Ny Trangan-Javatra Ambonin'ny Voajanahary

Avy amin'ny tontolon'ny fisiana tsy voafetra ny fanahy, tanteraka ao mivantana ny didin'Andriamanitra. Na izany aza, toy ny herin'aratra ziay mila mpampita na lampy mba hampiodina azy dia mila ny vainga mba hampihodina azy eto amin'ity tontolo ity ny fanahy na dia mametraka ny asany aza ny vainga. Mba hampavitrika kokoa ny fanahy sy tsy ho voafaritra loatra ao anatin'ny fotoana sy ny habaka dia afaka manaraka ny iray amin'ireto fomba 3 manaraka ireto isika:

Ny trangan-javatra ambonin'ny voajanahary, ny Mpaminany sy ny olo-masina

Ny olon-drehetra dia afaka manome fari-piasana malalaka ny fanahy. Mety ho takatra amin'ny alalan'ny finoana ara-pivavahana matanjaka sy amin'ny alalan'ny fivoarana ara-panahy amin'ny fiderana manara-penitra io tanjona io. Arakaraky ny maha tonga lafatra ny vainga no mampavitrika sy mampalalaka ny fanahy. Mampihena ny sakafo hanina sy ny ora fatoruiana, mifady hanina matetika, miala amin'ny fahotana ary midera an'Andriamanitra kokoa, matetika sy manara-penitra dia manampy amin'ny fanatrarana olombelona tanjona io koa. Raha mampiasa ny fahefana efa ao anatinao ianao hampivelarana ny fahafahana ara-panahy dia afaka mandingana, mihoatra ny faritr'ity tontolo ity, afaka mankany amin'ny tontolon'ny fisiana lehibe hafa amin'ny alalan'ny fanahy ianao ary mety ho afaka mifandray amin'ny lasa sy ny ho avy mihitsy.

Sainokely ity fampitahana ity: rehefa ao anefitrano ianao, voafetran'izay zavatra hita ao anaty rindrina efatra ny fahitanao. Rehefa mivoaka anefa ianao dia afaka mahita ireo tontolo rehetra manodidina anao. Mbola midadasika kokoa idnray ny fahitanao raha mijery avy ambony kokoa. Arakaraky ny hisondrotanao no mampivelatra ny fahitanao. Marina ihany koa izany hoan'ny fotoana. Arakaraky ny maha malalaka ny fanahy amin'ny teriterin'ny vainga sy ny vatana no mampivelatra ny faritra iasany miohatra amin'ny fotoana sy ny habaka miha malalaka.

Amin'ny ankapobeny dia an'ny Mpaminany sy ny olo-masina io fomba io. Raha mandeha amin'ny fanahy ao aanty fotoana sy habaka, na ampahalalain'Andriamanitra mahay ny zava-drehetra sy tompon'ny fahaizana sy fahafantarana ny hita maso sy ny tsy hita maso, dia mahomby ny fidirany any amin'ny halalin'ny fotoana. Na dia ny tara-masoandro aza dia hita amin'ny fotoana iray ao anatin'ny toerana maro kanefa vainga izy, toy izany koa ny fanahin'ny Mpaminany sy ny olo-masina, indrindra fa ny an'ny "mpitsara" (abdâl) dia mety ho hita amin'ny fotoana iray amin'ny toerana maro amin'ny endrika vainga na ny herin'ny vatany. Tondroin'ny CORAN amin'ity andininy ity izany: "Nasiany sarona teo anelanelany (Maria, renin'I Jesoa) sy izy ireo. Nalefanay taminy I (Gabriely) Fanahinay izay niseho taminy toy ny lehilahy madio" (19:17). Maro ireo mpandinika ny CORAN no mahita ny arakanjely Gabriely amin'ny alalan'ny "fanahy". Taterina ao amin'ny hadita tena marina ihany koa io lafin-kevitra io.

Rehefa mahazo "fahazavana" betsaka ny fanahin'ny olo-masina dia mifanojo amina famantarana ny fotoan-dasa sy ho avy eny ampivahiniany amin'ny fotoana. Nandikana io fahitana io ny olo-masina ary milaza ny vanim-potoana lasa sy ho avy. Tahaka ny fandikana ny nofy izany. Mety ho diso anefa ny fandikan'izy ireny.

Na dia izany aza dia marina mandrakariva ny fandikan'ny Mpaminany satria nahazo fanambarana sy nampahalalain'Andriamanitra mivantana izy ireo. Tanteraka avokoa izay rehetra novinaniany. Ohatra, naminany vanim-potoana maro ho avy ny Mpaminany Mohammed (toy ny hahamaritiora an'I Othman, Ali, ny ady tao Djamal teo amin'I Ali sy ireo mpanaradia sasany toandr'I Talha sy Zoubeyr, tao koa ny fanafihana an'I Damasy, Persa sy Constantinopla nataon'ny silamo. Tanteraka avokoa ny ankamaroan'ny faminaniana nataony, mbola tsy tanteraka antsakany sy andavany anefa ny sasany amin'izy ireny.[5]

Naminany vanim-potoana maro manana ny maha izy azy teo amin'ny fanjakana OTTOMAN I Mouhy ad-Din ibn al-Arabi (maty ny taona 1240), olo-masina silamo maty 50 taona talohan'ny fitsanganan'io fanjakana io. Tantera mampiavaka ny fanjakana OTTOMAN ny boky nosoratany izay mbola hita ao amin'ny famoahamboky Edirue sy Istambul ny soratanana, mitondra ny lohateny hoe "ach-Chajara an-Noumâniyya". Nolazainy fa hirodana io rehefa miditra ao Damasy ny Solitana Selim, tsy ho tafiditra ao Bagdada kosa I Mafiz Ahmad Pacha na dia naharitra sivy volana aza ny fijanonany ary ny Solitara Mourad no hahazo azy ao anatin'ny 40 andro ary hianjera amin'ny seza fiandrianany sy ho vonoina ny Solitana Abd al-Aziz. Nitranga tanteraka araka ny faminaniany azy ireo vanim-potoana rehetra ireo.

I Mouchtaq Dada tao Bihis, velona nandritry ny tapany voalohan'ny taonjato faha 18 koa dia naminany fa aorian'ny ady dia hisy lehilahy iray antsoina hoe Kemal hamindra ny renivohitr'I Turquie ao Ankara. Ahitana io faminaniana io ao amin'ny "Diwan" angontononkalony.

Na iza na iza mpanompon'Andriamanitra tiany, na Mpaminany na olo-masina dia tsy afaka manao faminaniana raha tsy avelany hanao izany ary amin'ny sitrapony sy ny heriny ihany. Hitatitra avy amin'Andriamanitra ny Mpaminany:

"Tsy milaza ny momba ahy na oviana na oviana tamin'ny alalan'ny asa anksitrahako ny mpanompoko raha tsy tamin'ny fanendrena nandidiako azy. Tsy mitsahatra manatona ahy amin'ny alalan'ny fibebahana mandrapitiavako azy ny mpanompoko. Raha vantany vao tiako izy dia manjary sofina fihainoany aho, maso ijereny, tanana handraisany sy tongotra hamindrany".

Ireo tranga ambonin'ny voajanahary sy ireo anaran'Andriamanitra

Ny fomba faharoa ahafahana mamakivaky ny fotoana sy ny havaka amin'ny alalan'ny fanahy na ahafahana miditra any amin'ny farany lalina ao amin'ny fotoana sy ny habaka dia ny fanarahana ny tari-dalana avy amin'ny Anaran'Andriamanitra azo antoka. Ny fisiana rehetra dia miankina amin'ny fisehoan'ny Anaran'Andriamanitra. Ohatra, tsy afaka mahita isika raha tsy amin'ny alalan'ny fisehoan'ny Anarany ilay mpahita. Mitohy ny fisiantsika satria avelan'ny Anarany ilay mampisy izany. Raha ajanony ny fisehoan'ny anarany ilay mampisy dia mijanona, tapitra ny fisian'izao tontolo izao.

Io fomba fanao io koa dia mamela ny Anjely na ny jiny haka endrika biby na olombelona raha avelan'Andriamanitra izy. Mety ho tafiditra manokana ao anatin'ny biby ny jiny ary mifehy izay asa rehetra ataony. Afaka mifehy ny olombelona koa izy. Rehefa tsapa ny Anaran'Andriamanitra mamela ny fidirana amin'ny halebeazana toy izany sy amin'ny fanarahana ny taridalany amina zavatra manokana dia afaka mamakivaky ny fotoana sy ny habaka isika ary mahita sy mandre zavatra tsy hitan'ny hafa sy tsy reny.

Karazana trangan-javatra ambonin'ny voajanahary

Fantatra tsara ny trangan-javatra tsy voajanahary toy ny telepatia sy ny spiritisma. Maro ireo olona mikatsaka fiadanana sy fahasambara no mandray anjara amin'ilay antsoiny hoe traikefa ambony dia ambony mba hiarovany ny fahitany ny tontolo, ny fiheviny, ny fanahiny ao amin'ny vainga sy ny vokatra tsy mahombin'ny teknolojia. Ny sasany dia manana fifikirana manokana manoloana ireo tranga tsy voajanahary ary afaka manatanteraka azy aza. Ohatra, naminavina ny fizarazaran'I Inde I Gibson ny taona 1947 sy ny famonoana an'I John Kennedy. I Fenni Bey avy any Ordu any Turquie izay resy tany amin'ny lafintanin'I Medina nandritry ny ady lehibe voalohany dia mitantara izao:

"Nitovy tao Medina izahay. Tsy afaka nifandray tamin'ny fianakaviana tao Istambul aho. Hitako tao anaty nofy fa may ny tranoko ary dibo-tsetroka. Nampiantso ny irakiraka iray tamin'ireo miaramilako aho noho ny maraina ny andro. Naniraka azy hoany aho mba hilaza tamiko izay zavatra hitany. Nofariparitako taminy ny trano sy ny toerana misy azy. Notantarainy tamiko izay hitany: "Tonga teo amin'ny trano aho, nandondom-baravarana, vehivavy antitra iray misaromboaly nitondra zaza kely teo antratrany no niseho teo ambaravarana". Niteny tamin'ilay miaramila mba hanontany azy aho sao misy loza hitranga tao amiko? namaly azy ravehivavy fa maty vao teo ny vadiko".

Saika zava-panao amin'izao androntsika izao ny spiritisma. Alohan'ny fanazavana hafa rehetra dia tsipihiko fa tsy milaza io lafin-kevitra io aho afa tsy hanamafisana fotsiny fa tsy voafetra amin'ny vainga ny fisiana. Na dia ny fisiana fototry ny boky iray aza dia miafina ao amin'ny hafatra entiny, noho izany, ny tena maha izy azy ny fisiana dia metafizika, ara-panahy sy tsy azo tsapaintanana. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, mety ho nisy na tsia ny vainga, fitaovana iray miovaova, ilaina hanehoana izay tsy azo tsapain-tanana. Ny olo-masinalehibe toandr'I Ibn al-Arabi dia afaka mifandray amin'ny maty ary amin'ireo izay mbola tsy teraka akory aza.[6] ny Spiritista sy ny mpanao mazia ankehitriny dia afaka mifandray amin'ny jiny tsy mpino na ny demony izay miseho amin'ny endriky ny maty ka amin'ny fanahin'io no tiany hifandraisana. Ny mpanao mazia izay mitantana ny vanimpotoana hoavy koa dia mifandray amin'ny jiny ary mitatitra izay lazain'izy ireo.

Ela velona kokoa noho ny olombelona ny jiny. Mavitrika dia mavitrika ao amin'ny fotoana lava sy ny habaka malalaka izy ireo. Malaky kokoa noho isika izy ary afaka mahita ny zavatra tsy hitantsika. Na dia kely fotsiny aza ny faminanian'izy ireny no tanteraka dia tsy azo inoana ary tsy afaka mahita ny ho avy. Taloha ny sampam-pitsilovana miafina Amerikanina sy Sovietika dia mifaninana tamin'ny fampiasana telepatia sy fitaovana hafa fifaneraserana tsy voajanahary. Araka izay efa hazavaintsika ao aoriana dia hampiasa ny jiny mba hifaneraseran'izy ireo ny sampam-pitsikilovana miafina any amin'ireo tany matanjaka indrindra. Na dia izany aza dia zava-doza ny mitady fifandraisana amin'ny jiny sy ny demony sy ny mifandray aminy satria afaka miaro sy mifehy antsika haingana dia haingana izy ireo.

Nitantara izao tantara manaraka izao ny Psisiatran'ny namako iray:

"Nasaina hanatrika fiantsoana ny maty hilaza ny ho avy tao antrano iray tany Samsun (Faritany any avaratr'I Turquie) aho. Nandahatra ny vera sy ny taratasy teo ambony latabatra ny zaza vavy tanora indrindra. Niantso ny fanahin'ny raibeny ny iray tamin'ireo mpandray anjara. Taorian'ny niantsoana azy niverimberina dia nisy lehilahy iray nipoitra. Rehefa nikiry nanontany azy izahay hoe iza izy dia namaly izy fa I Satana. Gaga dia gaga izahay. Fotoana kely taorian'izay dia nanontaniako izy hoe fa nahoana izy no tonga kanefa tys nisy niantso. Nanoratra tamin'ny vera teo ambony latabatra izy: "Tonga aho?" Nanontaniako izy raha mino an'Andriamanitra. Nanoratra izy hoe: "Tsia!" Rehefa nanontaniako izy hoe mino ny Mpaminany sa tsia dia namaly hoe "Tsia!" koa. Nanomboka namaky taminy pejy vitsivitsy tao amin'ny boky milaza ny fisian'Andriamanitra. Rehefa namaky aho: "Ny orinasa iray, na toy inona toetrany na toy inona dia manondro ny fisian'ny mpanao maritrano namolavola sy nanorina azy". Nanoratra izy hoe "marina". Rehefa novakiana anefa ity: "Izao tontolo izao sy ny planetany rehetra koa, ny tany indrindra indrindra sy ireo zavamaniry sy biby ao aminy dia manondro ny fisian'Andriamanitra", nanoratra izy hoe: "Tsia. Nitohy nandritry ny fotoana maromaro izany avy eo raha nanomboka nitanisa ny al-Djawahan al-Kabîr (arabakiteny "ny fiarovana lehibe"), angom-bavaka iray. Rehefa nitanisa aho dia nihetsika ny vera teo ambony latabatra. Nanoratra izy hoe: "Ajanony ny famakiana io zavatra tsy misy dikany io!" Rehefa nahatsapa izy fa nanoy namaky ihany aho dia tsy nahazaka ny nihaino izany izy ka nanjavona".

Io fanandramana ambonin'ny voajanahary io sy ireo sasantsasany tsikaritry ny dokotera ao amin'ny maty izay mijafajafa dia manaporofo ny fisian'ny fanahy sy ny zava-panahy ihany koa. Izay taterin'I Badri mikasika ny dokotera iray ao amin'ny bokiny "Ruh ve Kainat" (ny fanahy sy ny tontolo) dia manamafy ranoray ny fandinihana nataona vondrona dokotera mpikaroka holandais izay namoaka ireo gazety. Hoy ny fitantaran'ny dokotera iray:

"Narary ny vadiko. Rehefa nanomboka ny delirany dia nisy zavatra roa toy ny rahona nidina tao anefitrano ary nisonenika teo andohany. Nandritra io fotoana io dia toa nisy zavatra nifatotra tamin'ny tady sady nanidintsidina teo amin'ny vozon'ny vadiko. Nitohy nandritry ny adiny dimy izany. Farany, tapaka ilay fatorana, niakatra ny fanahy. Io no nanamarika ny fialan'ain'ny vadiko".

[5] Pour plus d’informations sur les prédictions du Prophète, voir Said Nursi, The Letters (Londres, RU: Truestar, 1994), 1:111-130; Gülen, Mohammed: Le Messager de Dieu – Une Analyse de la Vie du Prophète (The Light Inc., New Jersey, 2006).

[6] Certains exégètes maintiennent que les versets coraniques 7:172 et 23:14 font allusion au fait que nos âmes furent créées longtemps avant qu’Adam et Ève fussent envoyés sur terre. Selon un hadith, l’âme de chaque personne lui est insufflée alors qu’elle est un embryon de 6 semaines dans le ventre de sa mère.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.