Ny Djihad Sy Ireo Endriny Samy Hafa

(Anisan’nyiray amin’ireo hevitra tsy azon’ny mpino silamo sy ny Tatsinanana loatra ny DJIHAD. Manadihady io hevitra io I Fethullah Gülen mitondra ny loha-teny hoe : “La-Yi Kelimetullah Cihad” (Omeo voninahitra ny ANARAN’ANDRIAMANITRA: ny DJIHAD ) sy amin’ireo valinteny nomeny mikasika azy io tamin’ny fametraham-panontaniana taminy. Ampahany tamin’io boky io sy ny fametraham-panontaniana natao taminy ireto manaraka ireto)

Inona Moa Ny Djihad?

Avy amin'ny fakan-teny arabo dj-h-DJIHAD, ny DJIHAD dia midika hoe mampiasa ny heriny manontolo ary miroso amin'ny tanjona amin'ny alalan’ny fahefany rehetra sy ny heriny ary manohitra ny zava-tsarotra.

Naka endrika vaovao niaraka tammin’ny vanim-potoana silamo ny DJIHAD :izay avy amin'ny ezaka manakamin’ny làlan’Andriamanitra. Izny no heviny izay tonga ao an-tsaina matetika ankeihtriny. Zavatra roa no lalovan’io ezaka io : ao anaty sy ety ivelany. Azo faritana ho toy ny ezaka atao hanatrarana ny tena heviny marina ny faritra anaty ary ny faritra ivelany kosa dia toy ny fitaovana mamela ny hafa hahafantatra ny tena maha-izy azy. DJIHAD lehibe ny voalohany ary DJIHAD kely ny faha-roa. Ny voalohany dia mikendry ny handresentsika ny vato misakana izay misy eo amintsika sy ny tena maha-isika antsika, ary eo a fanahy sy ny làlany mankany amin'ny fahalalana, ary farany amin'ny fahalalana ny mikasika an’Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny fahasambarana any am-parany. Ilay faha-roa kos dia mikendry hanafoana ny vato misakana hita eo amin'ny olona sy ny finoana ka ahafahany misafidy malalaka ny hiditra amin’io làlana io.

Endriky Ny Djihad

Tsy ny heady ao amin'ny faritra ihany no tanjon’ny DJIHAD kely. Raha ny tena marina, manana hevitra sy fampiharana manana ny maha-izy azy izay matetika teny tokana na fanginana, na tsiky fidirana na fivoahana ao amin'ny vondrom-bavaka, izany hoe, izany atao rehetra ho an’ny fitiavan’Andriamanitra ny DJIHAD kely. Ny fiezahana ny fitiavany sy ny hatezerany arakarakyny fankasitrahany dia tafiditra ao anatin’ny DJIHAD kely avokoa. Araka izany, ny ezaka hanovana ny fiarahamonina rehetra sy ny olona dia anisan’ny DJIHAD kely avokoa, toy izany izay ataontsika ho an’ny fianakaviantsika, ny manodidina, ny mpifanolobodirindrina sy ny manodidina rehetra.

Anisan’ny heviny hafa, ny DJIHAD kely dia ny zavatra zo tsapain-tanana fa ny DJIHAD lehibe kosa dia hatrany amin'ny Fanahy, satria ady atao hanoherana ny tontolontsika anaty. Raha tanteraka amim-pahombiazana ireo DJIHAD ora ireo, miorina ny fifandanjana ilaina. Ary raha tsy eo ny iray aminy, potika ilay fifandanjana. Mahita fiadanana sy hery vaovao ao amin'izay DJIHAD mifandanja ny mpino.

Maro toy ny voany misy lalana mitondra mankany amin’Andriamanitra. Tantanan’Andriamanitra amin'ny iray na ny maro amin’ireo làlana ireo. Manokatra ireo làlana ireo ho amin'ny tsara sy ny fiarovana amin'ny làlan’ny ratsy izy. Izay rehetra mahita ny Lalany no mahita ny lalana eo afovoany tsara. Toy ny hanarahan’ireo olona ireo ny lalana afovoany no anarahany koa ny lalana marina ho an’ny DJIHAD sy ny fiderana. Midika izany fa mikasika ny zanak’olombelona amin'ny lalan’ny famonjena Andriamanitra.

Ny DJIHAD kely dia ny fanekentsika tsara ny didin’Andriamanitra ; ny DJIHAD lehibe kosa dia ny fanokafana ady amin'ny fisainan-dratsy sy ny fihetseham-po miiba sy manimba antsika amin'ny fahatratrarana ny fahatsarana; Izay rehetra tsy mahomby amin’ny DJIHAD lehibe dia tsy hahomby amin'ny DJIHAD kely koa

Taterin’i Aïcha fa:

“Indray alina, nangataka tamiko ny Irak’Andriamanitra : “Ry Aïcha, moa va afaka miaraka amin'ny Tompoko aho amin’ity alina ity ?” Ampahamendrehana no angatahany fankatoavana). Ny fahamboniana sy ny fahamendrehana dia anisan’ny toetra tsara indrindra amin'ny maha-olona azy. Dia namely aho : “Ry mpitondra ny hafatr’Andriamanitra, tiako ny miaraka aminao, kanefa mbola tiako kokoa noo izany izay tianao”. Nanao ny fidiovan-tenany ny mpaminany ary nipetraka mba hivavaka. Novakiany ity andininy ity : “Raha ny tena marina, amin’ireo zavaboarin’ny tany sy ny lanitra, sy ao amin'ny fifandimbiasan’ny andro sy ny alina, ahitana marika mandrakariva eny amin’ireo tena manan-tsaina” (3 : 190), avy eo nitomany mandra-maraina izy.”

Maneho ny halalin’ny ao anaty s ny DJIHAD lehibe ananan’ny mpaminanintsika izany. Firindran’ny fanafihana anaty sy ivelany ny DJIHAD. Ny mahatratra ny fahatsarana ara-panahy sy manampy ny hafa amin’io lalana io dia zava-dehibe tokoa. Ny fahazoana ny fahatrarana anaty dia ny DJIHAD lehibe ary ny fanampiana ny hafa hahatratra izany dia ny DJIHAD kely. Tsy eo intsony ny maha- DJIHAD sy ny maha-DJIHAD raha sarahina izy ireo. Teraka avy amin'ny iray ny toetra tsara ary avy amin'ny iray ny fikorontanana. Sambatra izay mikatsaka ny fomba hahavonjy ny toy izay ataony amin'ny tenany. Ary sambatra ireo izay mihevitra nahavonjy ny tenany amin'ny fanavotana ny hafa!