka avy aminy dia nanana fiainana milamina ny olona. Namolavola fiarahamonina tsy misara-mianakavy izay najakan’ny firaisantsian izy ary nifampizara toerana sy fomba fiaina mitovy. Tamin’izany fotoana izany dia velona tsra ny olona ary toy izany hatrany. Ny zava-misy manodidina ny fiainany, ny firafiny ara-batana, ny toetoetra fototra ananany, ny filàna tena tsy azony ialana, ny fahaterahana sy ny fahafatesany, ny fifidianan vatana sy ray amandreny sy ny tontol voajanahary manodidina azy dia tsy nisy fiovana. Mitaky zava-misy sy soa toavina tsy miova izay ilaina sy saro-pady ireo zavatra rehetra ireo. Ary ny fivoarana sy ny fiovan’ny zava-misy hafa eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy mifototra eo amin’ny ivon’ireo zava-mitsy ireo sy ny lanjany hatrany ampiandohana, noho izany dia afaka mitohy toy ny paradisa an-tany aloky ny fonenana any an-danitra ny fiainana.

Nolazaintsika tery ambony ireo zavatra manimba sy ratsy toy iray toetra sasantasany ananan’ny zanak’olombelona, ny fiafonana, ny fankahalana, ny fifandrafesana, ny fanirina, fahasiahana sy ny fitiavantena izay mety hiseho aloha. Ny olona ihany koa dia manana hery sy filana hafa mba hampitohy ny fiainany, toy ny mihinana sy misotro, ny filan’ny nofo sy ny hatezerana. Ny filana rehetra sy ny fanirian’ny olombelona dia tsy maintsy voahitsy sy voatarika mankany  amin’ny soa toavina tsy miova, tsy misy fetra sy iraisan’ny rehtra izay mahakasika ny toetra fototry ny zanak’olombelona. Raha izany no dinihina, ny filana hihinana sy hisotro, ny faniriana mbamin’ny fanirian-dratsy sy ny fahatezerana dia azo fehezina sy ovana ho lasa fitaovana hanaovana zavatra mendrika.

Toy izany koa, ny fitiavantena sy ny fankahalana dia mety ho loharanon’andraikitra tsara sy ny hatsaram-po. Ny fialonana sy ny fifandirana dia azo ovana ho fifanampiana amin’ny fanaovana asa soa. Ny eritreritra te-hanimba ny hafa dia azo ovana ho fiadiana amin’ilay ratsy (satana) izay tene fahavalon’ny olombelona goavana indrindra kanefa koa tsy tia fifandirana sy fankahalana. Ny tsy fahalalana onona sy ny didoha dia mety hampitombo ny hafanampon’ny olona iray ary mitarika azy hahavita asa tsara tsy misy fijanonana. Ny fitiavantena dia maneho ny lafiratsin’ny fanahy izay mitady  hanao  amboletra sy handoto ny fanahy raha tsy toerina amin’ny asa ratsiny.

Azo ovana ho loharano ipoiran’ny tsara amin’ny alalan’ny fanafahantena sy ady mafy avokoa ny heritrei-dratsy rehetra. Izany no hatratraran’ny olombelona ny fahamboniana indrindra manoloana ireo zavaboary hafa, amin’ny fanovana ny hery ao amin’ny hahatonga azy ho tena olona teonga lafatra, ka hanjary ho fitaratra sy ho modely amin’ny zavabaory misy eto ambany masonadro.

Manoloana an’izany toe-javatra izany anefa, tsy manaraka mandrakariva izany lalana mahitsy izany ny zavamisy eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Mbola mandresy ny olombelona matetika ny toetra sy ny eritreri-dratsiny, mbola mifehy azy tanteraka na dia mitarika azy irao hanao tsara sy ho tsara fo aza ny fivavahana, tsy heveriny izany na dia tokony ho loharanon-java-tspa as any fisian’ny sy ny toetra rehetra. Ny fiainan’ny zanak’olombelona tsirairay na mitambatra dia fivondronan’ny heriny sy ny ady anaty ataony ary ny fisehoni=’izany ety ivelany. Io toe-javatra io no mamolavola ny maha olona ny olona ny fiarahamonina, ny tantara, ny sahan’ady, ny tolona, ny ady goavana, ny fangejana sy ny halozana. Ireo toe-javatra ireo no hamolavoalan’ny zanak’olombelona ny maha izy azy.

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mioty ny vokatry ny ezaka ataony mandrakariva. Hatramin’ny fiandohan’ny tantarany dia fiainan-tsambatra no niainan’ny zanak’olombelona, fiarahamonina tsy misaramianakavy izay nifampizarana ny hafaliana sy ny fahasahiranana, nanjary jioga arafesina miaraka ami’ny rojon’ny fangejana namatotra ny vozona sy ny tongotra anefa izany noho ny fialonana, ny tsy fahalalana onona ary ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa sy ny zony. Vokatr’izany dia novonoin’I Kaina I Abela. Teo no nidiran’ny olombelona tamin’ny lalan’ny fisaraham-bazana. Na dia mandalo sy mifandimby toy ny andro aza ny taona arivo maro dia mbola mitohy hatrany ny tsingerim-pizaran-taona

Ny Taona Arivo Faharoa 

Ny taona arivo faharoa dia niara-nanomboka tamin’ny ady sy ny fanafihana nataon’ny mpino silamo, izay maneho ny ivon’ny tantara. Na dia teo aza ny ady sy ny faharavana sy ireo heloka vita, na tamin’ny anaran’ny fivavahana, na tamin’ny fahamboniana ara-toekarena sy politika ary miaramila, dia tamin’io taona arivo io no tena nampirongatra ny fandrosoana tandrefana izay mifototra indrindra tamin’ny soa toavina ara-panahy, metafizika, ho an’ny rehetra sy tsy manampetra, sy ny fandrosoan’ny tany tandrefana mifototra tamin’ny hairà fizika. Izany no niteraka fikarohana goavana ara-jeografia sy ara-tsiantifika.

Na izany aza anefa, samy naka ho azy ny fandrosoana tatsinanana sy tandrefana. Io fisaraham-bazana io dia mifototra amin’ny tsy firaharahian’ny andaniny ny zavatra azo tsapain-tànana sy ny siansa materialista ary ny fanirian’ny ankilany ny zavatra ara-panahy, ny metafizika sy ny soa toavian tsy miova sy mandrakizay.

Vokatr’izany, ny taonjato taorian’io taona arivo io dia nahitana fahasimban-javatra mahatsiravina. Noho ny fitomboan’ny fiavonavonana sy ny fitiavantena vokatry ny fahombiazana dia voatery miharitra ny fanandevozan’izao tontolo izao sy ny vono olona mihoampampana ny zanak’olombelona, fihetsiketsehana namoizana ain’olona tsy hita pesipesenina, ady mandatsa-drà sy fahasimban-javatra, fanavakavahana ara-bolokoditra sy tsy fahamarinana ara ekonomika sy sosialy ar rindrim-by no najoron’ny fitondrana sasany izay foto-kevitra izay mifanohitra tanteraka amin’ny tena marina, ny fahafahana, ny fahamendrehana sy ny voninahitry ny zanak’olombelona. Noho izany anton-javatra izany sy ny faminanian’ny baiboly no atahoran’ny olona tandrefana maro ny mbola hidiran’izao tontolo izao indray ao anatin’ny rà mandriaka sy ny fasimbana. Miahiahy sy mieritreritra tsy fahombiazana amin’ny fiavian’ny taona arivo vaovao izy ireo.

Ny Antenaintsika 

Nanova izao tontolo izao ho tontolo lehibe iray ny fiovan-tseraserana sy ny fitaterana manara-penitra. Arak’izany, ny andrasana dia hoe ny firenena iray ihany ve no tompon’andraikitra amin’ny fiovana ifotony ao aminy ary izay voafefin’ny sisitany misy azy fotsiny dia tsy mba mandinika ny zava-misy ankehitriny. Andron’ny fifandraisana sy ny fifanomezan-tanana izao taona misy antsika izao. Ny firenena sy ny mponina dia mila fifampiankinana, izany no mahatonga ny fifantonany amin’ny fifandraindrasana. Io tambazotram-pifandraisana no misongona ny fanjakazakana mivaivay ary mifototra amin’ny tombontsoa iombonana sy miantoka ny anjara masoandron’ny osa. Ankoatr’izany, noho ny fandrosoan’ny teknika sy ny elektronika, ny fandraisana sy ny fifanakalozam-baobao dia manjary azon’ny rehetra atao. Vokatr’izany dia lasa laharampahamehana ny isambatan’olona ary ny rafi-pitondrana tsy refesimandidy dia tsy maintsy hiova ho fotondrana demokratika izay manaja ny zon’olombelona

Satria ny olona tsirairay dia mifampiankina, noho izany ny ozn’ny tsirairay dia tsy azo atao sorona ho an’ny fiarahamonina fa ny zom-piarahamonina no tsy maintsy miankina amin’ny zon’ny tsirairay. Noho izany anton-javatra izany, ny zon’olombelona sy ny fahafahana fototra izay ambaran’ny fivavahana no nahatonga ny olona tandrefana iray trotrky ny ady hiova fo. Loharaharana amin’ireny zo ireny ny zo hiainana izay ankatoavin’Andriamanitra ary avy aminy. Mba hanamafisana ny maha zava-dehibe izany amin’ny mpino silamo, ndeha ho ambarantsika eto ny iray amin’ireo foto-kevi-dehiben’ny Coran:

“Na iza na iza mamono olombelona iray hafa tsy hoe efa namono olona sy nanakorontana teto an-tany izy, dia toy ny mamono ny olombelona manontolo. Ary izay manavotra ain’olona iray dia toy ny mpanavaka ny fiainan’ny zanak’olombelona manontolo” (5:32)

Ny zo hafa dia ny fahalalahan’ny mieritreritra sy misaina ary maneho hevitra; ny zo hanan-javatra sy zo tsy azo animbana trano fonenana manohana; ny zo hanorin-tokatrano sy hanan-taranaka; ny zo hifanerasera sy ny fahalalahany hietsiketsika, ny zo ho beazina sy n fahalalahan’izany. Ny fotokevitry ny lalàna silamo dia mifahatra amin’ireo zo ireo kanefa mbola misy hafa koa hifotorany toy ny fiarovana ny aina, ny fivavahana, ny fananana, ny fianarana sy ny fisainana ary koa ny fitovian’ny zanak’olombelona  tsirairay mifototra amin’ny maha olombelona azy, ny fanaovana anjorom-bala ny fanavakavahana ara-pirazanana, ara-bolokoditra sy ny teny. Ireo zpo ireo sy ny fahafahana no tsy maintsy hifotorana sy hanorenana ny taona arivo vaovao.

Mino aho ary manantena fa ny tontolon’ny taona arivo vaovao dia tontolo sambatra kokoa, marina sy mamindra fo kokoa, mifanohitra amin’ny tahotray ny olona sasany. Faka iray no nipoiranan’ny finoana silamo, ny kristianina, ny jiosy ary mitovy fotora sy nomena sakfo avy amin’ny loharano iray. Na dia heverina ho toy ny fivavahana mifanohitra aza izy ireo nadritry ny taonjato maro, ny zavatra iombonany sy ny andraikitra iraisany dia hanorina tontolo mahafinaritra ho an’ny zavaboarin’Andriamanitra  manontolo,izany noilana kabary andasy sy fifanakalozan-kevitra. Io fifanakalozan-kevitra io dia efa mihitatra hatrany amin’ny finoana any Aza sy any ivelany ankehitriny. Mahavelom-panantenana ny vokatra amin’izany.

Toy izay efa nambarantsika tery ambony, io fifampiresahana io no dingana tsy maintsy ilaina sy ankatoavin’ny fivavahana rehetra ary ao no ahitana hifanantonan’ny tsirairay sy hifanomezany tanana.

Ny taranaka teo aloha no vavlolombelon’ny ady mangotraka izy tsy tokony hisy: adin’ny hairà, sy ny fivavahana. Io fifandirana io no niteraka ny tsy finoana an’Andriamanitra sy ny materialisma izay misy fiantraikany bebe kokoa tamin’ny fivavahana krsitianina mihoatra amin’ireo fivavahana hafa. Tsy afaka hanohitra ny hairà ny fivavahana satria ny tanjony dia hahafantatra ny zavaboary sy ny zanak’olombelona izay endrika isehoan’ny asan’Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny heriny. Ny tenin’Andriamanitra noloharanom-pivavahana izay niseho nadrnitry ny tantaran’ny zanak’olombelona tamin’ny alalan’ny boky masina toy ny Coran, ny filazantsara, ny Torah sy ny hafa. Noho ny ezaka nataon’ny telojiana kristianina sy silamo ary ny mpahay siansa no nampilamindamina ny fifandirana teo amin’ny siansa sy ny fivavahana izay nadrity ny an-jto taonany, ary efa fantatra ny zavatra mampifanolana azy.

Ny fiafaran’io fafanolanana io dia ny fametrahana lamim-panabeazana vaovao izay mampifandray ny fahalalana ara-pivavahana sy ara-tsiansa, ny ara-poraly sy ny ara-panahy izay manefy taranaka mazava fo amin’ny fahalalana ara-pivavahana ary ny sainy dia azavain’ny siansa, tanora manana toetra mendrika ny maha olombelona sy ny soa toavina ara-moraly ary tsy atoro voanjo adina amin’ireo fepetra ara-tsosialy ekonomika ary politika amin’ny vanim-potoana iainany. Ity tontolontsika antitra ity dia ho vavolombelon’ny lohataona mamirapiratra alohan’ny hiafarany. Hahita ny fialan’ny elanelana eo amin’ny mahantra sy ny manan-karena io lohataona io, ny fitsinjarana ara-drariny ny haren’izao tontolo izao arakaraky ny  asany sy ny vola ary ny filana; ny fandevenana ny fanavakavahana  ara-bolokoditra sy ara-pirazanana, ny teny sy ny fahitana izao tontolo izao, ny fiarovana ny zon’olombelona  sy ny tena fahafahana. Ho laharana voalohany ny olombelona ary hanabe voa ny maha izy azy, ho lasa laharana ambony indrindra amin’ny zanak’olombelona izy noho ny elatry ny fitiavana, ny fahalalana sy ny finoana.

Mandritra io lohataona io vaovao io, ny olona dia hahatsapa fa ny toerana misy ny siansa sy ny teknolojia ankehitriny dia mbola toy ny an’ny zaza vao mandady. Mahavita mankany amin’ny abakabaka mora kokoa noho ny mankany amin’ny firenena iray ny olona. Ny mpandeha amin’ny lalan’Andriamanitra dia izay tena feno fitiavana ary tsy manan-toerana ao aminy ny fifandrafesana, izy irery no hitondra ny hafatra ho an’ny tontolo hafa.

Ekena tokoa, io lahataona io dia mifototra amin’ny fitiavana, ny fangorahana, ny famindram-po, ny fafanakalozan-kevitra ny fifandeferana, ny fifanajana, ny fahamarinana sy ny zo. Ao amin’io vanim-potoana io no tena hahatsapan’ny zanak’olombelona ny tena maha izy azy. Ny hatsaram-po sy ny fiheveran’ny hafa, ny fangorahana sy nyfahamarinana no tena mamolavola ny maha izy azy izao tontolo izao. Na inona na inona hitranga, na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hizotra amin’io lalana io izao tontolo izao ary tsy azon’iza na iza sakanana izany.

Mivavaka isika ry mangataka amim-panetrentena amin’ilay be indrafo mb aho tanteraka ny faniriantsika sy ny zavatra andrasantsika.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.