Sampandraharaha Mikarakara Ny Fanabeazana Manerantany

Zavatra maro no efa voasoratra sy voalaza mikasika ny fanabeazana. Hojerentsika amin’ny zavatra telo tena mifamatotra akaiky io resaka io : ny maha-olona psikolojika, Firenena, sosialy, ary izao tontolo izao.

Niharitra ny akon’ny fisainana ankehitriny sy ny amin’ny tatsiananana nandritry ny taonjato maro isika. Raha manana endrika ambony maro izy io, dia nanana kilema izay misy fiantraikana tamin’ireo vanim-potoana nolalovany ara-tantara sy fe-petra tokana nahatonga izany. Nandritry ny Moyen age, rehefa niaina tamin’iny rafi-pitondrna teokratika tarihin’ny fiagonana ny Eropeana, na notarihin’ny monarka notendren’ny Eglizy, nifandray tamin’ny tontolo silamo kosa ny tatsinanana indrindra fat any Andralousie sy croisades. Niampy anton-javatra hafa, nanokatra ny varavarana tamin’ny “renaissance” izany ary ny fihetsiketsehana mitaky fanovana. Noho ny anton-javatra hafa koa, toy ny tsy fahampian’ny tany, ny fahantrana sy ny tsy maintsy hanomezana fahafaham-po ny filana vaovao sy ny maha nosy ny firenena sasany toa an’I Grande Bretagne izay tsy maintsy mampiasa fitaterana an-dranomasina, izany dia mitarika fikarohana ara-jeografika manerantany.

Ny antony voalohany nahatonga ireo fivelarana ireo dia ny  hanome fahafahampo ny filana ara-pitaovana. Arakaraky ny nivoarany fikarohana siantifika nanohitra ny fiangonana sy ny fampianarana kristiana no niainan’ny eropeana ny fifandirana teo amin’ny siansa sy ny fivavahana3. Nanomboka teo no nisarahan’ny fivavahana sy ny siansa ary maro ny olona nanalavitra ny fivavahana. Izany fivoarana izany dia mitarika nankamin’ny materialisma sy ny kaominisma. Ao amin’ny jeografia ara-tsosialy, niaina tamin’ny vanim-potoana voamarika indrindra tamin’ny tantaran’ny tatsinanana ny zanak’olombelona : ny fitsetsefana amin’izao tontolo izao, ny fiadiana tombontsoa tsy misy farany, ny ady lehibe roa sy  ny fizaran’izao tonotlo izao ho vondrona maro.

Hifehy izao tontolo izao ara-miaramila sy ara-toekarena ny tatsinanana nandritry ny taonjato maro.Nanahirana manampahaizana maro tao amin’ny taonjato maro lasa ny fifandirana (siansa # fivavahana). Ny tara-pahazavana nanomboka ny taonjato faha XVIII dia nahita ny zanak’olombelona ho iray ihany toy ny fanahy. Avy eo, ny fihetsiketsehana positivista sy materialista dia nahita azy ho toy ny singan-javatra kely ara-pizika. Vokatr’izany teraka sy nifandimby ny olona ara-panahy, ary tsy mamitaka isika raha milaza fa io olana sy tsy fisian’ny fahafaham-po ara-panahy io no tena antony nahatonga ny fiadiana tombontsoa izay mameno ny taonjato roa taty afara ary tonga tamin’ny fangirifiriana lalin’ny ady lehibe roa.

Amin’ny maha mpitana ny foto-kevi-pinoana amin’ny tena maha-izy azy sy ny tantara samy hafa dia mana-javatra tena ilaina omena ny tatsianana isika, izay hifandraisantsika lalina amin’ny lafiny toe-karena, sosialy ary miaramila sy ho an’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny. Lohalaharna amin’ireo zavatra ireo ny fahazoana sy ny fahitatsika ny maha olombelona. Tsy ny antsika ihany io fahitana io na hoe hevitra savoandanitra izay mampahafantatra mialoha ny tena maha isika antsika marina.

Ny zanakolombona dia tsy zavaboary ahitana vatana sy saina sy fihetsehampo sy eritreritra fotsiny na fanahy fa ny fitambarana sy ny fifandraisan’ireo singa rehetra ireo. Isika tsirairay dia vatana miova ao anatin’ny filana, ary saina manana filana hafa sarotadiavina noho ny vatana izay atosiky n,y fanahiana hankany amin’ny lasa sy ny ho avy ary nanandrana nitady ny valimpanontaninana hoe “iza aho? Iza no nandefa ahy teto an-tany? Ary amin’ny tanjona inona? Inona no iriko ary  inona no tanjon’ity fiainana ity Iza no mpitari-dalana ahy amenity fivahinianana eto an-tany ity?”

Manampy izany, amin’y maha zava boary nomena fihetsehampo ny olombelona, dia tsy mety afa-po amin’ny saina fotsiny izy. Zavaboary manampanahy koa izy ary amin’io no ahazoany ny dikany sy ny ambony maha olombelona azy. An’ny finoana izany rehtra izany sy ny olona tsiarairay. Rehefa heverina ho oty ny zavaboary manana ireo endrika rehetra ireo ny olombelona  ary mihodidina eo amin’ny ny ezzaka sy ny lamina rehetra, ary rehefa afa-po avokoa ny filantsika manontolo dia mahatsotra ny tena hasambarana isika. Eto an-tany, hitantsika mazava tsara fa ny fampivelarana sy fandrosoan’ny olombelona marina dia tsy tanteraka raha tsy amin’ny alalan’ny fanabeazana.

Mba ahazoana tsar any maha zava dehibe ny fanabeazana, tsy hijery afa-tsy ny maha samy hafa ny olombelona sy ny biby isika. Ny fivahinianantsika dia manomboka ao amin’ny tontolon’ny saina, izay mivelona hatrany amin’ny mandraizay, ary mandalo amin’ny dingana aty an-tany izay ambaran’ny fahaterahantsika. Osa dia osa isika raha vao teraka, mila zavatra ary miankina tanteraka amin’ny hafa.

Kanefa kosa, tonga eto an-tany toy ireo izay efa tonga lafatra alefa amina fanjakana hafa izy ireo. Ora roa fotsiny, na andro roan a roa volana aorian’ny ahaterahana dia efa mianatra izay fahalalana ilainy izy,  ny fifandraisany amin’ny manodidina  azy sy ny lalan’ny fiainana, ary mahafehy malaky izay toy ny amin’ny fiainana mba ho velona ry miasa irery. Isika kosa dia mila roapolo tanoa vao mahatratra ny fetra misy ny voronkely sy ny tantely ao anatin’ny roa andro, ny tena marina dia noho ny fahasoavan’andriamanitra no nahatonga azy hahatratra izany. Midika izany fa tsy andraikitra ilain’ny biby ny mitady fahamatorana amin’ny alalan’ny fianarana sy ny fivoarana amin’ny alalan’ny fahalalana, na ny mampiseho ny fahosany sy ny fitavozavozana mba hahazo fanampiana. Ny andraikiny dia miasa amin’ireo fahafana efa ao anatiny ary manompo malaky ny mphary azy.

Isika kosa dia tsy maintsy mianatra ny zava-drehtra rehefa tonga eto an-tany satria tsy mahalala na inona na inona ny fitsipiky ny fiainana. Noho izany ao anatin’ny roapolo taona dia mbola tsy mahafantatra tsara ny natiora isika sy hevitry ny lalany sy ny fitsipika mifehy ny fiainana n any fifandraisantiska amin’ny tontolo. Nalefa eto tamin’y endrika osa sy mampahonena isika. Ohatra, tsy a faka mitsnagana amin’ny tongotra isika raha tsy afaka iray na roa taona. Ankoatra izany saika mil any fiainana manontolo isika mba ianarana izay mety sy tsy mety ho antsika marina. Raha tsy amin’ny fiaraha-monina isika tsy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy.

Izany dia midika fa ny andraikitra lehibe ho antsika amin’ny maha-zavaboary tonga teto amin’ity fivahinianana ity tamin’ny toetra madio, dia ny nanatratra ny fahatoniana sy ny fahazavana eo amin’ny lasa, ny fandinihana sy ny finoana mba ahafahantsika mahazo toetra faharoa ary ho mendrika mba hanohy ny fiaianantsika ao amin’ny fanjakana ambonimbony kokoa. Fanampin’izany, eo am-panatanterahantsika ny asa fanompoana, dia tsy maintsy amnadositra ny fo amam-panahy sy izay efa fahafahana manokana ananantsika isika. Eo am-pahitana ny tonotlontsika anaty sy ivelany izay onenan’ny misitery maro sy saro-takarina, tsy maintssy azontiska ny zava-miafin’ny fisiana ary misandra eo amin’ny laharan’ny tena olombelona marina isika.

Ny fifandirana siana / fivavahana sy ny vokany, ny materialisma, dia mihevitra ny voary, hatramin’ny olombelona, ho toy ny vainga noariana mba hanome fahafaham-po ny filana ara-batana fotsiny. Vokany, miaina ao anatin’ny fahapotehan’ny tontolo voajanahary eo an-tany isika ankehitriny.

Dinihantsika kely ange : ny boky iray dia asehon’ny soratra ara-materialy sy ny fisiany ara-panahy tao an-tsain’ny mpanoratra. Tsy misy fifandirana eo amin’ireo zavatra roa maneho ny fahamarianana mitovy sy mirakitra zavatra mitovy ao anaty tontolo roa samy hafa ireo. Toy izany koa, ny trano iray dia manana ny fisiany ara-panahy tao an-tsain’ny mpahay maritrano ary koa noforonina tamin’ny endrika planina. Izany no nananan’ny trano endrika vainga azo tsapain-tanana toy ny trano mijoalajoala. Tsy misy fifandirana amin’ireo fitaovana maro maneho hevitra iray, zavatra raketina iray, sy fahamarinana iray ao anaty tontolo telo samihafa. Ny mitady fifandirana ao anatin’izany dia fandaniam-potoana tsotra izao.

Toy izany koa, tsy mety hisy fifandirana eo amin’ny CORAN, soratra masina (avy amin’ny andraikitry ny teny nomen’Andriamanitra), sy ny tontolo (avy amin’ny fahfana sy ny sitrapo) ary ny siansa manadihady azy ireo. CORAN matanjaka avy amin’ny fahefan’Andriamanitra sy ny sitrapony izao tontolo izao. Azo atao amin’ny teny hafa hoe ny tontolo dia CORAN marobe nohariana. Ary amin’ny maha filazana amin’ny endrika samy hafa ny lalan’ny tontolo, ny CORAN dia tontolo misy lalana mifehy ary natao an-taratasy. Noho izany, raha ny tena dikany tsy manameloka ny siansa sy tsy mamefy azy sy ireo asa siantifika ny fivavahana.

Mitantana ny siansa ny fivavahana, mamaritra ny tena tanjony ary mametra mialoha ny morally sy ny soa toavina maha olona ny olona mba hitarihana azy. Raha fantatra tany amin’ny tatsinana izany fahamarinana izany ary raha tsikaritra ny fifandraisana eo amin’nny fivavahana sy ny fahalalana, tsy ho toy ireny no zava-nitranga. Tsy nitondra afa-tsy zavatra tsar any siansa, ary tsy nanokatra ny lalana mankany amin’ny famokarana bomba sy fitaovam-piadiana mamono maro samy hafa.

Misy olona sasany milaza fa ny fivavahna no mahatonga ny fisaraham-bazana ankehitriny ary manokatra ny lalana amin’ny fifamonoana. Kanefa, tsy azo lavina fa ny finoana, indrindra fa ny silamo dia tsy nanana andraikitra tamin’ireo taonjato farany nahitana ny fitsetsefana tsy an-drariry, na tamin’ny ady sy ny tolon’ny taonjato faha XX izay nahafatesan’olona anetsiny maro sy namela maty vady sy kamboty, maratra sy tsy manan-kialofana. Ny materialisma siantifika, fahitana ny fiainana sy ny tontolo izay nanda ny fiarahana amin’ny fivavahana sy ny ady tombontsoa no nitarika ny fitsetsefana isan-karazany.

Ao koa ny fahalotoan’ny tontolo iainana izay avy amin’ny materialisma siantifika ary tena niavahan’ny fomba fisainana moderna tandrefana. Ny fototra ankapoben’izany fahalotoana izany dia ny zavatra any ami’ny tsy finoana siantifika fa ny voary dia zavatra tsy misy dikany fa natao hanome fahafaham-po ny filana ara-batana fotsiny. Kanefa ny tontolo dia lehibe lavitra noho ny vainga na zavatra : misy zava-masina ao aminy, satria miseho ao ny anaran’Andriamanitra.

Hatsarantarehy sy hevitra mivelatra izay maneho dika lalina sy malalaka toy ny hazo ahitana faka, nony mahavariana, voa misy tsirony sy fofona miavaka, ny orana sy ny rano mikoriana, ny rivotra avoaka sy fohina, ary zakafon-javaboary hafa maro.

Ary ny sain’olombelona sy ny fony dia nanjary toy ny mamintantely izay asehon’ny tontolo ao an-dohantsika, ary izay sidina manoalana ny tantely, sy amin’ny fitsarantsika sy ny fahafahantsika manddinika. Ny mamin’ny finoana, ny fahamarinana, ny fitiavana ny olombelona sy ny voary manotolo amin’ny fitiavana ny mphary, ny fifanampiana, ny fanaovana sorona ny tena mba ahafahan’ny hafa mivelona, ary ny fanompoana ny voary rehetra ihany no mikoriana amin’io tohatantely io.

Araka ny hevitr’I Bedinzzaman (said Nursi), ny fanabeazana dia fanazavana ny saina amin’ny fahlalana sy ny siansa, ary ny fo amin’ny fianoana sy ny fahmarinana. Io fandinihana izay manabe ny mpianatra mankany amin’ny lanitry ny olombelona amin’ireo elatra roa ireo ary mandrisika azy hitady ny fankatoavan’Andriamanitra amin’ny fanampiana ny hafa, dia manana zavatra maro hatolotra. Mamovotra ny siansa amin’ny materialisma izy ary manakana izany hanjary ho anton-javatra mety ho materially sy ara-panahy ilaina fa tsy manimba. Mamaka azy tsy hanjary fitaovana mamono ihany koa. Ny fahalalana hoy Eisntein  dia tsy mamela ny finoana hanankilema. Izy io koa dia tsy mamela azy hisaraka amin’ny faharanitan-tsaina, ny fiainana sy ny fahamarinana ara-tsiatifika na toy ny rafitra tafahoatra izay marina rindrina eo amin’ny olona sy ny firenena.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.