Mikasika Ny Mpanoratra

Teraka tany Erzurum, ao atsinanan'i Turquie, ny taona 1938 i Fethullah Gülen, mpandinika sy manampahaizana silamo, mpanoratra manana ny maha izy azy no sady poeta ihany koa. Nobeazina Ray aman-dreny amin'ny-panahy silamo fanta-daza tamin'ny fandinihana ny finoana izy. Nianatra ny foto-kevitra sy ny teoria mikasika ny siansa fizika sy sosialy ankehitriny koa izy. Noho ny fanomezana azy manokana ao amin'ny fianarana sy ny fifantohana amin'izany dia noharany vetivety ireo indray nihira taminy. Taorian'ny nahazoany ny vokatra tsara indrindra tamin'ireo fanadinana nataony, ny taona 1959, dianomena ny diplaomam-panjakana izy "Diplôme D'Etat de prédicateur", ary nomena asa tao Izmir, tanàn-dehibe faha-telo any Turquie izy. Teo no nanomboka nipoitra ny hevitr'I Gülen ary nihamaro ny olona mpanaradia azy. Miresaka mandrakariva ireo olana ara-tsosialy mivaivay tamin'izany fotoana izany izy tamin'ireo toriteny sy kabary naterany: ny tanjony voalohany dia ny hanosika ny tnaora hampifanaraka ny fahalalana ara-tsaina sy ny ara-panahy feno fahendrena ary ny asa nifanaraka tsara amin'ny maha olona sy ny fiheverana ny hafa.

Tsy dia ankasitrahin'I Gülen loatra ny mampianatra eny antanan-dehibe. Nanao fitsidiham-paritra maro tany Anatolie izy ary niresaka tamin'ny vahoaka na tany amin'ny trano fiangonana na tany amin'ny toeram-pisakafoanana na tamin'ny fivoriana tao antoerana. Izany no namela azy hitafa tamin'ny sokajim-piaraha-monina samy hafa teo amin'ny fiarahamonina sy nisarihany ny fijerin'ireo avara-pianarana sy ny tontolon'ny ambaratonga ambony. Ny loahevitry ny kabariny na ara-panjakana na tsia dia tsy manao ambanin-javatra ny mikasika ny fivavahana, ny fanabeazana, ny siansa, ny darwinisma,, ny toekarena sy ny fahamarinana ara-tsosialy. Izany no nahatsara sy nahalalina ny vondron'ny avarapianarana ary nahatonga ny fitandremana sy ny fanajan'izy ireo ny votoati-pampianarana.

Tsy nanao ny asa maha mpampianatra azy ara-panjakana I Gülen nanomboka ny taona 1981 rehefa avy nataon'ny mpianatra maro ho fakantahaka. Tao anatin'ny taona 1960 no nanombohany ny ezaka nataony indrindra fahalalana teo amin'ny sehatry ny fanabeazana, izany no nahatonga azy ho isan'ireo olona malaza sy hajaina indrindra any Turquie. Ny taona 1988 ka hatramin'ny 1991 no nitoriany teny amin'ny maha "Prédicateur émérite" azy tany amin'ny trano fivaahan'ny mpino silamo malaza indrindra, ary nanohizany hatrany ny fampitana ny hafatra tamin'ny alalan'ny kabary an-dasy, tsy tany Turquie ihany fahalalana hatrany Eropa andrefana ihany koa.

Ny Foto-Keviny:

Tao amin'ny kabariny sy ny soratra nataony dia nikendry taonjato faha XXI izay hampahita masoandro indray ireo soa toavina ara-moraly tsy hita nandritra ny taon amaro F. Gülen ary isika no ho vavolombelon'ny fahaterahan'ny hery ara-panahy amin'izany; ho taonan'ny fandeferana, ny fifankazahoana sy ny fiarahamiasa iraisampirenena amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra ara-kolotsaina sy ny fifampizarana soa toavina, ka hitarika ho amin'ny fomba amam-panao iray tsy mivaky. Eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, izy no nanetsika ny fanorenana sampndraharaha fanaovana asa soa maro mba ahafahana manatsara ny fiaraha-monina, na tao Turquie izany na tany ivelany. Izy no nanaitra ny fampiasana ny haino aman-jery, indrindra fa ny fahita lavitra mba hampahalalana ny vahoaka ny vaovao manandanja izay mahakasika azy, na hoan'ny daholobe izany na ho an'ny tsirairay.

Mihevitra i Gülen fa ny lalana mankamin'ny fahamarinana ho an'ny rehetra dia amin'ny alalan'ny famatsiam-bola fanabeazana ho an'ny rehetra, mifanaraka amin'ny tokony ho izy sy tena ilaina. Raha tsy amin'izay fotoana izay izy tsy hanana fahaiza-mandinika sy fandeferana mba hiantohana ny fanajana ny zon'ny hafa. Namporisika ireo mpanamola sy mpitarika vondrona samy hafa, ny tompon'ny orin'asa matanjaka, eny fana dia ireo mpivarotra madinika aza izy mba hanohana ny fanbeazana manarapenitra, hantanterahana izany. Noho ny fanmpian'izy ireo, afaka nanorina sekoly maro tao Turquie sy tany ivelan'i Turquie fa amin'izao tontolo ankehitriny izao dia ny fandresen-dahatra ihany no hitaovana tokana ahafahana mampanaiky ny hafa ny hevitrao. Faritany ho toy ny olona tsy manan-tsaina izay manao izany amin'ny alalan'ny hery setra; maniry mandrakariva ny fahafahany misafidy ny fomba hitondrany ny asany sy hanehoany ny soa toaviny ara-pivavahana sy ara-panahy ny olona. Amin'i Gülen dia ny Demokrasia -na dia eo aza ireo lafy ratsiny- ihany no rafitra ara-politika azo iainana ankehitriny, ary ny olona dia tsy maintsy manatsara sy manamafy ny rafitra demokratika mba ahafahana manorina fiarahamonina na ahitana fahafahana sy zon'ny hafa voahaja sy voaaro, ary tsy ho nofy intsony ao ny fitoviana hahazo zavatra.

Asa Eo Amin'ny Finoana Samy Finoana Sy Ny Kolotsaina Samy Kolotsaina:

Hatramin'ny nisotroany ronono dia manokana ny heriny manontolo tamin'ny fametrahana ny fifanakalozan-kevitra amin'ireo izay miandany amin'ny foto-kevitra samy hafa, kolotsaina, fivavahana sy firenena i Gülen. Ny volana Desambra 1999 no naseho teo antrehan'ireo antenimieran'ny finoana manerantany tany Cap, any Afrika Atsimo ny matoandahatsoratra nosoratany nitondra ny lohateny hoe: "Ny liana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fivavahana samy fivavahana". Faritany ao fa: «Zavatra tsy azo ialana ny fifampidinihana» ary na aiza na aiza firenena misy azy, na inona na inona firehana politikany dia manan-javatra iraisana maro izay tsy inoany akory ny olona. Rehefa nomeny izany rehetra izany, mihevitra i Gülen fa sady ilaina no tsy azo ialana ny fifanakalozan-kevitra tena marina mba hifankazahoana. Mba hanatanteraka izany, nnampy tamin'ny fanorenana ny fikambanana mpanao Gazety sy mpanoratra, izy (1994), izay miandraikitra ny famporisihana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandeferana izany tamin-kafanam-po. Mbola ho amin'izany tanjona izany ihany no namangian'i Gülen sy nadraisany olona manana ny maha-izy azy tany Turquie sy ireo hafa avy amin'ny zoro efatr'izao tontolo izao koa. Anisan'ireo solontenam-pivavahana lehibe eto amin'izao tontolo izao noraisin'i Gülen ny Papa Joany Paoly faha II tao Vatican, i John O'Connor, Arsevekan'i New York, i Lévy léon, mpitarika ny vondrona miady amin'ny fanalambaraka teo aloha. Niresaka taminy ireny mba hiady hevitra mikasika fifanakalozan-kevitra eo amin'ny finoana samy finoana sy mba handraisana fanapahan-kevitra mikasika azy io. Tany Turquie, niresaka taminy matetika ny solontenan'ny Vatican any Turquie, ny solontenan'ny fiangonana Orthodoxe any Turc, ny solontenan'ny fiombonambe Armenianina ary ny lehiben'ny fivavahan'ny Jody any Turquie, tao koa ireo olona hafa manana ny maha izy azy any Turquie ankoatra ireny, niseho amin'izany fa ohatra amin'ny fifanakalozan-kevitra azo antoka amin'ireo olona tsy mitovy finoana aminy izy;

Tamin'ny fihaonany tamin'ny Papa Joany Paoly II tany Vatican (1998), dia nampiseho paik'ady hampitsaharana ny fifandirana any Moyen-Orient izy izay vokatry ny fiaraha-miasa natao tany amin'io tany izay nipoiran'ny fivavahana telo lehibe io; soritany ao amin'io Paik'adiny io koa fa zavatra roa manana endrika samy hafany siansa sy ny fivvahana kanefa mikatsaka fahamarinana irey mitovy ihany: «matetika ny olombelona mandà ny fivavahana noho ny siansa ary mandà ny siansa noho ny fivavahana amin'ny filazana fa mifanohitra izy roa ireo. Avy amin'Andriamanitra ny fahalalana rehetra ary ny fivavahana rehetra koa dia avy aminy; koa ahoana no ahafahan'izy roa ireo mifanohitra? Noho izany, ilaina amin'ny fanatsarana ny fifankazahoana sy ny fandeferana eo amin'ny vahoaka ny ezaka ataontsika mifototra amin'ny fifanakalozan-kevitra.

Namoaka fanambarana tamin'ny haino aman-jery manameloka ny fampihorohoroana tany ETAT-UNIS ny 11 Septambra i Gülen. Nolazainy fa tranga tena manohintohina ny fandriampahalemana manerantany izy iny ary tena manalabaraka ny mpino amin'ny tsy marina: «(…) tsy azo ampiasaina amin'ny anaran'ny silamo ny fampihorohoroana, ary tsy azo hanatrarana ny tanjona maha silamo. Tsy mety ho silamo ny mpampihorohoro ary tsy mety ho mpampihorohoro ny silamo. Ny silamo dia tsy inona fahalalana tandindon'ny fandriampahalemana, ny tsara sy ny fanantenana".

Ny ezak'I Gülen ho amin'ny fandriampahalemana manerantany dia niadian-kevitra sy natao ho anisan'ireo laha-dinika amin'ny fahaonandoha sy fihaonambe. " Ny fihaonamben'ireo olomangan'ny fandriampahalemana (11 – 13 Aprily 2003) tao amin'ny oniversiten'I TEXAS any Austin dia nanao ny lisitr'ireo olon'ny fandriampahalemana hatramin'ny faha 5000 taonan'ny tantaran'ny zanak'olombelona. Anisan'ireo maherifon'ny fandriampahalemana ankehitriny I Gülen, iray lisitra amin'i Jesoa, Bouddha, Gandhi, Martin lutter King J., sy ry Mère Teresa.

Naira-niasa tamina revio sy magazine maro I Gülen. Nanoratra ny matoandahatsoratra manokana tao amin'ny magazina «The Fountain, Yeni Ümit, Sizinti sy Yağmur" izay lohalaharana amin'ireo gazetim-pivavahana maro mpahalala any Turquie izy. Nanoratra boky mihoatra ny 40 izy, matoandahatsoratra an-jatony ary raki-tsary sy raki-peo anarivony maro; nanao kabary maro mahakasika ny fivavahana sy ny sosialy izy. Maro amin'ireo boky nosoratany -lafo vidy indrindra any Turquie ny ankabeazany- no efa vita amin'ny teny anglisy, ohatra "Ny mpaminany Mohammed: Aspecte of his lige, Questions and answer About Faith, Peares of Wisdom, Prophet Mohammd as Andriamanitra Commander, Essential of the Islamic Faith, Towards the lost Paradise ary Key Concepts in the Practice of Sufism". Maro koa ny boky nosoratany voadika amin'ny teny alemana, rosia sy alane, japoney, indonezianina, espaniola sy frantsay.

Ny tambazotran-tsekony napetrak'I Gülen dia ahitana rafitra fanaovana asa soa maro tsy natao hitadiavam-bola –vondrona sy fikambanana maro- any Turquie sy any ivelan'i Turquie, manome vatsim-pianarana maro izy ireo.

Na dia anisan'ireo endrika politika maro mpahafantatra aza I Gülen dia tsy mankasitraka ny hiditra lalina amin'ny politika. Ahitana mpanao gazety, avaram-pianarana sy mpanao politika ary olom-panjakana ambony any Turquie sy any amin'ny firenen-kaa ireo mpakasitraka an'I Gülen. Ireny rehetra ireny dia mahita azy ho mpanavao sy mpanova tokana ny aratsosialy- ary manantanteraka izay teneniny. Olon'ny fandriam-pahalemana sy manantsaina ary manampahaizana mpivavaka, mpanolotsaina sy poeta, mpandika goavana ary mpitaridalana ara-panahy izay nanokana ny fiainany hitadiavana vahaolana amin'ny ratsy sy ho amin'ny filana ara-panahin'ny fiaraha-monina hivelatra toy ny hetsika natokana ho an'ny fanabeazana, kanefa tsy fanabeazana fe fanabeazana fa fanabeazana ny fo amam-panahy sy ny saina. Io fanabeazana io no hamelona sy hanamagy ny olombelona amin'ny maha izy azy manontolo mba hampatonga azy hahay zavatra sy hanao ny tsara sy ny asa ilaina amin'ny fanampiana ny hafa sy ilain'ny hafa.