Fampidirana

Fethullah Gülen

Tamin'ny Desambra 2004, nandeha tany Tiorkia aho nandritra ny folo andro amin'ny maha olona voahasan'ny "Institut pour le Dialogue Interreligieux" (IDI) izay ao Houston (Texas) no foibeny. Nisy profesora maromaro hafa niaraka tamiko tany, eo ho eo amin'ny roampolo eo. Olon'ny finoana sy lohandohana vondrom-piaraha-monina avy any Texas, Oklahoma sy Kansas.  Tsy nisy na dia iray taminay ireo aza no efa nandeha tany Tiorkia ary tsy nisy nahalala izay zava-hitranga. Samy nohadihadian'ireo tanora Tiorka tamin'ny fomba maro samihafa ny tsirairay avy taminay na tany an-tsekoly na tany am-piangonana eny fan a dia tany amin'ny toerana naleha rehetra ny amin'ny hoe manaiky ve izahay ny hitety an'i Tiorkia amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny samy finoana, amin'ny maha olona voahasan'ny fikambanana anay. Nisy taminay ny nanana fahafahana ahafantatra misimisy kokoa ireo olona ireo sy ny vadiny tamin'ny alalan'ny fisakafoanana tany amin'izy ireo na ihany koa na tamin'ny fanatrehana ny fanapahana ny fifehezana izay noahian'ny IDI nandritra ny Ramadany. Nanaiky ny fanasana avokoa izahay rehetra satria samy nahatsapa fa mahafatoky na ireo tanora lehilahy sy ny vadiny avy n any fikambanana misy azy ireo.

Zavatra iray tsy fantatro teny am-piandohan'ny dia, nefa vetivety dia haiko, ny hoe ireo mpanorina sy mpikambana ao amin'ny IDI ary ireo mpikarakara ny dianay tany Etazonia sy tany Tiorkia dia mpikambana amina vondrona iray voasinton'ny hevitry ny manam-pahaizana silamo tiorka iray antsoina hoe Fethullah Gülen. Ny toriteny sy ny fanehoan-kevitr'i Gülen dia nieli-patrana nanerana an'i Tiokia ary nihoatra mihitsy aza efa ho am-polo taonany maro izao hatramin'ny fotoana maha mpitoriteny ampiasain'ny fanjakana azy tamin'ny 1958 sy nahazoany toerana tao Izmir ao atsimo andrefan'i Tiorkia. Nitsidika sekoly maro izahay, toeram-pitsaboana sy fikambanana misahana ny finoana naorin'ireo olona avy amin'ny hetsika Gülen. Niara-nisakafo tamina fianakaviana tiorka maro tany an-tranony avy izahay, tamin'ny fotoana rehetra nahafahana nanao izany dia nanontaniako an'ireo mpampiantrano hoe tamin'ny fomba ahoana no nahenoan'izy ireo reska momba ity hevitr'i Gülen ity sy izay tene nanintona azy ireo moanokana hiditra ao amin'io hetsika io. Saika valin-teny mitovitovy daholo no nomen'izy ireo. Ny lehibe indrindra tamin'izy ireo dia nipetraka tao Izmir tamin'ny fotoana nandraisan'i Gülen ny asany ary tena variana sy resy lahatra tamin'ny hafatry ny fampianarany sy ny faharisihany. Ho an'ireo tanora indrindra indray, ireo nanana zaza nianatra, dia nahalala io hetsika io izy ireo noho ny fisian'ireo sekoly manodidina manana laza tsara eo amin'ny sehatry ny fanabeazana. Ka dia niditra tao amin'ity fahitana tony sy mivoatra ny an-tanan-tohatra iraisam-pirenena ity amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fifanakalozan-kevitra amin'ny samy finoana. Ny ankamaroany kosa dia efa mpianatra tamin'ny sekoly nahorin'ny mpikambana ao amin'io hetsika Gülen io ary amin'izao fotoana izao dia manohana ireny sekoly ireny sy ireo asa hafa mahakasika ny finoana amin'ny maha mpamatsy vola azy. Amin'ireo tranga hafa ireo dia niantefa lalina tamin'ny olona hatrany ny hafatra sy ny fahitan' i Gülen ka dia nanolo-tena sy nampiely izany naneran-tany.

Nody tao Houston aho, ilay misy ny foiben-toeran'ny IDI ary dia nalaliniko ny fifandraisako tamin'ny fikambanana. Ny ivotoerana "Boniuk" ho an'ny "Fandalinana sy fandrosoana amin'ny fifandeferana amin'ny finoana" ao amin'ny Oniversiten'i Rice izay niasako moa dia nikarakara fikaonan-doha momba ny hevitr'i Gulen izay nandraisana manam-pahaizana maro avy any Etazonia, Eraopa ary Azia afovoany anjara tamin'ny Novambra 2005. Niara-niasa tamin'ny IDI izahay tamina vinavinan'asa maro, fampianarana sy fanehoan-kevitra. Niverina tany Tiorkia aho tamin'ny Mey 2005 sy tamin'ny Jolay 2006 ary nifanojo tamina olona maro hafa ao amin'ny hetsika Gülen izay mainka nampitombo ny fahazoako ny hevitr'i Gülen sy ny fiantraikany eo amin'ireo olona monina ao Tiorkia sy amin'i Tiorkia izy tenany. Nanomboka tamin'ny diako voalohany tany Tiorkia, namaky dika maro tamin'ireo asa-soratr'i Gülen aho ary niresaka matetika momba ny asany tamin'ireo namako Tiorka. Mbola tsy isan'ireo havanana amin'ny fihevitr'i Gülen aho, amin'ny tantaran'I Tiorka ankehitriny sy ny sofisma. Na izany aza dia manam-pahaizana momba ny fandalinana ny finoana aho (ny filôzôfian'ny finoana maneran-tany), ireo finoana eran-tany ampitahaina ary toraka izany ihany koa ny siansa maha olona amin'ny ankapobeny. Manome fampianarana itambarana na fampianarana fandalinana momba ny siansa maha olona ao amin'ny fandaharam-pianaran'ny dingana faharoa sy fahatelo aho efa ho dimy ambinifolo taona izao. Ireo fampianarana ireo dia ahitana ny literatiora iraisam-pirenena nohampitahaina, ny fitondran-tena, ny filôzôfia taloha sy tsotra, ny filôzôfia politika ankehitriny ary koa ireo "asa-soratra vaventy" ao amin'ny fomba ara-tantara, ara-pilôzôfia, ara-pinoana sy araka ny literatiora Tandrefana sy Tantsinanana. Ny fijery miompana amin'ny ankapoben-javatra izay ananako dia mivelatra amin'ny fomba fisainana Tatsinana sy Tandrefana ny fahaizako manokana momba ny filôzôfian'ny finoana. Na izany aza anefa, rehefa nanomboka namaky ny dikan'ny lahateny sy lahatsoratr'i Gülen aho dia nampatsiahy aho zavatra maro ny amin'ny fifandraisana lalina izay hitako eo amin'ny asa-sorany sy ny tantaran'ireo izay ao anatin'izany.

Ny andraikitro ato amin'ity boky ity dia ny nametraka ireo hevitr'i Fethullah Gulen ho eo amin'ny sahatry ny siansa maha olona amin'ny hevitra mivelatra. Ny marimarina kokoa dia ny hamorona fifanakalozan-kevitra iray miseho amin'ny endrika lahatsoratra eo amin'ireo andininy voasoratra sy eo ireo lahateny voafantin'i Gülen eo andaniny ary etsy ankilany dia ny lahatsoratr'ireo mpandinika, mpanaraka, filôzôfa na manam-pahaizana voafidy eo amin'ny sehatry ny siansa maha olona amin'ny ankapobeny. Iretsy farany dia ahitana an-dry Confisius, Platon, Emmanuel Kant, John Stuart Mill ary i Jean Paul Sartre. Ny toerana misy ny hevitra tohanan'izy ireo eo anivon'ny sehatra midadasika ny siansa maha olona, na dia azo sokajiana ho petraka olana aza ny fanondroana tahaka izany dia miankina amin'ny famaritana ny "mahaolona" ihany. Ato amin'ity asa ity dia misafidy ny famaritana ny mahaolona izay faran'ny malalaka aho, famaritana iray tsy mametraka ho dika manohitra ny fijery ara-pinoana na ny mpino. Ireo filôzôfa matihanina sy ireo izay ao anatin'izany dia mamaritra ny "mahaolona" na ny "mpandala ny mahaolona" ny fomba fisainana sy fiheverana izay miverina hatrany amin'ny fahagola ary tena lavitry ny Protogoras, malaza tamin'ny filazana fa " ny olombelona no refin'ny zava-dehibe". Prootogoras dia tsy hoe tsy mpino, sahala amin'ireo filôzôfa grika tsotra hafa rehetra, tamin'ny taon-jato faha V talohan'i Jesosy Kristy dia manova ny fijeriny amin'ny fanontaniana momba ny natiora sy ny mandrafitra ny tontolo (rivotra, rno, singa, sy ny sisa rehetra) mba hifantohana amin'ny hevitry ny fahavelomana, ny lanjan'ny mahaolona, ny endriky ny fiainana mirindra ary izay mandrafitra ny fiaraha-monin’ny olombelona marina. Ireo lohahevitra ireo dia iraisana ary mifanahaka tanteraka amin'ny mahaolona sy ny ankamoroan'ny filojofa ary fahitana ny tontolo na amin'ny mahakasika ny finoana na tsia, dia afaka sokajiana ho mpandala ny mahaolona ihany koa.

Ny mahaolona eo amin'ny fahaterahana indray, izay mampiely ny fiheverana tsotra, dia mampirona ny fijeriny tsy ho amin'ny andriamanitra intsony fa amin'ny zanak'olombelona. Na izany aza, ireo mpandala ny mahaolona tamin'izany fotoana dia tsy hoe tsy mpino amin'ny ankapobeny ary tsy manosika amin'ny fandalana ny tsy finoana ho foto-kevitra. Ny fifantohana nentina teo amin'ny fahafahana sy ny fahombiazan'ny olombelona, miaraka amin'ny fahitana an'Andriamanitra izay tsy dia nampidirina lalina akory amina fomba fijery siantifika iray teraka tany Andrefana ka namela ny zanak'olombelona ahafantatra ny lalan'izao tontolo izao, izay Andriamanitra ihany no nanamboatra azy. Ireo mpandinika Eraopeana tamin'io vanim-potoana io dia tena tonga tamin'ity fijerena ny ivon'ny famakafakana lalina ny finoana Kristianina ity ary mbola manan-trosa amin'izy ireo ny manam-pahaizana mosilimo izay avy hatrany dia nandimby azy ireo, ireto farany izay efa nahafantatra mialoha ny mahakasika ny fitsaboana, ny kajy, ny fandinihina ny habakabaka, ny mahakasika ny zava-maniry ary lalana siantifika hafa maro ao anatin'ny finoan'izy ireo madio izay ny silamo. Amin'ireo tranga roa ireo, ny mahaolona dia tsy manambony ny fahamendrehan'ny fahefan'olombelona mitaha na mihoatra ny fahefana masina. Mifanohitra amin'izany aza, ny olombelona dia vavolombelon'ny herin'Andriamanitra ary manandratra Azy rehefa mampiasa ny fahafahana izay nomen'Andiamanitra azy ireo hitrandrahany ny zava-miafin'izao tontolo izao izay noforon'andriamanitra ary mampiasa izany fahalalana izany ho amin'ny fandrosoana sy fivelaran'ny fiaraha-monin'ny zanak'olombelna. Ity endrika isehoan'ny mahaolona ity dia tsy mampihozona velively ny finoana an'andriamanitra na ny fivavahana. Raha ny marina, ireo manam-pahaizana mosilimo, ary tato afara ireo manam-pahaizana, no ohatra tsara indrindra amin'ity endrika ity raha ny dika malalaky ny "mpino mpandala ny mahaolona".

Misy endrika isehoan'ny mahaolona ihany koa no tena manimba-zimba na tsy mpino. Nandritra ny vanim-potoanan'ny fandrosoana taorian'ny fiverenana, nisy fizarazarana nitranga teo anivon'ireo mpandala ny mahaolona amin'ny dika ankapobe izay mitsipaka manokana ny fijerin'ny tontolon'ny finoana n any zava-mahagaga, tonga hatrany amin'ny fankahalana tanteraka ny finoana. Ny mahaolona manimbazimba dia fizarana tsy mino eo amin'ny mahaolona izay tsy mifanaraka tanteraka amin'ny fijery mino. Na i Gülen, na iray amin'ireo mpandinika ara-pinoana dia tsy azo antsoina hoe mpandala ny mahaolona raha araka ny famaritana tery ny mahaolona io. Mitony an'izany koa ry Kant, Mill na Confisius; ireo olona rehetra ireo izay voasokajy ho mpandala ny mahaolona avokoa, ny hevitr'izy ireo dia toa miendrika fanehoana ny mahaolona, nefa na iray amin'izy ireo aza dia tsy misy tsy mpino. Ny famaritana tery, manimbazimba sy tsy mino eo amin'ny mahaolona ankehitriny noho izany dia tsy ilay famaritana avoitra ato anatin'ity boky ity velively.

Noho izany, ato anatin'ity boky ity aho dia mampiasa ny dika malalaky ny mahaolona, izay maneho amin'ny fomba tena marina fa ny fampiasana ny tantarany ankehitriny sy ny fahombiazana tsy manam-paharoa eo amin'ny sehatry ny fivavahana, ny filôzôfia, ny literatiora, ny fitondra-tena, ny fanehoana ny kanto, ny rafitra, ny siansa ary ny kajy izay notanterahan'ny zanak'olombelona noho ny fivoarany manokana. Ny fahalianana sy ny finoana dia misy lanjany ny fahefana, ny faneva ary ny fahafahan'ny zanak'olombelona mifehy, izay tsy manohitra mihitsy ireo lalana fototra na tantaran'ireo mpanompo Zanahary tokana telo lehibe. Na izany aza, atambatro amin'ireo mpandinika mandala ny mahaolona i Gülen noho ny asany, mitovy amin'ny azy ireo, mifantoka amin'ireo olona fototry ny fisian'ny zanak'olombelona izay efa hatramin'ny ela no tafiditra tao amin'ny lahatenin'ny mpandala ny mahaolona amin'ny endrika finoana na tsia. Amin'ny teny hafa, ireo mpandinika ireo dia liana amina fanontaniana fototra momba ny tena fiavian'ny zanak'olombelona, ny fiainana mendrika ny zanak'olombelona, ny endrika sy fitondra-tena. Ambonin'izany, tonga amina tsoa-kevitra mitovy izy ireo mahakasika betsaka an'ireo olana sy fanontaniana ireo rehefa avy nandinika ny fomba sy ny kolontsainy avy.

Raha milaza ny fitovitoviana aho, tsy midika akory izany hoe "mitovy". Ireo mpandinika ireo dia avy amina toerana samihafa, vanim-potoana, kolontsaina sy firenena, fombafomba ara-pinoana sy fivavahana ary ny sisa manaraka rehetra. Tena samihafa tokoa izy ireo satria amin'ampahany amin'ireo asa nataon'izy ireo, dia izy samy izy no mifampitoroka (sahala amin'ireo seho misy ireo mpanoratra vao) na azo eritreretina fa hampitoroka izy ireo amina toe-javatra maro raha toa ka tanatina tena fifanakalozan-kevitra (tsy anatine fifanakalozan-kevitra atsangana ihany. I Gülen dia mitsikera ankitsorano an'i Sartre, ireo miankin-doha amin'ny fisiana ary ireo tsy mino matetika tokoa ao amin'ny asany. Na izany aza dia tapitra eo amin'ny fametrahana ireo mpandinika ireo hifanakalo hevitra an-tsoratra amin'i Gülen irery ihany fa tsy ny iray amin'ny hafa akory, azo alaina sary an-tsaina ny resaka nateraky ny fahasamihafana lehibe misy eo amin'izy ireo. I Mill dia miaro karazam-pahalalana izay hitan'I Platon ho tsy mifanaraka amin'ny repoblika filamatra, mifamadika amin'izany, i Mill dia mihevitra ilay repoblika filamatr'i Platon ho jadona mangeja amin'ny endrika maro. Ny asa-soratr'i Sartre dia manohitra tanteraka ny fitenenana na filazana rehetra momba ny "Paradisan'ny hevitra" tsy ankanavaka sy izay tsy fantany na nosoratan'i Platon, Kant na Gülen. I Confisius, izay ny fijeriny miverina any Sina tamin'ny taon-jato faha VI dia tsy manana afa-tsy fijery vitsivitsy mitovy amin'ireo mpandinika tandrefan'ny hazavana na vanim-potoana manaraka toa an-dry Kant sy Mill.

Ny fifanakalozan-kevitra amin'ireo manana fahitana tena miavaka ny tontolo no mahaliana ahy. Ambonin'izany mino aho fa ny fifanakalozan-kevitra sahala amin'izany dia ilaina tokoa eto amin'ny tontolo ankehitriny izay ny fanatontoloana, ny fifaneraserana maro ary ny haitao no nanambatra olona sy vondrona maro tamin'ny fomba tsy mbola hita taloha teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Indrindra tamin'ireo izay efa lasa, ny olona miaina amin'ny taon-jato faha XXI dia mifandray ary miako amin'ireo olona na vondron'olona hafa izay tsy mitovy mihitsy amin'izy ireo. Ankehitriny isika dia mifampitaha amina olona sy vondrona maro izay ny fahitana ny tontolo dia hafa tanteraka noho ny antsika ary ireo olona ireo dia mifanolobodirindrina amintsika, mpiara miasa, mpiara mianatra amin'ny zanantsika, ny fianakaviantsika, ireo mpanjifantsika, mpampiasantsika sy ireo sisa rehetra. Matetika dia tonga ao an-tsaintsika ny hanena ireo olona mifandray amintsika indrindra amin'ireo izay tsy mitovy amintsika, mba tsy hahatafiditra antsika amin'izay ivelan'ny faritry ny mety amintsika. Mety koa isika mihitsy no manidy tena na mamorina faribolana ho antsika eo anivon'ireo vondron'olona efa mahazatra sy mitovy amintsika, mihevitra, miteny, mino, mivavaka sahala amintsika, nefa ny manidy tena na manena lanja ny maha hafa ny tena izany dia tsy voatana mandritra ny fotoana ela. Amin'ny tontolo ankehitriny izay ny fahaleovantena no mameno ny tany, dia tokony isika hampivelatra ny fahafahantsika mifanakalo hevitra ary mamorona fifandraisana amin'ireo olona tsy mitovy amintsika. Misy ampahany amin'io vinavina io no mitaky fitadiavana hevitra, finoana, tanjona ary vina hafa koa sy ireo manaraka eo amin'izay mety mba hifanarahantsika. Izany tsy midika akory hoe tokony hitovy daholo isika fa tokony hisy lafin-javatra maro iraisana amina sehatra samihafa, mba ho afaka mifandray tanana sahala amin'ny olona iray dia eto amin'ity fiainana ity ao anatin'ny fahatsapana tanteraka fa misy ny fahasamihafana tsy tambo isaina.

Gülen, nadritra ny maha mpitoriteny ampiasain'ny fanjakana tiorka azy, avara-pianarana sy mpampianatra izay nanintona olona maro nanerana an'i Tiorkia iray monontolo sy tany an-kafa ary mbola namporisika amin'ny fifanakalozan-kevitra izay ho azy dia fandavan-tena sy hetsika ilaina eto amin'izao tontolo ankehitriny izao. Noho izany, sahaza ny fametrahana amin'ny toerany an'i Gülen, amin'ny alalan'ireo lahatsorany, rehefa mifanakalo hevitra amin'ny mpandinika sy mpanoratra hafa avy amina toerana samihafa izy. Ny vinavina sahala amin'izao no maneho amintsika amin'ireo mpamaky fomba iray ifankazarantsika ao anatin'ny fahasamihafana. Izay amin'ny ankamaroan'ny fotoana dia manan-danja tokoa ka zary resak'ireo olona malaza amin'ireo fahalalany sy ireo fanomezana ataony hanampiana antsika rehetra izay liana amin'ireo fanontaniana ireo sy mba hifantoka lalindalina kokoa amin'ireo olana goavana tsy manam-pahataperan'ny fiainan'ny zanak'olombelona. Nefa ny fiainan'ny olona amin'ny maha izy azy dia miova manaraka ny toetrandro, ny endrika lalin'ny fiainan'ny zanak'olombelona sy ireo fametraham-panontaniana ary ny fanahiana naterak'izany dia tsy miova akory. Manontany tena iska ankehitriny sahala amin'ireo Razambetsika mikasika ny hevitry ny fisiana, ny lanjan'ny fiainan'ny zanak'olombelona, ny fomba tokony handrindrana ny fiaraha-monina sy ny fetran'ny fahafahana. Manantena aho fa izao takalom-pifanahafana eo amin'i Gülen sy ireo izay notanisaiko tany ambony ireo dia hanome antsika fahafahana. Satria eo an-tsorokotsika ny ho avy, izay andrasana amin-pahamatorana ny andraikitra hanorenantsika tena sy hananganantsika fiaraha-monina sy tontolo iray araka ireo hevitra mendrika indrindra.

Nikarakara fifanakalozan-kevitra teo amin'i Gülen sy ireo mpandinika hafa aho manodidina ireo lohahevitra dimy lehibe izay mamehy ireo fanontaniana sy olana fototry ny fisian'ny zanak'olombelona. Ireto avy ireo lohahevitra ireo: (1) Ny tena lanjan'ny olombelona sy ny fitondra-tena mendrika, (2) Ny fahalalahama, (3) Ny lafatra eo amin'ny maha olona, (4) Ny fanabeazana ary (5) Ny andraikitra. Ireo lohahevitra ireo dia fantatry ny mpianatra rehetra momba ny siansa mahaolona amin'ny ankapobeny na avy amin'ny andro fahagola izy na avy amin'ny vanin'andro ankehiriny; na avy any Eraopa, Azia na Afrika na amin'ny fomba fijery ara-pinoana na manimabazimba. Amin'ny lohahevitra tsirairay dia mamaritra mpandinika fototra iray aho ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra an-tsoratra ifanaovany an'i Gülen. Nisafidy ireo mpandinika fototra ireo aho rehefa nifototra tamin'ny fanitarana ny fanehoan'izy ireo manokana lohahevitra iray nomena tamin'ny fomba fanehoan'i Gülen an'io lohahevitra io ihany amin'ny fijery mosilimo. Mbola afaka misafidy mpandinika hafa maro sy azo antoka fa ahavita hitady fomba matanjaka anehoana hevitra tsotra, mahavita ary mihitatra mankany amin'i Gülen amin'ireo hevitra ireo aho. Nosafidiko iretsy mbola ho tanisaiko any am-para satria noheveriko fa izy ireo no miavaka indrindra amin'ny fahaizan'izy ireo maneho, raha any marina, satria manana fitiavana sy fanajana lalina ny asan'izy ireo aho, ary nampianatra mihitsy aza ireo heviny ireo teny amin'ny Oniversite efa ho dimy ambinifolo taona izao. Manampy izany ireo resadresaka ireo dia mamakafaka lohahevitra izay  inoaka fa manan-danja indrindra ho an'ny fanasokajiana akademika sy sivika.

Ireo fizarana rehetra ireo dia mifandray isaky ny lohahevitra ary mifanahaka ny tsirairay avy amina sehatra maro. Ireo fifanahafana ireo dia mahalana ary ny ankamaroan'ireo fizarana dia mahaleontena avokoa. Ireo mpamaky dia afaka mamaky ny fizarana araka ny filaharana tiany n any fizarana mahaliana azy fotsiny ihany, tsy hilana ny fifampitohizana misy ao amin'ny boky. Tsy ho "very" ao anaty lahatsoratra ireo mpamaky manao izany. Ambinin'izany, nosoratako izao boky izao ho hana-mpanjifa midadasika kokoa nohon'ny ankamaroan'ireo boky eny amin'ny anjerimanontolo. Tsy mametraka mialoha aho ny hoe ireo mpamaky ireo dia efa namaky ny asa soratr' i Kant, Sartre, Confisius, Platon, Mill na koa Gülen. Tsy naka naka fotoana namoronana fampahafantarana ny fiaimpiainam'ireo mpanoratra ireo aho. Ny fahamaroana loharano ao amin'io sehatra io no mahatonga ny fampahafantarana sahala amin'ireo ny ho mora azon'ny mpamaky. Ny tanjoko amin'izao boky izao dia ny hanazava ny hevitry ny mpandinika ireo araka ny fahitako azy ary mazava araka izay tratra ho an'ny mpanjifa faobe amin'ny ankapobbeny izy mety hanana fahalalana momba ny siansa maha olona tahaka ny nianarana izany tany Andrefana. Noho io antony io, nisafidy ny handefaamin'ny antsipirihiny maro sy mazava aho, izay, raha nanoratra ny boky ho an'ny anjerimanontolo mifantoka kokoa amin'ny fomba aho, dia mbola naka pejy maro sy famakafakana lahatsoratra. Manantena aho fa nanoratra boky nampita fahalalana ampy sy mahaliana izay ho hitan'ireo olona liana amin'ny tantaran'ny hevitra, ny tantaran'ireo izay ao anatin'izany ary amin'ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny kolontsaina fa ho ilaina sy mampientana.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.