Manompo Ny Olombelona Noho Ny FanabeazanaManompo Ny Olombelona Noho Ny Fanabeazana

Noho ny fivoarana malaky teo amin’ny fitaterana sy ny fifandraisana /serasera dia nanjary tontolo be iray izao tontolo izao. Toy ny mpifanolobodirindrina ny ny fisehon-drehetra. Kanefa dia tsy maintsy averina fa, tsy azo antoka ny fisian’ny firenena iray raha tsy arovana ny maha izy azy tsirairay avy, indrindra amin’ity tontolo misy antsika ity. Ao anatin’ny fifangaroana’ny tany sy ny fitambaran’ny firenena, izay tsy afaka miaro ny mahaizy azy, ny antonym mapisy azy sy ny maha izy azy manokana dia manjavona. Tahaka ny firenen-drehetra, ny tena mampiavaka antsika dia ny fivavahana, ny teny, ary tantara sy ny tanindrazana. Ambaran’I YKemal (poeta sy mpanoratra turc malaza) amin’alahelo lalina ao ami’ny bokiny “ny taritra tsy misy antso ho amin’ny fivavahana” ny kolontsaintsika fa izay nentin’ny silamo, Azia afovoanay ary niazo an’I Anatolie sy Eropa sy Afrika.

Hoy ny fomba fiteny malaza iray : “ny mpifanolobodirindrina dia mifampita mandrapahafatiny”. Raha tsy manana na inona na inona ianao, na dia zavatra kely tsy misy dikany aza kanefa ilain’ny hafa, tsy misy olona hanisy dikany anao. Toy izay efa nolazaintska teny aloha, mananjavatra maro homena ny zanak’olombelona isika fa tsy nandray taminy. Ankehitriny, misy sampan’asa fanaovan-tsoa maro tsy miankina amin’ny fanjakana naorin’ny vondrona sy fikambanana isankarazany ary manampy ny hafa aminkafanam-po. Ny fankatoavana sesilany ny rafi-panabeazanatsika izay mianaka manerantany na dia tsy maintsy niaritra fahasahiranana maro aza, dia afaka mifaninana na mihoatra ny an’ny tatsianana mihitsy aza, manaporofo izay nolazaintsika hoe tsy azo fafana.

Amin’ny maha vahoaka turc antsika, misedra olana maro isika izay taonjato farany izay. Ny tena fototr’ireny dia ny fifantohantsika tamin’ny lafiny uvelany tsy mifanaraka amin’ny finoana silamo sy ny fanaovana tsinontsinona ny tahiry tsara ao anatiny. Tsy ela dia lasa manahaka ny hafa isika ary notsaraina fa misy fifanonerana eo amin’ny finoana silamo sy ny siansa. Nanazava isika ary fa ny sianasa dia tsy inona fa ny fahafantarana sy fikarohana ny lalàn’Andriamanitra izay miseho amin’ny tandindony sy ny fahefany ary ny sitrapony fotsiny ary hevitra samy hafa amin’ny CORAN izay avy amin’ny dindon’Andriamaintra tamin’ny teny. Izany fanaovana tsinontsinona izany dia mitarika antsika hitompo teny fantatra amin’ny fahalalana, ny fisainana sy ny fitondrana ; fahadisoam-panantenana nitondra tany amin’ny korontana tamin’ny olon-drehetra sy ny fitondrana (rafi-pitondrana) ; fifanjevoana tamin’ny asa sy ny ahiahy manoloana ny tsinjara asa.

Raha atao amin’ny teny fohy, ny fahavalontsika lehibe telo dia ny tsy fahlalana , ny fahantrana sy ny fizarazarana anatiny, ny fahafahalalana, ny asa sy ny fivondronana no afaka miady amin’io loza io. Satria ny tsy fahafantarana no olana lehibe indrindra, tsy maintsy miady amin’ny fanabeazana isika, io no fihoarana mahomby indrindra hanompoana ny tanindrazantsika. Ary ankehitriny, miaina ao amin’ny tontolobe iray isika, ary io mihitsy no fitaovana tsara indrindra hanampiana ny zanak’olombelona sy hamolavolana adihevitra miaraka amin’ny riban’ny hafa.

Kanefa mialohan’ny rehetra, andraikitry ny olona manontolo ny fanabeazana satria nalefa eto mba hianatra sy hampianatra isika mba ahatonga antsika ho tonga lafatra amin’ny fanabeazana. Raha lazaina fa “tsy azo atao ny endrin-javatra taloha ; na endri-vaovava ; na potehina” , misarika ny saintsika amin’ny vahaolana ho avy I Bedinzzaman. Ary nampiany hoe “Ny zavatra mifanohitra dia tsy maintsy vadian-kevitra amin’ny mpitondra fivavahana kristiana”, manokatra ny lalana ho amin’ny adihevitra amin’ireo vondrom-pivavahana hafa izy. Noho ny fahazavana avy amin’ny Djalal aa-Din ar-runni izay nilaza hoe “Eo afovoany ny tongotro ilany ary ny iray dia ao anatine fanjakana = mponin’ny firenen-drehetra) toy ny tondro avaratra”, dia namaritra faribolana lehibe hivondronan’ny mpino Andriamanitra tokana I Bedinzzaman. Toa midika izany fa lasa ny fotoanan’ny herisetra, hoy izy : “ny fandresen-dahatra”, manamarika koa izany fa ny fifampiresehana, ny fandresen-dahara sy ny ady hevitra amafisina amin’ny porofo dia tena ilay ho an’izay mitady hanompo ny fivavahana. Ary arosony fa : “ny amin’ny hoavy dia dia ho hita mankamin’ny fahalalana sy ny sianasa ny olona, ary eo amin’izany hoavy izany dia ny saina sy ny hery no hitondra”, namporisika ny teny sy ny fahalalana izy, ary farany, natao amina lafiny hafa ny politika sy ny fidirana mivantana amin’y, nanoritra ny lalana mivantana amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny firenena izy tamin’io fotoana io sy amin’ny ho avy.

Amin’ny fahazavan’izany foto-kevitra izany, namporisika ny olona aho hanompo manokana ny firenena sy ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny amin’ny alalan’ny fanabeazana. Niantso azy ireo aho hanampy ny fanjakana amin’ny fanabeazana ny olona aùin’ny fanokafana sekoly. Amin’ny alalan’ny fanabeazana no handresena ny habadoana, amin’ny asa sy ny fananam-bola no handresena ny fanhantrana, ary amin’ny firaisankina sy ny fifanakalozan-kevitra ary ny fifandeferana no handresena ny fisaratsarahana sy ny fivakisana anaty. Kanefa ny olana rehetra eo amin’ny zanak’olombelona dia miankina aminy ihany, ary ny fanabeazana no lalana mahomby fa tsy ny rafitra politika sy ny sosialy manimba.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.