Ny Nofy

Mandritry ny torimasonareo dia nihidy ny masonareo ary manjary jamba ianareo, marenina, maona sy tsy mahavita na inona na inona (tsy mihetsika ny sandry sy ny tongotrareo). Ahoana no ataonareo mba ho afaka mitsanjatsangana, mifanogo aman'olona ary manao zavatra maro ao anatin'ny minitra vitsy, ao anatin'ny segondra mihitsy aza? rehefa taitra ianareo ny maraina dia mahatsapa fa tena voakapok'ilay zava-nitranga tao anati'nny segondra vitsy. Na dia ankinin'I Freud sy ireo mpanaradia azy amin'ny saina tsy tsaroana aza ny nofy, amin'ny fisainana sy ny faniriana, amin'ny tosika sy ny zavatra lasa, ahoana ary no ahafahanareo manazava ny nofy izay manambara ny zavatra ho avy izay tsy nanananareo fifandraisana sy mbola tsy nosaininareo akory? Ahoana no fanofintsika? amin'ny faritra aiza eo amin'ny vatantsika na ny maha isika antsika no hanofisantsika? maninona ny nofy no tsy maharitra aa tsy segondra vitsy? ahoana no ahatadidiavantsika izay hitantsika tamin'ny nofy? ireo fanontaniana rehetra ireo sy ny maro hafa dia zavatra ambony miandry ho vahan'ny siansa.

Indraindray ao amin'ny torimasontsika dia mitranga tampola amintsika ny saina tsy tsaroana (heritreritra sy faniriana, ny fanirina lalina anaty sy ny zavatra nataontsika tany aloha). Mety harary isika, mety ho noana na tratran'ny olana goavana. Manome endrika ny fiviliandalana noho ny toetra ratsy ny fandrevirevena, na koa afaka mampahatsiahy vanim-potoana maro tamin'ny lasa sy manome azy endrika vaovao ny fanahy. Ireo nofy rehetra ireo dia fifangaroan-javatra, misy dikany izy kanefa tsy mendrika ny halalinina. Ohatra, raha mihinana zavatra mangidy sira loatra isika dia mety hanofy mahita antsika mitsotra eo akaikina fatsakana, mety hahita antsika amin'ny nofy mifamaly aman'olona isika.

Raha tsy tafalatsaka ao amin'ny fandikana ny nofy isika dia tsy azo raisina ho nofy mifangaro ny tena nofy marina. Ohatra, na dia marina aza ny fahitana notantarain'I Farao tamin'I Josefa dia nampionona azy ny manodidina azy fa nofy tsy mifanaraka ihany fotsiny izany.

Ny tena nofy marina

Misy karazanofy tsy misy hifandraisany amin'ny saina tsy tsaroan'ny olona. Ny nofy toy ireny dia mitondra hafatra lehibe. Na izany vaovao mahafaly avy amin'Andriamanitra izay mampahery antsika hanao ny tsara sy hitaridalana antsika, na fampitandremana amin'ny ratsy vitantsika. Mazava tsara sy tsy hay adinoina io nofy antointsika hoe tena nofy marina io.

Ny nofy tena marina sasany dia mampahafantatra vaovao mikasika ny ho avy. Mba hahatsapana ny toetra sy fisehon'io nofy io dia ho dinihintsika ity fampitahana manaraka ity:

Fototry ny boky ny zava-dreehtra –izany hoe ny dikany, ny hafatra entiny, ny zavaboary rehetra dia manana endri-pisiana tena manandanja ao amin'ny fahalalan'Andriamanitra mialohan'ny hisehoany eto antany. Antsoin'ny filozofa silamo hoe "Arketipa" io endrika io. Rehefa tian'Andriamanitra alefa eto antany izy io amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fahendreny, ny heriny sy ny Anarany ekena, dia tafiny vatana azo tsapaintanana. Misy tontolo iray hafa eo anelanelan'ny tontolo ARKETIPA (ao no tena miseho ny fahaizan'Andriamanitra) sy ity tany ity- ny tontolon'ny endrika tsy azo tsapaintanana na famantarana. Ao ny zavatra no misy amin'ny endriny tena izy na famantarana, ary ny hevitra fototra sy ny lanjan'ny fotoana dia samy hafa tanteraka amin'izay eto amin'ity tontolo ity. Arakaraky ny anton-javatra toy ny fotoana sy ny toerana, ny kolontsaina sy ny toetra iombonana sy manokana no handraisan'ny mpanofy ireo famantarana samy hafa ireo.rehefa matory dia miakatra any amin'ny tontolon'ny endrika tena izy ka tsy manapaka tanteraka ny fifandraisany amin'ny vatana ny fanahintsika.[8]

Miditra ao anatina halebeazam-pisiana samy hafa izay ifangaroan'ny lasa sy ny ankehitriny sy ny ho avy tanteraka izy. Vokany dia afaka miaina indray amin'ny zavatra lasa na hoavy na ankehitriny isika.

Na dia izany aza anefa, satria ny zavatra ao anatin'io tontolo io dia misy amin'ny endriny idealy na toy ny famantarana, noho izany dia mandray famantarana izay mila fandalinana ny fanahy amin'ny ankapobeny.

Ohatra, ny rano madio ao amin'ny tontolon'ny famantarana dia mety hifanandrify amin'ny fahalalana ao amin'ny tontolon'ny vainga. Araka izay voalaza ao amin'ny soratr "Youssouf", ny omby vavy matavy tsara dia mety hidika ho taona tena mamokatra, ny omby vavy mahia anefa dia midika ho taonan'ny tsy fahampian-tsakafo. Ny amin'ny CORAN sy ny hadita dia mety hanorenana marika tena ilaina amin'ny fandikana ny nofy. Misy nofy tena marina sasany mazava tsara tsy ilana fandikana.

Satria ny lanjan'ny fotoana dia tsy mitovy ao amin'ireo tontolo roa ireo ary mavitrika kokoa ny fanahy mandritry ny nofy, noho izany ny olo-masina lehibe mahomby amin'ny famelana malalaka ny fanahiny dia afaka mivahiny any amin'ny toeran-davitra amin'ny fotoana foy noho ny mahazatra.

Maro ny olona efa nahita nofy tena marina. Ohatra:

  • fantatra tsara ny nofin'I Abraham Lincoln ny alina mialohan'ny famonoana azy. Nanofy izy fa seriny dia seriny ireo mpiasa vavy tao amin'ny "Maison Blandhe" ary nilaza fa novonoina Andriamatoa Lincoln. Sahirantsaina izy rehefa tafahona tsy nahazo aina nandritry ny tontolo andro. Ny harivan'io izy dia mbola lasa nijery sarimihetsika ihany na dia nisy aza io fampitandremana io ka tany izy no nisy namono.
  • Ny nofin'I Eisenhower alohan'ny niondranany tany Normandia ny volana jiona 1944 dia nampiova ny fizotran'ny ady lehibe voalohany. Andro vitsivitsy talohan'ny andro notondroiny hiondranana dia hitany tao amin'ny nofy fa hisy orambaratra lehibe ary namadika ny sambo. Nanapakevitra ny fenemorana ny daty hiondranana noho izany izy. Manambara ny fahamarinan'io nofy io ny tantara.
  • Nahita ady maro nifanandrinan'ny Rosianina sy ny Alemana 5 taona talohan'ny ady lehibe faharoa ny renin'I Anne Ostrovski, mpanoratra rosianina. Niseho tamina gazety maro ny nofiny.
  • Maro ireo fikaroana siantifika sy teknoljika no hita tamin'ny nofy aloha. Hitan'I Elias Howa tamin'ny nofy fa nosamborin'ny foko afrikanina izay nangataka azy hanamboatra milina fanjairana izy rehefa nanandrana hijery ny fomba hanaovana milina fanjairana. Natahotra izy satria nahita lavaka tampoka teo antendron'ny zanatsipikan'ireo mpanafika azy. Rehefa nifoha izy dia nahavita fanjaitra manana endrika zanatsipika ahitana lavaka ny lohany.
  • Hitan'I Niels Bohr tamin'ny nofy fa misy planeta mifandray amin'ny masoandro amin'ny alalan'ny tady ary mihodina eo anoloany izy ireo nandritry ny fanadihadiany ny rafitry ny atoma. Rehefa tafafoha izy dia nahavita ny fitoviana tamin'izay nofisiny sy ny rafitra atomika.

Trangan-javatra ho avy maro no voavinany noho ny nofy marina, miteraka fikarohana siantifika maro izany. Ampy hanaporofoana ireo ohatra ireo fa ny nofy dia vokatry ny fandehanan'ny fanahy any amin'ny tontolo anatin'ny fisiana (ny tontolon'ny famantarana) ary famantarana fa voarain'ny fanahy tany.

Raha fintinina dia sady mamorina porofo mafy orin'ny fisian'ny tontolo tsy azo tsapaintanana ny nofy no milaza ny fahalalan'Andriamanitra sy ny faniriana. Raha tsy efa voafaritr'Andriamanitra mahery indrindra, sy noraketiny ao amin'ny "Latabatra abmony voatandrina" ny zava-miseho rehetra, ahoana no fomba handraisantsika vaovao mikasika ny zavatra ho avy? fanampiny, manaporofo ny nofy fa samy hafa arakaraky ny tontolo tsirairay ny fotoana.

[8] Pendant les rêves, l'âme maintient son rapport avec le corps par l'intermédiaire d'une «corde».