Gülen sy Mill momba ny fahalalahana

Gülen sy Mill momba ny fahalalahana

Ny fisainanamandala ny mahaolona dia mametraka ny fahalalahana hihevitra eo anivon'ny fandaharam-potoany, ara-poto-pisainana, ara-piaraha-monina ary ara-politika. Ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahalalahana hitokona am-pilaminana eny an-dalambe, ny fahalalahana amin'ny finoana, ny zo hivondrona sy hafa mitovitovy amin'izany any Andrefana dia vokatry ny fahatanterahan'ny fahalalahana voalazan'ny fandalana ny mahaolona ankehitriny, nefa any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao, isan'izany ny any amin'ny tany mosilimo, ireo fahalalahana ireo dia avy amina loharano hafa. Raha ara-pisainana, ny fahatanterahan'ny fahalalahana dia efa hatrany amin'ny fahagolan-tany rehefa manetsika ny momba azy ireo ireo filôzôfa, nifaninana teo ry zareo mombana hevitra samihafa, samy nihezaka nandresy lahatra ireo izay tiany hihaino azy. Ny ankamaroan'ireo hevi-dehiben'ny fanabeazana dia avy amin'ireo filôzôfa ireo izay, na dia novonoina sy natao sesitany noho ny heviny aza izy ireo, dia sahy nihevitra sy niteny tamin-pahalalahana, nanda ny hampangina ny heviny sy ny feo rehefa nandidy azy ny fitondrana.

Any andrefana ankehitriny, filozofa maro sy mpanoratra no milaza io hevitry ny fahalalahana io amin-kery lehibe. Nefa raha araka ny hevitro, tsy mbola nisy namboraka io fihevitra io tamim-pomba feno sy tena nifotorana mihoatra ilay manam-pahaizana ara-piaraha-monina sy ara-politika britanikan'ny taonjato faha XIX John Stuart Mill. Ao amin'ity fizarana ity, ampiresahako amin'i Gülen i Mill momba ny fahalalahana mihevitra. Mill sy Gülen dia samy hafa tokoa, amin'ny fomba fiseho na fanehoana. Na eo azan y zava mitranga sy fomba fijery samihafa, izy roa ireo dia samy milaza ny fahitana manokana ny fiaraha-monina izay, farafahakeliny amina lalana, samy mandefitra amin'ny resaka finoana sy ny fivavahana, ka mamela fanadihadiana sy ady hevitra matotra momba ireo fanontaniana mifandraiky amin'ny fahamarinana ary amin'ny ankamaroan'ny fotoana dia mahenika ny sehatra rehetra mihitsy. Ireo fitoviana eo amin'ny :fiaraha-monin'" izy ireo dia nisy noho ny fanoloran-tena nitovizana ho an'ny fiheverana ny fahalalahana, indrindra amin'ny fomba fisainana sy fieritreretana.

Mill dia fantatra indrindra amin'ny fandalana ny filana, ny asa momba ny filôzôfan'ny fitondra-tena, izay ilako hevitra matetika ato amin'ity fizarana ity. Nefa, tiako raha mifantoka aloha ao amin'ny asany indrindra izay asany goavana, "De la liberté", navoaka tamin'ny 1859. Ao amin'io lahatsoratra io, Mill dia mametraka ny vinan'asany toy ny filazana ny fahalalahana ara-piaraha-monina sy sivily, izany hoe "ny fiandohana sy ny fiafaran'ny fahefana izay ny fiaraha-monina no afaka mampiatra ara-dalana azy amin'ny tsirairay." Manazava izy fa vao tsy ela tany Andrefana, nisy vondron'olona taloha niahiahy ny fanararaotam-pahefana ataon'ireo mpitsara ary, vokany, niteraka endrika maneho fitondrana izay manila ny fahefana nifehy nananan'ireo mpanjakan'ny lalana masina sy ny hafa. Izy sy ireo naira-taona taminy dia samy nahazo tombony tamin'izany ady izany, ary tamin'ny ankamaroan'ny tranga, dia tsy niady akory tamin'io karazana fanararaotam-pahefana io.

Mill milaza fa ny vaninandro ankehitrriny, izany hoe ny taonjato faha XIX any Grande Bretagne, dia tokony heady amina fanararaotam-pahefana hafa, fantatra amin'izany ny fanararaotam-pahefana ataon'ny maro an'isa. Miteny izy:

Ny miaro tena amin'ny fanararaotam-pahefana dehyia tsy ampy noho izany. Mila ihany koa miaro tena amin'ny fanararaotam-pahefana amin'ny hevitra sy ny fihetseham-po mifehy, miady amin'ny fironan'ny fiaraha-monina izay tsy manery, amin'ny fomba hafa ankoatran'ny fanasazian'ny lalana, ny heviny manokana sy ny fanatanterahany 'izany sahala amin'ny lalan'ny fitondra-tena ho an'ireo izay tsy mankasitraka ny heviny. Mbola mila ihany koa miaro tena amin'ny fironana amin'ny fisakanana ny fampandrosoana. Raha tsy izany dia rarana ny fiforonana. Amin'izay rehetra tsy mifanaraka amin'ireo fombany ary managana endrika iray amina maodely efa vita mialoha. Misy fetra ny tsy fahafehezana ara-dalana ny hevitra iombonana ao anatin'ny fahaleovan-tenan'ny tsirairay: mitady io fetra io, ary ny miaro azy amin'ny fanitsikitsihana rehetra, dia tena ilaina tokoa ho an'ny fampandehanana ny raharahan'ny olombelona noho ny fiarovan-tena amin'ny fanjakazakana ara-politika.

Amin'ny teny hafa, Mill dia mahita fanararaotam-pahefana lalina ao amin'ny fiara-monina na dia misy aza fitondrana mipetraka. Izany dia fanararaotam-pahefana ara-piaraha-monina sy sivily, famoretana ataon'ny fiaraha-monina amin'ireo mpikambana ao aminy mba hanarahan'izy ireo ny finoany sy ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ary ireny dia tanterahan'ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny fiaraha-monina. Vokany, araka ny fomba fisainan'ny maro an'isa, ny rehetra dia tokony "hamindra" na terena hanao izany. Mill dia mitsipaka io fanararaotam-pahefana io ary naka finiavana hamaritra ny lalana izay avy aminy no hanamarinana ny tsy fahafehezana ara-dalana ny fanjakana na ireo olon'ny fiaraha-monina miaraka amin'ny fahalalahan'ny isam-batan'olona, satria ireny fahamarinana ireny amin'ny ankamaroany dia mifototra amin'ny fitiavana manokana na fahazarana. Mampiseho ny lalanan'ny fahalalahan'ny olom-pirenena izy eo am-piandohan'ny andrana nataony:

Ny fiafarana tokana izay azo hitsarana ny olombelona, tsirairay na tamba-be, amin'ny fahalalahan'i anona na i anona mpikambana ao aminy hihetsika, dia ny fiarovan-tena ara-dalana. […] Ny tanjona tokana azo iantorahana amin-kery amin'ny fanazavana ny mpikambana rehetra ao amina fiaraha-monina mandroso, iadiana amin'ny sitra-pony, dia ny fandrarana azy tsy hanao ratsy amin'ny hafa. Ny harenany, ny tenany ary fisainana, dia tsy fanamarinana ampy. […] Amin'azy ihany, amin'ny vatany sy ny fanahiny, no manam-pahefana ny olona iray.

Io dia lalana fototry ny fahalalahana, izay angamba tsy misy na dia fiaraha-monina iray ankehitriny aza manatanteraka azy an-drariny. Manao ratsy mivantana izy ary azo refesina ataony amin'ny hafa izay hany antony tokana mitombina fa ny fanjakana sy ny manam-pahefana sivily no afaka miditra amin'ny isam-batan'olona. Io lalana io izay hitan'i Gülen ho malalaka loatra. Ohatra, ny silamo dia mandrara amin'ny ankapobeny ny fanaperana ny andro iainana noho izany ny lalanan'ny fahalalahan'i Mill tapitra hatreo amin'ny ratsy atao amin'ny hafa, fa tsy amin'ny tena, dia tsy feno. Gülen, miombo-kevitra amin'ireo fampianaran'ny silamo, dia hiteny fa angamba tsy hisy olona hanan-jo hanao ratsy amin'ny tenany amin'ny alalan'ny famonoan-tena. Misy na dia izany aza fifandraisana eo amin' i Gülen sy Mill momba ity hevitry ny fahalalahana ity, indrindra eo amin'ny sehatry ny fiheverana sy ny firesahana, izay anokanan'i Mill fizarana iray manontolo ao amin'ny andrana ataony.

Mill dia manohana tsy amim-pisalasalana ny fahalalahana mihevitra sy miresaka, na dia hevi-diso aza no tenenina sy resahina eo anivon'ny fiaraha-monina. Miteny izy fa ny filazana iray izay raisin'ny vondrona iray  na diso na marina, eo anelanelan'izy roa ireo – marina amin'ny ampahany na diso amin'ny ampahany – Na izany na tsy izany, ny tombontsoan'ny fiaraha-monina dia voahaja rehefa izy mamela ny fahalalahana hiteny sy hiresaka ny hevitra. Raha marina ny hevitra, ny olona dia hahazo fitiavana vaovao indray ny marina amin'ny alalan'ny fiadian-kevitra amin'izany amin'ny fijerena indray ireo hevitra manohana ny fahamarinany, ary amin'ny alalan'ny fiadiana amin'ireo izay manimba izany. Amin'izany, ireo hevitra marina dia hijanona ho velona sy ho ren'ny olona fa tsy hanjary samba sy hatory fotsiny amin'ny maha marina azy hatry ny ela azy. Raha diso ny hevitra, ny fiaraha-monina dia hahazo tombony indray amin'ny resaky ny be sy ny maro. Ny porofon'ny tsy fahamarinany dia ho haverina jerena sy hazavaina amin'ny olona rehetra voakasika amin'izany, izay mifampitohy amin'ny fahafahan'izy ireo mandray ny marina amim-pahatokisana kokoa mitaha ny teo aloha noho ny finoana vaovaon'izy ireo marina. Amin'ny ankamaroan'ny tranga, miteny Mill, ny hevitra aposaka dia fifangaroana lainga sy marina. Tsy misy olona tena manana ny marina amin'ny totalibe ao aminy na iza na iza, ny fanahin'ny olona dia tsy afaka mampivoitra zavatra iray manontolo amin'izay nanomezana azy, na koa ny momba an'Andriamanitra na ny tsy manam-pahataperana, satria isika dia tsy mahalala ny tena fonosin'ny zavatra tsirairay, fa kosa ny fahatsapantsika ny zavatra amin'ny toerana misy antsika. Fanampiny, ny fanahy voafetra dia tsy afaka mampivoatra ny tsy manam-pahataperana. Noho izany, ny hevitra rehetra dia tokony azo lazaina amin-pomba malalaka eo anivon'ny fiaraha-monina mba hanamafisana ireo marina amin’ny ampahany ho tonga fahamarinana tena fenon'ny fomba fanoloran-tena sy ady hevitra malalaka.

Ny hatsarana ara-piaraha-monin'ny fahalalahana mihevitra sy miady dia mazava kokoa, nefa Mill dia mirona lavidavitra any amin'ireo ako mampihetsi-po noho ny fahalalahana hihevitra momba ny olona tsirairay izay mandrafitra ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina, indrindra izay mahakasika ny finoana, mandrara amin'ny ankamaroany ny fahalalahana hihevitra sy hiady hevitra mba hihezahana hanajanona ny foto-kevitra manohitra ny an'ny be sy ny maro, nefa ny fandrarana sahala amin'izany dia tsy misy akory vokany eo amin'ny fanoherana mihoatra amin'ny hafa.

Nefa tsy an'ny fanahin'ny fanoherana no simban'ny valim-pikarohana rehetra natao, fehiny, tsy hifanaraka velively amin'ny toetran'ny fahamarinana. Ny tena mijaly amin'izany dia ireo mpihevitra tsara, izay ny fivelarana ara-tsainy no voatohitohina ary ny fisainana dia hajakan'ny fanahiana amin'ny fanoherana. Iza no afaka hikajy ny fatiantok'izao tontolo izao ao antin'ireo hamaroana fanaritan-tsaina itokisana miaraka amina toetra saro-kenatra izay tsy mahasahy maneho hatram'ny farany akory ny fitohizana hevitra tsara rindra, matanjaka sy mahaleontena noho ny tahotry ny hiafara amina fehy hiverina ho tsy ara-pinoana na tsy mifanaraka amin'ny lalan'ny fiaraha-monina.

Ny hevitr'i Mill dia ny fanahiana be loatra ny fanoherana no manimba, tsy ireo mpanohitra irery fa koa ireo manana hevitra tsara sy vaovao hozaraina momba ny zavatra rehetra, isan'izany ny fomba nampitaina, na dia ireo raisina ho masina aza. Rehefa ny fanasaziana ny fanoherana no tena mafy eo amin'ny fiaraha-monina, na rehefa mandrahona amin'

Ny lalana ny fiaraha-monina izay milaza hevitra hafa ankoatra izay nahazoana alalana avy amin'ny fitondrana ny vahoaka, ny fiara-monina manontolo no mijaly amin'izany. Ny herin'ny saina dia tonga miaraka amin'ny fanatanterahana sy ny fanoherana. Ny fiaraha-monina izay mandrara ny fiheverana sy ny ady hevitra dia manjary asa sy mihakely. Manohy i Mill:

Tsy mitombina ny haha mpandinika lehibe raha tsy mihaiky fa ny adidiny voalohany dia ny manaraka ny fanaritan-tsaina, na inona na inona mety ho fiafarana haterak'izany. Ny marina dia mahazo tombonykokoa amin'ny fahadisoan'ny olona izay, aorian'ny fianarany sy ny fiomanana ilaina, mihevitra aminy ihany, fa ny hevitra marina izay mitazona manokana azy ireo satria izy mandrara ny tenany tsy hihevitra.

Hafa indray, ireo hevitra marina dia tsy mandroso mihitsy ary mihaosa rehefa tsy entina matetika anivona adihevitra sy resaka. Ireo izay mandray ny hevitra marina dia tsy mandray izany feno raha tsy omena fotoana hieritreretana malalaka, izay mety hidika hoe ny fametraham-panontaniana momba ny marina dia norasaina sahala amin'izany hatramin'ny ela. Mill di milaza fa na izany aza fa ny tanjona dia tsy hamorona mpandinika mahaleontena fotsiny. Miteny izy:

Tsy hoe ny fahalalahana hihevitra dia ilaina manokana ho an'ireo mpandinika goavana. Ny mifanohitra amin'izany aza, izy dia tena ilaina, na mihoatra izany aza. Amin'ny olon'ny fitoviana mba ahafahany mahatratra ny halalinan-tsaina izay vitany. Nisy ary hisy hatrany, mpandinika goavana mahaleontena eto amin'ity tontolo ankapoben'ny fanadevozana ara-tsaina ity. Nefa tsy nisy hatrizay ary tsy hisy mandrakizay amina tontolo sahala amin'ny vahoaka lalin-tsaina mihetsika izany.

Hitantsika eto fa maneho ny fiheverana falalahana ho an'ny tena fandalana ny mahaolona miampy ny fisainana filana an'i Mill. Io voalaza io dia mampiditra ny tena finoana fa ny zanak'olmbelona dia voahary mihevitra, mitady ny marina amina zavatra maro miainga amin'ny maivan-danja mankany amin'ny tena tsara, izay mamorona ny tena tsara ary izay hetsika ataony dia tafiditra anatin'ilay antsoina hoe zanak'olmbelona. Ny fahalalahana mihevitra, miteny sy mikaroka dia tsy natokana ho an'ireo manam-pahaizana, izay tsy hahavita hizara ny fahaizany ho an'ny soa iombonan'ny fiaraha-monina raha tsy nisy ny fahalalahana miasa; ny fahalalahana dia mety ho tena ilain'ireo olon-tsotra miaina ny fiainany, olona tsotra marani-tsaina, mba hahafahany miaina malalaka sy manolo-tena amim-pahalalana. Ity dia manome tombony ny fiaraha-monina, noho izany dia fitakiana filana sy fampiasana, nefa kosa fandalana ny mahaolona noho ny zavatra entiny amin'ny olon-tsotra. Ny olona tsirairay amin'ny ankapobeny dia tokony ho afaka mihevitra malalaka, manao fikarohana sy miteny,  satria izay no manao azy ireo ho olombelona, ary izay ihany rehefa tanteraka isika vao afaka manangana fiaraha-monina natao ho an'ny zanak'olombelona, sady fiafarana no fomba ihany koa.

Eto, isika koa dia afaka mitondra an'i Gülen ho ao amin'ny resaka, satria amin'ny ankamaroan'ny fotoana, izy dia miteny ny fiheverana fahalalahana nandala ny mahaolona sy filana. Gülen dia miteny matetika ao amin'ny sorany ny fanalalahana manoloana ny fanagejana. Amina tranga maro, izy dia miainga amin'ireo fanagejana iainan'ireo karazana vondrona mosilimo maro ankehitriny eo ambany fahefan'ny foto-pisainana laika sy ny fanandevozana. Na izany aza, amina tranga hafa koa, tenenina amin'ny filaza mafao-be kokoa ny fahalalahana izay ny isam-batan'olona dia manana ao aminy ny sata maha olona azy. Ny heviny dia nitondra ako teo amin'ny lalanan'ny fahalalahana nataon' i Mill raha izy niteny fa " ny fahalalahana dia mamela ny olona hanao izay tiany, raha toa ka tsy nandiso ny hafa izy fa mijanona amin'ny filazana ny marina." Ny teny farany – "fa mijanona tanteraka amin'ny filazana ny marina." – dia mety hanembatsembana an'i Mill raha atao in-dray mijery, nefa mety afaka hiteny izy fa ny olona izay very na voafatotry ny hadisoana dia milaza tanteraka ny marina; diso tsotra izao izy ireo ny amin'ny momba ny marina. Miteny na mihetsika "tsy amim-pitenenana ny marina" dia mety hampiditra, ho an'i Mill sy Gülen, zavatra sahala amin'ny fitorohana diso, fanalam-baraka na ny fiantsoana "misy afo" amina teatra hipoaka nefa ty misy afo akory.

Ny antson'i Gülen ho amin'ny fandeferana dia tsy azo  eritreretina akory raha tsy misy fanoloran-tena ho an'ny fanalalahana hihevitra sy hiresaka, ilaina satria ny fandeferana dia tsy ilaina raha toa ka ny fahalalahana hihevitra, hiteny, hanao izay safidin'ny tena manokana, tsy hahazoana alalana. Ny fandeferana dia sata voamarina satria ny olona malalaka ary misafidy ny finoany, ny fivavahana sy ny fironana ara-kevitra samihafa. Gülen dia mampatsiahy izany matetika, indraindray antina resaka manokana momba ny demokrasia ranoray, na momba ny demokrasia sy ny silamo, izay tsy ahitany fifandraisana mihitsy. Amina andalana momba ny famelana, Gülen dia mampitohy ny fandeferana amin'ny demokrasia noho ny fahitana ny fahalalahana. "Ny demokrasia dia fomba iray, hoy izy, izay manome ireo rehetra izay ambanin'ny elany fahalalahana miaina sy miteny ny fihetseham-pony manokana sy ny heviny. Ny fandeferana dia mampiseho ny velaran'ny lanjan'io fomba io. Raha ny marina, tsy afaka miteny noho izany ho misy demokrasia ao amin'izay tsy misy fandeferana."

Ny filazana sahala amin'izany dia tsy mitondra na izany aza ny endrika fototry ny filazan' i Mill momba ny filana ny fahalalahana sy ny fiarovana izay ilain'ny olona iadiana amin'ny fanagejana ara-piaraha-monina. Tsisy afa-tsy rehefa mampiseho ireo filazany momba ny zanak'olombelona lafatra sy "mpandova ny tany" sahala amin'ny iantsoany azy ao amin'ny  iray amin'ireo bokiny ataon'i Gülen no ahitantsika tsy ny fanoloran-tenany lalina ho an'ny fahalalahana fotsiny ihany, fa koa ny anton'ny fanoloran-tena sahala amin'izany; ireo antony tena mahaolona tokoa. Ao amin'ny "Statue de nos Ames" , izy dia mampiseho fijery midadasika fiaraha-monina iray sy tontolo iray tantanana olona hamendrehana ara-panahy, ara-pitondra-tena sy ara-pahalalana. Antsoiny ireny olona ireny hoe "Ireo mpandovan'ny tany" ary faritany amin'ny antsipirihany ny toetrany sy ny fananany. Ao anatin'ny fitanisany ny toetra fototr'ireo, dia tondroiny ny fahadimy amin'ireo toetra ireo toy ny "fahafahana mihevitra malalaka sy manaja ny fahalalahana mihevitra."

Ny fahalalahana sy ny fahafahana mahatsapa izany fahalalahana izany dia mitana halalinana lehibe amin'ny fandava-tenan'ny olona sy varavarana misitery izay ahafahantsika mitrandraka ireo tsiambaratelontsika anaty. Izay tsy afaka manomboka io fitrandrahana io ary mandalo amin'io varavarana io sarotrarotra no iantsoana azy hoe olombelona.

Ny fahalalahana hihevitra noho izany dia ivon'ny zanak'olombelona sy an'ny maha olona izy tenany.Raha tsy misy ny fahalalahana hihevitra, tsy amin'ny maha lalana ara-piaraha-monina sy politika azy fotsiny fa koa amin'ny maha fahafahana ao aminy, dia tsy afaka tena sokajiana ho olombelona isika. Amin'ny teny hafa, tsy afaka hahatratra ny fahafahana maha olona isika raha tsy misy ny fahalalahana hihevitra. Manazava i Gülen:

Amina tranga izay ny fanenana dia nandidiana izay vakiantsika, sainintsika, vakiantsika sy iainantsika, dia tsy hisy velively ny fitahirizana ny fahafahana ny maha olona antsika, ary indrindra fanovana zavatra hanavaozana na fivoarana. Amina fisehoana sahala amin'izao, dia sarotra ny mitazona ny hasin'ny olo-tsotra ary koa ny fampivelarana ny toetra lehibe izay miabo miaraka amin'ny fanahin'ny fanavaozana sy ny fanorenana, izay ny fijery dia hifantoka amin'ny tsy manam-pahataperana. Amina fepetra sahala min'izany, dia tsy misy afa-tsy toetra osa izay ianjadiana fanovana ny maha iy azy, sy olona izay ny fanahy dia tafiditra anaty torimaso lalina ary ny vavahadin-tsaina tsy miasa intsony.

Ny fivelaran'ny olona sy ny ara-panitarana ny fivelarana ara-piaraha-minina sy fitomboana – ny fanorenana sy ny fivoarana rehetra – dia miankina amin'ny fahalalahany mihevitra sy miaina. Ny fiaraha-monina izay tsy manana izany fahalalahana izany dia tsy afaka mamoaka olon'ny fanahy sy manana fahitana afaka mitondra mankany amin'ny endrika vaovao. Raha nono izany aza angamba, ny fiaraha-monina sahala amin'izany dia tsy mandrisika ny olon-tsotra ohahatratra ny totaliben'ny fahafahana maha olona azy. Ireo hevitr'i Gülen dia miako et amin'i Mill satria izy mandray ny tranga sy antony ho amin'ny fahalalahana noho ny filana izany eo amin'ny fiaraha-monina sy ny lanjany amin'ny maha olona. Raha ny marina, ny voalohany dia nifototra amin'ilay faharoa; ny tiako ho tenenina, ny fahalalahana dia manome tombony ny fiaraha-monina noho ny ataony mba hanamoronana sy hampivelarana ny zanak'olombelona amin'ny maha olona azy. Tahaka an'izany efa hitantsika tany amin'ny fizarana taloha, ny zanak'olombelona dia manana ny lanjany lehibe. Izy dia manaraka ny fampivelarana ny fahafahn'ny maha olona, na ny "zanak'olombelona, ary manandratra ihany hasina lehibe.

Gülen dia mitaraina mom ny tantaran'i Tiorkia taoao sy faritra mosilimo hafa izay nisedran'ireo mponina, indraindray mbola mitohy ny fisedrana, ireo rafitra ara-piaraha-monina izay ny fahalalahana hihevitra sy hianatra dia voarara, na amina didy mivantana, na noho ny foto-pisainana matanjaka tohanan'ny fanjakana. Mahakasika ny tontolon'ny fanabeazana mosilimo manokana, milaza ny lasa izy velon'ny fahalalana midadasika sy fampianarana mivelatra ho ana sehatra samihafan'ny fahalalana sy ny fikarohana siantifika. Amina fandrosoana sahala amin'izany, ny famaritana mahakasika ireo fetra mifanahaka amin'ny fahalalahana dia nifototra tamin'ny "Sonnan'" ny Mpaminany Mohammad sy loharano mosilimo nitovy karazana amin'izany, izay izy ihany no manome lanja lehiben'ny fahalalahan'ny olombelona. Ity fanahin'ny fahalalana mivelatra ity dia manana na dia izany aza fandavana ny fahaterem-panahy sy ny nanao fitadidiana tsianjery ireo lahatsoratra ho marina sy manana ny hasiny. Nanomboka teo, ny toetra maha olona rehetra dia nitotongana malaky, ary lasa haza mora ho an'ireo mpangeja, ireo mpandala ny foto-kevitra sy ireo mpanjanaka nahazo fahafahana hanao izany.

Mononofy fanavaozana izy eo amin'ireo mosilimo mba hahafahan'ny kolontsaina mosilimo maka ny toerany eo amin'ny fitantanana izao tontolo izao, sahala amin'ny nataony tamin'ny taonjato maro lasa izay ny ankamaroan'ny kolontsaina dia avy amin'ny tontolon'ny silamo avokoa. Mba hahatongavan'izany, miteny izao izy:

Tokony isika halalaka kokoa na amin'ny fiheverana na amin'ny fandava-tena. Isika dia mila ireny fo goavana afaka mandray ny fahalalahana mihevitra tsy miandany ireny, izay misokatra amin'ny fahalalana, ny siansa sy amin'ny fikarohana siantifika sy izay afaka mampivoatra ny fifandraisana misy eo amin'ny Korany sy ny Sonna eo amin'ny tsipika izay mivelatra eo amin'ny tontolon'ny fiainana.

Raha tsy misy fanavaozana ny fahafahana mihevitra malalaka manokana sy mitambatra, ny kolontsaina mosilimo, eny ny kolontsaina rehetra dia, dia ho very, tsy misy fisiana olombelona marina sy matanjaka raha tsy misy fahalalahana hihevitra. Tsy misy fisiana halebiazana eo amina kolontsaina raha tsy misy olombelona marina.

  1.  Gülen sy Mill dia mifandray noho izany amin'ny alalana toetra maro eo amin'ny andraikitra mahavelona izay lalaovin'ny fahalalahana eo anivon'ny fiaraha-monina amin'ny filazana ny tena asany sy ny fanolora-tena mandala ny mahaolona amin'ny ankapobeny.Ny fiaraha-monina iray mandrara ny fahalalahana dia tsy fiaraha-monina vanona sy mandroso, na koa fiaraha-monina izay manome lanja ny olona, na dia miezaka miaro ny famoretana ataony aza izy amin'ny alalan'ny fiantsoana ny tombontsoan'ny maha olona.

Amin'ny fotoana rehetra, tiako ankehitriny ny miresaka ny ny fahalalahana eo amin'i Gülen sy Mill, amin'ny endriny tsy dia samihafa loatra. Izany dia mifandray amin'ny toetran'ny fahalalahana izay izy roa ireo dia samy manome lanja izany amin'ireo bokiny avy. Andeha jerentsika ny toetran'ny fahalalahana izay takian'ny tsirairay ho an'ny zanak'olombelona dia karazana izay tsy misy afa-tsy ny olombelona ihany no manana azy ary manamafy vokatra izany ny hasina manokana izay hananany eto amin'ity tontolo ity, izay hitantsika ao amin'ny lahatenini'ny mpandala ny mahaolona.

Momba ny lohahevitry ny fahalalahana, Mill dia fatratra tokoa amin'ilay andrana nataony "De la liberté", izany no nahatonga ahy hifantoka aminy ato amin'ity fizarana ity. Ny asany iray goavana dia ny "L'Utilitarisme", asa iray momba ny filôzôfian'ny fitondra-tena izay mitsipaky ny feheveran' i Kant izany fitondra-tene izany ary mihezaka mandrafitra filôzôfian'ny fitondra-tena iray mifototra amin'ny fahasambarana sy ny fahafinaretana. Ny fandalana ny filana amin'ny maha filôzôfia azy dia niseho talohan'i Mill ary nanana anarana maro izy nandritra ny tantara, isan'izany ny "Epicurisme". Ny anarany tena niely tamin'ny andron'i Mill dia ny "lalanan'ny faratampon'ny fahasambarana". Mill dia mamaritra ny fandalana ny filana ao amin'ny bokiny:

Ny finoana izay manaiky ho fototry ny fitondra-tena ny filana n any lalanan'ny faratampon'ny fahasambarana dia manohana fa izay asa soa ho azy amin'ny hamaroan'ny fironana mankany amin'ny fanomezan-danja ny hasambarana ary haratsiana ho azy amin'ny maha izy azy dia misarika amin'ny famokarana ny mifanohitra amin'ny fahasambarana. Amin'ny alalan'ny fahasanbarana, dia tokony hiandrandra fahafinaretana ary tsy fisiana fangirifiriana ary tsy fisiana fahafinaretana. […] Ny hoe fahatsapana fahafinaretana sy ny hoe afaka tamin'ny famgirifiriana no zavatra tokana azo antenaina ho fiafarana, ary ny zavatra rehetra azo iriana (izay betsaka tokoa ao amin'ny fandalana ny filana noho ny any amin'ny hafa) ho azy dia avy amin'ny fahafinaretana ary ilainy, na toy ny fomba hanomezan-danja ny fahafinaretana na handrarana ny fangirifiriana.

Ao amin'ny fandalana ny filana, sahala amin'ny tao amin'ny "Epicurisme" taloha, ny fahafinaretana sy ny fangirifiriana dia nanjary toetra nanamarika izay tsara, faniry ary raha ny marina dia izay tsara na ratsy. Mill dia mamaritra eto ny fandalana ny filana amin'ny fomba tena mifanaraka tanteraka amin'ny filôzôfia grika taloha. Manazava izy avy eo fa, sahala amin'ny mpikambana rehetra taloha tao amin'ny Epicurisme, izy sy mpandinika maro hafa mandala ny filana no voapangan'ireo olona mpitsikera ho nandray ny filôzôfia iray izay ny kisoa irery no sahaza azy satria izy dia tsy manana zavatra mahasarika ankoatra ny fahafinaretana, ary izany dia mitovy "tanteraka amin'ny kely sy tsy misy dikany; toy ny mandray foto-pisainana mendrika ny zana-kisoa." Mill dia mamaly io fanosena io sahala amin'ny fomba namalian'ireo mpanaraka an'ny Epicurie hatrizay, fantatra amin'izany ny fitenenana fa tsy ny mpandala ny filana n any tsikeran'izy ireo no mametraka amin'ny toeran'ny "kisoa" ny olombelona satria izy ireo miteny fa ny zanak'olombelona dia afa-manao afa-tsy ny fahafinaretan'ny kisoa. Amin'ny teny hafa, ny olona dia mitsipaka ny fanarahana ny fotokevitr'i Epicure (antsoina matetika hoe "hedonisme-"n' ny fotondra-tena) na "lalanan'ny faratampon'ny fahasambarana" satria ao anatin'ny fanahin'izy ireo, ny tena sahala amin'ny "fahafinaretana' sy "fahasambarana" dia mamoha sary manentana ny fahatsapana sy ny fisiana mihoa-papana. Raha izany no hevitry ny "fahafinaretana", nefa azo antoka fa mitsipaka azy ny olona sahala amin'ny takela-by manondro fitondra-tena. Mill, tahaka ireo mpanaraka an'i Epicure, dia mitsipaka noho izany ity fitsikerana ity satria voalohany indrindra izy dia mahita toy ny voahary manana fahafahana goavana toy ny biby, ary noho izany afaka sy mendrika ny fahasambarana lehibe. Manazava izy:

Ny fampitahana ny fiainana manazava ny endrik'i Epicure mitaha amin'ny fiainan'ny biby dia mahatsapa sahala amin'ny fanimbana mazava ho azy satria ny fahafinaretan'ny biby dia tsy manome fahafaham-po ny fahitana izay ahazoan'ny olombelona ny afahasambarana. Ny zanak'olombelona dia manana fahafahana ambony kokoa noho ny fanirian'ny filana misy amin'ny biby, ary rehefa tonga saina amin'izany izy, dia tsy handray zavatra izay tsy afaka honome azy azy fahasambarana raha toa io zavatra io tsy hitondra ny fahafaham-pony. […] Izahay anefa dia tsy mahalala fahitana ao amin'ny fandalana ny foto-kevitr'i Epicure hoe manosika ny fanaritan-tsaina ao anatin'ny fahafinaretana, ao amin'ny fihetseham-po, amin'ny alalan'ny fakana sary an-tsaina  sy ny fihetseham-po ara-pitondra-tena, janja iray tena ambony noho ny an'ny fahafinaretan'ny fahatsapana tsotra.

Hitantsika eto noho izany fa misy fahasamihafana lehibe eo amin'ny fahafinaretan'ny biby sy ny olombelona ary fanambarana ny fanaovana sy ny fahafahan'ny olona izay hatramin'ny nahariana azy dia nahita ny fahafinaretany tamina zavatra mendrika. Ireny zavatra mendrika ireny dia amin'ny sehatry ny fanahy, ny fihetseham-po ary ny fisainana kokoa noho ny tamin'ny sehatry ny vatany sy ny fahatsapana. Mill dia tsy manda ny hoe ny olombelona dia afaka mahazo ny fahafinaretan'ny fahatsapana sy ny vatana, lavitra izany. Izy dia miaro tena fotsiny amin'ny fiampangana izay hoteneniny hoe filôzôfia ary manana ny fahafinaretana ara-tsapa ho vato fehizoro. Ny zanak'olombelona hany ilay tokana manana ny fahafahana mitondra tena sy manamboatra filôzôfia ara-pitondra-tena, manana fahafahana lehibe hahatsapa fahafinaretana noho ny biby. Ireo fahafinaretana izay vato fehizoron'ny filozofia sahala amin'izany noho izany dia mendrika ho azy.

Mill dia manohy amin'ny futenenana fa ny olombelona izay manana traikefa lehibe ao amin'ny fahafinaretana miabo sy miiba dia manome fankatoavana madio sy voalohany ary mankatia karazam-piainana izay manome lanja ny fahafinaretana miabo. Tsy misy olona mahatsapa, hoy izy, handray ny toeran'ny biby ho takalon'ny refy lehiben'ny fahafinaretan'ny biby. Ny fahafinaretan'ny biby, izay ara-tsapa sy ara-batana dia tsy azo ampitahana amin'ny fahafinaretan'ny olombelona tena mendriky ny fanahy, ny fihetseham-po sy ny fiainana, na dia ireo fahafinaretana miabo aza dia voamariky ny fangirifiriana. Miteny i Mill:

Ny voahary manana fahafahana miabo dia mitaky mihoatra ny voahary ambany karazana no ho sambatra, izy dia mety afaka mampangirifiry amin'ny fomba mafimafy kokoa ary izy dia mety ho voatafika amina teboka maro. Nefa, na eo azan y tsy fahatomombanany, na oviana na oviana izy dia tsy hahay mazava haniry ny hilatsahany ao amin'ny heverina fa toerana ambany indrindran'ny fisiana.

Hamaranana azy, ireo fahafinaretana miiba dia tsy manome ny tena hasambaran'ny olombelona manana fahafahana ambony. Ny fahasambarana izay natokana ho an'ny olombelona dia ara-dalana fa tsy azon'ny sehatry ny fahatsapana sy ny filana ara-batana, fa alohan'ny zava-drehetra dia ny sehatry ny fahalalana, ny fihetseham-po' ny fitondra-tena sy ny ara-panahy. Io fahamarinana io, araka ny voalazan'i Mill, dia tsy mamono ny fanaraha-maso izay matetika ny olona dia misafidy ny fahafinaretana miiba noho ny miabo. Izy dia mahalala fa ny olona matetika dia misafidy izay mifanohitra amin'ny fananany amin'ny anaran'ny fahafinaretana miserana sy mibika. Ohatra, maro no misafidy ny fihoarana amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro noho ny fahasalamany, izay izy no zava-tsoa lehibe indrindra sy manome fahafinaretana maharitra. Ny hafa handeha hamela ireo fahasarihana tena avo mba mba hanamaizinana ao anatin'ny fanompoan-tsampy sy fitiavan-tena tsy misy dikany. Mill dia manazava izany amin'ny alalan'ny fitarafana ny toetran'olombelona, amin'ny fitenenana fa na ho ana antony iray na hafa ny olona, amin'ny ankamaroan'ny fotoana, dia miala amin'ny fahafahany natoraly mba amina fahafinaretana miabo, manazava izy:

Ny fandraisana ireo fihetseham-po farany mendrika dia matetika ao amin'ireo natiora zavamaniry tena malemy, mora samba, tsy amin'ny alalan'ireo ako ratsy ihany, fa koa amin'ny alalan'ny tsy fahampiana sakafo tsotra izao. Ao amin'ny ankamaroan'ny tanora, io zavamaniry io dia samba vetivety raha ny toeran'ny fanoherana ara-piaraha-monina nomena azy sy ny fiaraha-monina nanariana izany no tsy manome lanja ny asan'io fandraisana avo io. Ny olona dia manary ireo fahasarihana avo izay handrefesana fa izy ireo dia very ny tsiro ara-pahalalana satria izy ireo dia tsy manana fotoana na fahafahana manao izany; ary izy dia manolo-tena ho an'ny fahafinaretana miiba tsy hoe noho ny fitiavany izany manokana fa noho ny tsy fisiana atsy any fahafahany miditra na any no tokana izay ahafahany mahazo fahafinaretana.

Ny toetra maha manam-pahaizana ara-piaraha-monina an'i Mill dia miseho ato amin'ity andalana ity. Izy dia mandany ny ampahany tamin'ny fiainany tamin'ny fanoratana momba ny fanorenana ara-piaraha-monina sy ny fanoloran-tena ho amin'ny fanetsehana ara-polotika mba hitondrana fanovana miabo ao amin'ny fampianarana, ny fanabeazna ho olom-pirenena, ny zon'ny vehivavy sy ny politikan'ny fanasaziana, izay maro ankehitriny no tsapan'i Gülen. Manampy izany, ireo hetsika midadasika maro momba ny fampianara, ny kolontsaina ary ara-piaraha-monin,ny hetsika Gülen dia ankatoavin'i Mill ihany koa. Ny fihetsehan' i Mill ao amin'ireo sehatra ireo dia vokatry ny finoany, nozarain'i Gülen, ao amin'ny hasina voajanaharin'ny zanak'olombelona izay, aseho eto amin'ny fahafahana amin'ny fahafinaretana miabo ao amin'ny sehatry ny fahalalana, fihetseham-po sy fitondra-tena. Izy dia nino tokoa fa ny singa mandrafitra ny fiaraha-monina dia tokony hanome taratra io tranga io ary tokony harindra amin'ny fomba iarovana sy ampaniriana ny fahafahan'ny hasina voajanaharin'ny olombelona tsirairay monomboka eo amin'ny taona voalohany. Ny tsy fihezahana mandrindra ny fiaraha-monina sahala amin'izany dia fanaovana hadisoana tsy rariny amin'ny olombelona sy ny fiaraha-monina, amin'ny fomba fijerin'i Gülen dia, fahotana.

Ao amin'ireo andalana ireo, Mill dia mamaritra ny fahafinaretana amin'ny fomba miavaka mba hanavahana ilay lazaina ho fahafinaretan'ny fahalalahana ty sakana ao amin'ny sehatra ara-tsapa sy ara-batana rano fotsiny. Na dia ny lalana ara-piaraha-monin'ny fahalalahana izay nataony ao anatin'ny "De la liberté" aza dia manome fahafahana ho an'ny olona hanimba ny fiainany ao anatin'ny fiankinan-doha amin'ny fahafinaretana miiba noho ny fisiany ambony sy lalina, na io lalana io, n any fandalany ny filany dia tsy milaza afa-tsy io "fahalalahana" na ny tanjona faran'izay avon'ny fiainan'ny maha olona. Afaka isika noho izany manohana fa tsy fahalalahana velively izany, fa endrika miavaky ny fanandevozana sy ny fiankinan-doha aza. Gülen eto dia afaka miditra ao amin'ny resaka satria manerana ny asany, izy dia manavaka ny fiainana niainana tao anatin'ny fikatsahana ny tsara, ny marina, ny meva sy ny mendrika ary ny fiainana nosimbaina tamin'izay miserana, ny rendrarendra sy ny ara-batana tsotra. Miresaka isika momba an'io fanavahana io amin'ny antsipirihiny kokoa ao amin'ny fizarana manaraka, nefa andeha aloha tenenina fa Gülen dia mamaritra ny fahalalahana amin'ny fomba mifanila amin'ny an'i Mill amin'izay mahakasika ny hasina sy ny fahafahana maha olona. Miteny Gülen:

Izay mandray ny fahalalahana ho toy ny fahalalahana tanteraka dia mifanangaro amin'ny fahalalahan'ny olona sy ny fahalalahan'ny biby. Ny biby dia tsy tokony hamaly an'ireo fanontaniana  ara-pitondra-tena sy malalaka noho izany hitondra ny tenany. Ny ankamaroan'ny olona dia maniry io karazana fahalalahana io ary, raha afaka izy, ny fampiasana azy mba hanome fahafaham-pon'ny maivan-danjan'ny filan'ny nofo. Ny fahafahana sahala amin'izany dia ratsy noho ny fampitoviana ny olona amin'ny biby. Ny tena fahalalahana noho izany dia ny fahalalahana amin'ny adidy, amin'ny fitondran-tena, mampiseho ny maha olona ny olona iray, satria izy bo mampisy sy mamelona ny fisainana ary manila ireo fanembatsembanana ny fanahy.

Mill sy Gülen dia mametraka noho izany ny fahalalahana maha olona amin'ny fomba mba hametrahana anatine filôzôfia iray izay mivelatra amin'ny fahafalian'ny olombelona. Tsy misy amin'izy ireo mahita ny tsy fanarahan-dalana eo amin'ny fitondrana toy ny toerana farany avon'ny fahalalahana. Ny mifanohitra amin'izany aza, izy roa ireo dia mandray ny fahalalahana tahaka izay manokatra ny lalana ho amin'ny fitenenana sy ny fampandrosoana izay faran'ny fenon'ny fahafahana maha olona faratampony sy mendrika, izay ny fahatanterahany dia manome ny olona fahafinaretana maharitra. Ireny fahafinaretana ireny dia hita ao amin'ny sehatry fahalalana ara-panahy, fihetseham-po ary fitondra-tena.

Araka ny efa nolazaiko tany aloha, Gülen sy Mill dia samy avy amina sehatra ara-piaraha-monina, politika sy finoana samihafa. Tsy isalasalana fa afaka miresaka mifanatrika izy ireo, ny hevitr'izy ireo dia hizarazara amin'ny famaritana maro ny fetran'ny fahalalahana sy ny fandeferana eo anivon'ny fiaraha-monina. Izy roa ireo anefa dia miara-manaiky teboka iray, izay araka ny hevitro, dia mifototra kokoa amin'ny fiainana sy amin'ny hafalian'ny olona, izany hoe ny fahalalahana hihevitra sy hiteny ao amin'ny sehatry ny fanoloran-tena midadasika kokoa ho an'ny hevi-dehiben'ny fahalalahana. Raha tokony ho tonga saina amin'ny vokatra entin'ny lahatenin'izy ireo ny olona, dia tokony ho afaka mihevitra malalaka sy miteny ny heviny amin'ny tontolo tsy amin'ahiahy. Rah any hevitro, tsy misy haratsiana mivantana sy azo refesina natao tamin'ny olona tamin'ny alalan'ny fitenenana am-bava sy an-tsora. Ny mifanohitra amin'izany, tena madia sy ahazoana tombony aza ho an'ny isam-batan'olona sy ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny izay izy ity dia miorona ho fahafahana misaina malalaka, hikaroka sy hiteny. Noho io fahalalahana io, ny zanak'olombelona dia manome ny fahafahana rehetra hampivelatra ny toetra voajanahary ao aminy amin'ny saina, ny vinavina, ny fihetseham-po sy ny ara-panahy ary ny faranitan-tsaina. Rehefa faly fotsiny ihany anefa ireo ary raha avela mivelatra noho ny rafitra ara-piaraha-monina sy ara-politika mifanahaka izay ny zanak'olombelona no mety handroso sy hahatratra ny fetra faratampon'ny fahombiazana.

Mill sy Gülen dia samy mahatsapa avokoa io hevitry ny fahalalahana ao amin'ny sehatra ifotorany, marimarina kokoa satria izy ireo dia samy  mpandala ny mahaolona amin'ny hevitra farany izay mivelatra ary ny hevitry ny fahalalahana  dia ivon'ny faisainana mandala ny maha olona. Manampy izany, amin'ny maha mpamorona ny fahalalahana maha olona, izy roa ireo dia mpamorona ny halebean'ny maha olona, tsy hoe toy ny hevitra any amin'ny tsy azo tsapain-tanana fa sahala min'ny faritra ilaina eo amin'ny fiainan'ny olombelona iraisana amin'ny tontolo hita maso. Gülen, tahaka ny hafa, dia manana fahitana mazava ny halebean 'ny maha olona, toetra maro mamaritra ireo olo-be, izay manao amin'ny tenan'izy ireo ihany izay ambony sy mendrika misy amin'ny toetra maha olombelona. Ao amin'io fahitana ny halebean'ny maha olona io, ny hevitry ny olombelona hanganana ao amin'ny fotoana sy habaka, izay itodiantsika amin'izao fotoana.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.