Ireo Hevidison'ny Fiandohan'ny Fisiana

Nohamafisin'ny fahefam-piangonana katolika ny fiheveranny Eropeanina mikasika ny voary sy ny fisian'izao tontolo izao tamin'ny animpotoanan'ny "Moyen-âge". Mifototra amin'ny fanambaran'Andriamanitra (ny Baiboly) ny Eglizy, niha simba arakaraky ny fivoaran'ny fotoana, nihevitra ny siansa moderina ho manozongozona ny fahefany ary notoheriny. Niha lalina ka tonga amin'ny fetra tsy azo hampihavanana azy intsony ny antsana nampisaraka ny siansa sy ny fivavahana. Farany, nailika ho anisan'ny finoana anjambany sy fomba fampiononantena fotsiny ny fivavahana, noheverina ho tsy mifanaraka velively tamin'ny siansa. Ny siansa koa tsy niondrika teo anatrehan'ny fanambaran'Andriamanitra. Nanamafy sy nampalaza ny hevi-pisiana tampoka, nisy ho azy sy nanamboatena araka ny dingana nizorana, mitovy amin'ny lalana izay tsy maitnsy ho azon'ny olona indray andro any ny tantara voalazan'I Darwinisma mikasika ny fivoaran'ny karazana.

Ny siantista rehetra dia tsy miray hevitra amin'ny hoe io lazaina fa antony araboajanahary –antsoina hoe "Lalanan'ny voary" io dia afaka manazava ny toe-javatra mitranga rehetra. Alohan'ny hiadian-kevitra amin'io toe-javatra io dia tsiahivina fa ny Mpaminany rehetra, tsy miankina tamin'ny fotoana sy ny toerana dia miray hevitra amin'ny fiandohan'ny fisiana sy ny fomba nampisy azy, ary indrindra fa amin'ireo lafin-kevitra manan-danja mikasika ny fisiana sy ny aina. Raha misy mpahay siansa maro andaniny mitovy hevitra amin'ny Mpaminany, misy mpahay siansa sy filozofa koa ankilany miandany amin'ny natioralisma sy materialisma manamafy hatrany ny heviny hatrany dia ho toy inona ny fifanoherana. Ny sasany manankina ny fahariana sy ny mandrakizay ary ny aina sy ny feon'ny fiheritreretana amin'ny zavatra azo tsapaintanana. Ny hafa kosa fa efa natao ho mandrakizay ny voary ary ny zava-drehetra dia azo hazavaina amin'ny anton-javatra sy ny lalàna voajanahary. Mbola misy hafa koa tsy mahazava ny fiandohan'ny aina ka manankina azy amin'ny kisendrasendra sy ny filana tsy azo ialana.

Ireto andininy manaraka ireto dia milaza ny tsy fahafahana manazava ny fisiana raha tsy manamafy ny fisiana sy ny maha tokana an'Andriamanitra.

Ny voary, ny anton-javatra sy ny lalàna voajanahary

  • Mis ao an-tsaina ny lalàn'ny voary fa tsy azo tsapaintanana. Ireo lalàna ireo dia hevitra naroso ho fanazavana ny vanim-potoana na trangan-javatra manokana, ary manamafy ny hery tsy azo tsapain-tanana talohan'ny faritoe-javatra na ny fifandraisan'ny vanim-potoana na ny trangan-javatra. Ny lalànan'ny "gravité", ny fananahana sy ny fitmboana ao amin'ny zavamananaina, ny lalanan'ny fisintonana sy ny fanosehan'ny andriambia sy ny lalàna maro hafa dia tsy singa azon'ny fandrenesantsika ety ivelany hamarinina ny fisiany na koa amin'ny alalan'ny fitaovana siantifika. Ohatra, na inona na inona fahamarinana ao amin'ny lalànan'ny "gravit"" azo amara ve fa ilay tontolo tena izy (izay iharan'io lalàna io) dia mahita ny fiandohany avy amin'io lalàna io? mitombina ve, azo sainina ve fa avy amin'ny lamin-kevitra ny fisian'ny zava-drehetra sy ny an'ireo zava-mananaina nomena saina sy feon'ny fieritreretana?
  • Ny lalàna sy ny anton-javatra ara-boajanahary no mamolavola ny faritoe-javatra na ny fifandraisan'ny zava-mitranga na ny toe-javatra tsikaritra ao amin'ny tontolo. Vokany, sady tsy mahaleotena no tsy tongatonga ho azy izy ireny satria miankina amin'ny anton-javatra ivelany.
  • Ny fisian'izao tontolo izao sy ny zava-miseho ao aminy dia mety hitranga na tsia. Tsy ho tsy maintsy misy akory na dia ny singany kely mamorona azy aza satria mitovy langa ny fisiany sy ny tsy fisiany. Ny singa madinika ao amin'ny sakafo dia mety ho tonga any amin'ny sela marobe mandrafitra ny tsaika. Tsy maharitra mandrakizay ny zavatra iray mety ho nisy na tsia satria tsy maintsy misy ny safidin'izay nampisy azy na tsy nampisy azy.
  • Satria ny singa rehetra mety hisy na tsia dia voafaritry ny fotoana sy ny haaka, noho izany manana ny fanombohany izy ireny. Tsy iandian-kevitra fa izay manomboka dia tsy maintsy mifarana ary tsy mety ho mandrakizay.
  • Mifampiankina ny antonjavatra voajanahary mba hanome vokatra ohatra, ny paoma dia mila ny voniny mba hisy, ny vony dia mila rantsana ny rantsana mila ny vatankazo, sy ny sisa, tahaka ny filan'ny voa ny tany, ny rivotra sy hamandoana mba hitsimoka sy hivelatra.

Ny anton-javatra tsirairay dia manome vokatra, ary farafaharatsiny toy ny tsy fanekentsika ny tsy fisian'ny Andriamanitra maro no fisian'ny anton-javatra ka tsy maintsy mino anton-javatra tokana ivelan'ny fifandraisan'ny antony sy ny vokany isika.

  • mba hisy ny antony tokana dia tsy maitnsy miara-miasa ao anatin'ny dingana miridnra sy azo antoka ny anton-javatra maro mba hanjary "lalàna voajanahary". Diniho kely ity: mba hisy ny paoma dia mila ny fiarahamiasan'ny rivotra sy ny tany, ny hazavan'ny masoandro sy ny rano, ny fitongilanan'ny tany ho 23° sy ny fitsipika sarotry ny fitsimoana sy ny fitomboan'ny voa sy ny zavamaniry. Azo sainina ve fa ny lalàna maro sy anton-javatra marenina sy jamba, tsy mahalala na inona na inona sy tsy manantsaina dia ho afaka miara-miasa ka hamorona zavamananaina? Mihevitra va ianareo fa ho afaka mamolaola olombelona izy ireo, velona sy misaina, miheritreritra sy tompon'Andriamanitra ary afaka mamaly iro fanontaniana mikasika ny faniriany sy ny asany?
  • ao anatin'ny voa madinika dia misy hazo lehibe. Ny olombelona, ilay faratampon'ny voary dia novolavolaina tamin'ny alalan'ny fitambaran'ny atody sy spermatozoida itika dia bitika. Misy fifandraisana mifandanga sy azo ekena ve eo amin'ny anton-javatra sy vokany eto? anton-javatra sady osa sy tsotra no tsy mahalala na inona na inona sy tsy miaina va dia ho afaka hitera-bokatra matanjaka sy saro-drafitra, manantsaina sy velona?
  • ny trangan-javatra sy ny dingana voajanahary dia manana ireo mifanohitra aminy: ny avaratra sy atsinanana, ny miabo sy miiba, ny mafana sy mangatsiaka, ny tsara tarehy sy ny ratsy tarehy, ny fisarihana sy fanosehana, ny fitambarana sy qfisarahana, ny fientonana sy ny fivainganana, sy ireo maro hafa. ny zavatra iray manana ny mifanohitra aminy, mila ny mifanohitra aminy mba hisy sy ho fantatra dia tsy mety ho mpahary na fiandohana.
  • Ny anton-javatra rehetra ilaina mba hanome vokatra dia efa eo na tsy natao hanome io vokatra io aza. Mifanohitra amin'izany, mety hisy ny zavatra iray na tsy misy antony manosika antsika hamantatra& azy tanteraka aza. Fanampiny, ny antony mitovy dia tsy voatery hanome vokatra mitovy. Izany no antony tsy henken'ny mpahay siansa sasany ny anton-javatra ho fitaovam-panazavana ny zavatra sy ny zava-mitranga.
  • Amin'ireo anton-javatra dia ny olombelona no mahay indrindra sy ambony tonga lafatra indrindra, satria isika dia miavaka amin'ny fananan-tsaina, ny feonn'ny fiheritreretana, ny finiavana sy ny fahafahana manao zavatra maro hafa, amin'ny fihetseham-po sy lanja anatiny sy ivelany. Na izany aza dia marefo sy mampahonena toy ny biby kely afaka manome faintainana lehibe ho antsika isika. Na isika olombelona, voary ambony aza tys nandray anjary kely akory tamin'ny fisian'ny vatantsika ary tsy mahafehy ny fiasan'ny vatantsika akory, ahoana no ahafahan'ny anton-javatra hafa hamolavola fisiana?
  • Mandray ny fifanandrifiana hoan'ny anton-javatra ny materialista. Raha miara-mitranga ny toe-javatra roa, azo heverina fa ny iray no anton'ny iray. Mitady izay handavana ny mpahary ny materialista ka manao fanambarana toy izao: "Ny rano no mampitombo ny zavamaniry". Tsy mbola nanontany anefa izy ireo ho e ahoana no hahaizan'ny rano izay ataony, ahoana no hanaovany azy, ary inona iroe toetrany mampahatonga ny zavamaniry ho lehibe.

Manam-pahalalana sy fahefana hampaniry ny zavamaniry va ny rano? mahafantatra ny lalàna sy ny toetran'ny fiforonan'ny zavamaniry va izy? raha lazaintsika fa andraikitry ny lalàna na ny natiora ny fitomboan'ny zavamaniry, mahafantatra ny fomba fiforonan'ny zavamaniry va izy ireo? tsy maintsy mila fahalalana ambony tsy hita pesipesenina, finiavana sy fahefana miavaka mba hamoronana zavatra kely iray. Noho izany, mba hamoronana ity tontolo saro-drafitra, mahatalanjona sy mahavariana izay mbola bitika ny zavatra fantatsika ao aminy ity, moa va tsy mila fahalalana tonga lafatra sy finiavana ary fahefana tsy manam-petra?

Diniho kely ny voninkazo. Avy aiza ny hatsarantarehiny? iza no nametraka ny fifandraisana eo aminy sy ny fandresenantsika? afaka hanao zavatra toy izany va ny voa, ny singan-tany kely iray na ny tana-masoandro izay tsy manantsaina, marenina sy tsy mahalala na inona na inona? moa va manam-pahalalana, fahefana na finiavana hamorona na dia voninkazo kely iray aza izy ireny, ary iza no naha tsara tarehy azy? moa va isika, isika voary nomena fahalalana sy saina eto amin'ity tany ity afaka manamboatra voninkazo kely tokana fotsiny? tsy afaka nisy ny voninkazo raha tsy efa nisy izao tontolo izao manontolo. Noho izany, mba ho afaka manamboatra voninkazo iray dia tsy maintsy nahay namolavola izao tontolo izao. Amin'ny teny hafa, ny Mpahary azy dia tsy maintsy manana fahefana, fahalalan sy finiavana tsy manam-petra. Ireo zavatra rehetra ireo dia asa tanan'Andriamanitra tanteraka.

Ny vainga sy ny kisendrasendra

Ny hevitsika manohitra ny lalàna sy ny anton-javatra araboajanahary izay ahitana sasantsasany mihevitra fisiana tampotampoka, mahaleotena sy manan-kevitra ho mandrakizay aza na azo ampiharina avy hatrany amin'ireo filazana fa avy amin'ny kisendrasendra sy ny vainga ny fahariana.ny foto-kevitry ny fizika tranainy sy moderina dia mamaritra fa ny vainga dia miovaova sy miankina amin'ny toe-javatra ivelany. Noho izany dia sady tsy maharitra mandrakizay izy io no tsy fiandohan'ny fahariana. Ankoatra izany, jamba sy marenina ary tsy manana aina ny vainga, tsy mahalala na inona na inona sy tsy manam-pahefana sy fiheritreretana koa ahona no ahafahany ho loharanon'ny aina sy ny fahalalana, ny fahefana sy ny feon'ny fiheritreretana? ny zavatra iray dia tsy afaka mamindra amin-javatra hafa izay tsy ananany. Misy porofony maro ny fandaharana, ny fanaminana sy rindra voasainan'izao tontolo izao, toa hevi-dravina ny hilaza ny kisendrasendra sy ny fifandrifian-javatra mba hanazavana ny antonantony. Ohatra ny vatan'ny olombelona iray dia ahitana sela amina miliara maro, ary ny sela iray dia ahitana proteina riay tapitrisa eo ho eo. Itika dia bitika ny mety hiavian'ny proteina iray avy amin'ny kisendrasendra. Tsy nisy ny proteina iray raha tsy nisy zavatra nisafidy ny fisiany sy nahary azy, zavatra manam-pahalalana tsy manam-petra sy tanteraka namela azy hilahatra sy hifandray tamin'ireo proteina hafa, tamin'ny sela sy ny rafi-batana manontolo ary nametraka ayz tamin'ny toerana tokony hisy azy. Tsy hahita ny lalan'ny fahamarinana, ny mpahay siansa raha tsy manaiky anio zavatra io –Andriamanitra- ho Mpahary ny zava-drehetra. Ity fanandramana tsotra manaraka ity dia manampy antsika hahatsapa tsara io hevitra mafonja io:

"Nanandrana raha afaka manova voalavo fotsy ho voalavo miloko ka namihatra tekinika fanamboara "gène" tsy manaradalàna I overbeck sy ireo mpiara miasa taminy tao amin'ny toeram-pampianarana fitsaboana Baylor any Houston. Notsindronin'ireo mpikaroka ireo "gène" ilaina an famokarana loko melamina tao amin'ny tsaikan'ilay voalavo fotsy. Afaka fotoana foy dia nompian'izy ireo ny zava-boalavo fotsy ka ny atsasany nitondra ny "gène" avy amin'ny kromozoman'ilay voalavo. Ny zenetika tranainy mendelianina dia nampahafantatra azy ireo fa tokony ho ny 1/4n'ireo zafikelim-boalavo dia tsy maintsy mitondra ny "gène" avy amin'ny kromozoma roa –manana "gène" mitovy araka ny voambolana zenetika- ary tsy maintsy miloko.tsy nahazoana voalavo miloko mihitsy anefa ireo voalavo ireo. "Ny zavatra voamarikay voalohany hoy I Overbeck dia maty ny 25%n'ireo zafikelim-boalavo ireo herinandro taorian'ny nahaterahany".

Toy izao ny fanazavana:

Nifangaro tamin'ny "gène" tsy nifanaraka taminy tanteraka ny "gène" avy amin'ny melanina natsindron'ireo mpikaroka niaraka tmainy tamin'ny tsaikan'ilay voalavo fotsy. Ny fitaran'ny AND tsy manara-penitra teo afovoan'ny "gène" dia nanimba ny fahafahan'ny "gène' mamaly ny hafatra tonga tao aminy. Noho izany, tsy namokatra ny proteina nentin'ny "gène" tao amin'ireo zava-boalavo, ary na inona na inona asan'ireo proteina dia tsy afaka nameno izany izy, ary lasa tany amin'ny toerana tsy tokona hisy azy ny vavony, ny fo, ny aty sy ny afero. Tsy fantatra koa izay nanjo ny voa sy ny sarakaty ary izany anton-javatra izany no nahatonga ny fahafatesan'ireo zafikelim-boalavo.

Efa tsikaritr'I Overbeck sy ireo mpiaa miasa aminy tamin'ny kromozoman'ny voalavo sasany ilay "gène' ka nanandrana nijery ny firafiny izy ireo. Io toe-javatra io no nahafantaran'izy ireo ny firafitry ny proteina tao amin'ilay "gène", ny fomba fiasany, ny fotoana sy ny toerana nipoirany arakaraky ny handefasany hafatra sy hiasany. Nanontany tena I Overbeck: "Manome hafatra etsy sy eroa va ny "gène" sa eo amin'ny ilany avia na avanan'ny tsaika fotsiny? ary amin'ny fotoana manao ahoana izy no mandefa hafatra?

Lavitry ny fanandraman'I Overbeck mikasika ny famindrana "gène" ireo fanontaniana ireo. "Mihevitra isika fa farafaharatsiny dia misy "gène" 100000", ny mety hipoiran'io vanim-potoana io ara-bakiteny dia tondroiny ho 1 (iray) amin'ny 100000"[3]

Mila fanandramana anapitrisany sy volavo anapitrisany noho izany vao afaka mampahomby fanandramana toy izany. Na izany aza dia tsy misy tsapatsapa na fahadisoana ao amin'ny oary. Ny voan'ny hazo rehetra tafalatsaka ao anaty tany dia mitsimoka mba hanome hazo lehibe raha tsy hoe misy zavatra manakana azy. Toy izany koa, ny tsaika iray ao anaty tranon-jaza dia mitombo mba ho velona sy hisaina, nomena fahafahana ara-tsaina sy ara-panahy.

Fifandanjana mahagaga ny vatan'olombelona. Fantatry ny mpahary siansa ny fomba fitomboany ao anaty tranon-jaza. Ny tsy hainy hazavaina dia ny fomba hahatongavan'ny singa mpanorina madinika ao amin'ny tsaika izay afaka manavaka ny avia sy avanana, mahafantatra ny toerana voatokana hoan'ny taova, mipetraka amin'ny toerana voatokana ho azy, ary mahafantatra ny filana sy ny fifandraisana ambony saro-drafitra eo anatrehan'ireo sela sy taova. Sarotra io dingana io, tahaka ny hoe raha ny sela madinika ilain'ny maso havanana no lasa mipetraka tampoka any amin'ny sofina dia mety hiaran-doza na maty mihitsy ilay tsaika.

Fanampiny, ny zava-mananaina rehetra dia novolavolaina tamin'ny alalan'ny- singa mitovy avy amin'ny tany, ny rivotra sy ny rano. Mitovy koa izy tsirairay amin'ny ratsambatany sy ny taovany. Na dia izany aza anefa dia manana ny maha izy azy avy tanteraka izy ireo amin'ny toe-batana sy ny endrika, ny toetra, ny faniriana sy ny hetaheta. Io fahasamihafana io dia azo antoka fa azonareo avahana tsara na dia amin'ny ratsantanana aza.

Ahoana no ahafahana manazava izany? safidy roa no manoloana antsika: na manam-pahalalana ireo singa tsirairay avy ireo, manam-piniavana sy fahefana tsy manam-petra, na ilay manam-pahalalana tsy hita nonoa, finiavana sy fahefana mamolavola sy nitantana ny singa tsirairay avy. Lavitra noho ny miverina any amin'ny lasa ny hilaza izany ho avy amin'ny anton-javatra sy ho manaranaka, marina hatrany ireo safidy roa ireo.

Na dia apetraka eo ambany fahefan'ny tsy Andriamanitra aza ny fisian'izao tontolo izao (fa amin'ny anton-javatra) dia tsy azo lavina ity zava-misy ity: ny zava-drehetra dia manambara fahalalana voavana, fahevana sy fanapahana tsy misy fetra amin'ny alalan'ny fisiany, ny fahavelomany sy ny fahafatesany. Araka ny hitantsika tao amin'ny fanandraman'I Overeck dia mety hahafongana na hanafoy ny aina ny "gène" iray ratsy toerana na tsy voatarika tsara. Ny fifandraisan'ny zava-drehetra, hatramin'ny vondrom-bitana ka hatramin'ny atoma dia zava-misy ka miditra ao sy mahalala ny anjara asany manokana avy ny singa vaovao isanisany.

Misy fanehoana tsaratsara kokoa ny fisiana sy ny fampiharana ny fahalalana mahafaobe, ny fahefana sy ny finiavana tsy manamam-petra noho ny famokaran'ny singa madinika indrindra amin'ny alalan'ny fomba fiasa entitra eo amin'ny fifandraisany ao amin'ny taoa iray manokana va? mahafapo va ny fanazavana izany amin'ny alalan'ny hoe manaranaka na fifandrifian-javatra kanefa ireo fanazava dia miankina amin'ny fahalalana faobe, fahefana mitovy sy finiavana tsy manam-petra?

Aoka tsy ho diso amin'ny fisehoan-javatra ivelany isika ka hanao hoe tonga tamin'ny alalan'ny fandaharana sy ny fandaminana na ny dingana arahin'ny anton-javatra ny zava-drehetra. Sarona midadasika ao amin'ny fiovaovan'ny tontolo ny zava-drehetra maro, ao amin'ny fiovaovan'ny vanim-potoana tsy ankijanona. Azo raisina ho anisan'ny dingana arahin'ny anton-javatra ny lalàna voajanahary kanefa tsy azo tsapain-tanana ny fisiany. Arakaraky ny tsy hanomezantsika andraikitra ny natiora (na ny vainga na ny kisendrasendra) ny andraikitra omentsika ny Mpahary azy, tsy maintsy manaiky isika fa ao amin'ny fototra sy ny tena zava-misy, fiasan'ny fanotana fa tsy ny mpanota, sary fa tsy ny mpanao sary, ny didy fa tsy ny mpandidy, vondron-dalàna heverina fa misy fa tsy fahefana.

Mba hahazoana tsara fa tsy manana andrikitra ao amin'ny fisiana ireo lalàna heverina fa misy ireo dia dinihontsika lalina ny fiafarana, ny rindra sy ny fifandraisana ao amin'ny voary amin'ny fandinihana zava-misy tsotra fotsiny. Mbola misarika ny saintsika koa I Morrison amin'ireto toe-javatra ireto:

"Misy vola madinika 10 mitovy izay marihinareo iray ka hatramin'ny 10. ataovy ao ampaosy ireo ary afangaroy tsara. Andramo alaina milahatra 1 ka hatramin'ny folo ary izy ireo ka avereno ao ampaosy izay voasintony tsirairay isaky ny misintona. Iray ampahafolo no mety ahasintonanareo ny laharana voalohany. 1/100 no mety ahazoana milahatra ny laharana 1 sy 2, 1/1000 no mety hahazoana ny 1, 2, 3 ary 1/10000 no mety ahazoana ny 1, 2, 3, 4 ary toy izany hatrany mandrapahazoanareo ny laharana 1 ka hatramin'ny folo milahatra, mety ho tonga aminy tranga tsy azo inoana izay mety hahazoana 1/10 millions ianao vao mahazo iray.

Ahitana olona tsotra maneho ny habetsahan'ny tranga manohitra ny kisendrasendra io ohatra io. Misy fepetra goavana maro ilain'ny fiainana eto antany izay tena tsy ho tanteraka ara-matematika mihitsy mba hahafahana miaina tanteraka amin'ny alalan'ny kisendrasendra. Noho izany, tsy maintsy misy tondro zotra matsilo saina ao amin'ny tontolo. Raha marina ziany dia tsy maintsy sary Morrison, tsy irery ny olombelona, P. 13.

Lasa kely ny tany ankehitriny ary fantatra ny lanjany. Tsy miova ny fihodiny eo anoloan'ny masoandro. Mety hampikorontana ny kajy amin'ny astronomia ny fihodinany amin'ny tenany izay voamarina tsara fa niova iray segondra isaky ny zato taona. Raha tena lehibe na kely loatra ny hadirin'ny tany, na hafa ny hafainganam-pihodiny dia mety hanakaiky na hanalavitra loatra ny masoandro izy, ary misy fiantraikany amin'ny zava-mananaina rehetra io fiovana fepetra io, tafiditra amin'izany ny olombelona.

Mihodina 24 ora eo anoloan'ny tenany ny tany ary 1600 km isan'ora no hafainganam-pandehany. Impolo noho ny mahazatra ny halavan'ny andro sy ny alina iainantsika raha 160 km isan'ora fotsiny ny hafainganam-pandehany ary kila forehitra avokoa ny zava-drehetra amin'ny andro, mivaingana avokoa amin'ny alina! tsy misy afaka mivelona. Tokony ho 5500°C eo ho eo ny hafanana ananan'ny masoandro. Ny elanelana manasaraka antsika aminy dia izay mahatonga antsika tsy ho may sy tsy hivaingana. Raha miova ho 50°C ny hafanan'ny tany ao anatin'ny taona iray monja dia maty avokoa ny zavamaniry rehetra sy ny olona, kila forehitra na miaingana. 30 km isan-tsengodra eo ho eo no fihodinan'ny tany eo anoloan'ny masoandro. Raha io fihodinana io no lasa 10 na 60 km isan-tsegondra dia mety ho lavitra loatra na akaiky loatra ny masoandro isika mba hiaina amin'izao fisiantsika izao.

Ny fizarantaonantsika dia vokatry ny fitongilan'ny tany 23°C. raha tsy mitongilana izy dia ho maizina mandrakariva ireo tendrony. Ny enton-drano avy any andranomasina dia mifindra toerana mianavaratra na mianatsimo izay mampisy ranomandry ny tany sy mahatonga ny tany efitra arak'izay mety hampisy izany eo anelanelan'ny ekoatera sy ny ranomandry.380000 km no elanelan'ny volana sy ny tany ary ny fihetsehan'ny ranomasina indroa isan'andro dia maneho ny fisian'izany. Mety hahatratra 15 km ny hahavoan'ny fiakaran'ny ranomasina, ary ny faritra hita maso amin'ny tany dia milentika mankany anatiny amina santimetatra maro indroa isan'andro noho ny fisintonan'ny volana. Raha ny volantsika no heverina fa 80000 km ny halavirany fa tsy toy ny ankehitriny dia ho goavana ny fiakaran'ny ranomasina noho ny indroa isan'andro ka matetika no ho difotra ao anaty rano ny lemaka, hatramin'ny tendrombohitra mihitsy aza no mety hirodana, ary azo antoka fa tsy hisy tany ho afaka haingana ao anaty rano mba hahita masoandro. Iharan'ireo korontana rehetra ireo ny tany ary ny fifanoheran-drivotra dia miteraka rivo-doza mahery matetika.

Raha miampy 3 metatra ny hatevin'ny fanambonin'ny tany dia tsy hisy oksizena ao kanefa tys velona ny biby kely raha tsy misy azy io; ary raha mihoatra metatra vitsivitsy ny halalin'ny ranomasina dia ho voatroka ny dioksidan'ny karaona sy ny oksizena ary tsy ho velona ny zavamaniry ambonin'ny tany. Raha manify loatra ny atmosfera, ny sasany amin'ireo singa mamorona azy izay may aty ivelan'ny atmosfera dia hipoaka amin'ny tany manontolo.

Iarahamalala fa foronin'ny oksizena ny 21%n'ny atmosfera. Amin'ny ankapobeny dia manosika ny tany amin'ny hery 1 kg eo ho eo isaky 1 santimetatra atoradroan'ny velarana miala amin'ny ranomasina. Anisany amin'io manosika io ny oksizena ao amin'ny atmosfera izay tombanana ho 210 g isaky ny santimetatra atoradroa. Mifangaro amin'ny fanambonin'ny tany ny oksizena tavela rehetra ary mamolavola ny 8/10n'ny rano eto amin'izao tontolo izao. Ny iksizena no loharanom-piainan'ny biby rehetra eto antany ary noho io toe-javatra io dia tsy azo raha tsy ao amin'ny atmosfera.

Ny fanontaninana mipetraka dia hoe ahoana no ahafahan'io singa simika mavitrika dia mavitrika io miala amin'ny fitambarana sy mijanona ao amin'ny atmosfera amin'ny fatrany ilaina marina hahavelona ny zavamanana aina rehetra. Ohatra, raha mihoatra 50% ny oksizena ao amin'ny atmosfera fa tsy 21%, hirehita avokoa izay mety hirehitra rehetra eto antany ary ny varatra milatsaka amin'ny hazo iray dia handrehitra ny ala manontolo. Ho voatsoka avokoa ireo singa ao amin'ny zavamisy anapitrisany maro eto antany ka ho faty avokoa ny biby.

Rehefa miaina ny olona dia mifoka oksizena, troin'ny ra io ka aparitany ao amin'ny vatana manontolo. Mandoro ny sakafo miadana dia miadana ao anatin'ny sela amin'ny maripana ambany dia ambany io oksizena io, dioksidan'ny karbona anefa no vokatra sy enton-drano, raha ilazana ny sasany fa "miaina toy ny fatana", misy marina kely ihany izany. Miala ao amin'ny avokavony ny dioksidan'ny karbona ary tsy azo foana intsony raha tsy ampahany kely foana. Mampihetsiketsika ny avokavony io ary mampiaina azy indray amin'ny famoahana ny dioksidanan'y karbona any amin'ny atmosfera. Ny fiain'ny biby rehetra koa dia mifoka oksizena sy mamoaka dioksidan'ny karona. Ilaina koa ny oksizena amin'ny asa sahaniny ao amin'ny ra sy ety ivelan'ny vatana; tapitra ny dingam-piainana raha tys misy io oksizena io.

Ankoatra izany, araka ny fantatry ny tsirairay dia miankina amin'ny dioksidan'ny karbona marobe ny fahaveloman'ny zavamaniry, hita ao amin'ny atmosfera ireo, izany no ilazana fa mifoka rivotra izy. Mba hanehoana io fifandraisana aratsimila srodrafitra io dia heverontsika ho toy ny avokavoka ny ravinkazo, rehefa mitanina andro izy dia manasaraka ny dioksidan'ny karbona ho karbona sy oksizena. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia lasa entona ny oksizena fa voatana kosa ny karbona ka mitambatra amin'ny kidrozena avy amnr ano ao amin'ny zaamaniry avy any amin'ny fakany. Amin'ny fanovamason'ny simia dia avy amin'izany no hamolavolan'ny zavamaniry siramamy sy sela ary vokatra simika hafa maro, voa sy vony (ahitana fofona isan-karazany, tsiro, loko sy endrika arakaraky ny karazan-kazo. Io fahsamihafana tsy manam-petra sy fiovaovana io dia azo heverina fa andrikitry ny voa bitika dia itika sy jamba, tsy mahalala na inona na inona sy tsy manan-tsaina?). Ny tenany ihany no mampisakafo ny zavamaniry ary izy koa no mamokatra sakafo ampy hiveloman'ny biby eto antany. Miaraka amin'izany no hamoahan'ny zavamaniry ny oksizena fohintsika ary raha io dia tapita ny fiainana ao anatin'ny dimy minitra. Ny zavamaniry rehetra, ny ala sy ny zava-maintso sy ny endripiainan-javamaniry rehetra dia manorina ny rafitra maha izy azy amin'ny alalan'ny karbona sy rano. Mamoaka dioksidan'ny karbona ny biby ary oksizena ny an'ny zava-maniry. Raha tsy nisy io fifanakalozana io. Na ny biby na zaamaniry dia samy nitroka oksizena na dioksidan'ny karbona ary potika ny fifandanjana, maty na maina ny iray amin'izy ireo ary manaraka azy haingana ny hafa.

Na dia tsy mifoka hidrozena aza isika dia tsy maitnsy miditra amin'io singana ioizy. Raha tsy misy hidrozena dia tsy misy ny ranoa ry ny fisian'ny rano ao amin'ny zavamaniry sy ny biby dia ilaina dia ilaina tanteraka. Singa fototry ny aina ny oksizena, ny hidrozena, ny dioksidan'ny karbona sy ny karbona ao amin'ireo fifampiankinany maro samihafa. Izy ireo no manorina ny fototry ny aina.

Mampiditra poti-javatra maro ao amin'ny lamim-pandevonan-kanintsika isika –laboratoara lehibe idnrindran'izao tontolo izao- ary tsy manahy akory izay zavatra ampidirintsika ao, miankina amin'izay heverintsika ho dingana mandeha ho azy mahatonga antsika hiaina. Rehefa voatorotor ireo sakafo rieo ary voahomana idnray amin'ny endriny vaovao dia alefa mankany amin'ny selantsika amina miliara tsirairay avy; ary io isa io dia maro noho ny olombelona eto antany. Tsy ankijanona ny famatsiana ny sela tsirairay avy, ary ny zavatra azon'ny sela avadika ho taolana, hoho, nofo, volo maso na nify ihany no azon'io sela voalaza io raisina. Manana laboratora simila mamokatra zavatra mihoatra lavitra noho izay noforonin'ny fahaizan'olombelona isika ao.

Manana lamim-pitanterana lehibe lavitra sy mahomby mbola tsy fahitan'ny fomba fitaterana sy fitsinjarana fantatra teto antany isika ao, satria mandalo ao amin'ny filaharana tonga lafatra avokoa ny zava-drehetra. Hatramin'ny fahzazana ka hatramin'ny faha 50 taona dia tsy mbola fahadisoana goavana io laboratoara io kanefa ny akora ahodiny ao dia afaka mamolavola vainga samy hafa mihoatry ny anapitrisany –izay maty ny sasany. Rehefa miha osa ny lalàna fitsinjarana noho izy efa ela niasana dia miha osa isika ary lasa antitra.

Rehefa trohin'ireo sela tsirairay avy ny sakafo tokony ho azy, tsy mbola sakafo sahaza azy ireny. Ao amin'ny sela tsirairay avy ao dia mbola ahitana firehetana izay mandray anjara amin'ny fanafanana ny atana manontolo. Tsy mahazo firehetana ianareo raha tsy nisy fandrehetana. Tsy maintsy mirehitra ny afo ary ny fitambarana simika no mandrehitra azy eo ambany fifehezan'ny oksizena, ny hidrozena ao amin'ny sakafon'ny sela tsirairay, mamokatra hafanana avy eo ary misy enton-drano sy dioksidan'ny karona vokatr'izany. Tatarin'ny ra mankany amin'ny avokavoka ny dioksidan'ny karbona ary avy eo no miseho ny fahfahanao miaina. Ny olona iray dia mamokatra dioksidan'ny karbona 1 kg isan'andro, avoakany amin'ny alalan'ny dingana mahavariana anefa izany. Mandevonkanina avokoa ny biby rehetra, ary izy tsirairay ay dia manana vokatra simika manokana hoanny filany miavaka. Na dia amin'ny lafiny bitika dia bitika aza, ny taharo simikan'ny rà ohatra dia manavaka ny karazana iray amin'ny hafa. noho izany misy fomba famolavolana manokana hoan'ny tsirairay.

Raha sendra misy fidiran'ny singa mpanimba, io rafitra io dia efa vonona mandrakariva amin'ny fananany tafika hiady amin'izany ary matetika handresy ny mpanafika sy hanavotra ny rafitry ny olona manontolo amin'ny fahafaesana. Tsy misy firehetana tsy ampoizina na hafahafa mety hitranga raha tsy misy ny aina. Izany rehetra izany dia vita ao anatin'ny iflaharana tonga lafatra, ary izany filaharana izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny kisendrasendra".

Mila zavatra iray mahafantatra antsika tanteraka va izany rehetra izany? –mahafantatra ny filantsika rehetra, ny manodidina antsika sy ny fivoaran'ny ara-batana- mahalala ny zava-drehetra ary manao izay iriny? araka ny filazan'I Morrison: "Ny tangona no zava-dehibe ao amin'ny zava-drehetra, hatrany amin'ny lalàna mitantana izao tontolo izao ka hatrany amin'ny fitambaran'ny atoma madinika mampisy ny aintsika. Mamolavola zavatra mahatalanjona ny atoma sy ny vainga ao anatin'ny voary miaina ary manorina lamin-javatra mahvariana kanefa tsy nilana milina nametraka azy na saina ao anatin'ny fihetsehana mazava. Misy fahiratan-tsaina mpitarika izay tsy hain'ny siansa hazavaina".

Fa ahoana Andriamanitra no namorona lalàna sy anton-javatra voajanahary?

Any amin'ny tontolo hafa, tontolon'ny fahefana Andriamanitra no manatanteraka ny sitapony mivantana. Satria tsy hisy "anton-javatra", nisy hisendrasendra ny zava-drehetra. Eto kosa anefa, ao amin'ny tontolon'ny fahendrena ny Anaran'Andriamanitra ilay hendry indrindra dia mila ny fahefan'Andriamanitra mba hanala ny saron'ny anton-javatra sy ny lalàna hoan'ny antony maro, anisan'ireny ireto ho tanisaintsika manaraka ireto:

  • mifangaro eto amin'ity tontolo ity ny fifanoherana: ny fahamarinana amin'ny lainga, ny fahzavana amin'ny haizina, ny ratsy amin'ny tsara, sy ny sisa. Ny toetrantsika olombelona dia mirona mankany amin'ny tsara sy ny ratsy, tsaraina isika raha afaka mampiasa ny fahafahana sy ny fahaiza-manaontsika eny andalana mankamin'ny tsara sy ny fahamarinana. Ny fahendren'Andriamanitra dia mila ny lalàna sy ny anton-javatra hanafina ny fiasan'ny fahefany. Raha tian'Andriamanitra dia afaka namolavola ny planeta tamin'ny "tanany" teo imasontsika izy. Raha izany no nitranga dia tsy niresaka akory ny fidiran'ny lalàna sy ny anton-jaatra isika. Mba hampitana ny didiny dia afka niteny mivantana tamin'ny tsirairay izy fa tsy naniraka ny Mpaminany. Mba hampino antsika ny fisiany sy ny maha tokana azy dia afaka nanoratra ny Anarany tamin'ny kintana teny andanitra izy. Saham-pisedrana anefa ny fisiantsika ety antany. Vokatr'io fisedrana io, hatramin'ny andron'I Adama sy I Eva dia nifamoivoy teto antany ny ratsy sy ny tsara mba hameno ny tahiriny roa goavana dia ny Elo sy ny Paradisa.
  • Toy ny fitaratra roa lafy, manana endrika roa ny fisiana: ny iray hitamaso sy azo tsapain-tanana, faritry ny fifanoherana ary matetika ny fahatomombanana; ny iray tatera-pahazavana, madio sy tonga lafatra, ny faritry ny ara-panahy. Mety hisy vanim-potoana sy toe-javatra mahasorena antsika ao amin'ny faritra azo tsapain-tanana. Mety hanakana ny fahatsapana ny fahendren'Andriamanitra mahery indrindra izany. Mba hanakanana izany dia nametraka lalana sy anton-javatra voajanahary hanarona ireo asany Andriamanitra. Ohatra, mba tsy hitsikerantsika an'Andriamanitra na ny anjeliny amin'ny fahafatesantsika sy ny fahafatesan'ny zavatra hafa dia nanao aretina sy ny loza voajanahary Andriamanitra ary napetrany henelanelana azy sy ny fahafatesana ireo.

Noho ny tsy fahatomombanan'ity tontolo ity dia miatrika fahalemena sy fahdisoana etsaka isika. Amin'ny teny tokana dia sady tsara no ratsy ireny tranga sy vanim-potoana ireny isanisany ary ao amin'ny vokany. Tsara avokoa izay nandidian'Andriamanitra sy nataony, tsara tarehy sy marina. Ny tsy fahamarinana sy ny haratsiana sy ny ratsy dia ety ivelany fotsiny ary avy amin'ny fahadisoana sy ny fanararaotan'ny olona. Ohatra, mety hanameloka antsika amin'ny tsy rariny ny fitsarana, tsy maintsy fanta&tsika anefa fa matoa nisy izany dia noho ny heloka miafina tsy nataontsika akory. Izay tonga amintsika matetika dia avu amin'ny fahadisoana vita na avy amin'ny ratsy natao. Na dia izany aza, ireo izay tsy mahatsapa ny fahendren'Andriamanitra izay miafina ao ambadiky ny zava-mitranga sy ny zava-miseho nahatonga ny faharatsiana hiseho, ny tsy fahatomombanana sy ny fahadisoana mivantana amin'Andriamanitra, kanefa izy dia manala ny fahotana sy tsy fahatomombanana.

Mba tsy hiavian'ny fahadisoana, mila ny anton-javatra sy ny lalana voajanahary hanahona ny asany ny voninahiny sy ny halebeazany, ny finoana ny maha tokana azy anefa dia mitaky fa ireo lalàna sy anton-javatra ireo dia tsy manam-pahefana hamorona.

  • raha miasa mivantana eto ambany masoandro Andriamanitra mahery indrindra dia tsy nilaintsika ny fandrosoan'ny siansa sy ny hahafantatra ny fahasambarana na ny ho afaka amin'ny tahotra sy ny ahiahy. Noho ny asan'Andriamanitra ao ambdiky ny anton-jaatra sy ny lalàna voajanahary dia afaka mandinika sy manadihady lasitra ao amin'ny zava-mitranga isika. Ankoatra izany, zava-mahagaga ny vanim-potoana isanisany. Ny fiovana matetika sy ny fiofon'ny vanim-potoana sy ny trangan-javatra no mahatonga azy ho azontsika ary mamoha ny faniriantsika hanontany tena sy handinika, anton-javatra lehibe amin'ny siansa izany. Amin'ny anton-javatra iny no ahafahantsika mandrindra sy mandamina ny asantsika. Manao ahoana ny fianantsika raha tsy azontsika antoka fa hiposaka ny masoandro rahampitso?
  • na iza na iza manana andraikitra amin'ny hatsarana sy ny fahatomombanana dia maniry ny hahafantatra sy hampahafantatra azy. Manana hatsaran-tarehy sy fahatomombanana tanteraka Andriamanitra, ary tsy miankina amin-javatra hafa, tsy mila na inona na inona izy. Manam-pitiavana masina sy amony koa izy ary manam-paniriana marina ny haneho ny hatsarany sy ny fahatomombanany. Raha maneho mivantana ny anarany sy ny andraikiny izy dia tsy ho zakantsika izany. Noho izany dia asehony ao ambadiky ny anton-javatra sy ny lalana izany ary lanjalanjainy arakaraky ny fe-potoana sy ny habaka mba hahafahantsika mametraka fifandraisana amin'izy ireo sy hahafahantsika mandinika sy mahatsapa azy. Ny fanehoana miandalana ny Anarana sy ny Andraikitr'Andriamanitra ihany koa dia fitaovana mamoha ny hetahetantsika sy manosika antsika hanao fikarohana.

Ireo lafin-kevitra ireo dia tsy inona fa hevitra vitsivitsy manazava ny antony isan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna sy ny anton-javatra fotsiny.

Fanamarihana: Andriamanitra, ilay mahalala ny zava-drehetra, mpamaritra ny zava-drehetra sy mahery indrindra.

Misarika ny saintsika amin'ny hatsarantarehy maro sy ny trangan-javatra saro-drafitry ny voary I A C Morrison ao amin'ny Bokiny mitondra ny lohateny hoe "Tsy irery ny olombelona".

"Mpandrafitra mamolavola ny zava-mananaina rehetra ny aina; izy no mpanatalenta mamolavola ny ravinkazo tsirairay, mandoko ny vony, ny paoma, ny ala sy ny volom-boron'ny Paradisa. Mpahay mozika ny aina izay mampianatra ny voromanidina hihira ny hiram-pitiavany sy ny bibikely hifandray amin'ny feony maro karazana. Ny olona ihany no nomen'ny aina ny fifehezana ireo mifandray aminy, ary nanome azy ny akora hamokarana azy.injenera ny aina satria izy no namolavola ny tongotry ny valala sy ny parasy, ozatra mirafitra tsara, ny fitempon'ny fo tsy mijanona, ny firafitry ny lalandrà madiniky ny biby tsirairay sy ny fomba fiasany, ary ny tambazotra fenon'ny fifamoivoizan'ny zava-mananaina.

Mpahay simia ny aina izay nanome tsiro ny voankazontsika sy ny episy mbamin'ny fofondraozy. Ny aina no mamolavola ny singa vaovao tsy mbola nentin'ny voary mba hampifandanja ireo asany sy hamotika ny aina mpanimba. Avo lenta ny simian'ny aina satria tsy mampiasa ny tanamasoandro fotsiny mba hanovana ny rano sy ny asidra karbonika ho hazo sy ho siramamy fa mbola mamela ny oksizena hivoaka mba hanome aina ny biby koa eo ampanaovana izany.

Tsy mbola nisy olona nahafantatra ny misiterin'ny aina; sady tsy manana lanja izy no tsy misy refiny. Tsy nahary ny aina ny natiora, na ny vato kilan'ny masoandro, na ny ranomasina jamba, dia tsy afaka manao fahagagana. Toetran'ny vainga ny fisarihana. Ny herinaratra izay inoantsika ankehitriny fa manodina ny tenany; ny tanamasoandro sy ny taratry ny kintana dia afaka niodina amin'ny fisarihana ary toa izy ihany no manao izany. Efa mitady hahita ny haen'ny atoma sy mandrefy ny hery entiny ny olona; tsy vita toy izany anefa ny aina, toy ny haaka. Inona no antony?

Zavatra fototra ny aina ary manorina fitaovana tokana ahitana ny vainga. Ny aina ihany no loharano tokan'ny fampiheritreretana ary izy ihany no azo hamantarana ny asan'Andriamanitra izay mbola tsy fantatsika hamba tapany fa tsara. [A C Morrisson, man Does Not Stand Alone, (tsy irery ny olona), New York 1945, p. 31-36].

Mbola manambara toy izao I A C Morrison:

Ny voronkely izay manao ny tranony eo ambaravaranareo dia maneha rehefa tonga ny fararano kanefa miverina amin'ny tranony taloha rehefa tonga ny lohataona. Andimboronkely maro no manidina mianatsimo amin'ny volana septambra, mamakivaky ranomasimbe ankilometatra maro tsy misy famantarana kanefa tsy very na oviana na oviana. Ny domoina mpifindra monina navilin'ny feo vaovao tao aanty boaty mihidy henony dia miverina tsy ampihambahambana mankany amin'ny akaniny. Mahita hatrany ny tranony ny tantely na dia mitsoka mafy ny hazo sy ny bozaka aza ny rivotra, mamafa ny famatarana hita maso rehetra izay nanamora ny lalan'izy ireo miverina. Tsy dia mivoatra loatra, na mivelatra, ao amin'ny olona io hevitry ny miverina io ka mampiasa tondro avaratra izy mba hamenoana ny banga. Manamaso bitika dia bitika mahomby dia mahomby ny biby kely madinika, toy ny voromahery sy ny vorom-be izay nomena fahitana mivandravandra. Mbola oharan'ny olombelona amin'ny alalan'ny fitaovana mekanika izy eo.

Raha avelanao irery ny soavaly dia mbola mahita lalàna na dia amin'ny alina mikitroka aza. Toy izany koa ny ahitan'ny vorondolo ny voalavo mandeha any anaty ozaka na dia amin'ny alina mikitroka aza.

Manamaso marobe toy ny antsika izay manjelanjelatra satria ireo maso tsirairay dia misy zavatra mamiratra madinika mamela azy hahita zavatra amin'ny lafiny rehetra, ny masindahy Zaka izay hanintsika ny nofony. Ny mason'olombelona dia tsy ahitana ireo zavatra mamirapiratra maro ireo. Moa va izy ireo novolavolaina mba hanoloana ny haranitantsaina ao amin'ny masindahy aka? Toy ny fiovaovan'ny isan'ny maso ao amin'ny biby miova roa ka hatramin'ny analiny ary tsy mitovy izy rehetra, betsaka ny asan'ny natiora mba hampivelarana ny siansa optika.

Mifanohitra amintsika, tsy mba voasariky ny voninkazo marevaka ny tantely fa amin'ny alalan'ny taramasoandro izay manova ny voninkazo ho tsara tarehy amin'ny mason'ny tantely. Manomboka eo amin'ireo tanamasoandron'ny fiararetana malefaka dia malefaka eo amin'ny fakan-tsara no ahitana ny fanjakan'ny hatsaran-taehy, ny hafaliana sy ny aingam-panahy. Mamboatra efitrano maro, samy hafa habe ao anatin'ny savaivon'ny mamy mba ho an'ny famokarana ny tantely mpiasa. Ny hefitrano kely dia naorina haon'ny mpiasa, ny lehibebe kokoa hoan'ny lahy ary misy efitrano manokana natokana hoan'ny mpanjaka vavy ho avy. Manatody ao amin'ny efitra voatokana hoan'ny lahy ny mpanjaka kanefa mamerina ny atody mamokatra ao amin'ny efita voatokana hoan'ny mpiasa lahy avy eo ary indraindray ao amin'ny vavy. Ireo mpiasa izay vavy miova dia efa nahafantatra hatramin'ny ela ny isian'ny taranaka vaovao dia efa vonona amin'ny fanamboarana ny sakafon'ireo tantely vao foy ihany koa amin'ny fitsakoana sy fandevoqnana ny mamy sy ny vovm-boninkazo. Anjanony ny fitsakoana sy ny fandevonana rehefa tafavelatra tsara ireo lahy sy vavy vaovao mba tsy hinanan'izy ireo afatsy mamy sy vovomboninkazo. Ny vavy tafavoaka avy eo dia lasa mpiasa.

Ny alika nomena fanamboloana manokana dia afaka manimbolo ny biby mandalo. Tsy misy zava-bitan'ny olombelona afaka manolo ny fanamboloantsika ary tsy fantatsika na dia ny toerana hanombohana ny fikarohana amin'izay mety hitomboany aza.

Maheno feo avokoa ny iby rehetra, ny ankamaroan'ireny anefa dia any ivelan'ny fandrenesantsika, mihoatra lavitra ny fetran'ny fandrenesan'ny sofintsika.

Mandany taona maro any andranomasina ny zana-trondrondranomasina alohan'ny hiverenany any andranomamy, ankoatra izany mbola manaraka ny morondrano manonja nahaterahany izy. Raha milomano eny amin'ny fanambonin'ny rano ny trondranomasina ary mifindra amin'ny rano hafa dia manezaka midina amin'ny riandrano fototra avy miady amin'ny onja mba hanatanterahana ny faniriany. Na izany aza anefa dia mametraka olona ny mikasika ny amalona izay mifanohitra amin'izany, saro-bahana kokoa. Mifindra monina ireo voary mahaariana ireo rehefa maoty. Ny avy any Eropa mamakivavky kilometatra maro andranomasina mba handeha any amin'ny farany lalina any atsimon'ny Bermuda. Tany izy no teraka sy ho faty. Ireo zanany toa tsy manana na inona na inona ahafantarana ny dikan'izany afa tsy ny hoe eo afooan'ny dadasiky ny rano izy ireo, miverina mba hahita ny lalana niavian'ireo ray aman-dreniny, ary teo no nanombohany niparitaka tamin'ny renirano sy farihy kanefa maro ny rano feno amalona.

Toa nomena fanomezana hahay hifandray lavitra ny biby. Izany no tsy nahafeno tamim-pahatalanjonana ny bekasao manidina sy mivadika hatramin'ny hahazoan'ny masoandro miaraka ny tratrany fotsy? mamoaka famantarana mahavariana ny bibikely ao anaty lava-barinareo eo akaikin'ny varavaran-kely. Ao amin'ny dadasika tsy azo inoana no hitilian'ny biby kely lahy ny hafatra ary valiany, na dia teo aza ny fakam-panahinareo hametraka fanafody simila mba hampandosirana azy.

Mampiasa mpiasa tsy antsitrapo ny zavamaniry mba hampahomby ny fisiany –ny bibikely mba hitatitra ny vovm-boninkazo ho amin'ny voninkazo hafa, eo koa ny rivotra sy izay rehetra mandeha sy manidina mba hizara ny masomboly. Mitombo fatra anefa izy ankehitriny- ary mamatotra ny anfadinomby. Tsy maintsy afay izy, jinjaina sy aorona; atambatra, tapahina sy atao grefy. Raha nataony ambaninjavatra ireo asa ireo dia tsy fahampiantsakafo no tambiny, nikoro ny fandrosoana, ary niverina toy endriny tany amboalohany ny tany. [A C Morrison, Man Does Not alone [trad.] (New York: 1945, p. 49-57)]".

Moa va ireo fahazarana sy asa rehetra miavaka ireo izay tsy maintsy manana ny fiandohany lalina tamin'ny fanomboan'ny aina teto antany mety ho vokatry ny kisendrasendra sa vokatry ny haranitantsaina? Tsy tokony hanontany tena va isika hoe nahoana ny biby sasany no mivelatra kokoa amin'ny fahafahana manao zavatra noho ny olombelona? amin'ireo voary mameno ny tany, tsy misy na dia iray aza nomena herim-panazavana azo ampitahaina amin'ny an'ny olombelona. Jamba tanteraka io zavatra antsointsika hoe voary io, tsy manantsaina, tsy manan-keritreritra sy tsy mahalala na inona na inona. Ny lehilahy sy ny vehivavy ihany no manantsaina eto antany, tsy afaka manao na inona na inona afa tsy ny manandrana manazava ny zava-mahagaga mitranga; tsy afaka mifehy ny vatany akory aza izy. Izany rehetra izany na tsy maneho fanapahan-kevitra ambony, fahalalana tonga lafatra sy fahefana tsy manam-petra eo ampelantanana, ary noho izany, zavatra iray manana ireo fahefana rehetra ireo?

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.