Fampidirana

Ny teny arabo adika hoe "faniriana" dia "qadar". Ny teny avy amin'io dia midika hoe: mamaritra, manome fepetra sy endrika, mizara sy mitsara. ny teolojianina silamo dia mamaritra ny teny hoe "qadar" hoe: fepetran'Andriamanitra, famaritany, fitsarana ao amin'ny faharian'ny zavatra.alohan'ny hidirana amin'ny ady hevitra mikasika ny fanirian'Andriamanitra sy ny didiny dia ndeha ho dinihina aloha ity andininy manaraka ity izay mifanaraka amin'io oe-javatra io:

«Izy no ilay mitana ny fanalahidin'ny tsy fantatra. Tsy misy mahafantatra azy io afa tsy izy ihany. Fantany izay mihidy ao ambanin'ny tany sy ao anaty ranomasina. Ary tsy misy ravina iray mihintsana tsy fantany. Ary tsy misy voan-javatra ao anatin'ny tany maizina, tsy misy maina na mando tsy hita ao anatin'ny boky mazaa» (kitaboun Moubîn).» (6:59)

«Ary tsy misy miafina any andanitra sy ety antany tsy ao anatin'ny Boky mazava» (27:75).

«Izahay no manangana ny maty ary manoratra izay nataony [hoan'ny mandrakizay] sy ny toerana hisy azy ireo. Ary isainay ao anaty fandraketana mazava ny zava-drehetra (Imamoun Moubîn)» (36:12)

«Ary hoy izy ireo: "Rahoviana io fampanantenana io raha marina ianao?" Lazao: "Andriamanitra irery ihany no mahalala. Ary izaho dia tsy iza fa mpampitandrina mazava ihany"» (67:25-26)

«Fa ny CORAN nomem-boninahitra teo ambony latabatra voatandrina (Lawhin Mahfoudh) (eo akaikin'Andriamanitra) izany.» (85:21-22)

Amin'ny lafiny iray dia miteny zavatra mitovy ny didy sy faniriana. Fa amin'ny lafiny hafa kosa, ny faniriana dia midika ho efa voafaritra mialoha na efa voatondro mialoha fa ny didy dia midika sy manana hevitra hoe efa vita na tanteraka. Raha ny marimarina kokoa izany, ny fanirina dia midika fa fantatr'Andriamanitra ny zava-misy tsirairay avy, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. Mahasahana ny fotoana sy ny habaka manontolo ny fahalalany fa izy kosa tsy miankina amin'ireo zavatra roa ireo. Ao anatin'ny fahalalany ny fisiana manontolo, izy no manome endrika, faharetam-piainana, asa sy andraikitra sy toetra manavaka ny voary tsirairay.

Dinihontsika ity fampitahana manaraka ity: fantatry ny mpanoratra mazava tsara izay voarakitra ao amin'ny boky soratany. Izy no mandaminy ny fizarany, ny hevi-dehibe sy ny andininy sy ny fehezanteny alohan'ny hanoratany azy. Amin'io lafiny io, ny faniriana dia mitovy amin'ny fahalalan'Andriamanitra, na lohatenin'ny fahalalan'Andriamanitra. Ary izy koa no antsoina hoe latabatra ambony voatandrina (na Fandraketana mazava). Ny fanirina dia midika ihany koa fa Andriamanitra mahary araka ny fitsipika sy fepetra manokana sy azo antoka, ary fifandanjana marina:

«Fantatr'avokoa izay entiny zavatra vavy rehetra ao ankibony sy ireo andraikitry ny miiba na miabo. Omeny ny zavatra rehetra izay tena mifanaraka aminy» (13:8)

«Mivoaka ny masoandro sy ny volana araka ny kajy. Ary ny bozaka sy ny hazo dia miankohoka. Ary ny lanitra nataony ambony toerana. Ary napetrany ny fifandanjana mba tsy hiverenanareo any amin'ny lasa. Manome langa marina [isanandro] ary tsy mandiso ny lasa» (55:5-9)

Ny refy marina, ny fifandanjana, ny rindra sy ny filaminan'ny tontolo sy ny zava-drehetra ao aminy dia milaza mazava fa efa voafaritra mialoha sy voarefy ny zava-drehetra, novolavolaina sy tantanan'Andriamanitra mahery indrindra. Maneho izany fa misy Andriamanitra faniriana. Ankoatra izany, ny determinisma dia hamafisin'ny olona maro, eny fa na dia ny marksista aza, mba hanazavana ny filaminana sy ny asan'ny tontolo mazava; ireo olona rehetra ireo dia mahalala mazava ny fisian'ny faniriana. Eto anefa isika dia tsy maintsy manazava sy mampibaribary zavatra iray araka ny finoana silamo dia tsy azo ampiasaina amin'ny faritoe-javatry ny asan'olombelona ny determinisma tanteraka.

Ny masomboly manontolo, endrika oarefy sy mifandanja, sy ny filaharana ary ny firindran'ny tontolo izay nitohy hatramin'ny taona maro dia maro tsy misy fahatapahana na fivilian-dalana dia maneho fa ny zava-drehetra dia miseho amin'ny alalan'ny famaritan'Andriamanitra mahery tanteraka. Ny masomboly tsirairay sy ny atody tsirairay dia fitehirizana vitan'ny herin'Andriamanitra ary ampidirin'ny fanirian'Andriamanitra ao anatin'izany ny tantaram-piainan'ny singa madinika indrindra arala ny efy efa voapetraky ny fanirian'Andriamanitra mba hanovana ny masomboly tsirairay ho zavamaniry miavaka, ary ny atody ho zavamanana aina miavaka ny herin'Andriamanitra. Midika izany fa ny fianan-kovavin'ireo zavatra ireo sy ny lamina mitantara ny fiainany dia efa voafaritra mialoha ao amin'ny masomboly sy ny atody mamokatra toy ny anton-javatra sy dingana voafaritra.

Ny zavamaniry sy ny zavamananaina dia novolavolaina tamin'ny alalan'ny singa fototra mitovy. Na dia izany aza dia misy tsy fitoviana maro eo amin'ny karazana tsirairay sy ny olona samy hafa. ny zavamaniry sy ny zavamananaina hafa dia mivelatra amin'ny alalan'ny singa mpamorona fototra mitovy ary maneho rindran-damina lehibe sy fifandanjana fatratra. Na dia misy aza izany dia voatery mamarana isika fa ny karazana tsirairay avy dia mandray endrika sy fepetra manokana, manoloana ny fahasamihafana, napetraky ny fanirian'Andriamanitra izy ireny.