Gülen sy Sartre momba ny andraikitra

Gülen sy Sartre momba ny andraikitra

Ireo fizarana roa dia mifantoka amin'ny olombelona lafatra sahala amin'ny namolavolan' i Confisius, Socrate ary Gülen azy, ary ny andraikitra tazonin'ny olona sahala amin'izany eo amin'ny fitantanana ny Fanjakana na firenena iray sy ao amin'ny fitantanana ny fiaraha-monina. Nofaranantsika tamin'ny filazana fa izy telo ireo dia mpandala ny mahaolona amin'ny hevitra midadasika indrindra amin'io ny teny avokoa, mazava ho azy fa izy ireo dia manohana tanteraka ny hevitra hoe ny zanak'olombelona dia afaka manatontosa ao aminy ny lafatra amin'ny fitondra-tena sy ny fahalalana, ka ny fiaraha-monin'ny olombelona iray manontolo no hiara-hivoatra mankany amin'io lafatra io, ary ny fanabeazana no fampihodinana fototra mba hahatonga izany ho tanteraka. Ny resaka rehetra tao amin'ireo fizarana roa teo aloha dia nifototra tamin'ny finoana fototra mafy orina momba ny zanak'olombelona izay havoitran' i Gülen ao amin'ny asany rehetra, ary izay hanolorany tena indrindra ao amin'ireo asany: ny hevitra fa zanak'olombelona dia tompon'andraikitry ny tontolo.

Ny andraikitry ny olombelona amin'ny tontolo, amin'ny fiainany manokana sy ny an'ny hafa, ny fiaraha-monina sy ny ho avy dia lohahevitra miovaova mandritra ny taonjaton'ny mahaolona sy ao amin'ny ampahany betsaka amin'ny lohateny ara-pinoana. Raha ny marina, ny ivon-dalan'ny fandalana ny mahaolona mahakasika ny fahefana, fahafahana, fahazoana sy ny hatsaran'ny zanak'olombelona isam-batan'olona sy miaraka dia tsy misy heviny, na farafahakeliny dia mety handairan'ny tsy fisiana dikany ara-pitondra-tena, raha tsy hoe angaha izy ampiarahana amina finoana mafy orina amin'ny andraikitra maha olona ao anatiny sy ho an'ny tontolo. Milaza ny fahefana sy ny fahafahana eo amin'ny tontolo, fa tsy ny andraikitro maha olona mba hampiasana io fahefana io amin'ny famoronana ampahany maro amin'ny tontolo eo ambanin'ny fanampian'ny olombelona, tena tsy mitombina, na tena mihoatra noho ny fandrangitana, ny filôzôfian'ny fandalana ny mahaolona – izany hoe ny finoana ny fahafahana sy ny andraikitry ny olona mba ho mpamorona ny tontolo anatina hevitra misy dikany – arak'izany no fototra hanatanterahan'ny vahoaka sy ny fiaraha-monina ny ankamaroan'ireo fahatanterahana maga olona lehibe indrindra. Maro amin'ireo zava-kanto mendrika indrindra maneran-tany, ny literatiora, ny filôzôfia ary ny fampiharana ara-piaraha-monina sy ara-politika, ny hairaha ara-pitsaboana sy sehatra hafa no misy noho izay satria ny olona dia mino ny fahafahan'izy ireo mamorona zava-baovao, mampivelatra fomba fijery vaovao sy manatontosa zava-baovao. Maro no mandray fa ny herin'izy ireo dia avy amin'Andriamanitra na avy amin'ny zavatra tompoiny ary mandray ireo asany sy ny fanatanterahany ho toy ny fanompoana masina; ny hafa dia mihevitra ireo fahefany ho avy amin'ny fomba fijery tsy ara-pinoana. Ao amin'ireo tranga roa ireo, ny olona dia mitaky ny fahefan'izy ireo, na avy aiza ny fiaviany, mitovy tanteraka amin'ny andraikitr'izy ireo amin'ny fampiasana io fahefana io ho an'ny soan'ny fiaraha-monina.

Ho an'ny resaka farany ifanaovan'olon-droa ato amin'ity boky ity mahakasika ny lohahevitra andraikitra, dia afaka misafidy ny mpiara miasa amin'i Gülen aho mpandala ny mahaolona hatrany amin'ny Razambeny amin'ny fomba tandrefana sy tatsinanana. Filôzôfa maro, mpanoratra, olom-panjakana, mpanao lalana sy mpandinikin'ny taonjato ary kolontsaina tena samihafa no mijanona maharitra teo amin'ny lohahevitra momba ny andraikitra amina taha tena samihafa ao amin'ny asan'izy ireo. Eny fa na dia ireo miorina mafy amin'ny finoana Andriamanitra tokana tsy Toa, mahalala ny zavatra rehetra ary mpandahatra aza dia mety ho tafiditra ato amin'ity lisitr'ireo izay milaza ny herin'ny fitenenana momba ny andraikitra maha olona ho an'ny tontolo ity (Gülen izy tenany dia tafiditra ato amin'ity sokajy ity). Na izany aza, ato amin'ity resaka ifamalian'olon-droa ity, dia nosafidiko ny solon-tena iray an'ny sekolina filôzôfia tena  manintona ny taonjato faha XX, ary izay miaro mihoatra na iza na iza ny fiteny momba ny andraikitra maha olona ho an'ny ankamaroan'ny zava-drehetra. Io filôzôfa io dia i Jean Paul Sartre-n'ny fisainana mahazatra mifototra amin'ny fisiana.

Fanontaniana maro sahady no mipetraka mahakasika io safidy io, fanontaniana maro andalana izay tokony havoitra mialohan'ny hanohizana. Voalohany indrindra, mety ho petraka olona ny fampikambanan' i Gülen amina olona tsy mino toa an' i Sartre. Manao ahoana no mety fifankazahoana na fifampiresahana hisy eo amina olona tsy mino andaniny ary manam-pahaizana mosilimo ankilany? Fa maninona no tiantsika hisy fifampiresahana eo amin'izy roa ireo? Ireo tsy mino sy ireo mino, indrindra ireo mino an'Andriamanitra tokana, izay miara-mifanebaka, noho izany dia tsy ho liana amin'ny fifampiresahana. Noho izay antony izay indrindra no tokony hisiana ady hevitra sahala amin'izao, eny na amin'ny hoe amin'ity tranga ity aza izy dia ato anaty andalana maromarona boky ihany. Ny fiandohana tena malalaky ny fahatsaran'olombelona no miantoka saika ireo tsy mino sy mino, ary ireo aloka finoana sy tsy finoana rehetra eo amin'izy roa ireo, dia mbola hitohy hisy amin'izao tontolo izao tahaka ny fisian'izy ireo ankehitriny ary agamba efa nisy hatrizay. Ny fitoriana mandava-taona ny tsy finoana sy ny finoana dia tsy manao afa-tsy ny manimba ny fahatoniana eto amin'izao tontolo ankehitriny mafaobe sy miavaka tsy mampino izao. Isika dia tokony tsy hamela ny fifampitoriana lavareny mba hahatonga sy hisian'ny fenitra eo amin'ireo olona izay tsy miombon-kevitra momba ny resaka finoana. Isika dia tokony hampirisika ny fifampiresahany eny na dia eo amin'ireo tsy manana na miseho ho tsy misy zavatra hifampitenenana aza.

Faharoa manaraka izany, Gülen izy tenany mihitsy no mitsikera an'i Sartre sy ny fiankinan-doha amin'ny fisiana. Ao amin'ny La statue de nos Ames, Gülen dia mametraka ny fiankinan-doha amin'ny fisiana ambony lisitra lavana teny misy "-isma" izay nieli-patrana nanerana an'i Tiorkia sy ny Andrefana iray manontolo tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha XIX sy faha XX, toy ny marxisma, durkheimisma, leninisma ary ny maoisma. Hoy izy momba ny hatanorana tiorka tamin'izany vanim-potoana:

Maro tamin'izy ireo no nampionon-tena tamin'ny alalan'ny nofin'ny kaominisma sy ny jadona atao amin'ireo tsy mivelona afa-tsy amin'ny vokatry ny asany, ny  sasany dia mandetika ny tenany tanaty fotaky ny fahasarotan'ny fanarahana an'i Freud, na manary ny fanahiny tany amin'ny fifotorana amin'ny fisiana, na miady tamim-pahalemana teo anatrehan'ny tsy azo anoharana tanisaina amin'izany ry Hareuse, na koa manomboka manimba ny fiainana tamin'ireo rediredin'i Camus.

Mazava ho azy fa Gülen dia tsy mpankafy ny fifotorana amin'ny fisiana, na ny roa amin'ireo mpikambana fototra, Sartre sy Camus. Vokany, amin'ny fomba ahoana sy maninona no tokony hametrahantsika an'i Sartre anatina fifanakalozan-kevitra sahala amin'izany miaraka amin'ny hevitr'i Gülen nefa i Gülen dia manana hevi-dratsy tahaka izany amin'ireo hevitr'i Sartre? Izany dia filaza tsotra amin'ny endriny hafa ilay fanontaniana voalohany. Gülen dia mitsipaka amin'ny fifotorana amin'ny fisiana mahakasikana teboka maromaro; Sartre; raha mbola velona, dia nitsipaka ny ankamaroan'ny hevitr'i Gülen. Nefa averiko indray, fa tsy izany no tsy hampisy ny fifampiresahana eo amin'izy ireo. Raha izany no tsy hampisy azy, noho izany ireo vinam-pifampiresahana amin'ny hetsika Gülen rehetra, dia ho tsikafonina avokoa satria tsy misy afa-tsy ireo izay mifanaraka amin'izy ireo ihany no afaka mifampiresaka. Ny fifandraisana sy fifampiresahana dia mety ho hisy eo amina olona tena tsy mifanaraka amin'ny fomba fijerin'izy ireo, sahala amini Gülen sy Sartre, na ireo mpino hafa sy ireo tsy mino. Manampy izany, Gülen dia afaka mameno ireo andininy amin'ny maha manam-pahaizana mosilimo azy izay voadidin'ny korany mba hanaparitaka ny finoana amin'ny alalan'ny fitsipahana ireo hevitra tsy mino amim-panajana tanteraka ireo olona na dia amin'ny antony tsotra amin'ny maha olomabelona manana haja sy hasina azy fotsiny aza. Ny fifampiresahana no fomba izay ahafahana mitana ny fisainantsika ho amin'ny maha olona ny hafa, eny fa na angamba indrindra rehefa isika tsy mankasitraka ny hevitr'izy ireo iny. Ny fitadiavana teboka eo afovoan'ny fahasamihafana no tetik'ady iray izay manaporofo ny fahafahana miara-miaina amim-pahatoniana miaraka amin'ireo olona izay tena tsy miombon-kevitra amintsika. Ny fifampiresahana sarotra sahala amin'izany dia mety ho tena manan-danja. Amin'ny fitazonana izay ao anatin'ny fanahy, no hitodiantsika noho izany amin'i Sartre sy Gülen mba ahitana ny fifandraisana mety hisy eo amin'ny hevitr'izy ireo.

Ny hevitr'i Sartre, sy ny an'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana amin'ny ankapobeny, dia nararin'ny fitiavan'ny ankamaroan'ny olona azy izay miseho tamin'ny hetsika mandala ny fifotorana amin'ny fisiana tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha XX. Izany hoe nanjary nalaza be tamin'ny maha filôzôfa azy izy, na tany Frantsa na nanerana ny faritra Andrefana, ary tonga olona miavaky ny tontolo mihitsy aza. Ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana dia tena ary mbola miparitaka amin'ny alalan'ireo izay ny fandikana dia manome taratra ny fahazoan'ny olona maro, "andiany" ireo heviny, noho ny hoe vakiteny vohatohana sy nohalalinina momba ireo lohahevitra fototra an'izy ireo sahala amin'ny ilazany aza any anatin'ireo bokimaro misolo tena ny sekoly. Izany koa dia nohasarotin'ny hoe ny ampahany betsaka amin'ireo mpandala izany dia tsy miombon-kevitra amin'ireo teboka rehetra, na amina teboka maro amin'ny tranga sasany. Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mandray an'i Sartre, iray amin'ireo mpanoratra tena mamokatra indrindra tao an-tsekoly, sahala amin'ny mpisolo tena fototra ny fisainana mandala ny fifotorana amin'ny fisiana rehetra, toerana iray izay nekeny  hatreo amina teboka maro teo amin'ny asany.

Sartre dia tena nahatsapa fa ny fandikana maro voafetra sy matetika dia disoan'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana, sy izay voalaza ao amin'ny kolontsain'ny saramba be mahakasika ny sekolim-pisainana amin'ny ankapobeny. Izy dia mamaha ireo olany ao amina andiana iary antsoina hoe "L'Existancialisme est un Humanisme" na tsotra fotsiny "L'Existancialisme" ao anatina asa iray tena mivelatra nivoaka tamin'ny 1957 mitondra ny lohateny hoe L'Existancialisme et les Emotions Humains [tamin'ny teny anglisy]. Ao anatin'io sombiny io, Sartre dia mamaritra ireo fototra hadisoana izay ataon'ny olona rehefa mandika ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana, na rehefa mamatatra ireo foto-kevitra mahakasika ny fisian'ny maha olona. Rehefa miaro ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana izy manoloana ireo filazana petraka olana, dia hitantsika fa misy fahitana ny zanak'olombelona eto amin'izao tontolo izao tena miavaka amin'ny fandikana izay tena iraisana an'ny fifotorana amin'ny fisiana [na rehefa mamantatra ireo foto-kevitra]. Sartre dia manazava ireo lohahevitra mahakasika ny andraikitra mahaolona izay misarika ny asa feno zoto-po sy filazana amin-kery ny fahafahana amin'ny maha olona mba hananganana ny tontolo. Sartre dia tsy tonga any amin'ny fampiasana ny teny hoe "adidy" mba hamaritana ny fifandraisan'ny zanak'olombelona amin'ny tontolo izay afaka hatsangany. Matetika, ny fanahin'ny teny dia eo, na dia tsy eo aza ny endrika. Ireo izay misafidy ny hiaina ao anatin'ny tontolo nefa tsy mandray andraikitra dia miaina fiainana iray izay tsy tena maha olona, ary izy ireny dia olona osa. Io fitenenana io, sahala amin'ny rehetra azo ampifanoharina aminy, dia mamorona raha ny marina voana hevitra izay mampatsiahy amin-kery lohahevitra maro avy amin'ny fisainan' i Gülen.

Sartre dia mamehy ireo fanendrikendrehana atao amin'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana eo am-panombohana io andrana io, avy eo dia tohizany amin'ny famaritana sy ny fanazavana ny fomba filazana. Amin'ny fanazavana ireo singa fototra manangana ny fifotorana amin'ny singa, izy koa dia mamaly ireo fanendrikendrehana tena miely manohitra azy. Ireny fanendrikendrehana ireny dia tena tsotra sady tena fantatra, ary mifototra amin'ny fahazoan'ny ankamaroan'ny olona ny fifotorana amin'ny fisiana avokoa hoe: izy dia mamporisika ny tsy firaharahiana na ny tsy fanahiana, izy dia milona amin'izay rehetra miteraka fankahalana eo amin'ny fiainana ary mankamamy izany, ary izy dia manda ny fahamatoran'ny fifandraisana amin'ny maha olona. Raha fehezina, ny olona dia mitsipaka ny fifotorana amin'ny fisiana tsy mino satria izy ireo dia mandika izany sahala amina karazana fandavana ny lanja na ny fankalazana ny tsy fisiana. Tsy misy fahamboniana faratampony izany – na Andriamanitra, na lanja marina, na tsy azo ovaina na fototra ho an'ny fiainana na ho an'ny olona; vokany; dia tsy misy antony hidirana anaty fiaraha-monina na politika, na manao ezaka voatohana mba hanatsarana ny tontolo na hanatontosana fandrosoana ao amin'ny fahalalana.

Sartre dia mitsipaka io fahazoana ny fifotorana amin'ny fisiana io ary tonga hatrany amin'ny fanesoana izany aza sy nanokanany ny fizarana voalohany ao amin'ny famaliana ireo endrikendrika io mba hamaritana mazava tsara ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana. Milaza izy fa ny fifotorana amin'ny fisiana rehetra, ny kristianina sy ny tsy mino, dia mandroso teny iraisana: ka ny fisiana hialoha lalana ny fiandohana. Sartre amin'ny maha mpiaro ny fahamarinan'ny tsy finoana, milaza fa io fitenenana io dia marina miavaka amin'ny fomba filazany ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana. Ny "fiandohana" eto dia mitaha amin'ny tanjona, hevitra na toetra. Ny ankamaroan'ireo zavatra tsy manan'aina dia noforonina mba hanatrarana tanjona iray na hevitra izay misy ao amin'ny fanahin'ireo izay namorona azy. Ny fanapahana taratasy iray ohatra dia nanjary nisy taorian'ny namolavolana sy nanamboaran'ilay mpamorona izany azy mba hanatrarana tanjona iray, tanjona na hevitra iray an'ilay mpamorona mba hanapahana taratasy. Ilay mpamorona dia mila zavatra ilay mba hanapahany taratasy, saingy tsy misy zavatra afaka manao izany dia namorona izy fanapahana taratasy ka ny asa sy hevitry ny fisiana amin'izany dia hanapaka taratasy. Ny fiandohany dia nialoha lalana ny fisiany. Ny ankamaroan'ny olona, hoy Sartre, dia maminavina an'Andriamanitra amin'ny fomba toy izany raha mitaha amin'ireo zanak'olombelona hafa: Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hahatontosa ny tanjony ary ny heviny dia mifandray amin'io tanjona io. Ny fiandohan'izy ireo dia mialoha lana ny fisiany, mitovy tanteraka amin'ilay fanapahana taratasy. Ny hevitra, ny tanjona ary ny toetra dia efa voafaritra mialoha amin'ny alalan'ireo mpamorona ao amin'ireo ohatra roa ireo. Ny fitambaran'ny fiandohan'ny zavatra iray dia manjary misy, ary ao amin'ny trangan'ny olombelona, mitady hahalala io tanjona io mba hahitana ny fahasambarana.

Sartre nefa na dia izany aza tsy mpino, izay midika fa izy dia tsy manana Andriamanitra ao amin'ny fanahiny izay ny hevitra, ny tanjona ary ny toetran'ny zanak'olombelona – ny"fiandohan'"ny maha olona – dia niaina talohan'ny namorona ny zanak'olombelona izy tenany. Koa satria tsy misy Andriamanitra, ny zanak'olombelona dia teraka fotsiny amin'izao, alefa ao amin'ny fisiana aloha, avy eo manaraka ao afara ny fiandohana. Ho an'ny olona, ny fisiana no mialoha lalana ny fiandohana, izany ve no lalana voalohan'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana. Manazava i Sartre:

Inona no dikan'ny fisiana mialoha lalana ny fiandohana eto? Izany dia midika fa ny olombelona dia misy aloha, mihaona, mipoitra tampoka ao anatin'ny tontolo, ary mamaritra ny tenany avy eo. Ny olombelona, sahala amin'ny amolavolan'ny mpandala ny fifotorana amin'ny fisiana azy, raha toa izy ka tsy azo faritana, dia satria tsy mbola misy izy izany. Tsy hisy mihitsy izy, ary hijanona amin'izay nanaovana azy teo. Amin'izany, dia tsy hisy mihitsy toetra amin'ny maha olona azy, satria tsy misy mihitsy Andriamanitra mba hamolavola azy. Ny olona tsy hoe izay namolavolany ny tenany, fa izay tiany nanaovana izany koa ary sahala amin'izay nanaovany izany aorian'ny fisiana, tahaka izay tiany aorian'iny lalan-dava mankany amin'ny fisiana iny, ny olombelona dia zavatra ankoatra izay hanaovany ny tenany. Izany no lalana voalohan'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana.

Tsy misy noho izany hevitra na tanjona voafaritra mialoha amin'ny fiainana na ho an'ny fiainan'ny zanak'olombelona, satria tsy ny zanahary mba hanao an'izany mialoha. Ny zanak'olombelona dia misy fotsiny amin'izao, natsipy tao anatin'ny fisiana izy ireo ary tokony hanangana ny tenany samirery amin'izay tanjony, ny heviny ary ny toetrany. Sahady ao amin'ny lalana voalohany io, isika dia mahita ny voan'ny andraikitra izay volen' i Sartre ao amin'ny filôzôfiany momba ny olombelona. Miha azontsika kokoa izany rehefa fatantsika fa ny olombelona dia teraka tahaka ny voahary misy saina ary, amin'ny fivelarana eo amin'ny famelezana, izy ireo dia manjary tonga saina ny amin'ny tenany. Manohy Sartre:

Ny olombelona voalohany indrindra dia vinan'asa iray izay miaina arakaraky ny maha izy azy ny tsirairay, raha tokony ho zava-maintso kely maniry, na fako na solfera; tsy misy zavatra vita mialoha ho amin'io vinan'asa io, tsy misy zavatra eny an-danitra mora azo izany, ary ny olombelona dia tsy maintsy aloha izy maminavina ny tenany. Fa tsy izay tiany ho izy. Satria ny andraisantsika matetika ny teny hoe te mba ho, dia tapa-kevitra nosainina ary izay ho an'ny ankamaroany amintsika tonga ao aorian'izay nataony ho an'ny tenany. Izaho dia afaka miditra anaty vondrona, manoratra boky, manambady, izany rehetra izany dia inona fa fihetsehan'ny safidy faran'izay tsotra, iniana kokoa noho izay antsointsika hoe sitra-po. Fa raha tena marina hoe mialoha lalana ny fiandohana tokoa ny fisiana, ny olombelona dia tompon'andraikitra amin'izay maha izy azy. Amin'izany, ny dingana voalohan'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana dia ny fanomezana ny olona rehetra ny maha izy azy sy fametrahana eo amin'izy ireo ny andraikitra fenon'ny fisiany. Ary rehefa miteny isika fa ny olombelona dia tompon'andraikitra tanteraka amin'ny vatany, tsy milaza akory isika hoe ny olona dia tompon'andraikitra ny tenany irery, fa izy koa dia tompon'andraikitry ny olombelona rehetra.

Fanontaniana manan-danja roa momba ny ady hevitsika no mivoaka avy amin'io andalana io. Voalohany indridra, ny andraikitra izay resahan' i Sartre dia tsy mijanona amina olona iray fa misandrahaka amin'ny olombelona iray manontolo. Io filazalazana io dia mifandray amin'ny fahazoan' i Sartre ny fivaovany; izany hoe amin'ny fotoana rehetra, ny zanak'olombelona dia mifandray amin'ny tontolo, amin'ny tontolon'ny maha olona, amin'ny tontolon'ny zanak'olombelona. Isika dia tsy ho afaka hivoaka velively ivelan'io tontolo io, ny tontolon'ny maha olona antsika, hivoaka any amina fomba fijery "tsy miandany" mihitsy ao amin'ny tontolo sy ireo hafa. Isika rehetra dia misy avokoa, ara-boajanahary, ao anatin'ny tontolo miaraka amin'ireo hafa, amin'ny maha ampahana tontolo, anatina fisiana maha olona iombonana. Vokany, rehefa misafidy isika ho an'ny fiainantsika sy mandray andraikitra mba hanangonana ny fiainantsika, isika dia tsy mamorona fotsiny tontolo ho antsika irery; isika dia mamorona ho an'ny rehetra satria isika dia mifandray amin'ny rehetra. Isika dia efa nandatsa-paka ao anatin'ny tsy fiandaniana. Misafidy, izany dia ny fisafidianana tsy ho antsika irery  mahaleontena fa koa ho an'ny rehetra. Hoy Sartre: "Raha ny marina, tsy ny iray amin'ireo asantsika no, amin'ny famoronana ny olona izay tiantsika ho isika, mamorona miaraka amin'izany sarin'olona iray izay vinavinaitsika ho tokony ho izy.

Ny teboka manan-danja faharoa an'io teny lava eo ambony io dia mahakasika ny famaritan' i Sartre ny zanak'olombelona. Amin'io teny io, izy dia manavaka ny olona sy ny "zava-maitso kely maniry, ny fako na solfera". Ny zanak'olombelona dia tsy zavatra miaraka amin'ny hafa fotsiny, tavela an-tsitra-po noho ny anjarany, ny angitraingitry ny fahatsapana jamban'ny vatana, ny anjara na ny fotoana izay ataony. Lavidavitra ao amin'io andrana nataony io, milaza izany izy miaraka amina herim-batana kokoa. Hoy izy mikasika ny lalan'ny fandalan ny fifotorana amin'ny fisiana:

Io lalana io no tokana manome hasina ny olona, izy no tokana tsy manao izany ho tanjona. Ny fifotorana amin'ny fisiana dia manana tanjona handray ny olona rehetra, isan'izany ny tena, sahala amin'ny tanjona, izany hoe tahakan'ny fitambaran'ny fihetsika voafaritra, izay tsy misy manavaka ny fitambaran'ny toetra sy tranga izy mandrafitra ny latabatra na seza na vato iray. Isika dia te handrafitra mazava ny fanjakan'olombelona sahala amin'ny fitambaran'ireo lanja samihafan'ny fanjakan'ny vainga.

Eto Sartre dia manasaraka ny fifotorana amin'ny fisiana amin'ny fifotorana amin'ny vainga, izay tsipihan' i Gülen sy hafa maro izay manana fomba fijery mitsipaka amin'ny fomba hentitra na sahala amin'ny fambaran'aretina ara-panahy, na endrika tsy finoana na fandikana manivaiva ny fiainana maha olona. Sartre dia mitsipaka koa, saingy amina fitohizana hevitra samihafa. Ny fiandalana ny fifotorana amin'ny fisiana an' i Sartre dia manakana ny olona tsy ho eo amin'ny toeran'ny vato, ny seza na ny zava-maitso maniry. Izy dia manindry mafy momba ny hoe ny zanak'olombelona dia mihoatra noho izany, tsy hoe satria izy ireo noharian'Andriamanitra tamina tanjona na hevitra iray, fa satria avy amin'ny fahaterahana, mihetsika araka izay tiany izy eo amin'ny fiainany noho ny maha afaka misaina azy, ary tonga saina amin'ny maha izy azy, sy tonga saina amin'ny fahatongavany saina momba ny tenany, izay manavaka azy amin'ireo manan'aina hafa rehetra. Mifanohitra tanteraka amin'ireo voahary hafa, isika dia mihevitra [ao amin'ny hevitra malalaky ny teny, fa izay no manavaka azy ireo], izay mampiditra ny fiheverana eo aminy ihany, na mihevitra ny momba azy. Izany dia manamarika fahasamihafana iray tsy azo lavina eo amin'ny olombelona sy ireo zava-manan'aina hafa. Manampy izany, io no sehatry ny zanak'olombelona izay manome ny fahaterahana ho an'ny famoronana ny lanja, ny lafatra sy ny hevitra. Isika ao anatin'io fepetra io, ary mandatsa-paka ao amin'ny fiovaovan'ny olombelona, isika dia tokony hanontany isaky ny hanao zavatra raha toa isika mendrika sy tompon'andraikitra eo amin'ny tontolo: "Izaho ve no tena olona izay manana ny zo hietsika sahala amin'ny hanaovan'ny maha olona ny lalana eo amin'ny asako?" Sartre dia milaza fa ny tsy fametrahana io fanontaniana io dia sahala amin'ny miaina ao amin'ilay antsoina hoe "haratsiam-panahy" amin'ny tenany sy amin'ny tontolo.

Amin'ny fomba mazava, ny olona iray malahelo, reraka, tsy miraharaha ary tsy afa-mihetsika dia ireo izay ao anatin'ny fanahin' i Sartre rehefa miresaka olona iray tompon'andraikitry ny tenany sy ny tontolo. Ny olona sahala amin'izany dia mitsoaka ny andraikiny amin'ny fiainany manokana sy ny an'ireo hafa koa ary miraviravy Tanana amim-pahosana. "Inona no zavatra tokony hatao? Tsy misy." Tena ny mifanohitra tanteraka amin'izany, araka ny hevitr'i Sartre, betsaka no tokony hatao! Manampy izany, isika ihany no afaka manao izany, ary isika dia "manao izany" na dia mihezaka sy miteny fa tsy manao izany aza isika, ary amin'ny fandavana ny andraikitra amin'ny fitenenana fa isika dia teraka toy izao fotsiny ihany, na koa isika dia tsy afaka mandrara ny tenantsika na koa hoe ny anjara no mandidy. Ny tsy firaharahiana miampy finonana dia vokatry ny filôzôfia izay mamela ny fiainana maha olona ho eo amin'ny anjara ary eo amin'ny famariparitana ireo mpandala ny fifotorana amin'ny vainga. Ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana, manohitra izany, dia mitsipaka ny fironana amin'ny hoe ny zava-drehetra dia efa voafaritra mialoha sy ny famariparitana ireo mpandala ny fifotorana amin'ny vainga, ary mahita ny fiainan'ny maha olona iray manontolo sahala amin'ny toerana iray rakotra fasika ho an'ny asa sy ny andraikitra, mandatsa-paka ao amin'ny fitenena fa tsy misy olona hafa ankoatra antsika, isika dia izay ho ataontsika amin'ny tenantsika, ary ny tontolo dia ho izay ataontsika ho izy, tsy hanampiana tsy hanalana. Sartre dia manokana ampahany lehibe ao anatin'ny handrana nataony mba hamaritana ireo "marika" maneho fa isika dia miaina feno ao anatin'io fahatongavan-tsaina amin'ny andraikitra sy ny asa io, ary izy dia mamehy izany amina teny telo: ny fitaintainana, ny famelana ary ny fahadisoam-panantenana. Raha ratsy dika, ireny teny ireny dia hamela antsika ho malahelo sy tsy mivaky loha. Raha azo mazava, izy ireny dia mamela antsika hiatrika ny tontolo amin'ny fihezahana manatontosa ireo vinavinan'asantsika mendrika ho antsika sy ho an'ny tontolo.

Amim-pitaintainana, Sartre dia mampitaha fotsiny ny traikefa izay hananantsika rehefa miaina amim-pahalalana tanteraka ny andraikiny. Hoy izy:

Ireo mpandala ny fifotorana amin'ny fisiana dia milaza amim-pahatsora-po fa ny olombelona dia mitaintaina. Izany dia midika ity: ny olombelona izay manolo-tena ary mahatsapa fa izy dia tsy izay safidiany ho ny tenany ihany, fa koa mpanao lalana misafidy miaraka amin'izany izay tokony  ny maha olona iray manontola, dia tsy afa-hiala amin'ny fihetseham-pon'ny fitambarana sy ny halalinan'ny andraikiny. Saingy, betsaka ny olona no tsy miasa saina, nefa isika dia mihevitra fa izy ireo dia manafina ny fitaintainany. Izy ireo dia mitsoaka azy.

Ireo zavatra roa ireo, mitsoaka ny fitaintainany izy tenany, n any fitambaran'ny teny momba ny andraikitra, no mandrafitra ny haratsiam-panahy raha araka ny fijerin' i Sartre. Milaza izy fan a iza na iza eo amin'ny toeran'ny sefo dia mahalala io fitaintainana io, sahala amina kaomandy miaramila iray izay tokony hisafidy na handefa ireo miaramilany any amina ady iray, mahalala fa ny fiainan'ireo olona ireo dia miankina amin'ny safidiny. Tena marina, izy dia afaka miala amin'izany andraikitra izany ka mampita azy any amin'ireo lehibeny, ary hiteny fa ny fitarihana ireo olona ireo any an'ady dia fanarahany lalana fotsiny ihany. Sartre dia milaza na izany azan y kaomandy dia mandika ny baiko ary manapa-kevitra raha toa izy ka tokony na tsy hanaraka azy ireo. Vokany, izy dia tompon'andraikitra amin'ny safidiny. Ny tsy fahatsapana fitaintainana eo amin'io toerana io dia miverina any amin'ny tsy fandraisana ny andraikiny. Manampy izany, ny fahatsapana ny fitaintainana dia tsy mamela ny tsy fihetsehana avy amin'ilay kaomandy; izy dia tokony hisafidy hantrany ny handefa na tsia ireo miaramilany any an'ady. Lavitry ny ho fialan-tsiny amin'ny tsy fihetsehany, ny fitaintainany no tena fepetran'ny asany. Io fitaintainana io, hoy Sartre, dia tsy "fefy manasaraka antsika amin'ny asa, fa izy indrindra no mandrafitra ny asan'ny olona."

Ny famelana koa dia tsotra, hoy Sartre. Amin'ny alalan'ny famelana, ny fahazoany azy: "Isika dia te hiteny fa Andriamanitra dia tsy misy, ary tokony hitarika ireo vokany hatramin'ny farany." Sartre dia mitsipaka ny fironana any amin'ny fandrosoana any Andrefana izay misisika amin'ny filazana ny tsy finoana, saingy manohy mitondra tena sahala amin'ny hoe misy tontolo voatokana ho an'ny fitondra-tena, any amin'ny tanjony sy ny hevitra. Amina fomba sahala amin'izany, Andriamanitra dia fijery iaray lany andro izay tokony ho havela, nefa ny lanjan'izy ireo sy ny heviny miorina eo ambonin'ny fisian'Andriamanitra dia mety amin'ny fomba iray na hafa mbola hanana ny faharetana mandrakizay sahala amin'ny hoe misy Andriamanitra, mba hahafahan'ny fiaraha-monina mandoso amim-pahatoniana. Sartre dia mahita izany tsy hoe tsy mitombina fotsiny, fa tsy fandraisana andraikitra koa. Hoy izy:

Ny mpandala ny fifotorana amin'ny fisiana, ny mifanohitra aza, dia mihevitra fa tena manelingelina ny hoe tsy misy Andriamanitra, satria miaraka aminy ireo rehetra mety hahitana ireo lanja mora azo any an-danitra dia hanjavona avokoa, tsy hisy intsony ny fananana zavatara tsara eo an-tanana, satria tsy misy afa-tsy fahatsapana tsy manam-pahataperana sy lavorary mba hisainana izany. […] Nanoratra i Dostoϊevsty: "Raha tsy misy Andriamanitra, ny zavatra rehetra dia mety atao avokoa." Eo no teboka fanomboham'ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana. Rah any marina, ny zavatra rehetra dia azo atao avokoa raha tsy nisy Andriamanitra, ary vokany dia tavela ny olombelona, satria izy tsy mahita na ao aminy, na ivelan'ny tenany fahafahana mifikitra. Izy dia tsy ahita aloha fialan-tsiny.

Ny fehezanteny farany dia manondro teboka iray fa mora ny mahavita. Sartre dia tsy miteny fa isika tokony hanao izay mety amintsika satria Andriamanitra tsy misy, tsy misy zavatra manan-danja voafaritr'Andriamanitra, ary tsy misy teny milaza hatsarana. Izy dia milaza farehefa miaina amim-pahatngavan-tsaina tanteraka amin'ireo tranga ireo isika, mahita mazava isika fa isika, fa tsy Andriamanitra, no tompon'andrakitra amin'ny zavatra rehetra. Isika dia tsy manana iantsoana vonjy amin'ny famelana trangan-javatra maro amin'ny fiainantsika na ny tontolo amin'ny "Sitram-pon'Andriamanitra" na amin'ny "Drafitra masina" na amin-javatra mitovitovy amin'izany. Isika dia mahatsapa ny fitaintainana avy amin'ny toerantsika, ny andraikitra tsy mampino amin'ireo zavatra rehetra, ny famelana n any fahatokana izy izay antsika ao anatin'ny tontolo. Ny tsy fahatsapana izany, na ny fiezahana mba tsy hahatsapa izany, dia "fitadiavana fialan-tsiny"

Sartre dia tonga hatramin'ny fitenenana fa na misy aza Andriamanitra, ny zavatra iainantsika dia tsy hiova mihitsy. Ao anatin'ilay handrana, izay dia manome ohatra maro ana mpino izay miaina sahala amin'ny hoe nosafidian'Andriamanitra ho azy ireo ny lalany, na toy ny hoe ny lanjan'izay iainan'izy ireo  sy safidiany dia mafy orina eo amin'Andriamanitra: ny vehivavy iray izay manely ny feo mandidy ny fanaovana zavatra maro, mpianatra iray izay ny fiainany dia tarihin'Andriamanitra amin'ny alalana pretra iray; katolika iray izay mitondra tena amin'ny fifotorana amin'ireo famatarana an'Andriamanitra; ary ny mpanara-dia an' i Jesosy iray izay mahita ny tanan'Andriamanitra amin'ny trangan-javatra rehetra amin'ny fiainany. Ao amin'ireo ohatra ireo, hoy i Sartre, ny olona dia mandositra ny andraikiny, tsy hoe satria izy ireo mahasahy mino an'Andriamanitra, fa satria izy ireo dia manda ny hijery ireo andraikiny amin'ny fanahin'izy ireo. Izy ireo tsy mahita fa izy ireo dia mamaritra ao aminy izay famantarana na tsy an'Andriamanitra, raha toa ka ireo teny an'Andriamanitra na an'devoly, raha manana ny marina ilay pretra na tsia, amin'ny fomba ahoana no tokony handikana ny soratra masina sy ny sisa rehetra. Na dia hoe misy aza Andriamanitra ary mandefa anjely mba hiresaka amintsika, ahafahana manome ny fanambaran'izay adikantsika ara-bakiteny, isika ihany no misafidy raha misy dikany ihany ny fihainoana ireo anjely, ary ahoana no handikana ireo teny izay omen'izy ireo antsika. Any am-para, isika dia tompon'andraikitra foana. Isika dia tsy afaka mitady fialan-tsiny, ary iska dia tsy afa-miala amin'ireo andraikitra. Ao am-pamaranana ny handrana nataony, Sartre dia manazava fa ny fifotorana amin'ny fisiana dia tsy mandany ny fotoanany amin'ny fiarovana ny tsy finoany, rahany marina any am-parany, izany dia tsy hanisa fahasamihafana mahakasika ny andraikitra maha olona. Hoy izy:

Ny fandalana ny fifotorana amin'ny fisiana dia tsy tena tsy mpino araka ny hevitra izay handreraka azy amin'ny fampisehoana fa Andriamanitra dia tsy misy. Izy dia milaza fa: na dia misy aza Andriamanitra, izany dia tsy hampiova na inona na inona; izany no fomba fijerinay. Tsy mino izahay fa misy Andriamanitra, fa izahay dia mihevitra fa ny olona eto dia tsy ny momba ny fisiany.

Ao amin'ireo tranga roa ireo, isika dia tompon'Andraikitra amin'ny tontolo, amin'ny lanjantsika, ny hevitra sy tanjontsika. Isika dia afa-miala amin'izany, ary ny fihezahana manao izany dia fiainana anatin'ny haratsiam-panahy miaraka amin'ny tontolo.

Hamaranana azy, amin'ny fahadisoam-panantenana, Sartre dia te-hiteny fa isika dia tokony hitondra-tena ao amin'ny tontolo sahala amin'ireo olona tompon'andraikitra tanteraka, izay tsy mahalala akory raha toa ka ireo asantsika hanome ny vokatra nirina. Isika dia tsy afaka, sahala amin'ny ataon' i Hegel, hipetraka ambony Geist voatokana mba hitarika ny tantara mankany amin'ireo tanjona faratampon'ny asantsika. Isika koa dia tsy afaka mipetraka eo ambonin'ny fahatsarana maha olona ara-boajanahary, na ny fahafahana ho amina toerana samihafa amin'ny fotoana iray, na ireo teny rehetra mitovitovy, mba hiantohana antsika fa ireo asantsika dia hiafara amin'ireo ho avy iriantsika. Tsy misy ny azo antoka, Hoy Sartre:

Izaho dia tsy afaka ny hahazo antoka fa misy amin'ireo namako ao amin'ny ady no handray ny asako aorian'ny fahafatesako mba hitondra azy any amin'ny fahalavorariana faratampony, raha tsy angaha ireo olona ireo malalaka ary izy ireo no hanapaka amim-pahalalahana amin'ny ho avy izay mety ho ny olona; rahampitso, aorian'ny fahafatesako, misy olona mety handidy mba hametrahana ny fananam-pahefana mihoa-papana, ary ireo hafa dia mety ho diso kanosa sy malemy mba ho atao amin'izay tiana anaovana azy; amin'izay fotoana izay, ny fananana fahefana mihoa-papana no hanjara ny fahamarinan'ny olombelona; ary vita hatreo ny amintsika; raha ny marina, ny zavatra rehetra dia ho toy izay nanapahan'ny olona ho izy ireny.

Isika dia tsy manana antoka fa ny asantsika dia hitondra ny voany aorian'ny fahafatesantsika sy rehefa ivelan'ny toerana hiasana. Maro no hilaza fa ny tokana any manamarina dia ny tsy fihetsehana sy ny fivakian-doha, ary hanontany hoe maninona isika no tokony hanahy amin'ny fitondra-tena raha toa ny asantsika mety tsy hitondra vokany. Eo indray, Sartre milaza fa isika dia tompon'andraikitra. Isika dia hijanona ho tompon'andraikitry ny tontolo rehetra na dia voafetran'ny fitondra-tenantsika aza isika. Amin'izany no ahalalantsika ny fahadisoam-panantenana. Hoy Sartre:

Midika ve izany fa izaho dia tokony hiala amin'ny fanahiana? Tsia, voalohany indrindra, tokony hanolo-tena aho, avy eo hitondra-tena araka ilay raiki-pohy tranainy. Izany tsy midika hoe tsy tokony hiditra anaty antoko aho, fa hoe tsy afaka haminavina aho ary hanao izay ho afako. Ohatra, raha manontany tena: ny famondronana, amin'ny maha izy azy, ho tonga ve izy? Tsy mahafantatra na inona na inona aho, tsy misy fantatra ankoatra izay eo am-pelan-tanako mba hahatonga azy, ho ataoko izany; any ivelan'izany, tsy afaka mianki-doha amina inona na inona aho. Ny fanahiana, ny toetran'ny olona no milaza: ireo hafa dia afaka manao izay tsy azoko atao. Ny foto-pisainana izay asehoko aminareo izao dia mifanohitra indrindra amin'ny fanahiana, satria izy dia milaza: tsy misy fisiana afa-tsy ao amin'ny asa; izy dia tonga hatrany lavitra any, satria nampiany hoe: ny olombelona dia tsy inona fa vinavinan'asany ihany, tsy misy afa-tsy ao amin'ny fenitra izay mahatontosa azy, izy dia tsy inona noho izany afa-tsy ny fitambaran'ireo asany, izay tsy inona fa ny fiainany.

Noho izany, koa satria ny fitaintainana, fahadisoam-panantenana no fepetran'ny asantsika ary izy dia tsy ho fialan-tsiny amin'ny tsy fihetsehana raha toa isika mbola mijanona ho tompon'andraikitry ny tontolo. Ny sary ao amin'io andalana io dia ny an'ireo olona izay tena mifofotra tanteraka ao amin'ny andraikitra ho tanterahina, amin'ireo vina ireo sy ny drafitra izay tena hanoloran'izy ireo tena sy hahitany ny tena fahafinaretany, amim-pahalalana lalandava fa tsy antoka na iray aza fa ny asa dia ho vita, ary amim-pahalalana ihany koa fa izy ireo dia tompon'andraikitra fenon'ny tontolo, na inona na inona ny fitaintainana, famelana ary fahadisoam-panantenana.

Tsara ny mametraka eto fa ny hoe tompon'andraikitra, sy ny fahalalana ny fitaintainana, ny famelana ary ny fahadisoam-panantenana dia tsy mampihatra indrisy fiainana ratsy ara-boajanahary. Sartre dia tonga hatrany amin'ny fitenenana fa ny fandalana amin'ny fifotorana amin'ny fisiana dia karazana toetra tia mandray zavatra amin'ny lafi-tsarany, na dia amin'ilay karazana sarotra aza izany. Ny fiainana maha tompon'andraikitra dia mampihatra mazava ho azy ny fanaovana sorona sy ny fangirifiriana, saingy izany dia tsy mitovy lanja amin'ny fiainana, ny haratsiana sy ny fankahalana ny fiainana. Ny fiainana maha tompon'andraikitra dia fiainan'ny asa, ny fahombiazana, ny fanatontosana ireo vina, fiainana famoronana goavana. Tena fiainana famoronana marina ary tontolona famoronana, ary isika no hamorona izany, ireo olombelona, ireo voahary hafa noho ireo hafa rehetra noho ny fahatsapantsika ary ny an'ny sehatra anatintsika izay mitsara sy mahatsapa. Ny ankamaroan'ny olona, mazava ho azy, dia mihorohoro amin'ny mety hiainan'izy ireo fiainana namboarina sahala amin'izany na noforonina. Izy ireo dia tsy mety hiaiky tanteraka ny andraikitr'izy ireo amin'ny fiainana na amin'ny tontolo, na misafidy ny anjara, Zanahary, ireo trangan-javatra, ny voahary na ny fianarana momba izany ho tompon'andraikitry ny fiainan'izy ireo. Mifandona amin'ny habibian'ny andraikitra, izy ireo dia miafina ao anatin'ny haratsiam-panahy ary manila ny fony amin-kerisetra any amin'ny sekolin'ny fiainana izay milaza ny andraikitr'izy ireo.

Sartre dia nandany ny fiainany mba ho mpanetsiketsika ara-piaraha-monina sy ara-politika, ho filôzôfa, mpampianatra ho miaramila sy olom-pirenena tafiditra hifandrindra amin'ity hevitry ny andraikitra ity. Sartre dia milaza eo am-pamaranana ny handrana nataony:

Tahaka izany, no namaliany, mino aho, ireo fanakianana maro momba ny fandalana ny fifotorana amin'ny fifotorana amin'ny fisiana. Hitanareo fa izy dia tsy ho voaray sahala amin'ny filôzôfian'ny fanahiana, satria izy dia mamaritra ny olona amin'ny alalan'ny asany; fa tsy sahala amin'ny famaritana manana fijery miiba ny olona: tsy misy foto-pisaina mijery kokoa ny lafy tsara, satria ny anjaran'ny olona dia ao aminy ihany; fa tsy hoe fanandrakandramana mba hamporisihina ny olona mba hihetsika satria izy miteny fa tsy misy fanantenana intsony afa-tsy ao amin'ny asany, ary izany no zavatra tokana izay mamela ny olombelona hiaina ny asa. Vokany, momba io drafitra io, isika dia mifanehitra amina fitondra-tena miasa sy manolo-tena.

Gülen dia tsy mitsipaka an' i Sartre noho ireo heviny mahakasika ny andraikitra. Raha ny marina, Gülen sy Sartre dia manana teboka iraisana momba io lohahevitra io, na dia tsy miombon-kevitra aza izy ireo amin'ny sisa ambiny rehetra. Amin'ny maha mosilimo izay mapiseho ny heviny amin'ny fomba fijery tena mosilimo, Gülen dia miresaka ireo fanontaniana momba ny fahefana sy ny andraikitra maha olona ao amin'ny tontolo amin'ny fomba mifanindran-dalana saika amin'ireo manam-pahaizana ara-pinoana rehetra ao amin'ny fanompoana Andriamanitra tokana rehefa mamaly fanontaniaina izy ireo. Raha ny marina, ireny lohahevitra ireny dia nanome taranjana harenan'ady hevitra, famakafakana sy fifanakalozan-kevitra nandritra ireo taonjato maro tao anatin'ireo finoana goavana izay maneho Andriamanitra tokana tsy toa sy Hahalala ny zava-drehetra. Ny teboka manokan'io fanontaniana io dia ny hamaha ny olana eo amin'ny sitra-po sy ny asa mirindran'ilay Mpahary andaniny ary ny sitra-po sy ny fitsarana malalaky ny olombelona ankilany.  Ny ankamaroan'ireo manam-pahaizana manompo Andrimanitra tokana, indrindra ireo izay mandroso ny hevitry ny valisoa sy ny fanasaziana maharitra mandrakizay, dia tsy manda ny fitsarana malalaky ny olombelona satria ny fanaovana izany dia handa ny andraikitra maha olona amin'ireo asany, izy mametraka fanontaniana momba ny fahamarinan'ny paradisa na ny afobe mandrakizay sahala amin'ny "famaliana" ny asan'ny olombelona, foto-pinoana iray ho an'ireo Kristianina sy Silamo. Raha toa ka tsy manana ny fitsarana malalaka ny olombelona, ahoana no fomba hanasaziana na hamaliana soa ireo asany? Amin'ny lafiny hafa, ny fitenenana ny fahalalahana fenon'ny olombelona mba hihetsika dia toa mamerina indray ho olana ny rindran'asan'ilay Mpahary. Andriamanitra dia tsy mpandrindra an-tsehatra goavanan'ny tontolo raha toa ka ny zanak'olombelona ao anatin'ny fahalalahan'izy ireo hitondra-tena no hisafidy ho azy lalan-kafa. Io olana eo amin'ny rindran'asan'ilay Mpahary sy ny fitsarana malalaky ny olombelona no tanjona goavana ao amin'ny faribolana ara-pinoana, ary ireo fihezahana mamaha io olona io na ny fifehezana izany dia maro sy samihafa amin'ny fomba rehetra. Tsy mila miresaka an'izany eto isika raha toa ka tsy ilazana io olana io na io fanontaniana io any aorian'ny sehatra rehefa maneho ireo teniny mahakasika ny andraikitra maha olona eo amin'ny tontolo i Gülen. Amin'izany, izy dia tsy hilaza mandrakizay sahala amin'ny nataon' i Sartre hoe ny zanak'olombelona dia tompon'andraikitra amin'ny tontolo sahala amin'ny fisiany ao anatin'ny tantara satria ny fanaovana izany dia hamerina indray ho olana ny rindran'asa sy ny didin'ilay Mpahary, ireo izay inoany tokoa. Gülen dia mitory ilay Andriamanitry ny Silamo, ilay Andriamanitra tsy Toa, mahalala ny zava-drehetra, mpamorona ny lanitra sy ny tany ary izay mahafantatra ny zavatra rehetra. Ny zavamisy sy ny fisiana rehetra dia noho izy vita avy amin'ny didy masina avokoa, ary izy dia misy ary tsy manana fisiana ivelan'io didy masina io. Io fanoloran-tena ao amin'ny finoana io no manavaka kely ireo izay voalazan'i Gülen momba ny andraikitra maha olona, ary fototra fahasamihafana iray eo amin'ny fomba fijerin' i Sartre sy Gülen izay miharitra amin'ny fifantohana rehetra.

Na izany aza, Gülen dia miresaka io fanontaniana io amin'ny fomba iray izay manokatra lalana vitsivitsy manampy antsika amin'ny fahazoany hoe ahoana no ahafahany miresaka ny "fahatsapana andraikitra" sahala amin'ny ataony ao anatin'ny La Statue de nos Âmes sy any an-kafa. Izy dia miresaka io fanontaniana io amin'ny alalan'ny fampiasana teny baiko iray izay adika amin'ny teny frantsay hoe "vice-gérant" na "Vice-gérance". Ny fampiasana teny sahala amin'izany dia manondro sahady, farafahakeliny amin'ny frantsay, fa izy dia miezaka mitady fitovian-danja eo amin'ny rindran'asan'ilay Mpahary sy ny fitsarana malalaky ny olombelona. Ny lefi-pitantanana dia midika mazava fa fitantanana, fitondrana ary ny andraikitra. Ny tovona "visy" dia manamarika na izany aza fisoloan-toerana ny manam-pahefana ambony, mety amin'ny alalana didy mihitsy aza. Eto isika dia manana ireo fomba fijerin' i Gülen amina teny vitsivitsy, sy ny an'ireo manam-pahaizana ara-pinoana maro ao amin'ny fomban'ireo manompo Andriamanitra tokana izay miatrika fampiarana sarotra mitady hampifandray ny rindran'asan'ilay Mpahary sy ny fitsarana malalaky ny olombelona. Ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra ary tsy Toa, tamin'ny alalana didy, dia namorona ny fisiana amin'ny fomba izay mba ahafahan'ny tontolon'ny olombelona eo anivon'io fisiana io ho voakasiky ny asan'ireo zanak'olombelona. Arakaraky ny hoe manao io asa io ve izy sa tsia, izy ireo dia hiharan'ireo vokany eto amin'izao fiainana izao sy any amin'ilay manaraka. Na inona na inona zava-mitranga, ireo vina tsy manam-petra ary vokany mifono mistery (satria ny fanahintsika manam-petra dia afaka mahazo an-tsaina ny nonoa saingy mazana dia afaka maheno ny "antso" ho amin'izany) avy amin'Andriamanitra ho an'ny tontolo ary ny fisiana dia mijanona ho tanteraka. Izany dia fifandanjana vaovao miavaka izay mety tsy mamaha manontolo ny olana eo amin'ny rindran'asan'ilay Mpahary sy ny fitsarana malalaky ny olombelona, saingy afaka manao izay vitany mba hitandrona ny toerana manan-danjan'ny asany sy ny andraikiny ny maha olona eo amin'ny tontolo, izany no lohahevitrisika eto.

Ireo fitenenan'i Gülen mahakasika ny lefi-pitantanana maha olona dia miorina eo ambonin'ny Korany (2:30): "Ary Izaho dia hametraka solon-tenako eny ambonin'ny tany." Amin'ny maha mpitantana lefitra azy, ireo olombelona dia mpisolo tena masina eto ambonin'ny tany. Hoy Gülen:

Raha toa ka ny olombelona no mpisolo tena an'Andriamanitra eto ambonin'ny tany, ilay tiany indrindra amin'ny famoronana Ny rehetra, ny fiandohana ary vaingan'ny fisiana amin'ny fitambaram-beny ary fitaratra faran'izay mamiratra an'ilay Mpahary – ary tsy misy isalasalana fa sahala amin'izany tokoa izy – noho izany ilay Masina izay nandefa ny olombelona teto amin'ity tany ity dia nanome antsika zo, fahazoan-dalana ary fahafahana mitrandraka ireo mistery voatombo-batsy ao anatin'ny fanahin'izao tontolo izao, hitrandraka ny hery, ny tanjaka ary ny toetra miafina, mba hampiasa ny zavatra rehetra ho an'ny tanjona izay azy, ary mba ho ireo mpisolo tena mendrika izay Azy, sahala amin'ny fahalalana, ny sitra-po ary ny hery.

Eto isika dia mahita fa i Gülen dia mitady ilay fifandanjana miavaka voateny tany ambony. Izy dia milaza amin-kery fa ny zanak'olombelona dia sady famoronana no fitaratr'Andriamanitra. Ny olona dia sady voahary no taratra manetri-tena amina Mpamorona ary misolo tena io Mpamorona io ihany. Izany no toeran'ny mpitantana lefitra: manetri-tena hatrany amin'ny didin'Andriamanitra, ary tompon'andraikitra foana, amin'ny alalan'io didy io ihany, mba hampiseho sy hanao ny asan'io Andriamanitra io ao anatin'ny tontolo miaraka amin'ireo fahafahana anaty izay manome taratra ny an'Andriamanitra. Gülen dia manazava amin'ny antsipirihiny kokoa ny lefi-pitantanan'ny olombelona:

Ny lefi-pitantanan'ny olombelona ho an'ilay Mpamorona dia misy ao anatin'ny faribolana tena midadasika izay ahitana ireo asa izay handeha hino sy hanompo Azy mandrapahazo ireo mistery mitoetra ao am-pon'ny zavatra ary ny anton'ireo tranga voajanahary, ary vokany dia afaka andray anjara ao amin'ny voahary. Ireo olombelona miavaka ireo dia hihezaka hampiatra ny fitsarana malalak'izy ireo amin'ny fomba manarina, amin'ny fiasana miaraka amin'ny tontolo sy ny fampivelarana izany, amin'ny fiarovana ny firindrana misy amin'ny fisiana sy ny maha olona, ny fiotazana ireo harena miafin'ny tany sy ny lanitra ho tombony ho an'ny olombelona, amin'ny fiezahana manondrotra ny loko, ny endrika ary ny tsiron'ny fiainana ho amina hahavo maha olona kokoa ao anatin'ny sehatry ny filaminana sy ireo lalanan'ny Mpahary. Izany toetra marin'ny mpitantana lefitra izany no mamela ny fahazoana ny tena dikan'ny manompo sy mitia an'Andriamanitra.

Voamarika ao amin'ny asa maha olon'ny andraikitry ny mpitantana lefitra, izay ahitana ny fahatsapana sy ny fitiavana ara-pinoana, ny fahalalana ara-tsiantifika ny tontolo voajanahary, ireo fomba fandraisany andraikitra eo amin'ny tontolo voajanahary na ny fampiasana izany ho ana fiafarana miabo, ary ny fivoaran'ny fiainan'ny zanak'olombelona amin'ny alalana fomba manan-karena kokoa sym aha olona. Amin'ny maha mpitantana lefitra azy, ny zanak'olombelona dia tompon'andraikitr'izany rehetra izany. Izy ireo dia tompon'Andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny maha olon'ny tany azy, olon'ny fanatontosana ny adidin'izy ireo eo amin'ireo sehatra ireo.

Gülen dia miresaka amin'ny antsipirihiny ny lefi-pitantanan'ny maha olona ao amin'ny La Statue de nos Âmes amin'ny fomba izay miseho ho tena velona sy miorim-paka noho ny any amin'ireo soratra hafa. Eo ampanombohana ny boky, izy dia miverina mandray ny resaka momba ny rindran'asan'ilay Mpahary sy ny fahalalan'ny olombelona, ary milaza any ampamaranana ny fifandanjana miavaka uzay tononontsika amin'ny feo ambony. Izy dia manampy fisaintsainana mahaliana mahakasika ny fitsarana malalaky ny olombelona:

Andriamanitra dia miantoka ny fitsarantsika malalaka… ary manaiky izany sahala amin'ny fanasana ho amin'ny sitra-poNy, ny heviny, ary mampanantena ny hametraka vinan'asa izay miavaka mahakasika io fitsarana malalaka io, drafitra iray izay notontosainy ary mbola manohy izany Izy. Andriamanitra dia namorona ny sitra-pontsika sahala amin'ny fombaahazoana ny fahamendrehana na hanaovana ireo fahotana, toy ny fototra valisoa sy fanasaziana, ary manaiky azy toy ny olona iray mba hanome ny tsara sy ny ratsy… Noho izany no ametrahan'Andriamanitra lanja amin'ny sitra-pontsika sy amin'ireo hetaheta sy fanirian'ny olombelona; Izy dia manaiky izany sahala amina fepetra iray ho amin'ny fananganana sy ny fahombiazana eto amin'izao tontolo izao sy any an-koatra, amin'ny fanaovana izany ho antony mavesatra, sahala amin'ny fampihana majika ho ana tanjona mampihodina herinaratra izay afaka manazava ny tontolo rehetra.

Gülen eto noho izany dia milaza fa ny fampihodinana dia ny sitra-pon'olombelona, nation-Janahary, mamaritra ireo fisiana eto an-tany sy any an-koatra. Ny filazana ny dika ambonin'ny sitra-po sy ny asan'ny olombelona eto amin'izao tontolo izao dia tsy manena na inona na inona ao amin'Andriamanitra; raha ny marina, ny sitra-pon'ny olombelona dia fanamarinana sy fanantanterahana ny sitrak'Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao, noho izany ny fanalavirana ny toetra maha olona, ny finoana, ny fahalalana sy ny fahamarinana dia manjary petraka olana goavana. Ny fanalavirana ireny zavatra ireny miverina amin'ny fandalana ny toerana maha mpitantana lefitra tompon'Andraikitra sy mampiasa ireo fahefan'io toerana faratampony io amina tanjona ratsy, izy izay manana akony eo amin'ny fiainana eo amin'ny hahavo farany lalina satria ny sehatry ny andraikitra eo amin'io toerana io dia ahitana ny fitambaran'ity tontolo ity sy ilay manaraka, raha fehezina dia ny fisiana rehetra.

Amin'izany, isika dia manomboka mandray ny fomba fanehoana izay ampiasain' i Gülen manerana ny La Statue de nos Ames fomba fanehoana ny fangrifiriana sy ny fikoropahana izay mandefa antso ho an'ireo izay handray tanteraka io anarana maha mpitantana lefitra io ary hitondra eo an-tsorok'izy ireo ny vesatry ny andraikitra mifandraika amin'io anjara asa io. Amin'ny ambin'ny boky, Gülen dia manome amin'ny antsipirihiny ireo toetran'ireo mpitantana lefitra ireo, izay ny ankamaroany dia efa voalaza tao anatin'ireo fizarana roa teo aloha, satria ireo mpitantana lefitra ambony ireo no "mpandova ny tany", "olon'ny fo" na ireo "olombelona lafatra". Na izany aza, isika dia mifantoka amin'ireo toetra izay mifandraika mivantana amin'ny andraikitra eo amin'ny tontolo. Ny iray amin'ireny toetra dia ny asa, na ny maha olona miasa. Manazava Gülen;

Ny asa no singa manan-danja sy ilaina indindra mandrafitra ny fiainantsika. Amin'ny fandraisana ny andraikitra indrindra amin'ny alalan'ny asa sy ny fisaintsainana mitohy, amin'ny fiatrehana sy ny fiaretana ny sarotra, ary amin'ny heriny isika dia afaka miteny amin'ny famonoantsika tena amin'izany rehetra izany, na dia izany aza mety ho takalona zavatra maro, isika dia tokony hihetsika sy hanao izay mety hatrany. Raha toa isika tsy mihetsika amin'ny maha isika antsika, isika dia paohin'ireo onja vokarin'ireo hetsika sy asan'ny manododina, ary ao anatin'ny tadion'ireo drafitra sy hevitry ny hafa, ary isika dia hanjary ho voatery hihetsika ho an'olon-kafa. Amin'ny fijanonanalavitry ny asa, amin'ny tsy fandraisana andraikitra amin'izay mitranga manodidina antsika, ary ny tsy fandraisana anjara amin'ireo hetsika izay manodidina antsika sy amin'ny tsy firaharahiana azy ireny, dia mitovy amin'ny hoe isika mamela ny tenantsika hitsonika, sahala amin'ny ranomandry mivadika ho rano.

Ireo mpamaky mifantoka dia efa ary mahatsikaritra sahady ireo teboka iombonan' i Gülen sy Sartre momba io teboka miavaka io. Gülen dia mamaritra eto ny asa sahala amin'ny singa fototra mandrafitra ny fiainan'ny olombelona. Tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny asa no tokony hahatonga antsika ho mpandova ny tany amin'ny fomba voafaritra ao amin'ny fizarana teo aloha.Tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny asa no ahafahantsika manorina nt tenantsika ary hananganantsika ny tontolo. Raha tsy misy asa, izany hoe raha tsy misy ny fanoloran-tenantsika, raha tsy misy ny fanaovantsika ny andraikitsika manoloana ny zavatra tsirairay ary raha tsy misy ny fizakantsika ny hirifiry izay hampiarin'ny andraikitra mazava ho azy, isika dia miaala mba ho an'ny asan'ny hafa, isika dia mamela ny andraikitra maha olona antsika sym aha mitantana lefitra mba hisafidy eo amin'ny toerany fiainana iray efa voafaritra mialoha na efa voafaritra amin'ny fomba hafa, mitovy amin'ny fisian'ireo zavatra tsy manan'aina na ireo biby izay miaina araka ireo fahatsapana tsy dia mivelatra fa tsy amin'ny alalan'ny safidy sy fisainana. Ny maha olona antsika dia manjavona rehefa manda ny hihetsika isika sy hitondra ireo andraikitry ny asa. Any amina andalana hafa, Gülen dia milafa amin'ny fisafidianana ny tsy fihetsehana (izany izay tena marina fa asa atao amin'ny tena, eny fa dia tsy fandraisana andraikitra aza izany), isika dia misafidy ny fahafatesana: "ny endriky ny fisiana izay tena manana ny lanjany dia ny asa sy ny ezaka. Ny tsy fihetsehana dia faharavana, fahapotehana, amin'ny teny hafa ny fahafatesana."

Gülen dia milaza fa ny olon'ny asa dia mandray andraikitra maro ao amin'ny fiaraha-monina: "matetika olona iray mazava fo tia tanindrazana, olona be herim-po amin'ny asa azo tarafina, matetika olona mahafehy ny siansa sy ny fianarana, mpanakanto mahy, olom-panjakana ary indraindray aza dia izy rehetra ireo mitambatra." Izy dia nanokana fizarana iray manontolo mba hamintinana ny fiainana sy ny asan'ny olona manan-danja ny tantaran'i Tiorkia vao tsy ela. Izay mampiavaka sy mampivondrona azy rehetra ireo, araka ny hevitr' i Gülen, dia palitao tsy mampino ana andraikitra izay entin'izy ireo saika amin'ny zavatra rehetra, ny antson'ny tsy misy fiafarana izay henon'izy ireo manako ao anatin'ny fisainany fa izy ireo dia tompon'andraikitry ny tontolo sy hoe ny singa tsirairay madinika indrindra amin'ny fisian'izy ireo sy ny herin'izy ireo dia tokony hiasa mavitrika amin'io andraikitra io. Manazava Gülen:

Toy izany ny andraikitr'ireo izay miditra ao anatin'ny fahazoana sy fandava-tena amim-pisainana'olona irey tsy mijanona na oviana na oviana ivelan'ny azy ireo: ireo andraikitra manoloana ny fahariana sy ireo zava-mitranga, ny voahary sy ny fiaraha-monina, ny lasa sy ny ho avy, ireo maty sy ireo velona, ireo tanora indrindra sy ny antitra indrindra, ireo mahalala sy ireo bado, ny fitantanana sy ny fandriam-pahalemana… Ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra. Ary mazava ho azy izy ireo dia mahatsapa ny fanaintainan'ny andraikitra rehetra ao am-pony; izy ireo dia tsapa sahala amina fihetsehan'ny fo mafy sy tsy manara-dalana ary toetra mietraketraka minia tsy mahazo na inona na inona ao anatin'ny fanahy, ary mitady hatrany mba hahazo ny fon'izy ireo… Ny fanaintainana sy ny vokatry ny alahelo izay miteraka ny fahatsapana ny andraikitra, raha toa izy ireo ka tsy ravan'ny fotoana, no vavaka, fiangaviana tsy ho tsipahina ary ikay antsika tena mahasarika ho an'ireo fahatsapana izay mijanona ho mazava ary tsy andairan-kolikoly.

Io andalana io dia tena misongadina. Voalohany indrindra, jereo ny sahatry ny andraikitra, "ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra", isan'izany ny lasa sy ny maty. Tsy misy na iray amin'ireo aza afaka ho tonga amin'ny fahazoana sy ny fisainana ho any ivelan'io sehatry ny andraikitra io. Raha afaka misaina izany isika ary tena misy (fa tsy sary an-tsaina), isika dia tomppon'andraikitra amin'izany. Manaraka izany, jereo fa ny fangirifiriana no mpiara-dalana amin'ny andraikitra, "ny fanaintainana sy ny vokatry ny alahelo" izay miara-dalana amin'ny fisainana. Gülen ao amin'io andalana io, sy any amin'ny asany hafa, dia miresaka ny fahasarotana anatiny izay iainantsika rehefa mandray amim-pahamatorana ny andraikitra maha mpitantana lefitra na mpandova ny tany. Matetika izy dia mifampitaha amin'i Rumi, ilay poeta goavan'ny taonjato faha VIII izay nilaza tamim-pandresen-dahatra lehibe ny faanaintainana sy ny fangirifiriana izay miara-dalana amin'ny fitiavan-dehibe, ary ny hetaheta tsy hay tohaina ho an'ny olona izay tiana izay tena fangirifiriana lalina tokoa; saingy ny olona mitia dia tsy ho tonga amin'ny famelana mba hialana amin'ny fangirifiriana satria ny fitiavana ho an'ilay olona tiana no anton'ny fisiana, fanahin'ny fiainana izy tenany. Ireo mpitantana lefitra an' i Gülen eto dia mitia ilay tiana, ary ao amin'io tranga io ny tiana dia Andriamanitra, ny fisiana rehetra avy amin'Andriamanitra, ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra, ary ny mitia ny tia no fandraisana andraikitra amin'izany. Izany dia hetaheta tsy hay tohaina, fangirifiriana, fihetsehan'ny fo amin-kery ary fisainana mihorohoron'ny fanahiana izay tsy mbola notsoahana raha toa isika mbola "mitia". Ilay tia dia voageja ao aminy amin'ny maha tia azy. Tsy sakana ho amin'ny fitiavana izany. Ary farany, ny andalana ambony indrindra dia manondro fa io andalana io no feon'ny fampahatsihivana ny tena olombelona, ary isaky ny maheno ny naotin'io feo io izy ireo amin'ny alalan'io fangirifiriana io, izy dia mampiasa tetika sy drafitra maro hatrany. Gülen dia milaza fa ireo olon'ny andraikitra dia mitia fatratra io andraikitra io , hamela ny paradise mihitsy aza noho izy.

Ny teboka iray izay iraisana amin'i Sartre dia miantsampy eo imaso na dia mahatsapa fa Gülen sy Sartre dia maka ireo heviny sy ny asan'izy ireo amin'ny alalan'ny sehatra ara-pilôzôfia tena samihafa, na dia hoe miseho ho mora tanterahina aza izany amin'ny fijery voalohany izay mety hampisy farafahakeliny teboka iombonana eo amin'izy ireo. Ny mazava na izany aza dia ny hoe, miainga amin'ireo teboka fiaigan'izy ireo tsirairay avy izay tena samihafa sy ireo fomba fijerin'izy ireo tsy mifandray, ary ny mahakasika ny andraikitry ny olombelona manoloana ny tontolo, ny tsirairay avy amin'izy ireo dia milaza ireo fahitany ny fiainana maha olona eto amin'izao tontolo izao izay mifanindran-dalana. Sartre sy Gülen dia samy manokana ny fitambaran'ny heriny ara-pahalalana mba hanipihana ny filana maikla ireo olona izay handray ny andraikitr'izy ireo manoloana ny tontolo, ary mba hamerina fa ny tontola dia, ary hitohy hatrany ho, izay anaovantsika azy. Amin'izany na ny iray na ny hafa amin'ireo olona ireo, Gülen na Sartre, no tokony nanoratra ireo teny sombin'ny La statue de nos Âmes ireo:

Ny olona rehetra matotra izay manana ny hevitry ny andraikitra isam-batan'olona dia hiteny: "Izaho dia tokony hanao izany. Raha tsy manao izany aho ankehitriny, ary izany dia amin'ny fara heriko, noho izany dia mety tsy hisy olona hanao izany", ary izy dia hiezaka ny hanao izany voalohany, ny faneva eny an-tanana.

Isika dia tokony hanana fitokisana amin'ny tenantsika ary amin'ny herintsika manokana, fa isika dia mino fa izy ireny dia avy amin'Andriamanitra, sahala amin' i Gülen na tsia, toa an'i Sartre, ary isika dia tokony hand any fiandrasana hoe ny zavatra n any olona ivelany no hanao ny asantsika eo amin'ny toerantsika. Ny manary ny andraikitra amin'ny hafa dia miaina amin-karatsiam-panahy, mba hampiasana ny fitenenan'i Sartre; izay amin'ny fomba mahaliana dia mifandray tsara amin'ny fanadihadian'i Gülen ireo olon'ny finoana izay manda ny andraikitta – Izy ireo dia miaina amin-"karatsiam-panahy".

Tenin'i Gülen iray farany izay mamehy ny fahitany ny fiainana sy fahafinaretan'ny olombelona marina ary manazava amintsika tsara izay tokony hiseho raha toa ka tontolo iray ana fahatsarana, fahamarinana sy fahalalahana ho an'ny rehetra no teraka sy ny andraikitr'ireo olona tokony handray izany mba hahatongavana any. Averiny indray, ny fanahin'ny fitenenana dia mampatsiahy ny fanahy, na dia tsy mahatadidy ny litera aza izy, ireo fahafahana mandray an'i Sartre. Hoy Gülen:

Rah any marina, isika dia mil any fanahin'ny fahaizana miaraka amin'ny fandavan-tena mafy izay afaka mitondra ny anarana ho mpitantana lefitra an'Andriamanitra eto ambonin'ny tany, ary izay afaka mandray andraikitra ao amin'ireo trangan-javatra sy hanohitra ny fanahy kamboty ary hanasazy ny fiheverana tsy mametraka lanjany mihitsy amin'ny fahatsapana ny andraikitra, amin'ireo lanja maha olona, amin'ny fahalalana, ny fitondra-tena, sy ny fibanjinana marina,amin'ny filamatra sy ny kanto anatine faritra tena midadasika, isika dia mila fanahy voasivana sy fandavan-tena tena mafy izay handray sy handika ny fahariana ao anatin'ny fahalalinany sy ao amin'ny fitambarany ary ny maha olona ao anatin'ny halehibeny rehetra ra-vainga na tsia.

Ny fanahy lalina eto dia ny fiambenana, ny fiambenana ny andraikitra. Amin'ny alalan'ny fahakanosantsika sy ny faharatsiam-panahintsika, isika dia mitsoaka ny andraikitra amin'ny fiainantsika sy ny amin'ny tontolo. Noho ny fanahintsika kanosa sy malemy, isika dia mitady fialan-tsiny ary mandray ny haja ho tompn'andraikitry ny zava-mitranga eran'izao tontolo izao, ny anjara sy sehon-javatra. Mandritra izany fotoana izany, ny tontolo dia mipetraka eo an-tsorotsika eny fan a dia rehefa misafidy ny fahafatesana sy ny fihetsehana aza isika, ny fiainan'ny zava-maitso kely maniry eny rehetra eny, ny seza na vato, fiainana iray ambany noho izay novolavolain'Andriamanitra, na tamin'ny alalan'ny voahary na fisiana. Ny fiainana miavaka, eo imason'Andriamanitra, na eo imason'ny fiainana, dia fiainana'ny andraikitra, ary ireo izay miaina ny fangirifirian'ny fahadisoam-panantenana sy ny fitaintainan'izao fiainana izao, ary izy ireo no olona tena mendrika ny ho antsoina hoe "olombelona". Izy ireo dia manana fandavan-tena toy vy ary fo feno fiambenana izay mampandroso azy ireo na dia eo azan y vokatry ny alahelon'izy ireo mankany amina sehatra andraikitra mivelatra kokoa hatrany manoloana ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra. Ireny olona ireny no tena olon'ny maha olona, ary eo an-damosin'izy ireo no miorina ny tontolo. Sahala amin'izay lazain' i Gülen sy Sartre, ny fiaraha-monin'olombelona dia ary hitohy hatrany ho izay anaovan'ny zanak'olombelona azy.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.