Sasin-teny

Fethullah Gülen

Ny taon-jato faha III dia lasa vanintaonan'ny olana izay tsy nandrasan'iza na iza. Ao ireo mpandala ny herisetra, ny fahafatesana sy ny fahapotehana ary, soa ihany fa nisy ireo nanohitra izany hevitra izany ka nirona kokoa tany amin'ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifankahazoana. Ny trangan-javatra tamin'ny 11 septambra 2001 no maneho an-tsary ny hamafiny. Ny nitranga tamin'io andro io ary ny ady manohitra ny fampihorohoroana manaraka izany dia nanova ny tontolon'ny fiaraha-monintsika eo an-toerana sy iraisam-pirenena. Noho ny nataony, ireo jiolahin'abakabaka sivy ambinifolo, dia namorona ny hevitra lehibe indrindra mifanohitra tanteraka amin'ny fisainan'ny taonjato faha XXI: ny silamo izay noheverina fa finoan'ny fandriampahalemana dia natambatra ao amin'ny vono olona sy ny korontana ankehitriny.

Misy anefa indrisy ny tsy fahampian'ny fahafantarana ny silamo na eo amin'ny samy mosilimo na koa eo amin'ireo izay tsy ao anatiny. Ny filana ny fahafantarana ny silamo dia mivelattra ankehitriny tsy voasahan'ny sampan'ny siansa maha olona ao amin'ny Oniversite fa hatrany amin'ny tokantranon'ny tsirairay avy amintsika. Tsy mitsaha-mitombo ny mponina mosilimo; amin'izao fotoana izao dia vinavinaina ho 1, 4 lavitrisa mivelona amina firenena mosilimo 57 ary farafahakeliny ny iray amin'ireo no manana tanjaka nokleary.

Maro amin'ireny firenena ireny no manana anjara asa fototra toy ny namana voafatotry ny fifanarahana na toy ny fahavalon'ny Etazonia amin'ny ady manohitra ny fampihorohorohana. Ny fiarahamonina mosilimo dia tsy mifatratra amina lafi-tany iray; eo ho eo amin'ny fito tapitrisa ny mosilimo mivelona any Etazonia ary betsaka noho izany koa ny any Eraopa. Ireo mpampihorohoro izay lohalaharana ao amin'ny lisitry ny olona tadiavin'i America dia mosilimo? Oussama Ben Laden, Al Qaϊda ary ireo sefon'ny talibana toa an'i Mollah omar? Misy ihany koa anefa ireo namana fototr'i Amerika amin'ny ady manohitra ny fampihorohoroana, ny filohan'i Pakistan Pervez Mousharaf, ny filohan'i Afganistan Karzai ary ny mpanjakan'i Jordania Abdullah. Noho izany raha samy mosilimo avokoa ireo mpanohitra sahala amin'ireo namana akaiky dia fotoana izao anombohana ny fahafantarana ny silamo.

Amin'ny maha fiaraha-monina iraisam-pirenena, ny fomba ahafantaran-tsika miantoka fa ny fifandonana diso na marina azo ihoarana eo anivon'ny finoantsika dia mandalo amina fifanakalozan-kevitra sy fifankahazoana. Ny boky mitondra ny lohateny hoe: "Fifanakalozan-kevitra momba ny kolontsaina" an'i Dr Jill Caroll, Profesera ao amin'ny Oniversiten'i Rice dia nandray toerana handala ny fifanakalozan-kevitra ary izao dia manindry mafy dia mafy izany. I Caroll dia nanala vesatra lehibe antsika rehetra tamin'ny nanazavany ny foto-pisainana mosilimo nisongadina nataon'i Fethullah Gülen. Lehibe mpitarika ny Sofi Tiorka, mpisava lalana amin'ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny samy finoana nandritra ny telopolo taona. Gülen dia mino fa "ny fifanakalozan-kevitra dia tsy andrasana tsotsotra, fa tena ilana… Fa ny fifanakalozan-kevitra dia adidin'ny mosilimo tsirairay ary mba hahatonga ny tontolontsika ho tena milamina sy tena azo antoka. Amin'ny fotoana ilan'ny mahaolona lehibe ara-pinoana, dia efa nahita sahady isika ao amin'ny Gülen. Laniny tamin'ny fanehoana ny toloko sy ny ranomaso ny fiainana maha olon-dehibe azy to any finoana rehetra sy ny fironana mosilimo ary ny mahaolona amin'ny ankapobeny. Nahasarika fihetsehana goavana nataon'ny fiarahamonim-pirenena izy nanomboka tamin'ny taona enimpolo izay nivoatra sy nihalehibe mba handraisana ireo karazana endrika fiainam-piaraha-monina maro. I Gülen amin'ny maha avara-pianarana mosilimo sy Sofi dia nahasarika olona an-tapitrisany na izy ireo mosilimo na tsia mba hanolo-tena hiasa ho an'ny mahaolona.

Ao anatin'ny lahatsoratra, Jill Caroll dia namerimberina ny fomba amin'ny fanolorana antsika ny fifanakalozan-kevitra an-tsoratra mampitaha ny herisetra sy ny fampianaran'i Gülen amin'ireo mpandinika dimy manan-daza maneran-tany amin'ny sehatry ny siansa maha olona amin'ny ankapobeny: Emmanuel Kant, Confisius, John Stuart Mill, Jean Paul Sartre sy Platon. Tsy ny mamorona lohateny manome taratra ny fampianaran' i Gülen irery ihany no hain' i Caroll fa monomer ohatra antsika koa izy amina karazana fifanakalozan-kevitra ilaintsika amin'izao taonjato faha XXI izao. Fifanakalozan-kevitra ahitana hevitra mifameno sy heritreritra amin'ny fomba samihafa noho ny antsika ka maneho amintsika fomba hentitra manosika mankany amin'ny fiheritreretana.

Tsy misy na iza na iza afaka mamorona io lahatsoratra nosoratana io ankoatra an' i Caroll. Amin'ny maha tale mpikambana ao amin'ny ivon-toerana "Boniuk" ho an'ny fandalinana sy fampivoarana ny fifandeferana ara-pinoana ao amin'ny Oniversiten'I Rice azy, ny maha mpanoratra azy amin'ireo asa soratra maro sy ny fanehoan-kevitra natao momba ny fiheveran' Gülen dia nahazoana fahalalana mazava tsara amin'ny fampianarany. Raha ampiana ny traikefa hananany amin'ny maha olon'ny Oniversite mampianatra ny siansa maha olona sy ny finoana ampitahaina azy, dia nahazoany fitsidihana momba ny filôzôfia maneran-tany amin'ny finoana izay nanome azy fahafahana ho ambony amin'ity fanehoana ity. I Caroll dia maneho im-betsaka ny maha lafatra ny silamo sy ny niandohan'ny foto-kevitry ny hetsika Gülen amina avaram-pianarana maro. Vavolombelon'izany aho tamin'ny fahahafahana maneho ny lafatra eo amin'ny fandeferana sy ny fifanakalozan-kevitra rehefa manomana ny lahateniny izy tamin'ny 2006 nandritra ny "fikaonandoha-pirenena momba ny silamo eo anivo'ny tontolo ankehitriny." Ny hetsika Fethullah Gülen amin'ny heritreritra sy amin'ny fampiharana tao amin'ny Oniversiten'i Oklahoma izany hany mba nahafahako niresaka sahala amin'ny mpandray anjara feno.

Noho izany nanao vinam-pikarohana aho ho an'ny "Institut Brooking" nitondra ny lohateny hoe: "ny silamo amin'izao taonan'ny fanatontoloana izao" nandritra ny lohataona 2006, nivahiny tamina tany mosilimo sivy aho, ny vondrona mpikaroka niaraka tamiko sy ny tenako dia nahita hoe hatraiza I Fethullah Gülen no lasa nahasarika.. Raha te-hahalala "ny foto-pisainana'ireo mosilimo any amin'ny tontolo mosilimo nanomana petraka olana izahay izay fanontaniana napetraka mivantana tamina mpandray anjara. Ny tanjon'ny fanontaniana dia mba hahazoana mandrefy ny fihetsika manoloana ny tandrefana sy ny fanatontoloana. Nahatsikaritra izahay fa ny ankamaroan'ny olona dia manaraka ireo izay mametraka fefy manodidina ny silamo ary manilika ny ambiny rehetra, miavaka monokana amin'izany ny fisarihana ataon'ny tandrefana. Izany fiheverana izany dia misarika ny mponina amin'ny tontolo mosilimo rehetra. Any Tiorkia, mandritra izany, dia hitanay fa I Fethullah Gülen dia maodely mahasarika ny mponina ankehitriny, izany no manondro amintsika fa manan-danja ny hetsika amin'ny alalinan-tsaina ary koa ny herin'ny fifankaherezana amin'ireo hevitra manaraka izay miroso any amin'ny tontolo mosilimo.

Ny habe sy ny fahombiazan'ny hetsika Gülen dia mitombo amin'ny fomba haingana tao anatin'ny telopolo taona farany. Ankehitriny dia tafiditra amin'ny fototry ny sekoly harifomba an-jatony sy Oniversite ao Tiorkia sy any an-kafa koa, ny tambajotram-pifandraisana (toy ny fahitalavitra nasionaly roa, ny bokim-baovao mivoaka isa-kerinandro, iray amin'ireo gazety mivoaka isanandro ary ireo vondom-barotra. Ny hetsika dia nihalehibe tsy hetsika politika fa toy ny hetsika ara-piaraha-monina sy ara-panahy. Mpanova ara-piaraha-monina hikoizana i Gülen dia nampiditra hendrika vaovao amin'ny fampianarana izay manomboka amin'ny fampidirana ny fahalalana ara-tsiantifika ary ny soa toavina ara-panahy. Tonga tamin'ny fahitana elanelam-panahy eo amin'ny mpandala ny silamo izay miatrika fomba-pitsikerana harifomba. Misy izy fa ny tanjona marin'ireo firenena dia ny fanovana sy ny "fandrosoana" eo amin'ny olon-tokana sy ny fiaraha-monina avy amin'ny fitondra-tena mendrika.

I Gülen dia nisintona betsaka tamin'ny fanehoan'ireo fampianarana sy asa-soratra nataon' i Mawlana Jalal Al-Din Rumi ary ireo hafatra mikasika ny fanompoana an'Andriamanitra, ny hifankatiavan'ny andaniny sy ny ankilany ary ny soa amin'ny manodidina azy. I Rumi, mpanoratra "best-sellers" tsy taty amin'ny tontolo mosilimo ihany fat any Etazonia dia nampiseho ny lalan'ny halalinana ara-tsaina sy ara-panahy ananan'ny hetsika Gülen. Ireo lehilahy roa ireo dia nanokana ny androm-piainany amin'ny fahazoana ny sofisma. I Gülen dia namaritra an'I Rumi amim-panajana tsia, tsy toy ny mpianatra iray, solontena iray na mpampianatra iray toy ny fiheverana azy any amin'ireo sofi nentin-drazana. Izy dia nampivoatra fomba vaovao miloko ny fanahin'ny fanavaozana sy ny fisainan'ny olona iray rehefa mandray ny koroany, ny sona sy ny vavaka ary ny fandalana ny silamo toy ny teboka iray famantarana. Miaraka amin'ny feo vaovao sy ny tsoka vao, izy dia afaka mampitambatra ireo izay tamin'ny androny sy ireo amin'ny fotoana ho avy ho eo amin'ny latabatra masina iray.

I Gülen dia manampy antsika amin'ny famaliana ny fanontaniana eo amin'ny fiainana, ireo soa toavina ary ireo singan'ny fiaraha-monina maha olona marina.

Amin'ny fandrindrana an'ireo zavatra hafa anelanelan'ny siansa miabo sy ny fahamasinana. Ao anatin'ny asa-soratra sy ireo lahateny nataony, i Gülen dia nanazava tamin'ireo izay nitady vahaolana amin'ireo olan'izao vanin'andro izao. Izy dia manazava amintsika fa ny fotoana izay nampiasana ny hery mba ahatongavana amin'ny tanjona iriana dia vita hatreo; avy amin'ny faharesen-dahatra sy ny fahantorana amin'ireo hevitra tsara rindra no ahatongavana amin'ny fampanaikena ny hafa izay hevintsika. Fa avy amin'ny fifankahazoana sy ny fifanajana mifamaly kosa noa ahafahan'ny fiara-monina miara-miaina amin-pilaminana. Ao anatin'izao tontolo mihakely dia mihakely, tena ilaina mihitsy ny mitana ity lesona ity. Ny fanajana ireo fomba ara-kolontsaina sy ara-pinoana dia tonga zavatra tsy maintsy atao. Tokony isika noho izany mamorona, amin'ny fomba rehetra, drafitra iray ho amin'ny fifankahazoana iombonana sy fifanakalozan-kevitra eo amin'ny samy finoana. Ato amin'ity tontolo navelan'ny 11 Septambra ity izay hisian'ny tena tsy fifankahazoana, na tsapa sahala an'izany; ireo olona an-tapitrisany mandray anjara amin'ny hetsika Gülen dia manohy hatrany amin'ny fanomezana toro-hevitra ara panahy no sady fampianarana ho an'ny fahalemena sy ny fifandeferana. Ao amin'ny tontolo izay ireo mpitarika mosilimo no maro an'isa dia miresaka ny fifandirana sy ny fifandonana, i Gülen nefa dia manome antsika "Feo vaovao" izay miantso ny olona amin'ny finoana rehetra ho eo amin'ny latabatra masina. Avy amin'ny alalan'ny toro-heviny dia afaka mamorona tontolo izay ny fifanakalozan-kevitra no fomba fiasantsika voalohany ary ny fifandonana no farany. Ao anatin'io toe-tsaina io, ny asan'i Caroll dia nandray anjara tsy teo amin'ny fifankahazoantsika ihany fa eo amin'ny foto-kevitra sy ny fampianaran' i Gülen koa hitondra fifantohana eo amin'ny hetsika ara- pilôzôfia izay tena mahasarika tokoa eo amin'izao fotoana izao.

Eto aho dia maneho etoana ny fisaorako an'i Muhammad Çetin, filohan'ny sampam-pikarohana ho an'ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny samy finoana, amin'ny asa nataony mba hampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifankahazoana eo amin'ny Tandrefana sy ny tontolo mosilimo; ary koa maneho ny fankasitrahana an'i David Montez tamin'ny fanampiana nataony tamin'ny fanomanana ity sasin-teny ity sy ny fanoloran-tenany ho an'ny fifanakalozan-kevitra. Ny tenako amin'ny maha izaho aho dia tafiditra lalina amin'ity fifanakalozan-kevitra eo amin'ny samy finoana ity, mampanahy ahy betsaka ny tsy fahampian'ny fifankahazoana sy ny fifampiatrana amin'izao fotoan-tsarotra izao. Ny toerana misy ahy amin'ny maha Profesera mpampianatra eny amin'ny Oniversite no manome sehatra mendrika ahafahako mijoro vavolombelona amin'ny herin'ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy sy ny fahafahana mitsinjo ny fanovana ny ho avy. Amin'ny maha Ray sy Raibe, ny filana fototry ny fifanakalozan-kevitra dia mitambesatra amiko. Ny filana anamboatra dia sarobidy mba hahafahana miahy ny filaminan'ny zanatsika. Ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifankahazoana dia tsy fanalana andro andranitan-tsaina intsony fa kosa tena ilaina raha te-hivelona amin'ny taonjato faha XXI isika.

Profesera Akbar Ahmed, Filohan'ny fandalinana ny silamo tarihin'i Ibn Khaldun, Oniversite Amerikana, Washington D.C