Ny Fanova-Maso Sy Ny Famposaviana

Misy olona sasany tsy mino ny fanova-maso sy ny famposaviana, na tsy mino ny zavatra tsy azo tsapaintanana izy ireo na heveriny fa mifamatotra amin'ny fivavahana izy ireny, na tsy tonga ao antsainy ny fisian'ny zavatra tsy hita maso any ankoatry ny zavatra azo tsapaintanana. Hoy ny lehilahy iray tokony ho 50 taona tamiko:

«Tsy mino ny fanova-maso sy ny famosaviana aho raha tsy nitranga ity toe-javatra ity tamin'ny taon-dasa. Narary saina ny ray amandreny akaiky ahy iray. Nandritry ny delirany dia nihinjitsindritra izy ary nivontirika ny masony. Tsy afaka nanao na inona na inona ny dokotera nalehanay. Farany izahay nandeha tany amin'ny ombiasy izahay. Rehefa niverina izahay dia nanontany tamim-peo ara-dalana ny marary: aiza aho? fa maninona aho? sitrana izy. Hatramin'io andro io no ninoako ny fampisaviana.»

Matetika isika no maheno na mahita trangam-pamposaviana. Nanambara ny Mpaminany fa ny fahafahana manao ratsy dia zavatra tsy azo lavina ary nanampy izy fa zava-misy tsy azo lavina koa ny famposaviana. Manambara ny famposaviana [manameloka azy mafy] ny CORAN sy ireo miteraka fisaraham-panamadiana. Amin'ny finoana silamo dia fahotana ratsy noho ny tsy finoana ny fanova-maso sy ny famposaviana.

Na dia tsara aza ny fanatonana ombiasy, nisy vokany tsara, zavatra mendripiderana dia tsy azo ampiasaina mandrakariva sy tsy atao antondraharaha. Marina fa nifanojo tamin'ny jiny ny Mpaminanintsika, nampianatra azy ireo ny finoana silamo sy nandray ny lokalokampiaraha-miasany kanefa kosa tys nianatra ny hifampikasokasoka aminy. Ny mifanohitra amin'izany, nasehony tamintsika ny fomba mety ahafahan'ny jiny manatona antsika sy mitady hifehy antsika, mampianatra antsika ny fomba hiaroan-tena aminy sy ny ratsy avy aminy izy sy handositra ny fanaovan-dratsy.

Ny fomba tsara indrindra hiarovan-tena amin'ny fanahy ratsy dia ny fananana fahamendrehana manoloana an'Andriamanitra sy ny Mpaminany. Mitaky fampiharana antsakany sy andavany ny finoana silamo izany. Fanampiny, tsy azontsika tsinontsinoavina ny fivavahantsika satria ny vavaka dia fitaovam-piadiana miaro antsika amin'ny loza sy ny fandrobana azy manampy hanatrarana ny tanjontsika.

Ny fivavahana

Ny mivavaka dia tsy midika ho fanaovana ambanin-javatra ireo fitaovana azo tsapaina natao hanatrarana ny tanjontsika. Ny mifanohitra amin'izany, ny fampiasana ireo fitaoana ireo koa dia efa fivavahana. Azo zaraina sokajy 4 ny fivavahana. Voalohany, ny fivavahana atolotr'izao tontolo izao eo antokotanin'Andriamanitra. Ohatra, ny biby sy ny zavamaniry dia mivavaka amin'ny fiteniny manokana mba hananany endrika feno sy hanehoany ny anaran'Andriamanitra. Faharoa, ny fivavahana ambara ao amin'ny fitenin'ny filana voajanahary. Mivavaka amin'Andriamanitra ny voary rehetra, ilay mahafoy tanteraka, mba ahazoany ireo zavatra tsy maintsy ilainy mba hahafapo azy. Fahatelo, ny fivavahana atao amin'ny filana mampiahiahy. Rehefa tratry ny fahasorenana ny zavamananaina dia mitady fialofana eo akaikin'ny Mpiaro azy tsy hita maso amin'ny alalan'ny fivavahana mendrika. Mitodi-doha mankany amin'ny Tompony mpamindra fo izy ireo. Raha tsy misy vato misakana dia ekena avokoa ireo vavaka 3 ireo.

Misy fahefatra izay tena fantatra indrindra dia ny antsika. Mbola mizara roa koa io: fivavahana mafy araka izay tratra sy ny fivavahana ambava atao amin'ny fo. Ohatra, ny manao zavatra araka ny fotokevitry ny anton-javatra dia fivavahana araka izay tratra.

Am fanangonana ireo anton-javatra ilaina mba hahazoana vokatra dia tsy manao afa tsy ny fanandramana ny hahazoana ny fankatoavan'Andriamanitra isika satria izy ihany no afaka mampisy vokatra. Ny miasa tany ohatra dia fivavahana araka izay tratra izay midika ho fandondonana ny varavaran'ny tahiri'nny taharonjavatra avy amin'Andriamanitra. Toy izany koa, ny mankany amin'ny dokotera dia fivavahana araka izay tratra izay mikendry ny hahasitrana. Io antony io no tsy maintsy hitsaboana ny mpino rehefa marary izy ireo. Amin'ny aretin-tsaina kosa dia tsara kokoa ny fizahan'ny psisiatra mpino. Maro amin'ireo toejavatra ireo no tsy vokatry ny anton-javatra azo tsapain-tanana ary ny fitsaboana (ara-batana) dia tsy mahasitrana azy. Ekena koa io fivavahana io matetika satria fampiharana mivantana ny anarana mahafoy tanteraka.

Ny sokajy hafa dia ny fivavahana mahazatra miloatra avy ao am-po sy tononin'ny lela. Mifototra indrindra amin'ny fangatahana amin'ny fotnsika izay tsy takatry ny fahefantsika io. Ny endrika mananana ny lanjany indrindra amin'io fivavahana io, ny tanjony ambony indrindra sy ny vokany tsara dia ny fahafantaran'ny mpangataka fa misy mandre ny zava-drehetra ao ampny, izay mahenika ny zavatra rehetra ary afaka mamonjy azy amimpamindram-po noho ny fahalemeny sy ny fahantrany.

Endrika isehoan'ny fiderana ny fivavahana ary ny fiderana dia misy vokany hatrany ankoatra. Izany no antony tsy hilazantsika fa tsy nivaly ny vavaka natao raha tsy mahazo valiny ety antany. Zavatra hafa ny "mamaly vavaka" ary hafa koa ny "manaiky" azy. Misy valiny ny vavaka tsirairay avy, fa miankina amin'ny fahendren'Andriamanitra kosa ny fanekena azy ireo. Saino kely ny zaza marary mangataka fanomezan-dalana hanome fanafody aminy dokoterany. Mety hanome ara-dalana izay angatahiny tokoa ny dokotera fa mety hanome azy zavatra hafa ihany koa na tsy hanome na inona na inona raha fantany fa hanimba ny fahasalaman'ilay zaza ny fanafody rehetra.

Tsy izany no hamalian'Andriamanitra mahery indrindra, mahita ny zava-drehetra ireo fitarainan'ny mpanompony. Ovany ho hafaliana amin'ny fiarahana aminy ny fahkiviana irery. Na dia iznay aza dia tsy baikoin'ny faniriana sy ny haitraitran'ny olombelona ny valiny omeny ny fivavahana. Miankina amin'ny fahendreny ny valiny, arak'izany no hanomezany izay nangatahana, na tsaratsara kokoa, na tsy misy. Noho izany, mamaly vavaka antsika mandrakariva Andriamanitra. Ary na inona miseho na inona dia tsy mahazo mitsahatra mivavaka isika.

Na dia isika ihany aza no mivavaka ho antsika dia tsy maintsy mangataka ireo akaikin'Andriamanitra hivavaka ho antsika koa isika. Ny mpanaradia ny Mpaminany dia mangataka azy hivavaka ho azy ireo indraindray. Mitatitra ao amin'ny Oumm Hani I Ibn Hantabl, Abou Dawoud sy at-Tabari fa mikasika zaza marary iray ny Mpaminany ary niteny: "Mivoaha ry fahavalon'Andriamanitra" Avy eo nanasa ny tavany izy sy nivavaka ho azy ary taorian'izay dia sitrana ilay zaza. Misy toe-javatra toy izany koa tanterina ao amin'ny Baiboly. Fantatra fa afaka nanasitrana marary noho ny famelan'Andriamanitra sy ny heriny I Jesoa.

Alaviro ny mpanao ody ratsy

Misy mankany amin'ny mpanao ody ratsy kanefa vitsy amin'izy ireny no tena mahay misambotra fanahy ratsy. Tsy azo atao ny zavatra toy ireny satria mpamitaka ny ankamaroan'ny mpanao ody ratsy.

Ny mpanao ody ratsy malina ihany koa dia tsy maintsy mitandrina amin'ny fivavahany, tsy manonta ary olo-mendrika sy mahay tsara izany. Misy ny marary sasany dia sitran'ny mpanao ody ratsy. Mino ny fandrebirebena voasoratra koa izy ireo sy ny karazan-dravaka izay asaina apetany amin'ny vatany. Nanambara ny Irak'Andriamanitra fa hametraka olona 70000 any amparadisa Andriamanitra kanefa tsy hiharitra ny fitsarana sy ny sazy izy ireo.

Ireo dia izay olona tsy mitondra firavaka, tsy mpijangajanga ary miankina tanteraka amin'Andriamanitra.

Mankanesa any amin'ny psykiatra mpino

Ny mpino dia tsy mahazo manatona psykiatra sy dokotera voafetran'ny zavatra azo tsapaintanana. Ny psikiatra materialista izay tsy mino ny fanahy sy zava-panahy dia mety hanorohevitra ny marariny miaritra fanaintainana ara-panahy na idiran'ny fanahy ratsy hanolotena amin'ny hafinaretana sy ny fanalana andro. Toy ny manaro hevitra olona matinketaheta hisotro ranon-tsira izany.

Fitanisana vavaka manokana

Manambara vavaka manokana izay tsy maitnsy tanisaina mba hiarovan-tena amin'ny fanahy ratsy ny Irak'Andriamanitra, hiarovana amin'i Satana sy ny jiny hafa tsy mpino. Ny andininy ao amin'ny seza fiandrianana (2:255) dia anisan'ireo vavaka ireo: «Raha manosika anao ho amin'ny ratsy i Satana dia mitadiava fialofana eo akaikin'Andriamanitra (41:36) izany hoe: «Mitady ny fiarovan'Andriamanitra amin'i Satana aho, ilay voaozona» (aûdhu ikâhi min'ach-chaytsni ar-radjîm).

Araka ny voalazan'i Aïcha ranin'ny mpino, vadin'ny Mpaminany dia nitanisa ny sorata Al-Falaq sy An-Nâs intelo isa-maraina sy isakariva avy mitsoka ny ato-tanany sy misafo ny vatany aminy ny Mpaminany (Boukhari, ad-Daawâtt, ii). Tanisainy intelo isakariva sy maraina ihany koa ny vavaka ao amin'ity hadita ity: «Isaky ny mamerina intelo misesy isanandro amin'ny maraina sy hariva ity vavaka ity ny olona dia tsy misy afaka manao ratsy azy: «Amin'ny anaran'Andriamanitra izay manala ny ratsy rehetra eto anatany sy any andanitra ny anarany, ary Izy ilay mandre sy hendry indrindra» (Abou Dawoud sy Tormidhi). Tokony ho tanisaina io vavaka io sy ity manaraka ity mba hiarovana amin'ny paralizia: «Mitady fialofana eo akaikin'ny tenin'Andriamanitra rehetra manohitra ny Demony manontolo, ny biby manimba sy ny asan'ny maizina aho».

Ny Imam Ghazali dia manorohevitra antsika hiaro tena amin'ny fanahy ratsy, ny fandrebirebena sy ny fanahy maloto amin'ny fitanisana hoe: «Amin'ny anaran'Andriamanitra, ilay be indrafo sy miantra!» (Bismillahi ar-Rahmân ar-Rahîm) indray mandeha, «Andriamanitra dia lehibe indrindra!» (Allah oy Akbar) im-polo, ary: «Tsy mahomby ny mpanao fanova-maso, any amin'izay alehany» (20:69), ary, manohitra ny fanahy ratsin'izay miaina amin'ny vona» (113:4) Imam iray hafa koa no mandidy antsika ny fitanisana ireo andininy 2 ireo in-19 aorian'ny fitelomana zavapisotro indray mandeha isanisany. Tsy azo adinoina fa ireo vavaka ireo dia tsy maintsy tanisaina amin'ny endriny hatrany ampiandohana, izany hoe amin'ny teny arabo.

Fanamarihana: Hevitra hafa mikasika ny tontolo tsy hita maso.

Ny mpahay siansa dia mametra ny fotokebitry ny aina amin'ny fepetra izay misy ambony sy ambanin'ny tany. Vokany, rehefa mikaroka ny fiainana ivelan'ny tany izy dia mitady azy io toy izany na manakaiky ny fiainana anatany koa. Raha nahomby amin'izany izy dia tsy manda ireo endrika sy fepetran'ny fiainana izay mbola tsy takatry ny fandrenesany ankehitriny. Araka ny hevitr'izy ireo dia tsy mendrika fankatoavana ny hevitr'I Said Noursi mba hanaporofoana ny fisian'ny anjely sy ny zava-panahy hafa. na izany, aza, ny fikarohana vao hainga arabiolojia ambany ranomasina dia mety handresy lahatra azy ireo hankatoa ireo hevitra ireo. Nosoratan'I Said Nursi izay manaraka ny taona 1930:

"Ny zava-misy sy ny fahendrena ao amin'ny tontolo dia mitaky fa ny lanitra sy ny tany dia honenan'ny zavatra misaina izay madio amin'izy ireo. Antsoina hoe anjely ireo mponiny maro samy hafa ary zava-panahy ao amin'ny fiteny ara-pivavahana.

Marina fa ny zava-misy dia mitaky ny fisian'ny anjely sy ny zava-panahy hafa satria ny tany na dia tsy misy dikany raha oharina amin'ny lanitra aza dia misaina hatrany ny zavatra ao aminy (noho ny fahaterahana sy ny fahafatesana). Manondro mazava izany fa ny lanitra dia feno zava-mananaina izay maneho ny sokahy tonga lafatra amin'ireo voary. Misaina sy nomena fahaiza-mitsapa ireo zavatra ireo. Izy ireo no fahazavan'ny fisiana. Anjely ireo izay manara-maso ny lapaben'ny tontolon'ny voary, namakafaka ny bokin'ny tontolo ary olomangan'ny Fanjakan'ny Tompony, tahaka ny olombelona sy ny jiny.

Ny aina no ahatratraran'ny fisiana ny fahatsarana. Ny aina ihany koa no fototra marin'ny fisiana sy fanilony, ary ny rindran-damina tonga lafatra dia tsikaritra amin'ny voary rehetra, ary satria izao tontolo izao dia maneho firaisankiana ary ny tanikelintsika mihodina tsy mijanona dia feno zavaboary misaina maro, noho izany dia marina fa ny tontolon'ny lanitra dia mampiatrano zavatra mananaina sy misaina izay natokana ho azy. Toy ny iveloman'ny trondro any anaty rano no mety hisian'ireo zava-panahy ireo eo afovoan'ny masoandro. Tsy mandoro ny fahazavana ny afo fa manamafy azy aza. Hitantsika fa ilay hery mandrakizay dia nahary zaamananaina zavontany tamin'ny alalan'ny vainga tsy mihetsika ary nanova ny vainga mafy indrindra ho zavamananaina tsara tarehy. Apariakany betsaka sy hatraiza hatraiza ny fahazavan'ny fiainana ary mandravaka zavatra maro amin'ny alalan'ny fahazavan'ny fieritreretana izy.

Azontsika faranana avy amin'izany fa ilay mahery indrindra sy hendry indrindra dia tsy mamela sy tsy manao tisnontsinona ny endriky ny vainga voakaly indrindry, toy ny fahazavana sy ny etera, izay tena manakaiky ny fanahy tsy hanana aina. Noho izany dia namolavola zava-mananaina tsy takatr'isa sy misaina tamin'ny alalan'ny fahazavana sy ny haizina sy ny etera sy ny rivotra sy ny teny sy ny hevitr'ireo Andriamanitra. Tahaka ny nahariny karazam-biby maro no nahariany zavaboary ara-panahy ambonimbony sy tsaratsara kokoa. Ny anjely no iray amin'ireo karazana ireo, ny sasany zava-panahy hafa sy ny jiny. [Said Nursi, The Words, (trad) teny faha 29"].

50 taona taorian'ny nanoratan'I Said Nursi io zavatra io dia karazam-biby 300 eo ho eo, izay mbola tsy fantatra ny ankamaroany no hita. Miaina manodidina ny vava rano izy ireo rehefa mikasika ny tendro volkanika ny ranomasina ka afanain'ny magma avy eo lasa any amin'ny rano mangatsikan'ny ranomasina.

Nanoratra toy izao I V. Tunniliffe:

"Mila hery ny aina rehetra ary ny ankamaroan'ny aina ambonin'ny tany dia maka ny heriny fototra amin'ny alalan'ny masoandro. Na dia izany aza dia tsy hafanan'ny masoandro ihany no hafanana misy eto antany. Heverontsika ny hafanana avy amin'ny fipoahan'ny vohontany. Izay hitantsika amin'ny fijerena fipoahan'ny volkano dia hafanana mivoaka noho ny fahapotehan'ny radioaktifa ao amin'ny tany izay miafara amin'ny fivoahana eo amin'ny fanambonin'ny tany. Ahoana no tsy hisian'ny fiarahamonina velona mitambatra amin'ny hery nokleary izay mampikisaka ny tany sy mahatonga ny fiforonan'ny tendrombohitra? Ary ahoana no tsy afaka mampiasa ny hery simika ny fiarahamonina manontola fa tsy ny hafanan'ny masoandro?

Ny ankamaroan'ny olona dia mampifangaro ny fivoahan'ny hafanana amin'ny tany amin'ny zava-miseho mahery vaika sy ny fepetra ara-pizika tsy tafatombina, amin'ny hafanana ambony dia ambony sy ny fiakaran'ny gazy misy poizina fepetra tsy mety amin'ny fisehoan'ny aina indrindra. Fahiny, ny ahitana vondronjavatra miaina dia eny amin'ny toerana tsara ara-jeolojia. Ary vao tsy ela akory izay, tsy nahafantatra afa tsy zava-miaina afaka mivelona amin'ny fampiasana mivantana ny hery avy amin'ny masoandro. Ny vondron-javatra toy izany dia misy ary izy ireo no maneho ny fikarohana mahavarinan'ny biolojian'ny taonjato faha XX. Monina any anaty ranomasina lalina izy ireo, ao anaty fepetra enjana sy miovaova.

Ireo zavatra mahavariana hita ireo dia fanamarihana hafa ny zava-misy tsy maintsy heverin'ny siansa. Manambara ny Mpaminany Mohammed fa novolavolaina tamin'ny hazaana ny anjely. Hitantsika ao amin'ny CORAN fa ny olombelona dia novolavolain'Andriamanitra tamin'ny tany maina; tany manga mando sy potika tanimanga ary natao ho mpanjakan'ny zavaboary eto antany izy ireo. Maro ireo mpandinika ny CORAN no nisintona ay amin'izany fa efa nanjaka teto antany talohan'ny olombelona ny jiny.

Noho ny fahazavan'ireo fanamariana voalaza ireo dia azo atao ny manao fandinihana ara-dalana mba hamaritana ny lanjan'ireto hevitra manaraka ireto:

"Nahary ny "Fahazavana madio" Andriamanitra avy eo ny fahazavana. Ny dingam-pahariana dia mandalo amin'ny fanangonana ny maha izy azy tsikelikely sy manarapenitra na amin'ny fivoaran'ny zavatra tsara mitohy. Narahan'ny fahariana ny afo ny fahariana ny hazavana, avy eo ny rano sy ny tany. Nampivelatra ny fisiana iray tamin'ny alalan'ny hafa Andriamanitra amin'ny fanambarana azy ireo ary nahary zava-mananaina izay tokony sy mifanaraka amin'ny dingam-pahariana tsirairay. Raha mbola toy ny afo madio izao tontolo izao na hery hafa mahery dia nahary endrim-piainana nifanaraka tamin'io faritoe-javatra io Andriamanitra. Rehefa nanjary azo iainana indray ny tany dia nanao ny zavamaniry, ny biby sy ny olombelona Andriamanitra. Noravahany oary miaina na tsia araka izay mety aminy ny faritry ny tontolo tsirairay avy.

Farany; toy ny naharian'Andriamanitra zavatra maro avy amin'ny fahazavana, etera, ny rivotra, ny afo, ny rano sy ny tany no nahariany ny Paradisa sy ny afobe amin'ny alalan'ny asa sy ny fitenintsika tsirairay. Raha atao amin'ny teny hafa, tahaka ny hanalebeazan'Andriamanitra ny hazo avy amin'ny oa bitika noho ny taharon'ny tany, ny rivotra sy ny rano no nanorenany ny tontolo hafa dia ny pardisa sy ny elo miainga avy amin'ny vaingan'ity tontolo ity amin'ny fanovany azy mandritry ny fikorontanana amin'ny andro farany [The Fontain, laharana faha 13, Janoary-Marsa 1996, p. 36-37]

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.