Fanontaniana Mikasika Ny Lahatra Sy Ny Fahafahan'ny Olona Misafidy Malalaka

FANONTANIANA: Iharan-doza noho ny faniriana va isika? tompon'andraikitra amin'ny loza mahazo antsika va isika?

VALINY: Satria efa nasiantsika adihevitra io lafiny io ka famintinana ihany no asehoko eto.

Tsy misy na iza na iza iharan-doza noho ny faniriana. Tsy Andriamanitra no nanolotra mialoha ny asa ataontsika, mamolavola izay tiantsika hatao fotsiny izy. Ny didy sy ny fantanterahana ny faniriana dia mifototra sy miorina ao amin'ny fahafahantsika misafidy malalaka.

Tompon'andraikitra mivantana amin'izay mahazo antsika isika. Raha miharitra fahavoazana isika, na izany avy amin'ny fampiasantsika ny safidy malalaka tamin'ny tsy tokony ho izy, na toy izay nanjo ny Mpaminany, avy amin'ny sitrapon'Andriamanitra hampakatra antsika amin'ny laharana ambonimbony kokoa. Ohatra, ilaina sy tsy azo ialana tanteraka eo amin'ny fiainana ny masoandro. Raha maty noho ny fiantefan'ny masoandro be loatra va isika dia afaka hanameloka ny masoandro? Tsia satria azontsika nialana ziany tamin'ny alalan'ny fialofana tao antrano na tamin'ny fandraisana fitandremana hafa. toy izany koa, ny fahafahantsika misafidy malalaka no tompon'andraikitra amin'ny loza mahazo antika. Ny manome tsiny ny faniriana dia tys inona fa fampitomboana ny loza ihany koa.

Hiteny ohatra iray isika: nahary antsika Andriamanitra mahery indrindra ary nanome fahafahana manao zavatra maro, iray amin'ireny ny faniriana ara-nofo. Raha tsy ampiasaintsika amin'ny tokony ho izy io fahefana io ary raha mamita-tena isika dia fahadisoantsika ihany izany. Nomen' ho antsika izany mba ahafahantsika mampitombo ny taranaka araka ny tokony ho izy sy mba hampakarana antsika amin'ny laharana ara-panahy ambonimbony kokoa amin'ny fanoherana ny hevitra tsy manara-dalanan'ny izahontsika ara-nofo. Marina ihany koa izany hoan'ny fahatezerana. Tsy nanome azy vava afa tsy hiarovantsika tena Andriamanitra mahery indrindra sy hoan'ny fiarovana ny soatoavuba ara-pivavahana sy ara-tsosialy fa tsy hoe hanimbana ny hafa. noho izany, raha namono olona noho ny fahatezerana isika dia isika ihany no tompon'andraikitra fa tsy ny faniriana.

Ny lahatra dia mifandray amin'ny anton-javatra sy ny vokatra amin'ny fotoana iray. Raha mitsara ny vokany fotsiny isika dia matetika manao fahadisoana. Ohatra, raha manameloka ny raim-pianakaviana iray ho ratsy fitondra zanaka isika kanefa izy manandrana mifehy satria tiany ny zanany na mba hiova famindra sy fitondran-tena, diso manoloana ilay raim-pianakaviana isika. Raha mitsara zava-miseho iray isika dia tsy maintsy mijery ireo vaovao rehetra mikasika azy. Raha tsy mahita zavatra tsara mihitsy isika ao amin'ny zava-mitranga iray, tsy maintsy milaza anefa isika fa tsara avokoa izay nataon'Andriamanitra, na izy mivantana, na ny vokany. Tsy mahazo manameloka ny lahatra na oviana na oviana. Izany no hevitr'ity andininy ity:

"Mety ho tianareo ny zavatra iraha kanefa ratsy aminareo izy. Andriamanitra no mahalala fa ianareo tsy mahafantatra" (2:216)

Mikasika ny loza voajanahary toy ny horohorontany na ny tondradrano indray dia tsy manavaka ny ratsy sy ny tsara Andriamanitra, na ny tsy manantsiny na ny meloka. Mihatra amin'ny olombelona rehetra ny loza toy izany satria anisan'ireo fitsapan'Andriamanitra nomaniny ho antsika ary mampiasa ireo sariny izy. Na dia izany aza dia hahazo valisoa lehibe any ankoatra ny mpino tsy manantsiny miharitra ireny loza ireny. Hamafisina ihany koa fa ampiasain'Andriamanitra hamaizana ny olona sasany ireny loza ireny rehefa tsy mety hanao ny tsara sy hiala amin'ny ratsy izy.

Tsara avokoa izay nataon'Andriamanitra ary izany no mifanaraka amin'ny tokony ho izy. Tsy maintsy manandrana mandray ny fahendreny ao ambadiky ny tsara nomeny antsika isika noho izany sy ao amin'ny fiharetana ampihariny amintsika.

FANONTANIANA: Fa nahoana no zavatra kely tsy misy dikany toy ny fahafahana misafidy malalaka no mitarika antsika ho mendrika ny Paradisa na ny afo mandrakizay?

VALINY: Rehefa mampitaha ny asa sy ny faharian'Andriamanitra amin'ny asantsika madiodio ao amin'ny fisiana isika dia mahatsapa fa tena tsy misy dikany ny anjara asan'ny fahafahantsika misafidy malalaka. Vokany, misy ny manda azy, tsy mino ny fisiany. Ireo mahay mandanjalanja dia milaza fa ny fahafahan'ny olona misafidy malalaka dia fironana na zavatra mitovy amin'izany na koa safidin'ny fironana anaty ao amintsika mba hanao zavatra araka izany. Noho izany, ny fahafahana misafidy malalaka dia mitovy amin'ny fanapahana sy fandefasana herin'aratra mba hanazava trano na tanana.

Alohan'ny hanontaniana hoe fa maninona Andriamanitra mahery indrindra no manameloka antsika any amin'ny helo mandrakizay raha mampiasa ny fahafahantsika misafidy malalaka amin'ny ratsy mandritra ity fiainana mandalo ity isika, dia tsy maintsy mandinika aloha isika raha mendrika ny Paradisa mandrakizay raha nampiasa ny fahafahana misafidy malalaka tamin'ny tokony ho izy. Tsy tokony hihevitra va aloha isika raha tsy afaka misaotra feno an'Andriamanitra noho ireo zavatra maro izay nomeny ho antsika? Na dia midera azy tsy tapaka mandritry ny androm-piainantsika aza isika dia ny fanomezany antsika fahitana fotsiny ihany aza.

Araka izay efa voalaza tery aloha dia mitovy lanja amin'izao tontolo izao ny garna na voaloboka iray satria ny fitomboany na ny famokarana azy dia mila ny fiarahamiasan'ny rano, ny rivotra, ny tany sy ny masoandro –zavatra tsy haintsika vokarina. Fanampiny, tsy mangataka afa tsy fotoana kely amintsika amin'ny fiderana Andriamanitra. Ary indraindray ihany no ilaintsika ora iray no mihoatra mba hanatanterahana ny fivavahana voafaritra (salât). Ny halebeazan'ny fananana izay lanintsika amin'ny fanomezana dia matetika ny ampaha 40n'ny fananantsika monja. Tsy voatery hanao ny fivahiniana masina (hadj) afa tsy idnray mandeha amin'ny fiainantsika monja isika ary io ohany raha afaka manao izany isika. Ny fiainana sy ny fananantsika sisa dia voatokana hoan'ny zavatra azo tsapaintanana. Noho izany rehetra izany no ampanantein'Andriamanitra mpamindra fo indrindra antsika ny Paradisa izay mihoatra ny fisainantsika ny tsodranony sy ny fitiavany. Noho izany, mialohan'ny reheta dia tsy maintsy mihevitra ilay famindrampon'Andriamanitra tsy manampahataperana isika izay miaro sy manasa antsika ho any am-Paradisa.

Hiverina amin'ny fanontaniantsika isika ankehitriny.

Ny finiavana

Manana ny lanjany lehibe ny finiavantsika. Hoy ny irak'Andriamanitra:

"Tsy misy dikany raha tsy ny finiavana hanao azy ny asa ary tsy vita raha tsy misy ny finiavana hanao azy. Izay voasesitany noho ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny Mpaminany dia hoan'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany ny maha sesitany azy. Izay voasesitany mba hahazoana ny fananan'ity tontolo ity na mba hanambady vehivavy iray dia hoan'izay antony nanosika azy ny maha sesitany azy"[6]

Ny finiavana no fanahin'ny asantsika sy mamaritra ny fomba hamaliana soa (na hanasaziana) antsika. Raha tsy misotro sy tsy mihinana mandritry ny andro ianareo kanefa tsy miheritreritra fifadian-kanina dia tsy azo heverina ho nifady hanina. Raha mifady hanina ianareo kanefa tsy miheritreritra ny hahazo ny fankatoavan'Andriamanitra dia tsy hahazo valisoa na dia kely aza. Raha maty noho ny ady tamin'ny fanamafisana ny tenin'Andriamanitra ianareo dia maty ho maritiora ary hiditra any am-Paradisa amin'ny fanomezan-dalan'Andriamanitra. Raha maty tamin'ny ady noho antony hafa toy ny voninahita sy ny harena anefa ianareo dia tsy azo heverina ho toy ny maritiora ary mazava ho azy fa tsy ho any am-Paradisa. Noho izany dia voasazy na mahazo valisoa arakaraky ny finiavanareo ianareo. Raha manam-pinoana mafy an'Andriamanitra ianareo sy amin'ny fatotry ny finoana ary raha miheritreritra ny hino azy (na dia mivily lalana aza ianareo dia ho velona mandrakizay) dia ho valina soa amin'ny alalan'ny fahasambarana mandrakizay any am-Paradisa. Raha manary ny fironana hino afa ao aminareo ianareo ary manda ny hino, na dia tokony hiaina mandrakizay aza ianareo dia ianareo ihany no tompon'andraikitra amin'ny fahavoazanareo. Miteny toy izao amin'ireo tsy mpino izay mamaka lalina ao am-pony ny tsy finoana ary izay mahatonga ny fahaverezan'ny fahafahana hino ao aminy ny CORAN:

"Marina fa tsy mino ny tsy mpino, mitovy aminy ihany na mananatra ianao na tsia: tsy hino na oviana na oviana izy. Nidin'Andriamanitra ny fon'izy ireo sy ny sofiny; ary sakana matevina no manarona ny fahitany; ary hisy famaizana lehibe ho azy ireo" (2:6-7)

Ny famaizan'ny tsy finoana

Ny sazy rehetra dia faritan'ny halebeazan'ny heloka sy ny vokany sy ny finiavan'ilay meloka fa tsy amin'ny alalan'ny faharetan'ilay asa ratsy.

Ny sazin'ny mamono olona izay natao tao anatin'ny iray minitra monja na segondra dia matetika gadra ao anatin'ny taona maro, na ny sazy lehibe indrindra. Ratsy lavitra noho ny vono olona ny tsy finoana. Raha manameloka olona tsy manantsikny sy mendrika ho mpandainga sy mpamadika ianao dia ianao no mahatonga ny fahatahorany. Toy izany koa, izao no dikan'ny tsy finoana:

  • Manda ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ny zavaboary –ny atoma bitika hatramin'ny tangoron-kitana lehibe- ny fisian'ny mpahary azy ireny sy ny maha irey Azy, ary ny manameloka azy ireny ho mpandainga sy vavolombelona tsy marina.
  • Manda an'Andriamanitra, ilay Mpahary tokana, mpahita mialoha sy mpitantana ny fisiana ary manavatena ireo asany maro.
  • Manameloka ny Mpaminany maherin'ny 100000 ho mpandainga, sy mpamadika eny fa na dia manamarina aza ny tantara sy ny fireneny fa izy ireny dia olo-marina indrindra.
  • Manameloka ny mpino ho manaraka ny lalan'ny mpandainga lehibe indrindra amin'ny olombelona. Fomba fijery, mahita fa fanevatevana ny nataon'ny mpino maro hatramin'ny andron'I Adama sy Eva ary manamaeloka azy ireo ho mpamadika sy mivily làlana.

Noho ireo antony ireo sy ny hafa maro no hanamelohana ny tsy mpino amin'ny sazy mandrakizay any amin'ny afo ary fahamarinana madio rano izany.

Ny dia toa tsy misy dikany aza ny fahafahantsika manao zavatra ary toa ahotana kely fotsiny ny tsy finoana amin'ny voalohany dia miiba sy fandavana foana izy ary fandravana. Az adinoina fa mampiseho ny fahafahana misafidy malalaka amin'ny fandefasana ny herinaratra mba hanazavana efitrano isika. Ny fanakatonana ny fandefasana herinaratra dia manamaizina ny tanana manontolo. Vanjanafo kely iray dia mety handrodana lapa tsara tarehy izay naorina tao anatin'ny taona maro tamin'ny alalan'ny mpiasa anjatony. Aza adinoina fa bala iray fotisny nitifiran'ny Serba iray no nitarika ny ady lehibe voalohany ary niteraka faharavana tsy hita nonoa sy fahafatesana tsy manantsiny anapitrisany.

Raisintsika ho ohatra ihany koa ny saha iray ahitana voninkazo isankarazany sy hazo ary iainan'ny biby sy hiriariavan'ny voromanidina. Mba ho velona dia mila rano ireo biby sy zavamaniry ireo; omena azy ireo amin'ny alalan'ny tatatra io rano io. Mba ho voatondraka sy hisotro rano izy ireo dia mila olona hamoha ny paompy ary mampikoriana ny rano amin'ny tatatra. Raha tsy mahatanteraka ny andraikiny noho ny antony tsy fantatra io olona io dia ho faty avokoa ireo biby sy vorona ao an-tsaha, sazy toa inona no mendrika azy? Mitovy amin'io asa io ny tsy finoana fa somary lehibe mahasahana ny voary rehetra.

Adalana tsy azo avela heloka ny tsy finoana. Ahoana no ahafahanao manda an'Andriamanitra nampisy anao kanefa ianao tsy nisy; izy no nanome anao fahafahana hanao zavatra maro (toy ny saina, ny haranitan-tsaina, ny fo, ny fitadidiana, ny fahaiza-mitsara, ny hevitra anaty sy ivelany) ary nampisakafo anao amin'ny alalan'ny sakafo sy zava-pisotro isan-karazany? Manomana ny fanamelohana azy manokana amin'ny alalan'ny fandavany ireo olona ireo. Tsy maintsy mifanaraka amin'ny halebeazan'ny fandavany ny sazin'izy ireo. Na dia miara-miasa mba hamorona voa kely iray fotsiny aza isika na ravina tsotra na voanahitra bitika dia tsy ahavita. Ny manda ny fisian'ilay nahary izany rehetra izany sy nahary ity tontolo midadasika ity ary ekentsika izany no fahotana lehibe indrindra mety ho vitantsika, noho izany dia mendrika ny sazy lava sy mafy indrindra izy.

Manandrana mampivily lalana antsika amin'ny fanasany mankamin'ny tsy finoana I Satana sy amin'ny fisaratsarahana. Nomena antsika ny izaho mpiheritreritra ny ratsy mba ahafahana mahatratra ny laharana ambonimbony kokoa amin'ny fanovana azy. Mahatsapa ny fisian'Andriamanitra mandrakariva ny feon'ny fiheritreretantsika, ilay mpahary sy mahita ny ho avy sy ny filan'ny zavaboary ary ny fihetseham-pontsika izay maniry ny mandrakizay dia tsy mety afapo raha tsy ny mandrakizay ihany. Ny mpanaradia an'I Satana –ireo tsy mpino izay mety ho tarihin'ny faniriandratsiny sy ny izahony mpiheritreri-dratsy- dia nanidy ny feon'ny fiheritreretany amin'ireo famantarana maron'ny fisian'Andriamanitra eo amin'izy ireo sy ao amin'ny tontolo, manepotra ny fihetsehampon'izy ireo izay mifanaraka amin'ny mandrakizay azy manampina ny mason'izy ireo amin'ny famantaran'Andriamanitra izay tena miseho mazava: ny CORAN, ny Mpaminany Mohammed sy ireo Mpaminany hafa rehetra, ho amin'izy rehetra anie ny fiadanana.

Ny sazin'ny heloka

Ny sazin'ny fandrobam-pananana dia mitovyq amin'ny lanjan'io fananana io sy ny tompony. Ny zaza kely iray mamaky fitaratra dia tsy mahazo sazy mitovy amin'ny miaramila manamboninahitra izay nanary na namaky ny satrboninahitry ny mpanjaka. Raha mandany ny vola nankinina taminy ny miaramila sy komandy iray dia hahazo sazy ambony kokoa noho ilay miaramila ilay komandy. Raha mandany ny vola nankinina taminy, nomena azy tamin'ny fanaovana fikarohana vetaeta ny olon'ny siansa iray dia ho voasazy mafy noho ny mpiandry omby nandany ny ola nankinina taminy mba hanomezana fahfaham-po ny filany fa tsy ny an'ireo biby.

Tsy mba nanimbanimba fahatany ny foto-piainana natokana ho azy ireo ny biby. Manatontosa ny andraikiny amin'ny fomba mendrika azy ireo izy: ny sasany mitondra ny entantsika, ny hafa manome antsika ronono sy hena, ny sasany koa mbola manome landy sy mamy. Ny olombelona ihany no mety handanindany fahatany ny loharanony araka ny faniriany. Rehefa fantatra izany sy ny tombotsoa efa voalaza fa omen'Andriamanitra antsika amin'ny maha solontenan'Andriamanitra antsika ety antany dia mitarika fanasaziana tena mafy ho antsika ny fampiasana ireo fanomezana ieo amin'ny ratsy. Raha avelantsika hifehy antsika ny fanirian-dratsy kanefa ny fo no tokony hanao izany (izay tys maintsy feno ny fahalalana sy ny fitiavan'Andriamanitra), dia hanjary voatokana ho main'ny afon'ny helo isika.

Fanontaniana: Milaza ny Mpaminany fa nandritry ny herinandro fahaenin'ny tsaika dia mandefa anjely ao aminy Andriamanitra mba hanoratra raha ho olo-marina sy mendrika izy na ho olon-dratsy sy voaozona. Inona no dikan'izany ary ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ny fahafahantsika misafidy malalaka amin'io hadita io?

Valiny: Ho ampiantsika ity fandalinana manaraka ity izay efa voalaza teo:

Ny lahatra dia lohateny iray amin'ny fahalalan'Andriamanitra tsy manafoana ny fahafahantsika misafidy malalaka izy na tsy mamela antsika hanao zavatra amin'ny fomba efa voadinika mialoha. Satria efa fantatr'Andriamanitra mialoha izay kasaintsika hatao sy izay ho lazaintsika (satria tsy voasakan'ny hevi-potoanantsika izy), mandidy anjely iray hanoratra ny tantaram-piainantsika izy. Mitondra tena amin'ny fanarahana ny safidy malalaka ataontsika isika fa tsy amin'izay efa voasoratr'Andriamanitra no tantaram-piainantsika.

Ny lahatra dia sady mifanaraka aman anton-javatra no amin'ny vokany. Tsy misy lahatra roa samy hafa, ny iray hoan'ny anton-javatra ary ny iray hoan'ny vokany. Ny dia efa fantatr'Andriamanitra aza ny ho fitondran-tena antsika manoloana ny trangan-javatra iray dia tsy manafoana ny safidinsika malalaka io fahafantarana mialoha io.

Andriamanitra irery ihany no mahalala na ho any am-paradia isika na ho any amin'ny helo. Na dia mendrika sazy mandrakizay aza ny tsy finoana dia tsy manam-pahefana hilaza isika fa ho any amin'ny elo ny tsy mpino toy izatsy na izaroa satria mety hanaiky ny finoana izy afaka fotoana fohy ary ho mendrika ny Paradisa. Maro ireo tsy mpino nivadika ho silamo. Ny tanjon'ny finoana silamo dia hitarika ny tsy mpino ho amin'ny finoana sy amin'ny fiderana an'Andriamanitra,Andriamanitra ary amin'ny fahasambarana mandrakizay any am-Paradisa.

Fanontaniana: Inona no dikan'ny teny hoe "Fitra" (toetra fototry ny olombelona)?

Valiny: Ao amin'ny hadita iray tena marina dia milaza ny Mpaminany fa ny zaza rehetra dia teraka miaraka amin'io "Fitra" io, ary eo ny ray amandreniny no mampifanaraka azy amin'ny finoana.

Midika io hadita io fa ny tsirairay dia manana fahafahana efa ao anatiny mba hanjary ho silamo. Fivavahana voajanahary hoan'ny voary rehetra ny finoana silamo satria izy dia midika hoe "fiadanana, famonjena sy fanekena" satria ny zava-drehetra dia manaiky tanteraka an'Andriamanitra ary miasa arak'ireo lalànany, noho izany dia "silamo" arabakiteny ny voary tontolo. Ny vatan'ny mananaina tsirairay dia "silamo", na olombelona izy na jiny, mpivavaka na tsy mpivavaka satria ny vatana rehetra dia miasa araka ny lalàna voafaritr'Andriamanitra. Raha misy zaza vao teraka afaka mitondra fiainana miala tanteraka amin'ny tany, afaka amin'ny fiantraikan'ny zavatra ety ivelany dia mbola mijanona ho silamo ara-boajanahary izy.

Io hadita io dia midika koa fa ny fanahin'ny zaza vao teraka dia azo ampitoviana amin'ny horonam-peo iray izay azo handraketana ny feo rehetra, amin'ny paty izay azo amboarina amin'ny endrika maro samy hafa na amin'ny ravina fotsy izay azo anoratana ny zava-drehetra. Raha afaka miaro ny sainareo amin'ny loharano mpanimba avy ety ivelany isika dia afaka mandray ny vaovao manontolo mikasika ny finoana silamo mora foana ary manjary silamo tonga lafatra. Raha voaloto kosa anefa ny sainareo, raha nametrahanareo dogma, finoana sy fampiharana fivavahana hafa (na ny tsy finoanaà, na ianareo mampianatra finoana hafa na ianareo tojo sakana maro samy hafa amin'ny lalàna mitondra mankany amin'ny finoana silamo.

Ny zaza vao teraka dia toy ny masomboly afaka mamokatra silamo mendrika satria voa ho silamo ho avy avokoa izy rehetra. Ny fepetra mifanohitra amin'izany dia miteraka fiovana na fahasimban'ny voa, ary farany lasa mampihatra finoana hafa ireo olona ireo na lasa tsy mpino. Noho izany, mba hanabeazana silamo tsara dia tsy maintsy nampiasa izay fahefana ananantsika rehetra isika mba hanatsarana fiainana ara-pianakaviana sy ara-tsosialintsika. Aorian'ny fahatratrarana nyf otoana fahamaotiana dia ny fahotana no antony fototra mahatonga ny fahapotehan'ny fahatanorana. Ny fahotana rehetra dia mety hitarika amin'ny tsy finoana, tsy maintsy miaro tena amin'ny fahotana isika. Mandray anjara sy manana ny toerany ihany koa ny fianakaviana sy ny fanaeazana ary ny toerana sosialy.

Fanontaniana: Inona no atao ho fitarihana (hidayat) ary afaka mitarika ny olona va isika?

Valiny: Ny fitarihana dia fahazavana arehitr'Andriamanitra aminao satria ianao dia mampiasa ny fahafahana malalaka ao amin'ny lalan'ny finoana. Andriamanitra irery ihany no afaka mitarika amin'ny fahamarinana araka ny voalazan'ny CORAN ombieny ombieny.

"Raha sitrak'Andriamanitra dia nangoniny avokoa ny zava-drehetra ary voatantara amin'ny lalàna mendrika" (6:35).

"Raha sitraky ny tomponao iznay dia mankamin'ny finoany ny vahoaka rehetra tsy misy akanavaka eto ambonin'ny tany?" (10:99)

"[Ry Mpaminany] Tsy ho tarihina eo amin'Andriamanitra ianao fa izy no te hamonjy anao; Andriamanitra irery ihany no mitantana izay sitrany" (28:56)

"Tsy afaka handre ny maty ianao, tsy mihoatra ny tsy ahafahan'ny antsonao hahatratra ny manenina rehefa manodin-damosina izy. Tsy mbola mahay mitantana jamba koa ianao. Izay mino ny famantarana avy aminay ihany sy nanaiky an'Andriamanitra ihany no mandre anao ho mpino marina" (30:52-53)

Satria Andriamanitra no mpitantana, nangataka izany isaky ny tsingerim'pivavahana (maka) efa voasoritra ataontsika isan'andro isika sady miteny hoe:

"Tariho amin'ny lala-mahitsy izahay" (1:6) Hoy ny irak'Andriamanitra:

"Nirahina hiantso ny olona ho amin'ny finoana aho. Andriamanitra irery ihany no mitantana azy ireo sy mametraka ny finoana ao am-pony"

Ny CORAN dia manambara koa fa ny irak'Andriamanitra dia miantso sy mitantana ny olona ho amin'ny lala-mahitsy araka ny voalazan'ity andininy ity:"Ary hiantso azy ireo ianao, marina, ho amin'ny lalà-mahitsy" (23:73)

"Ary izany no hamohazanay Fanahy avy amin'ny baikonay aminao. Tsy manam-pahalalana kely akory amin'ny boky sy ny finoana ianao. Nataonay anefa izany ho fahazavana izay hitarihanay izay sitrakay amin'ireo mpanomponay. Ary amin'ny tena marina dia hitantana mankamin'ny lala-mahitsy ianao" (42:52)

Tsy mifanohitra akory ireo andininy ireo. Nahary ny olona tsirairay miaraka tamin'ny fahafahana manaiky ny finoana Andriamanitra fa ny fianakavaiana, ny rafi-panabeazana sy ny fiarahamonina dia mitana ny andraikiny amin'ny fitantanana na amin'ny fivilianantsika lalana koa. Mba hiantsoana ny olona amin'ny finoana dia nandefa ny Mpitondra ny hafatra avy aminy Andriamanitra, ary ny sasany tamin'izy ireny dia nandray ny boky nambara mba ahafahan'ny olona miova. Ny Mpaminany Mohammed no Iraka farany ary ny CORAN no boly farany sy ilay hany tokana tsy niharam-pahasimbana.

Ao amin'ny CORAN no misy ny fotokevitry ny fitantanana. Ny irak'Andriamanitra no manome ny fitarian-dalana, na izany amin'ny alalan'ny boky na amin'ny alalan'ny maha izy azy, ny fitondrantenany sy ny ohatra tsara avy aminy. Mitanisa ny fanambaran'Andriamanitra izy, maneho ny famantarana avy amin'Andriamanitra amin'ny fireneny (na hoan'ny olona manontolo hoan'ny Mpaminany Mohammed), ary manameloka ny hevidison'izy ireo, ny fijangajangany sy ny fahotany.

Ary ny zavatra tsirairay, ny vanim-potoana sy ny trangan-javatra tsirairay dia marika manondro ny fisiana sy ny maha iray an'Andriamanitra. Vokany, raha vakin'ny izahontsika mpihevitra ny ratsy sy I Satana, ary raha mampiasa ny fahafahana misafidy amin'ny fikatsahana ny fahamarinana dia mitantana antsika mankamin'ny lalana mitondra mankany aminy Andriamanitra. Hoy Andriamanitra ao amin'ny CORAN:

"Ry mpino! Matahora an'Andriamanitra, katsaho ny fomba ahafahanareo manatona azy ary mitoloma noho ny aminy. Mety ho anisan'ireo mahomby ianareo [eto antany sy any ankoatra]!" (5:35)

"Ary hoan'ireo izay mitolona noho ny aminay [Amin'ny lalanay, ho anay sy mba hanatonana anay], ho tarihinay marina amin'ny lalanay izy ireo; miaraka marina amin'ny mpanao ny tsara Andriamanitra" (29:69)mba hahitana na ho mendrika ny fitarihana dia tsy maitnsy manao izay hahazoana izany amim-pahamendrehana isika ary mitady ny fomba rehetra hahatongaana aminy. Ireo izay omen'Andriamanitra fitarihana dia tsy maintsy maneho fa nandray izany amin'ny fampisehoana ohatra mendrika, avy eo miantso ny hafa amin'ny fomba rehetra eken'ny fivavahana silamo. Mandidy ny mpitondra ny hafany tsy hanao afa tsy izany Andriamanitra. Nitanisa andininy vitsivitsy isika:

"Ilazao ireo akaikinao indrindra mba hanombohana [ny hiafarany, ny vokatry ny asany sy ny sazy any amin'ny helo]" (26:214)

"Mamerena (ary manoroa hevitra), satria tsy eo afa tsy ny hiantso ianao" (88:21)

"Ambarao mafy sy averimbereno izay nandidiana anao!" (15:94)

"Antsoy amim-pahendrena (ny olona) hankamin'ny lalan'ny Tompony. Ary miresaha amin'ny fomba tsara indrindra amin'izy ireo" (16:125)

"Ary manana modely tsara ao amin'ny irak'Andriamanitra ianareo, hoan'izay rehetra manantena an'Andriamanitra sy ny andro farany sy miantso an'Andriamanitra matetika." (33:21)

Mampita ny fanambaran'Andriamanitra amin'ny anjely ny irak'Andriamanitra, miantso azy ireo amin'ny fomba marina sy mahomby izy. Tsy maintsy miharitra fahasahiranana lehie izy ary miharitra ny fampahoriana isan-karazany noho izany. Tsy ekeny ny fanomezana mampirapiratra indrindra avy amin'ireo manda ny fiantsoana ny olona amin'ny finoana an'Andriamanitra, ary manohy ny asany tsy misy fiandrasana valisoa ety antany ho valiny. Tsy mikatsaka afa tsy ny fankatoavan'Andriamanitra sy ny famonjena ny olombelona eto sy any ankoatra, rehefa mahazo an'I La Mecque (tamin'ny fanampian'Andriamanitra) ary nahomby tamin'ny fampandresena ny tenin'Andriamanitra dia namela heloka ny mponin'I La Mecque izay nampijaly azy tanteraka tao anatin'ny roapolo taona mahery (21) ary niteny tamin'izy ieo hoe:"Tsy misy fanomezantsiny na dia kely aza ho anareo amin'ity andro ity. Andriamanitra no hamela heloka anareo. Izy no mpamindrafo indrindra amin'ny mpamindra fo. Mandehana! Olon'afaka avokoa ianareo"[6]

Hoy ny irak'Andriamanitra tamin'I Ali indray andro: "(…) Amin'ny anaran'Andriamanitra hitantana olona iray ihany amin'ny fanelanelananao Andriamanitra, tsara kokoa ho anao izany noho ny rameva vavy mena [ireo tsara indrindra eto antany]»[7]. (Notanterin'i Bukhari, Riyadh as-Salihim, Hadith 1379) araka ny foto-kevitra: « Izay antony nampahatonga ny zavatra dia toy ny nanao io zavatra io», izay nahatonga ny fitantanana olona dia handray ny valisoa tahaka azy fa tsy misy fihenany anefa izay efa azony. Toy izany koa, hoy ny Irak'Andriamanitra:

« Izay manoritra lalana tsara dia handray valisoa mitovy amin'izay manaraka azy io mandrapahatongan'ny andro farany, ary tsy mihena ny valisoa efa azony. Izay manoritra lalan-dratsy dia ho voasazy amin'ny heloka mitovy amin'ny an'izay manaraka izany mandrapahatongan'ny andro farany, ary tsy misy fihenany ny enta-mavesany»[8]

(tanterin'i Mouslim, Riyad, as-Salihin, Hadita 171).

Raha mba ianao no antony nahatarika ny olona aza anaovana farateny amin'ny fitenenana azy toy izao izy: "Raha tsy nanana ny fomba ahazoanao ny famonjena aho, tsy ho voatarika na oviana na oviana ianao"

Fahotana lehibe io ary mampiseho tsy fahamendrehana eo anatrehan'Andriamanitra satria Andriamanitra ihany no mitantana ary Izy no namela anao ho fitaovana amin'ny fitarihany. Toy izany koa, izay voatarika noho ianao dia tsy afaka miteny toy izao ohatra: "Raha tsy nisy anao aho dia tsy voatarika"

Rha ianao no fitaovana nahatarika ny olona iray, dia tsy maintsy mandinika: "Dera hoan'Andriamanitra izay namela ahy, izaho izay mahantra sy tsy mahavita tena, ho fitaovana amin'ny asa mendri-piderana. Mahery indrindra Andriamanitra, mpamindra fo indrindra ary morafo idnrindra eo anatrehan'ireo mpanompony fa mahary salohim-boaloboka miantona amin'ny singan-kazo manify ho azy ireo. Toy ny tsy hananan'io hazo io zo tamin'ny fahariana ny voaloboka no tsy ahafahako milaza fa avy amiko no nahatarika ny olona izatsy na izaroa"

Hoan'ireo izay voatarika indray dia tsy maintsy misaina toy izao izy: "Raha mijery ny filako sy ny fahosako, Andriamanitra, Tompoko, dia nampiasa ny iray tamin'ireo mpanompony mba hitarika ahy amin'ny famonjena. Ho azy anie ny voninahitra rehetra". Na dia izany aza dia tokony hahatsapa ny roa nataon'ilay nampiasain'Andriamanitra hitarika azy izy. Aorian'izany, satria Andriamanitra no namolavola antsika sy ny asantsika, izy ihany no nahary ny fitaovana izay mamela ny fitantanana sy izay mitondra mankamin'ny fivilianan-dalana. Izany aefa dia tsy manafoana na mampihena ny fandraisana anjaran'ny fahafahantsika msiafidy malalaka ao amin'ny fitarihana antsika sy ny fivilianantsika làlana.

FANAMARIHANA: Ny fahafahana misafidy malalaka araka ny fomba fijerin'ny CORAN

Na dia ampahany kely nisitaka tamin'ny fivavahana silamo aza (ny Djâbiriyya) no maro ny Fatalisma dia ny ankamaroan'ny oriantalista any Eropa no manameloka ny silamo manontolo ho fatalista. Ankoatra izany, ny ankamaroan'ny filozofa tandrefana teo amin'ny tantara, ary indraindray koa ny kristianisma dia fatalista ary miorina eo amin'ny tsy fetezan-kotoherina nalaina avy amin'ny làlana ary-tantara. Azontsika fintinina tahaka izao manaraka izao ny hevidehiben'ireo filozofa ireo:

  • Miroso tsy ankivazivazy mankamin'ny fahasambarana ny zanak'olombelona.
  • Io fivelarana io dia miankina amin'ny làlana fatalista sy tsy azo tosikin'ny tantara, izay tsy minakina tanteraka amin'ny olombelona. Noho izany raha tsy te ho foana isika dia tsy maitnsy manaiky io làlana io.
  • Tsy azontsika tsikeraina ny dingana samihafan'ny tantara (toy ny dingana primitiva, faha mpanjaka sy kapitalista) izay tsy maitnsy nandalovantsika.

Ny foma fijery toy izany no miterana zavatra toy izao: tsy azo ialana ny fepetra ara-ekonomika sy politika satria apetraky ny natiora izay mandidy fa izay matanjaka ihany no afaka miaina. Raha io lalana io no manome vahana ny tandrefana dia tsy maintsy manaraka ny fanjakazakan'ny tandrefana ny fiarahamonina te ho velona.

Ireto lafin-kevitra manaraka ireto no manavaka ny fotokevitry ny CORAN amin'ny an'ireo filozofa hafa:

  • Ny filozofan'ny tantara sy ny mpahay fiarahamonina dia manorina ny fotokeviny amin'ny fandinihana ny vanim-potoana lasa sy ny zava-misy ankehitriny fa ny CORAN kosa dia mandinika ziany araka ny fomba fijery ny foto-kevitra tsy azo ovana.
  • Manipika ny safidy malalaky ny tsirairay ny CORAN sy ny an'ny daholobe. Na dia azo heverina aza ny sitrapon'Andriamanitra, toy ny tambin'ny Geist ao amin'ny filozofia Hegelianina sy ny lalàna tsy azo toherina sy tsy azo hivalozana ao amin'ny filozofia hafa dia tsy manda na oviana na oviana ny fahafahan'ny olona misafidy malalaka ny CORAN. Sedrain'Andriamanitra ny olombelona mba hiasa "ny tany" eto amin'izao tontolo izao ary hioty ny vokatra any amin'ny tontolo ho avy misy ny fianana mandrakizay. Noho io antony io no nahatonga izay rehetra miseho eto hifandimby mba ahafahana manaaka ny tsara sy ny ratsy. Mitaky izany fa izay sedraina dia tsy maintsy manana safidy malalaka mba ahafahana misafidy. Araka ny voalazan'ny CORAN dia volavolain'ny olombelona ny tantara fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra no nahatonga azy. Mampiasa ny safidintsika fotsiny Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony iraisan'ny rehetra. Raha azontsika io hevitra io dia ho tsapantsika fa tsy misy fototra iorenany ireo filozofan'ny tantara tandrefana sy nyf otokeviny hoe: "fiafarana tsy azo ialana" (Tr.).

[6] Sahîh al-Bukhari, «Badu al-Wahy», 1; Sahîh Muslim, al-Imâra, 155.

[7] Boukhari, Kitabu'l-Jihad ve's-Seyr, 102; Mouslim, Fadhâil as-Sahâba, 35. Les «chamelles rousses» est une métaphore utilisée par les Arabes du Moyen Âge pour exprimer l'idée des biens les plus précieux qu'on puisse posséder. (Tr.)

[8] Mouslim, Zakat, 69; Ibn Maja, al-Moukaddima, 203.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.