Hevitra Maneho Ny Fisian'ny Zavatra Tsy Azo Tsapain-Tanana

Handinika hevitra vitsivitsy manome lanja ny fisian’ny zavatra ara-panahy isika.

  • ny vainga no mila ny aina fat sy ny mifanohitra amin'izany akory. Tsy afaka manazava ny aina ny siansa, na ny hoe fa maninona no mila aina ny vainga. Na dia fototry ny aina aza ny vainga na toa manampy ny aina amin'ny fandraisana ny zavatra avye ty ivelany dia mazava tsara fa izy no niandohan'ny aina. Manana halehibeazna tsy azo tsapain-tanan'ny fisiana ny aina. Natsofok'Andriamanitra ao anatin'ny vainga ny fisiana tamin'ny alalan'ny zavatra tsy azo tsapain-tanana sy tsy hita maso antsoina hoe fanahy. Mampiavaka ny tsirairay ny toetra manokana ananan'ny fanahy tsirairay avy ireny.
  • Tsy minakina amin'ny vainga ny aina. Ny mifanohitra amin'izany, azon'ny aina atao ny manalehibe ny zavatra bitika mihoatra noho ny vatana goavana. Ohatra, mahatonga ny lalitra na ny voronkely ho lehibe noho ny tendrombohitra ny aina. Mamela ny tany ho zaridainan'ny tantely ny aina, hametraka fifandraisana amin'ny voninkazo maro sy hitondra fifanarahana amin'izy ireo. Ary arakaraky ny maha tonga lafatra ny vainga no mapivelatra sy mampahomby ny aina. Ny fivelaran'ny aina sy ny asany dia tsy misy hifandraisany velively amin'ny vainga. Ny lalitra na parasy iray dia mavitrika kokoa noho ny rameva na ny elefanta.
  • Vondrom-pasika voajanahary ity tontolo ity. Ny aina no vokatra mivantan'ny fisehoan'ny anarany "Velona mandrakizay". Noho izany, na ho ela toy inona aza no hanohizan'ny siansa ny fomba fijeriny miabo, sy ara-tsapa dia tsy hahatakatra na oviana na oiana ny misiterin'ny aina.
  • Zava-panahy madio maneho ny endrika tsaran'ny fisiana ny anjely, I satana sy ny forongony kosa no endriky ny ratsy. Tokana sy tsy manam-petra Andriamanitra, tsy misy azo ampifanatrehina aminy. Ny zava-misy rehetra dia manana ny mifanohitra aminy. Vokany, ny anjely no endrika isehoan'ny hatsarantsika fa ny satana kosa no isehoan'ny faharatsiana. Manasa antsika amin'ny toetra ara-panahy ny anjely fa ny satana manosika ho amin'ny ratsy. Vokatr'izany ny fifandroritana ao amintsika sy ao amin'izao tontolo izao manontolo izay efa hatramin'ny fiandohan'ny fisiana. Mahatsapa zavatra manosika azy ho amin'ny ratsy na ny tsara ny tsirairay matetika. Ilay mandrisika voalohany dia avy amin'ny anjely na ny fanahintsika tsy voaloto fa ilay faharoa kosa dia avy amin'ny satana izay miara-miasa amintsika ara-nofo, io no maneho ny toetra maha biby antsika.
  • Io fifandraisana vatana-fanahy io dia mitovy amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny herinaratra sy ny orinasa miasa noho ny herinaratra. Raha tsy misy ny herinaratra dia varangamby tsinontsinona ny orinasa. Toy izany koa, rehefa mandao ny vatana ny fanahy noho ny fahatapahan'ny fifandraisana (toy ny aretina na fahafatesana) dia manjary nofo be sy taolana fotsiny, potipotika ao anaty tany isika. Maneho mazava tsara izany fa ny fisiana sy ny toetrantsika manokana dia miankina tanteraka amin'io fanahy io.
  • Maniky fotsiny ny fisian'ny lalàna sy ny hery voajanahary isika, ary izy ireo aza no heverintsika ho tompon'antoka amin'ny fiandohan'ny zava-miseho. Ankinintsika amin'ny lalànan'ny fitsimohana sy ny fitomboana mihatra tamin'ny voa ny fiovan'io voa kely io ho azo lehibe sy saro-drafitra, ary ny fifandanjana tsy hay ihoaran'izao tontolo izao amin'ny lalànan'ny fisarihana sy ny fifanosehana. Tsy fantantsika anefa ny finiavana, ny fahalalana, ny fahefana sy ny fahendrena tsy manam-petra ilain'ny fisian'ny tontolo sy ny fomba fiasany ary ny fifandanjany. Ilay izay manana ny finiavana, ny fahalalana, ny fahefana sy fahendrena tsy manam-petra, mampiasa zavatra mahery sy tsy hita maso (ny anjely) toy ny fitsofan'ny rivotra na toe-javatra hafa mahery noho ny hery hafa sy ny lalàna voajanahary no nampiodina azy ireny.
  • Ankoatra ireo manampahaizana ara-pivavahana, saika ny filozofa silamo sy ny filozofa tatsinana rehetra dia miara-manaiky ny fisian'ny anjely sy ny zava-panahy tanteraka. Omeny anarana samy hafa fotsiny izy ireny. Na dia ireo mpiandany amin'ny rasionalisma sy materialisma, ny sekolin'ny filozofa peripaterika aza dia mino ny fisian'ny anjely amin'ny fifotorana amin'ny hoe ny karazana rehetra dia manana ny maha izy azy ara-panahy sy tsy hita vatana. Ireo "Illuminé" koa dia manaiky ny fisian'ny anjely izay antsoiny hoe "manantsaina folo sy lehiben'ny karazana".

Ankoatra izany, ireo mpianatry ny fivavahan'Andriamanitra, nalaina avy an fanambaran'Andriamanitra rehetra dia mino fa misy anjely iray avy manaramaso ny karazam-pisiana isanisany ary arakaraky ny andraikiny no iantsoana azy: anjelin'ny tendrombohitra, anjelin'ny ranomasina, anjelin'ny orana, sy ny sisa… Na dia ireo natioralista sy materialista tsy mahita hafa tsy ny eo ambany masony aza dia manaiky ny fisiany anjely izay antsoiny hoe hery mifehy.[1]

  • Mampatsiahy ny fisian'ny anjely, ny fanahy, ny jiny sy ny satana ny Mpaminany miisa ho 124000 araka ny loharano ara-pivavahana azo antoka. Ny olo-masina sy manampahaizana ara-pivavahana rehetra dia miombon-kevitra amin'ny fisian'ny faritra tsy hita maso. Tsaratsara kokoa ny manampahaizana roa amin'ny taranja iray noho ny anapitrisany tsy manampahaizana manokana amin'izany.

Ankoatra izany, tsara ny mametra fa raha vao hamfisin'ny olona roa ny toe-javatra iray dia tsy misy lanjany ny fandavan'ny olona anarivony azy. Ny olon'ny finoana sy ny mpianatry ny finoana rehetra koa dia mankatoa ny fisian'ny zavatra toy izany.

Ny soratra masina rehetra dia mitatitra ny fisian'ny zavatra arapanahy sy ny fanahin'ny olombelona sy ny tantarani satana mbamin'ireo faniriandratsiny. Ry vahoaka, azo ahiahiana va ny CORAN sy ny vavolombelona sy ny traikefan'ny Mpaminany Mohammed?[2]

Ireo porofon'ny fahefan'Andriamanitra ao amin'ny CORAN, ny andraikitry ny Mpaminany sy ny faminanin'I Mohammed sy ireo Mpaminany hafa rehetra ihany koa dia manamafy ny fisian'ny faritra tsy azo tsapaintanana sy ny fisian'ny fanahy, ny anjely, ny jiny sy satana.

Ny lalana tsara indrindra sy mazava mba hametrahana ny fisian-javatra dia hazavain'ny finoana silamo, faritan'ny CORAN ary tsapan'ny Mpaminany mandritry ny fiakarany any andanitra. Manazava ny dikan'ny fisian'ny anjely ny CORAN amin'ny fomba tokony ahazoan'ny olona azy tsara. Raha atao amin'ny teny fohy dia milaza izy fa ny olombelona dia fiarahamonina natao hanatanteraka ny didin'Andriamanitra ary amin'ny tenin'Andriamanitra, ary ny anjely no vondrona ka ny "sokajy mpiasa" dia natao hanatanteraka ny lalan'Andriamanitra ao amin'ny voary avy amin'ny andraikitry ny sitrapon'Andriamanitra.

Izy no mpanompo ankasitrahin'Andriamanitra izay manao ny andidiana azy ireo rehetra. Ny fisian'ny anjely sy ny zava-panahy hafa dia azon'ny fisian'ny anjely iray hazavaina. Satria ny manda ny fisian'ny zavatra iray monja dia mitovy lanja amin'ny fandavana ny fisian'ny karazana manonttolo, ny manaiky ny fisian'ny zavatra iray dia mitarika ny fanekena ny fisian'ny karazana manontolo.

  • tamin'ireo mpianatry ny fivavahana dia tonga tamin'ny firaisan-kevitra fa misy mandrakariva ny olona mety ho voaron'ny anjely, na tsy nahita na oviana na oviana ny anjely aza ny olona na raha tsy niorina tamin'ny alalan'ny fandinihana ny fisian'izy ireo, nahoana no nisy ny finoana izay mianaka hatraiza hatraiza? raha tsy miorina amina porofo tsy azo lavina io finoana io, ahoana no ahafahany nahatonga antsika amin'ny fivoaran-kevitra, ny finoana sy ny fandiaana ny fotoana? Vokany, azotnsika faranana fa finoana ara-pivavahana ny fisian'ny zavatra toy izany dia miorina eo amin'ny traikefan'ny Mpaminany sy ny olo-masina. Ary izany dia notaterin'ny loharano azo antoka tamintsika.

[1] Said Nursi, The Words, «La Vingt-Neuvième Parole», trad., 2, Izmir, Turquie, Éd. Kaynak AS 1997, 196- 97.

[2] Dans tous les ouvrages où le Prophète Mohammed est mentionné, son nom et son titre sont suivis de l'expression «la paix et les bénédictions de Dieu soient sur lui», ceci afin de montrer notre respect pour lui et parce que cela constitue une obligation religieuse. Une expression similaire est employée pour les autres Prophètes, les Compagnons et d'autres illustres musulmans. Toutefois, une telle pratique étant susceptible de distraire les lecteurs non musulmans, nous avons jugé bon de ne pas faire apparaître ces expressions dans ce livre, en supposant qu'elles seront prononcées par le lecteur musulman et en assurant ne pas avoir voulu manquer de respect.