Fanamarihana Hafa Mikasika Ny Maha Zava-Dehibe Ny Sona

Hoy ny voalazan'ny CORAN:

«Tsy manantsafidy intsony ny mpino iray na lahy na vavy raha vao manapa-kevitra Andriamanitra sy ny Irany mikasika toe-javatra iray. Ary na iza na iza mandà an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany dia hivily làlana ka ho very marina». (33:36)

«Ary voasoratra ho antsika ny fananana ety antany sy any an-danitra. Indro izahay miverina Aminao, efa namerina». Ary hoy Andriamanitra: «Ataoko mahazo izay mila azy ny saziko. Ary hahatratra ny zava-drehetra ny famindram-poko. Natobako hoan'izay matahotra ahy izany, manome ny fanomezana ary mino ny famantarana apetrany. Ireo izay manaraka ny irak'Andriamanitra, ilay Mpaminany tsy mahay mamaky teny sy manoratra dia ho soratany ao amin'ny Tora sy ny vaovao mahafaly. Handidy azy ireo amin'izay tokony ho izy izy, hiaro azy ireo amin'ny fanomezantsiny, hanome alalana azy amin'ny zavatra tsara, handrara aminy ny zava-dratsiny, hanala amin'izy ireo ny enta-mavesatra sy ny zioga mitambesatra aminy. Ireo izay mino azy, manohana azy, mamonjy azy ary manaraka ny fahazavana naidina taminy, ireo no ho mpandresy». (7:156-57)

Hoy koa ny faminaniana:

  • Ny teny tsara indrindra dia ny bokin'Andriamanitra; ny làlana tsara indrindra tokony harahina dia ny an'I Mohammed. Ny fanovan(javatra nandritra ny Sona no ratsy indrindra. Tsy fanovan-javatra dia fivilianan-dàlana.30
  • Ho avy am-Paradisa avokoa ny fiarahamoniko afa tsy izay mandà izany. Rehefa manontany izy ireo hoe iza ireo mpikomy ireodia hamaly hoe izy hoe: "Na iza na iza tsy manaiky ny hiditra any am-Paradisa; na iza na iza tsy nanaiky ahy dia mpikomy".31
  • Toy ny olona mpamelona ny afo aho raha miohatra amin'ny fiarahamoniko. Voasinton'ny afo ireo biby kely sy lolo ka mirohatra manatona eo.

Ho sintoniko amin'ny akanjonareo hanalavitra ny afo ianareo kanefa nikiribiby ihany ka niantsapy tao ihany.32 Tsy hahita na iza na iza aminareo mipetraka eo ambony seza aho ary izay hilazana ny zavatra nandidiko sy nandrarako dia hamaly hoe:

  • "Tsy fantatray izany. Nanaraka izay hitanay tao amin'ny bokin'Andriamanitra izahay".33
  • Tandremo! marina, nomena ahy ny boky ary mitovy izy rieo.34
  • Izay manaraka ahy dia ho vavolombelon'ny tsy fifanolanana maro. Araho ny làlako sy ny an'izya handimby ahy voatarika tsara (ny kalifaà izay hitarika anareo amin'ny fahamarinana. Mifatora mafy ao ianareo ary mamikira aminy amin'ny nifinareo manontolo. Alaviro ny zavatra vaovao namboarina ao amin'ny fivavahana satria ireo zavatra ireo dia fanavaozana vy ny fanavaozana dia fivilianan-dàlana.35
  • Hamelako zavatra tsara roa izay tsy hampivily làlana anareo ianareo raha mifatotra mafy aminy: ny CORAN sy ny Sona.36

[30] Muslim, "Jumu'a," 43; Nasa'i, "'Idayn," 22; Abu Dawud, "Sunna," 5.
[31] Bukhari, "I'tisam," 2.
[32] Muslim, "Fadha'il," 17,18; Bukhari, "Riqaq," 26.
[33] Abu Dawud, "Sunna," 5; Ibn Maja, "Muqaddima," 2; Tirmidhi, "'Ilm," 10.
[34] Abu Dawud, "Sunna," 5.
[35] Tirmidhi, "'Ilm," 16; Abu Dawud, "Sunna," 5, Ibn Maja, "Muqad-dima," 6.