Fanendrena Olona Mahay

Nanendry ny silamo feno fanantenana sy fahaizana tamin'ny andraikitra tena hainy ny Irak’Andriamanitra. Tsy mba nanan-kevitra ny hanao fanendrena hafa izy satria hitany amin'ny fahitsiana sy amin'ny fahaizan'ilay olona fa tsy diso safidy izy.

Mijanona ao antsain'ny silamo manontolo ny vanim-potoana silamo tao La Mecque. Tsy tamin'ny silamo mahantra sy tsy misy mpiharo ihany no nihatra ny toetra tsy mendrika fa tamin'ireo silamo anisan'ny olona sangany amin'ireo koraisita toandr'i (Abou Bakr sy Omar koa).1 Mba hiarovana ireo mpino dia navelan'ny Irak'Andriamanitra hifindra monina tany Abisinia ireo mahantra sy tsy manam-piharo. Notanany kosa ireo matanjaka (Ali, Zubayr, Abou Bakr, Omar sy Sa‛d ibn Abi Waqqas), notanany tao La Mecque satria mila ny fanampian'izy ireo ny finoana silamo mba hiparitahany sy hosenany ao La Mecque. Ireo silamo mahery ireo no hitantana ny toerana ambony ara-panjakana amin'ny fanjakana silamo.

Bedopina mahantra I Abou Dharr, mahitsy sy tsotra be ary tsy mba manafina ny finoany sy ny fihetsem-pony. Rehefa henony fa nanambara ny faminaniany I Mohammed dia tonga tao La Mecque izy ary nivadika ho silamo. Nampianatra mangina ny finoana silamo hatrany ampiandrohany ny irak'Andriamanitra. Mpino sy tena niorina I Abou Dharr. Na izany aza, satria mila fahaiza-manao manokany ny fitantanam-bahoaka ka tsy neken'ny irak'Andriamanitra ny fangatahany toerana manao asam-panjakana: "Tsy afaka mitantara ny raharahan'ny olona ianao hoy izy. Aza mitady izany toerana izany satria tsy ankininay amin'ireo izay mangataka azy rehetra izany.

Nolavin'ny irak'Andriamanitra ny fangatahan'I Abou Dharr fa nandinika ny haha kalifa an'I Bakr sy Omar izy hoy izy: "Manana mpitarika efatra aho, roa any an-danitra ary roa ety an-tany, I Abou Bakr sy Omar ireo".3 Mikasika ny haha kalifa an'I Ottman indray dia hoy izy "Ho fisedrana ho azy izany".4


[2] Muslim, "'Imara," 16-17.
[3] Muttaqi al-Hindi, Kanz al-'Ummal, 11:563, 13:15.
[4] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 5:7; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 29.