Ny Ady Mangotraka

Arakaraky ny nahamafy ny tafika sim tao medina no nampanahiahy hatrany ireo koraisita tamin'ny fanovahovana mety hisehoeny andalany rehefa mivarotra any Siria. Nandrahona ny hamono ny lehilahy rehetra ao medina sy hakany ny vheivavy ho andevo raha tsy mandroaka ny Irak'Andriamanitra, ny koraisita tamin'ny taratasy nalefany tamin'i Abd Allah ibn Ubayy ibn Salul.9 Nofaranan'ny Mpaminany izany tamin'ny fotoana nampety azy tsara ary tsy nanaraka ny raharaha intsony i Ibn Ybayy. Avy eo rehefa nankany La Mecque hanao ny fivahinianana masina kely (‛umra) i Sa‛d ibn Mu adh dia tsy navela hiditra tao amin'ny Ka‛ba ary tsy navela hanao ny dia mahazatra. Nandefa tarika mpitsikilo hatrany koa ny mponin'i La Mecque.

Ny ady tao Badr

Noho ny tsy fahafantarana ny zavatra mety hitranga dia tsy maintsy nanitatra ny fifehezany tamin'ny làlan'ny mpivarotra mankany Siria hoan'ny tafika koraisita sy ny tarika mpanohitra ny silamo mba hahitana ny paik'adiny.

Fotoana hanehoan'ny Mpaminany amin'ireo tafika manohitra azy koa izao fa tsy azo sakanana ny fampianarana na ny famongorana ny finoana silamo ao ampon'ireo manaraka azya ry ho babo olombelona anatrehan'ny silamo ireo mpino Andriamanitra maro sy ny tsy mpino.

Ny voalohan'ny taona 624 dia nisy andiana koraisita maro niainga tany Siria hoany La Mecque ary nambenana mpiambina 40 eo ho eo ary tonga teo amin'ny toerana teo ampelantanan'ny silamo. Nitondra entana novidiana tamin'ny fananan'ny mpifindra monina izy ireo. Mazava ho azy fa natahotra ny fanafihan'ny silamo i Abou Soufyan lehiben'izy ireo sao haka ny fananany nalaina ankeriny ny silamo. Naniraka olona nankany La Mecque izy mba hangataka tafika fanampiny noho izany.

Niteraka fandavana manerana an'i La Mecque izany. Tapakeitra ny hiady tamin'ny Mpaminany ireo lehiben'ny koraisita. Mpiady 1000 teo ho eo no nandao an'I La Mecque ary vonona ny hanamontsana ny herin'ny silamo tsy mitsaha-mivoatra. Te-hampihorohoro ny foko manodidina toy ny mahazatra mba hiantoka ny fiambenana ny fitanteram-barony ihany koa izy ireo.

Nahazo vaovao hatrany mikasika izay mety ho fivoaran'ny fanelingelenana nyasany ny irak'Andriamanitra, tsapany fa raha tsy misy zavatra atao haingana dia haingana dia mety hiaran-javatra mafy sy hiaritra fatratra ny fampianarana ny finoana silamo. Raha nandray fanapahan-kevitra hanafika an'I Medina ny koraista dia ho potika ny fiarahamonina silamo mbola narefo tao an-tanàna. Na dia nahafapo azy ireo aza ny fiarovana ny entambaony hatrany La Mecque tamin'ny tafiny, efa nanimba ny lanjan'ny tafika silamo izany. Ary raha tonga izany dia itataovan-doza ny ainy sy ny fananany ary ny voninahiny.

Rehefa nanapa-kevitra ny hampiasa izay zavatra teo ampelatànany ny Mpaminany dia nandao an'I Medina. Tapa-kevitra tanterakany hiady tamin'ny koraista izy kanefa ny silamo dia te-haka ny entam-barotra sy hamerina ireo fananany.

Namory nyolona ny Mpaminany ary nilaza tmain'izy ireo fa any avaratra ny fitanterana ny entam-barotra koraista fa any atsimo kosa ireo tafiny ary mitodika ho aty Medina. Nilaza tamin'izy ireo koaizay fa nanome toky ny hahazoana ny iray amin'ireo Andriamanitra.20 Azy ireo ny fanapahan-kevitra amin'izay ho tafihina amin'izy roa.

Tonga saina tsara tamin'izay irian'ny Mpaminany ny mpifindra monina iray nantsoina hoe Mqdad ibn Amr ka namaly hoe:

"Ry irak'Andriamanitra, ataovy amin'izay nandidian'Andriamanitra anao. Tsy hiteny izahay, tahakan'ny zanak'Israely niteny tamin'i Moizy hoe: «Mandehana ianao sy ny lehibenao ary miadia. Hijanona eto izahay». Izahay kosa hiteny hoe: «Hiady eo akaikinao any amin'izay alehanao rehetra izahay na dia lavitra noho i Bakr al-Ghimad aza.21

Hatramin'ny ady tao Badr dia tsy nangataka fanampiana ara-miaramila tamin'ireo Ansara ny irak'Andriamanitra. Voalohany izao no hanaporofoan'izy ireo ny adidiny amin'ny silamo. Tsy niteny mivantana tamin'izy ireo ny Irak'Andriamanitra, naverin'ny Irak'Andriamanitra indroa ny fanomezany safidy. Tsapan'i Sa‛d Ibn Mu‛adh, Ansara mpitarika ny foko Aws izay tian'ny Irak'Andriamanitra hatao ka nitsangana izy ary niteny hoe:

«Ry Irak'Andriamanitra, heveriko fa miantefa amin'ny Ansara, ny fanontanianao. Mino anao izahay, manafatra fa ianao no Irak'Andriamanitra, ary mankatoa ny fahamarinan'ny fampianaranao. Manome toky izahay fa hanampy anao, manome toky izahay fa hanaraka anao ary hanaiky anao. Ry irak'Andriamanitra, ataovy izay sitrakao! amin'ny anaran'izay naniraka anao tamin'ny fahamarinana, tsyhisy hijanona izahay na iray aza raha entinao any an-dranomasina ka hiroboka ao. Noho izany, raiso ho eo ankaikinao izahay eny an-tsahan'ny ady amin'ny alalan'ny tsodranon'Andriamanitra".22

Tapaka ny hevitra fa hiady. Izany voalaza izany koa no didin'Andriamanitra. Arivo no isan'ny tafika Makoa, nahitana miaramila 600 ary mpitaingin-tsoavaly 200 ary niaraka tamin'ny mpihira sy ny mpandihy. Isaky ny mijanona dia miboboka zava-pisotro mahamamo sy mandihy. Nanantena ny heriny ara-miaramila ny miaramila miavonavona, nanantena ny fahamaroan'isany sy ny fahamboninany ary ny tsy fetezan-koresiny tamin'ny tanàna manontolo sy ny foko nifanehitra taminy teny andalana.23 Ary mbola ratsy noho izany, tsy miady amin'ny antony mendrika izy ireo fa miady handresy ny herin'ny finoana sy ny fahamarinana, ny fandriampahalemana sy ny toetra mendrika.

313 no mpiady tao amin'ny tafika silamo: 86 ny mpifindra monina ary 227 ny Ansara. Silamo 1 na roa ihany no nitaingin-tsoavaly satria mba manam-pitaovana kely.s atria tsy nisy afa tsy rameva 70 ka nifandimby nitaingina ny olona 4 isaky ny mandeha. Niandry ny anjarany niaraka tamin'ny silamo 2 ny irak'Andriamanitra. Rehefa niteny azy ireo hitaingina foana izy fa tsy hiandry ny anjarany dia hoy ny navaliny: "Tsy matanjaka noho izaho ianareo. Ary mila valisoa mitovy amin'ny anareo koa aho".24

Tena nifantoka tanteraka tamin'ny fivavahana silamo sy vonon-kofaty aminy ny miaramila silamo. Mba hanatanterahany ny didy izay navoakany dia nataon'Andriamanitra nofisin'ny Mpaminany fa vitsy an'isa ny tafika mekoanina ary mitovy amin'ny fahitan'ny mekoa ny havitsian'ny tafika silamo. (8:44)

Izy ireo no tonga voalohany teo amin'ny sahan'ny ady, naka toerana manodidina ny lava-drano izy ireo. Nanararaotra ny fiavianny orambe tamin'ny alina koa izy mba hanangonana rano betsaka. Nahamafy ny fasika tamin'ny faritra ambonin'ny loharano koa ny orana ary teo izy ireo no namelatra ny trano lainy. Izany tany mafy izany koa dia nanatsara ny famindrany ho entitra sy matotra ka ho tafafindra toerana mora foana. Tao amin'ny faritra ambanin'ny lohasaha izay nitobian'ny tafika koraista anefa dia nangonahona ny tany. Ankoatry ny fanomezan'Andriamanitra maro dia nomeny torimaso tsara sy fahatsapana fiadanana sy fandriampahalemana ny silamo. (8:11)nifanatrika tao Badr ny tafika roa. Maro noho ny silamo ny mekoa raha ny isa no jerena, telo no anjaran'ny iray ary ampy fitaovana kokoa izy ireo. Na dia izany aza dia antony ambony no iadivan'ny silamo: hametraka ny fivavahan'Andriamanitra, mifototra amin'ny finoana sy ny moraly tsara ary ny fahamarinana, fahamarinan'ny fivavahana silamo ary maniry ny ho faty noho io fivavahana io.

Mahita ny sahan'ady manontoly avy eo amin'ny toby nisy azy ny tafika silamo. Nizara telo izy: teo afovoany sy tery amin'ny ilany roa. Ny hery teo afovoany dia nahita olona ambony avy amin'ny mpifindra monina sy ny Ansara izay tena tia ny Mpaminany. I Mus'ab ibn Ymayr, avy amin'ny fianakaviana manankarena indrindra tao La Mecque ary nanaraka ny fivavahana silamo hatramin'ny fahatanorany no nitondrany fanevan'ny irak'Andriamanitra. Tsara tarehy izy rehefa mivoaka mitafy landy, mitsiriritra azy avy eny ambaravaran-keliny ny tovovavy mekoa talohan'ny nivadihany ho silamo. Rehefa nivadika ho silamo anefa izy dia nanaraka ny irak'Andriamanitra tamin'ny fony tokoa. Nahafoy izay nananany rehetra teny andalan'Andriamanitra izy ary maty maritiora tao Ouhoud, ady nitondrany ny fanevan'ny irak'Andriamanitra ihany koa. Rehefa tapaka ny sandriny havanana dia nataony tamin'ny sandriny havia ny faneva, rehefa tapaka avokoa ny tànany dia tsy nanana afa tsy ny lohany sisa izy mba hiarovana ny Mpaminany ary maty maritiora teo anatrehany izy.25

I Ali sy I Sa‛d ibn Mu'adh no nitarika, nibaiko ny ilany roa. Fantatra amin'ny herim-pony sy ny fitiavany manokana ny Mpaminany I Ali. Vao 9 na 10 taona monja izy dia nilaza tamin'ny Mpaminany hoe: "Izaho, hanampy anao aho" taorian'ny nanangonan'ny irak'Andriamanitra ireo ray amandreniny akaiky hanampy azy amin'ny fanatanterahana ny asany ary mba hiova ho mpino izy ireo. Ny alin'ny andehanan'ny Mpaminany hifindra monina dia niara natory taminy I Ali mba ho afaka mandao an'I La Mecque ampilaminana izy.27 Tamin'ny fotoana niodidinan'ny fahavalo teo amin'ny tranon'ny irak'Andriamanitra no nahitany io hafetsifetsena io, efa tonga tany amin'ny lavak'I Thawr ny irak'Andriamanitra. Tena nankasitrana tanteraka ny mikasina an'Andriamanitra I Ali.

Nandray ny fepetra rehetra nilaina ny irak'Andriamanitra ary niomana araka izay azony natao. Nampiasa ny zavatra teo ampelantànany izy ary nisafidy izay tsara indrindra tamin'ireo miaramilany amin'ny maha mpitaritolona azy. Napetrany teo amin'ny lafiny ambony tamin'ny lohasaha ny tafiny. Avy eo izy namelatra ny trano lainy teo amin'izay hahafahany mahita ny sahan'ady manontolo ary avy eo no nahafahany nanome mivantana ny baikony. Ary mba hamenoana ny fepetra farany ilaina, nivavahana tamim-pahamarinana sy tamim-panetretena lalina izy:

"Andriamanitra ô, indro ny koraista mikatsaka ny fandavana sy ny fanalam-baraka ny Irakao. Andriamanitra ô, ampio amin'ny fanampiana efa nambaranao tamiko izahay. Andriamanitra ô, raha levona ireto silamo vitsy anisa ireto dia tsy hisy olombelona hidera anao intsony eto antany".28

Taorian'io vavaka io, teo ambany fitarihan'ny anjely Gabriely dia nanipy fasika iray tànana nankany amin'ny fahavalo izy ary tsy misy paiana tsy voany fasika ny masony sy ny orony ary ny vavany.29

Sedra mafy hoan'ny silamo ny tao Badr. Nandeha izy na handresy na ho faty maritiora satria voadidy ho tsy mahazo mandositra. Nananjo ny hisitaka kely izy rehefa mafy loatra ny famoretan'ny fahaalo, paika ho enti-miady mba hitadiavana tohana na hanatonana nytarika hafa ihany anefa izany (8:16), fa noho ny hakanosana na ny fanaresena. Ny fandosirana tsy misy antony dia tsy nataony fa aleony maty hoan'ny finoana silamo –fahotana lehibe izany.

Nanomboka ny ady

Nahitana an'i Utba ibn Rabi‛Andriamanitra sy i Shayaba rahalahiny ary i Walid zanany ny laharana voalohany tamin'ireo koraisita. Nanasa ny silamo hiady aminy tsirairay izy ireo. Nitsangana ny tanora Ansara telo.

«Tsy hiady izahay, tsy te hiady amin'ny zanadrahalahin-drainay izahay!», hoy ny hikan'I Utba tamin'ny avonavona. Niandry izay zavatra mety hitranga ny Irak'Andriamanitra. Nandidy an'i Ali sy Hamza ary i Ubayda ibn Harith hiroso amin'ny ady tsirairay ny Irak'Andriamanitra. Niady i Hamza ary nahafaty an'i Utba, i Ali nahafaty an'i Walid tamin'ny daroka indroa fotsiny. I Ubayda izay somary efa be taona no niady tamin'I Shayba arynaratra teo amin'ny ranjony. Novonjen'I Hamza sy Ali izy ary novonoin'izy ireo I Shayba, nentiny lavidavitra kosa I Ubayda avy eo.30

Kivy tamin'izany fanomboana izany ny koraista. Ny finoana, ny fahamendrehana sy ny herim-pon'ny silamo no fanampian'Andriamanitra azy. Ireo koraisita izay nifaly noho ny hamaroany an'isa sy tamin'ny fitaovam-piadiana dia nihevitra ny faharesena mivaivay tamin'ny silamo tsy ampy fitaovana. 70 no koraisita maty. Niaraka tamin'I Abd Allah ibn Mas‛nd mba hamono an'I Abou Jahl izay nantsoin'ny irak'Andriamanitra hoe "Faraonan'ny fiarahamonina silamo"31 I Awf sy Mu‛awwidh mpirahalahy Ansara vao tanora. Saika maty avokoa ireo mpitarika koraisita: I Abou Jahl, Walid ibn Khuwaylid, Utba ibn Rabi‛Andriamanitra, As ibn Sa‛d, Umayyah ibn Khalaf ary I Nawjal ibn Khuwaylid. Talohan'ny ady dia efa novinanian'ny irak'Andriamanitra ny toerana ahafatesan'izy ireo tamin'ny fitenenany hoe: "eto I Abou Jahl, ery I Umayyah ibn khalaf" sy ny sisa.32

Azo babo ny koraisita 70. nanome fahefana ny hanagatahana tambiny amin'ny famotsorana azy ireo Andriamanitra ary novotsorana ny sasany tamin'izy ireo. Ireo izay nahay namaky teny sy nanoratra kosa dia ampy azy ireo ny mampianatra ny fahalalany amin'ny silamo tsy mahay mamaky teny sy manoratra mba ho afahana izy ireo. Nahazoana tombotsoa betsaka io paik'ady io: nanaiky an-tsitrapo ny hanome tambim-pahafahana ireo babo niandry ho vonoina; mety hiakatra ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ambany dia ambany tao Medina ary hampahomby kokoa ireo silamo efa mahay mamaky teny sy manoratra; mety hahatsapa ny fivavahana silamo ireo babo kanefa mahay taratasy ary mety hifanerasera amin'ny silamo; ary ho finaritra ny fianakaviana sy ny olona akaikin'ireo babo mbola mahita ny havany izay efa noheveriny ho faty ka hanjary hankafia ny fivavahana silamo izy ireo.

Hanana ny lanjany manerana an'I arabia io sy hampanan-kery nysil io fandresena miezinezina io ary fo ontsa maro no hanjary hanaiky ny fivavahana silamo.

Ny ady tao Ouhoud

Nampihorohoro ny tafika manodidina ny fandresena tao Badr. Tafalatsaka ao amin'ny toe-javatra saro-pady ny silamo ary tsy maintsy miharitra ny fahatezerana avy amin'ny mponina manodidina.

Tsy nanan-kevitra kely akory ny hanaja ny fifanarahana natao taminy niaraka tamin'ny Mpaminany taorian'ny hizira ny foko jiosy tao Medina. Nanampy ny mpino andriamanaitra maro izy ireo nandritry ny ady tao Badr. Ary nankahery ampahibe-maso ny koraisita sy ny foko arabo hafa nitambatra hanohitra ny silamo izy ireo. Niara niasa tamin'ireo mpihatsaravelatsihy koa izy ireo izay nanorina sampana hafa ho atrehin'ny politikan'ny mpino silamo indray.

Mba hanakanana ny fiparitahan'ny finoana silamo dia nampiretin'izy ireo indray ny afon'ny ady hevitra manimba taloha teo amin'ny Aws sy ny Khazraj, foko silamo roa medinoa. Nankany La Mecque I Ka‛b ibn Ashraf, lehibem-poko Banu Nadhia ary niantsa tononkalo mampihetsipo hoan'ireo mekoanina maty tao Badr mba handranitana ny koraisita hanao fanafiana vaovao indray. Nanalabaraka ny silamo ihany koa izy ary tamin'ny andininy natokany hoan'ny irak'Andriamanitra tao amin'ny tononkalony.

Nihoatra tamin'ny tokony ho izy mihintsy ny fandikan'ny foko jiosy ny zava-boarara tao amin'ny fifanarahana nifanaovana. Volana vitsy taorian'ny ady tao Badr dia nampiharan'ny jiosy avy amin'ny foko Banu Qaynyqua habibiana tsy maontina ny vehivavy silamo iray, io foko io dia foko jiosy tena mankahala tanteraka indrindra ny silamo. Maty maritiora taorian'ny fifandonana tamin'izany ny silamo iray ary maty koany jiosy iray. Rehefa nanome tsiny azy ireo tamin'ny fitondrantena tsy mendrika ataony sy nampatsiahy ny fitsipika tao amin'ny fifanarahana ny irak'Andriamanitra dia norahonany hoe: "Midiova ianao amin'ny fifanandrinana nataonao tamin'ny vahoaka tsy mahalala na inona na inona amin'ny ady. Nanan-jara ianao. Amin'ny anaran'Andriamanitra, raha miady taminao izahay dia ho fantatrao marina hoe iza, olon'ny ady izahay".

Farany, notafian'ny irak'Andriamanitra ny Banu Qaynuqua ary resiny ka noroahany nankany amin'ny faritra ivan'I Medina. Ankoatra izany dia novonoin'i Muhammad ibn Maslama araka ny didin'ny irak'Andriamanitra I Ka‛b ibn Ashraf noho ny fifandraisam-pisitahana miafina antaony.

Ny anton'ny ady

Mbola niharitra ny fangirifiriana tamin'ny faharesena tamin'ny ady tao Badr ny koraisita. Nitomany ny mpiady maty ny vehivavin'izy ireo saika isan'ando arynamporisika izay velona hamaly faty. Nanampy trotraka koa ny famporisian'ny jiosy azy ireo hanao izany. Tsy ampy taona irey akory dia nanafika an'I Medina tamin'ny alalan'ny tafika nahitana miaramila 3000 niampy lehilahy mitafy vy 700 sy mpitaingin-tsoavaly 200 ny koraisita.

Nahafantatra izany fanafihan'ny mekoa an'I Medina izany ny irak'Andriamanitra ka nanontany ireo mpanaradia azy ny amin'izay tokony hatao hiatrahana io fandrahonana io.34 Nanofy izy fa mitafy vy sy miaraka amin'ny sabatra maranitra ary namono amby vavy. Nadikany izany fa tsy maintsy miaro tena ao anatin'ny fizarantanin'I Medina izy ireo ary ho maty maritiora ny ray amandreny manankaja iray amin'ny fianakaviany sy mpanaradia vitsivitsy. Fantany ihany koa fa hiady amin'ny tany malalaka ny tafika mekoa. Ary rehefa miaro tena ao anatin'ny Medina ny silamo dia tsy ho afaka hipetraka ela ny tafika mekoanina. Notsipihiny indray fa fandriampahalemana sy filaminana hita vantany ny silamo ary tsy afaka mampiasa hery afa tsy hanafoanana ny vato misakana amin'ny fampianarana ny fivavahana silamo na mba hiarovan-tena, na hiarovana ny finoany sy ny tanindrazany.

Na dia izany aza dia maro ireo tanora te-ho maritiora. Tsy reraka ny tsy resy tao Badr izy ireo ka te-hiady ady ivelan'I Medina ankehitriny, hiady amin'ireo fahavalo. Farany, niandry ny hevitry ny be sy ny maro ny irak'Andriamanitra. Rehefa niova hevitra noho ny fananaran'ireo zokiny ireo tanora ireo ka nilaza tamin'ny Mpaminany ireo dia hoy ny navaliny: "Tsy mendrika ny Mpaminany ny manala ny akanjo fitondrany miady rehefa napetany izany"36

Rehefa nanaraka ny hevitry ny be sy ny maro dia nandao an'I Medina hoany Ouhoud ny Mpaminany niaraka tamin'ny mpiady 1000, I Ouhoud dia tendrombohitra iray miala kilometatra vitsy monja aty amin'ny faritra andrefan'ny tanàna. Ny mampiavaka io tendrombohitra io dia ahitana tany midadasika eo anoloany. Rehefa teny antsasa-dalana anefa dia niverina niaraka tamin'ny miaramilany 300 I Abd Allah ibn Ubayy Salue.37 Efa mby hanomboka ny ady no nitranga io toe-javatra io ary nahatonga fisalasalana tamin'ireo avy amin'ny foko Banu Salama sy Banu Haritha te-hanaraka ny diany. Resy lahatra ny hijanona ihany anefa izy ireo tamin'ny farany.

Miroso niaraka tamin'ireo silamo 700 sisa tavela ny irak'Andriamanitra. Nalahany manodidina an'I Ouhoud ireo miaramila ireo mba ho avy ao aoriany ny tendrombohitra ary avy eo anoloany ny koraisita. Tsy afaka nanao fanafiana tsy ampoizina ny fahavalo raha tsy avy eny amin'ny lavaka eny ambony tendrombohitra. Nametrahan'ny irak'Andriamanitra mpitifitra zanatsipika 50 teo ambany fitarihan'I Abd Allah ibn Jubayr teny. Nilazany izy mba tsy hamela olona hanakaiky na hanalavitra io toerana io ary nampiany hoe: "Na dia mahita vorona manidina miaraka amin'ny vatanareo aza ianareo dia aza mihetsiketsika amin'io toerana io".38

I Mus'ah ibn Umayr no nitondra ny faneva, I Zubay ibn Awwam no nibaiko ny mpitaingin-tsoavaly ary I Hamza teo amin'ny fitarihana ny fanafiana antongotra. Vonona amin'ny ady ny tafika. Mba hampaherezana ny ekipany dia nitondra sabatra aranitra ny irak'Andriamanitra ary niteny hoe: "Toanareo hananana va ity sabatra ity ary efana ny vidiny?" Ary hoy Abou Dujana: "Inona novidiny?". Ary hoy ny navalin'ny Mpaminany: "Miady mandraphahatapany". Noraisin'I Abou Dujana io ary niady izy.39

Nivavaka tamin'Andriamanitra I Sa‛d ibn Abi Waqqas sy Abd Allah ibn J§ahsh lba ahafahany mifantrika amin'ny miaramila fahavalo mahery indrindra. Nitondra volona aotrisy teo antratrany I Hamza dadatoanny Mpaminany, nomeny anaram-bositra ho "ilay liona an'Andriamanitra izy". Ny andininy mamaritra ny olona manodidina ny Mpaminany teo aloha dia milaza azy ireo koa:

"Maro ny mpianatra niady niaraka tamin'ny Mpaminany, tsy milefitra amin'izay manjo azy eny andalan'Andriamanitra izy ireo. Tsy marelo ary tsy mitsoaka an'ady izy ireo. Ary tian'Andriamanitra ny mpiaritra. Ary tsy nanana afa tsy ity teny ity izy ireo: "Tompo ô, avelao amin'ny fahotanay izahay sy ny fitondrantena diso tafahoatra, amafiso ny tongotray ary omeo anay ny fandresena manoloana nytsy mpino". Homen'Andriamanitra ho azy ireo ny valisoa ety antany sy ny valisoa tsara indrindra any ankoatra. Ary tian'Andriamanitra ny mpanao ny tsara". (3:146-48)

Nandresy mora foana ny fahavalo ny silamo tamin'ny tapa-potoana voalohany satris tonga tany afovoan'ireo koraisita niaraka tamin'ny sabatra nomen'ny Mpaminany azy I Abou Dujana. Tao izy no nifanogo tamin'ny olona mpamporisika ny paiana hiady. Efa mby hamono azy io izy vao nahafantatra fa hay vehivavy izy io (I Hind vadin'I Abou Soufyan, komandin'ny koraisita). Nahatany tamin-dravehivavy ny sabany ary nalefany izy.40 Nahafaty an'I Talha ibn Abi Talha, mpitondra ny fitaovam-piadian'ny miaramila fahavalo mpitaingin-tsoavaly. Matin'I Ali avokoa izay nitondra ny sainan'ny fahavalo, na I Asim ibn Thabit na I Zubayr in Awwam. Tohin'izany dia vonona nyho sorona ny mahery fo silamo maro toandr'I Hamza, Ali, Abou Dujana, Zubayu sy Miqdad ibn Amr, niditra tany anatin'ny fahavalo izy ireo ary nampivily làlana azy.

Rehefa nanomboka nandositra ny fahavalo dia nangonin'ny silamo ny fananany. Hoy ny mpitifitra zanatsipika tery antehezan-tendrombohitra raha nahita izany: "Nandresy ny fahavalo Andriamanitra ary maka ny fananany ny rahalahintsika. Ndeha isika hanatona azy". Namerina tamin'izy ireo ny baikon'ny Mpaminany I Abd Allah in Jubayr fa hoy ny navalin'izy ireo: "Nandrara anay toy izany izy satria tsy mbola fantany ny fiafaran'ny ady". Nandao ny toerany ny ankamaroany arynitady ny fananan'ny resy. I Khalia ibn Walid izay mbola tsy nanaiky ny finoana silamo no nitarika ny mpitaingin-tsoavaly fahavalo, nararaotiny io toe-javatra io mba hitarihany ny miaramilany hanodidina an'I Ouhoud ary nanafika avy aty afaran'ny silamo izy. Tsy nahatohitra azy ny miaramila vitsy sisa niaraka tamin'I Abd Allah ibn Jubayr.

Niverina nanafika indray ireo miaramila nandositra ary namely avy aty aloha. Ary lasa fahombiazan'ny fahavalo ny ady. Nitarika fifangaroana teo amin'ny silamo ireo fanafiana goavana roa ireo. Te hamono na hanao sambo-belona ny irak'Andriamanitra ny fahavalo ary nanafika azy tamin'ny faliny rehetra tamin'ny sabatra, ny zanatsipika sy ny vato.mahery tokoa izay niaro azy.

Mamoy ny rainy sy ny rahalahiny tao Badr I Hind ary nandrisika an'I Wahshi mpitaingin-tsoavaly mainty hamono an'I Hamza. Nanoloana izany dia niady toy ny liona masiaka I Hamza. Nahafaty fahavalo 30 teo hoe izy rehefa niantefa teo amin'ny feny ny tifitr'I Wahshi. Niroso I Hind ary nandidy azy hamaky ny kibon'I Hamza; taorian'izany dia notapatapahin-dravehivavy ny ratsambatany ary nohaniny ny atiny.41

Nataon'I Ibn Kanu'Andriamanitra maty maritiora I Mus‛ab ibn Umay‛, mpitondra ny fitaovam-piadian'ny mpitaingin-tsoavaly silamo rehefa niady taminy. Mitovitoy amin'ny irak'Andriamanitra ny volonkoditr'I Mus‛ab sy ny endriny, izany no nilazan'I Ibn Kam'Andriamanitra fa matiny ny irak'Andriamanitra. Naratran'ny sabatra ny irak'Andriamanitra nandritra iofotoana io, naratran'ny vato ihany koa. Nianjera tao anaty lavaka izy ary nivoa-drà ka namelatra ny tànany sy nivavaka: "Andriamanitra ô, avelao ny heloky ny vahoakako satria tsy fantany izay ataony (ny marina)".42

Nahakivy ny mpanaradia maro ny tsao nandeha mikasika ny fahafatesan'ny Mpaminany ho maritiora. Ankoatrandr'I Ali, Abou Dujana, Sahl in Hunayb, Talha ibn Ubayduhah, Anas ibn Nadr sy Abd Allah ibn Jahsh izay niady ka vonona ny ho maritiora dia nisy vehivavy silamo nahare ny tsao ihany koa dianiriotra nankany amin'ny ady. Tsy nampaninona an'I Sumayra avy amin'I foko Banu Dinar ny fahafatesan'ny vadiny sy ny rainy ary ny rahalahiny fa ny fahafatesan'ny irak'Andriamanitra no nahataitra azy. Rehefa nahita ny irak'Andriamanitra izy dia niteny hoe: "Tsy nisy dikany amiko ny fahavoazana rehetra raha mbola velona ianao, olombelona ry irak'Andriamanitra!"43

Niady mafy teo anoloan'ny Mpaminany I Umm Umara ary hoy izy taminy: ["Olombelona ry irak'Andriamanitra, mangataka amin'Andriamanitra mba hiaraka aminao any amparadisa aho"] (diso) "Iza no hafa afaka hiaritra amin'izay hiaretanao?". Io vehivavy faka tahaka io dia nanararaotra izany mba hangatahana vavaka tamin'ny Mpaminany ho azy: "[Ô ry irak'Andriamanitra, mangataha amin'Andriamanitra mba hiaraka aminao any am-Paradisa aho!]" Nataon'ny irak'Andriamanitra izany ary hoy ny navaliny: "Tsy misy dika intsony manomboka izao izay mety hanjo ahy".44

Nandre I Anas ibn Wadur fa maty maritiora ny Mpaminany Mohammed. Niady tamin-kerim-po izy ary nahazo daroka in-80 mahery.45 nahita an'I Sa‛d ibn Rabi‛ maty tamin'ny ratra 70 teny amin'ny vatany izy. Izao no teniny farany: "Ampitao any amin'ny irak'Andriamanitra ny fiarabako. Mandre ny fofon'ny Paradisa ao ambonin'I Ouhoud aho".46 Hita teo akaikin'I Abou Dujana sy I Sahl ibn Hunayf koa I Ali izay nitsangana teo anoloan'ny irak'Andriamanitra niaro azy. Intelo ny irak'Andriamanitra no nahita ny fahavalo ndeha hamely azy ary isaky ny misy izany dia darohan'I Ali sy avilina làlana ireo.47

Noho ny fanoheran'ny mpiady silamo tsy voafaraitra tsara manodidina ny irak'Andriamanitra dia toa tsy azo ilana ny fahareseny mandrepahitan'I Ka‛b ibn Malik ny irak'Andriamanitra nitabataba hoe: "Ry silamo! vaovao mahafaly ho anareo! indro eto ny irak'Andriamanitra!" Niroso nankeo aminy avy amin'ny lafiny avy ny mpanaradia azy, nanampy azy ary nitondra azy tany amin'ny toerana azo antoka tany an-tendrombohitra.

Ny anton'ny tsy fahombiazana tao Ouhoud

Alohan'ny hanazavana ny anton'ny tsy fahombiazana dia tsara ny manipika fa aorian'ny Mpaminany dia ambony kokoa amin'ny fahamarinana noho ny olona hafa ny mpanaradia ny Mpaminany. Manamboninahitra amin'ny maha namana sy mpianatry ny Mpaminany Mohammed izy ireo ilay tsara indrindra amin'ny voary, noho ny fitiavany azy no nahariana izao tontolo izao ary nalefa ho mpamindra aman olona rehetra. Noho izany, araky ny fitsipika hoe: «Lehibe kokoa ny tsodrano, mavesatra kokoa ny andraikitra» dia nanjary nanaiky bebe kokoa an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany izy ireo.

Vakiantika ohatra: «Ry vadin'ny Mpaminany, izay manao fitondrantena tsy mendrika voaporofo aminareo ka voamarina, ho atao avo roa eny ny saziny! ary mora amin'aizany. Ary izay manaiky an'Andriamanitra sy ny Irany tanteraka aminareo sy manao ny tsara, hataonay avo roa eny ny valisoany, ary nikarakarainay andraikitra tsara izy. Ry vadin'ny Mpaminany! tsy azo ampitahaina amin'ny vehivavy hafa ianareo». (33:30,32)

Mitovitovy amin'izany koa,na dia fahotana kelyfotsiny aza no ataon'ny mpanaradia azy dia mendrika sazy enjana. Manao izay rehetra ananany ny mpanaradia «finoana mahery ary izy ireo no akaikin'ny Andriamanitra kokoa»; ohatra no arahin'ny taranaka atyafara ny fitondrantenan'izy ireo. Tsy maintsy madio ao amin'ny finoany sy ny fisainany izy ireo noho izany ary mendrika sy marina amin'ny fiderana sy nyfitiavana, mahitsy amin'ny fitondrantena, ary mitandrina fatratra mba tsy hanao fahotana sy tsy fanekena.

Nataon'Andriamanitra ho fiarahamonina tsara ny fiarahamonin'i Mohammed «Ao no hapoitra ny zavatra tokony sy mifanarka, sahazan'ny olombelona, mandrara ny tsy mety ary mino an'Andriamanitra tokana" (3:110) ary tondroiny ho "fiarahamonina marina mba ho vavolombelona amin'ny olona, toy ny maha vavolombelona ny Mpaminany eo aminy". (2:143)

Nandritra ny vanim-potoana voalohany tamin'ny taona medinoa dia nahitana nytena mpino sy ny mpihatsaravelatsihy tao amin'ny mpanaradia. Vokatr'izany, tian'Andriamanitra ho avahana amin'ny olon-drehetra ireo tena marina ary tiany ho hita ireo izay tena miady marina amin'ny làlany sy manam-paharetana. (3:141-42). Fitsapana entitra ny ady tao Ouhoud mba hanivanana ny silamo sy hanavahana ny marina sy ny manam-paharetana amin'ny mpihatsaravelatsihy sy ny tsy marina, ary mba hametrahana lamina maty paika sy enjana amin'ny fiarahamonina silamo.

Aorian'ireo fanamarihana ireo dia azontsika sontonina tahaka izao manaraka izao ny anton'ny tsy fahombiazana nozakain'ny silamo:

  • Nanan-kevitra ny Irak'Andriamanitra, lehien'ny mpirarika fa tsara tsara kokoa ny mijanona ao medina ihany. Ny mpanaradia vao tanora fanahy anefa dia enti-kafanam-po fotsiny hiady any ivelan'ny tanàna kanefa tsy mbola ampy traik'efa. Fahadisoana lehibe izany, eny fa na dia fitiavana ny ho maritiora eny an-dalan'Andriamanitra aza satria efa vonona ny hampihatra baiko hoenti-miady hafa amin'ny tany malalaka ny tafika koraisita.
  • Niala tamin'ny toerana nametrahana azy ny mpitifitra amin'ny zanatsipika kanefa natao hiaro ny tafika. Tsy narahan'izy ireo antsakany sy andavany ny baikon'ny Mpaminany hijanona mandrakariva eo na inona miseho na inona miseho kanefa lasa nanangona ny fananan'ny fahaalo resy izy ireo.
  • Niverina teny antsasa-dàlana ny miaramila 300 mpihatsaravelatsihy ary niverina tany medina, izany hoe ny iray amphatelon'ny tafika manontoklo. Nanimba ny sain'ny foko Banu Salama sy Banu Haritha izany izay mora noresena lahatra hijanona. Ankoatra izany, nisy vondrona kelin'ny mpihatsaravelatsihy nanimba ny sain'ny silamo nandritra ny ady.
  • Nanjary tsy nanampaharetana ny mpanaradia maro. Niasa tamin'ny fomba mifanohitra amin'ny foto-kevi-pitiavana an'Andriamanitra izy ireo ary voasariky ny fitiavan-karena materaly.
  • Ny mpino sasany dia niheritreritra fa raha mbola miaraka aminy ny irak'Andriamanitra ary niaina amin'ny fanohanana sy ny fanampian'Andriamanitra izy ireo dia tsy handresy azy na oviana na oviana ny tsy mpino. Miarina, tsy misy azo lavina ziany rehetra izany, raha ampiana finoana sy fitiavana, fifanarahan-tsaina sy paik'ady ary fiharetana. Nahatsikaritra ihany koa izy ireo fa izao tontolo izay toeram-pitsapana sy fisedrana:

"Marina fa maro ny toe-javatra nitranga teo alohanareo. Kanefa, ny mandeha amin'ny tany sy mahita izay izay narovan'ny Mpaminany ny mpandainga. Indro ny ohatra hoan'ny olona, mpitari-dàlana sy fanafahana hoan'ny mpino. Aza mety ho resy ianareo, aza mety ho reraka satria ianareo no ambony amin'izany koa ny fahavalo. Ary ho ampifandimbiasinay amin'ny olona ny andro (ny ratsy sy ny tsara) mba ahafantaran'Andriamanitra izay mpino ary hifidy avolombelona aminareo izy –ary tsy tian'Andriamanitra ny tsy marina. Ary farany dia ho diovin'Andriamanitra ireo nino ary ho potehiny ny tsy mpino". (3:137-41)

  • Ireo tsy nandray anjara tamin'ny ady tao Badr dia nivavaka am-pahamarinana tamin'Andriamanitra mba hahazo ny maritiora. Tena tia tanteraka ny fivavahana silamo izy ireo ary nangetaheta ny hihaona amin'Andriamanitra. Ny sasany toan-dr'I Abd Allah ibn Jahsh, Anas ibn Nadhr, Sa‛d ibn Rabi‛, Amr Ibn Jamuh sy Abou Sa‛d Hayasma dia nigoka ny hafaliana tamin'ny maha maritiora; nampihaiky ny hafa izany fotoana izany. Mihira ny fiderana azy ireo toy izao ny CORAN:
  • "Misy olo-marina eo amin'ireo mpino amin'ny adidiny amin'Andriamanitra. Nahatratra ny tanjony ny sasany tain'izy ireo ary mbola miandry ny sasany; ary tsy hiova amin'ny andraikiny izy ireo". (33:23)
  • Avy amin'Andriamanitra ny fahombiazana rehetra, izy no manao izay sitrany ary tsy azo lavina. Ny finoana ny maha iray an'Andriamanitra dia midika fa tsy maintsy manolotra ny fahomiazany amin'Andriamanitra ny mpino ary tsy mahazo manan-javatra na oviana na oviana. Raha tsy izany, nahafapo ny silamo ny fandresena matotra tao Badr ary nahazo ny fandresena tamin'ny fitandremany sy ny fahendrena na tamin'ny antony ara materialy izy ireo, ary antony iray nahatonga ny tsy fahombiazana io.
  • Nahitana miaramila sy mpitarika tena mahay vitsivitsy tamin'ireo koraisita (toandr'I Khalid ibn Walid, Ikrima ibn Abi Jahl, Amr ibn al-As sy Ibn Hisham) izay nataon'Andriamanitra nanjary mpanompon'ny silamo taty aoriana. Izy ireo no nandrandraina sy najain'ny vahoaka fatratra. Noho ny fahitany ny andraikiny ho amin'ny manaraka dia tsy tian'Andriamanitra ho potehina tanteraka ny fisainany sy ny voninahiny. Nambaran'I Bedinzzaman Saïd Nursi fa ny mpanaradia ny mpandresy amin'ny manaraka dia ny mpanaradia ankehitriny.48
  • Ireto andininy manaraka ireto dia manazava ny anton'ny faharesena sy ny takalony ary ny lesona azo raisina avy aminy:

"Manantena ny hiditra any am-Paradisa va ianareo amin'ny tsy fanavahan'Andriamanitra ireo izay niady sy niaritra aminareo?" (3:142)

"Mpitondra hafatra ihany I Mohammed -efa nisy mpitondra hafatra mora teo aloha- Raha maty izy na novonoina, moa va ianareo hiverin-dàlana? na iza na iza mivrin-dàlana dia mamotika an'Andriamanitra amin'ny tsinontsinona; ary hamalisoa izay mahatsapa Andriamanitra afaka fotoana fohy. Tsy misy olona maty raha tsy amin'ny alalan'Andriamanitra ihany ary amin'ny fotoana efa voafaritra. Na iza na iza tia ny valisoa ety antany, homenay azy izany. Ary na iza na iza maniry ny valisoa any ankoatra, homenay azy izany ary hamalisoa izay mahafantatra izhay afaka fotoana fohy". (3:144-45)

"Ary marina, mitana ny teniny eo anatrehanareo Andriamanitra raha novonoinareo tamin'ny fanomezan-dàlany tsy ankijanona izy ireo mandrapahatongan'ny fotoana maha reraka anareo, ary tsy hanaiky ianareo avy eo aorian'ny hampisehoany aminareo ny fandresena tianareo! misy eo aminareo no maniry ny fiainana eto ary misy aminaroe ny maniry ny fiainana any ankoatra. Hihemotra eo andohanareo izy avy eo mba hahatsapanareo. Ary marina hamela ny helokareo izy. Ary Andriamanitra no mpanome ny famotsoana eo anoloan'ny mpino. Tsarovy fa rehefa mandositra ka tsy miverina eo amin'ny olona ianareo, na izany aza miantso avy eo afaranareo ny Mpaminany. Ary ho rerahany amin'ny alahelo ianareo mba tsy hananareo alahelo amin'ireo izay nandosiranareo na amin'ny tsy fahombiazana niatra taminareo. Tena mahafantatra tanteraka izay ataonareo rehetra Andriamanitra. (3:152-153)

"Izay manome lamosina aminareo amin'ny androifanatrehan'ny tafika roa dia ny devoly no nitondra azynoho ny asa ratsiny. Kanefa, hamela heloka azy marina Andriamanitra. Satria tena mpamela heloka sy mpamindra fo marina Andriamanitra!" (3:155)

"Olombelona ry mpino, aza manao toy ny tsy mpino izay miteny noho ny fandehan'ny rahalahin'izy ireo nivahiny na niady: "Raha nijanona miaraka taminay izy ireo dia tsy ho faty ary tsy novonoina". Ho ataon'Andriamanitra alahelo ao am-pon'izy ireo izany. Andriamanitra no manome ny aina sy ny fahafatesana. Ary manaramaso tsara izay ataonareo Andriamanitra. Ary raha novonoina teny an-dàlan'Andriamanitra ianareo na maty, tsara kokoa ny famelan-keloka sy ny indrafon'Andriamanitra noho ireo izay angonin'izy ireo. Na maty ianareo na novonoina dia any amin'Andriamanitra no iangonanareo. (3:156-58)

"Raha manome ny famonjeny anareo Andriamanitra, tsy misy maharesy anareo. Ary raha mandao anareo izy, iza no hanome famonjena anareo aoriany? Amin'Andriamanitra no tsy maintsy hametrahan'ny mpino ny fitokisany". (3:160)

"Indro? Rehefa tratry ny fahavoazana ianareo kanefa efa reraka ianareo roa –hilaza ianareo hoe: "Avy aiza izany?" Hamaly izy ireo hoe: "Avy aminareo ihany". Marina, mahafantatra ny zavatra rehetra Andriamanitra. Ary izay rehetra niaretanareo tamin'ny andro nifanatrehan'ny tafika roa dia tamin'ny fanomezan'Andriamanitra alalana ary mba hamavahany ny mpino. Ary navahany ny mpihatsaravelatsihy. Toy izao no voalaza tamin'izany: "Tongava miady amin'ny làlan'Andriamanitra na atoseho ny fahavalo", ary hoy izy ireo: "Antsitrapo, raha mahay miady ianareo". Hanakaiky kokoa ny tsy mpino ary hanalavitra ny finoana izy ireo amin'io andro io. Miteny avy amin'ny vavany izay tsy ao am-pony akory izy ireo. Ary fantatr'Andriamanitra tsara izay afeniny". (3:167-67)

"Aza miheritreritra fa maty ireo izay novonoina teny amin'ny lalan'Andriamanitra, ny mifanohitra amin'izany, velona izy ireo, eo akaikin'ny Tompony, nomen'Andriamanitra zavatra maro sy fahasambarana, ary falifaly fa ireo izay mijanona ao afarany fa mbola tsy nanaraka azy dia tsy hatahotra ary tsy ho trotraka. Faly amin'ny zavaboarin'Andriamanitra izy ireo sy ny fanomezany ary ny tsy fanadinoan'Andriamanitra ny valisoa hoan'ny mpino". (3:169-71)

"Tsy avelan'Andriamanitra hiaina amin'ny tsy fahaiza-manavaka ny ratsy amin'ny tsara ny mpino. Ary tsy azon'Andriamanitra seho aminareo koa ny tsy azo fantarina. Fa Andriamanitra kosa mampita izay sitrany amin'ireo mpitondra hafatra. Noho izany, minoa an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany. Ary raha manam-pinoana sy hatsaram-po ianareo dia hanana valisoa goavana". (3:179)

Ny dingana farany tamin'ny ady tao Ouhoud ary ny fanafihan'I Hamra' al-Asad

Taorian'ny fifanjevoana dia tonga nanampy ny Mpaminany ireo mpanaradia azy, naratra izy ary fanina. Maro koa ireo mpanaradia naratra. Niataka nankany amin'ny toerana azo antoka any antendrombohitra izy ireo. Nanomboka nandao ny sahan'ny ady ny tafika koraisita, mihevitra hoe namaly faty ny tao Badr. Nahita izy ireo fa tsy ho afaka hanamontsamontsana ny silamo, dia niakatra tamin'ny ramevany sy ny soavaliny ary niverina any La Mecque.

Natahitra ny irak'Andriamanitra fa mety mbola hiverina hanafika an'I Medina izy ireo. Izany no antony namoriany an'ireo nandray anjara tamin'ny ady ka nandidiany azy hanenjika ny tsy mpino. Nanakivy io fomba fiasa io ny sasany izay niaraka tamin'ny Abou Soufyan, avy amin'ny foko Banu Abd al-Qays ka niteny hoe: "miangona hanohitra anareo ny olona, matahora azy ireo". Voamaika nampitombo ny finoan'ny mpino anefa izany, namaly izy ireo hoe:

"Manampy anay Andriamanitra, izy no mpiantoka anay tsara indrindra". (3:173)40

Saika naratra avokoa ny akamaroan'ny silamo; ny sasany tsy afa-mitsangana ary tsy maintsy batain'ny namany. Tamin'ny fotoana enjana noho io koa dia nanangona nyheriny izy ireo ary niomana ny hanao sorona ny ainy noho ny baikon'ny irak'Andriamanitra. Niaraka tamin'I Hamra' al-Asad tokony ho miala 13 kilometatra avy eo Medina izy ireo. Rehefa nahatsikaritra ny mpino izay ninoany fa resy nanatona azy izy ireo, tsy afaka nanangona herim-po betsaka izy ireo ary nanoy ny làlany nankany La Mecque no tiany kokoa.

Ny fahamalinana sy ny fahaizan'ny irak'Andriamanitra ny raharaha miaramila dia namadika fanaresena ho fandresena. Tsy dia nanankevitra hiatrika indray ny vahaolan'ny silamo ny fahavalo. Tamin'ny fandehanana tany Medina ka nialana tao La Mecque. Nambara izao andininy izao mba hiderana ny mahery fo silamo Andriamanitra:

"Na iza na iza naratra dia hamaly ny antson'Andriamanitra sy mpitondra ny hafany, hisy valisoa goavana ho anareo izay niasa tsara sy nanao izany tamim-pitiavana. Marina, tamin'izy ireo no nilazany hoe: "Hivondrona hamely anareo ny olona, matahora azy" –nampitombo ny finoany izany ary hoy izy ireo: "Ampy anay Andriamanitra; izy no azonay antoka indrindra". Nameno ny zavatra tsara hoan'Andriamanitra sy ny voninahiny izy ireo. Tsy nisy zava-dratsy nanjo azy ary nanaraka izay nahafapo an'Andriamanitra izy ireo. Ary tompon'ny voninahitra lehibe Andriamanitra". (3:172-74)

Nankamin'ny ady efa nomanina

Tany amboalohany dia nilokaloka ny hifanampy tamin'ny silamo ny foko jiosy Banu Nadhir tao medina. Na izany aza anefa dia miray teti-dratsy tamin'ny mekoanina antsokosoko sy tamin'ny mpihatsaravelatsihy medinoa ny iray tarika tamin'izy ireo. Noheveriny hatramin'ny famonoana ny Mpaminany rehefa mamangy azy izy ireo, tsy nanaja ny lalàna mifehy ny toeram-pitsaboana sy ny fifanarahana natao koa izy ireo. Nangataka azy ireohiala tamin'ny toerana nisy azy ny Mpaminany, tokony ho 5 kilometatra aty atsimon'I Medina, ary nekeny izany. Rehefa nanome toky fa hanampy rehefa misy ady I Abd Allah ibn Ubayy lehiben'ny mpihatsaravelatsihy dia nanakana ireo Banu Nadhir.

Napetraky ny tafika silamo tao amin'ny fahamafisany izy ireo. Rehefa nahita izy ireo fa tsy manana fisainana na ireo mekoanina na ireo medinoa mpihatsaravelatsihy mba hanampy azy dia nandao ny tanàna ny Banu Nadhir. Nampijalian'izy ireo sy noroahany izy kanefa voaantoka ihany ny fiainany. Nomena 10 andro izy ireo mba handehanany niaraka amin'ny fianakaviany sy izay rehetra azony entina miaraka aminy. Nanatona ireo mpiray fivavahana taminy tany Siria ny sasany ary ny sasany tany Khaybar.

Rehefa niverina avy any Ouhoud dia nihevitra hamalifaty ny silamo ao Badr indray I Abou Soufyan amin'ny taona manaraka.31 Rehefa tonga anefa ny ora voatondro dia tsy sahy izy. Mba hanarenana izany dia nandefa an'I Nu'aym ibn Mas‛ud (mbola tsy mpino) tany Medina izy hanely ny tsao fa manomana fanafiana goavana ny koraisita ary manangona tafika tsy hay resena. Rehefa tonga tao Badr niaraka tamin'ny tafika 1500 anefa ny Mpaminany dia tsy nisy fahavalo hiady taminy tao. Nijanona tao nandritry ny valo andro izy ireo, niandry ny fanatanterahana ny fandrahonan'ady. Niverina tany Medina izy rehefa tsy nisy famantarana niseho avy amin'ny tafika koraisita. Nantsoina hoe "Badr as-Sughra" (Badr kely) io fanafihana io.

Nahazo vaovao ny irak'Andriamanitra ny taona 627 fa tapakevitra hanafika an'I Medina ny foko tanefitra Anmar sy Tha‛laba. Nankany Dhat ar-Riqa‛ niaraka tamin'ny mpiady 400 izy ary niandry izay handosiran'ny foko paianan'ny Banu Mustaliq izay nanao fiomanana hiady amin'ny silamo. Nanafika azy izy ireo ary nandresy tamin'ny miaramila 70.53 Teny an-dalana hiverina ho any Medina dia ninia nampisy ny fifanolanana teo amin'ny Ansara sy ny mpifindra monina ireo mpihatsaravelatsihy kanefa niala maina. Nisy andininy nambara mba hitondrana ny zavatra afenin'izy ireo indray andro any ary ho hita fa impiry maloto ny tontolo anatin'izy ireo. (63:1-11)

Ny ady efa voaomana

Nisy andiana jiosy voaroaka tamin'ny foko Banu Nadhir nahitana an'i Sallam ibn Abial-Huqaq, Huyay ibn Akhtab sy vitsivitsy avy amin'ny Banu wa‛il nankany La Mecque ny taona 627. nihaona tamin'ny koraisita izy ireo ary nanosika azy hanoy hatrany ny fanafihana ary hanampy azy ireo. Nanatona ny foko Ghatafan sy Qays Aylan ireo jiosy ireo ary nampanantena fa hanampy azy ireo, namporisika azy hiady amin'ny Irak'Andriamanitra.54 Niafara tamin'ny fiforonan'ny vondrona manohitra ny silamo nahitana ny mpino Andriamanitra maro mekoa sy ny foko tanefitra tany Arabia afovoany sy ny jiosy (ireo izay noroahina tao medina sy ireo mbola nonina tao) sy ny mpihatsaravelatsihy io tsiliantsofina io. Ireo roa farany ireo no nametraka andiany fahadimy tao medina.

Raha nampahalain'ny mpitsikilony miafina mikasika ny fisian'io vondrona mpanohitra ny silamo io ny irak'Andriamanitra dia naka hevitra tamin'ireo namany.

Niray hevitra izy rehetra fa hijanona ao Medina ary hiady ao. Nanan-kevitra ny hanaovana ady lalina manodidina ny tanàna I Salman al-Farisi. Enemana no niasan'izy ireo mafy dia mafy vao nahatanteraka io asa io. Nozarain'ny irak'Andriamanitra andiany tsifolofolo ny silamo ary nozaraina ny asa hifaninanana. Asa sarotra sady nandreraka izany, namely ny hanoanana ary tsy nisy fotoana niatahana. Soa ihany fa nazoto niasa avokoa ny mpanaradia rehetra. Mba tsy handrenesana ny hanohanana dia nofatoran'izy ireo vato tsirairay avy ny kibony ary sady nandavaka izy no nihira:

"Izahay izao no efa nilokaloka hifanampy amin'I Mohammed; mba hahita ny ady amin'ny fahavelomanay. Amin'ny anaran'Andriamanitra, raha tsy nomen'Andriamanitra azy izahay, tsy nanana fitarihana, na vavaka na fanomezana. Ampidino eto aminay ny fitoniana ary amafiso ny tongotray rehefa mifanehitra amin'ny fahavalo".55

Ny irak'Andriamanitra izay nandavaka teo akaikin'izy ireo miaraka amin'ny vato roa mifatotra miodidina amin'ny kibony mamaly azy ireo hoe:

"Andriamanitra ô, tsy misy fiainana marina afa tsy ny any ankoatra ihany, noho izany avelao ny heloky ny Ansara sy ny Mouhadjir (ny mpanavotra sy ny mpifindra monina)".56

Rehefa nandavaka ny lavaka izy ireo dia nisintona vato lehibe dia lehibe avy ao anaty tany ny mpanaradia ary voapotipotiny izany. Nantsoin'izy ireo ny irak'Andriamanitra ary nikapoka ilay izy tamin'ny fikapoka teny aminy. Tao anatin'ny fahazavana avy amin'izany no naminaniany hoe: "Nomena ahy ny fanalahidin'I Persa; handresy azy ny fiarahamoniko". Nikapoka ny veto fanindroany izy ary hoy izy tao amin'ny fahazavana avy amin'ny pitik'afo: "Lehibe indrindra Andriamanitra. Nomena ahy ny fanalahidin'I Byzance; horesin'ny fiarahamoniko izy".57

Norahonana I Medina

Niroso hanohitra, hiady amin'i medina tamin'ny fanantenana hamotipotika ny silamo eny amin'ny tany malmalaka ny vondrona mpankahala. Nahazo ny daroka voalohany anefa izy ireo teo anarehan'io paik'ady voalohany io. Nahitana miaramila 20000 izy ireo no nametraka ny lainy teo akaikin'ny lavaka. 3000 eo ho eo ny medinoa. Ankoatra izany, efa nampahafantatra ny fahavalo koa ilay andiany faha 5 naorin'ireo jiosy sy mpihatsaravelatsihy. Araka ny voalazan'ny CORAN (37:12-20), rehefa mahatsikaritra ny fahavalo voalohany ny mpihatsaravelatsihy dia efa mametraka fofom-paharesena sahady izy ireo. Tsy faly amin'ny tsy fahamendrehany samy irery izy ireo ary nanandrana namindra tamin'ny hafa aryniala tsiny fa hiala. Rehefa tonga ao antanàna ireo fahaalo dia havadiny tsy amim-pihambahamana.

Nasehon'ny irak'Andriamanitra indray mandeha ny hakingantsainy sy ny fahaizany ny mikasika ny tafika: napetrany tao anatin'ny tanàna ny miaramila ary nampakany toerana teo amin'izay hahafahany miaro ny tokatranony mba hanoherana izay fanafihana mety hataon'ny Banu Quraydha. Tonga ny fotoana namaivay rehefa nandefa lehilahy mba haka ny fitsipika mifehy ny vehiavy silamo tany Medina ny Banu Quraydha. Very fanantenana anefa izy ireo rehefa novonoin'I Safiyya, neniton'ny Mpaminany io lehilahy io.58

Satria nitohy tamin'ny fifampitifirana zanatsipika sy vato ny ady, nanakevitra ny hampiasa diplomasia hampizarazarana ny vondrona ny irak'Andriamanitra. Nantoniny ny mpitarika ny Ghatayar ary nomeny azy ny fandriampahalemana ka nasainy nisintonany miaramilany izy. Nirona tamin'ny silamo sahady I Nu‛aym ibn Mas‛ud, mpitarika ny vondrona izay tonga taloha tao Medina mba hanely ny korontana alohan'ny ady. Niova silamo antsokosoka izy nandritry ny ady ary nanaraka ny baikon'ny irak'Andriamanitra mba handranitra ny Banu Quraydha hifanohitra amin'ny vondrona misy azy. Nanomana ny fahamailoany manoloana ny koraisita I Nu‛aym ary nanamafy fa handao azy iretsy farany iretsy ary tsy maintsy mandà ny fanampiana azy ireo izy raha tsy manome takalon'aina ho azy iroe ny koraisita. Avy eo niteny tamin'ny koraisita izy fa tsy manankevitra ny hitana ny teny nataony ny Banu Quraydha ary nanandrana nandany andro amin'ny fangatahana takalon'aina koraisita mba ho anjarany raha sendra resy izy ireo. Nahomby io tetika io ary nihatra tamin'ny vondrona ny fisaratsarahana.59

Nanome baiko ny irak'Andriamanitra fa ny ampahany amin'ny lavaka eo akaikin'ny tendrombohitr'I Sal aorian'ny tanàna dia atao teritery kokoa noho ny hafa satria mety handalo eo ny mpitaingin-tsoavaly mpitaridàlana koraisita. Ny zava-niseho: te-handingana ary hiady amin'ny silamo tsirairay ny mpiady malaza koraisita sasantsasany. Anisan'ireny I Amr ibn Abd Wudd, Ikrima ibn Abi Jahl, Hubayra ibn Abi wahd, Dirar ibn al-Khahab sy Wawfa ibn Abd Allah ibn al-Mughira.

Nidina ny soavaliny ireo niafokafoka tamin'ny heriny sy ny fahizany ka nifanatrika tamin'I Ali izay nahazo ny baiko avy amin'ny irak'Andriamanitra hiady taminy. Niroso niaraka tamin'ny sabany I Amr. Nanandratra malaky ny sabany hanohitra an'I Ali izy kanefa voasambotry ny ampingan'I Ali izany. Nokapohin'I Ali mafy izy io ka niloa-bovoka ny manodidina azy. Avy eo notenenina ny hoe "Allahou akbar" (lehibe indrindra Andriamanitra!): Matin'I Ali ny fahavalony.60 Matiny koa I Dirar, Hubayra sy Nawfal.61 Tsy nisy jeneraly na mpitaingin-tsoavaly koraisita sahy nandalo tamin'io toerana io intsony.

Naharitra 27 andro izany. Niharitra ny hanoanana mafy ny silamo, ny hatsiaka, ny tora-bato sy ny zanatsipika, ny faniriana handrongatra ka hamakivaky ny lavaka (ady vory), ny famadihana sy ny hevi-petsy tao an-tànan'I Medina. Toy izao no hamaritan'ny CORAN ny toe-javatra:

"Rehefa tonga eo aminareo avy any ambany na avy ambony izy ireo ary mikorontana nyfomba fijery, misendaotra ny fo, ary nanome karazan-kevitra teo anatrehan'Andriamanitra ianareo. Ho sedraina sy ho ozongozonina amin'ny rivotra mahery ny mpino. Ary rehefa miteny ny mpihatsaravelatsihy na ny marary fo hoe: "Tsy mampanantena antsika afa tsy fitaka Andriamanitra sy ny mpitondra hafany". Ary hisy andriany amin'izy ireo koa hilaza hoe: "Ry olon'I Medina! aza mitoetra eto. Miverena [any aminareo]". Ny vondrona sasany amin'izy ireo hangataka amin'ny Mpaminany ny fahazoan-dàlana handeha sady hiteny hoe: "Tsy voaaro ny fonenanay", kanefa tsy izany akory fa tsy manantsaina afa tsy ny handositra izy". (33:10-13)

Taorian'ny 4 herinandro ka nandritra izany dia kivy noho ny tsy fahombiazany ny fahavalo ary naneho ny fahtsorany sy ny fiharetany tamin'izany ny silamo dia nisy rivomahery tonga avy any atsinanana. Niongotra ny trano lain'ny fahavalo, maty ny aofny, niantefa teny amin'ny tavan'izy ireo ny fasika sy ny oram-batravatra. Natahotra noho ny loza nihatra taminy ary efa naparitaky ny fifanolanana dia lasa nitsoaka. Nandre an'I Abou Soufyan niantsoantso I Hudhayf al-Yamani nalefan'ny irak'Andriamanitra hitsikilo ny fihetsiky ny fahavalo: "Andeha amin'izayisika hiverina any amintsika!"62

Nandresy noho ny fanampian'Andriamanitra ny silamo satria nisy hery miafina tonga teo aminareo ny fahavalo ary nandefasanay rivo-mahery sy andiany tsy hitanareo hanohitra azy. Nahita izay ataonareo hatrany Andriamanitra". (33:9)

Ny ady voaomana no nohetraketrahana farany nataon'ny koraisita hamotehana ny finoana silamo sy ny silamo. Hoy ny irak'Andriamanitra taorian'ny faharesen'izy ireo sy ny fijaliany: "Manomboka ankehitriny dia isika no hoany amin'izy ireo, ary tsy ho afaka hanafika antsika izy".63

Taorian'ny fivilianan-dàlan'ny vondrona ka niverenany tany aminy dia niresaka tamin'ny Banu Quraydha izay tsy nanaraka ny fifanarahana nifanaovana taminy fa niaraka tamin'ny koraisita ny irak'Andriamanitra. Moa va izy ireo no nampialokaloka ny mpitarika Banu Nadhir toandr'I Huyay ibn Akhtab izay voaroaka tao Medina ary mbola nanoy ny fankahalana ny silamo.

Vao tafaverina avy any an'ady ny irak'Andriamanitra dia niseho taminy ny arkanjely Gabriely ary niteny hoe: "Tsy mbola nalahelo ny fanamiako amin'ny ady ary hoany amin'ny Banu Quraydha aho".64 Nibaiko ny mpiaradia taminy handeha amin'io foko jiosy io ny irak'Andriamanitra ary nametraka ny trano lainy teo anoloan'ny fiarovan'izy ireo izy. Namela heloka azy ireo ny silamo raha nangataka izany izy, nisafidy ny hanohitra anefa izy ireo. Nijanonan'ny irak'Andriamanitra andro tany izy ireo. Farany, nangataka ny antony hanamboarana azy izy ireo, nanaiky ny hilefitra tamin'ny fitsaran'I Sa‛d ibn Mu‛adh izay namoaka ny didy araka ny ao amin'ny Torah. Nifarana teo ny fikomian'ny Banu Quraydha sy ny fisian'ny jiosy tao Medina.65

Naratra nandritry ny ady voahomana I Sa‛d ibn Mu‛adh, mpitarika ny Ansara. Nivavaka izy: "Andriamanitra ô, raha mbola afaka miady ankoatra izao eo akaikin'ny irak'Andriamanitra aho dia velomy. Raha tsy iznay, vonona nyho faty aho". Maty maritiora izy taoriana kelin'ny fitsaharan'ny fikomian'ny jiosy.66

Nankamin'ny fanafihana an'I La Mecque

Tahaka izay ho hazavaintsika atsy aoriana amin'ny antsipirihany dia fandresena nanokatra ny varavaran'ny fandresena lehibe hafa koa ny fifanarahana tao Houdïbiya. Tsy nisy intsony ny fandrahonana mekoa; naniraka solontena nankany amin'ireo tany manodidina mba hanasa azy ireo amin'ny finoana silamo ny Irak'Andriamanitra. Namaha ny olana natrehany tany Arabia koa izy.napetraka indray tao Khaybar ny ankamaroan'ny jiosy Banu Nadhir. Niara niasa tamin'izy ireo ny jiosy Khaybr ka nitambatra indray hanohitra ny silamo, araka izay miseho, na miaraka amin'ny koraisita na miaraka amin'ny Banu Ghatafan. Nandray anujara tamin'ny famoronana fifanarahana nahavitana nanambatra miaramila 20000 mankahala silamo ny Banu Nadhir, resy nandritry ny ady voaomana. Nitady izay hevitra hamaranana io mbola fisian'ny jiosy tsy ankijanona io ny silamo mba hahafahana miantoka ny fandriampahalemana any Arabia sy fampianarana malalaka ny finoana silamo na tsy maintsy nanapakevitra ny hihetsika.

Nanetsika ny jiosy Khaybar hitambatra amin'ny Banu Ghatafan mba hanafika an'i medina ny sazy nihatra tamin'ny Banu Quraydha.67 Nanomana izany tanjony izany izy ireo taorian'ny fifanarahana tao Houdaïbiya, nankany Khaybar ny Irak'Andriamanitra. Nataony izay noheveriny hamelezana ny Banu Ghatafan ary notereny hanaraka ny fiarovany sy tsy hanampy ny jiosy Khaybar izy ireo. Niverina tany Khaybar izy avy eo. Nahatsikaritra ny tafika silamo ny mpiompy teo an-tanàna izay vao niala tao antranony ary nitondra ny fitaovany ary nandositra niafina tao anatin'ny fiarovantenan'izy ireo.

Nijanona tao Khaybar nandritry ny telo herinandro ny Irak'Andriamanitra, nangoniny ny miaramilany ary nilazanyhoe: «Homeko izay tian'Andriamanitra ny faneva rahampitso, sy tia ny Irak'Andriamanitra ary ho tiavin'Andriamanitra sy mpitondra ny hafany. Ataon'Andriamanitra resintsika noho ny aminy ny Khaybar».68 Ny andro manaraka dia saika ny rehetra no nanantena hahazo ny fitaovana zaraina amin'ny ady. Nangataka ny hahaita an'i Ali ny Irak'Andriamanitra. Rehefa nilazana ny Irak'Andriamanitra fa marary ny masony dia nampitadiavin'ny Mpaminany izy, nasiany rora teo amin'ny mason'i Ali nangirifiry ary nomeny azy ny fitaovana.69

Nandeha am-pahamafisana i Ali ary babo i Khaybar taorian'ny ady mafana. Anisan'ireo babo I Safiyya. Vehivavy ambony izy ary zanaka vavin'I Huyay ibn Akhtab, lehiben'ny foko Banu Nadhir. Novadin'ny Mpaminany Mohammed io ary nahavita fifamatorana tamin'ny vahoaka babo izy.

Ny ady tao Mu'ta

Noho ny filaminana nateraky ny fifanarahana tao Houdaïbiya dia nandefa taratasy tamin'ny mpanjakan'ireo tany manodidina mba hanaraka ny finoana silamo ny irak'Andriamanitra. Novonoin'ny mpanjakan'i Bursa antsoina hoe Shurahbil, arabo kristianina iray i Harith ibn Umayr, iraky ny Mpaminany Mohammed. Fandikana ny fomba fanao iraisam-pirenena tena tsy azo ifonana izany ary fanevatevana ny fahamendrehan'ny finoana silamo izy tsy afaka ny tsy hamaly. Nanomana tafika nahitana miaramila 3000 ny Irak'Andriamanitra noho izany ary i Zayd ibn Haritha no lehibeny ary hoy izy: «Raha misy manjo an'i Zayd diai Ja‛far ibn Abi Talib no lehibe. Raha maty maritiora i Ja‛far dia i Abd Allah ibn Rawaha no misolo ny toerany. Raha tsymisy vokatra azo avy amin'I Abd Allah dia fidio aminareo izay hitarika ny ady".

Rehefa tonga tao Mu‛ta ny tafika silamo dia nifanehitra tamin'ny tafika byzantina nahitana miaramila 100000. azo antoka fa tena ho ady mangotraka no hitranga. Ny silamo iray dia tsy maintsy hiady amin'ny fahavalo 33 eo ho eo. Tao amin'ny trano fivavahana ny irak'Andriamanitra nandritra io fotoana io, niteny ny ady amin'ireo manodidina azy. Noraisin'I Zaydny fitsinjarana ny fitaovana. Tafatsofoka tao amin'ny laharan'ny fahavalo izy ary maty maritiora. Nomena an'I Jaw'far ibn Abi Talib indray ny fanomezana ny baiko. Lasa any am-Paradisa koa izy. Noraisin'I Ad Allah ibn Rawaha indray ny toerany ary lasa maritiora koa izy. Afaka fotoana fohy dia hoan'ny iray amin'ireo "sabatr"Andriamanitra"70 ny fitarihana, dia I Khalid ibn Walid, izay nantsoina hoe "ilay sabatr'Andriamanitra"71 nanomboka tamin'io fotoana io.

Nandritry ny alina I Khalid no nametraka ny ekipany hatrany amin'ny laharana voalohany ka hatramin'ny farany ary nanova ny elatra haaiay sy avanana, nametraka izay tery ankavia hian-kavanana ary rehefa nahita ekipa vaovao teo anoloana ireo tafika Byzantina dia kivy. Rehefa latsaka ny alina niala ny toby famaharana ary samy nihemotra ny tafika roa. Niverina tany Medina ny tafika silamo ary 12 fotsiny no maty tamin'izy ireo. Na dia fandresena hoan'ny silamo aza izany dia menatra ihany izy rehefa nihaona tamin'ny Mpaminany satria nanao ady sahala. Noraisiny tsara sy nampahereziny anefa izy ireo: "Tsy nandositra ianareo. Niala mba hanatona ahy ianareo ary hiady amin'izy ireo indray afaka fotoana fohy".

Ny fanafihana an'I La Mecque sy ny vokany

Ny taona 627 dia nanofy na nanana fahitana azy sy ny mpanaradia niditra ampilaminana tao amin'ny fiangonana masin'i La Mecque tamin'ny lohan'izy ireo sola na volo fohy ary tsy tamin-tahotra ny Irak'Andriamanitra. Araka izany no hazavaintsika rehefa avy eo dia tsy navela hiditra tany La Mecque izy ireo teo aloha ary nanao fifanarahana tamin'ny koraisita sy ny hodaibia. Tsy faly tamin'io fifanarahana io ny silamo tany amboalohany kanefa ny andininy nambara taorian'io dia nilaza azy io ho «fandresena».

Ny taona roa taorian'io toe-javatra io dia nanamarina ireo andininy ireo. Ny andrarezina toandr'I Khalid ibn Walid sy Amr ibn al-As dia nanjary silamo ary niparitaka nanerana an'I Arabia ny fivavahana silamo. Nifarana ny fikomian'ny jiosy ary niampita tany hafa noho ny taratasy nalefa tamin'ireo mpanjakan'ny tany manodidina ny fivavahana silamo. Tamin'ny faran'io fotoana io dia nanafika ny Banu Khuza‛Andriamanitra (mpiaradia amin'ny silamo) ny Banu Bakr (mpiaradia amin'ny koraisita) ary nahafaty ny iray tamin'izy ireo. Tapitra ihany koa ny ady teo amin'ny koraisita sy ny silamo. Tonga tany Medina I Abou Soufyan rehefa nanantena fa hanavao ny nofinofiny satria tsy nanan-kery hanoherana ny silamo intsony. Tsy nanaiky ny hifanatrika taminy anefa ny irak'Andriamanitra.72

Nanomboka nanomana ny hoenti-manana amin'ny ady ny irak'Andriamanitra. Ary toy ny mahazatra dia nafeniny ny paik'ady hoenti-manatanteraka izany, tsy nahafantatra izay mety ho fizotran'ny ady na ny vadiny na ny namany akaiky. Rehefa nanontany an'I Aïcha (iray amin'ireo vadiny) I Abou Bakr aiza no heverin'ny Mpaminany hitondrana ny ady dia namaly izy fa tsy fantany.73

Na izany aza dia nandinika izay mety ho heritreriny I Hatib ibn Abi Balba‛Andriamanitra, mpifindra monina iray ary nandefa taratasy tamin'ny koraisita mba hampiomana azy amin'ny ady. Fantatry ny Mpaminany tamin'ny fanambarana anefa io ka nibaiko an'I Ali sy Zubayr izyhaka ny taratasy tamina vehivavy nanankinan'I Hatib azy. Azon'izy ireo izany.74

Niala tao Medina niaraka tamin'ny tafika 10000 ny irak'Andriamanitra roa taona teo alohan'io dia 1600 no isan'ny olony rehefa sarika hanao ny fivahiniana masina niteraka ny fifanarahana tao Houndaïbiya izy. Ny fandriampahalemana taorian'izany no nahatonga ny olona maro hanaraka ny fivavahana silamo.

Tsy fantatry ny mpanaraida hoe aiza no haleha mandrapahazoany ny baiko hiazo ny làlana mankany La Mecque. Rehefa nanakaiky ny tanàna masina izy ireo dia nanome baiko ny miaramila tsirairay handrehitra ny afo ny irak'Andriamanitra satria zatra mandrehitra afo isaky ny tranolay ny mekoa rehefa mivahiny any amin'ny tany efitra.15 Avy eo, nihevitra izy ireo eo amin'ny 3000 eo ho eo ny isan'ny miaramila silamo. Nahatsapa izy ireo fa tsy dia manam-pitaovana firy hiatrehana tafika, vonona hatrany izy ireo. Manamarina izany ny niantsoan'ny irak'Andriamanitra an'I Abou Sufyan hijery ny tafika silamo.

Tsy te hahita rà mandriaka ny irak'Andriamanitra. Nozarainy enina ny miaramilany, niditra tao La Mecque tamin'ny làlana samy hafa izey ireo. Nandidy ny mpitarika tsy hampisy rà mandriaka izy raha tsy efa tafiana. Mba hanatrarany io tangona io sy mba handresena an'i La Mecque am-pilaminana dia hoy ny Mpaminany: «Handry fahalemana ny ao amin'ny Ka‛ba, handry fahalemana izay mialoka ao amin'i Abou Sufyan, ary handry fahalemana izay mijanona ao antranony».76

Amin'ny maha mpamainany tena mpamindra fo izay tonga mba hahasambatra ny olombelona eto antany sy any ankoatra dia niditra tao La Mecque ny Mpaminany Mohammed, niondrika teo andamosin'ny apondrany, mpanafika nandresy. Tsy mba nampiseho fireherahana izy na nanome tsiny. Niroso nankany La Mecque tamim-pahamaotinana izy sy tao anatin'ny fahatokisana ny fanampian'Andriamanitra tanteraka izay nampandresy azy tain'ireo asany masina. Rehefa nijanona teo amin'ny Ka‛ba, nitany tamin'ireo fahavalony izy: «Inona no tianareo anaovako anareo?». Hoy ny Irak'Andriamanitra: «Tsy misy tsiny omena anareo amin'ity andro ity. Hamela ny helokareo Andriamanitra; tena mpamindra fo amin'ny mpamindra fo izy. Afaka mandeha ianareo malalaka ianareo.»77

Io vanim-potoana io no nanamarika ny fiafaran'ny fanompoana Andriamanitra maro tao La Mecque. Sady namotika ny sampy tao amin'ny Ka‛ba izy no niteny hoe: "Ary lazao: "Tonga ny fahamarinana (ny finoana silamo) ary nanjavona ny fahdisoana. Satria ny fahdisoana dia voatokana hanjavona". (17:81)78 Nanjary mpanaradia ny ampahany manontolon'ny mekoa.

Ny ady tao Hunayn

Niandry izay handresy alohan'ny hanekena ny finoana silamo ny foko arabo sady niteny hoe: «Raha mandresy ao amin'ny taniny i Mohammed dia tena Mpaminany tokoa». Vokatr'izany dia nirohatra nanaraka ny fivavahana silamo izy ireo taorianan'ny fandresena azon'ny silamo. Tsy nahafaly ny paiana izany ka niangona teo akaikin'iç Ta‛if izy ireo mba handamina ny fanafihany.

Nitana ny loalaharana sy nanomana fanafihana lehie an'i La Mecque ny Hawazin sy ny Thaqiz izay nalaza tman herim-pony sy ny talentany tam fitifirana amin'ny zanatsipika. Nahazo ny vaovao tamin'i Abd Allah ibn Hadrad izay nalefa nankany amin'izy ireo ny Irak'Andriamanitra ka niala tao La Mecque niaraka tamin'ny silamo 12000 izay faly tamin'ny olona nivadika ho silamo vaovao 2000. mba hiarovana an'i La Mecque sy hanamafisana ny finoan'ireo silamo vaovao sy mba hanalefahana ny ratran-tsain'izy ireo dia nanapakevitra ny tsy hiady ao antanànan'i La Mecque ny Irak'Andriamanitra.

Raikitra tao Hunayn loahasa ao anelanelan'i La Mecque sy Ta‛if ny ady. Nahery fo kokoa noho ny hafa ny silamo vaovao, natosiny ny finoana sy ny hafaliana kokoa izy ireo ary natosiky ny maha ara-dalàna ny anton'ny ady. Nanatombo tamin'ny fahafantarana ny toerana niadiana ny fahavalo. Nanao velam-pandrika nahalavo ny laharana voalohany tamin'ny tafika silamo izy ireo, na koa fanahinian'ny irak'Andriamanitra ny paik'ady anatona ny fahavalo ka modu niady nihemotra avy eo. Nampifangaro anefa ny fihemorana na izany aza ary niteraka tifitra zanatsipika fafy katrana avy amin'ny fahavalo.

Tony dia tony tahaka ny mahazatra tao amin'ny finoany sy ny fahendreny ny Mpaminany na dia tamin'io fifandonana mahery vaika io aza ary niroso tamin'ny apondrany ihany. Teo ankavanany I Abbas dadatoany, teo ankaviany kosa I Fadhl zana-drahalahiny. Rehefa nanandrana nanajanona azy I Abou Soufyan dia nitaataba ny irak'Andriamanitra hoe: "Raikitra ny ady ankehitriny, Mpaminany aho, tsy misy lainga ny amin'izany! izaho no taranak'I Abd al-Muhalib".79

Nangataka an'I Abbas hiantso toy izao ny Mpaminany: "Olombelona ry namana nilokaloka fanomezan-tànana teo ambody hazo!"80 Nitovy ny valinteny re: "Labbayh!" (Ekena!), ary niaraka tamin'ny Mpaminany izy ireo. Nodidinin'ny tafika silamo ny faha&valo ka voatemitra andaniny sy ankilany ary taalatsaka teo afovoany. Niova ny herim-po sy ny fahendren'ny mpa sy ny paik'adiny ary nanjary fandresena goavana ny faharesena. Noho ny fanampian'Andriamanitra no nahatonga ny silamo handresy. Nahatanteraka ny fandreseny tamin'ny fanenjehana mafy ny fahavalo izy ireo, nobabony ny toby famaharan'izy ireo, ny fianakaviany sy ny biby fiompiny, nentin'izy ireo nanaraka azy tamim-pireharehavana mantsy ny fianakaviany satria nanantena fandresena mora foana izy ireo.

Nivily làlana ny fahavalo ary nialokaloka tao Ta‛if. Nandresy lahatra ny foko tanefitra hanaraka ny fivavahana silamo ny fandresen'ny silamo ary fotoana kely taorian'izany dia nanaraka ny finoana silamo koa ny foko mpikomy sy ny Ta‛if.

Ny fanafihana tao Tabouk

Nahazendana ny Arabo sy I Moyen-Orient ny fifandonan'ny sim sy ny Bizantina tao Mu‛ta satria resy ny Bizantina na dia maro anisa aza noho ny silamo aza, 33 no miady amin'ny silamo iray. Maro noho izany ireo Arabo nahaleontena niaina tany Siria sy ny manodidina azy no niova ho silamo. Mba hamaliana faty ny tao Mu‛ta sy mba hanakanana ny fianahan'ny silamo dia nanome baiko hanomana ny miaramila hanafihana an'I Arabia I Heraclius amperora Bizantina.

Nahara-baovao hatrany mikasika ny fivoaran'ny toe-javatra mahakasika ny asany Mpaminany ka niantsy ady tamin'ny Bizantina. Ny marika maneho ny fahosan'ny silamo dia hamelona ny hery efa ambivotra ananan'ny mpino Andriamanitra maro sy ny mpikomy arabo izay efa voadona mafy tao Hunayn. Mety nankahery ny mpihatsaravelatsihy ao Medina sy ny manodidina azy koa ny fivoarana amin'ny fandisoana ny silamo ao Medina. Efa nifandray tamin'ny mpanjaka kristianina sy ny amperora Byzantina izy ireo ary nanorina trano fivavahana –nantsoin'ny CORAN hoe tranofivavahana "Dhinar" (fisarahana) (g: 107) teo akaikin'I Medina izay nataon'izy ireo toby famaharana.

Nahatsapa ny loza mety haterak'izany ny Mpaminany ka niantso ny silamo mba hiomana amin'ny ady ary nolazainy fa ny Bizantina no ho tafihina, mifanohitra tamin'ny fahazarany izany.

Fahavaratra ny andro tamin'izay. Nafana dia nafana ny andro, tonga ny fotoam-piotazana ary tsy ampy ny fitaovana sy ny sakafo. Ankoatra izany koa, anisan'ny iray tamin'ireo mahery indrindra tamin'iny faritra iny ity fahavalo ity. Na dia izany aza dia namaly tamin-kafanam-po ny mpiaradia ary nanomboka nanomana ny hoenti-manana tamin'ny ady, nandray anjara betsaka izy ireo na dia tsy namela azy hanao izany aza ny tsy fananany volo. Nanome vola betsaka ireo mpanaradia nanan-karena toandr'I Othman sy Abd ar-Rahman ibn ‛Awf.81 Nitomany sy nalahelo mafy ny tsy fandraisan'izy ireo anjara ireo tsy nampidirina tao amin'ny tafika silamo noho ny tsy fahampian'ny sakafo ilaina sy ny fitaovana ary tena nandratra ny fon'ny Mpaminany izany. Derain'Andriamanitra ao amin'ny CORAN izy ireo. (9:92) Tena hanavahana ny mpino sy ny mpihatsaravelatsihy marina io vanim-potoana io.

Niainga tao Medina nankany Tabouk ny Mpaminany niaraka tamin'ny miaramila 30000 ny taona 631, teo akaikin'ny tanin'ny bizantina any Siria. Tsy nampihatra ny paik'adiny ny amperora bizantina izay efa nanangona miaramila goavana ary nanemotra ny fandrika naoriny satria nihoatra izay noheveriny no voaangon'ny irak'Andriamanitra ary talohan'ny ahavitan'ny ekipa bizantina.82

Nijanona tao ambany vahoon'ny bizantina no nanaiky nandray hetra sy niaina tamin'ny famoretany. Izany koa no nivadian'ny foko kristianina mora ho silamo.83 Namela ny silamo hamondrona ny heriny sy ny paik'adiny alohan'ny hanohizany ny ady amin'ny Bizantina sy hamotehany ny fahefan'ny tsy mpino sy ny mpihatsaravelatsihy arabo io fandresena tsy nahitana rà mandriaka io.


18 Ibn Hajar, Al-Isaba, 1:286-287.
19 Il était sur le point de devenir roi de Médine quand l'Emigration commença. Voyant que beaucoup de gens avaient accepté le Prophète comme le nouveau leader de Médine, il finit par se convertir à l'islam. Néanmoins, la perte du statut de roi continua à le ronger de l'intérieur et l'entraîna à devenir un leader Hypocrite et une source d'irritation constante pour la communauté musulmane.
20 (Rappelez-vous), quand Dieu vous promettait qu'une des deux bandes serait à vous.Vous désiriez vous emparer de celle qui était sans armes, alors que Dieu voulait par Ses paroles faire triompher la vérité et anéantir les mécréants jusqu'au dernier, afin qu'Il fasse triompher la vérité et anéantir le faux, en dépit de la répulsion qu'en avaient les criminels. (8:7-8).
21 Ibn Sa'd, 3:162.
22 Muslim, "Kitab al-Jihad waas-Sayr," 30; Waqidi, Maghazi, 1:48-49.
23 Tabari, Tarikh al-Umam wa al-Muluk, 2:430.
24 Ibn Hanbal, 1:411, 418.
25 Ibn Sa'd, 3:120.
26 Ibn Hanbal, 1:159.
27 Ibn Hisham, 2:127.
28 Ibid., 1:621.
29 Ibid., 1:668; Ibn Hanbal, 1:368.
30 Ibn Hisham, 2:277.
31 Ibid., 2:280-287; Ibn Kathir, 3:350.
32 Abu Dawud, 2:53; Muslim, 5:170.
33 Ibn Hisham, 3:58.
34 Un système de gouvernement consultatif est un article indispensable de la constitution islamique. Ceux qui sont érudits, pieux, qui ont un bon jugement et des connaissances d'experts en certains domaines, et qui jouissent de la confiance des gens, doivent être consultés. En retour, ceux-ci doivent exprimer leurs opinions, selon les principes de leur conscience, avec précision et intégrité. Ce système consultatif est si important que Dieu loue la première communauté musulmane exemplaire comme un groupe qui règle ses affaires en se consultant les uns les autres. (42:38) Cette importance devient plus explicite quand on considère le leadership du Prophète. Il ne parlait jamais en fonction de ses caprices ni de son propre chef, mais ne faisait que communiquer ce que Dieu révélait. (53:3-4) Ainsi, il préférait l'opinion de la majorité à la sienne. Mais comme il devait exécuter leur décision en toute soumission et confiance en Dieu, il ne pouvait plus ensuite changer sa décision pour plusieurs raisons. Tout d'abord, cela pousserait certains à faire pression sur les autres pour faire accepter leurs opinions; deuxièmement, les leaders qui changent d'avis selon des sentiments et des caprices individuels peuvent perdre leur autorité et leur crédit; troisièmement, toute éventuelle hésitation engendre la crainte, l'anxiété, et la confusion chez les gens; quatrièmement, si le Messager avait changé d'avis et avait défendu les musulmans de l'intérieur de Médine, une défaite aurait poussé ses opposants à le critiquer lui et les grands Compagnons. Dans toutes ses paroles et ses actions, le Messager était un exemple à suivre. Toutes les réflexions susmentionnées se réfèrent à son comportement d'avant Ouhoud et à ses paroles: "Il ne sied pas à un Prophète de retirer sa cotte de mailles après qu'il l'a mise".
35 Ibn Hisham, 3:664/667.
36 Bukhari, "I'tisam," 28; Ibn Hisham, Sira, 3:68.
37 Ibn Hisham, 3:68.
38 Bukhari, "Jihad," 164; Abu Dawud, "Jihad," 6.
39 Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 128; Ibn Hanbal, 3:123.
40 Haythami, Majma' az-Zawa'id, 6:109.
41 Ibn Sa'd, Tabaqat, 3:12; Waqidi, Maghazi, 221.
42 Qadi 'Iyad, Shifa', 1:78-9; Hindi, Kanz al-'Ummal, 4:93.
43 Ibn Hisham, 3:99.
44 Ibn Sa'd, Tabaqat, 8:413-15.
45 Ibn Hanbal, 3:201; Bayhaqi, Sunan, 9:44.
46 Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:35-6.
47 Tabari, Tarikh, 3:17; Ibn Athir, Al-Kamil, 2:74; Ibn Hisham, Sira, 3:100.
48 Said Nursi, Lemalar (Istanbul: 28).
49 Ibn Hisham, 3:120-1; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:43.
50 Ibn Hisham, 3:101.
51 Ibn Hisham, 3:94; Ibn Sa'd, 2:59.
52 Ibn Hisham, 3:213.
53 Ibn Kathir, 4:178-79.
54 Ibn Hisham, 3:225-26; Waqidi, 441-43.
55 Bukhari, "Manaqib al-Ansar," 9; "Maghazi," 29; Muslim, "Jihad," 123-25.
56 Bukhari, "Manaqib," 9; Muslim, "Jihad," 127.
57 Ibn Hisham, 3:230; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:116.
58 Ibn Hisham, 3:239.
59 Ibid., 3:240-42.
60 Ibid., 3:235-36.
61 Ibn Kathir, 4:123.
62 Ibn Hisham, 3:243.
63 Bukhari, "Maghazi," 29; Ibn Hanbal, 4:262.
64 Bukhari, "Maghazi," 30.
65 Ibn Hisham, 3:249-51.
66 Ibn Hisham, 3:238, 262; Ibn Sa'd, 3:423-24; Tabari, Tarikh, 3:49.
67 Ibn Hisham, 3:226; Diyarbakri, Khamis, 1:540.
68 Bukhari, "Maghazi," 38.
69 Bukhari,,"Maghazi," 38; Muslim, 4:1872.
70 Bukhari, "Maghazi," 44.
71 Ibn Hanbal, 5:299; Tabari, 3:110.
72 Ibn Hisham, 4:31.
73 Ibid., 4:39.
74 Ibid., 4:41.
75 Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:330; Ibn Hisham, 6:41-45.
76 Ibn Kathir, 4:331-32.
77 Ibn Sa'd, 2:142; Ibn Hisham, 4:55; Tabari, 3:120; Baladhuri, Futuh al-Buldan, 1:47.
78 Bukhari, 5:93; Muslim, 3:1408; Ibn Hisham, 4:59; Ibn Sa'd, 2:136.
79 Bukhari, "Jihad," 52; Muslim, "Jihad," 78.
80 Ibn Kathir, 4:373.
81 Ibn Hisham, 4:161; Tabari, Tarikh, 3:143; "Tafsir," 10:161.
82 Ibn Sa'd, 2:165-68; Tabari, Tarikh, 3:100-11.
83 Ibn Kathir, Al-Bidaya, 5:13.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.