Ny Jiny Sy Ny Zanak'olombelona

Ny olona sasany dia manana fahafahana hiditra sy hifandray amin'ny tontolo tsy hita maso. Na dia izany aza, tsy azontsika adinoina fa ireo zavatra ireo, na anjely na jiny dia manana ny fombam-piainany manokana sy ny fiatrehany ny fetra sy fotokevitra. Io antony io tokony hitandreman'ny olona mifandray amin'ny jiny satria izy ireo dia afaka manao izay tiany sy iriany aminy.

Misy olona sasany manamafy anisan'ny niaran-doza tamin'izany I Mirza Ghulan Ahmad tao Qadiyane, any Inde, ny taona (1839-1908). Nanandrana nampiasa ny fivavahana silamo hanoherana ny Iogosina izy kanefa nandray azy sy nifehy azy tanteraka ny fanahy ratsy. Tamin'ny voalohany dia nilaza taminy izy ireo fa mpanavao izy (ny fivavahana), rehefa voafehiny tanteraka izy dia nasain'izy ireo hanambara fa Andriamanitra hita vatana.

Mandrisika sy miantso ny fanahy ratsy ny fahotana sy ny fahalotoana. Ny olona mora mientana, malahelo, ireo mpijangajanga sy ireo izay miaina ao amin'ny tsy fanarahan-dalana no lasibatr'izy ireo. Amin'ny ankapobeny ny monina any amin'ny toerana maloto sy fanariam-pako, ny fandroam-bahoaka sy efitra fandroana ny fanahy ratsy.

Mety ho tafiditra lalina ao anaty vatana mihoatra noho ny "rayon X" ireo jiny. Mety hahazo ny lalandra lehibe sy faritra saro-pady ao amin'ny atidoha izy ireo. Toa miseho hoatry ny lazera ampiasaina hatraiza hatraiza amin'ny teknolojia izy: aminy, solosaina hatramin'ny fitaovam-piadiana nokleary, amin'ny fifandraisan-davitra sy ny sampam-pitsikilovana miafina (mba hanalana ny sakantsakana ao amin'ny lalandrahantsika ohatra). Noho izany, rehefa mihevitra isika fa novolavolaina tamin'ny afo tsy misy setroka I satana sy ny jiny ary tafiditra any anatin'ny vatantsika lalina toy ny hery radioaktifa dia mahatsapa ny dikan'ny fomba mpaminaniana hoe: "izay mety ho azon'ny devoly amin'ny olona dia izay tratran'ny rà".

Na dia mbola tsy mankatoa ny fisian'ny zavatra tsy azo tsapain-tanana aza ny siansa, sy voafetran'ny tontolo voatsapa dia mihevitra isika fa tsy maintsy omen-danja ny fisian'ny asan'ny fanahy ratsy ao amin'ny fampidirana ny aretina. Henontsika matetika ny mahazo ireo olona tratran'ny aretintsaina, ny epilepsia sy ny homamiadana izay sitrana rehefa hivavahana. Ny zavatra toy ireny dia manana ny maha izy azy sy tsy azo tsinontsinoavina na lavina. Raha manaiky ny fisian'ny faritra metafizika sy ny vokany ny siansa amin'ny farany, dia afaka manaisotra vato misakana maro ny siantifika, afaka mandro kokoa sy tsy manao fahadisoana betsaka.

Ankehitriny dia mbola mitafitafy ihany ny varavaran'ny tontolo tsy azo tsapaina. Mbola vao eo ampanombohana amin'ny fifandraisana amin'ny jiny sy ny devoly isika. Na dia izany aza dia ho tsapantsika indray andro any ny tsy maintsy hidirana ao amin'ny tontolony mba hamahana ny olana ao amin'ny tontolon'ny vainga.

Milaza ny CORAN fa nomen'Andriamanitra an'I Abrahama sy ny taranany ny Boky, ny fahendrena sy ny fanjakana midadasika (4:54). Niseho tamim-pamirapiratana tamin'ny fanelanelanan'I Davida sy Solomona Mpaminany io fanjakana mahafinaritra io. Ny fanjakan'I Solomona dia nahitana ny jiny sy ny voromanidina sy ny devoly sy ny rivotra fa tsy ny olona ihany akory. Tamin'ireo devoly, dia nisy niantsampy sy niasa ho azy (21:82). Nanana tafiky ny jiny sy ny vorona I Solomona. Nampiasainy tamin'ny asa isan-karazany ny jiny: "Manatanteraka izay sitrany izy ireo: saha fiazana, sary vongana, lovia lehibe, vilany (34:13). Omentsika an'I Solomona ny rivotra mba hamakivakiana ny maraina, ny elanelan'ny dia iray volana, sy amin'ny fanaovana ny mifanohitra amin'izany ny hariva". (34:12) Araka ny efa voalaza, nosy jiny iray nampanantena ny hitondra ny seza fiandrianan'ny Mpanjaka vavy saha tao Yemen hoany Jerosalema alohan'ny tsy hamaranan'I Solomona ny fivoriana (27:39).

Ny andininy mikasika ny fanjakan'I Salomona ao amin'ny CORAN dia manondro ny fetra farany amin'ny fampiasan'ny olombelona ny jiny sy ny devoly. Milaza ihany koa ireo fa hampiasa azy ireo amin'ny sehatra maro samy hafa isika indray andro, indrindra fa amin'ny fifandraisana. Mazava ho azy fa mety ho ampiasaina ao amin'ny sampampitsikilovana miafina izy ireo, ao aminy harena ankibon'ny tany, ny fandrendrehamby sy amin'ny fanadihadiana ny habakabaka sy ny asan'ny mpahay tantara. Satria afaka mivelona 100 aona ny jiny noho izany ilaina mba handrafetana zava-misy ara-tantara.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.