Ny Fanafihan'ny Miaramila

Nitory tamin'ny dingana hafa vaovao ny adin'ny silamo sy ny tsy mpino tamin'ny fahatongavan'ny Mpaminany tany medina. Nanokana ny fiainany tamin'ny fanapariahana ny foto-kevi-dehibe silamo ny Mpaminany tao La Mecque sy tamin’ny fanofanana ara-moraly sy ara-panahy ireo mpianany. Taorian'ny (622) dia nahitana silamo tany amin'ireo foko samy hafa avy amin'ny faritra isan-karazany ary niangona tsikelikely tao Medina. Na dia tsy nanana afa tsy tany kely aza ny silamo dia mbola nitambatra tamin'ny foko hafa hamotehana azy ny koraisita.

Noho izany toe-javatra izany dia niankina tamina anton-javatra maro milahatra araka ny lanjany ny fahaveloman'ny fiarahamonina kelin'ny silamo:

  • Manaparitaka ny finoana silamo amin'ny fomba mahomby mba hahtonga ny hafa hanaraka azy.
  • Manazava ny fahadisoan'ny tsy mpino amin'ny maharesy lahatra tsy ahafahan'ny olona misalasala amin'ny fahamarinan'ny finoana silamo.
  • Miatrika ny fifindra-monina sy ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo, amin'ny fahasahiranana ara-toekarena, amin'ny hanoanana, amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny loza amin-kerim-panahy sy faharetana.
  • Maka ny harena sy ny fananana norobain'ny mponin'I La Mecque taorian'ny fifindramonina.
  • Manohitra amin-kerim-po sy amin'ny fiadiana ireo fanafihana atao mba hanembatsembanana ny zavatra atao (hetsika). Tsy manao ho zava-dehibe ny maha maro anisa ny fahavalo na ny fitaovany mandritry ny fanoherana.nakoatry ny fandrahonana avy amin'ny mponin'I La Mecque sy ireo mpiaradia aminy dia tsy maintsy miady tamin'ny foko jiosy telo tao Medina izay nitantanana ny fiharian-karenan'ny tanàna koa ny fiarahamonina silamo vao tanora. Noho ny fiandrasan'izy ireo ny fiavian'ny Mpaminany koa no nanoherany ny irak'Andriamanitra satria tsy jiosy izy. Ny zavatra nataon'ny Mpaminany voalohany tao Medina dia fanaovana soniam-pifanarahana tamin'ny jiosy.11

Na dia teo aza izany dia nitohy ihany ny fisainan-dratsin'ny jiosy manoloana ny Mpaminany Mohammed sy ny fihaonan-doha ratsiny hanohitra ny finoana silamo sy ny irak'Andriamanitra. Ohatra, nanao poezia hamakiana ady tamin'ny Mpaminany I Ka‛b ibn Ashray, poeta manantalenta jiosy;nanomboka nahita masoandro tao Medina ihany koa ny fanoherana vaovao: ny fihatsarambelatsihy. Azo sakajiana ho efatra lehibe ny fihatsarambelatsihy:

  • Ireo izay tsy manana ny finoana silamo akory kanefa miditra ao amin'ny fiarahamonina silamo mba hamafy korontana ao aminy fotsiny.
  • Izay mahatsapa ny zaa-misy ara-politika ary mitady tombontsoa kanefa tsy miasa fa mody hoe niova. Eo ampanaovana izany izy dia mifandray hatrany amin'ny tafika mpandritra ny silamo amin'ny fanantenana hitavandra tombontsoa amin'ny fifandraisana amin'ireo vondrona roa sy mba tsy ho tratran'ny fahasahiranana na oviana na oviana.
  • Ireo izay tsy tapa-kevitra kanefa mody toa miavana satria toy izany ireo manodidina azy.
  • Ireo izay manaiky ny finoana silamo ho fivavahana marina kanefa sarotra aminy ny miala amin'ny fomba fiainany teo aloha, ny fisainan-dratsiny sy ny fomba amam-panaony ary tsy mahatanteraka ny fifehezantena takian'ny finoana silamo.
  • Tao amin'ny toe-javatra handefa fanafiha-miaramila tany afovoan'ny tany efitra. Nanana tanjona maro tao an-tsainy izy ary anisan'izany ireto:
  • manandrana "mamono ny fahazavan'Andriamanitra amin'ny vavany ny tsy mpino kanefa Andriamanitra nandefa ny fahazavany noho ny firohotan'ny tsy mpino". (61:8). Te hanaporofo ny irak'Andriamanitra fa tsy afaka nanafoana ny fivavahana silamo ny tsy mpino ary tsy maizintsaina ny silamo.
  • Niditra teo anelanelany I La Mecque tany arabia. No izy hery lehibe indrindra amin'ireo tany dia nalaim'panahy hifanindran-dàlana taminy ny foko hafa. tamin'ny fandefasana miaramila tany amin'ireo tany manodidina, te-haneho amin'ny be sy ny maro ny herin'ny silamo sy hamotika ny fanjakazakan'ny koraisita ny Mpaminany. Teny andalan'ny tantara dia ny foto-kevitra hoe "ambonin'ny zo ny hery" no lalàna nipetraka matetika, satria ny zo dia osa loatra ka tsy ahafahana manjaka. Nanan-kery sy harena ny koraisita tany arabia, nanaiky azy ny foko manodidina. Tonga mba hametraka ny herin'ny zo ny fivavahana silamo. Noho izany tsy maintsy mamotika ny fifhezan'ny mponin'I La Mecque ny irak'Andriamanitra.
  • Tsy voafetra tamin'ny fotoana iray sy ny firenena voatokana fotsiny ny asany satria nalaza ho mpamonjy ny olon-drehetra izy. Natao hampita ny fivavahana silamo lavitra araka izay azo zava-miseho tany amin'ny tany rehetra izy. Ireo fanirahana miaramila ireo dia fisafoana mba ny vaovao izay ilainy mba handehanany amin'ny làlan'ny fampianarana ny finoana silamo.
  • Ny fitaovana sy fomba mahomby indrindra handresena ny fahavalonareo dia ny fiatrehana azy amin'ny asa tsy voadinika mialoha sy efa voaomana satria mahatonga anareo hihitsoka amin'ny finiavana izany. Nahafantatra tsara ny vaovaon'I Abd Allah ibn Ubayy sahil mpitarika ny mpihatsaravelatsihy tao Medina tamin'ny fifandraisan'io amin'ny koraisita ny irak'Andriamanitra. Taorian'ny fidiran'ny tafika koraisita tao amin'ny manodidina an'I Medina sy ny fiverenany niaraka tamin'ny làlana ira dia nandefa miaramila ny irak'Andriamanitra mba handrisiana ny koraisita hanao ny asa aloha vao misaintsaina. Toy izany no hahafahany namotika ny paik'adin'izy ireo.
  • Nivelona tamin'ny varotra noho ny tsena iraisam-pirenena tany Yemena sy Siria ny koraisita ary nanjary voaaro ny làlam-barotr'izy ireo. Mety ho voahelingelina anefa ireo làlany ireo hatramin'ny naha tao Medina ny silamo. Mba hanamafisana ny paik'adiny dia nandefa miaramila mba hamotehana ny fanantenana sy ny paik'adin'ny koraisita hiady aminy ny irak'Andriamanitra.
  • Ny lalàna silamo dia mikatsaka ny hiantohana sy hiarovana ny aina sy ny fananana, ny fahamasinana, sy ny finoana, sy ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. Eo anatrehan'izany dia voarara ny famonoana olona sy ny halatra, ny fanaovana an-keriny sy ny fandrobana, ny fitaka sy ny tombontsoa, ny loka, ny zava-pisotro mahamamo, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna, ny korontana sy ny fanaparitahana ny tsy finoana an'Andriamanitra.
  • Ny teny arabo hoan'ny finoana hoe "imam" dia midika hoe fandriampahalemana. Ary ny "mu‛min" (mpino) iray dia tsy mba mamitaka na oviana na oviana, ary "ny olon-drehetra dia eo ambany fialofan'ny lelany sy ny tànany". Tsy mandainga ny mpino ary tsy mba mamela ny fampanantenana nataony sy tsy mamadika ireo izay manankina fananana aminy. Tsy mba miaina amin'ny halatra izy na amin'ny famitahana na amin'ny varotra hikatsahana tombontsoa mihoampampana. Ankoatra izany miala amin'ny fanaovan-dratsy aman'olona izy ireo satria resy lahatra fa izay mamono na olona iray aza dia mamono ny olombelona manontolo.
  • Rehefa niseho ho Mpaminany ny irak'Andriamanitra dia tsy nanana antom-pivelomana sy fananana tany arabia, na fahadiovana, na fahasalamana sy finoana. Iray amin'ireo andraikiny noho izany ny nametraka filaminana tanteraka amin'ny lafim-piainana manontolo. Hoy izy indray andro tamin'I Adiyy ibn Hatim:

"Hoavy ny andro handehanan'ny vehivavy irery miaraka amin'ny ramevany ho any Hira ka hatrany La Mecque ary tsy hatahotra afa tsy Andriamanitra ihany".12 Ny fandriampahalemana no nokatsahan'ny irak'Andriamanitra tamin'ny fandefasana miarmila ary haneho amin'ny rehetra fa ny finoana silamo ihany no mitondra fandriampahalemana ho azy.

Ny Ady

Notarihan'I Hamza ny ady voalohany taorian'ny hezira, nalefa tany Sif al-Bahr. Nifanojo tamin'ny fiverenan'y mpivarotra koraisita avy any Damasy indrindra izany. Norobain'ny koraisita ny fananan'ny mpifindra monina rehetra ary namidiny tany Damasy. Nampiasain'ny iral hanehoana ny herin'ny silamo io toe-javatra io ary fandrahonana mivantana ny varotry ny koraisita. Tsy nisy fifandonana raikitra tmain'io fifanandrinana voalohany io kanefa vavolombelon'ny zava-niseho ny mponina tany amin'ny tany efitra ary te-hahafantatra ny fisian'ny loharanom-pahefana hafa tamin'iny tany iny.

Io fanafihana io dia narahan'ny iray hafa notarihan'I Ubayda ibn Harith. Amin'ny tanjona mitovy dia nandeha lavitra an'I Rabiga, lohasaha any an làlana mankany La Mecque I Ubayda. Nifanehitra tamin'ny tafika 200 lahin'ny koraisita ny mpitaingintsoavaly 60 silamo. Nisy ny fifampitifirana zanatsipika ary noho ny tahotra ny fahresena dia nandeha antongotra niverina nankany La Mecque.13

Avy eo dia maro ireo fanafihana izay notarihan'ny irak'Andriamanitra ny sasany, nifanesy ireny. Tao amin'ny fanafihana roa notarihan'ny irak'Andriamanitra tany Abwa sy Buwat dia ny handrahona ny mpivarotra koraisita hatrany no tanjon'ny Mpaminany sy ny hampiforitra azy ireo.14 Nanao fifanarahana tamin'ny fokon'ny Banu Damra izy tany Abwa: Tsy hiady ny andaniny sy ankilany ary tsy hampy ny fahavalon'ny silamo ny Banu Damra.

Talohakelin'ny ady tao Badr (624) dia nandefa miaramila tokony ho folo notarihan'I Abd Allah ibn Jahsh ho any Nakhla toerana kilometatra vitsivitsy avy eo La Mecque amin'ny làlana any Taifa ny irak'Andriamanitra. Nangatahany hanaraka ny dian'ny koraisita izy ireo, sy ny fihetsiny ary nanangom-baovao mikasika ny paik'adiny. Rehefa tao Nakhla izy dia nisy andiana mpivarotra koraisita avy Taifa nijanona tao. Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga tao ka nahafaty koraisita iray ny silamo ary nosamboriny ny sasany (afa tsy anakiray) sy ny fananany. Nentiny tany Medina ireo.

Nitranga tikony ho teo amin'ny faramparan'ny volana Rajaba io toe-javatra io ary fanombohan'ny volana Sabana. Noho izany, tsy fantatra loatra na voaloto ny fahamasinan'ny volana Rajaba iray amin'ireo volana masina efatra. Nararaotin'ny koraisita sy jody mpiraipetsapetsa taminy sy ireo mpihatsaravelatsihy io trangan-javatra io ka natao avokoa ireo fampihelezan-kevitra fanoherana ny silamo isan-karazany araka izay azony natao. Nolazain'izy ireo fa nandatsa-drà tao anatin'ny volana masina ny silamo, izany hoe tamin'ny fotoana tena voarara tsy hanaovana izany.

Satria io toe-javatra io dia nitranga tsy nisy ny fankatoavany, ny fnaomezany alalana, nanazava tamin'ireo izay nandray anjara tamin'izany ny irak'Andriamanitra fa tsy nangataka azy hiady nyizy. Nanome tsiny azy ireo koa ny silamo hafa sasantsasany. Na izany aza dia nisy fanambarana nampionona azy ireo noho ny fahadiovan'ny sainy, nanome azy ny fanantenana ny famindram-pon'Andriamanitra:

"Nanontanian'izy ireo azy ny antony nanaovany ady tao anatin'ny volana masina –Lazao "Ny miady amin'io volana io dia fahotana lehibe, kanefa mbola lehibe eo anatrehan'Andriamanitra koa ny manakana ny lalàny, ny tsy mino eo anolon'izany sy ny fiangonana masina sy ny mandroaka ny mponiny ao. Ratsy noho ny ady ny fisamatsamahana". Tsy nitsahatra niady taminareo anefa izy ireo araka izay azony natao arynahodiny tamin'ny fivavahanareo ianareo raha azony natao izany. Ary eo aminareo no hanaraka ny fivavahan'izy ireo sy ho fatin'ny tsy finoana, tsy misy dikany amin'izy ireo ny asa amin'ny fiainana ankehitriny sy ny fiainan-ko avy. Indro ny olon'ny afo: honina ao mandrakizay izy ireo. Marina, izay mino dia hifindra monina sy hiady amin'ny làlan'Andriamanitra, ireo no manantena ny famindram-pon'Andriamanitra. Ary mpamela heloka sy mpamindra fo Andriamanitra. (2:217-18)15

Mamaly ny sakana ataon'ny tafika manohitra ny silamo ireo andininy ireo. Amin'ny teny fohy, asa tsy mendrika ny ady atao amin'ny volana masina. Na izany aza, ireo izay nampiharitra ny mpino tamin'ny fiaretana tsy hay fafana nandritry ny 13 taona nisesy satria nino an'Andriamanitra tokana izy dia tsy manam-pahamarinana na zo hametraka fanamarihana sy tsikera. Tsy niaza ny silamo hatrany antranony fotsiny izy ireo fa nandroaka azy tao amin'ny trano fivavahany masina ihany koa, sazy tsy hay zakaina nandritry ny 2000 taona teo amin'ny tantara tao Kaba. Aorian'izany rehetra izany, iza no ho afaka handà amin'ny toe-javatra kelynitranga tsy dia manao ahoana, sady tsy nitranga tamin'ny fankatoavan'ny Mpaminany akory?"


[11] Des historiens modernes comme Muhammad Hamidullah tendent à le considérer comme la première constitution dans l'histoire islamique.
[12] Bukhari, "Manaqib," 25.
[13] Ibn Hisham, Sira, 2:241; Ibn Sa'd, Tabaqat, 2:7.
[14] Ibn Hisham, 2:241, 248.
[15] Ibn Hisham, 2:252.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.