Ny Fandraketana Mazava Sy Ny Boky Mazava

Ny masomboly iray ohatra dia maneho ny faniriana amin'ny fomba roa: maneho ny fandraketana miavana (Imâmoun Moubîn) sy ny boky mazava (Kitâboun Moubîn).

Ny fandraketana mazava dia lohatenin'ny fahalalana sy ny lamin'Andriamanitra hafa, ahitana ny zava-drehetra sy ny vanim-potoana rehetra ao amin'izao tontolo izao. Midika izany fa efa nisy ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra ny zava-drehetra sy ny vanim-potoana rehetra. Rehefa tonga ny fotoana hitondra azy eto antany na tian'Andriamanitra ny hitondra azy eto dia tafian'Andriamanitra ny fitafian'ny fisiana izy.

Ny fandraketana mazava dia maneraka ny trangan-javatra toy izao: ny masomboly iray dia ahitana ny aina ho avin'ny zavamaniry hapoitrany. Ary ny fiainan'ny zavamaniry iray dia tapitra amin'ny fanelany voa izay azo heverina ho fitadidian'ny zavamaniryn'ny tsirairay avy. Ny zavamaniry vaovao teraka avy amin'io voa io dia mitovy amin'ny zavamaniry niandohany satria tsy misy amin'izy ireo nomena fahalalahana hisafidy. Ary ankoatry ny fampiasana fampitahana hoan'ny fandaketana mazava sy hoan'ny faniriana sy ny fahalalan'Andriamanitra, ilay voa dia manondro ny fisian'ilay latabatra ambony voatandrina koa (Lawhun Mahfoudh) ary mitovy amin'ny fitadidian'olombelona ao amin'ny fanjakan'izy ireo. Ankoatra izany, satria izy manondro ny tantaram-piainan'ny voary rehetra, ny masombly dia manazava ny fisiany fiainana aorian'ny fahafatesana koa.

Ny oky mazava dia lohatenin'ny sitrapon'Andriamanitra hafa sy ny lalàn'Andriamanitra ao amin'ny fahariana sy ny fiasan'ny tontolo. Raha heverintsika fa faniriana ara-drafitra na teoriana ny fanketana mazava dia azontsika heverina ho faniriana ankehitriny ny boky mazava. Ny endrika ho avin'ny zavamaniry na ny zavamananaina mivelatra tanteraka iray izay maneho ny toetra manontolo hita ao amin'ny voa na ao amin'ny atody dia azo hevrina ho ny faniriany ankehitriny.

Amin'ny teny fohy, izay rehetra misy toy ny zavamaniry na ny voa, ny atody sy ny zaamananaina dia manondro mazava ny fisian'ny fanirian'Andriamanitra, ny famaritana mialohan sy ny fitsarana ary ny fivoarana, ny fiavahana sy ny fametrahana ny maha tsirairay. Ny nofy izay mampahalala antsika ny vanim-potoana ho avy dia fanamarihana tsy azo lavina ny fisian'ny faniriana na ny fahafantaran'Andriamanitra mialoha.

FANONTANIANA: Nahoana no fototry ny finoana silamo ny finoana ny faniriana?

VALINY: Ny fiavonavonantsika sy ny faosan'ny finoantsika no manosika antsika hamolavola ny talenta sy ny asa tsara amintsika ihany sy hahatsapa fieboeboana amin'izany. Hoy anefa ny CORAN: "Andriamanitra no nahary anareo, ianareo sy izay ataonaeo!" (37:96), midika izany fa ny famindam-pon'Andriamanitra dia mitaky asa mendrika ary ny herin'ny Tompo no mahatonga izany. Raha mandalina ny fianantsika isika dia mahatsapa sy miaiky fa Andriamanitra no mitantana antsika mankamin'ny asa mendrika ary manala antsika tsy hanao ny ratsy amin'ny ankapobeny.

Ankoatra izany, amin'ny fanomezana antsika fahafahana manao zavatra, fahefana sy fitaovana ampy mba hahavitana asa maro dia mamela antsika hahavita zava-dehibe sy asa tsara Izy. Satria Andriamanitra no mitantana antsika mankamin'ny asa tsara, manatanteraka ny faniriantsika hanao azy sy mitarika antsika hanatanteraka azy, noho izany ny sitrapon'Andriamanitra no anton'izany lehibe. Afaka mahatsapa ireo asa tsara ireo amin'ny alalan'ny finoana ihany isika, amin'ny fitiavana mendrika, amin'ny fivavahana mba ho mendrika azy, amin'ny finoana ampisainana ny filantsika ny fanaovana azy ary amin'ny fahafaham-po amin'izay nandidian'Andriamanitra. Noho izany aza miavonavona na mieboebo amin'ny asa tsara sy ny fahombiazantsika, tsy maintsy manetry tena sy miasaota an'Andriamanitra mandrakariva isika.

Ankoatra izany, tiantsika sy ankasitrahintsika ny manda ny andaikitry ny fahotantsika sy ny tsy fahombiazantsika amin'ny familiana azy amin'ny faniriana. Na ziany aza, miverina amintsika ihany ny vokatry ny asa rehetra, isika no nanao azy tamin'ny fampiasana ny fahafahantsika satria Andriamanitra sady tsy tia no tsy mankasitraka fahotana na asa ratsy, tsy mendrika. Apetrak'Andriamanitra sy omeny endrika hafa ny fahotana satria raha tsy manao izany Izy dia tsy misy ilana azy ny fahafahantsika. Vokatry ny fanapahankevitsika ny fahotana amin'ny fisafidianana antsitrapo ny hanao azy. Manasa sy mitarika atnsika amin'ny asa mendrika Andriamanitra, isika koa maniry izany avy Aminy, mamela antsika tsy hanaiky anefa ny fahafahana, tsy hanaiky ny Mpahary antsika. Farany, azontsika ambara fa ny fahotana sy ny tsy fahombiazantsika dia "antsika", avy amintsika ihany. Mba hiarovantsika tena amin'ny Satana sy ny fakam-panahy sy ny izahontsika mpaniry ny ratsy izay manosika hanao ny ratsy dia tsy maintsy miady hamongotra ny fisainantsika mankany amin'ny fahotana amin'ny alalan'ny fifonana sy ny fangataham-pamelana isika. Fanampiny, tsy maintsy mitondra tena mankamin'ny fanatanterahana asa mendrika isika, amin'ny alalan'ny vavaka, ny fitiavana sy fitokisana an'Andriamanitra.

Amin'ny teny fohy, satria manam-pahafahana misafidy isika ary natokana hampihatra ny zavatra tys maintsy atao amin'ny fivavahana sy miala amin'ny fahotana sy ny asa ratsy, noho izany tys afaka manilika ny fhaotantsika amin'Andriamanitra. Misy ny fanirian'Andriamanitra mba hanakana ny mpino tsy hirehareha amin'ny asa tsara vitany kanefa tokony hisaotra an'Andriamanitra. Manantsafidy malalaka isika mba tsy ahafahan'ny izahontsika aranofo sy mpikomy hiala andraikitra amin'ireo vokatry ny fahotana.

Zava-dehibe faharoa ny fanenenantsika amin'ny ankapobeny ireo zavamitranga sy ny loza efa lasa. Ny maha loza aza dia tratran'ny famoizam-po lalina isika, manjary mankamin'ny fiainam-betaveta na manome tsiny an(Andriamanitra mihitsy aza. Na dia izany aza, ny finoantsika an'Andriamanitra dia mamela antsika hanankina aminy ny zava-mitranga sy ny lozan'ny lasa, mitondra fandriampahalemana ho antsika izany, fahatoniana sy fampiononana. Noho izany, izay rehetra mitranga tamin'ny lasa dia tsy maintsy heverina amin'ny fahazavan'ny faniriana ny ho avy, ny fahotana ary ny fandraisana andraikitra dia tsy maintsy apetraka amin'ny fahafahana misafidy ao amin'ny olombelona. Amin'io fomba io dia azo atao ny mampifandray ireo hevitra tsy mitovy avy amin'ny fatalisma (jakr) sy ny asa miiban'ny faniriana ao amin'ny asan'ny olombelona (I'tizâl, ny hevitry ny Mou'tazila).