Ohatra Vitsivitsy Amin'reo Fahagagana Nataon'y Mpaminany

Hoy ny voalazan'ny CORAN:

«Voninahitra sy fahadiovana ho an'ilay nampivahiny ny mpanompony [Mohammed] tao amin'ny alina, hatrany amin'ny trano fivavahan'I Al-Haram ka hatrany Al-Asqa izay notsofinay rano ny manodidina azy mba hamelana azy hahita tsara ny zavatsoanay vitsivitsy. Izy tokoa ilay tena mihaino sy mahita ny hoavy» (17:1).

«Avy eo izy manakaiky ary midina ambanimbany kokoa, ary mbola manao toy izany ihany. Hanambara amin'ny mpanompony izay nambara taminy izy. Tsy mandainga amin'izay hitany ny fo (amin'ireo mpanompony)» (53:8-11).

Ny fiakarana no fahagagana lehiben'ny Mpaminany Mohammed. Nomena fahatsarana ara-panahy sy fanomezam-pahasoana manokana tamin'ny finoany sy ny fiderany, nasandratr'Andriamanitra ho eo anatrehany masina izy. Niala tamin'ny gadran'ny lalana voajanahary sy anton-javatra materialy ary nampakatra ambony ny fisiana arabatana, namakivaky elanelana tsy manam-pahataperana tamin'ny hafainganam-pandeha mahagaga ny Mpaminany ary niakatra ambonin'ny halebeazan'ny tontolo materialy mandrapahatratrany ny fanatrehana amsina an'Andriamanitra.

Ny fizika atomika dia nanova betsaka ny lamin-kevitra fizika. Napetrany ihany koa fa ity tontolo ity dia halebeazana iray ihany na fisehona fisiana eo anatrehan'ny hafa, izy tsirairay avy dia samy manana ny toetra mampiavaka azy. Manambara I einstein fa ny fotoana dia ampahany kely amin'ny fisiana fotsiny ihany. Ny siansa dia mbola tsy nanome ny heviny farany mikasika ny fisiana satria ny fikarohana vaovao sy ny fandrosoana dia mitarika fiovan-kevitra mitohy. Ahoana ary no ahafahana manadihady indray ny fiakarana? Sarotra ho antsika ny mahazo fa misy afaka mamakivaky ny fotoana manontolo amin'ny fotoana iray ho toy ny teboka tokana. Mba hanamboarana tsara io lafin-kevitra saropady io dia hodinihintsika ireto fampitahana manaraka ireto:

Eritrereto fa mitazona fitaratra ianao. Izay rehetra hita tarata eo amin'ny ilany havia dia manambara ny lasa ary izay rehetra hita taratra eo amin'ny ilany havia dia manambara ny ho avy. Mandritry ny fitazonanao ny fitaratra dia tsy afaka maneho afa tsy zotra tokana ny fitaratra. Raha te hahtia ireo zotra roa ao anatin'ny fotoana iray ianao dia tsy maintsy miakatra amin'ny toerana ambonimbony kokoa noho ilay voalohany mba hitambatra ny havia sy havanana, ary tsy misy azo avahana ho voalohany sy farany, fanomboana na fiafarana.

Nandritry ny fiakarany dia nifindra tamin'ny hafainganam-pandehan'ny fanahy ny Mpaminany namakivaky ny fotoana, ny habaka sy ny halebeazam-pisiana rehetra tao anatin'ny fotoana fohy. Nandritra io fandehanana any andanitra io dia nifanena tamin'ireo Mpaminany teo aloha izy, nahita ny anjely, nandinika ny fitiavan'ny Paradisa ny sy fijaliana ao amin'ny helo. Nodinihany ireo zavanisy manana ny maha izy azy ao amin'ny CORAN sy ny dika amam-pahendren'ny asa fiderana rehetra. Tratrany ihany koa ny faritra misy ireo anjely lehibe indrindra, tsy navela I Gabriely ary nomemboninahitry ny fahitana ny famirapiratan'ny tavan'Andriamanitra, afaka amin'ireo faneriterena rehetra sy ny halebeazana azo afatra sy tsy azo afatra. Avy eo mba ho azo antoka ny fiakarana ara-panahin'ny olona rehetra amin'ny fanalana ny olona rehetra ao amin'ny haizin'ny fisiana ara-materialy mankany amin'ny fanjakana mazavan'ny finoana sy ny fiderana, dia niverina eto amin'ity tany ity izy.

Ny fizaran'ny volana ho roa dia fahagagana izay lehibe hafa izay tanteraka teo imason'ireo paiana izay mikiribiby manda ny faminanian'I Mohammed. Araka ny voalazan'I Abd Allah ibn Massoud, rehefa tany Mina izy ireo dia nosarahan'ny Mpaminany roa tamin'ny fihetsiky ny fanondrony ny volana. Ny antsasany nipoitra taorian'ny tendrombohitra ary ny atsasany kosa teo anoloany. Avy eo nitodika tamin'izy ireo indray ny Mpaminany ka niteny hoe: "Meteza ho vavolombelona! "[1]. Ambaran'ny CORAN ao amin'ity andininy manaraka ity izany zava-niseho izany: "Manakaiky ny fotoana ary mitresaka ny volana. Ary raha mahita famantarana iray izy ireo dia hanodina ny lohany ary hiteny hoe: "fanovamaso fotsiny io" (54:1-2).

Ho tantaraintsika eto koa ireo fahagagana izay ahitana tahirin-kevitra maro ihany ao amin'ny literatiora silamo.

  • Araka ny voalazan'I ibn Malik, rehefa nahapa I Abou Talha fa noana ny Mpaminany dia nasainy hisakafo. Tonga niaraka tamin'ny vahoaka maro ny irak'Andriamanitra. Mofo iray ihany anefa no tao amin'I Abou Talha. Nalonan'I Oumm Selim vadiny tao anatin'ny dibera misy sira izany ba hampitomboana azy. Avy eo ny irak'Andriamanitra nanambara taminy izay tian'Andriamanitra ho tononiny (toy ny vavaka). Nanambara I Anas fa olona 70 hatramin'ny 80 no nihinana ka afapo mandrapandehany[2].
  • Araka ny voalazan'I Abdurraham Ibn Abi Bakr dia nahantra ny olon'ny "Soffa" (ampahany natokana homenan'ireo olona mahantra tao amin'ny trano fivavahana). Nilaza ny Mpaminany indray mandeha: "Aoka izay manana sakafo ampy hoan'olondroa haka olona iray hiaraka aminy. Aoka izay manana sakafo hoan'olona efatra haka fanindiminy hiaraka aminy na fanineniny".

Nitondra vahiny 3 tany aminy I Abou Bakr. Nitondra 10 ny Mpaminany. Nisakafo tao amin'ny Mpaminany I Abou Bakr ary nijanona tao mandrapiavin'ny fivavahana amin'ny alina (ichâ). Niverina tany aminy izy rehefa nanala ny ampahana tsara tamin'ny alina. Hoy ny vadiny taminy: "Inona no nitazona anao kanefa ianao manana vahiny ato antrano?" Hoy izy: "Tsy nomenao sakafo angaha izy ireo?" Hoy ny vadiny: "Nomena izy ireo saingy nanda tsy hihinana alohan'ny fiverenanao". Avy eo hoy izy tamin'ireo vahininy: "Mihinana ampilaminana. Izaho, amin'ny anaran'Andriamanitra dia tsy hihinana" (Natahotra izy sa tsy ho ampy ny olona ny sakafo). Hoy I Abdurrahman: "Amin'ny anaran'Andriamanitra isaky ny mandrapaka indraim-bava dia mitombo avy ao ifotony ny sakafo kanefa izahay nihinana afa-po tsara, ary ny sakafo dia toy ny teo amboalohany ihany. Nijery ny sakafo I Abou Bakr ary niteny tamin'ny vadiny hoe:"Ry anabavin'ny Firas voatsodrano! Inona ity mitranga ity? Hoy izy: "Amin'izay tiako rehetra, indro ny sakafontsika fa nitombo telo avy enin'ny teo amboalohany"[3].

Fahagagana maro toy izany no nimapita tamin'ny fampitana maro samy hafa (miverina in-16 indraindray). Ny ankabeazany dia niseho teny ankavoriana ary notaterin'ny olona mandritra sy nanana fanahy tsara.

Izay nahary izao tontolo izao tsy niankina tamin'ny lalana dia afaka manova ireo lalana hoan'ireo mpanompony sy ilay nalefany tiany. Noho izany, ny manda ny fahagagana amin'ny fifotorana amin'ny determinisma sy ny anton-javatra, indrindra fa amin'izao andro iainantsika hanarian'ny siansa hevitra mekanista noho ny relativite izao, dia sady tsy aratsaina no tsy siantifika.

Fanampin'izany, tsy miala tanteraka amin'ny anton-javatra materialy ny fahagagana na dia kely bitika sy tsy misy dikany aza izany. Amin'ny fahafantarana fa amin'ny alalan'ny zavatra itika no hamokaran'Andriamanitra ny zavatra lehibe, koa ahoana no ahafahana manda ny fahagagana. Ny olombelona izay malemy voaseran'ny mikraoba dia manantsaina afaka manamboatra solosaina mirakitra fahalalana maron'ny trano famakiam-boky maro. Moa va izany dia fahagagana ambony noho izay mamela ny mpanompony hampitombo betsaka ny sakafo sy ny zava-pisotro. Noho izany, moa va ny asan'Andriamanitra tsirairay sy ny zava-mitanga tsy fahagagana hita maso tsy haintsika mamokatra ny mitovy aminy?

Nanao fahagagana maro mikasika ny rano ny Mpaminany. Notaterin'ireo mpanaradia maro izany ary niampita tamin'ny fomba maro azo antoka. Halaintsika ny roa tamin'ireny:

  • Tany Zarwa ny mpanaradia indray andro ary tsy nety nahita rano ampy anaovana ny "Woudhou" (Fomba fidiovana). Niantso azy ireo hitondra fitombiandrano ny irak'Andriamanitra. Natsofony tao ny tanany ary nanomboka nivoaka tamin'ny ratsantanany ny rano ary nanao ny fidiovany izay olona nanatrika teo. Nitatitra I Anas ibn Malik fa 300 izy ireo[4]. Raha nandainga izy moa tsy rariny va ra notebahin'ny olona iray izy far faharatsiny?
  • Nandritry ny ady tao Houdaybiyya, nitarain-ketaheta tamin'ny Mpaminany ny mpanaradia azy; nandray zanatsipika iray tao anaty kitapony izy ary niteny tamin'izy ireo hametraka azy tao amin'ny fatsakana iray antsoina hoe Thamad izy. Nanomboka nivoaka tao ny rano. Afaka nisotro sy nanao ny fidiovany nandritry ny fijanonany tamin'io toerana io ny mpanaradia rehetra.

Ireo loharanon'ny fomba amam-panao tsy nisy fanovana izay ahitana ny Sahîh al-boukhar sy Sahîh Mouslim dia mitatitra fahagagana maro mikasika ny fanasitranana ny marary sy ny maratra. Ho tantaraintsika ireto manaraka ireto:

Hoy ny irak'Andriamanitra tamin'ny andron'ny ady tao Khaybar: "Aiza I Ali ibn Abi Talib?" Hoy ny navaly azy: "Marary mafy ny masony ry irak'Andriamanitra" Ary hoy izy: "Mandefasa olona hitady azy!" Nentina teo anatrehan'ny irak'Andriamanitra izy ary nasiany ny rorany masina ny masony narary sady nivavaka tamin'Andriamanitra izy mba hahasitrana azy. Sitrana haingana toy ny tsy narary akory ny mason'I Ali"[5]

Mitatitra toy izao I Othman:

"Nisy lehilahy jamba iray nanatona ny irak'Andriamanitra ary nangataka azy hivavaka tamin'Andriamanitra mba hampahiratra azy. Hoy ny irak'Andriamanitra taminy: "Raha tianao dia tsy hivavaka ho anao aho satria mety ho tsaratsara kokoa ho anao ny jamba any ankoatra, fa raha tsy izany kosa dia hivavaka aho". Nisafidy ny ho sitrana ilay lehilahy. Noho izany dia hoy ny irak'Andriamanitra tamin: "ataovy ny fidiovantenanao, manaova vavaka indroa ary mangataha amin'Andriamanitra toy izao:

Andriamanitra ô, miantso anao aho! Mitodika tanteraka aminao amin'ny fanarahana ny lalan'ny Mpaminany Mohammed aho, ilay mpaminanin'ny famindram-po. Ry Mohammed! Mitodika tanteraka amin'Andriamanitra amin'ny fanarahana ny lalanao aho, Andriamanitra anie hampahiratra ahy. Andriamanitra ô! Omeo ahy ny fanekena ny fanelanelanany".

Nanaraka izany toromarika izany ilay lehilahy ary nahiratra[6]

Nanaja ny irak'Andriamanitra ihany koa ny fanjakan'ireo biby, ho aminy anie ny fiadanana sy ny tsodranon'Andriamanitra, ary nanjary fitaovana nahavitany fahagagana. Na dia maro aza ireo ohata azo ambara dia ireo vitsivitsy tena nalaza tamin'ireny ihany no hotanisaintsika eto, izay nahazo ny fankatoavan'ireo manampahefana mpandalina hadita.

Nandritry ny hezira rehefa nialoka tao andavabato iray ny irak'Andriamanitra dia nisy dompina roa niandry teo amin'ny fidirany sy akala iray izay nandrakotra faroratra matevina teo amin'ny vava lavaka. Rehefa nandinika ilay lava-bato I Oubeyy ibn Khalaf sefon'ny koraisita dia noheverin'ireo namany fa niditra tao. Hoy anefa izy: "Misy faroratr'akala izay toa efa namboarina talohan'ny nahaterahan'I Mohammed eo"; hoy koa ny hafa nanampy: "Hijanona eo va ny domoina raha misy olona ao anaty lava-bato?"[7]

Araka ny voalazan'I Jabira:

"Niverina avy any an'ady niaraka tamin'ny Mpaminany izahay. Raha nanjary reraka fatratra ny ramevako ka nanomboka taraiky teny aoriana dia nokasihin'ny irak'Andriamanitra kely fotsiny. Nanjary nalaky famindra vokatr'izany ny ramevako ka tsy maintsy nosintsoniko ny lamoridiny mba hanalefahana ny famindrany vao afaka nihaino ny irak'Andriamanitra aho kanefa tsy nahavita izany"[8].

Hoy I Anas ibn Malik:

"Taorian'ny fanafiana an'I Khaybar dia nisy vehivavy jody iray nanolotra ondry voaendy hoan'ny irak'Andriamanitra. Nanandrana sombiny izy, noraisiny fotsiny anefa izany fa tsy nohaniny araka ny voalazan'I Abou Dawoud, ary hoy izy: "Miteny ny ity ondry ity fa nopoizinina". Nijery ilay vehivavy izy ary nanontany izay antony nanaovany izany. Namaly izy fa te hamono azy. Niteny taminy avy eo ny Mpaminany fa tsy avelan'Andriamanitra hanao izany izy"[9].

Hoy Aïcha:

"Nanana domoina izahay tao antrano. Rehefa ao antrano ny Mpaminany, ho amin'ny anie ny fiadanana sy ny tsodranon'Andriamanitra, dia tony dia tony izy. Raha vao miala ao antrano fotsiny ny Mpaminany dia manomboka mihetsiketsika tsy misy fitsaharany ilay domoina"[10].

Mitatitra toy izao I Anas ibn Malik:

"Ny Mpaminany, ho aminy anie ny fiadanana sy ny tsodranon'Andriamanitra, no tsara sy marisika ary be fitiavana indrindra tamin'ny olona. Natahotra ny vahoakan'I Medina idnray alina [ny fanafihan'ny fahavalo noho ny tabataba ren'izy ireo]. Nandeha nakany amin'ny nisehoan'ilay tabataba izy ireo. Nifanena tamin'izy ireo ny irak'Andriamanitra avy eo rehefa nahafantatra tsara ilay zavatra, niaraka tamin'ny sabany teny ambonin'ny soavalin'I Abou Talha. Hoy izy tamin'izy ireo: "Aza manantahotra na dia kely akory aza! Avy eo nampiany hoe: hitako ho tena natanjaka ity soavaly ity", hatramin'izay anefa izy dia niadam-pamindra. Taorian'io zava-niseho io izy dia nanjary tsy hay noresena tamin'ny hazakazaka"[11].

Araka ny tantara maro ao amin'ny bokin'ny fomba amam-panao dia nampiasa ny zavatra tsy mananaina hanaovana fahagagana koa ny irak'Andriamanitra.

Mitantara I Jabir ibn Samoura fa niteny toy izao ny mpa:

"Talohan'ny faminaniako dia nisy vato lehibe niarahaba ahy tany La Mecque. Mbola tadiko izy ankehitriny"[12] Mitatitra toy izao I Abd Allah ibn Massoud: "Henonay manome voninahitra an'Andriamanitra ny sakafo rehefa hanina miaraka amin'ny irak'Andriamanitra"[13].

Samy miara mitatitra an'I Anas sy Abou Hourayra, Othman sy Said ibn Zayd ny mpitantara hadita:

«Nananika ny tendrombohitr'I Ouhoud niaraka tamin'I Abou Bakr, Omar sy Othman ny irak'Andriamanitra. Nihovitrovitra ny tendrombohitra, noho ny hafaliana na ny fanajana. Ary hoy ny Mpaminany taminy: "itonia satria Mpaminany no eto aminao, ilay marina sy maritiora roa»[14].

Efa novinanian'ny Mpaminany izany ny maha maritiora an'I Omar sy Othman.

Hita ao amin'ny fitantarana tena marina nataon'I Aly, Jabir sy Aïcha fa niarahaba ny Mpaminany ny vato sy ny tendrombohitra sady niteny hoe:

«Ho aminao anie ny fiadanana, ry irak'Andriamanitra!» Hoy i Ali: «Isaky ny mandeha eny amin'ny toerana ivan'i La Mecque izahay tamin'ny fanomboan'ny faminaniany dia niteny toy izao ny hazo sy ny vato: «Fiadanana ho anao, ry Irak'Andriamanitra!»[15]. Ny fiarovan'ny Mpaminany koa dia fahagagana hafa.

Voalaza tamin'ny alalan'ny fampitana maro fa:

«Nandritry ny ady tany ghatafan sy Ammar dia nisy lehibem-poko mahery fo iray nantsoina hoe Ghourras niseho tampoka teo akaikin'ny Mpaminany raha iny izy nitsotsotra teo ambody hazo iny. Sady nampiseho ny sabany izy no nanontany hoe: "Iza no hanavotra anao eto ampelatanako ankehitriny?" "Andriamanitra" hoy ny navalin'ny irak'Andriamanitra sady nanao ity vavaka ity: "Andriamanitra ô, arovy aminy araka izay sitrakao aho!". Tamin'io fotoana io dia nianjera tamin'ny tany I Ghouwras ka niala teny antanany ny sabany. Nalain'ny irak'Andriamanitra izany ary nanontany azy izy hoe: "Ary nakehitriny, iza no hamonjy anao eto ampelatanako?" Nangovitra I Ghowras ary nifona fa izy no hamonjy ny ainy: "olona ambony sy mpamela heloka ianao, tsy misy azo andrasana aminao afa tsy famindram-po". Namela heloka azy ny irak'Andriamanitra. Ary rehefa niverina tany amin'ny vahoakany I Ghouwras dia niteny hoe: "Vao avy nifanena tamin'ny menaky ny olombelona aho»[16].

Mitatitra toy izao I Abou Hourayra:

Nanontany ireo izay teo akaikiny I Abou Jahl hoe: "Moa va manakasika ny tavany amin'ny tany foana I Mohammed [midika ho fiankohofana]?

"Eny ataony foana izany" hoy izy ireo namaly. Ary hoy ny teniny:

«Amin'ny anaran'I Lât sy Ouzza, raha mbola mahita azy manao toy izany aho, na ho potipotehako ny vozony na alentiko amin'ny tany ny endriny».

Afaka kelikely dia tonga ny irak'Andriamanitra ary nanombola nivavaka. Rehefa niankohoka izy dia nanatona I Abou Jahl kanefa nandositra tampoka, azon'ny tahotra mafy sy ny fahatairana goavana ary niaro tena tamin'ny tarany. Rehefa nanontaniana ny antony hanaovany izany izy dia namaly hoe: "Afo mijoalajhoala no nitsangana nanelanelana anay ary zavatra mampâtahotra sy elatra maro".

Hoy ny fandikana nomen'ny irak'Andriamanitra io toe-javatra io: "Raha nanatona ahy izy dia nopotipotehin'ny anjely"[17].

Nampanantena ny hiaro azy amin'ireo fahavalony Andriamanitra:

"Ry irak'Andriamanitra, ampitaho izay nampidinan'ny Tomponao taminao. Raha tsy nanao izany ianao dia tsy nilazana ny hafany intsony. Ary harovan'Andriamanitra amin'ny olona ianao" (5:67). Marina, tsy mitantana ny tsy mpino Andriamanitra. Fahagagana hafa araka izay ho tsapantsika amin'ireto tantara ireto koa ny fahatanterahan'ny fivavahany:

  • Ny manam-pahefanan'ny hadita, ireo Imam roa dia I Boukhari sy Mouslim dia nitatitra fa tanteraka avokoa ireo fivavahana nataon'ny Mpaminany hampilatsaka ny orana. Matetika dia milatsaka alohan'ny hampidinan'ny Mpaminany ny tanany ny orana kanefa izy mbola eo amin'ny toerana misy azy. Miforona ny rahona raha vao mila rano ny tafiny. Na dia hatramin'ny fahazazany aza dia mitondra azy miaraka aminy ny raibeny rehefa hivavaka ma hangataka ranon'orana ary alefan'Andriamanitra noho ny fitiavana azy ny orana. Nataon'I Abd al-Muhalib tsy mety maty ao amin'ny tononkalo iray izany. Taorian'ny fahafatesan'ny Mpaminany dia niantso ny anaran'I Abas dadatony I Omar sady niteny hoe: "Andriamanitra ô! Indro ny dadatoan'ny Mpaminany tianao. Omeo orana amin'ny fitiavana ho azy izahay" Ary nilatsaka vetivety ny orana[18].
  • Mitatita I Anas ibn Malik: "Nahantra ny olona fony fahavelon'ny Mpaminany. Indray zoma rehefa teo andalam-pitorian-teny ny Mpaminany dia nisy lehilahy iray nitsangana ary niteny hoe: "ry irak'Andriamanitra, maty ny ondry aman'osy. Mangataka amin'Andriamanitra mba handefa orana ho antsika izy!" Nanangana ny tanany sy nivavaka ny irak'Andriamanitra kanefa nadio dia nadio ny lanitra tamin'io. Vetivety dia nisy rivotra nitsoka nitondra rahona. Nisavovona ireo ary nijanona teny andanitra namoha ny varavarany. Tamin'ny fivoahanay izahay dianamakiaky ny orana mandrapahatonga tany antrano. Nijohy mandrapiavin'ny zoma manaraka indray ny orana, nitsangana io olona io na olona hafa ary niteny hoe: "Ry irak'Andriamanitra! Mirodana ny trano; mangataha amin'Andriamanitra mba hajanony ny orala!" Nitsiky ny Mpaminany sady niteny hoe: [Andriamanitra ô] manodidina antsika fa tsy ao ambonintsika!" Mbola manohy I anas, "Hitako niparitaka teo ambonin'I Medina ny rahona mba horon-javatra toy ny diadema"[19].
  • Mitatitra toy izao I Abd Allah in Omar: "Rehefa tsy nisy afatsy mpanaradia 40 teo hoe dia nivavaka toy izao ny irak'Andriamanitra, fiadanana sy ny tsodrano anie ho azy: "Amafiso amin'ny iray amin'ireo Omar roa ny finoana silamo: Omar ibn al-Khattab na omar ibn Hichan (Abou Jahl)". Ny ampitso dia tonga teo amin'ny Mpaminany I Omar ibn al-khahab ary nanaraka ny fivavahana silamo"[20].
  • Mitatitra toy izao I Abd Allah ibn Abbas: "Indray andro namihina ahy teo antratrany ny irak'Andriamanitra sady niteny hoe: "Tompo ataovy mahay ny boky izy!"[21] Tamin'ny fanaovana io vavaka io koa no niantsoany "Ny manam-pahaizan'ny firenena" sy "ny mpandinika ny CORAN". Na dia mbola tanora aza izy dia neken'I Omar ho anisan'ireo mpikambana tao anatin'ny vondron'ny mpanolotsaina nahitana manampahaizana ambony sy ny lehibe indrindra tamin'ireo mpanaradia ny Mpaminany.
  • Milaza I Anas ibn Malik: nitondra ahy teo anatrehan'ny irak'Andriamanitra ny reniko sady niteny hoe: "ry irak'Andriamanitra, indro I anas zanako lahy. Hanampy anao izy. Mivavaha ho azy!"[22]. Nivavaka ny irak'Andriamanitra: "Andriamanitra ô! Homeo harena sy taranaka maro izy!" Hoy I Anas rehefa antitra: "Amin'ny anaran'Andriamanitra, afaka mijery ny harem-beko ianareo, ireo zanako sy ny zafikeliko aman-jatony"
  • Nitaraina tamin'ny irak'Andriamanitra noho ny fanadinoana be ao aminy I Abou Hourayra; nangataka azy hamelatra lamba teo amin'ny tany ny irak'Andriamanitra. Avy eo namafy zavatra tsy hita maso avy amin'ny tanany teo amin'ilay lamba ny irak'Andriamanitra, toy ny hamenoana zavatra tsy hita maso koa, avy eo nasainy haoron'I Abou Hourayra ilay lamba. Naverimberiny intelo amanefatra izany. Taorian'izany dia nilaza ny marina teo anatehan'Andriamanitra I Abou Hourayra fa tsy nanadino na inona na inona intsony. Anisan'ireo zavanitranga tena fantatr'ireo mpanaradia azy koa io toe-javata io.[23]

Fanampin'izany, nifanojo sy niresaka tamin'ny olona sy ny jiny sy ny anjely ny irak'Andriamanitra. Hoy ny fitatitr'I Omar:

"Indray andro rehefa niara-nipetraka taminay ny Mpaminany, ho azy anie ny fiadanana sy ny tsodrano dia nisy lehilahy iray niseho teo akaikiny. Mainty ny volony ary fotsy ny fitafiany. Tsy nisy famantarana na dia kely aza nanondro fa nandeha andalana izy. Nipetraka teo akaikin'ny mpa izy ary ny lohaliny mikasika amin'ny an'ny Mpaminany. Nanontany izy hoe:

"Inona ny finoana? Inona ny finoana silamo? Inona ny Ihsan (ny hatsaram-po tonga lafatra, ny fahamboniana na ny fahatanterahan'ny fahamerihana)? Rahoviana no hiseho ny andron'ny fitsarana farany?" Ary rehefa nahazo ny valiny izy dia nanjavona. Nitodika nankany amiko ny irak'Andriamanitra, fiadanana sy tsodrano ho azy, ary nanontany ahy hoe: "Fantatrao ve hoe iza iny lehilahy iny?" "Andriamanitra sy ny irany dia mahafantatra azy tsara", hoy ny navaliny. "Iny no Gabriela, hoy ny Mpaminany, tonga hampianatra ny olona ny fivavahana izy"[24].

mitatitra toy izao I Sad ibn Wakkas:

«Tamin'ny ady tao Ouhoud dia hitako niaraka tamin'ny lehilahy roa miakanjo fotsy niaro azy teo am-piadiana ny irak'Andriamanitra, fiadanana sy tsodrano ho azy [ny arak'anjely Gabriely sy Mikaela ireo]. Tsy mbola nahita azy ireo aho na teo aloha na tao afaran'io andro io»[25].

Araka ny voalazan'I Rifaa ibn Rafi:

«Tonga nitady ny Mpaminany I Gabriely ary niteny taminy hoe: "Ahoana no fiheveranao ny olon'ny Badr eo aminareo?" "Ireo tsara indrindra amin'ny silamo", hoy ny navalin'ny Mpaminany tamin'ireo teny ireo na ny mitovitovy taminy. »

«Tsara izany! Hoy I Gabriely nisento, toy izany koa ny anjely izay nandray anjara tao Badr»[26].

Amin'ny Mousud ny dia mitatitra amin'I Abd Allah ibn Maskoud I Ahned ibn Hanbal fa nanasa ny jiny hanaiky ny fivavahana silamo ny irak'Andriamanitra sy nampianatra azy ireo ny CORAN.[27]

Nanao fahagagana mikasika ny fisehoan-javatra sy ny faritra tsy hita maso koa ny Mpaminany.

Mitatitra toy izao I Aïcha:

«Fony fahavelony, noho ny fisian'ny fanakonan'ny volana ny masoandro dia nivavaka ny irak'Andriamanitra, fiadanana sy tsodrano ho azy, "Famantarana roa ain'ireo famantaran'ia ny volana sy ny masoandro; tsy mba mifanakona hoan'ny fahavelomana na ny fahafatesan'ny olona izy ireo. (Na dia izany aza) rehefa nahita izany dia mangataha amin'Andriamanitra ary mivavaha mandrapifarany fanakonan'ny volana ny masoandro –Ry irak'Andriamanitra! Hoy ireo nanatrika, hitanay ho toa nandray zavatra iray avy eo amin'ny toeranao ianao avy eo hitanay nihemotra!- Ary nahita ny Paradisa aho ary nanadrana naka salohim-boaloboka tao; raha naka izany aho dia nihinana mandrapaharitr'ity tontolo ity ianareo –hitako koa ny afo, ary tsy mbola nahita fampisehoana mahatsiravina toy ny androany aho»[28].

Araka ny voalazan'I Abd Allah ibn Abbas dia nandalo teo anoloan'ny fasana roa ny irak'Andriamanitra, fiadanana sy tsodrano ho azy, ary niteny hoe:

«Ireo faty roa ireo dia miaritra famaizana ankehitriny noho ny zavatra tsy dia fahotana goavana. Ny iray amin'izy ireo dia nankany noho ny fanaparitahana izay nolazain'ny sasany tamin'ny hafa ary ny iray dia tsy nandray fitandremana tamin'ny loton'ny biby rehefa nanao ny filany»[29]

Na dia ireo zt tsy mananaina toy ny hazo sy ny tehina aza dia manamafy ny faminanian'I Mohammed.

Mitatitra toy izao I Jabir ibn Abd Allah:

«Niaraka tamin'ny Mpaminany izahay, fiadana sy tsodrano ho azy. Nidina tany andohasaha iray izahay. Nitady toerana hanaovany ny filany izy. Rehefa tsy nahita izy dia nankeo amin'ny hazo anankiroa hitany tao andohasaha. Nanapaka ny rantsan'ny iray tamin'ireo teo akaikin'ilay hafa izy. Hoy izy tamin'izy ireo: "Mitambara ianareo ary arovy amin'ny famelan'Andriamanitra aho" nanaiky azy ireo hazo roa ary nanjary sakana nanakona azy»[30].

Mitatitra I Abd Allah ibn Omar:

«Misy vatana hazo palma fiankinan'ny Mpaminany rehefa mitoriteny ao amin'ny tano fiangonana. Rehefa nasiana seza manokana tao ampiangonana dia henonay nitaraina toy ny rameva bevohoaka 10 volana ilay hazo mandrapidin'ny Mpaminany avy eo amin'ny seza ary manafosafo ila vatakazo vao mangina izy»[31].

Araka ny voalazan'I Said al-Khoudri:

«Nanome tehina hoan'I Qatada ibn Nouman Andriamanitra tamin'ny alina maizina iray ary niteny taminy hoe: "Hanazava ny lalanao ity tehina ity, rehefa tonga any aminao ianao dia hahita tandindona maizina. Aza aela hiteny na inona na inona izy fa avydia kapohy amin'ity tehana ity»"[32].

Narahin'I Qatada ny toro-marika nomen'ny Mpaminany.

[1] Boukhari, Manâqib, 27; Mouslim, Kitab Sifât al-Mounafiqîn wa Ahkâmihim, 44.
[2] Boukhari, Atima, 6; al-Manâqib, 25; Mouslim, Achriba, 142.
[3] Boukhari, Manâqib, M. an-Nawawi, Riyâdh as-Sâlihîn (Les Jardins des vertueux), Hadith No. 1503.
[4] Sounan an-Nasa'i, 1:60; Boukhari, Manâqib, 25; Mouslim, Hadith No. 2279.
[5] Boukhari, Fadhâ'il as-Sahâba, 9; Mouslim, Fadhâ'il as-Sahaba, 34.
[6] Tirmidhi, ad-Da'awât, 119; Ibn Hanbal, 4:138; Ibn Maja, Iqâma, 189.
[7] Mousnad Ibn Hanbal, 1:348.
[8] Boukhari, Nikâh, 10:22.
[9] Mouslim, Salâm, 45; Abou Dawoud, Diyât, 6.
[10] Ibn Hanbal, Mousnad, 4:112.
[11] Boukhari, Adab, 39; Mouslim, Fadhâil, 48; Ibn Hanbal, 3:147.
[12] Mouslim, Fadhâil, 2; Sounane ad-Dârimî, Mouqaddima, 4.
[13] Boukhari, Manâqib, 25; Ibn Hanbal, Mousnad 1:460.
[14] Mouslim, Fadhâil, 50.
[15] Tirmidhi, Hadith No. 3630; Hakim, 2:607.
[16] Boukhari, Maghâzi, 31; Mouslim, Fadhâil, 13.
[17] Mouslim, Sifât al-Mounafiqîn, 38.
[18] Boukhari, 2:35; Bayhaqi, as-Sunan, 6:147.
[19] Boukhari, Manâqib, 25; Istisqâ, 7; Mouslim, Istisqa, 1.
[20] Tirmidhi, al-Manâqib, 18; Ibn Hanbal, Mousnad 2:95.
[21] Boukhari, Ilm, 17; Mouslim, Fadhâil, 137.
[22] Mouslim, Fadhâil, 143.
[23] Ibid., 159.
[24] Boukhari, Imân, 37.
[25] Boukhari, Maghâzî, 18; Mouslim, Fadhâil, 46-47.
[26] Boukhari, Maghâzî, 11.
[27] Mousnad 1:455.
[28] Boukhari, Salât al-Koussouf, 9; Mouslim, al-Koussouf, 3.
[29] Boukhari, Adab, 46; Mouslim, Tahâra, 3.
[30] Mouslim, Zouhd, 74.
[31] Boukhari, Manâqib, 25; Tirmidhi, Manâqib, 6; Nassai, Joumu'ah, 17.
[32] Mousnad Ibn Hanbal, 3:65.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.