Hevitra Ankapobeny Mikasika Ny Fitsanganan-Kovelona

Mitaky ny fitsanganan-kovelona ny fahendrena iombonana

Malalaka tanteraka hanao izay sitrany Andriamanitra ary tsy misy afaka mangata-panazavana aminy. Amin'ny maha faratampon'ny fahendrena azy dia miasa ampahendrena Andriamanitra ary amin'ny alalan'ny sary voafaritra tsara ary tsy manao zavatra tsy ilaina ziy, na tsy misy ikany na tsy misy fotony.

Rehefa mandinitena sy misaina ny toetrantsika isika, ny mampiavaka antsika arabatana sy arapanahy, ny vatana sy ny rafi-batantsika dia mahatsapa fa novolavolaina hoamina tanjona manan-danja. Tsy misy tsy tonga lafatra na dia iray aza ao amin'ny vatantsika. Ny fahafahantsika manao zavatra ara-tsaina sy ara-panahy dia maneho ny tontolo maha anjely sy ny tontolo ara-panahy hafa, toy ny tontolon'ny famantarana sy ny anireo tsy azo tsapaintanana. Amin'ny alalan'ireo fahafahantsika manao zavatra efa ao anaty hianatra anefa sy ny fananantsika fahafahana misafidy malalaka dia afaka mihoatra ny anjely isika. Maneho ny biby sy ny zavamaniry ny endritsika ara-batana. Na dia voafaritry ny fotoana sy ny habaka aza isika dia manambatra azy ireo ny fahafahantsika arapanahy sy ireo herintsika hafa dia manambatra azy ireo, toy ny fisaintsainana izay mamela antsika hihoatra ny fotoana sy ny habaka. Na dia eo aza ny lanjantsika manikana sy tsy azo saintsainina amin'ny fampitahana amin'ireo zavaboary hafa, ny sasany amintsika dia maty amin'ny fahazazana ary ny hafa indray folaka andantony.

Ankoatra izany, maniry lalina ny mandrakizay isika ary tsy mety afa-po raha tsy amin'izany ny fihetseham-pontsika sy ny fiheritreretantsika. Raha manantsafidy isika, andaniny amin'ny fiainana mandrakizay ialoavan'ny fiainana feno fisedrana mafy eto antany, ankilany, fahpotehana aorian'ny fiainana raitra kanefa mandalo eto, dia hisafidy tsy amim-pihambahambana ilay voalohany. Mety hisafidy ny fisian'ny mandrakizay any amin'ny elo izay tsy ahitana& fisiana mandrakizay isika. Tsy manameloka antsika amin'ny tsy fisiana mandrakizay Andriamanitra mpamindra fo indrindra sy tena hendry. Tsy nahary antsika sady nanome faniriana lalina hoan'ny mandrakizay kanefa hampaharitra antsika izy kanefa isika manatanteraka faniriana ziay tena avy ao amin'ny maha isika antsika lalina kanefa tsy tanteraka izany. Vokany, mila sy mitaky ny fisian'ny tontolo mandrakizay ny fahendren'Andriamanitra.

Tsy afaka mandrefy ny tena lanjantsika marina ity tontolo ity

Na dia kely sy bitika aza ny vatantsika dia afaka mahatsapa izao tontolo izao manontolo, noho ny fahafahana manao zavatra ara-tsaina sy ara-panahy. Tsy voafetran'uity tontolo ity ny asantsika ary tsy voafetranin'ny fotoana sy ny habaka ihany koa.

Ny maha isika antsika dia iaraha-manaiky na dia manaraka amin'ny fiainana sy misy fiantraikany any amparany sy amin'ny voary tontolo aza ny asan'ny olombelona voalohany. Ny mametraka ny olombelona ho vatana tsotra fotsiny sy amin'ny fiainana voafetran'ny habaka toy ny ataon'ireo materialista dia mampiseho ny tsy fahazoana tanteraka ny tena maha olona ny olona.

Ny toetran'ity tontolo ity dia tsy afaka mandrefy ny soatoavina aratsaina sy ara-panahy nananan'ny Mpaminany sy ny fahombiazany mbamin'ny lzoa nahazo azy nataon'ny olon-dratsy toan-dry Faraona, Hitlera sy Stalina. Tsy afaka na dia ny maminavina ny tena lanjan'ny fahamendrehana sy ny toetra ara-moraly akory aza izy ireo. Inona no valisoa mendrika sy mifanandry amin'ny maritiora izay mahafoy ny rehetra hoan'Andriamanitra hoan'ny hafa na hoan'ny soa toavina iombonana toy ny fandriampahalemana sy fahamarinana? Inona no fandanjana afaka mandrefy ny fankasitrahana ny manampahaizana mpino izay niafara tamin'ny fanaovan-javatra azon'ny olombelona rehetra araraotina mpiavin'ny faraandro ny fikarohana am-pisainana nataony?

Ny mizana tsy mandaingan'ny any ankoatra ihany no afaka mandaja mim-pahamarinana na dia ny atoman'ny tsara sy ny ratsy aza, sy afaka mandanja ny asan'izy ireo: "Amin'ny andron'ny fitsarana dia hatsangana ny mizana tena tsy mandainga. Tsy misy havela na fanahy kely toy ny voa tsy nampy aza. Ho tsaraina avokoa ny zava-drehetra, ary ny asanay dia tsy mety resy" (21:47). Na dia tsy misy aza ireo mila ny fitsanganan-koelona, ny ilana ny fandanjana ny asantsika dia mila ny fametraha mizana tena marina sy tsy mitanila.

Ny asan'Andriamanitra rehetra dia manana tanjona ilay na maro. Raha mifototra amin'io toe-javatra io dia mila ny fitsanganan-kovelona ny fahendreny mahasahana ny rehetra. Raha tsy izany dia hamaly izao fanontaniana izao isika: moa ve azo atao antsaina fa ilay Masina idnrindra izay maneho ny fahefana amin'ny maha Tompo azy man filaminana tonga lafatra, ny sary, ny fahamarinana sy ny tsy fitongilanana ao amin'ny tontolo dia tsy hamalisoa ny mpino izay mitady ny fiarovany amin'ny maha Tompo sy mpanapaka azy, izay mino ny fahendreny sy ny fahamarinany ary manaiky sy midera azy? Havelany tsy hovoasazy va ireo manda ny fahendreny sy ny fahamarinany, mikomy aminy na tsy mahalala Azy? Satria izao tontolo izao dia tsy mahazo afatsy ny fisehon'ny fahendreny kely monja sy ny fahamarinany mikasika ny maha olombelona ka handao ny tany tsy hahazo ny tena sazy marina ny tsy mpino ary ny ankamaroan'ny mpino dia hanainga raha mbola tsy mahazo valisoa tena marina. Noho izany ny fahamarinan'Andriamanitra dia tsy maintsy amin'ny fitsarana tampony tampony ao isika no homena valisoa na ho voasazy tsara.

Mazava ho azy fa izay mitantana ity tany ity dia manao izany amim-pahendrena tanteraka. Diniho tsara nyf omba fisehon'ny filana sy ny zavatra tsara, nys oa azo avy amin'ny zavatra tsirairay avy. Ny ratsambatana tsirairay avy, ny taolana sy ny lalandra, ireo sela madiniky ny atidoha sy ny singa madinika ilaina amin'ny tanjona mendrika. Ireo toe-javatra ireo dia maneho fa voalamina tsara araka ny fahendrena tonga lafatra ny zava-drehetra. Raha maniry hanana porofo hafa ianareo dia dinoho ny filaminana tonga lafatra tsikaritra ao amin'ny endriky ny zavatra tsirairay.

Raha atao amin'ny tany foy dia novolavolaina hoan'ny tanjona iraisan'izao tontolo izao isika. Izany dia voamarika ao amin'ny CORAN: "mihevitra va ianareo fa novolavolaina tsy misy tanjona ary tsy ho entina mankeo aminay na oviana na oviana. Homemboninahitra anie Andriamanitra, ilay mpanapaka marina! Tsy misy Andriamanitra afa tsy izy ihany, ilay Tompon'ny seza fiandrianana ambony (23:113-116. tsy nohariana mba ho rebirebena isika na hiala sasatra ary tsy ny fahapotehana mandrakizay ao am-pasana akory no namolavolana antsika ambony indrindra. Ny mifanohitra amin'izany, novolavolaina ho amin'ny fiainana mandrakizay isika izay karakaraina ho antsika amin'ny alalan'ny asantsika: tontolo feno fitiavana sy hatsarantarehy (ny Paradisa), na tontolo mahatsiravina sy feno loza (ny afobe).

Ny Famindram-po sy ny Fanomezan'Andriamanitra dia mila ny fitsanganan-kovelona

Voamaritsika fa arakaraka ny maha osa sy mila mpanampy ny voary no mahatonga azy homena sakafo. Ohatra, mandritry ny dingana voalohan'ny fiainantsika alohakelin'ny fahaterahana sia omena sakafo amin'ny fomba miavaka, tsy mampiasa hery akory isika. Na dia izany aza, arakaraky ny maha lehibe antiska, miala amin'ny fahazazana fa mankamin'ny fahatanorana sy mankamin'ny taonan'ny fahalebeazana no hahatsapantsika tsikelikely ny herintsika manokana sy ny finiaantsika, miezaka manome fahafaham-po ny filantsika isika sy ny an'ny fianakaviantsika ary matetika amim-pahasahiranana.

Toy izany koa, mampiasa ny heriny sy ny hafetseny ny biby toy ny fosa mba hisakafo kanefa mbola sahirana ihany na dia eo aza ny heriny sy ny fiantorahany amin'ny ratsy. Ny mifanohitra amin'izany, ny voary toy ny kankana dia misakafo mora foana ireo sakafo tsara tokoa ary ny hazo dia mahazo ny sakafo sahaza azy kanefa tsy manao ezaka akory. Ireo ohatra ireo dia mampiseho fa misy zavatra tena mpamindra fo sy be fitiavana mitahy azy ireo, manome sakafo azy sy mampanjary ny voary tontolo.

Mandrakizay ny Famindram-po sy ny Fanomezan'Andriamanitra

Izay mandrakizay dia miseho mandrakizay ary mitaky ny fisian'ny zavatra mandrakizay. Ny Famindram-po sy ny Fanomezany mandrakizay dia mandrakizay ary amin'ireo no hametrahany ny soa toaviny mandrakizay. Mandalo anefa ny tontolontsika ry anapitrisany ireo voary maty isanandro. Inona no tsy maintsy hita ao? Fampahatsiahivana ny fahafatesana ho avy sy fiafaran'izao tontolo izao.

Na ity tontolo mifintsina dia mifintsina ity na ny zanak'olombelona izay manampahasahiranana maro vao velona, toy ilay faharoa no tsy ahazoan'ilay voalohany ny fisehoan'ny Anarana sy ny Asan'Andriamanitra tanteraka. Ohatra, tsy afaka manome fahafaham-po ny filantsika rehetra isika sy ireo fiaretantsika. Ny fahatanorana sy ny hatsarantarehy ananantsika sy ifatorantsika fatratra dia handao antsika ary tsy hiverina ary mampahatonga ny alahelontsika lalina. Sahirana koa isika vao mahazo salohim-boalobika iray monja. Raha nolavintsika ny sakafo mandrakizay rehefa avy nandramana, na dia tsy fanimbazimbana aza dia fanesoana sy loharanom-pahasahiranana lehibe. Mba ho tonga lafatra ny tsodrano dia tsy maintsy tsy miova izy. Raha tsy misy ny fiainana mandrakizay, ao ny faniriantsika no afapo mandrakizay dia hiova ho fangirifiriana sy alahelo ny Fanomezan'Andriamanitra teraka dia hovan'Andriamanitra ho fonenana mandrakizay izy, io no afaka handray ny fisehoan'ny Famindrampony sy ny Fanomezany tanteraka sy tsy misy fitsaharany, ao no ho afa-po mandrakizay ny faniriantsika rehetra.

Ny famelan-keloka sy ny Fiantran'Andriamanitra dia mila ny fitsanganan-kovelona

Manasitrana ny fery, ny fo sy ny fihetseham-po maratra, mahatonga ny fahasitranan'ny marary, mampitsahatra ny alahelo amin'ny fisarahana ary mamadika ny alahelo sy ny fangirifiriana ho hafaliana sy hafinaretana ny Famelan-keloka sy ny Fitiavan'Andriamanitra. Manampy ny olombelona sy ny biby, ny tsaika ary indrindra fa ny vao teraka manokana izy ireo. Ny tranon-janaky ny renin'izy ireo dia fonenana voaaro tsara izay nahazoany mivantana ny sakafony, tsy nisy fampiasana hery avy aminy. Aorian'ny fahaterahany, ny famindram-po sy ny Fitiavan'Andriamanitra no mamorona ronono ho azy ireo, izay sakafo tsara indrindra, ary ny famindram-po sy ny fitiavan'ireo ray amandreniny. Ireo rehetra ireo dia tsy inona fa fisehoan'ny Famelan-keloka sy Fitiavan'Andriamanitra avokoa.

Na dia mahasahana izao tontolo izao manontolo aza ny famindram-po sy ny Fitiavan'Andriamanitra dia mbola mahita fangirifiriana ihany isika eto amin'ity tany ity, mahita ratra, aretina tsy mety sitrana, mosary, haintany sy fahantrana. Inona no anton'izany? atao inona ireo fangirifiiana maro ireo? araka izay voalazantsika tery aloha dia tsy afaka mandray ny fisehoan'ny famindram-po sy ny Fitiavan'Andriamanitra manontolo ity tontolo ity. Ny tsy fahfahantsika mandray ireo fisehoana ireo toy ny tsy fahamarinana manoloana ny hafa, ny fanararaotana ny fahafahana ao anatintsika dia manelanelana eo amin'ny zavatra sy ny fisehoan'ny Famindram-po sy ny Fitiavan'Andriamanitra. Ambonin'izany rehetra izany, amin'ny maha fiafaran'ny zava-drehetra amin'ny fahafatesana dia ny finoana ny fisian'ny fiainana mandrakizay ihany no mety hamarana ny alahelo izay mandreraka ny fontsika.

Indray andro nipetraka tao amin'ny trano fivavahana ny Irak'Andriamanitra rehefa nentina teo anoloany iro gadra an'ady. Nisy vehivavy iray nitady fatrata zavatra tena nahasarika ny sainy. Raisiny eo antratrany ny zaza lahy rehetra izay hitany avy eo avelany. Rehefa niteny avy eo ny zanany lahy dia norohany, nofihininy sy nosafosafoany tamim-pitiavana betsaka. Nanoina mafy ny Irak'Andriamanitra izany ary nampitomany azy ary nangataka ireo mpanaradia azy hampiseho izany aminy.

«Hitanareo va ity vehivavy ity? nanipy ny zanany tao anaty afo va izy? hoy ny mpanaradia azy «tsia, amin'ny anaran'Andriamanitra!» Hoy ny Irak'Andriamanitra: «Tena mpamindra fo manoloana ny voariny toa ity vehivavy ity manoloana ny zanany Andriamanitra»[1]

Ny famindram-po sy ny fitiavan'Andriamanitra dia miseho tanteraka any ankoatra fa eto kosa dia tsy hisy na fanelanelanana, na fiharetana, na fahasahiranana.

Ny Fahamanarinana sy ny voninahitr'Andriamanitra dia mila ny fitsanganan-kovelona

Mandrakizay sy tanteraka ny anarana sy ny andraikitra'Andriamanitra. Mpanapaka sy mpamindra fo mandrakizay noho izany Andriamanitra, mamelaheloka, mpamela fahadisoana, marina sy mendrika. Na dia «mpahasahana ny zava-drehetra aza ny famindram-pony» (7:156) ary toy izay ambaran'ity hadita ity, «Mihoatra ny hatezerany izany», dia lehibe loatra ny heloky ny olona sasany ka mendrika sazy mandrakizay. Ankoata izany, hoy ny fanambaran'Andriamanitra: «Izay mamono olona (1) tsy andrariny dia toy ny mamono ny zanak'olombelona manontolo» (5:32), dia tsy azo odian-tsy hita, indrindra fa ao amin'ny tontolo toy ity antsika ity, tao ny hery no mamoritra ny zo, vonoina ny tsy manantsiny anapitrisany isan'andro ary maro hafa voageja sy tsy manango maha olona fototra. Mbola ratsy noho izany ny fahotana mahatsiravina sy tsy fahamarinana feno habibiana tsy voaheloka.

Tsy manavaka ny voageja sy ny mpangeja ny fahafatesana, ny tsy manantsiny sy ny meloka, ny marina sy ny mpanota. Ny mety ahitana kely izany fotsiny dia tsy voasazy na voasazy ny mpanao fahotana madika eto amin'ity tany ity, ny fahotana lehie toy ny tsy finoana, ny fanakambanana an'Andriamanitra amin-javatra hafa, ny vono olona sy ny fangejana dia alefa any amin'ny fitsarana tampony any ankoatra, ao Andriamanitra no hampanjaka fahamarinana tanteraka.

Hoavy ny andro, ka amin'izany izay misaotra an'Andriamanitra dia hampandrosoina amin'ity teny ity: «Mihinana sy misotroa tsara amin'izay efa nalefanareo mialoha tamin'ny lasa» (69:24) ary «Fiadanana ho anaro! tsara ianareo: midira eto mba honina eto mandrakizay» (39:73)

Any Andriamanitra no manomana Fanomezana tsy hain'ny saintsika heritreretina. Ireo nandatsaka ny ran'ny tsy manantsiny kosa, nanao fahotana sy asa voarara dia hatsipy any anaty afo ary hantsoina toy izao: "Midira hoy izy amin'izy ireo amin'ny varavaran'ny afobe mba honina ao mandrakizay! Ratsy ny toeram-pialantsasatry ny mpiavonavona!" (39:72)

Ny Fanomezana sy ny Hatsaram-pon'Andriamanitra dia mila ny Fitsanganan-kovelona

Indray andro ny olo-marina iray nanontany an'i Haroun Rachid, iray tamin'ireo kalifa abasida.

"Atakalonareo rano iray vera va ny fanjakanareo raha matin-ketaheta ianareo? Eny hoy ny navalin'ilay kalifa. "Omenareo handefasana izany va ny fanjakanareo raha tsy afaka manao izany ny vatanareo?" hoy ny fanontaniany tamin'ny kalifa. Namaly ny kalifa fa hataony izany. Namarana sady niteny ilay olo-masina hoe: "Tsy manan-danja noho ny rano iray vera izany ny fanjakanareo sy ny harenareo manontolo".

Ananantsika tsy nilana takalony izay ilaintsika rehetra. Arakaraky ny ilany fatratra ny singa iray no ahitana azy betsaka ao amin'ny voary. Ny zavatra tena ilaintsika fatratra dia ny rivotra ary azontsika maimaim-poana izany. Avy eo ny rano izay maimaim-poana ihany koa. Amin'ny alalan'ny famindram-pony tsy manam-petra no andefasan'Andriamanitra ireo singa roa ireo ho antsika ary tsy misy handraisantsika anjara na kely aza. Avy eo indray ny hafanana sy ny hazavana izay azontsika amin'ny alalan'ny masoandro na tsy misy ezaka kely fotsiny ataontsika aza amin'izany. Raha sainintsika ireo zavatra sisa hafa omen'Andriamanitra antsika dia voamarika omena antsika maimaim-poana sy maro izany. Na dia eo aza izany rehetra izany dia mbola mila fahagagana mandrakariva isika mba ahafahana mino an'Andriamanitra!

Raha ampitahaintsika amin'ny herintsika mba hahazoana azy ireo ilaina amin'ny famokarana ireo tsodrano ireo dia hahatsapa isika fa bitika dia bitika ny fandraisantsika anjara. Matetika ireo zavatra sy fanomezana ireo dia tsy tonga lafatra sy mandalo ihany ka mamadika azy ho poizina ny fahatahorantsika ny fahafatesana.

Dera ho an'Andriamanitra amin'ny maha mandrakizay azy, amin'ny alalan'nizany no hanomezany antsika tombotsoa mandrakizay amin'ny endrika tsara mandrakariva, amin'iro Anarany sy ny Asany, ary maimaim-poana izany. Satria ho mandrakizay ireo tsodrano ireo ka tsy hanjary loharanom-pahasahiranana ateraky ny tahotra ny fahafatesana sy ny fisarahana. Hoan'ny mpino, ovan'Andriamanitra ho fiovana tontolo ny fahafatesana, fahafahana amin'ny fahasahiranana eto antany, fanasana ho any amin'ny fonenana mandrakizay izay efa nomanin'Andriamanitra ho azy ireo, ary fanomezan-dalana ho any ankoatra.

Mitaky ny fitsanganan-kovelona ny Hatsarantarehin'Andriamanitra

Henoy ny feom-boronkely indray marainan-dohataona, ny fikorianan-drano mamakivaky ny saha ao na mankany andohasaha. Hereo ny hatsarantarehin'ny zavamaniry maitso mavana sy ny hazo mamony. Diniho ny fiposahana sy ny filentehan'ny masoandro ary ny volam-penomanana amin'ny andro mazava. Ireny rehetra ireny sy ny hafa maro tsy voatanisa dia inona fa taratry ny Hatsarantarehin'Andriamanitra iray fotsiny, aseho amin'ny fahatsapantsika amin'ny alal sakana maro. Amin'ny fandinihana ny fanehoana toy izany izay hahafantarana an'Andriamanitra no mahafaly sy mampibitaka antsika.

Rehefa hanjavona ny tsodrano mandalo dia mamela ratra tsy hay zakaina ao am-pontsika. Raha tsy anisan'ireo mahita ny lohataona indray maka isika dia handany ny fiainantsika amin'ny alahelo lalina. Noho izany dia ilaina ny maha mandrakizay ny tsodrano marina. Ilay tsaratarehy mandrakizay dia tsy mampiseho amintsika afa tsy ny aloky ny hatsaran-tarehiny mba hamohazana ny hetahetantsika hahita ny fisehony tanteraka mandrakizay. Fanampiny, omen'Andriamanitra antsika ny fahitany ampitiavana tsy hidiran'ireo refy na halebeazana azo afatra, any am-paradisa: «Amin'io andro io dia hanjelanjelatra ny endrika rehetra (amin'ny hafaliana), eo am-pandinihana ny Tompon'izy ireo» (75:22-23)

Ny fifandraisan'ny olombelona sy ny zavaboary dia manondro ny fisian'ny fitsanganan-kovelona

Misy fifandraisana lehibe eo amin'ny olombelona sy ny tontolo. Teraka tao amin'ny tontolo mahate ho tia isika, nomena fahafahana mano zavatra sy ny fahatsapana ilaina. Manana fihetseham-po toy ny fitserana sy ny famindrampo, ny fankatoavana sy ny fitiavana isika satria misy zavatra maro tokony hanehoantsika ireo fihetseham-po ireo eto ambonin'ny tany. Mahatsiaro hanoanana sy hetaheta isika, hatsiaka sy hafanana. Soa ihany fa mety hahazo fahafaham-po amin'izay efa nomanina ho antsika mialoha na ireo izay azontsika amin'ny ezaka tsotra ireo filana ireo.

Dinihontsika ny paoma iray, ny tokony sy ny hatsarantarehiny dia misarika ny masontsika sy ny fahatsapantsika hatsarantarehy. Mankany fahatsapantsika tsiro ny tsirony ary mamelona ny vatantsika ny vitamina ao aminy. Na dia noana aza isika raha tsy nahasarika io paoma io dia tsy naniry ny hihinana azy isika, ary tsy nahazo ireo sakafo tsara ao aminy. Io sy ny tranga voajanahary hafa maro dia mampiseho fa nisy zavatra iray mahalala ny zavatra rehetra sy mahita ny zava-drehetra nahary antsika ary nanomana tontolo mifanaraka amintsika. Fantany ny filantsika rehetra, ny fahefana sy ny toetrantsika, fantany toy izany hatramin'ny zavatra bitika amin'ny antsipiriany.

Ataontsika ohatra hafa ny fananahana. Miankina amin'ny fitiavana mifamaly izy io sy ny fifampisarihana eo amin'ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Raha tsy nametraka fitiaana tao amintsika tsirairayq avy ny Mpahary antsika raha tsy nampiarahany tamin'ny hafinaretana lehibe io fananahana io, ary raha novolavolainy mba hanana fitiavan-janaka vokatr'izany isika dia tsy hampitombo taranaka na oviana na oviana. I Adama sy Eva no karazany voalohany sy farany toantsika.

Ny fahafatesana no mamarana ny hafinaretana rehetra, toy ny tsy nisy na oviana na oviana ny zava-drehetra. Rehefa hita izany, raha tsy nisy ny fitsanganan-kovelona dia tsy nisy dikany ny fiainantsika ary tsy namela afa tsy fahasahiranana sy hirifiry. Na dia izany aza, ity tontolo ity dia alokakelin'ny tontolo mandrakizay. Ireo tombotsoa omen'Andriamanitra antsika eto antany dia karazany kely fotsiny amin'ireo tombotsoa mandrakizay izay amin'ny endrika tsara indrindra. Aseho amintsika ireo zavatra tsara ireo mba handrisika antsika hanao zavatra mendrika azy.

"Lazao amin'ireo izay mino ny vaovao mahafaly ary manao ny tsara. Honena azy ireo ny zaridaina ikorianan'ny rano mba hipetrahany. Omena voankazo izy ireo ary hiteny toy izao isaky ny mihinana azy: "Tsy ity ihany va ilay efa fantatsika taloha?" Zavatra mitovitovy anefa izany (amin'ny endrika fotsiny) nomena azy izany. Hiaraka amin'izy ireo ny mpivady tsy azon-keloka, ary honina ao mandrakizay izy ireo" (2:25)

Ny hafaliana sy ny hatsaran-tarehy rehetra, ny valisoa sy ny hasambaran'ity tany ity dia maneho ny fisian'ny endrik'izy iroe tonga lafatra sy mandrakizay any am-Paradisa. Ny sazy sy ny famaizana rehetra, ny haratsian-tarehy sy ny loza dia manondro ny fisian'ny mitovy amin'izy ireo any amin'ny elo. Ny potipotik'ity tontolo ity aorian'ny fahravany no hanorenan'Andriamanitra ny iray hafa. noho izany fifandraisana mifamaly amin'ireo voarin'ity tontolo ity sy ny fifandraisany amin'io ary ilay tontolo hafa dia manondro ny fisian'ny fitsanganan-kovelona.

Ny Fandraketana sy ny fiarovana tsy ho simba dia maneho ny fisian'ny fitsanganan-kovelona

Tsy misy hanjavona tanteraka ny avy amin'ity tontolo ity. Satria ny tenintsika sy ny asantsika tsirairay avy dia voarakitra sy voatahiry, ahoana no tsy ahafahantsika hahatsapa fa Andriamanitra dia manoratra ny teny sy ny asantsika olombelona reheta amin'ny fitaovana mbola tsy fantatsika? Ny fandrosoana ara-tsiansa sy teknika dia mitondra porofo vaovaon'ny fisian'Andriamanitra sy ny maha Tokana azy mandrakariva, ary manamafy ny maha avy amin'Andriamanitra ny CORAN sy ny fahamarinan'ny finoana silamo. Hanambara amin'ny taonjato ho avy toy izao ny CORAN:

"Hasehonay amin'izy ireo ao amin'ny tontolo sy ao aminy ihany ny Famantaranay ka ho fantany indray andro fa ity (ny CORAN) no fahamarinana. Tsy ampy ho vavolombelon'ny zava-drehetra va ny Tomponao?" (41:53)

Raha mikatsaka ny fahamarinana am-pahamendrehana ka mahita azy araka ny tokony ho izy ny olona, raha tsy jamban'ny fitsarana vilana izy ireo, ny tsy fahalalana, ny faniriana ny harena, dia hahita ny fahamarinan'ny CORAN asehon'ireo fikarohana siantifika isanisany izy ireo. Hitantsika fa fehezin'Andriamanitra amin'ny zavatra kely toy ny voa ny zava-drehetra. Ohatra, tafiditra ao anatin'ny tsirinaina ny olombelona tsirairay avy na ao amin'ireo kromozomany 46 na 48, zavatra tena samy hafa isika. Toy izany koa, rehefa maty sy manjavona any ambanin'ny tany isika dia tsy manjavona ny singa manana ny maha izy azy aoa mintsika (ny fanahy) satria hampiasain'Andriamanitra izany rehefa mamolavola ny vatantsika amin'ny andron'ny fitsanganan-kovelona Izy. Satria Andriamanitra dia mitahiry ny zava-drehetra ka tsy misy manjavona na dia kely aza. Ohatra, ny zavamaniry iray maty amin'ny fararano na fahavaratra dia mitohy ao antsain'ny maro ny fisiany, toy ny ao anatin'ny voan'ny endrika mitovy amin'ny lohataona manaraka.

Tsy ny hitehirizan'Andriamanitra ny zavatra ao anatin'ny voany no hitehirizany amin'ny fomba miavaka ny feo tahaka izay nisehoany sy nahatsapana azy mba haseho any amin'ilay tontolo hafa. mety ho hitantsika io feo io sy ny fahatsapana azy indray andro.

Manaporofo ny fitsanganan-kovelona ny Herin'Andriamanitra

Diniho ny atoma iray. Ny fiforonany sy ny fifandraisany amin'ireo atoma hafa dia maneho fahagagana mahatalanjona. Ny mamolavola tamba-kitana na atoma iray –izy roa ireo dia mitovy amin'ny alalan'ireo vainga izay miodidina eo aminy- avy eo ny mandrindra ny fihetsiny sy mametraka ny fifandraisany dia mitovy fahatsorana amin'Andriamanitra. Toy izany koa, ny sela iray dia toy ny fitondrana mahaleotena.? manan ny departemantany manokana izay mifandray eo aminy avy izy ary mifandray amin'ny ivontoerana iray, ary "minisiteran'ny vola" izay mitantana ireo harena miditra sy mivoaka aminy. Toy izany no maha manantsaina ny sela tsirairay avy noho ny olona tena manantsaina indrindra eto antany. Ankoatra izany, misy fifandraisana akaiky tanteraka amin'ireo sela ireo ary fehezin'ny ivontoerana iombonana ny rehetra: ny atidoha. Ohatra vitsy monja amin'ny herin'ny Mpajhary ireo. Mora foana amin'Andriamanitra ny fahariana ny voary tontolo. Ny mahary sy mitantana izao tontolo izao dia tsotra toy ny mamolavola sy mitantana atoma iray. Ny olombelona tsirairay dia tsy afaka manamboatra na dia atoma iray aza, eny fa na dia mivondrona sy miara-miasa avokoa aza izy ireo. Andriamanitra ilay Tompon'ny hery ambony anefa dia milaza fa hamotika izao tontolo izao avy eo hanorina azy amin'ny endrika hafa, ary hataony izany. Tsy mba mandainga Andriamanitra ary tsy manana tsy fahatanterahana izy, aryt sy maintsy inoana ireo fanomezan-tokiny [tsy mba tsy manatanteraka ny teny nomeny Andriamanitra (3:9)]. Araka ny voalazan'ny CORAN: "Marina, fihaonana tsy miofo ny andron'ny Fanapahan-kevitra. Andro itsofany ao amin'ny trompetra ka ho tonga miaraka ianareo. Hisokatra ny lanitra, hivoha hoan'ny rehetra" (78:7-19)

Ny fahafatesana sy ny fahavelomana indray dia manondro ny fisian'ny fitsanganan-kovelona

Hamerimberina isan-taona ny fahafatesana sy ny fitsanganan-kovelona amin'ny ankapobeny[2]. Amin'ny ririnina, rakotra lamba fotsy ny tany tapitra isaky ny fararano izany. Avy eo dia hatratra sy toa tsy ahitana mari-pahavelomana ny aina. Mihitsana ny ravina ary toa taolambalo tsy misy aina avokoa ny hazo rehetra. Mitsana ny voninkazo ary maina ny bozaka. Mifindrra monina isan-taona ny voromanidina mpifindra monina. Manjavona ny bibikely sy ireo mandady amin'ny tany. Lasa ny ririnina ary arahina fahaterahana indray. Ny fitombon'ny hafanana amin'ny lohataona no mahatonga ny fitsimohan'ny hazo ary ny fisehon'ny ho toa vavolombelon'ny mandrakizay. Mihetsika ny tany ary manomboka maniry ny bozaka sy ny voninkazo ary mamony etsy sy eroa. Mitsimoka ny voa latsaka tamin'ny tany tamin'ny fararano teo aloha rehefa avy potika ary lasa aina vaovao indray. Miverina ireo vorona mpifindra monina ary mampiantrano biby kely sy biby mandady maro indray ny tany. Toy izany no hanehoan'ny tany ny hatsarantarehiny sy ny tombotsoany.

Heverontsika ny tranga amin'ny fotosentezy. Avokavoka mampiasa ny hazavan'ny masoandro mba hahasarahana ny dioksidan'ny karona ho oksizena sy karbona ny ravina, avy eo avoakany ilay voalohany ary tanany ilay faharoa ka atambany amin'ny oksizena izay azon'ny avy amin'ny rano mamakivaky ny faka. Miseho ny mifanohitra amin'izay mandritry ny alina: ampiasain'ny zavamaniry ny oksizena ary avoakany ny dioksidan'ny karbona. Noho ny fanovamason'io simia io no hamolavolan'Andriamanitra ny glikozy sy ny taharo simila hafa, ny voa sy ny vony [manana ny fofony avy, ny lokony, ny endriny sy ny tsirony]. Io dioksidan'ny karbona sy io rano io ihany no ampiasaina hampaniriana karazam-boa maro manana ny tsirony manokana. Na dia tsotra sahala amin'io dingana io aza dia tsy afaka mamolavola na dia voankazo iray aza ny olombelona manontolo.

Diniho kely ny vokatra avy amin'ireo asa tsy nampoizina ireo. Manontania tena ianao raha zavatra tsy mahalala na inona na inona sy tsy manantsaina tanteraka na dia amin'ny fisiany sy tsy manan-tsafidy toy izany no afaka manatanteraka zavatra mahavariana izay mitaky fahalalana tanteraka sy hery mahalala ny zava-drehetra. Ny hery izay manome tanjona ny hazo sy mamela azy hitondra vokatra maro dia tsy manome vokatra eo aminy samy irery. Vokatry ny hazom-pahariana ny olombelona. Moa va hanary antsika sy hanameloka antsika amin'ny fahapotehana mandrakizay Andriamanitra. Novolavolaina hoan'ny tanjona maro isika, avy eo dia avela ho lo mandrakizay ao ambanin'ny tany, angamba tsy lojika izany. Tehirizin'Andriamanitra ao amin'ny fitadidiana ny voa sy ao amin'ny vihin'izy ireo, volavolainy ho toy ireo mitovy aminy amin'ny alalan'ny biby na ny olombelona indray avy eo amin'ny fahavaratra manaraka rehefa avy nampanantenainy fiainana ambonimbony kokoa. Rehefa hitantsika izany, mamela antsika ho amin'ny fiainana ambony kokoa ao amin'ny tontolo hafa Izy aorian'ny faharavan'ity tontolo ity tanteraka.

Nahary izao tontolo izao sy ny olombelona Andriamanitra kanefa tsy nisy izy ireo na dia iray aza. Natambany ireo akora mamorona ny vatantsika tamin'ny alalan'ny tany, ny rano, ny rivotra ary navadiny ho zavatra mahatsiaro sy manan-tsaina. Azo atao ve ny miahiahy fa ny mpanorina milina iray dia afaka mamotika azy io koa avy eo aoriny indray, na ny komandy iray afaka manangona ny miaramilany tsy afaka hanaparitaka izany?

Toy izany koa, rehefa hanangana indray ny tontolo Andriamanitra mahery indrindra dia hanambatra ny atomantsika ary hanome endrimpiainana ambony kokoa sy mandrakizay azy ireo: Dis: "Mandehana amin'izao tontolo izao ary jereo ahoana no naharian'Andriamanitra ny voary tamin'ny voalohany, avy eo haterak'Andriamanitra amin'ny fahariana vaovao indray izy ireo. Manam-pahefana tsy misy fetrany Andriamanitra" (29:30). Jereo amin'izany ny fisehoan'ny Famindram-pon'Andriamanitra. Hereo ahoana ny hananganany ny tany aorian'ny fahafatesany! Toy izany koa no hananganany ny maty tsy manam-petra ny heriny" (30:30)

Trangan-javatra maro hafa ihany koa no manondro ny fisian'ny fitsanganan-kovelona

Fahamalinana lehibe sy tangona maro no miafitra ao amin'ny zavatra iray na dia izay heverina ho tsy misy dikany indrindra aza. Ohatra, ny selilozy sy ny selan'ny zavamaniry izay mamorona ny faka dia mamorona ny zavamaniry. Ny fahalefahany dia mamela ny zavamaniry hilefitra sy miaro azy tsy ho tapaka. Iulaina amin'ny fanaovana taratasy koa ny selilozy.

Saro-devonina ny selilozy; ny anzima avoakan'ny biby mandinika ihany no afaka mandevona azy. Na dia izany aza dia manamora ny fivoahana izy satria manafaingana ny asan'ny tsinay sy miaro amin'ny fitohanana (tsy fahalevonan-kanina). Noho izany dia toy ny orina mamadika ny sakafo ao amin'ny selilozy ho zavatra azo ampiasaina ny biby mandinika. Ny tain'izy ireo dia mamokatra tsara satria hanin'ireo biby kely maro ao anaty tany. Mampiakatra ny famokaran'ny tany io dingana io ary manala ireo fofona ratsy ao aminy.

Raha tsy nisy ny biby kely toy izany dia tsy ho afaka niaina ny zavamananaina. Ohatra, raha tsy manjavona any anaty tany ny lalitra rehetra izay teraka amin'ny loahtaona dia hamela vangongo matevina manerana ny planeta tany. Amin'ny fisehoan'ny Anarany ilay masina indrindra Andriamanitra mahery dia mampiasa ny bakteria mba hanadiovana ny tany. Efa mba nanontany tena ve ianareo hoe ahoana ny ala no madio lalan-dava na dia maro aza ireo iby lo ao isan'andro? Satria mihinana ny fatim-biby ny bakteria. Andriamanitra dia mampiasa ny voary toa itika indrindra amin'ny tanjona lehibe, hamela ny vatantsika ho potipotika ao anaty tany sy hampanjary ny fisiantsika ho tsy misy dikany va?

Mampiseho ny faharetan'ny vatana ihany koa ny fahsitranana. Ny voa iray dia mampatsiahy antsika ny hazo nitondra azy, ny dian-tongotra dia mampiseho ny fandalovan'ny olona ary ny faritry ny fandehanan-drano dia mampiseho ny fisian'ny loarano. Toy izany koa ny fahatsapana efa ao anaty sy ny faniriantsika ny mandrakizay dia marika maneho ny fisian'ny zavatra mandrakizay sy ny tontolo mandrakizay. Amboatra izany, tsy mahafapo antsika ity tontolo ity sy izay ao aminy. Mamoaka fihetseham-po saropady sy lalina isika ary mangetaheta tonga lafatra izay tsy mba ny vainga na ny tontolo materialy no fiandohany. Fisehoan'ny halebeazana tsy azo tsapain-tanana sy tsy manam-petran'ny fisiana avokoa ireo.

Ny filozofa, indrindra fa ny silamo dia miantso ny tontolo ho olombelona kely ary ny olombelona ho kosmosy kely. Tahaka ny olona, ny tontolo dia vainga iray manontolo izay volavolain'ny singa maro mifamatotra. Mety ho nisy anjely voatokana hisolo tena azy amin'ny fanomezana azy fanahy, iza no mahafantatra? Mety haratra toy ny olombelona koa ny tontolo ary mety hanapiforonam-batana vaovao ao amin'ireo faritra lavitra ao aminy koa, araka ny hevitr'I Einstein. Misy tanjona voafaritra koa toy ny antsika ny fiainan'ny tontolo.

Zavatra kely monja no fantatsika amin'ny fisiana. Arakaraky ny mampitombo ny fahalalantsika mikasika ny fisiana no hitomboan'ny tsy fahalalantsika ny mikasika io toe-javatra io koa. Dingana mitohy ny fisiana ary isika dia mpijery tsy mahafantatra na inona na inona fotsiny ihany. Manana fahazarana mivavaka toy izao ny Mpaminany Mohammed, ilay irak'Andriamanitra farany: "Ry Andriamanitro, asehoy ahy ny tena marina amin'ny zavatra!"

Ny rehetra ao amin'ny tontolo dia nohariana amina tanjona mazava. Ny lamina ekolojika dia tena saro-drafitra ary mifamindrandalana ireo singa ao aminy ka miteraka ny fahapotehan'izao tontolo izao manontolo ny tsy fisiana na fifindran-toerany ny singa iray. Mba hilazana io zavamisy io dia hoy ny irak'Andriamanitra: "Raha tsy fiarahamonina toa anareo ny alika, dia nodidiko ny famonona azy"[3]

Raha vonoina koa ny bakterian'ny hazo dia afaka mahazo voankazo isika. Ny karazana sy ny zavatra tisrairay avy dia mitana anjara asa manokana sy manana ny maha izy azy ao amin'ny firafitry ny tontolo. Tsy afkaa nisy raha tsy misy tanjona ny tontolo mahafinaritra. Miasa arakaraka ny fiovan'ny fotoana izy: miantso ny minitra sy segondra, ny mintra ny ora, ny ora miantso ny fandalovan'ny andro sy ny ampitsony; ny andro miantso ny herinandro, ny herinandro ny volana, ny volana ny taona, ary ny fizotry ny taona dia manambara ny fiafaran'ny fiainantsika. Manana ny androny manokana amin'izay misy azy tsirairay sy ny halebeazany ny fisiana, ary ny faharetana natokana ho azy no manambara sy manamarika ny fiafaran'ny fiainany.

Fanampin'izany, mivoatra amin'ny fitsingerenana ny fotoana. Ohatra, nisy siantifika iray nilaza fa betsaka ny vokatry ny katsaka isaky ny 7 taona ary betsaka kosa ny rondro isaky ny 14 taona[4]. Asehon'ny CORAN amin sary izany ao amin'ny Sorata "Youssouf". Mandalo amin'ny fiafarana na tsingerina koa ny fisiana: ohatra ny fiainana eto antany sy ao am-pasana. Ny fiainana any ankoatra izay tsingerina farany dia manana tsingerina maro azy manokana. Mihevitra ireo fotoana ireo ho toy ny andro ny CORAN satria ny andro no fandrefesam-potoana fohy amin'ny tsingerim-potoana. Ny indray andro dia mitovy amin'ny faharetan'ny fisiana manontolo. Ny andro dia milaza amintsika ny fizarazarana ho mazava ratsy, maraina, atoandro, folak'andro sy hariva, izay mitovy amin'ny vanim-potoanan'ny fiainantsika tsirairay: ny fahaterahana sy ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahanterana avy eo ny fahafatesana. Ankilany, ny alina dia mitovy amin'ny fiainana anelanelany ao am-pasana ary ny maraina mifanandrify amin'ny fitsanganan-kovelona.

Ny vahoaka teo aloha rehetra dia saika nino ny fitsanganan-kovelona avokoa

Na dia ireo Faraonan'i Egypta taloha izay nino andriamanik'afa aza dia nino ny fitsanganan-kovelona. Io antony io no naniriany alevina miaraka amin'ireo fananan-tsarobidiny sy ny andevony. Hitantsika misoratra eo ambony fasany izao teny izao: "aorian'ny fahafatesana dia hiova ho ratsy tarehy ireo mpanota ary hijanona mandrakizay ao am-pasana, ireo izay nanana fanahy madio kosa dia hiaraka amin'ny anjely ary hiaina miaraka amin'ireo zava-masina"

Ao amin'ny sora-tanana milevina miaraka amin'ny maty dia ahitantsika fitarainana toy izao manaraka izao:

"Voninahitra ho anao, ry ilay Andriamanitra ambony! Tonga eto anatrehanao mba hibanjina ny tavanao mangatsakatsaka aho. Mba avelao aho hanao izany fijerena izany. Tsy nampitomany na iza na iza na nanome na nangeja na iza na iza aho. Eto anatrehanao mba hilaza aminao ny mikasika ahy aho. Tsy misy isika afa tsy ny hibanjina ny tavanao"

Rehefa mitady ny fasana, ny soratra sy ny tahirin-kevitra ary ny vainga nampiasain'ireo firenena taloha isika dia maheno ny tarainan'ireo olombelona hoan'ny mandrakizay manakoako amin'ny taonjato mifandimby. Noho ny fahapotehana sy ny fahasimbana miaraka amin'ny fotoana dia mahita ny porofo mazavan'ny fisian'ny finoana ny mandrakizay na nandritry ny antikite tany Inde aza isika, tany Sina, tany Gresy, ary koa ao amin'ny ankamaroan'ireo filozofa tatsinana.

Ohatra nanoratra I Chakristani, mpahay tantara sy teolojianina silamo fa hoy I Zarathoustra: "Manana andraikitra eto antany ny zanak'olombelona. Izay manatanteraka azy io amim-pahafaham-po dia hahazo ny fahadiovana sy hiaraka amin'ireo mponin'ny lanita. Ireo izay tsy mahatanteraka ny andraikiny kosa dia ho voasazy hijanona ao ambanin'ny tany mandrakizay"

Tany nahitana ny karazam-pivavahana maro I Inde na dia fiheverana efa simba nalaina tamin'ny fivavahana tena marina aza izy ireny. Na dia eo aza ireo fahasamihafana ireo dia matetika izy ireo mitohy amin'ny finoana ny fitsanganan-kovelona sy ny mandrakizay. Ankoatry ny Bodisma izay tsy hinoan'ny Boda ny tsingerina mandrakizain'ny fahavelomana amin'ny endrika hafa, ny fanahy anefa miverina mankany amin'ilay zavatra. Tanteraka ary mahita fiadanana sy hafaliana mandrakizay, amin'ny fivavahana maro, ny finoana dia mitarika mankamin'ny finoana ny fahaveloman'ny nofo indray. Ny fanahy izay miverina ao amin'ny vatana indray dia ratsy, miditra anaty vatana hafa izy mba ho diovina. Rehefa madio izy ireo dia miverina any amin'Andriamanitra ihany koa ary mahita fiadanana sy fahasambarana.

Nanoratra mikasika ny fonom-panahy I Homère, poeta grika taloha. Araka ny heviny, ny fanahy izay miseho eto antany ao anatin'ny vatana dia manana fonony any amin'ny tontolo hafa. nino ny fitsanganan-kovelona I Pitagoro, mpahay matematika grika ary nanamafy fa ny fanahy voadio dia manaraka ireo mponin'ny lanitra fa ny ratsy kosa dia ho tavela ao amin'ny gadran'ny tany, hodidinin'ny afo. Nilaza porofo maro mikasika ny fisian'ny fitsanganan-kovelona sy ny fiainana mandrakizay tamin'I Socrate I Platon. Ireto ny vitsivitsy tamin'izany:

"Tsy maintsy marina ny olombelona. Ny fahazoana ny fahamarinana dia mitaky fanoherana ny filan'ny nofo. Mitarika ny fahapotehan'ny olona izany. Io fahapotehana io dia omen'ny fiainan-tsambatra mandrakizay"

"Mifandimby eto antany ny fifanoherana. Ny hazavana sy ny haizina, ny ririnina sy lohataona, ny andro sy ny alina dia mifandimby. Manaraka ny fahavelomana ny fahafatesana, noho izany misy fiainana hafa manaraka ny fahafatesana. Na dia izany aza, io fiainana faharoa io dia mandrakizay".

"Manantsaina sy mieritreritra ho efa niaina tamina toe-javatra mbola tsy nitranga akory isika indraindray. Midika izany fa hiainantsika any amin'ny tontolo hafa izy io, tontolon'ny fanahy alohan'ny nahatongaana ao amin'io. Vokatry ny fiainan-dasa io fiainana io ary fanomanana ny fiainana hafa ho avy".

Na dia azo lavina aza ny fahamarinan'io porofo faharoa io ary na dia mihevitra ny fahavelomana indray aza izy dia tsy azo tsinontsinoavina fa nino ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana I Sokrate sy I Platon mpianany.

Nanampy ampahana filozofia materialita tamin'ny idealisman'I Platon, mpampianany I Aristoty. Nino ny fisian'ny fanahy sy ny tsy fahafatesana koa anefa izy. Hoy izy: "ankoatry ny rafitry ny olombelona azo tsapain-tanana dia ahitana zavatra tsy azo tsapain-tanana sy tsy mety maty koa ao aminy".

Nino ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana I Xénophane sy Héraclite, samy filozofa Grika. Manamafy ilay voalohany fa ankoatry ny vatantsika dia manana ny fanahy izay mbola hisy hatrany aorian'ny fahafatesana isika. Milaza izy fa araka ny foto-kevitry ny moraly tsara: "Tsy azo sainina fa ilay nahary izao tontolo izao mahatalanjona ary notafiany fitiavan'olombelona dia tsy hanangan-kovelona azy aorian'ny fahafatesana" I Héraclite idnray dia mihevitra hoe: "Amin'ny fiafaran'izao tontolo izao dia hianjera amin'ny tany ny kintana ary hanemitra afo azy. Hijanona ao amin'io afo io ny fanahy ratsy mba ho voasazy fa hiala ao kosa nyf anahy tsara ary ampakarina any amin'ny faritry ny lanitra".

Ankoatr'ireo materialista toandr'I Epicure sy Démocrite dia nino ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana avokoa ireo filozofa rehetra tamin'ny antikite na tandrefana izy na tatsinanana. Ny ankamaroan'ireo rasionalista tandrefana izay nanomana ny fahaterahana idnray dia nino ny fitsanganan-kovelona sy ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Iray amin'izy ireo I Decarte izay nanaporofo tamim-paharesen-dahatra ny tsy fahafatesan'ny fanahy ary nandalina fanontaniana maro mikasika ny fiainana aorian'ny fahafatesana.

I Leibniz sy Spinoza koa dia nino ny fisian'ny fiainana aorian'ity fiainana ity. Mitovy amin'ny hevitr'I Platon ny hevitr'ilay voalohany. Manamafy izy fa ny zavatra dia foronin'ny singa tsy azo tsapain-tanana antsoina hoe "monades" izay tsy maintsy mivelatra tanteraka. Spinoza nino ny fisian'ny zavatra manana fiainana iombonana mandrakizay. Na dia ilay tsy mpino Abou al-Ala al-Maarri aza dia nanandrana namariparitra ny andron'ny fitsanganan-kovelona araka ny andininy ao amin'ny CORAN, ao amin'ny bokiny "Prisalaton al-Ghoufrân". Toa nametraka ny famariparitany ny Paradisa sy ny elo sy ny fanadiovana koa I Dante ao amin'ireo sorany.

Amin'ny ankapobeny, manamafy ny fisian'ny fiainana aorian'ny fahafatesana ireo materialista vitsivitsy, ny tantara lavan'ny filozofia tandrefana sy tatsinanana, manamafy ny fisian'ny fitsanganan-kovelona koa izy ireo.

[1] Boukhari, al-Adab, 18; Mouslim, at-Tawba, 22.
[2] Évidemment, à l'exception de certaines régions du monde où il n'y a pas d'hiver.
[3] Sounane Abou Dawoud, al-Adahi, 22; Sounane at-Tirmidhi as- Sayd, 16-17.
[4] Pour plus d'exemples, consulter Safvet Senih, Ilim Açisindan Kader (Le destin à partir d'une perspective scientifique) (Izmir, Turquie: Çaglayan AS, 1985), 16-17.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.