Ny Fanahy Sy Ny Maha Izy Azy

Avy amin'ny tontolon'ny fandidian'Andriamanitra ny fanahy

Mbola misy tontolo maro hafa noho ireo sainintsika miaraka toy ny tontolon'ny zavamaniry, ny an'ny biby, ny an'ny olombelona sy ny jiny. Ny tontolontsika hita maso sy azo tsapaina dia mitodika amin'ny fandrenesantsika. Ny singa kely bitika ao amin'ny tangoron-kitana, io tontolo io no fanjakana izay nomen'Andriamanitra mahery indrindra aina, novolavolainy, avaoziny, manova ny zavatra sy mahatonga ny fiafarany. Io toe-javatra io no mahavariana ny siansa.

Ao ambadik'io tontolo hita maso sy azo tsapaina io no misy ny tontolo tsy hita mason'ny lalàna na ny didin'Andriamanitra. Mba hahatsapana misimisy kokoa io tontolo io, diniho hoe ahoana no nahariana ny boky sy ny hazo sy ny olombelona. Ny tena maha izy azy ny fisian'ny boky dia ny dikany. Raha mikasika ny hazo, ny maha izy azy ny aina sy ny lalàn'ny fitsimohana sy ny fitomboana izay nanetana ny voany hitsimoka kanefa any anaty tany sy mitombo mandrapahatongany ho hazo. Azontsika arahi-maso ny fitambaran'ny dingam-pitomboana. Raha tsy nisy io fototra sy lalàna tsy hita maso io dia tsy nisy zavamaniry.

Toy izany koa ny mikasika ny fandehanan'ny rà isambolana izay manomana ny tranon-jaza amin'ny fitsaihana. Fanisan'ny lalàna biolozika io dingana io. Iray ihany amin'ireo tsaika lahy anetsiny mankao amin'ny tranon-jaza no tafakambana amin'ny tsaika vavy ka mampamokatra azy. Aorian'izany dia misy lalàna hafa manao ny asany indray: tsy misy ny fikorianandra mandrapahateraky ny zaza. Ny fitomboan'ny tsaika sy ny fivoarany amin'ny dingana maro no tonga olona vaovao no maneho ny dingana faha telo sy mankamin'ny dingana hafa. ambara maza tsara ao amin'ny CORAN io dingana io:

"Nahary ny olombelona tamin'ny singan-tanimanga isika, avy eo nataontsika tamin'ny rano kely (tsaika lahy) tao anaty toerana fialan-tsasatra mafy. Avy eo napetatsika tamin'ny oditry ny tranon-jaza ilay zano kely; ary avy amin'izany no nazahoantsika tsaika; avy eo avy amin'io tsaika io no namoronantsika taolana ary notafiantsika nofo ny taolana. Avy eo novantsika ho voary hafa. voninahitra ho an'Andriamanitra, ilay Mpahary tonga lafatra! "(23/12-15)

Manambara ny CORAN fa tao anatin'ny saron'ny aizina telo io fivoarana io: "Novolavolaina tao ankibon-dreninareo ianareo, fahariana nifandimby to anatin'ny aizina telo… (39:6). Ireo sarona ao amin'ny aizina telo ireo dia ny ambanin'ny kibo, ny tranon-jaza sy ny fanaronan'ny oditra manify; ireo taharon'ny oditriny tsaika. Ambara matetika fa ahitana ireo dikany ireo olombelona andininy io.

Afaka manatsoaka lalàna amin'ny alalan'io fiverimberenana tsy miovan'ny fivoarana ao amin'ny voary io isika. Raha dinihina amin'ny fomba toy izany ny trangan-javatra manodidina antsika (voajanahary), dia manatsoa ny fisian'ny lalàna maro hafa isika, toy ny fifanosehana, ny fisintonana, ny fivainganana sy ny fientonan'ny rano.

Tahaka ireo lalàna ireo ihany koa, ny fanahy koa dia lalàna avy amin'ny tontolon'ny lalàna na lalàn'Andriamanitra. Amafisina ao amin'ny CORAN izany: "Lazao: Avy amin'ny didin'ny Tompoko ny fanahy" (17:85). Amin'ny lafiny iray anefa dia miavaka io lalàna (ny fanahy) io: lalàna velona sy misaina. Raha tsy manana aina ny fanahy na manantsaina dia tsy inona fa lalàna tsotra, nomena saina dia nanjary fanahy izy tsirairay avy.

Tsy afaka mamaritra na mahatsapa ny fanahy ny siansa. Ny vainga sy ny zava-drehetra ao amin'ny tontolo azo tsapaina anefa dia foronon'ny atomna, ary ny atoma dia mbola foronin'ny zavatra bitika dia bitika, ny fanahy kosa dia singa tsotra sy tsy misy fangarony. Tsy afaka mahita azy isika, tsapantsika amin'ny alalan'ny asany eto antany anefa ny fisiany. Na dia manaiky ny fisiany sy mahatsapa ny asany aza isika dia afaka mahafantatra ny maha izy azy. Na izany aza, ny tsy fahalalantsika toy izany dia tsy midika akory fa tsy misy izy.

Mahita amin'ny alalan'ny maso izay fitaovana hitsapantsika isika. Na dia ao amin'ny atidoha aza no ahitana ny ivontoerana fototry ny fahitana dia tsy mahita io. Tsy miteny ianareo hoe "Mahita ny atidohako" fa hoy ianareo hoe: "Mahita aho". Ny tsirairay no mahita, mandre sy mahatsapa. Iza anefa aloha io 'izaho" io? moa va izy zavatra ahitana atidoha, fo sy taova hafa sy ratsambatana? maninona isika no tsy afaka mifindra toerana intsony rehefa maty, ny taovantsika sy ny ratsambatana rehetra anefa mbola ao dia ao tokoa? ny fahadisoana na ny kilema izay miafara amin'ny tsy fifandraisan'ny milina sy ny herinaratra dia mahatonga ny orinasa manontolo ho simba, izay tena nanana ny lanjany sy namokatra be teo aloha. Azo ampitahaina amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny vatana sy ny fanahy va ny fifandraisana toa izany?

Rehefa tapaky ny fahafatesana ny roy mampifandray ny vatana sy ny fanahy dia manjary lasa zavatra tsy maintsy andosirana ny vatana alohan'ny tsy hanomboany ny ho lo sy ho potipotika.

Tsy mba herinaratra ny fahnahy fa zavatra misaina sy matanjaka, mianatra, misaina, mahatsapa sy mandinika. Matetika no mivoatra tsy ankijanona miaraka amin'ny fivoaran'ny vatantsika ny fanahy, ara-tsaina sy ara-panahy koa noho ny fianarana, ny fandinihana, ny finoana sy ny fiderana. Ny fanahy no mamaritra ny toetra, ny maha izy azy ny tsirairay. Io antony io no mampiavaka ny olona tsirairay avy na dia novolaolaina tamin'ny vainga sy singa mitovy aza izy ireo.

Ny fanahy no mibaiko ny fahafahantsika manao zavatra ao anaty

Araka ny voalazan'ny CORAN dia nomen'Andriamanitra ny toetra mamiavaka azy tsirairay avy ny voary "Manana hery ny mponin'ny tany sy ny lanitra ary mankamin'izay mampiverina azy (3:83); Omeo voninahitra ny Anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra, ilay mpahary sy mpandrindra (ny zava-drehetra), ilay nandidy (nanome endrika miavaka ny tsirairay sy lalàna arahina ary nandidy ny hiafarany) ary nitantana azy ireo" (87:1-3)

Izay rehetra misy ao amin'ny tontolo, hatramin'ny vatan'ny olombelona dia mihetsika araka ny toetra ambony nomen'Andriamanitra azy. Noho io antony io no ahitantsika ny hitsim-panapahan-kevitra ao amin'ny fiasan'ny tontolo. Ireo antsointsika hoe lalàna voajanahary dia tsy inona fa anarana omentsika ny toetra ambony nomen'Andriamanitra ny zavatra iray na ny voary fotsiny.

Tsy mba diso ny toetra ambonin'ny zavatra. Ohatra, satria nodidin'Andriamanitra hihodina manoloana ny tarany sy eo anoloan'ny masoandro ny tany dia mihodina toy izany foana izy. Ny voa iray dia mitovy amin'ny fombany amin'ny alalan'ny toetra amboniny ka miteny hoe: "Rehefa feno ny fepetra ilaina amin'ny fitomboako dia hitsimoka avy ao anaty tany aho ka hanjary zavamaniry", ary ataony izay lazainy. Ny rano indray dia manambara fa mivaingana amin'ny maripana 0°C ary lasa entona amin'ny 100°C, ary ataony izay lazainy.

Mitovy amin'izany koa ny feon'ny fiheritreretan'ny olombelona raha mbola mijanona ho tsy misy pentina, tys mandainga. Rehefa tsy fitahin'ny izaho ara-nofo na ny fiharetana izy dia mahatsapa lalina ny fisian'Andriamanitra ary mahita ny fiadanana amin'ny finoana azy sy ny fiderana azy. Ny fanahy izany no mitarika ny feon'ny fiheritreretantsika sy ny fahafahantsika manao zavatra hafa. mitady ny tontolo niaviany sy mangetaheta ny Mpahary azy izy. Raha tsy fitahin'ny fahotana izy dia tsy maintsy hahita ny Mpahary sy hahatratra ny fahasambarana marina.

Manam-pifandraisana lalaina amin'ny lasa sy ny ho avy ny fanahy

Tsy mahatsapa ny fotoana ny biby satria ny toetra ambony nomen'Andriamanitra azy ireo dia mamela azy hivelona amin'ny ankehitriny fotsiny, tsy mahatsapa fangirifiriana noho ny fiharetana ny afitsoky ny lasa na ahiahy amin'ny ho avy. Andaniny aloha dia tena ianjadian'ny fangirifiriana samy hafa sy ny fanahiana isika satria ny fanahintsika dia singa misaina sy mora toina. Tsy afa po amin'ity tontolo mahafaty sy mandalo ity ny fanahy (toy ny harena, ny toeran-boninahitra, ny fahafam-pon'ny faniriana) ary ny zava-bita sy ny fiharetantsika dia tsy mahafapo azy. Ny mifanohitra amin'izany, rehefa heverina ho tanjona na fitaovana hanomezana fahafaham-po ny izaho ara-nofo ireo zavatra ireo dia tsy manao hafa tsy ny mampitombo ny fahasorenana sy ny lozan'ny fanahy satria tsy mahita fiadanana raha tsy ao amin'ny finoana sy ny fiderana an'Andriamanitra ny fanahy.

Ny olona tsirairay avy dia mahatsapa faniriana ny mandrakizay. Tsy mety ho avy amin'ny halebeazana fizikan'ny fisiantsika io faniriana io satria ny fetezantsika ho faty dia manilika ny fihetseham-po sy ny faniriana ny mandrakizay. Avy any amin'ny fahalebeazana mandrakizain'ny fisiantsika noho izany io faniriana ny mandrakizay io, any no fonenan'ny fanahintsika. Manosika antsika hitaraina toy izao ny fanahintsika noho izany: "Marina fa mandalo aho kanefa tsy maniry ny zava-mandalo. Marina, osa aho kanefa tsy maniry ny zavatra osa. Ny iriko dia namana mandrakizay (tsy mandao na oviana na oviana) ary izay mampangetaheta ahy dia tontolo mandrakizay".

Mila ny vatantsika ny fanahy eto amin'ity tontolo ity

Ny fanahy izay singa tsy misy fangarony dia avy amin'ny tontolon'ny didin'Andriamanitra, tsy maintsy mampiasa fitaovana azo tsapaintanana mba ahafahany miasa sy miseho eto amin'ity tontolo ity. Toy izany koa, tsy afaka mifandray mivantana amin'ny tontolon'ny famantarana endrika tsy azo tsapaintanana ny vatana noho izany tsy afaka hifandray amin'ity tontolo ity ny fanahy raha tsy amin'ny fanelanelanan'ny fo, ny atidoha na ny taova hafa sy ny ratsamatan'ny olombelona. Miasa amin'ny alalan'ny lalandrà ny fanahy, ny sela sy ny singa hafa. vokany, raha tsy miasa tsara araka ny tokony ho izy ny lamina sy ny taova ao amin'ny vatantsika dia tapaka io fifandraisany amin'ny fanahy io ary tsy afaka mibaiko azy io. Raha avy amin'ny aretina io fahatapahana manapaka tanteraka ny fifandraisana eo amin'ny fanahy sy ny vatana manontolo io, io no antsointsika hoe fahatongavan'ny fahafatesana. Na dia mitranga noho ny fahtairan'ny faritra sasany ao amin'ny atidoha aza ny fihetsika kely tsy misy dikany amin'ny tanana sy ny ratsambatana, io fihetsehana io dia mifangaro sy tsy misy heviny toy ny feo avoakan'ny piano kisendrasendra. Valiny ara-atana mandeha ho azy vokatry ny fahatairana io fihetsehana io, ary vokatry ny fiasan'ny vatana mandeha ho azy. Vokany, mila ny fanahy ny vatana, fanahy manantsaina sy manam-pahafahana mba hamokatra fihetsehana misy dikany.

Na dia nanolotra hevitra maro mikasika ny fanazavana ny nofy aza ny psikanalista toandr'I Freud dia tsy ny nofy ihany no vokatry ny asa mifangaron'ny saitnsika tsy tsaroana. Maro ny olona no tanteraka ny nofiny. Fikarohana siantifika na teknolofika maro no vokatry ny nofy marina. Araka izay hohitantsika ao aoriana ao dia manondro ny fisian'ny zavatra sasany ao amintsika ny nofy izay afaka mahita zavatra maro amin'ny fomba hafa mandritry ny torimasontsika. Ny fanahy io zavatra io.

Na dia mahita miaraka amin'ny masontsika, mandre fofona miaraka amin'ny orontsika sy mandre feo miaraka amin'ny sofintsika aza ny fanahy dia maro koa ireo olona izay mahita amin'ny fomba hafa amin'ny alalan'ny rantsany na ny orony sy mahatsapa amin'ny voditongony.

Miseho indrindra any amin'ny endritsika ny fanahy

Varavarana lehibe izay misokatra amin'ny tontolontsika ety ivelany ny endritsika satria ny maneho ny toetrantsika ny firafiny. Manamafy ny prikology fa ny fihetsehana ataontsika rehetra, hatramin'ny fomba fikasihantsika zavatra aza dia mampibariary ny toetrantsika. Ny fahafahan'ny endrika maneho ny toetran'ny olona sy ny maha izy azy dia miteraka ny fisehoan'ny fahfahana mamantatra ny toetrany amin'ny fandinihana ny endriny. Ny fanahy no mamaritra ireo toetra ireo.

Miova tsy ankijanona ny selan'ny vatantsika. Sela anapitrisany no maty isan'andro ary misolo vaovao. Ny mpahay biolojia dia manamafy fa miova isaky ny enimbolana ny selan'ny vatana manontolo. Raha tsy misy io vihavaozana mitohy io dia tsy miova ihany koa ny toetra. Na izany aza dia afaka manavaka ny olona amin'ny alalan'ny soritrendriny sy amin'ny alalan'ny diantanany isika. Miova ny selan'ny ratsatanana aorian'ny fihavaozan'ny sela na amin'ny alalan'ny ratra fa tsy miova kosa ny diany. Ny toetra manokan'ny fanahin'ny tsirairay no miteraka ny tsy fiovana amin'ireo toetra manavaka ireo.

Mampiavaka antsika ny fanahintsika

Miharitra fiovana mitohy mandritry ny fisiany ny vatantsika. Io fiovana io no miteraka ny fitomboana sy ny fivelaran'ny vatana hanjary mafy sy tonga lafatra miandalana. Tonga avy eo ny fotoana hitsaharan'io fitomboana io ary manomboka eo ny fahosana. Mifanohitra amin'ny vatantsika, afaka miroso na mihemotra amin'ny lafiny arapanahy sy ara-tsaina isika, na ihany koa afaka miova zotra amin'ny firosoana na fihemorana. Tsy miankina amin'ny fiovan'ny vatantsika ny fanabeazantsika ara-panahy sy ara-moraly.

Fanampiny, ny fahsamihafantsika ara-moraly, ara-tsaina sy ara-panahy dia tsy misy hifandraisany amin'ny rafitra ara-batana. Na dia novolavolaina ara-batana tamin'ny singa mitovy aza isika dia samy hafa ara-moraly sy ara-tsaina. Iza amin'ny faribatan'ny olombelona no mandray io fanabeazana ara-tsaina sy ara-moraly io, ary iza no foronina ho vatana fotsiny? moa va misy hifandraisany amin'ny fianarana na ny fanabeazana ny saina sy ny moraly ny fiforonana ara-batana, ny endriky ny vatana? ny olona manambatana mivelatra tsara va manatsaina sy ambony moraly kokoa noho ny hafa?

Raha tsy misy fiantraikany aminy faripahatakarana siantifikantsika, moraly sy ara-tsaina ny fivelarana ara-batana, nahoana no tsy ekena ny fisian'ny fanahy? ahoana no ahafahantsika manome andraikitra ny dingana biosimikan'ny atidoha amin'ny fianarana sy ny fanabeazana moraly sy ara-tsaina? malakilaki kokoa va io dingana io ao amin'ny zavatra sasany? moa va ny sasany manan-tsaina kokoa noho ny hafa satria manana dingana malakilaky kokoa sa malakilaky kokoa ny dingan'izy ireo satria izy miahnatra ary nanjary nanatsaina kokoa? inona no fifandraisana ananan'izy ireo amin'ny fanabeazana antsika sy ny fivelaran'ny fanahy sy moraly? ahoana no hanazavana ny fahazamihafana ateraky ny fiankohofana eo amin'ny endrika? maninona ny endriky ny mpino no manjelatra kokoa noho ny an'ny tsy mpino? tsy dia misy vokany manao ahoana loatra eo amin'ny toetrantsika ny fiovantsika ara-batana, na koa eo amin'ny moraly sy ny fisainana. Ahoana no ahafahantsika manazava izany amin'ny fomba hafa raha tsy ekena ny fisian'ny fanahy ary izy no ivon'ny fisainana sy ny fihetseham-po, ny safidy sy ny fanapahan-kevitra, ny fianarana sy ny fiforonan-kevitra, ary izy no mamaritra ny fahasamihafan'ny toetra?

Mahatsapa, mino na mandà ny fanahintsika

Manana fihetseham-po maro saro-drafitra toy ny fitiavana, ny fialonana, ny hafaliana sy ny alahelo, ny fanantenana sy ny fahakiviana, ny faniriana sy ny faminavinana, ny fahafaham-po sy ny fahsorenana sy ny sisa ny olombelona. Tia isika ary tsy tia, mankahala sy mankasitraka, mahatsapa ny tahotra sy ny fankahakana sy ny herim-po mbamin'ny hafanam-po. Mifona isika ary maniry ny karazan-javatra maro. Raha mijery ao amin'ny firaketana isika dia mahita voambolana anjatonjatony maneho ny fihetseham-pon'ny olombelona. Ankoatr'izany ny tsirairay dia mahatsapa ny fihetseham-pony amin'ny fomba samy hafa na mitovitovy. Afaka mandinika ireo zavatra mitranga manodidina antsika isika, amin'ny hatsarantarehin'ny voary, mivelatra amin'ny fianarana isika, mampitaha sy mampiasa saina ary mino ny Mpahary ny zava-drehetra. Ny midera azy sy manaiky ireo didiny dia mahasambatra antsika ara-moraly sy ara-panahy mandrapahatrarantsika ny fahatomombanana. Ahoana no ahafahantsika manazava izany toe-javatra izany raha tsy manaiky isika fa manam-panahy manatsaina ny tsirairay? azontsika ankinina amin'ny dingana simikan'ny atidoha va izany?

Tsy vatana be fotsiny ihany va isika?

Raha tsy inona isika fa vatana mifangaro rà sy taolana, nofo sy sela ary raha ankinintsika amin'ny dingana biosimikan'ny atidoha ny fihetsehana ataontsika, maninona isika no manaiky ny lalàna? efa nambarantsika tery aloha fa miova isaky ny enim-bolana ny vatantsika manontolo. Raha notsaraina tamin'ny vono olona nataontsika herintaona lasa isika moa tsy lojika va ity resaka manaraka ity araka ny zohin-kevitra tery aloha?

  • ny mpitsara: oviana no nanaovanao ny heloka?
  • ny voampanga: tamin'ny taona lasa.

Namoaka izao didim-pitsarana manaraka izao noho izany ny mpitsara:"Satria ny heloka dia efa herintsaona no nanaovana azy ary ny selan'ny voampanga, anisan'izany ny an'ny tanana nampiasainy mba hitifirana ilay niharan-doza dia efa nihavao tanteraka ary tsy azo helohina noho izany ilay tena nanao heloka marina, niala tamin'ny meloka ny tsaraina".

Nahoana ny olona iray no ho vatana e fotsiny ihany? ny fihetsiny, ireo fihetseham-pony, ny fisainany, ny finoany sy ny fanapahakeviny va mety ho vokatry ny dingana biosimikan'ny atidoha? tsy azo antoka ny hevitra toy izany. Ny tena zavatra manandanja amintsika dia ny fanahintsika velona sy misaina. Mahatsapa izy, mihevitra, maniry, manapakevitra ary mampiasa ny vatana handray fanapahan-kevitra.

Ny fanahy no fototry ny ain'ny olombelona

Miasa eto amin'ity tontolo ity amin'ny alalan'ny anton-javatra Andriamanitra. Na dia izany aza, misy tontolo hafa maro na faritra: ny tontolon'ny hevitra, ny an'ny famantarana na ireo endrika tsy azo tsapain-tanana, ny an'ny faritra ao anatin'ny zavatra, sy ny an'ny fanahy izay iasan'Andriamanitra mivantana sy tsy ahitana vainga sy anton-javatra. Nampidirina mivantana ao amin'ny tsaika ny fanahy ary manjary fisehoan'ny Anaran'Andriamanitra mivantana, ilay velona, ary maneho ny fototry ny ain'ny olombelona. Toy ny lalàna voajanahary izay avy amin'ny tontolon'ny fanahy, tsy hita maso izy io fa fantatra amin'ny alalan'ny fiasany.

Novolavolaina ma hanatsara ny aina ny vainga eto amin'ity tontolo ity. Na toy inona na toy inona haeny, ny vatana tsy manana aina toy ny tendrombohitra dia mitokana, miandry fotsiny sy tsy mihetsika. Ny aina anefa dia mamela ny tantely kely dia kely hifandray amin'ny tontolo rehetra ary afaka miteny izy hoe: « Zaridainako ity tany ity, ary mpiara-miombona antoka amiko ny voninkazo". Arakaraky ny maha kely ny vainga no mampavitrika azy, matanjaka sy mahavariana ny ainy. Ampitahao amin'ny tantely na ny lalitra na ny mikraoba madinika ny elefanta. Ny fahavitrihan'ny vainga dia mifandanja amin'ny hatsaran'ny vainga. Ohatra, manokatra afo sy arina ny hazo rehefa mirehitra ary lasa entona ny rano rehefa mafana. Hita ao anatin'ny faritry ny atoma sy ambanin'ny atoma ny herinaratra. Tsy afaka mahita izany isika kanefa tsapantsika amin'ny alalan'ny asany ny fisiany sy ny heriny.

Tsy voafaritra fotsiny amin'ity tontolo ity noho izany ny fisiana; azontsika lazaina fa ny faritra hita ivelany fotsiny ity tontolo ity, miovaova sy tafatombina. Ao ivohony ao ny faritra madio sy tsy hita maso izay mampiasa ny vainga mba ho hita maso sy fantatra. Satria anisan'io halebeazana io ny fanahy ka noho izany dia madio sy tsy hita vatana.

Ny hevitra manaporofo ny fisian'ny fanahy dia manamafy ny fisian'ny Mpahary ihany koa. Ireto manaraka ireto ireo hevitra ireo:

  • toy ny vatantika izay novolavolain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny singa simika, mila ny fanahy mba hifikirany, izao tontolo izao (sy izay rehetra ao aminy) dia mila an'Andriamanitra mba hampisy azy, hampijoro sy hitondra azy.
  • Manana fanahy iray avy izay mamela azy ho velona sy hitarika azy ny vatana tsirairay. Noho izany tsy maintsy manana Tompo iray izy, tsy misy fangarony, mba hahary sy hitarika izao tontolo izao. Raha tsy izany dia tsy azo ialana ny korontana sy ny fifangaroana.
  • Tsy voafaritra ny toerana misy ny fanahy manokana ao amin'ny vatana, ary tahaky ny trangan'ny nofy no hitohizan'ny fifandraisany aminy amin'ny alalan'ny fatorana miavaka mifamatotra amin'ny vatana. Toy izany koa no tsy ahitana an'Andriamanitra ao amin'ny fotoana sy ny haaka. Hita hatraiza hatraiza izy, tsy voafetra ny toerana misy azy, ny fanahy anefa hita ao anaty vatana ary ao amin'ny fotoana sy ny habaka.
  • Tsy misy afa tsy masoandro iray ihany, ary lavitra dia lavitra azy ny tany. Na izany aza dia tonga hatraiza hatraiza amin'ny alalan'ny hafanany ny masoandro, ary afaka miseho ao anatin'ny zavatra tatera-pahazavana rehetra amin'ny alalan'ny tarany izy. Noho izany dia afaka milaza isika fa akaiky kokoa ny zavatra ny masoandro. Manana fifandraisana mitovy amin'izany amin'ny vatana ny fanahy, amin'ireo selany rehetra ihany koa. Io fampîtoviana io dia mety hanampy antsika hahatsapa ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny fisiana. Mandidy sy mitarika ny zava-drehetra amin'ny fotoana iray ho toyny zavatra tokana izy, ary na dia lavitra antsika tanteraka aza Izy dia manakaiky antsika.
  • Tsy hita maso ny fanahy ary tsy fantatra ny toetrany. Toy izany koa no tsy ahafahantsika maminavina na misambotra ny tena maha Andriamanitra an'Andriamanitra araka ny maha izy azy tanteraka satria tsy mety ho azo takarina izy io. Toy ny fanahy, Andriamanitra mahery indrindra ihany koa dia fantatra amin'ny alalan'ny fisehony sy ny Anarany, amin'ny asany sy ny maha izy azy.

Manana ny fonony manokana ny fanahintsika

Rehefa mandao ny vatana ny fanahy aorian'ny fahafaesana, dia mitahiry io fonony izay toy ny ilam-batana io. Manana anarna maro izy io: fonon'ny hazavana, tandindona madion'ny olona, vatana faharoa, vatana astraly, olona faharoa na avelo.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.