Ny Fahatanterahany

  • Amin'ny ankapobeny ny olona dia mihevitra ny asany andavanandro manokana ho zavadehibe indrindra,t sy azo ilaina ary ilaina kokoa amin'ny fiainana ara-tsosialy ary milaza azy ireny ho sarotra noho ny hafa. na dia ahitana fahasarotana aza ireny asa an-davanandro ireny ary ilaina amin'ny fiainana sosialy dia sarotsarotra kokoa sy ilaina kokoa noho ireny mba ananana fiarahamonina salama ny fanabeazana ny olona.

Ny fanabeazana antsika dia mila mpanabe manana tanjona voafaritra tsara. Mba hahomby ireny olona ireny dia tsy maitnsy mampihatra izay ampianariny sy manome toro hevitra hoan'ny mpianany, mahafantatra tanteraka ny toetra sy ny fatrapatakaran'ny mpianany sy ny faniriana ary ny hetahetan'izy ireo, ny fahalemeny sy ny heriny, ny fatapatakariny amin'ny fianarana sy ny fahazoan-javatra, ary mahay ny fomba hitodnrana azy amin'ny faritoe-javatra manontolo, miresaka ny olany ary mandrisika azy hanolo ny fahadisoany ho toetra tsara.

Mety tsy hiana amin'ny finoana "marina" izay tiany hananana ny sasany, ary tsy manana afaty toetra ara-moraly ety ivelany fotsiny na fahalemena izy ireo (toy ny fianteherana amin'ny kolikoly, amin'ny hatendankanina sy amnt sy fahatairana na amin'ny inona na amin'ny inona).

Raha dinihina ireo mpanabe izay nanova tanteraka ny mpianiny tamin'ny fanoloana ny toetra ratsiny ho tsara mba ahafahana mamolavola fiarahamonina ho modely hoan'ireo taranaka ho avy, mpanabe nanova ny vato, ny varahina, ny vy sy arina teo ampelatanany hanjary vola fotsy, volamena sy vato soa na vato sarobidy hafa, tsy azo tsaraina ho tsy manampaharoa va ny mpanabe toy izany? Izay vitan'ny Mpaminany Mohammed tao anatin'ny 23 taona amin'ny maha mpanabe ny vahoakany azy dia lehibe sy mahatalanjona noho izay vitan'ireo mpanae ao amin'io ohatra io.

  • Ny tsy fampiasan-kery ihany koa dia halebeazana hafa manan-danja ananan'ny fanabeazana mendrika. Ny fanasaziana amin'ny lalàna, ny fangejana, ny hery ara-miaramila sy polisy dia tsy mahomby amin'ny fitantanana ny olona afa tsy amin'ny fotoana foy monja. Mba haahritra ny fanovana dia tsy maintsy ataon'ny olona sy ianarany antsitrapo, izany hoe tsy maintsy resy lahatra amin'ny fahamarinana izy. Tsynisy olona nahomby tamin'ny fahafatarana lalina ny olona afa tsy ny Mpaminany Mohammed na nanova ny olona tsy manampitserana, tsy tonga lafatra, tia ady, tsy mahalala na inona na inona sy mafy atoka ho lasa firenena izay manome ohatra amin'ny fiainana sy ny moraly hoan'ny taranaka rehetra manaraka.
  • Tsy misy afaka mitarika ny olona amin'ny lafim-piainana manontolo. Na iza na iza mahay sy lalintsaina dia sarotra aminy nys ady ho olom-panjakana no mpitari-tafika no manampahaizana ambony no mpanabe manana ny lanjany. Ny Mpaminany Mohammed anefa no mpampianatra ara-panahy sy ara-tsaina tonga lafatra indrindra, olom-panjakana sy manampahaizana fantatry ny tantara.
  • Ny Mpaminany no mendrika indrindra tamin'ny fampiharana ireo fomba rehetra fiderana amin'ny fivavahana silamo ary silamo tena misaina an'Andriamanitra idnrindra. Dinihany tanteraka ny an-tsipirian'ireo asa fiderana na dia eo ambava loza aza izy. Tsy maka taha olona na oviana na oviana izy ary natambany tao aminy nyf anomboana sy ny fiafaran'ny fahatsarana ara-pahany (izany hoe izy no voalohany sady farany nahatratra ny laharana ara-panahy ambony idnrindra). Tsy manan-tsahala ny fivavahany sy ny fahafan-tarany an'Andriamanitra. Mandritry ny fivavahany izy dia naaritra ny Tompony amin'ny fahalalana lehibe avy amin'Andriamanitra izay tsy mety ho takatry ny silamo iray na oviana na oviana.
  • Matanjaka dia matanjaka ny finoany, tsy mikoro, misitery, ambony sy mazava ary tsy nisy hevitra, finoana, filozofia na fampianarana nielipatrana ankehitriny niteraka ahiahy taminy. Fanampiny, ny olo-masin'ny izay nolazain'izy ireo ho ambony idnrindra. Manaporofo izany fa tsy manan-tsahala ny finoany.
  • Ny fifanarahan'ireo Mpaminany dia porofo tena mafin'ny fisian'Andriamanitra tokana no sady fanamafisana ny maha tena marina ny asa maha mpitondra hafatra an'I Mohammed koa. Manamafy ny tantara fa anjara asa rehetra, ny fahagagana sy ny asa masina manondro ny maha tena izy ireo Mpaminany mpampiely ny finoana dia hita ao amin'ny maha olona ny Mpaminany Mohammed amin'ny endriny ambony tokoa. Ireo Mpaminany dia nilaza mialoha ny fiaviany tamin'ny filazana ity vaovao mahafaly ity tao amin'ny Torah; ny Evanjely, ny salamo sy tao amin'ny soratra masina hafa (fantatra tamin'ny anarana hoe "takelaka" ao amin'ny CORAN). Amin'ny alalan'ireo asany sy ny fahagagana nataony dia manamafy ny asan'I Mohammed, ilay Mpaminany tonga lafatra indrindra izy ireo.

Olo-marina analiny no nahatratra ny fahamarinana sy ny fahatsarana, manambara fahagagana, mahafantatra ny tena marina ao amin'ny zavatra ary mahatanteraka fikarohana ara-panahy amin'ny fandraisana an'I Mohammed Mpaminany ho ohatra. Manamafy ny mahatokana an'Andriamanitra sy ny fahamarinan'ny fampihelezany ny finoana avokoa ireny. Ny fijoroany ho vavolombelona dia manamafy ny fahamarinana satria manamafy ny fahamarinana izy ireo fa ny Mpaminany dia manambara amin'ny alalan'ny fahazavan'ny finoana sy ny fahamarinana avy amin'ny fahalalana, ny fandinihana na ny haizatra.

Anarivony ireo manampahaizana feno fitandremana sy marina ary mandinika sy mpino hendryno nahatra ny farany ambony tamin'ny fahalalana noho ny fahamarinana nentin'io lehilahy tsy nahay namaky teny sy nanoratra io. Ny hamaroan'ireo izay nahazo ny fahombiazany noho ny fahamarinana nentiny dia manaporofo sy manamafy ny maha tokana an'Andriamanitra, ny mampitombina ny asany sy ny fahamarinan'ny Mpaminany, ilay mpanabe lehibe indrindra sy mpampianatra farany ambony.

  • Ny fahaiza-mitsara sy ny fahendrena ary nyf ahatanterahana arapanahy naman'ireo fianakaviany sy ireo mpanaradia azy dia nahatonga azy ireo ho olona manana ny maha izy azy, najaina, mpino sy nanantsaina taovan'ny Mpaminany dia manambara fa izy no zavatra marina indrindra sy mendrika. Tonga tamin'io tanjona io taorian'ny fisedrana tamim-pitandremana sy ny antsipihan'ny heviny sy ny toetrany manontolo na niseho na tsy niseho izy ireo.
  • Naneho fanaovana izy, fahamatorana sy herim-po rehefa nampianatra sy niantso ny olona ho amin'ny fahamarinana izay tys nisy fanoherana avy amin'ireo hery ankehitriny sy ny fivavahana lehibe, na ny an'ireo vahoakany, ny an'ny fokony na ny an'ny dadatony nahomby hampiahiahy azy na nahavariana azy na nampatahotra azy. Nandritra izao tontolo izao manontolo izy ary nahomby tamin'ny fampandresena ny finoana silamo teo anatrehan'ireo lamikevitra sy fivavahana hafa.
  • Dinihontsika kely ny tany Arabia nandritry ny fotoanan'ny famonjena. Jereontsika hoe ahoana io olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra izay tsy nandia sekoly hanao fiofanana ara-miaramila na fanabeazana ho olom-pirenena, na hianatra lalana na siansa, naneho finoana sy lalana toy izany izay raha vao arahina dia miantoka ny fahasambarana eto antany sy any andanitra. Nihaino azy ny vahoakan'ny fotoana rehetra. Novahany mora foana ny olana ara-tsosialy, politika sy toekarena, ary napetrany ny lalàna tonga lafatra izay mamela taratra tsy maty vonoina hatraiza hatraiza. Lany tany amin'ny sahan'ny ady ny ampahany betsaka tamin'ny fiainany ary nisahana ny andraikitry ny mpitaritolona izy tamin'izany, ilay nahay indrindra tamin'ny fotoana rehetra. Ny fitondrantenany dia naneho azy ho toy ny vady tsara idnrindra, ray ambony indrindra, nanana mahate ho tia sy mahatoky indrindra. Tanterany tao anatin'ny fotoana foy tao anatin'ny 23 taona monja izany rehetra izany.
  • Tsy maintsy nahafantatra tsara ny vahoakany ny mpitarika iray mba ahafahany manabe iazy tsara sy mitarika azy hahomby amin'ny zavatra goavana. I Auxis Carrel filozofa sy olon'ny siansa frantsay nalaza tamin'ny taonjato faha XX dia mariparitra ny olona ho zavatra saropatarina indrindra sy tena sarodrafitra amin'ny voary eto antany3. Na dia izany aza dia fantatry ny Mpaminany tsara ny fireneny ka nahomby tsara tamin'ny fanabeazana azy tamin'ny fomba fitarihana ireo vahoakany hiova antsitrapo izy sy hanohana ny heviny. Fantany tsara ny tokony atao manoloana izay zava-miseho, mahitsy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara hatrany izy ary tsy mba nisy nanohitra ary tsy nisy tsy tanteraka ny fihaonana nataony. Nahomby tanteraka tamin'ny fanovana vahoaka lasa aoriana, olondia liandra ho firenena mandroso sy maranitsaina sy lasa ambony izy.
  • Tsy nahomby fotsiny tamin'ny fanafoana ifotony ny fomba amam-panao barabaran'ny vahoakany sy ny zava-panao vetaveta nilomanosan'izy ireo izy fa nomeny sy notafiny fahamarinana mendrika sy nataony mpanabe sy mpampianatra izao tontolo izao ireo vahoaka mahantra, olondia sy mafy atoka ireo, anisan'izany ireo firenena mandroso. Tsy tety ivelany fotsiny ny fifebezany, tamin'ny fo no nitiavan'ny olona azy, mpanae atidoha izy, mpanbe fanahy ary mpitarika ny saina.

Na dia eo aza ireo fahaiza manao sy ny fomba fiasa ananan'ny fiarahamonina manarapenitra dia mbola tsy nahomby tamin'ny fanongotana ifotony ireo hadalana madinika toy ny fifohantsigara izy. Ny mpaminany Mohammed anefa dia namongotra ifotony fahazaran-dratsy maro izay niorim-paka tao amin'ny vahoakany tao anatin'ny fotoana fohy sy tsy nampiasa hery firy ary nanolo azy ireo fomba tsara ary tena nanefy ny maha olona azy ireo manontolo. Ary raha tsy mino izany ny olona ka mankany miaraka amin'ny filozofy anjatony, mpahay fiarahamonina sy psikogy, ary mpahay fampianarana sy mpanabe dia hahita izy ireo raha hahavita ao anatin'ny 100 taona na dia ampahany kely fotsiny tamin'izay vitany tao anatin'ny taona iray.

  • Tsiky hatrany no niatrehan'ny Mpaminany ny mpifandrina aminy. Rehefa nihevita ny lehiben'ny koraisy fa haharesy lahatra ny zana-drahalahiny I Abou Talib mba handa ny asany dia namaly toy izao ny Mpaminany:

"Ry dadatoa, na dia apetrak'izy ireo ao antanako havanana aza ny masoandro ary ny volana eo antanako haia dia tsy hijanona aho. Tsy hitahatra aho mandrapaneken'Andriamanitra ny fandreseko na dia ho potehiny aza aho".

Fotoana hafa indray, nisy iraky ny mpitondra koraisy nanome azy ny voninahitry ny tany araka izay azony nosainina mba hanajanonany ny asany, hoy izy:

"Raha harena no tadiavinao dia nomenay betsaka araka izay irinao ianao. Raha hery sy voninahitra no mampangetaheta anao, vonona izahay ny hanaiky anao no tompo sy mpanjaka. Raha hatsarantarehy no tianao dia ho eo ampelatananao ny vehivavy virijiny tsara indrindra araka ny safidinao".

Na olombelona iza na olombelona iza dia toa mahasarika ireo tolo-kevitra ireo. Tsy misy dikany eo imason'ny Mpaminany anefa izy ireo. Hoy ny navaliny:

"Tsy maniry na hery na voninahitra aho. Notendren'Andriamanitra aho mba hampitandrina ny olombelona. Mampita aminareo ny hafany aho. Raha manaiky ianareo dia ho faly sy voavonjy eto antany sy hanana ny fahasambarana mandrakizay any ankoatra. Raha manda ianareo dia hanapakevitra eo anatrehako sy ianareo Andriamanitra".

Tamin'izany dia porofo mivaingan'ny fahamarinana ambonin'ny zavatra ataony ireo vahaolana rehetra nentiny hampahomby ny asany. Raha nanana ahiahy kely monja tao ampony na tsy fahazoana antoka izy dia tsy afaka namakivaky ny orambaratra izay nitohy niaraka tamin'ny tahony nandritry ny 23 taona lava.

  • Nanova ny tantara niaraka tamin'ny Fanjakany sy ny vahoakany sy ny fitakiany ireo sefo lehibe. Na dia izany aza, tsy nisy tamin'izy ieo nahomby tamin'ny fanondronana finoana iray mafy, fisainana sy idealy ambony tao amin'ireo mpanaradia azy toy ny nataon'ny Mpaminany Mohammed. Taorian'ny 40 taona niainana tamin'ny politika dia nisho tampoka eran-tany ho toy mpanova ny lafiny politika sy olom-panjakana fanta-daza izy kanefa tsy nisy haino aman-jery sy fomba fampitam-baovao moderina nanampy azy, nahomby tamin'ny fampitambarana ireo mponina niparitaka tany an-tanihefitr'I Arabia. Nanova ny foko mpiady, tsy mahalala na inona na inona tsy manaradalana sy tsy mivoatra ho lasa firenena mitambatra amin'ny fomba iray, lalana iray, finoana iray, kolontsaina iray, fandrosoana iray sy endripitantanana tokana izy.
  • Tsy maintsy mahafantatra tanteraka ny vahoakany ny mpitarika raha te-hahazo ny fanohanan'izy ireo. Ny ankamaroany amin'izy ireo dia mampanantena fahefana, harembe, sata ambony no ho iray amin'ireo hamirapiratra amin'ireo mpanaradia azy. Nahazo ny fo amam-panahy sy nampanantena ny fankatoavan'Andriamanitra sy ny Paradisa tamin'ireo mpanaradia azy kosa ny Mpaminany Mohammed. Nanao sorona ny tenany antsitrapo sy nisafidy ny fahantrana, ny fankatoavan'Andriamanitra sy ny Paradisa izy ireo. Modely lehibe ho an'ny fianakaviany ny Mpaminany, nomaniny ho amin'ny fiadanana mandrakizay izy ireo sy ny mpanaradia azy sy amin'ny tsodrano maharitra amin'ny fampisehoana izany amin'ny fiainany.
  • Indray andro I Fatima zanany tena tiany indrindra tamin'ireo fianakaviany nitondra rojo teny amin'ny vatany. Rehefa hitany izany dia hoy ny Mpaminany taminy: "Tianao ve ny hilazan'ny olona eto antany sy ny zavatry ny lanita fa mitondra rojon'ny afobe ny zanako vavy?" Ampy ho azy ireo teny ireo satria nivoaka tamin'ny vavan'ilay mipetrakaao am-pon'ny olona ny seza fiandrianany ary nahazo ny fon'izy ireo izy. Notohizan'I Fatima ihany ny tantarany.

"Namidiko malaky ilay rojo ary nividy andevo mba hafahana aho, avy eo niverina tany amin'ny Mpaminany. Rehefa notantaraiko taminy izay nataoko dia faly izy. Namelatra ny tanany izy ary nidera an'Andriamanitra sady niteny hoe: "Dera ho an'Andriamanitra izay niaro (ny zanako vavy) an'I Fatima tamin'ny afobe!"

  • Ndeha heverintsika fa ianaro dia mpampianatra na tale izay te hanae ireo mpianany na ireo mpiasany araka izay idealiny, ary ianareo dia vonona hiharitra ny fahasarotana rehetra mba hatrerana io tanjona io. Ankehitriny, inona no ataonareo ka roron'ny olona ny tavanareo, torahany zavatra ny lohanareo kanefa ianareo mivavaka, felahany tehamaina ianaeo, torahany vato ianareo ary asiany tsilo ny lalana alehanareo, anomanany fanafihana mitam-piadiana ianareo, esoiny eo imasom-bahoaka ianareo, alany baraka ny vadinaeo, vonoiny ny ray amandreny akaiky anareo, roahany amin'ny tany nahaterahanareo ianareo?

Mbola fanampin'izany, afaka mamela heloka azy ireo va ianaro ary hivavaka ho azy sady miteny hoa: "Tompo ô! Avelao ny helony, tariho amin'ny fahamarinana izy ireo satria tsy fantany izay ataony!" Heverontsika koa fa entina amina toerana mitovy amin'ny Paradisa ianareo ary manana safidy mba hijanona hiaina ao na hiverina handray ny asanareo indray, hisafidy ny hiverina va ianareo? Niharitra izany rehetra izany ny Mpaminany, kanefa nisafidy ny hiverina eo amin'ireo vahoakany ary nanova azy ireo ho firenena fantatra indrindra amin'ny hatsarany to amin'ny tantara. Afaka hanao toy izany va ianareo?

  • Nandefa andiana mpampianatra tany amin'ny fokon'ny Adal sy al-Qarah mba hampianatra azy ireo ny finoana silamo ny Mpaminany. Teny andalana anefa dia nisy olona avy amin'io foko Hondhay io nanafika azy ireo, novonoiny ny sasany tamin'izy ireo ary natolony tamin'ny koraisy izay sisa velona. Anisan'ny iray tamin'ireo Iraka ireo I Zayd ibn ad-Dathina. Tamin'ny fotoana hamonoan'ireo paiana koraisita azy dia nanontany azy toy izao I Abou Soufyane izay mbola tsy silamo tamin'izany:

"Mivavaka amin'Andriamanitra ho anao aho ry Zayd, tsy maniry va ianao ankehitriny fa manatrika antsika sy maka ny toeranao mba ho potipotehanay I Mohammed fa ianao hiaraka amin'ny fianakavianao?" "Amin'ny anaran'Andriamanitra hoy ny navalin'I Zayd, lavitra amiko ny faniriana ziany, tsy iriko akory na dia tsiko iray hanindrona ny tongony aza".

Talanjona I Abou Soufyana ary nitodika tany amin'ny vahoaka sady niteny hoe: "Amin'ny anaran'Andriamanitra, milaza ny marina aho fa tsy mbola nahita olona tian'ny mpanaradia azy toan'I Mohammed". Marina hatrany izany satria tsy nisy olona fantatra teo amin'ny tantara tian'ireo mpanaradia azy toan'ny Mpaminany Mohammed.

  • Fanontanian'ny mpino Andriamanitra maro sy ny jody sy ny kristianina maro tamin'ny fotoan'androny mikasika lafin-javatra maro ankoatry ny fivavahana toy ny tantara, ny metafizika, ny astronomia, ny fitsaboana sy ny sisa no novalian'ny Mpaminany. Namaly tsy nisy fiambahambana izy ary tsy diso na oviana na oviana ireo valinteniny.
  • Nitondra lalana ny Mpaminany Mohammed, fivavahana sy fomba fiainana, fomba fiderana, fomba fivavahana, hafatra sy finoana sy manam-paharoa.

Tsy manantsahala ny lalana ambaran'io lehilahy tsy mahay mamaky teny sy manoratra io satria mitantana ampahamarinana sy ampitandremana ny 1/5n'ny vahoaka tao anatin'ny taonjato 14. ny fampiharana ny silamo andavanandro izay avy amin'ny CORAN sy ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany madiodio nahitana ny teniny, ny fiheviny sy ny ohatra nomeny dia mpitantana tsy nisy nitovy taminy sy fahefana hoan'olona anapitrisany nandritry ny taonjato maro. Io fampiharana isan'andro io no namolavola sy nanatsara ny saina amam-panahin'izy ireo ary nanadio ny fony sy nanatsara ny sainy.

Olo-mendrika hafa ihany koa no niseho taorian'ireo mpanaradia azy, ireo no nitarika ny zanak'olombelona tamin'ny sehatra siantifika, politika, sosialy, sy toekarena ary tamin'ny lafim-piainana maro hafa koa. Tsy hitantara afa vitsy ihany tamin'izy ireny aho eto: manampahaizana nihorehana, olo-masina sy voadio toandr'I Abou Hanifa, Imam Châfi, Bayzaid al-Bastami, Abd al-aair al-Jilani, Imam ahazali, Imam Rabkain, sy Bedin zanan Said Nursi, olon'ny siansa malaza toandr'I Bironni, az-Zahrawi, ibn Sina (Avileme) sy ibn al-Haythem; ary mpahay literatiora anjatony, mpitaritolona, olom-panjakana sy kintan'ny olombelona hafa. nanaraka ny dian'ny Mpaminany avokoa izy ireo:

Ankoatra izany dia tao koa ireo avara-pianarana sy olom-panjakana toandr'I Lamartine, William Muir, Edward Gibbon, John Davenport, L. A. Sédihot posenthal, Elisée Reclus, Andrew Miller, Bismarak, Leopol Weis, Marwa duke Pickthall, Martin Lings sy Roger Garandy dia nanaiky fa ny mpa dia olona lehibe indrindra tsy mbola nisy toa azy. Maro tamin'izy ireny no nanaraka ny finoana silamo.