Ny Tabi'Un

Tany amin'ny toerana maro nisy ny CORAN izya nankasitrahana ny mpanaradia, ny CORAN dia manamarika ireo taranaka voatso-drano ihany koa izay nanaraka ny lalan'izy ireo. Ohatra:»Ireo voalohany indrindra tamin'ny mpifindra monina sy ny mpanavotra sy ireo izay nanaraka azy tamin'ny toetra-mendrika dia ankatoavin'Andriamanitra ary izy ireo mankatoa azy. Manomana zaridaina ho azy ireo izy, ikorianan'ny riandrano ao ambaniny, ary nonina ao mandrakizay izy ireo. Izany no fahombiazana lehibe!» (9:100)

Voalohany indrindra, ireo Tabi'un no noderaina niaraka tamin'ny mpanaradia. Faly tamin'Andriamanitra toa azy izy ireo na inona nalea taminy na inona, tsara na ratsy, valisoa na fahavoazana. Nanompo an'Andriamanitra tanteraka izy ireo, nidera azy tamim-panajana tanteraka koa sy tamim-pitiavana lalina.

Tahaka ireo mpanaradia, tsy nanampahataperana ny fitiavan'izy ireo azy ary nankininy taminy ny fitokisan'izy ireo. Nidera azy ireo ny Irak'Andriamanitra ary niteny hoe: «Vaovao mahafaly hoan'ireo nahita sy nino ahy, ary vaovao mahafaly hoan'ireo izay nahita ny hitako».49

Nanaraka izay nodiavin'ny mpanaradia ny Tabi'un ary nanome ny haja tandrify azy ireo. Tsy mba nialona na nanao an-dolompo teo anatrehan'ny mpino izy ireo ary naniry ny tsara hoan'ny rehetra:

«Ary ireo izay tonga aorian'izy ireo hiteny hoe: «Tompo ô, avelao ny helokay sy ny an'ny rahalahinay teo aloha tamin'ny finoana; ary aza hametrahana lolompo ao am-ponay hoan'ireo izay nino. Tompo ô, mpamindra fo sy be fiantrana ianao». (59:10)

Araka izay faritan'ny andininy faha 9:100 dia voatso-drano nanaraka ireo mpanaradia io taranaka io tamin'ny fanaovana ny tsara (ihsan).

Ankoatry ny dikan'ny fanajana, ny fiheverana ny hafa sy ny fitiava-namana dia milaza koa ny hadita iray: «Ny «ihsan», derao Andriamanitra raha mahita azy ianao ary raha tsy mahita azy ianao, marina, mahita anao izy».50

Niseho io taranaka io tamin'ny vanim-potoana nitondran'ny fihatsarambelatsihy fisaratsarahana anatiny. Tmain'io fotoana namaivay io dia niharo sy nampihatra ny finoana silamo izy ireo, tamim-pitiavana sy tamim-pisainana. Izy ireo no nanjary faka tahaka: «Tompo, aminao no hametrahanay ny fahatokisanay ary aminao no hiverenanany. Ary tsy maintsy ho eo aminao izahay". (60:4)

Ny sasany tamin'izy ireo dia nahavata hatramin'ny "rak'a" 100 tamin'ny fivavahana alina, mitanisa nyc or manontolo isaky ny roa na telo andro, nanatanteraka ny fivavahana tsy maintsy atao miaraka ao amin'ny trano fivavahana, matory isan'andro miankohoka eo anoloan'ny Ka'ba, ary tsy mba nihomehy nandritry ny fiainany.

Uways al-Qarani no heverina matetika fa Tabi'un lehibe. Na dia antitra aza izy vao nahita ny Mpaminany, dia tsy afaka nahita azy. Indray andro rehefa niara-nipetraka tamin'ireo mpanaradia izy dia nanoro hevitra azy ireo ny irak'Andriamanitra:

"Raha mahita an'I Uways al-Qarani ianhareo dia mangataha aminy mba hivavaka ho anareo".51 Nandritry ny naha kalifa azy I Omar dia nitady an'I Uways teo amin'ireo mpanao fivahiniana masina Yemenita. Rehefa hitany teo amin'ireo mpivahiny izy indray andro dia nangata-bavaka taminy I Omar. Tsy dia azoazony loatra ny avakavahana sy fantatra ka tsy hita intsony I Uways teo amin'ireo olona hatramin'ny nahafaty maritiora azy tamin'ny ady tao Siffin tao amin'ny tafik'I Ali.

Maro ireo Tabi'un fanta-daza toandr'i Masruq ibn al-Ajda, Ata ibn Ai Rabah, Hasan al-Basari, Muhammad ibn Munhadir izay nanam-pahaizana sy tsotra ary be famindram-po.

Muhammad ibn Munkadir dia nomena anaram-petaka hoe (Bakka) (ilay be ranomaso) noho ny fahatahorany an'Andriamanitra. Hoy reniny taminy indray andro: "Anaka, raha tsy nahafantatra anao hatramin'ny fahazazanao aho dia nino fa mitomany noho ny fahotana ianao. Fa maninona ianao no be ranomaso?" Namaly izy hoe satria tena mahatsapa ny voninahitr'Andriamanitra lalina dia lalina, ny tahotra ny fitsarana amin'ny andro farany, ny afobe.53 Rehefa nanontaniana teo ampandriany izy rehefa ho faty hoe fa maninona no mitomany mafy dia namaly hoe: "Matahotra aho sao tsy mifanaraka amiko ity andininy ity: "Hiseho amin'izy ireo avy amin'Andriamanitra izay tsy nosaintsaininy na oviana na oviana". (39:47)

Masruq ibn al-Ajda dia nidera an'Andriamanitra am-pahamarinana tanteraka. Indraindray izy resy tory eo ampiankohofana manolona ny Ka'ba. Rehefa noheverina hoe matory nandritry ny aretiny farany dia hoy ny valin-teniny: "Amin'ny anaran'Andriamanitra, raha misy olona afaka miseho hiteny amiko fa tsy ho sazian'Andriamanitra aho, mbola hivavaka mafy aho aorian'izany".54 Nanao toy izany izy satria naka ny Mpaminany ho ohatra izay nanontanian'iAïcha fa naninona no vizana loatra teo ampivavahana dia namaly hoe: "Tsy tokony hanjary ho mpanompo mahatoky va aho?"

Sa'id ibn Jubayr dia mpianatr'I Ibn Abbas. Nandany ny androny nampianarana ny finoana silamo izy ary ny aliny hivavahana. Nanampy an'I Abd ar-Rahman niady tamin'I Hajjaj izy. Tratra izy tamin'ny farany, nandany alina iray tany amin'ny trano fitokana-monina tany anaty ala ireo miaramila nitondra azy teo amin'I Hajjaj. Tia mivavaka any anaty ala I Sa'id. Navelan'ireo miaramila hanao izany izy ary nihevitra izy ireo fa ho potipotehin'ny biby dia I Sa'id. Nitsikilo azy mivavaka avy teo amin'ny varavarankelin'ny monastera ireo miaramila ka nahita ireo biby dia niodidina teo aminy mba hihaino azy.

Nampiasa famoretana hampanaiky azy hiray petsapetsa tamin'I Hajjaj ireo miaramila kanefa nolaviny tsy nisy fisalasalana izany:

"Diso ianareo, ary manao fahadisoana amin'ny taranaky ny Mpaminany. Tsy hanaiky fiaraha-mientana aminareo na oviana na oviana aho".

Talohan'ny hamonoana azy izy dia nitanisa andininy fitanisan'ny silamo rehefa hamono biby atao sorona: "Atodiko tanteraka amin'ilay nahary ny lanitra sy ny tany ny tavako. Ary tsy anisan'ireo nanafangaro azy tamin-javatra hafa aho". (6:79) Rehefa nanandratra ny taany nankany amin'ilay handehanan'ny fivavahana izy dia nitanisa ny hoe: "An'Andriamanitra ihany ny Atsinanana sy andrefana. Na aiza na aiza itodihanareo dia eo mandrakariva ny endrik'Andriamanitra" (2:115) Notapatapahan'izy ireo tamin'ny daroka indray mandeha izy ary nivavaka toy izao ny molony teo amin'ny lohany tapaka: "Tsy misy Andriamanitra afa tsy Andriamanitra irery ihany, ary I Mohammed no mpitondra ny hafatr'Andriamanitra".55

Toy izany ireo olona nandray ny lovan-tsofina avy amin'ny mpanaradia ny Mpaminany sy nampita izany tamin'ny taranaka nifandimby. Ireto manaraka ireto dia mendrika ny hasian-teny lavalava kokoa mba ahafahana mahafantatra tsara io taranaka voatsodrano io:

Sa'id ibn al-Musayyib no Tabi'un lasa lavitra indrindra tamin'ny fahalalana ny hadita, ny fitsarana sy ny famakafakana ny CORAN, teraka 15 taona talohan'ny Hezira. Tafahoana tamin'ny ankamaroan'ireo mpanaradia ny Mpaminany toandr'I Omar sy Othman sy Ali izy. Nikoizana tamin'ny fahizany sy ny fitadidiany I Sa'id, sy tamin'ny famindram-pony, tamin'ny fahitsiany sy ny fitiavany an'Andriamanitra. Nanosika ny olon-drehetra hanaja azy ireo toetrany iro na dia ireo tradisionista lehibe fony fahavelony aza. Nanamarika toy izao I Abd Allah ibn Omar indray andro: "Raha nahita ity zaza tanora ity ny irak'Andriamanitra dia faly dia faly taminy".56

Tsy mba nijanona tamin'ireo fivavahana niraisana voasoritr tao amin'ny trano fiangonana izy. Hoy izy: "Manonona foana ny "Takbir" fisokafan'ny fivavahana mahazatra aho nandritry ny 50 taona".57 Tsy misy nataony ambanin-javatra izay hita tao amin'ny SONA. Narary izy indray andro. Nanoro hevitra azy hijanona any andohasahan'I Aqiq mandritry ny iray volana ny dokotera; ary hoy ny navaliny: "Ary ahoana no ahafahako mandeha mivavaka any amin'ny trano fiangonana amin'ny fivavahana alina sy vao maraina?" Tsy te-hanatanteraka ny fivavahana mahazatra afa tsy ao amin'ny trano fivavahan'ny Mpaminany izy.58

Tsy nanaiky ny fiaraha-miasa tamin'I Walid ho kalifa izy. Na dia namelively azy isanandro aza I Hosham governoran'I Medina mandrapahatapaky ny hazony dia tsy nanaiky mihitsy izy. Rehefa nanorohavitra azy hanaiky am-bava ireo namany dia ry Masruq sy Tawus mba hitsaharan'ny fampahoriana dia izao ihany no navaliny: "Mijery antsika ny olona ary manao izay ataontsika rehetra. Inona no hanjo azy ireo raha manaiky isika?"59

Nanambady ny zanaka vavin'I Abou Houraïra I Sa'id mba ahafahany manakaiky azy kokoa sy hanatsara ny fahalalany sy ny fahatsapany ny hadita avy amin'I Abou Houraïra. Rehefa nangataka fanampiana tamin'ny zanaka vavin'I Sa'id I Abd al-Malik kalifa sady governoran'ny tany lehibe, mba ho an'I Hisham zanany izay ho kalifa avy eo, dia tsy nanaiky izy, teo anatrehan'ireo fandrahonana sy fampahoriana tsy ankijanona dia nomeny an'I Ibn Abi Wada' izay nipetraka tao amin'ny "madrasa' ny zanany vavy.60

Nihevitra I Imam Shafi'I fa marina avokoa ny haditan'I Sa'id na dia tsy voamarika ireo mpanaradia nandraisany izany. Midika izany fa mitovy laharana tamin'ireo mpanaradia tamin'ny fahalalana sy ny fitantarana ireo "tradition prophétique" I Sa'id amin'I Shafi'i. anisan'ireo nandray hadita taminy ry Aba ibn Abi Rabah, Qatada, Muhammad al-Baqir (zafin-dohalik'I Ali); Zuhri sy Yahya ibn Sa'id al-Ansari ary mendrika fankasitrahana manokana.

Alqama ibn Qays an-Nakha'I Tamin'ny vanim-potoanan'ny Tabi'un dia nomem-boninahitra manokana noho ny fisian'I Hasan al-Basri ny Basra; Yemena tamin'I Tawus ibn Qaysan; I Medina tamin'I sa'id ibn al-Musayyib, ary I Kufa tamin'I Alqama ibn Qays an-Nakha'i. nazavain'I Ad Allah ibn Mas'ud aloha I Kufa nandritry ny naha kalifa an'I Omar, avy eo I Ali nivantana rehefa nafindrany tany ny foiben'ny kalifa. Nanome fanambinana lehibe hoan'I Alqama izany fihaonany tamin'ireo mpanaradia maro sy ny nianatra ny "tradition prophétique" tamin'ireo nandray azy voalohany.

I Alqama no mpanorina ny sekolim-pahalalana ara-pivavahana silamo tao Kufa. Ireo izay nahita azy dia mahatsiaro an'I Abd Allah ibn Mas'ud satria nanaraka ny dian'izy io izy tamin'ny fivavahana ny fitondrantena sy ny fampiharana ny finoana silamo.

Anisan'ireo manam-pahaizana lehibe nitatitra ny haditan'I Alqama I Amr ibn Shurahbil, nihevitra matetika ireo izay manodidina azy izy: "Andeha isika haka tahaka an'ilay tena nitovy tmain'I Mas'ud ao amin'ny fitondran-tenany sy ny toetrany".61

Nisy hitovizany betsaka tamin'ny irak'Andriamanitra I Ibn Mas'ud sady nisolo tena azy koa. Tahakan'ny nitiavanan'ny irak'Andriamanitra ny fihainoana ny fitantaran'I Ibn Mas'ud ny CORAN no nitiavan'I Ibn Mas'ud nihaino an'I Alqama nitanisa ny CORAN.62

Nekena ho mpisara silamo lehibe I Imam Aou Hanifa tamin'ny ankapobeny sady olona mpino sy niaina tman fiainana tsotra, hidera an'I Alqama toy izao: "Ekena fa lalin-kevitra tokoa amin'ny hadita I Alqama sy amin'ny fitsarana noho ireo mpanaradia sasany".

Indray andro nisy olona nanatona an'I Alqama ary nanevateva azy fatratra. Tsy nampiseho fahatezerana na fahasosorana akory ilay manam-pahaizana, rehefa nifarana ny tenin'ilay olona dia notanisainy ity andininy ity: "Ary izay miteny ratsy ny mpino ary tsy mendrika ny mpino izany, dia ho alam-araka ary fahotana izany". (33:58) Namaly ilay lehilahy: "Moa va mpino ianao?" Namaly ampanetretena I Alqama: "Iriko izany".63

Niady tamin'ny fahadisoana nanjaka tamin'ny vanim-potoana niainany I Alqama ary tsy nanaiky ireo mpitarika Omeyyada diso làlana. Satria nandray hadia an-jatony tamin'ireo mpanaradia izy ka maro ireo olona ambony indray nihira taminy sy ireo taranaka manaraka no nitatitra hadita avy taminy. Namolavola ireo manam-pahaizana ambony tao amin'ny sekolin'I Kufa I alqama toandr'I Aswad ibn Yazid an-Nakha'I, Ibrahim an-Nakha'I sy Hammad ibn Abi Sulayman ary nameno tontolo nahafinaritra an'I Kufa noho ny famolavolana an'I Sufyan ath-Thawri, Abou Hanifa sy ireo maro hafa.

Ny rain'I Urwa ibn Zubayr ibn al-Awwam anisan'ireo olon-tsambatra 10 izay nampanantenaina ny Paradisa fony fahavelony izy. I Safiyya no reniben'I Urwa, nenitoan'ny Mpaminany avy amin-drainy ary renin'I Asma bint Abou Bakr izay nandany ny fotoany maro tamin'ny fiainany tamin'ny fiarahana tamin'I Aïcha. Nahazo fampianarana tamin'I Sa'id ibn al-Musayyib izay zokiny valo na fito taona koa izy.

Iray tamin'ireo mpitsara lehibe fito tamin'ny fotoan'androny I Urwa. Nampita ny ankamaroan'ireo hadita nampitain'I Aïcha izy. Nandray hadita tamin'I Ali, Omar, Ibn Abbas, Abou Ayyub al-Ansari sy ireo mpanaradia hafa koa izy. Nitatitra hadita avy taminy. Ireo olo-malaza ankehitriny toandr'I Qatada ibn Di'ama, Ibn Shihab az-Zuhri, Yahya ibn Sa'id al-Ansari sy Zayd ibn Aslam.

Anisan'ny tena mpino tamin'ireo tamin'ny vanim-potoana ankehitriny ireo I Urwa. Ohatra, tratran'ny aretina ny tongony ilany ka tsy maintsy notapahina. Teo amin'ny fanapahana azy dia tsy nitaraina izy fa niteny toy izao fotsiny: "Reraka loatra amin'ny diantsika ety antany isika". (18:62)

Rehefa maty ny iray tamin'ireo zanany efatra dia nananga-tànana teo anoloan'ny Ka'ba izy ary nanome voninahitra an'Andriamanitra: "Andriamanitra ô, nomenao zanaka efatra aho ka nalainao ny iray, nomenao tongotra roa sy tànana roa aho. Nalainao avokoa ny iray tamin'izy ireo ary navelanao tamiko ny telo avy sisa. Fiderana tsy manam-pahataperana ho anao!"64

Tena tafiditra amin'ny hevitry ny: "Mankasitraka azy Andriamanitra ary ankasitrahiny". (98:8)

Muhammad ibn Muslim in Shihab az-Zuhri, antsoina hoe Ibn Shihab az-Zuhri dia nitatitra ny 1/4n'ny "tradition prophétique" avy tamin'ny Tabi'un. Niady tamin'ny Omeyyada I Muslim rainy ary indrindra tmain'I Hajjaj. Narahin'ny fitondrana Omeyyada maro akaiky izy avy eo. Tsy nanohana ny Omeyyada velively araka izay noheverin'ny sasany izy.

Toy ireo maro hafa nomen'Andriamanitra voninahitra tmain'ireo mpitatitra ny hadita azo antoka, nanana fitadidiana lehibe I Ibn Shihab az-Zuhri. Talohan'ny naha 7 taona azy izy dia efa nahatadidy ny CORAN manontolo tao anatin'ny 8 andro fotsiny. Nanomboka nampihatra ny "ijtihad" (mitsara ny toe-javatra mikasika ny finoana na ny lalàana tman fifotorana man CORAN sy ny SONA) izy raha vao 18 taona. Tadidiny avokoa ny zava-drehetra: "Tsy misy diso izay napetrak'Andriamanitra toy ny zavatra tsara napetraka ato am-poko".65

Nahazo ny fibeazany voalohany tamin'I Sa'id ibn al-Musayyib izay nanabe azy nandritry ny 8 taona I Ibn Shihab az-Zuhri. Mpianatr'I Ubaydullah ibn Abd ibn Uta koa izy, iray tamin'ireo mpitsara lehibe tamin'izany. Nanohana ny fiainany tamin'ny hadita izy: "Nivezivezy tsy ankijanona tany Hedjaz sy Damasy nandritry ny 40 taona hoan'ny hadita fotsiny izy".66

Tsy nisy nanameloka azy velively ho nila ranondranony tamin'ny Omeyyada. Fahadisoana ara-tantara no nahatonga izany lainga izany. Marina fa nampianatra ny zanaky ny kalifa Hisham izy. Tsy fahadisoana anefa izany ary tsy midika ho fanohanany ny Omeyyada. Ny mifanohitra amin'izany aza fa noderaina izy satria nitari-dàlana ireo mpitondra ao afara hitarika ny fiaraha monina silamo ho amin'ny fahamarinana.

Tamin'ny fihaonany voalohany tamin'I Ibn Shihab az-Zuhri dia nampahatsiaky ny kalifa Abd al-Malik fa ny rainy dia nanohana an'I Abd Allah ibn Zubayr tamin'ny fifandirany tamin'ny Omeyyada nandritry ny fotoana lava. Tsy menatra ny nilaza ny fahamarinana tamin'ireo mpitondra Omeyyada anefa I Ibn Shihab az-Zuhri.

Ireo Omeyyada sasany dia nihevitra fa toan'I Ali izy ao amin'ity andininy ity:

"Vondrona avy amintsika no ho avy ao amin'ny fanalam-baraka. Aza mihevitra fa ratsy aminareo izany fa tsara aminareo kosa. Fahotana avokoa izay voarain'izy ireo avy. Izay tompon'antoka lehibe teo aminareo no hivesatra sazy mavesatra (24:21) [nambara io andininy io tamin'ny fanalam-baraka natao tamin'I Aïcha].

Tena lainga be natao tamin'I Ali izany. Nanambara ampahibemaso tamin'ny fitsarana ny Omeyyada I Ibn Shihab az-Suhri fa io andininy io dia nilazana an'I Abd Allah ibn Ubayy ibn Salul, ilay mpitarika ny mpihatsaravelatsihy tao Medina. Rehefa tezitra ny kalifa dia namaly I Ibn Zuhri: "Ry tsy manandray! mianiana amin'ny anaran' aho fa na misy avy any andanitra aza milaza fa mamela handainga Andriamanitra dia tsy nandainga na oviana na oviana aho!"67

Na dia niaro an'I Ali tamin'ireo Omeyyada aza I Ibn Zuhri Shihab dia nomelohin'I Ya'qubi, mpahay tantara chiite ho namorona hadita miandany amin'ireo Omeyyada. Nanao toy izany tamin'I Abou Houraïra koa I Abou Ja'far al-Iskafi, mpahay tantara hafa chiite. Araka ny tatitra dison'I Ya'qubi dia nanarina ny trano fivavahana al-Aqsa' tao Jerosaleman mba hankaherezana ny silamo hanatanteraka ny fiodinana mahazatra azy fa tsy manodidina ny Ka'ba ny kalifa Abd al-Malik. Nangataka an'I Ibn Shihab az-Zuhri hamorona hadita mianaraka tamin'izany izy ary izao no naparitany: "Tsy tokony hisahirana handeha afa tsy ao amin'ny trano fivavahana telo: Masjid al-Haram, Masjid al-Aqsa' ary ny Masjid ko (ny fiangonako) eto [any Medina].

Ato amin'ity boky ity aho no hanazava ny maha marina io hadita io. Fa Ya'qubi ihany no diso tamin'ny fitantarana zavatra tsy nisy dikany satria:

  • Tsy nisy bokin-tantara hody na kristianina na silamo tsy nitatitra fa na iza na iza manao ny fiodinana mahazatra manodidina ny Masjid al-Aqsa' dia toy ny atao manodidina ny Ka'ba.
  • Manambara izany ny CORAN ary nanaja azy ny silamo; tsy nisy hadita noforonina ka najaina.
  • Ny kalifa Omar sy Abd al Malik sy Nur ad-Din az-Zaiki sy Salah ad-Din no nanamboatra azy manontolo.
  • Tsy nifanena tamin'I Abd al-Malik nandritry ny fanjakany I Ibn Shihab az-Zuhri na namorona hadita ho azy ara-panjakana toy ny tamin'ny naha kalifa an'I Omar ibn Abd al-Aziz.
  • I Abd al-Malik dia tsy karazan'olona nanao famitahana hafahafa toy izany. Talohan'ny naha kalifa azy dia tena nino izy, manampahefana tamin'ny hadita ary nahafantatra tsara ireo manam-pahaizana tamin'ny fotoan'androny. Rehefa tsy nahomby tamin'ny naha kalifa azy izy dia nitana iznay famindram-pony izany. Hoy ireo manam-pahaizana, tsy nidim-boninahitra tamin'ny famoronana hadita.

Na dia teo aza ny tsy nampazava azy dia nampiasa ny tantaran'I Ya'qubi mba hanalam-baraka an'I Ibn Shihab az-Zuhri, ilay nanangona ara-panjakana voalohany lovan-tsofina sy nitatitra ny ampahefany I Goldziher. Ny mpikaroka "moderna" eo amin'ny tontolo silamo toandr'I Ahmad ibn Amin, Ali Hasan, Abd al-Qadir sy Abou Rayya izay mpitondra tenin'ny oriantalista dia namerina azy io koa.

Ny fahalalana ny hadita dia mifototra amin'ny andry mafy azo antoka idnrindra ary eo ireo loharano nipohirany hatrany amboalohany hoan'izay rehetra te hanadihady azy. I Goldziher sy ny namany anefa dia nifototra tamin'ny asa nanidintsidina sy poetika toy ny "al-Iqd al-Farid sy Al-Aghani (hira), sy tamin'ireo boky mianatra ny biby toy ny "kitab al-Hayawan". Tsy misy hifandraisany amin'ny hadita ireo boky ireo sy izay mitovitovy aminy ary tsy manana fomba fiasa siantifika.

Iray tamin'ireo manam-pahaizana lehibe tamin'ny hadita I Ibn Shihab az-Zuhri. Ny tena manam-pahaizana indrindra tamin'ny hadita toandr'I Ibn al-Madini, Ibn Hibban, Abou Hitim, Hafiz adh Dhahabi sy Ibn Hajar al-Asqalani dia miombon-kevitra amin'ny fahefany tsy azo lavina. Nandray hadita maro tamin'ireo mpanaradia izy ary maro ireo nanam-pahaizana teo amboalohany sy faharoa taorian'ny mpanaradia nitatitra hadita avy taminy.

Mbola maro koa ireo Tabi'un mendrika ny hasian-teny: Aswd ibn Yazid an-Nakhaï, Nafi (Mpampianatra an'I Imam Malik, mpanorina ny sekolin-dalàna Malekita) sy Tawus ibn Qaysan, izany tsy natory nandritry ny 40 taona teo anelanelan'ny vavaka amin'ny alina sy ny maraina. Ny fetran'ity boky ity anefa dia tsy mamela hanao fanadihadiana an-tsipirihany ka hijanona eto isika.


[49] Hakim, Mustadrak, 4:86; Haythami, Majma', 10:20; Hindi, Kanz al-'Ummal, 11:530.
[50] Bukhari, "Tafsir," 31/2; Abu Dawud, "Sunna," 16; Muslim, "Iman," 5-7.
[51] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 223-24.
[52] Ibid.
[53] Abu Nu'aym, Hilya, 3:146.
[54] Ibn al-Jawzi, Sifat as-Safwa, 3:15.
[55] Abu Nu'aym, Hilya, 4:291-5; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 9:117.
[56] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna qabl at-Tadwin, 485.
[57] Abu Nu'aym, Hilya, 1:163.
[58] Ibid., 2:172.
[59] Ibn Sa'd, Tabaqat, 5:126.
[60] Ibid., 5:138; Dhahabi, Siyar A'lam an-Nubala', 4:234.
[61] Ibn Sa'd, 6:86; Abu Nu'aym, 2:98.
[62] Ibn Sa'd, 6:90-91.
[63] Ibid., 6:86; Abu Nu'aym, 2:100.
[64] Abu Nu'aym, 2:179.
[65] Ibid., 3:364; Dhahabi, Tadhkirat al-Huffaz, 1:109.
[66] Ibn Kathir, 9:375.
[67] M. 'Ajjaj al-Khatib, As-Sunna qabl at-Tadwin, 509-10.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.