Ny Fanahy Ao Amin'ny Tontolo Manelanelana

Entina eo anatrehan'Andriamanitra ny fanayhy aorian'ny fahafatesana. Ny fanahin'ireo izay miaina tamin'ny finoana, ny hatsaram-po sy fahamarinana ary niha tsara nandritry ny fiainany dia voafono ao anaty zavatra toy ny landy ary entin'ny angely natao hitondra izany eo anatrehan'Andriamanitra. Eo ampitodnrana ny fanahin'ny olona iray tsara fo sy marina eo anatrehan'ny lanitra sy ny halebeazana anatin'ny fisiana, isak'izay dingana tsirairy lalovany dia mandray azy ny anjely ary manontany hoe: "An'iza io fanahy io? tsara tarehy izy!" Ampahafantarin'ny mpitondra ayz amin'ny alalan'ny zavatra tsara indrindra nandritry ny fiainany izy ka mamaly ny anjely hoe: "Ity fanahy ity dia, ohatra, an'ny mpivavaka, an'ny pifady hanina, an'ny mpanome fanomezana, an'ny mpanao ny tsara, ary an'ilay niharitra ny mafy rehetra noho ny fitiavany an'Andriamanitra". Farany, mandray azy Andriamanitra mahery indrindra ary miteny amin'ny anjely hoe: "Avereno any amin'ny fasana hilevenan'ny nofony izy mba ho anontanian'ny anjelin'ny fasana, I Moukara sy Nakira".

Ny ratsy rehetra mahazo antsika eto amin'ity tany ity dia noho ny fahotantsika. Raha mendrika ny mpino kanefa nanota indraindray dia avelan'Andriamanitra hiaram-boina amin'ny alalan'ny famindram-pony mba ho voadio amin'ny fahotany. Mety hataon'Andriamanitra miharitra mikorosofahana koa izy mba ho levona ireo fahotany mbola tsy voavela na mba ahafahany mahatratra laharana ambonimbony kokoa ara-panahy, aorian'izany anefa dia alaina moramora ny fanahiny. Raha mbola misy fahotana sasantsasany tsy voavela aorian'io dia tsy maintsy miharitra sazy vitsivitsy ao am-pasana izy ary ho afaka amin'ny lozan'ny afobe. Satria ny fasana no dingana voalohan'ny fiainana mandrakizay ka tsy maintsy mandalo ao avokoa ny olondrehetra afa tsy ny Mpaminany, mba hanontanian'ireo anjely roa voalaza ireo mikasika ny fiainany ary miharitra fangirifiriana lehibe na kely.

Araka ny taterin'ny bokin'ny hadita tena marina dia naniry mafy ny hahita an'I Omar ao anatin'ny nofy taorian'ny fahafatesany I Abbas, rahalahandrain'ny Mpaminany. Rehefa hitany izy enimbolana taty aorian'izany dia nanontaniany hoe: "Aiza ianao hatramin'izao?" Namaly I Omar hoe: "Aza tenenina ahy izany! Vao avy nitanisa ny asako aho izao".

Anisan'ny iray tamin'ireo mpanaradia lehibe ny Mpaminany I Saad ibn Monadh. Rehefa maty izy dia niteny tamin'ny irak'Andriamanitra toy izao ny arakanjely Gabriely: "Nanforohoro ny seza fiandrianan'Andriamanitra tamin'ny fahafatesan'I Saad" Anjely marobe no nanome voninahitra ny fandevenana azy. Na dia izany aza, taorian'ny fandevenana an'I Saad dia nitalao toy izao ny irak'Andriamanitra: "Voninahitra ho an'Andriamanitra! inona no hanjo ny hafa raha teren'ny fasana ny olona toandr'I Saad!"

Manontany tsirairay ny fanahy toy izao manaraka izao ao am-pasana I Monkara sy Nakira: "Iza no Tomponao? iza no Mpaminaninao? inona no finoanao?" sy fanontaniana maro hafa koa. Raha mpino ilay maty dia afaka mamaly ireo fanontaniana ireo fa raha tsy izany kosa dia tsy afaka. Avy eo izy ireo dia anontaniana mikasika ny asany tety ambonin'ny tany.

Ny fifandraisan'ny vatana sy fanahy dia samy hafa arakaraky ny tontolo nahitana azy. Eto amin'ity tontolo ity, mifadra ao anaty atana ny fanahy. Raha mifehy azy io ny izaho tsy mitandrina sy ny fanirian'ny nofo dia tsy azo ialana ny fahsimban'ny fanahy. Izay mampiasa finiavany araka ny fampianaran'Andriamanitra, mifehy ny izahony tsy mitandrina, manome sakafo ny fanahiny (amin'ny finoana, ny fiderana sy ny fitondratena tsara) ary tsy baikoin'ny fanirian'ny nofony dia tonga lafatra ny fanahiny, voadio ary omena toetra maha te-hidera. Hahitana ny hasambarana eto antany sy any andanitra io olona io.

Aorian'ny fahafatesana dia miandry ao amnt ontolo manelanelana ny fanahy, io toerana io dia eo anelanelan'ny tany sy ny any ankoatra. Na dia potipotika sy lo ao ampasana aza ny vatana dia mbola toy nyv aovao ihany ireo singa manana ny maha izy azy ao aminy. Antsoin'ny hadita hoe "ajadh-dhanab" (izay midika hoe "taolam-balo"). Tsy fantatsika na "Gènes na zavatra hafa ny "ajb adh-dhanab". Na inona io na inona dia ampiasain'ny fanahy mba hitohizan'ny fifandraisany amin'ny vatana satria io no fototra hananganan'Andriamanitra ho velona ny tsirairay avy. Velomin'Andriamanitra idnray io ampahany io sy ny sisa taela amin'ny vatana izay manana endrika ho toy ny fiainana mandrakizay. Hitranga izany mandritry ny famotehina sy ny fanorenana indray ny tontolo. Ny tontolo anelanelany dia faritra hatsapan'ny fanahy ny hasambaran'ny Paradisa na ny sazin'ny elo. Raha miaina tamim-pahamarinana isika, nanao asa tsara (toy ny fivavahana, fitanisana ny CORAN, fanaovana asa soa) dia hiseho toy ny mpanaradia maha te-ho tia. Hisokatra ny varavaran'ny lanitra ary araka ny voalazan'ny hadita dia ho toy ny zaridainan'ny Paradisa ny fasantsika. Mifanohitra amin'izany, raha mbola tsy voavela ny fahotantsika sasany dia miharitra sazy vitsivitsy ao amin'ny tontolo anelanelany mandrapahamendrika ny paradia aloha isika. Ireo tsy mpino nanjakan'ny fahotana dia mahita ireo asan-devoliny dia lasa namana ratsy sy biby mpanimba zavatra. Tsy maintsy hahita ny afobe izy ary ny fasany dia ho toy ny lavaky ny elo.

Mandritry ny fiainantsika eto antany dia ny fanahintsika no miharitra ny fangirifiriana sy mahatsapa hasambarana sy hafaliana. Na dia mahatsapa ny fangirifiriana aza ny fanahy, izay toa mandalo ao amin'ny lamin'atidoha ary mampiasa io lamina io mba hifaneraserana amin'ny faritry ny vatana dia mbola tsy azon'ny mpahay siansa mandrakariva ny fifamenoan'ny vatana sy ny fanahy, indrindra amin'ny atidoha. Ny fahavoazana kely ara-batana mahatonga ny fahafatesana dia mety hitarika ny tsy fihodinan'ny lamina ao amin'ny atidoha. Na dia izany aza dia manamarina ny siansa fa mbola misy selan'atidoha vitsivitsy miasa fotoana vitsy aorian'ny fahafaesana. Ny mpikaroka dia manandrana mandray famantarana amin'ireo sela ireo. Raha mahomby amin'izany sy mahafantra azy izy ireo dia mandroso sy mivoatra ny kriminolojia.? Manazava izany tsara ity andininy manaraka ity. Tamin'ny fotoanandron'I Moizy dia namelona olona novonoina iray izay nanondro ny namono azy Andriamanitra:

"Avy I Moizy tamin'ny vahoakany: "Marina, mandidy anareo hamono omby bay Andriamanitra". Novonoiny izany kanefa tsy nokasihiny. Tadidionareo ny vono olona izay nataonareo ary niseho fa tsy meloka avokoa ianareo tsirairay avy. Navandravandran'Andriamanitra anefa izay nafeninareo. Hoy izy tamintsika: "Kapohy amin'ny ampahany amin'ny omby vavy ilay niharamboina". Izany no nananganan'Andriamanitra ny maty ho velona sy hanehoany aminareo ny famantarana (avy amin'ny heriny) mba hisaina ianareo" (2:67, 71-73)

Satria miharitra sy mahatsapa ny fahsambarana ny fanahy, ary mampitoetra ny fifandraisany amin'ny vatana izy (mandalo amin'ny singa manana ny maha izy azy amin'ny vatana izay tsy mety lo) ao amin'ny tontolo manelanelana, tsy misy dikany ny miady hevitra raha ny fanahy ihany, ny vatana na izy roa no mahazo ny Paradisa na miharitra ny afobe.

Satria ny fanahy sy ny vatana dia miara-miaina eto antany sy mifampizara ny hafaliany sy ny fijaliany rehetra, noho izany Andriamanitra dia manangana ny vatana sy ny fanahin'ny olona miaraka. Nahatsapa I Aheas-Sounna Wal-Jamâa dia miara-mandeha any amparadisa na any amin'ny elo. Pmahary ny vatana indray amin'ny endrika manokana any ankoatra Andriamanitra, ho velona avokoa ny rehetra eny: "Kilalao sy fanalanandro fotsiny ihany ity fiainana eto ity. Ny fonenan'ny any ankoatra no azo antoka fa velona. Raha fantatr'izy ireo izany!" (29:64)

Mandre sy mihaino antiska ny fanahy izay ao amin'ny tontolo manelanelana raha omen'Andriamanitra alalana izy ireo. Aza mampijery ny olo-masina efa maty antiska izy, hihaino antsika sy hifanerasera amintsika amin'ny alalan'ny feo sasantsasany.

Tsy mikatona aorian'ny fahafatesana ny fanombanana ny asantsika. Raha namela zanaka marina isika, boky na sampandraharaha azon'ny hafa tovozina na raha nanabe na nanampy olona mitondra tombontsoa hoan'ny be sy ny maro, hitombo ny valisoantsika. Raha namela zava-dratsy anefa isika, hitombo hatrany sy maharitra ela ny fahotantsika arakaraka ny fitohizan'io ratsy io an fanimbana ny olona. Noho izany, raha te-hanampy ny havantsika maty isika dia tsy maintsy manatanteraka asa tsara: manampy ny mahantra, mandinika ny lalàna silamo, miaina amimpahamarinana, ary mandany harena mba hampivoarana nyf inoana silamo sy izay mahasoa ny mpino silamo sy ny zanak'olombelona amin'ny ankapobeny, hitombo ny valisoantsika.
Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.