Ny Fahafatesana Sy Ny Fanahy Aorian'ny Fahafatesana

Ny olombelona rehetra dia manana fihetseham-po ny ho mandrakizay. Mahatsiaro voageja eto amin'ny faritra terin'ity tontolo ity sy mangetaheta mandrkariva hoan'ny mandrakizay izy. Na iza na iza mihaino ny maha isika antsika misaina dia mandre azy manonona matetika ny "mandrakizay". Na dia izao tontolo izao manontolo aza tsy mahatampina ny hetahetan'ny fiainana mandrakizay izay noforonina ho azy isika. Io fironana voajanahary amin'ny fahasambarana mandrakizay io dia avy amin'ny zava-misy tanteraka: ny fisian'ny fiainana mandrakizay sy ny fanirian'ny olombelona hahazo azy.

Ny fahafatesana sy ny Anjelin'ny fahafatesana

Mampiasa ny vatana hot oy ny fitaovana ny fanahy, izy no mitantara ny vatana sy mifehy azy tanteraka. Rehefa manakaiky ny ora farany, na inona na inona aretina na tsy fahombiazan'ny fiasan'ny vatana dia mitodika mankany amin'ny fanasan'I Azraela, arakanjelin'ny fahafatesana. Raha ny tena marina dia Andriamanitra no mamono ny olona. Mba tsy hiantefa aminy anefa ny fitarainana –satria tsy hahafaly ny olona maro ny fahafatesana- dia mampiasa an'I Azraela ho sakana mba handray ny fanahy niala Andriamanitra. Napetrany koa ny aretina mba hanelanelana an'I Azraela sy ny fahafatesana mba tys hiantefa aminy ny tsiny.

Toy ny Anjely rehetra dia natao toy ny hazavana I Azraela, mety ho hita hatraiza hatraiza izy ary amin'ny endrika maro indray miseho. Afa manatanteraka asa maro amin'ny fotoana mitovy ihany koa izy. Na dia ny masoandro aza afa manome hafanana sy hazavana ny zava-drehetra eto antany amin'ny fotoana tokana, ary tonga ao amin'ny vainga tantera-pahazavana iantefany, toy izany no ahafahan'I Azraela mandray mora foana nyf anahy anapitrisany amin'ny fotoana iray.

Na dia izany aza, ny arakanjely rehetra toandr'I Gabriely, Mikaela, Rafaely sy Azraela dia manana ireo mpanampy mitovy aminy ary eo ambany fifehezany. Amin'ny fahafaesan'ny olona mpino, miseho amin'izy ireo amin'ny endrika mamirapiratra sy mitsikitsiky ny Anjely. Aorian'izany dia tonga misarika ny fanahy amin'ny vatan'ny marina I Azraela sy ireo mpanampy azy voatokana ho amin'izany. Ity andininy ity: "Ireo izay mamongotra mafy! ary ireo izay mampiantrano ampahalefahana!" (79:1-2) dia manondro fa tsy mitovy amin'ireo anjely nanala ny fanahin'ny ratsy ireo anjely ireo. Satria raha esorina mafy ny fanahy dia hita eny amin'ny tavan'ny maty ny tahotra.

Amin'ny fotoanan'ny fahafatesana, ny mpino marina dia raisin'ny vodnrona manoro azy ny toerana izay oatokana ho azy any amparadia. Ny Mpaminany Mohammed dia nanambara fa ireo fanahy ireo dia alana amin'ny vatana moramora toy ny fikorianan'ny rano amin'ny siny. Mendrika ny toetran'ny maritiora izay tsy mahatsapa ny ngidin'ny fahafatesana ary tsy mahatsapa ny fahafatesan'izy ireo akory; mino mantsy fa nafindra any amin'ny tontolo mendrika igohany ny fahasambarana.nangataka tamin'I Jabir izay ny rainy, I Abd Allah ibn Jahih maty maritoira tamin'ny ady tao Ouhoud ny Mpaminany Mohammed hoe:

"Te-hilazako vaovao mahafaly va ianao sy lilazako ny fomba nataon'Andriamanitra? nandray azy tsy niteniteny taman'olona Andriamanitra fa tao ambadiky ny sakana. Hanangan-kovelona andrainao izy ary hiteny aminy hoe: "Ry andevoko! omelo anao ny fanirianao!"

  • Tompô ô! hoy ny navalin'ny rainao, velomy indray aho mba ho vonoina ho Anao indray.
  • Efa nomena ny teniko, hoy indray Andriamanitra, Azy ny fahalalana ny zava-drehetra ary lehibe, tsy averina intsony izy ireo (izany hoe ny voary aorian'ny fahafatesana)
  • Taorian'izany dia nambara tamiko ity andinin'ny CORAN ity: "Aza mino afa tsy izay lavo teny andalan'Andriamanitra. Velona tsara eo akaikin'Andriamanitra izy ireo, mahazo ny sakafony avy aminy" (3:169), hoy ny namaranan'ny Mpaminany azy.

Manipika ny maha zava-dehibe ny fivavahana voatondro (salât na namaz) ny Mpaminany Mohammed izay nidera an'Andriamanitra mihoatra ny rehetra na dia efa teo ambahoanan'ny fahafatesana aza. Nanao toy izany koa I Omar ilay kalifa faharoa. Alohan'ny ahafatesany I Khalid ibn Walid, iray tamin'ireo jeneraly tsy nety resy tao amin'ny tantaran'izao tontolo izao dia nangataka tamin'ireo izay teo akaikin'ny hitondra mankeo aminy ny sabany sy ny soavaliny. Ny olo-malazan'ny silamo toandr'I Othman (ilay kalifa fahatelo), Ali (kalifa fahefatra), Hamza sy Monsab ibn Oumayr dia nanokana ny fiainany hoan'ny silamo ary maty maritiora. Hoan'ireo mpikomy izay niaina tao anatin'ny fiparitahana dia maty izy ireo kanefa tao ampisakafoanana na nitokana tao antrano mifidy sy toeran-kafa maloto.

Tsy maintsy atahorana va ny fahafatesana?

Hoan'ny mpino izay nanao ny tsara, tsy zavatra atahorana ny fahafatesana. Na dia toa mitondra fahapotehana aza ny fahafatsana, mamono ny fahazavan'ny fiainana ary mandringana ny hafinaretana, maneho ny fanafahana Andriamanitra amin'ireo fahasahiranana sy andraikitra eto amin'ity fiainana ity izy. Fiovam-ponenana ny fahafatesana, fifindran'ny vatana, fanasana ho amin'ny fiainana mandrakizay sy fanombohan'io.

Izao tontolo izao dia velomin'ny fahariana mitohy sy ny fandinihana mialoha, izy koa dia tsy misy aina mitohy amin'ny alalan'ny tsingerim-pahariana hafa, ny fandinihana mialoha sy ny fahendrena. Ny fahafatesann'y zavamaniry izay maneho endrika tsotran'ny aina indrindra dia asan'Andriamanitra fa aza izany ny fiainany, tonga lafatra sy voavoatra tsara tokoa. Rehefa maty ao anaty tany ny voan-javatra dia toa potipotika sy lo. Raha ny tena marina anefa dia ianjadian'ny aratsimika tonga lafatra izy, mandalo amin'ny endrika sy fiofohana efa voadinika mialoha ary manjary hazo vaovao ary saro-drafitra avy eo. Ny fahafatesan'ny vonjavatra izany raha ny tena marina dia fanombohan'ny hazo vaovao; aina vaovao tonga lafatra sy voamboatra tsaratsara kokoa.

Ny fahafatesan'ny voankazo, ny anana sy ny hena ao amin'ny vavonintsika dia manandratra azy amin'ny laharan'ny ain'olombelona, koa amin'io heviny io ny fahafatesan'izy ireo dia ambony kokoa noho ny fahavelomany. Ny fahafatesan'ny zavamaniry dia tonga lafatra sy ilaina amina tanjona lehibe, ary satria isika no manana ny endri-piainana ambony indrindra ka tsy maintsy tonga lafatra indrindra koa ny fahafatesantsika ary tsy maintsy ilaina amina tanjona goavana?. Aorian'ny fandevenana atnsika dia hitsangan-kovelona tokoa ho amin'ny fiainam-baovao isika.

Manafaka antsika amin'ny fahasahiranana amin'ny fiainana eto amin'ity tontolo tery ity ny fahafatesana –fiainana misamboaravoara, manepotra, mitovy amin'ny trano figadrana tery izay manjary enta-mavesatra arakaraky ny maha antitra antsika sy arakaraky ny hifanenantsika amin'ny loza- sy mitondra antsika amina faribolana malalaka dia malalaka, amin'ny famindram-pon'ilay mandrakizay. Any isika no afa mianaka mandrakizay amin'ny fiarahana amin'ireo teo anilantsika sy ny hafinaretan'ny fiainan-tsambatra sy mandrakizay.