Ny Sekoly Sy Ny Mpanabe

Ny sekoly dia heverina ho toy ny laboratoara manome fanafody hiarovana sy hanasitranana ny aretin’ny fiarahamonina . Ireo izay manam-pahalalana sy fahendrena hanomana izany sy hitantana azy olombelona antsoina hoe mpampianatra. Ny sekoly no toerana ianarana izay rehetra mikasika ity fiainana ity sy ny hafa. Afaka manazava ny toe-javatr sy ny hevitra tena ilaina izy,ary mamela ny mpianatra hahafantatra ny olombelona sy ny zavaboary manodidina azy. Afaka manokatra haingana ny lalana amin'ny fikarohana ny tena dikan’ny zavatra hita sy ny vanimpotoana izy, ary mitarka ny mpianatra mankany Andriamanitra fahamendrehana ihany koa eo amin'ny fomba fisainana sy ny fandinihana. Raha atambatra,  sekoly no oy ny fiangonana ary ny relijiozy no mpampianatra. Izay hamafy voa madio sy miaro izany no tena mpanabe marina. Mikarakara izay tsara sy madio izy ary mitantana ny zaza amin'ny fiainana amin'ny fanampiana azy hiatrika ny vanimpotoana mifandimby. Mba ho toeram-panabeazana marina ny sekoly dia tsy maintsy atao ampy fitaovana tsara aloha ny mpianatra : omena ny hevira ambony, ny fitiavana sy ny fifehezana ny tenim-pireneny, fahendrea ara-moraly sy ny lanja maha-olombelona ny olombelona . Tsy maintsy aorina amin’ireo fototra ireo ny maha-izy azy amin'ny lafiny sosialy.

Zavatra roa samihafa ny fampianarana sy ny fanabeazana. Maro ny olona no mahay mampianatra fahalalana vitsy kosa ireo izay afaka manae. Ny vondrom-bahoaka izay arafitry ny olona tsy manana hevitra ambony sy fomba tsara sy ny soa toavin’ny maha-olombelona dia toy ny olona tsy tonga lafatra izay tsy atokisana amin'ny fitiavany na amin’ny firaisankina raha misy ny fanafoana. Tsy maintsy ho diso fanantenana izay mametraka fitokisana amin’izy ireo ary ireo izay miantehitra aminy dia ho laozany amin’ny andro iray. Ny fomba tsara indrindra hampitaovana soa toavina tsara dia ny fanabeazana ara-pinoana matanjaka.

Miankina amin’ny foto-kevitra sy moraly tsara sy ny fandrosoana siantifika sy tekudojika ny fiainan-koavin’ny fiarahamonina. Izany no tsy maintsy hampianarana ny zavakanto sy ny taozavatra any ampianarana raha vao ao amin’ny ambaratonga voalohany. Ny tena toerampahabeazana tsara dia tsy toerana tsara tarehy ampianarana teoria fotsiny fa toarampibeaza hamolavolan’ny mpianatra ny hoaviny.

Manandanja lehibe amin’ny fanabehazana ny faharetana. Andraikitra faran’izay masina kanefa faran’izay sarotra indrindra ny fanabeazana ny olona. Ankoatry ny fisehoana ho ohatra tsara, tsy maintsy manampaharetana ny mpanabe mba hotonga amin’izay tanjona tian-kotsatsarina. Tsy maintsy mahafantatra tsara mpianany izy ary miresaka aminy amimpahiratan-tsaina sy ny fony ary ny fanahiny sy ny fihetsaham-pony hafa. Ny fomba tsara indrindra hanabeazana ny mpianatra dia ny mampiseho fitandemana manokana amin’izy tsirairay ary satria tsy azo adinoina fahalalana samy hafa ny olona tsirairay avy.

Ny sekoly dia manome lesona tsy ankiato ny mpianany na dia mangina aza. Izany no mahatonga ny sekoly ho taratra mandrakariva amin’ny fotoam-pahavelomana sy ny zava-misy eo amin’ny fiainana na dia tsy nikarakara afa-tsy dingana iray amin’ny fiainantsika aza. Mandritra ny fiainany sisa dia masina ny zavatra nianarany tany ampianarana ny mpianatra ary mitoetra manarakizay ao amin’ny izany. Ny mpanabe dia tsy maintsy mitady ny lalàna makany amin’ny fon’ny mpianatra ary mamela dindo tsy maty vonoina ao antsainy. Tsy maintsy sedrainy amin’ny fandranitana ny sainy manokana sy ny fahazavam-pony ny vaovao ampitainy amin’ny mpianatra. Ny lesona tsara dia tsy maintsy ambony noho ny fampitam-baovao sy ny takenta ihaina hoan’ny mpianatra. Namela ny mpianatra nandrato fahalalana lalim-paka izany, izay miditra amin’ny tena maha izy azy ny zavatra ary namela azy hahita ny zava-miseho ha toy ny fanentanana ny tontolo tsy hita maso.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.