Ny Fangatahana Ny Hevitry Ny Hafa

Miseho amin'ny fangatahany ny hevitr'ireo mpiaradia aminy ny fahendren'ny irak'Andriamanitra. Tena zava-dehibe amin'ny silamo izany fomba izany ka tsy mahatapa-kevitra amin'ny raharaham-bahoaka raha tsy manao izany. Indraindray aza izy dia mangataka ny hevitry ny hafa mikasika ny raharahany manokana. Ohatra vitsivitsy no ho lazaintsika amin'izany:

  • Niaraka tamin'ny Mpaminany I Aïcha nandritry ny ady tamin'ny Banu Mustaliq. Very ny firavak'I Aïcha tamin'ny fialan-janona kely ary nikaroka izany izy. Rehefa niverina izy dia hitany fa nandao azy ny tafika. Noheverin'ny mpitondra rameva fa tao amin'ny fitoerany tao ihany izy. I Safwan mpanangona ireo zavatra taela na very any afara no nahita azy ka naka azy hiaraka tamin'ny tafika. Ny fanalambaraka taorian'izay no nampiahiahy ny fahatokisana azy, indrindra fa ireo mpihatsaravelatsihy.fantatry ny irak'Andriamanitra fa madio izy. Na dia izany aza dia nataon'ireo mpihatsaravelatsihy hanalam-baraka azy izany. Nila hevitra tamin'ireo namana sasany toan'I Omar sy Ali ny Mpaminany tamin'izany. Nilaza I Omar fa masina sy madio I Aïcha, tsy mampiahiahy izany, nalam-baraka fotsiny izy. Rehefa nanontaniana izy hoe ahoana no hahalalana izany dia hoy ny valinteniny.

"Indray andro rehefa mby hivavaka ianao ry irak'Andriamanitra dia nijanona ary nanazava fa nampahafantatra anao ny Arak'Anjely Gabriely fa maloto ny faladian-kiraronao. Noho izany, raha misy loto ao amin'I Aïcha dia tsy azo iambahambana fa nampahafantatra anao Andriamanitra".

Hoy ny irak'Andriamanitra indray andro: "Na iza na iza nangataka toro hevitra, aza manao izay mampalahelo az".17 Mifampidinia mandrakariva amin'ireo izay manan-kevitra tsara mikasika toe-javatra iray manokana.

  • Naka ny hevitr'ireo namany izy talohan'ny ady tao Badr, fifanandrinana ara-miaramila goaana voalohany taorian'ny Hezira, mba hanapahan-kevitra na vonona hiady amin'ny taika mekoa izay nanakaiky izy ireo na tsia. Niisa 305 na 313 fotsiny ny afika silamo kanefa nahatratra 1000 teo ho eo ny tafika mekoa. Nisy mpitondra teny avy amin'ny mpifindra monina sy ny mpanavotra nitsangana ka nilaza ny fahavononan'izy ireo handeha amin'izay rehetra alehan'ny Mpaminany sy izay itarihany.18 Nandritry ny androm-piainany dia nanome toky lalandava ny hanaraka izay dia alehany ireo mpanaradia azy ary nanaraka ny baikony rehetra. Na dia izany aza dia nila hevitra tamin'ireo namany izy saika tamin'ireo raharaham-bahoaka tamin'ny ankapobeny mba hanjary zava-panao amin'izy ireo.
  • Nitoby tamin'ny toerana izay nitobiany ny taika silamo nandritry ny ady tao Badr. Nitsangana I Hubab ibn Mundhir izay namana vao taot aoriana ary niteny hoe:
  • "Ry irak'Andriamanitra, raha tsy nasain'Andriamanitra hapetrakao eto amin'ity toerana ity izahay dia apetraho manodidina ny lava-drano ary ho tampenanay ny laa-dano afa tsy ny iray mba tsy hananan'ny fahavalo rano. Apetraho eo akaikin'ny lava-drano iray nisokatra ny tranolainao (eo izahay no maka rano). Ary hodidininay ianao".

Narahin'ny irak'Andriamanitra ny heviny.19

  • Ny taona 627 dia nifandray tendro tamin'ny foko tanefitra sy ny foko jiosy Banu Nadhir izay nonina tao Khaybar taorian'ny nandroahana azy tao Medina ny Qoraisita. Rehefa nahafantatra ny paik'adin'izy ireo ny irak'Andriamanitra dia nila ny hevitry ny tsirairay mba hahitana ny fomba tsara hiarovan-tena amin'ny fanafian'ny fahavalo. Nanoro hevitra ny hanaovana lavaka, hadivory manodidina an'I Medina I Salman al-Farisi, paik'ady mbola tsy hain'ny arabo hatramin'izay. Nandidy ny hampiharana izany ny irak'Andriamanitra. Ary io ady io dia natao hoe adin'ny Adivory (ady nomanina).20
  • Hitan'ny silamo ho sarotra ekena ny fifanarahana tao Houdaïbiya ary tsy natao hampanekena ny baikon'ny Mpaminany ny hamono ny biby atao sorona fa tsy hanao ny fivahiniana masina. (Iray amin'ireo fepetra ny tsy fahafahan'izy ireo miditra an'I La Mecque tmain'io taona io). Nanontany ny hevitr'I Omar Salama vadiny ny irak'Andriamanitra tamin'izany. Hoy ny navaliny: "Ry irak'Andriamanitra, aza mamerina ny baikonao, sao tsy flay sy tsy hanaiky izany izy ireo. Vonoy sy ataovy sorona ny bibinao manokana ary esory ny akanjo fanaovanao amin'ny fivahiniana masina, hanaiky anao tsy amim-pihambahambana izy ireo". Nataon'ny Mpaminany izay nolazainy.21

[16] Halabi, Insan al-'Uyun, 2:613.
[17] Haythami, Majma' az-Zawa'id, 2:280.
[18] Ibn Sa'd, Tabaqat, 3:162; Muslim, "Jihad," 83 ; Ibn Hisham, 2:266-67.
[19] Ibn Hisham, 2:272.
[20] Ibid., 3:235; Ibn Sa'd, 2:66.
[21] Bukhari, "Shurut," 15.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.