Ny Faniriana Sy Ny Didin'andriamanitra

Amin'ny fifandraisany amin'ny fahalalan'Andriamanitra

Tsy misy fampitahana sy fanaovan-javatra azo ampitahaina amin'Andriamanitra. Fahalalana voafetra amin'ireo andraikiny sy ny anarany ihany no azontsika fa tsy ny maha Andriamanitra azy, amin'ny fandinihana sy fandalinana ireo asany sy ny zavaboariny. Mba ahatsapana ny asany dia voatery mampiasa fampitahana isika satria azo atao ao amin'ny CORAN izany:

"Ambony indrindra amin'ny fampitahana Andriamanitra" (30:27). Azontsika atao ny mijery ny fifandraisana eo amin'ny didy sy ny fanirian'Andriamanitra sy ny fahalalany amin'ny fandinihana ity fampitahana ity:

Heverintsika fa misy olona tena mahay, sady injenera no mpahay maritrano no mpanorina te hanamboatra trano mahafinaritra iray. Tsy maintsy mamaritra, misaintsaina ny karazan-trano tiany hamboarina aloha izy (misy ao antsainy ilay trano). Avy eo izy dia manao sary ny planina (misy amin'ny maha tetikasa na planina azo tsapaintanana sy hita maso ny trano). Avy eo izy manorina ilay trano araka ny planina (lasa misy, hita toy ny vainga ilay trano). Olona maro avy eo no afaka mahita ny trano, ny sariny dia tavela ao antsain'izy ireo. Na dia potika tanteraka aza ilay trano dia mbola mitohy ao antsain'ny olona ny fisiany, ao amin'ny fanahy sy ao amin'ny planina nanorenana azy (lasa misy mandrakizay ny endrik'ilay trano).

Handray ohatra hafa koa isika. Alohan'ny hanoratana boky iray, tsy maintsy nanana hevitra mitombina amin'ny ao aminy rehetra na izay dikany aloha ny mpanoratra (misy amin'ny maha fahalalana na dikany ny boky). Ma hametrahana io fahalalana na dikany olombelona ho hita maso sy ho fantatra dia tsy maintsy asehon'ny mpanoratra amin'ny alalan'ny soratra izany. Alohan'izany dia tsy maintsy mandamina aloha izy (manao ny drafitry ny boky), manoratra azy avy eo (mametraka azy hanana fisiana hita maso). Na dia potika sy manjavona aza ilay boky dia mbola mitohy ao antsian'ireo izay namaky na nihaino azy foana ny fisiany sy ao antsian'ilay mpanoratra.

Io fisiana io –ao ansaina- no tena fisiana tena maha izy azy ny zavatra iray. Na dia tsy aseho amin'ny alalan'ny teny na asa aza izy, ny fahalalana azy sy ny dikany dia misy ao antsaina. Noho izany, na dia ilain'ny fahalalana sy ny dikany aza ny vainga mba ho hita maso sy fantatra eto antany, dia izy no fototry ny fisiana, iankinan'ny fisiana ara-batana.

Tsy izany no ananan'Andriamanitra fahalalana marina sy feno ny tontolo sy izay rehetra ao aminy, araka ny amafisin'ny andininy maro ao amin'ny CORAN, toy ireto manaraka ireto:

"Mety ho alanareo ny zavatra iray kanefa tsara aminareo. Mety ho tianareo ny zavatra iray kanefa ratsy aminareo. Andriamanitra no mahafantatra fa ianareo tsy mahalala". (2:216)

Lazao: "Raha manafina ny ao amponareo na mamoaka azy dia fantatr'Andriamanitra izany. Fantany avokoa izay eto antany sy any andanitra. Mahafantatra ny zava-drehetra Andriamanitra". (3:29)

"Izy no manana ny fanalahidin'ny tsy fahalalana. Tsy misy afa tsy Izy no mahalala. Fantany izay ao ambanin'ny tany mihidy, toy ny any anaty ranomasina. Ary tsy misy ravina iray milatsaka tsy fantany. Ary tsy misy voa ao anatin'ny aizin'ny tany, tsy misy mando ny maina tsy voasoratra ao anatin'ny boky mazava" (6:59).

Lazao: "Raha ranomaintsy [anoratana] ny tenin'ny tompoko ny rnaomasina, marina ho ritra ny ranomasina kanefa mola tsy voasoratra ny tenin'ny tompoko, eny fa na dia mitondra ny mitovy aminy hanampy aza isika" (18:109)

Na dia tsy nanao izao tontolo izao aza Andriamanitra dia nisy mandrakariva tao amin'ny fahalalany izy. Satria Andriamanitra dia ambonin'ny fotoana sy ny haaka, mitambatra ao amin'ny fahalalany ireo zavatra roa ireo, taratry ny teboka iray monja, ary satria ny fahafantarany ny zava-drehetra dia tsy miankina amin'ireo zavatra roa ireo, noho izany ny fotoana dia tamba-javatra iray ihany. Amin'ny fanomezana izany, ny hevitra rehetra mifandraika amin'ny fotoana, hoy ny teo aloha, ny taty aoriana, ny fifandimbiasana sy ny fizaram-potoana dia tsy misy aminy. Tsy maintsy averintsika fa ny fizaran'ny fotoanantsika dia ankehitriny, ho avy, lasa dia fanasokajiana voatr'olombelona natao hanamorana ny fiainana fotsiny ihany. Ny fotoana sy ny habaka di& halebeazana roan'ny fahariana.

Misy mandrakizay ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra ny zava-drehetra ary fantany tanteraka ny endriky ny zava-drehetra. Ny herin'Andriamanitra no nanome fisiana azo tsapaina ny zavatra tsirairay araka ny sitrapon'Andriamanitra, ary ny famindrana io fisiana io eto antany dia mizotra amin'ny fepotoana sy ny haaka. Ny fahalalana sy ny sitrapo no andraikitra lehiben'ny maha Andriamanitra. Mahalala ny zava-drehetra Andriamanitra ao amin'ny fahalalany ny voary, ny sitrapony no mamaritra ny toetran'izy ireo manokana sy ankapobeny ary ny heriny no manome fisiana azo tsapaina azy ireo. Ny fifandraisana ankapobeny eo amin'ny fahalalana sy ny fanirian'Andriamanitra dia azo ambara amin'izao fomba manaraka izao:

"Tsinontsinona izay ananantsika, tahiry tsy misy fetrany. Nalefanay ety antany amin'ny endrika, halebeazana, habetsahana voarefy" (15:21)

Ny fifandraisana amin'ny fandraketana sy amin'ny fampitomboana

Ny zava-drehetra misy ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra dia manana endrika mitokana sy voarefy, na raha azo tenenina dia misy amin'ny endrika planina na tetik'asa anaty fandraketana. Amin'ny lafiny iray dia antsoina hoe «lataatra ambony voakajy» io fandraketana io (85:22) ary amin'ny lafiny iray hafa dia «fandraketana miavaka» (36:12). Manambara ny CORAN fa «tsy misy hiatra amintsika ankoatra izay efa voasoratr'Andriamanitra ho antsika (9:51). Tsy misy biby mandady amin'ny tany, tsy misy vorona manidina amin'ny elany tsy ho vodnrona toa anareo. Tsy misy na dia kely aza adinonay ka tsy voasoratra ao anaty boky" (6:38).

Io fandraketana io na (fandraketana voalohany) dia lohatenin'ny fahalalan'Andriamanitra mifandray amin'ny zavaboary. Nandritry ny dingam-pahariana dia nohamaroina io fandraketana io. Ny fanamavoana azy oalohany feno tsara –izay ahitana ny voary tontolo- dia "talaatry ny famafana sy fanamafisana (na boky mazava)". Ny latabatra voakajy anefa (na fandraketana mazava) no ahitana ny fiandohan'ny zava-drehetra izay hita ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra sy ny fotokevi-pahariana ary ny lalàna voajanahary, ny fanamafisana sy ny lataatry ny famafana dia ny zava-misy, ary azo adika ho pejin'ny fandalovan'ny fotoana. Ny herin'Andriamanitra no mamindra ny zavatra avy ao amin'ny latabatra voakajy ho ao amin'ny latabatry ny famafana sy ny fanamafisana, mametraka azy ireo ho eo amin'ny pejin'ny fotoana sy mamatotra azy ireo amin'ny anjara laharany tsirairay avy arakaraka ny fotoana. Tsy misy miova izay voarakitry ny latabatra ambony oakajy satria ny rehetra dia voarakitra ao. Mandritry ny dingam-pahariana anefa "fafan'Andriamanitra na amafisiny izay tiany sy sitrany satria izy no mitana ny endrik'izany mandrakizay" (13:39)

Aorian'ny fahaterahana dia voarakitra ao anaty bokin'ny fahaterahana ny olona tsirairay. Amin'ny fifotorana amin'ireo vaovao ireo avy eo no handraisan'ny tsirairay ny fanavahana azy. Toy izany koa, ny toetra manokan'ny olona tsirairay, ireo famantarana manokana eny aminy sy fiainan-koaviny dia voarakitra ao amin'ny latabatra ambony voatandrina ziay amaroan'ny anjely avy eo. Soratany ireo vaovao rehetra mikasika ny vatana ary apetany ao amin'ireo sela amin'ny maha fampahalalam-baovao sy lalàna azy. Na dia izany aza, ma hiasa ireo fampalalam-baovao ireo dia tsy maintsy nampidirina ao anaty vatana ny fanahy.

Ny ampahny hafa amin'io dikany io dia miantona eo amin'ny vozontsika amin'ny endrika boky tsy hita maso (17:13). Mietsika araka izay voasoratra ao amin'io boky io isika mandritry ny androm-pahavelomana. Tsy midika akory izany fa ny faniriantsika na ny famaritana mialoha dia manery antsika hanao zavatra amin'ny fomba izatsy na izaroa satria ny faniriana dia endri-pahalalana iray fotsiny ihany. Raisintsika hoe nampiasa olona hanao zavatra any antoeran-davitra ianao. Nomena ny fitaovana rehetra ilaina izy, nalefanao tany amin'ny tany iasana mba hanatanteraka io andraikitra io izy. Toa fantatrao avokoa na azonao alaina sary antsaina ireo fihetsiny, soratanao ao anaty fandraketana ny antsipirihan'ny fivainiany ary apetrakao ao ampaosy miafin'ny ankanjony. Tsy mahatsapa ny fisian'io fandraketana io ilay olona ka mitondra tena araka izay tiany mandritry ny fivahiniany. Nandefa olona roa tena itokisanao ho any amin'io toerana io mba hanaramaso sy haka sary miafina izay ataony rehetra sy ny teniny koa ianao. Avy eo anontanianao izy raha nanaraka ny toromarika nomenao, ary na ianao manome valisoa azy na manasazy na mamela ny helony arakaraka ny zava-misy.

Toy izany ao amin'io ohatra io, ambonin'ny fotoana sy ny toerana rehetra Andriamanitra ary manana ny fahalalan tanteraka mandrakitra ny tantaram-piainantsika manontolo ao anatin'ny fandraketana voalohany. Amaroin'ny anjely ireo vaovao ireo ary manantona fandraketana voatokana hoan'ny tsirairay eo amin'ny vozony izy izay antsointsika hoe faniriana na anjara. Ny fahalalan'Andriamanitra mialoha sy ny fandraketana ny teny sy ny asantsika dia tsy manery antsika hanatanteraka azy ireo satria ziay lazaintsika sy ataontsika dia miankina amin'ny fahafahantsika misafidy1. Ny fihestika sy ny zavatra ataontsika rehetra dia soratan'ny anjely roa antsoina hoe "Kirâmoun Kâtiboun" (ny Mpanoratra Ambony). Amin'ny andron'ny fitsarana dia ho aseho amintsika ny fandraketana mirakitra ny nataontsika (fanombanana ny asantsika) ary isika ihany no angatahina hamaky azy.

"Ary afatotsika eo amin'ny vozon'ny olona tsirairay avy ny asany. Ary amin'ny andron'ny fisanganan-kovelona dia hasehontsika eo ambany masony ny soratra iray: "vakio ny soratrao! ankehitriny, ianao ihany dia ampy handrefy ny zavabitanao" (17:13-14)

Amin'ny fifandraisana amin'ny sitrapon'Andriamanitra

Andriamanitra ilay mahalala ny zava-drehetra dia manamarika ny toetra manokan'ny voary tsirairay ao amin'ny fandraketana, ny faharetam-piainany ny daty sy ny toerana haterahany, ny anjarany sy ireo teniny tsirairay avy ary ny asany. Noho ny sitrapon'Andriamanitra izany rehetra izany, satria amin'ny alalan'ny fanelanelanany no ahafantarana sy tsy maintsy hanarahan'ny zava-drehetra tsirairay avy sy ny zava-miseho ao amin'ny faritry ny fahalalan'Andriamanitra na amin'ny tany ny lalan-kizorany. Tsy misy na inona na inona any ivelan'ny sitrapon'Andriamanitra.

Ohatra, miatrika fiovaovana maro ny tsaika iray: ho zavamananaina va izy? hisy izy sa tsy hisy? aiza ary rahoviana no haterahany sy hafatesany? haharitra hafiriana ny fahavelomany. Raha tsy hitantara afa tsy ireo ihany. Ny zava-drehetra novolavolaina tamin'ny singa fototra mitovy dia iray tanteraka ny volon-kodiny sy ny toetr'endriny, ny toetrany, ny safidiny, ny zavatra tiany, sy ny sisa. Miditra anaty vatana ny singan-tsakafo iray, na tsaika io na tsia, ary tsy maintsy mandalo dingana maro koa vao miafara amin'izay hiafarany. Raha mivily lalana ny singa kely fotsiny natokana hoan'ny maso avanana ka mandeha any amin'ny sofina avanana dia mety hisy fahasamponana mitranga.

Noho izany, ny sitrapon'Andriamanitra izay mahasahana ny zava-drehetra dia mandahatra ny voary tontolo araka ny planina mahatalanjona voakajy ary izy no fiandohan'ny rindra sy filaharana tys manam-paharoa manjaka ao amin'ny tontolo.

Tsy misy ravina iray mihintsana na voa iray mitsimoka raha tsy tsaroan'Andriamanitra.

Tafiditra ao anatin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fahafahantsika misafidy. Na dia izany aza dia tsy mitovy amin'ny an'ny zavatra hafa ny fifandraisantsika amin'ny sitrapon'Andriamanitra satria ny olombelona (sy ny jiny) ihany no manampahefana hisafidy, izany hoe, manam-pahafahana izy. Amin'ny fifotorana amin'ny fahalalana ny asa sy ny tenintsika ho avy no hamoratan'Andriamanitra ny antsipirihan'ny fiainantsika. Satria tsy miankina amin'ny fotoana izy (sy ny lafiny maha olona azy, ary voajanahary, amin'ny lasa, ankehitriny, ho avy), misy ny famaritana mialoha manoloana antsika fa tsy aminy. Amin'Andriamanitra dia midika ho fahalalany mandrakizay ny asantsika ny famaritana mialoha.

Amin'ny ankapobeny dia mifehy- ny fahariana ny sitrapon'Andriamanitra ary tsy misy tonga sy nisy any ivelan'ny fahefany. Izy koa no tompon'andraikitra amin'ny firindrana sy filaminana mahagagan'ny tontolo sy ny zava-drehetra sy ny zava-mitranga izay omena tari-dalana sy toetra manokana. Na izany aza, tsy manafoana ny fahafahantsika misafidy ny sitrapon'Andriamanitra.

Ny fifandraisana amin'ny fahariana

Ny fifandraisana eo amin'ny fahariana sy ny didin'Andriamanitra dia manana endrika roa. Voalohany, amin'ny maha anton-javatra mpamaritra mialoha azy dia mifehy hatraiza hatraiza ny faniriana afa tsy amin'ireo faritra azon'ny fahafahantsika andraisana anjara. Miseho arakaraka ny fepetrany sy ny famaritany mialoha ny zava-drehetra, araka ny fitsarany sy ny fitantanany.

Tompon'ny fahefana tanteraka Andriamanitra, noho izany manao izay sitraky ny fony. Tsy misy na iza na iza afaka miantso azy hamerina ny asany. Tsy manao afa tsy ny tsara sy tsy manao fahadisoana na oviana na oviana amin'ny voariny izy amin'ny maha marina tanteraka sy hendry, mpamindra fo sy mpamionona azy.

Tsy afaka manao na inona na inona amin'ny fiasan'ny tontolo isika. Avy amin'ny masoandro mandrakariva ny hafanana sy ny hazavana fa tys miankina amintsika, miodina eo anoloan'ny tenany sy ny masoandro ny tany, mifandimby ny andro sy ny volana, tonga ny fizarantaona sy ny taona ary manaraka ny filaharany ary tsy misy asantsika na dia kely aza amin'ny voary. Misy ohatra maro amin'ny fahendrena ao amin'ny asan'Andriamanitra rehetra ary ilaintsika avokoa izy ireo. Noho izany dia tsy maintsy mandinika sy mianatra ny asany isika mba hahitana ny fahendrena nafeniny:

"Raha ny tena marina, ao amin'ny fahariana ny lanitra sy ny tany, sy ao amin'ny fifandimbiasan'ny andro sy ny alina dia misy famantarana hoan'izay nomena haranitan-tsaina izay mitsangana sy mipetraka ary mandry eo akaikin'izy ireo, tsy mijanona mianto ny anaran'Andriamanitra ary mandinika sy fahariana ny lanitra sy ny tany (sady miteny hoe):

"Ry Tomponay! Tsy novolavolainao ho tsinontsinona ireo zava-drehetra ireo. Voninahitra ho anao! Arovy amin'ny famaizan'ny afo izahay" (3:190-191)

Tsy maintsy mandinika izay tonga amintsika isika. Araka ny andininy hoe "Ny ratsy rehetra tonga aminao dia avy aminao" (4:79), dia tsy manao ratsy amin'ny voariny Andriamanitra. Amin'ny teny hafa, ny fahotantsika no loharanon'ny loza mihatra amintsika. Avelan'Andriamanitra hikapoka antsika amin'ny laharana ambony. Tsy midika anefa izany fa nanidy ny masony amin'ny fahotantsika foana Andriamanitra ka tsy hanafay antsika amin'ny antony izay tsy misy mahalala afa tsy Izy.

Ny endrika faharoan'ny fifandraisana (eo amin'ny faniriana sy ny didin'Andriamanitra sy ny voary) dia mikasika ny fananarana sy ny fandraran'ny fivavahana izay mifandray amin'ny fahafahan'ny olona misafidy. Ny fanirian'Andriamanitra dia mifehy tanteraka ireo faritra tsy andraisan'ny fahafahantsika misafidy malalaka anjara (toy ny fahariana sy ny fanaraha-maso ny zava-drehetra mananaina na tsia, ny fihetsiky ny planeta sy ny zava-miseho na tranga ara-boajanahary), tsy elingeelenin'ny faniriana ny fahafahantsika amin'ny asantsika. Andriamanitra no namolavola ny zava-drehetra sy ny vanimpotoana rehetra, anisan'izany ny asantsika, nomeny ho voninahitsika ny fahfaha-misafidy malalaka ary manomana toerana mandrakizay ho antsika izy. Na dia manaramaso antsika sy manasa antsika hanao ny tsara aza Andriamanitra dia natao nisy arabatana mandrakizay ny safidy ratsintsika sy ny asa ratsintsika na dia tsy sitrany aza izany.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.