Ny Jiady

Arabakiteny, ny teny hoe jiady dia midika hoe manao ny tsara indrindra sy mandany ny hery rehetra mba hahatanterahana zavatra. Tsy mitovy amin’ny ady izany, izay antsoina hoe: "qital" amin'ny arabo. Manana hevitra midadasika ny koady ary voafaritra ao ny endriky ny ezaka rehetra noho Andriamanitra. Ny Mojaidina iray dia izay resy lahatra amin'ny ataony, mampiasa ny herimbatany manontolo, ny herintsainy sy ny herim-panahiny hanompoana azy, misedra ny fahefana rehetra eny andalany ary izay mety ho faty raha ilaina izany noho ny aminy. Ny jiady eny amin'ny lalan'Andriamanitra dia ady ataontsika mba ahazoana ny fankatoavan'Andriamanitra mba hametrahana ny fahambonian'ny fivavahany ary mba hametrahana ny teniny ho ambony.

Ny foto-kevitra mifanaraka amin'io toe-javatra io dia ny fanarahana ny tsara sy mandrara ny ratsy, mikatsaka ny hampitana ny hafatry ny finoana silamo ary mametraka fiarahamonina silamo faka tahaka. Maneho ny fiarahamonina silamo ho toy ny fiarahamoniny modely ny CORAN, izay natokana hampahalana ny finoana silamo amin'ny olombelona ary amin'ny fomba niainan'ny Mpaminany azy: "Ary ho ataonay fiarahamonina marina ianareo mba ho vavolombelona eo anatrehan'ny olona toy ny nataon'ny irak'Andriamanitra' taminareo". (2:143)

Ny Jiady lehibe sy ny Jiady kely

Misy karazany roan y jiady. Ny iray dia mifototra amin'ny fandresena ireo faniriana ara-nofo sy ny fisainan-dratsy –io no jiady lehibe. Ny iray kosa mitototra amin'ny fankaherezana ny hafa hanatanteraka tanjona mitovy –io koa no atao hoe jiady kely.

Niditra tao Medina ny tafika silamo rehefa avy nandresy ny fahavalo dia niteny tamin'izy ireo ny irak'Andriamanitra: "Havaditsika ho jiady lehibe ny jiady kely". Rehefa nanontany ny dikan'ny jiady lehibe ireo mpanaradia azy, dia nanazava tamin'izy ireo izy fa ady amin'ny izaho aranofo no dikany.1

Ny tanjon'ireo jiady roa ireo dia ny mba hidiovan'ny mpino amin'ireo fahotany sy hanatrarany ny maha olombelona marina. Ny Mpaminany rehetra dia nalefa hoamin'io tanjona io. Hoy Andriamanitra ao amin'ny CORAN:

"Ary handefasanay Iraka avy aminareo ianareo izay hitanisa aminareo ny andinintsoratra avy aminay, hanadio anareo, hampianatra anareo ny boky sy ny fahendrena ary hampianatra anareo izay tsy fantatrareo". (2:15)

Toy ny mineraly tsy voadio avy ao anaty tany nyzan ary ny Mpaminany no hanodina azy, hanadio sy hanivana amin'ny famohany ny fon'izy ireo sy ny sofiny sy amin'ny fanalany ny sarona eo amin'ny masony. Noho ny fanazavan'ny Mpaminany dia ho afaka mahafantatra ny lalàn'ny natiora izay mariky ny maha iray sy ny fisian'Andriamanitra ny olona, ary ho afaka handray ny zava-misy bitika indrindra izay miafina ao ambadiky ny zavatra sy ny vanim-potoana. Amin'ny fitarihan'ny Mpaminany ihany no ahafahantsika mahatratra ny endrika ambony andrasan'Andriamanitra amintsika.

Ankoatry ny famantarana dia nampianatra ny boky koa ny Mpaminany sy ny fahendren'ny vahoakany. Satria ny CORAN no fanambarana farany natao tamin'ny Mpaminany farany, ny CORAN no tian'Andriamanitra ho lazaina rehefa miteny hoe boky izy. Tys maintsy manaraka ny CORAN sy ny Sona nataon'ny Mpaminany isika rah ate-ho voatantana tsara.

Mampianatra antsika izay tsy fatantsika ihany koa ny Mpaminany, ary hitohy mianatra azy mandrapiavin'ny andro farany ny zanak'olombelona. Avy aminy no hianarantsika amin'ny fidiovana amin'ny fahotana. Tamin'ny fanarahana ny lalàny no nahazahoan'ireo olo-masina lehibe io fanavahana azy io. Anisan'ireny I Ali izay nilaza fa nihidy ny finoany raha niala ny voalin'ny tsy hita maso ary tsy nitombo ny fahamarinany.2 Misy milaza koa fa afaka nahita ny misiterin'ny lanitra faha fito I Abd al-Qadir al-Jilani. Ireo sy ny maro hafa toandr'I Foudhayl bin ‛Iyadh, Ibrahim bin Adham sy Bashr al-Khafi dia nahazo toetra tahaka ny Mpaminany raha tsy noforanan'Andriamanitra ny faminaniana.

Niparitaka teny ampara vodilanitry ny saintsika ny haizimpiton'ny tsy fahalalana noho ny fitarihan'ny Mpaminany Mohammed ary fandrosoana maro no hita teo amin'ny siansa sy ny teknolojia noho fahazavana nentiny avy amin'Andriamanitra.

Ny jiady no fanomezann'ny Mpaminany ary ny faminaniana no andraikitra mikendry ny hampakarana ny olona amin'ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny fanadiovana azy. Jiady no anarana nomena io asam-paminaniana io izay mitovy hevitra amin'ny hoe vavolombelon'ny fahamarinana. Toy ny fihainoan'ny mpitsara ny vavolombelona handaminana raharaha iray no maha vavolombelon'ny maha tokana sy misy an'Andriamanitra ireo izay mahatanteraka ny jiady amin'ny fiadiana eny andalany. Hoy ny CORAN: "Nanambara tamin'ny anjely sy ny olon'ny siansa Andriamanitra fa tsy misy faminaniana ankoatrany, izy no mpampanjary ny fahamarinana. Tsy misy faminaniana ankoatrany, ny mahery indrindra, ilay Hendry". (3:18) Izay manatanteraka ny jiady dia hahazo ny fahamarinana mitovy amin'ny fitsaran'ny lanitra, ao no handaminana ny raharahan'ny tsy mpino.

Izay manaiky ny fisiana sy ny maha tokana an'Andriamanitra dia handeha amin'ny vazantany efatra mba hanambara io fahamarinana io. Toy izao no andraikitry ny mpa, araka ny voalazan'ny CORAN sy tsy maintsy andraikitsika ihany koa:"(…) amin'ny maha mpitondra hafatra, mpanambara sy mpananatra, mba tsy hananan'ny olona fialantsiny eo anatrehan'Andriamanitra aorian'ny fiavian'ny mpitondra hafatra. Mahery indrindra sy Hendry Andriamanitra. Andriamanitra no ho vavolombelona izay nampidininy tety aminao, fantany tsara izay nampidininy. Ary ho vavolombelon'izany ny Anjely. Ampy ho vavolombelona Andriamanitra. (4:165-166)

Naniraka Mpaminany iray hoan'ny vahoaka rehetra Andriamanitra mba hahafahan'izy ireo hanana hevi-paminaniana mitovy. Amin'ny maha teny ampiasaina hamaritana ny asam-paminaniana azy dia tafalatsaka lalina ao am-pon'ny mpino ny jiady mba hahafahany mahatsapa tanteraka ny andraikiny hampita ny fahamarinana amin'ny tanjona hitarihana ny olona mankamin'ny làla-mahitsy.

Tsy ny ady miaramila ihany no azo tarafina amin'ny jiady kely izay heverina ho isan'ireo toe-javatra hiadiana noho ny amin'Andriamanitra. Manana hevitra midadasika io teny io ary tafiditra ao ny asa rehetra atao ho fitiavana an'Andriamanitra.

Na dia ny miteny sy mandiana sy mitsiky sy miherotra, na fiaraha-mivavaka sy ny fialana eo aza, ny asa rehetra ataon'ny tsirairay n any fiarahamonina mba hanatsarana ny fiainan'ny olombelona dia tafiditra ao amin'ny famaritana ny jiady avokoa.

By jiady kely dia miankina amin'ny fanetsehana ny fitaovana materially manontolo sy izay tanterahina any amin'ny tontolo ivelany, ny jiady lehibe kosa dia midika ho ady ataon'ny olona amin'ny izahony ara-nofo. Tsy azo sarahina ireo endrika roan'ny jiady ireo.

Nampianatra antsika hanatanteraka ireo jiady roa ireo ny irak'Andriamanitra. Napetrany ny fotokevi-pampianarana ny hanina izay manakery mandrapahatongan'ny andro fitsarana. Rehefa dinihintsika ny fomba fampianarany dia olona tena mahay mandamina ny asany izy, porofo manamafy ny faminaniany izany ary ohatra tsara amin'ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra ny fitondrantenany.

Noho ny jiady dia miorim-paka tsara sy mavitrika ny finoan'ny mpino. Toy ny hitondran'ny hazo ravina sy voa maharitra no hitehirizan'ny mpino ny hafanam-pony mandrakariva rehefa manatanteraka ny jiady izy. Isaky ny tafahoana na mahita olona tsy mahita afa tsy ny lafy ratsin-javatra ao anatin'ny famoizam-po isika dia mahatsapa fa tsy mahatsapa fa tsy nahatanteraka ny jiady izy. Maro ny olona very fanantenana sy maizina ao amin'ny tsy fahitana hafa tsy ny lafiratsin-javatra satria nijanona tsy nampianatra ny fahamarinana, tsy nanao ny fahamarinana. Na iza na iza manao ny jiady tsy ankijanona dia tsy ho very ny hafanam-pony ary mivelatra mandrakariva ny asa ataony. Ny asa tsara isanisany dia miteraka asa tsara hatrany ary manan-javatra foana ny mpino: "Ary hoan'ireo izay miady noho isika, hotarihintsika marina amin'ny làlantsika isan'andro izy ireo, rah any tena marina dia miaraka amin'ny mpanao ny tsara tsy ankijanona Andriamanitra". (29:69)

Maro toy ny rivotra iaianan'ny zavaboary ny làlana mitondra mankamin'ny làla-mahitsin'Andriamanitra. Ho tarihina na iza na iza miezaka noho ny aminy, hotarihin'Andriamanitra mankamin'ny iray amin'ny làlany ary ho voavonjy amin'ny fivilian-dàlana. Na iza na iza tarihin'Andriamanitra mankamin'ny làlany mahitsy dia hiaina tsy mitanila. Tsy hihoatra ny fetra na oviana na oviana izy ireo amin'izany, na amin'ny asa ataony na amin'ny filana maha olombelona azy na amin'ny asa fiderana ataony sy amin'ny asa hafa rehetra mikasika ny fivavahana. Ny fiainana mirindra dia mariky ny fitarihana marina.

Ny fiafiana rehetra natao hiadiana amin'ny tsy mpino tsy mifaditrovana na lehibe toy inona aza dia anisan'ny jiady kely izay mifototra amin'ny fiezahana hanatanteraka ny zavatra tsy maintsy atao amin'ny finoana tonga lafatra araka izay azo atao. Sarotra tanterahina kokoa ny jiady lehibe satria manery antsika heady amin'ny vaika ao anatintsika toy ny fiavonavonana, ny lolom-po, ny fialonana, ny fitiavantena, ny fievoeboana sy ny filana ara-nofo.

Na dia ireo tsy manatanteraka ny jiady kely ka manimba ny ara-panahiny aza dia mbola afaka ny hanao izany. Manome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fofonainy mananaina manontolo ary mariky ny fisian'Andriamanitra tokana. Mety ho voatarika mankamin'ny làla-mahitsin'Andriamanitra noho ny iray amin'ireo famantarana ireo ny olona iray. Izany no antonym ilazana fa maro ny lalana mitondra mankao amin'ny lala-mahitsin'Andriamanitra, tahaka ny fisian'ny fofon'aina avoakan'ny zavaboariny.

Ny olona miala ny jiady kely dia miharitra ny hetraketrak'ity tontolo marefo ity. Hanenjika azy ny fiavonavonana sy ny fitiavana lainga sy ny fananan-javatra betsaka. Mananatra antsika amin'ny alalan'ireo mpianany ny Mpaminany amin'ny filazana hoe: rehefa miverina any Medina aorian'ny fandresena: "Nahavita ny jiady kely ho amin'ny jiady lehibe isika".

Tsy nanantahotra ny mpanaradia azy teny amin'ny sahan'ny ady, ary mendrika sy manetry tena ihany koa toy ny mpitondra fivavahana silamo eo ampiderana an'Andriamanitra. Nandany ny aliny manontolo tamin'ny fivavahana tamin'Andriamanitra ireo mpiady nandresy ireo. Indray andro rehefa latsaka ny alina nandritry ny ady dia nifandimby niambina ny roa tamin'izy ireo. Niala sasatra ny iray rehefa mivavaka ny iray. Rehefa nahatsikaritra izany ny fahavalo dia nitifitra zanatsipika maro teny aminy. Voakasika izy ary nivoa-drà kanefa tsy niala tamin'ny fivavahany. Rehefa vitany ny fiderany dia namoha ny namany izy, taitra mafy io ary niteny taminy hoe naninona raha najanona kely aloha. Ary hoy izy: "Efa ndeha hiteny ny Sourate Al-kahf aho ary tsy tiako ho tapahina ny hafinaretana goavana tsapako tao amin'ny fivavahako".3

Tafakatra ambony ny fanahin'ireo mpiaradia manontolo nandritry ny fivavahana ka toa tsy tompon'ny tenany izy ireo ary nitanisa ny CORAN toa nambara taminy mivantana. Tsy nahatsiaro ny fangirifiriana nateraky ny zanatsipika intsony izy ireo avy eo, izay nandrotika ny vatany. Niseho tamin'izy ireo ny jiady kely sy lehibe.

Nasehon'ny Mpaminany manokana tamin'ny maha olona manokana tsara tamin'ny fomba mazava ny jiady kely sy lehibe. Naneho herim-po tsy misy toy izany izy teny antsahan'ny ady. I Ali, iray amin'ireo mpiady mahery fo indrindra amin'ny silamo dia nilaza fa mialoka eo ivohon'ny Mpaminany ny mpanaradia rehetra amin'ny fotoana mafy indrindra amin'ny ady.

Ny Dingana Arahina Amin'ny Jiady Sy Ireo Tanjony Fototra

Ny fanambarana voalohany tamin'ny Mpaminany dia ny didy hoe: «Vakio!"io didy io dia tonga tamin'ny fotoana tsy nisy zavatra azo vakoana mazava eo noho eo, nanambara fa ny mpino dia tsy maintsy mampiasa ny fahafahany misaina sy ny fanahiny mba hahafantarana sy hanavahana ny asan'Andriamanitra ao amin'ny tontolo sy ireo lalàny mikasika ny fahariana sy ny asany.

Amin'izany famahavahana izany no hitadiavan'ny mpino fanadiovana ny maha izy azy sy ny fanahiny amin'ireo fanahy ratsy rehetra sy ny tsy fahalalana ary handray ny fahalalana marina noho ny fandinihana sy ny fisaintsainana lalina.

Tsy saina fotsiny isika. Nomen'Andriamanitra fahafahana manao zavatra maro ary mila fahafaham-po izy ireo tsirairay avy.

Noho izany, amin'ny famokisana ny saintsika amin'ireo marika sy famantarana taon'Andriamanitra amin'ny tontolo no hikatsahantsika ny fanadiovana ny fontsika amin'ny fahotana. Amin'ny fahatongantsaina noho ny fanarahamaso avy amin'Andriamanitra no ahafahantsika miaina tsy mitanila sy hitadiavantsika tsy ankijanona ny famelana avy amin'a. avy amin'io fomba io no handresentsika ny faniriana hanao zavaboarara ary amin'ny fivavahana no italahoantsika amin'Andriamanitra mba hahafahana manao zavatra tsara. «Vakio!» dia midika ho asa noho izany. Hoan'i Mohammed izay madio fanahy tanterak, midika izany fa fotoana hanombohany ny asa faminaniana amin'ny maha mpitondra hafatra azy tamin'io.

Nambarany teo imasombahoaka ny fanambarana ary nampianariny ny olona ny famantarana an'a. amin'ny fanaovana izany no hanadiovany ny sain'izy ireo amin'ny fahotana. Nanazava azy ireo ara-tsaina sy ara-panahy izy tamin'ny fanabeazany azy ireo noho ny bokin'Andriamanitra (ny CORAN) sy amin'ny bokiny noariana (ny tontolo):

«Ary handefasanay iraka avy aminareo ianareo mba hilaza aminareo ny andinintsoratra avy aminay, hanadio anareo, hampianatra anreo ny boky sy ny fahendrena ary hampianatra anareo izay tsy fantatrareo ». (2:151)

Nody tany amin'ny tao anatin'ny fihetseham-po lehibe ny Irak'Andriamanitra taorian'ny nandraisany io fanambarana voalohany io. Natory tao araLamba izy, sahirantsaina amin'ny fangirifirian'ny fireneny ary ny andraikitra lehibe hiantsorohany rehefa nandidy azy toy izao Andriamanitra:

«Ianao izay mifono ao anatin'ny lambanao! mitsangana ianao [mba hivavaka] amin'ny alina tontolo fa tsy amin'ny ampahany kely monja; ny antsasany na ny latsak'izany, na mihoatra kely. Ambarao mazava sy miadana ny CORAN. Hanambaranay teny mavesadanja ianao». (73:1-5)

Ny fotoana fohy teo anelanelan'ny fanambarana voalohany sy ny fianahan'ny finoana silamo dia nomarihin'ny andininy toan'io ary dingana fanombohana hoan'ny irak'Andriamanitra. Tsy maintsy manomantena amin'ny fampitana ny CORAN izy amin'ny fiaretantory lava amin'ny alina sy amin'ny fanambarana mazava sy miadana ny CORAN.4

Andriamanitra  nkoatra ny fampitana ny hafatra, araka izay efa voalazantsika tery ambony, ny jiady dia manamafy ny adin'ny mpino amin'ny izahony ara-nofo mba hahafahana manorina toetra ara-panahy tena izy izay feno finoana sy mirehi-pitiavana. Mitohy mandrapahafatin'ny mpino ny halebeazan'ireo jiady roa ireo sy mandrapihavin'ny andro farany. Vokatr'izany, fotoana fohy taorian'ny nanambarana io andininy io dia nahazo fanambarana toy izao indray ny irak'Andriamanitra:

"Ianao ry Mohammed! ilay mitafy ankanjo lava! mitsanjagana ianao ary mananara. Ary ankalazao ny halebeazan'ny Tomponao. Ary diovy ny fitafianao. Ary alavironao ny fahotana rehetra. Ary aza mihevitra ny zavatra vita ho zava-dehibe. Ary mandefera hoan'ny Tomponao". (74:1-7)

Nandidy ny Mpaminany hampianatra ny fivavahana silamo io fanambarana io. Natombony tao amin'ny fianakaviany sy ny ray amandreny akaiky azy izany, avy eo aorian'ny Fandraisanao ny andininy dia "Anambarao ny olona izay akaikinao indrindra". (26:214) nitariny nanerana ny fokony io antso io. Nisy nanohitra ny fandraisana ny fampianarany manaraka avy eo, fandrahonana, fampijaliana, faniriana hamadika mba hampijanonana azy.

Tsy mba nanome tsiny ny irrak tao La Mecque ary tsy namela ny mpiaradia aminy hanao izany koa. Tsy tonga hamafy korontana ny finoana silamo na handranitra ny fizarazarana, fa tonga kosa hanala ny olona amin'ny haizina na hitondra azy amin'ny fahzavan'ny finoana sy hanafaka azy amin'ny fanandevozana rehetra afa tsy amin'Andriamanitra mba hahafahany manompo Andriamanitra marina tokana, ary mba hampakatra azy amin'ny lavaky ny tany hoany amin'ny fahamboninan'y lanitra araka ny voalazan'I Amir Ibn Rabi‛.5

Satria ny silamo dia midika arabakiteny hoe "fiadanana, famonjena sy fanekena", mzava ho azy fa tonga hametraka fiadanana izy –ao amin'ny tontolontsika anaty aloha voalohany indrindra mba hiadana eo anatrehan'Andriamanitra, miaraka aminy isika sy amin'ny tontolo araboajanahary manodidina antsika, avy eo manerana ny tany sy ny tontolo rehetra.

Fototra amin'ny silamo ny fiadanana sy ny filaminana, fivavahana mikatsaka ny tontolo mandry fahalemana eo amin'ny tsirairay sy ny daholobe. Mnao araka izay azony atao mba hialana amin'ny hery setra izy, tsy mankasitraka ny tsy fahamarinana ary mandrara ny rà mandriaka:

"Na iza na iza namono olombelona iray tsy namono olona na namafy korontana teto antany dia toy ny namono ny olombelona manontolo. Izay nahavonjy ny ain'olona iray dia mpamonjy ny olombelona manontolo". (5:32)

Niseho mba hamongotra ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly ary mba hanambatra ny tany amin'ny lanitra ao amin'ny fiadanana sy ny firindrana, miantso ny olona am-pahendrena sy amin-kerimp fatratra ny finoana silamo. Tsy mampiasa hery ny silamo raha tsy mitady hampitsahatra sy hanafoana ny fampianarany ny mpiandany amin'ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly izay mifototra amin'ny tsy fahamarinana, ny fangejana, ny tombotsoa manokana, ny fitsetsefana sy ny fanosihosena ny zon'ny hafa. noho izany tsy azo atao ny fampiasan-kery raha tsy amin'ireto tranga manaraka ireto:

- Raha toa ka manohitra mafy ny fampianaran'ny silamo sy manakana ny hafa tsy hihaino ny hafny ny tsy mpino sy ireo mpino andriamanitra maro. Satria ny finoana silamo dia fivavahan'Andriamanitra izay mikatsaka ny maha tsara sy ny fahasambaran'ny hafa eto antany sy any ankoatra, noho izany manan-jo ny hahafantatra izy ireo. Raha tsy avela izany, dingana telo no tsy maintsy hatrehan'ireo mpanohitra azy:

Manaiky ny finoana silamo, mamela ny fampianarana azy ampilaminana na manaiky ny fanjakany. Raha manary ny iray amin'ireo dingana ireo izy vao mampiasa hery.

Na dia izany aza anefa dia misy lafin-kevitra manandanga tokony ho tenenina. Mba hahafahana mampiasa hery dia tsy maintsy manana fanjakana silamo matanjaka. Tsy tafapetraka izany raha tsy taorian'ny mifindran'ny Mpaminany monina tany Medina sy ny nametrahany fanjakana mahaleontena noho ny fitondrana tsy an-drariny niaretan'ny silamo. Ireo andininy nambara mba hanomezan-dàlana ny silamo dia manazava fa marina ny ady nataon'ny silamo:

"Omena alalana hiaro tena izay voatafika satria noratraina marina izy ireo; ary marina afaka hamonjy azy Andriamanitra –ireo izay noroahina tamin'ny fonenany- notoherina tsy andrariny fotsiny satria hoy izy: "Andriamanitra no Tomponay". Raha tsy nanosika ny olona tsirairay Andriamanitra dia norarana ny trano goavana sy ny fiangonana, ny sinagoga sy ny trano fivavahan'ny silamo izay hanononana ny anaran'Andriamanitra. Manampy marina ireo izay miantehitra amin'ny fivavahany Andriamanitra. Matanjaka sy mahery Andriamanitra, azo antoka izany. Manetsika tanjaka ety antany, manatanteraka ny fivavahana, manolotra ny fanomezana, mandidy ny tokony ataony sy mandrara ny tsy mendrika. Na izany aza dia an'Andriamanitra ny teny farany amin'ny zava-drehetra. (22:39-41)

Mazava amin'io andininy io fa tsy nampiasa hery afa tsy hiarovantena ny silamo sy mba hametrahana ny fahalalahan'ny mpino. Afaka nampihatra malalaka ny finoany ny kristianina sy ny jiosy, ny zoroastrianina sy ny hindoa sy ireo mpanaraka fivavahana hafa teo ampiny fifehezan'ny silamo. Na dia ny mpanoratra sy ny mpahay tantara tandrefana aza dia nanaiky fa niaina tsara tamim-pahasambarana sy tamim-panambinana ny kristianina sy ny jody tamin'ny vanim-potoana nanjakan'ny silamo.

- Rehefa tsy manaiky tanteraka ny tsy fahamarinana ny silamo, finoana marina avy amin'Andriamanitra. Hoy ny ambaran'ity andininy ity: "Ary nosoratantsika tao amin'ny salamo rehefa avy nolazaina tao amin'ny bokin'ny lanitra fa ho lovan'ny mpanompo ahy tsara fo ny tany". (21:105), tsy maintsy hanjakan'ny mpanompo tsara fo an'Andriamanitra ny tany, izay nifototra amin'ny fahamarinana tanterak izany sy amin'ny fiderana an'Andriamanitra tokana. Voatery tsy maintsy hiady ihany koa izy ireo mandrapahazoana ny famoretana sy ny fiankohofana amin'ny Andriamanitra tsy izy. Ary tsy maintsy miady hoan'ny osa sy nyv voageja ihany koa ny silamo:

"Ary inona no ho azonareo raha tsy miady eny amin'ny lalan'Andriamanitra ianareo sy hoan'ny osa: ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy izay milaza hoe: "Tompo ô, avoahy amin'ity tanàna feno olona tsy marina ity izahay, ary omeo mpanavotra avy aminao izahay". (4:75)

Fitsipika sasantsasany

Tsy afaka miala amin'ny fetra didin'Andriamanitra ny mpino, tsy maintsy mitandrina ny lalàna mikasika ny ady izy ireo. Ny sasany amin'ireny dia notsoahina mivantana tao amin'ny CORAN sy ny Sounna:

• Ny mpino dia iray izay efa "novidin'Andriamanitra tamin'ny Paradisa ny maha izy azy sy ny fananany". (9:111) Manokana ny fiainany aminy manokana izy ireo ary tsy mikatsaka afa tsy ny fankatoavany. Noho izany izay miady ho amin'ny zavatra hafa (toy ny voninahitra, ny harena, ny fanavakaahana ara-potokevitra sy fiaviana) dia voailika amin'ny fankatoavan'Andriamanitra.

• "Itolomy aminy làlan'Andriamanitra izay iadivanareo ary aza mivily làlana. Marina, tsy tian'Andriamanitra ny fivilian-dàlana!" (2:190) Efa nolazaina ny mpino mba tsy hiady izay eo anelanelany ary tsy hanana ahiahy. Ny famonoana sy ny fandrovana no toetran'ny ady nataon'ireo tsy silamo. Anisan'ireo zavatra mihoatra ny tokony ho izy nataony dia ahitana ny: miady amin'ny vehivavy sy ny zaza, ny antitra sy ny maratra ary nanao habibiana hafa tsy an-drariny. Tsy azo ampiharina ny hery setra raha tsy efa tena tsy azo ialana, ary rehefa tsy maintsy ilana ihany.

• Rehefa tsy azo ialana ny ady, dia milaza amin'ny mpino mba tsy hihemotra ny CORAN. Tsy maintsy miomana izy ireo na ara-tsaina na ara-panahy ary mandray ny fepetra ilaina. Ireto izy ireo:

- miezaha manatratra ny faherezana ara-panahy handresen'ny silamo io ny fahavalony miiza 200:

"Ry Mpaminany, ankaherezo amin'ny ady ny mpino; raha ahitana mpiady 10 aminareo dia handresy 200; ary raha ahitana 100 dia handresy 1000 satria izy iroe dia olona misy hery manampy azy". (8:65)

"Ireo izay resy lahatra fa hifanatri-tava amin'Andriamanitra diua hiteny hoe: "Impiry impiry ny miaramila vitsy anisa no nandresy miaramila maro noho ny voninahitr'Andriamanitra! miaraka amin'izay miaritra Andriamanitra". (2:249)

Mba ho tonga amin'ny laharana tokony ho izy dia tsy maintsy manam-pinoana sy fotokisana an'Andriamanitra ny mpino, ary miala araka izay azo atao amin'ny fahotana. Ny finoana sy ny hatsaram-po na ny fahitsiana dia fitaovam-piadiana roa tsy hay resena, loharanom-pahefana roa tsy mety ritra. "Aza manaiky ho resy ianareo, aza mety ho trotraka satria ianareo no ambony raha tena mpino marina (3:139). Ary ny farany (fahasambarana) dia hoan'ny mpino". (7:128)

- ankoatry ny herin-tsaina dia tsy maintsy miaraka amin'ny fitaovana manarapenitra indrindra ny mpino. Satria ny hery dia zava-dehibe fototry ny fahazahoana ny vokatra irina ka tsy azon'ny mpino odian-tsy hita. Tsy maintsy lasa lavitra noho ireo tsy mpino izy amin'ny siansa sy ny teknolojia mba tsy ahafahan'iretsy farany mampiasa ny fahamboniany hoan'ny tombontsoany manokana sy ny fitiavantenany. Milaza ny silamo fa "ny zo no ambonin'ny hery", tsy maintsy mahay manakana ny tsy mpino sy ny mpanjakazaka tsy haneho afa tsy "ny hery ambonin'ny zo" ny mpino:

"Ary omano amaharana azy ireo iza rehetra hery anananareo sy ny soavaly mba hampitahorana ny fahavalon'Andriamanitra sy ianareo ary mbola misy zavatra hafa ankoatra izany tsy fantatrareo kanefa hain'Andriamanitra.

Ary izay laninareo eny andalan'Andriamanitra dia honerana feno tanteraka ary tsy avela haratra ianareo (ny fo). (8:60)

Tsy maintsy matanjaka araka ny tokony ho izy ny fanjakana silamo mba handresy ny fanafian'ny tsy mpino sy ny mpangeja sy ny paik'adyn'izy ireo hampanekena ny osa. Tsymaintsy mahay mametra ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana izy, ary manakana ny hery hafa miteraka korontana sy kolikoly. Tanteraka izany rehefa mitafy finoana mafy ny silamo sy hatsaram-po ary fahalalana siantifika sy teknolojika ihany koa. Tsy maintsy manambatra ny siansa sy ny teknolojia amin'ny finoana sy ny moraly izy ireo, ary mampiasa io hery io amin'ny tsara hoan'ny olombelona avy eo.

Ny finoana an'Andriamanitra dia miantso hanompo ny olona. Arakaraka ny halehibeazan'ny finoana sy ny fitondrana azy no hahatsapana ny zavatra tsara amin'ny voary. Rehefa mahatratra io laharana io ny silamo, "tsy hanome feo na oviana na oviana ny tsy mpino Andriamanitra rehefa manohitra ny mpino izy ire". (4:141) Akoatra izany, ho tanteraka ny fampianaran'ny Mpaminany: "(hitambatra ny herin'ny tsy mpino mba hanafika anareo. Haka ny sakafo eny ambavanareo izy ireo ary handroba ny fanananareo".6

- Rehefa tsy azo ialana ny dia tsy maintsy mamaly ny antso ny silamo satria:

"Ry mpino! inona no anananareo? rehefa ialazana hoe: "Midira amin'ny lalàn'Andriamanitra"; handry va ny sainareo ety antany. Manome zavatra mihoatra noho ny ankoatra va ny fiainana? ny fijaliana amin'io fiainana io anefa, dia zavatra kely monja, raha oharina amin'ny any ankoatra! raha tsy mirotsaka amin'ny ady ianareo dia ho saziany amin'ny sazy mamaivay ary ho soloiny vahoaka hafa. aza manimba azy amin'ny tsy misy antony ianareo. Ary mahita ny zavatra rehetra Andriamanitra". (9:38-39)

"Tian'Andriamanitra izay miady eny andalany amin'ny laharana hety tsara toy ny trano lehibe noamafisina". (61:4)

"Ianareo mpino! nanoro anareo ny varotra izay hamonjy anareo amin'ny sazy mamaivay va aho? mino an'Andriamanitra sy ny Iraka nalefany ianareo ary hiady amin'ny làlan'Andriamanitra ianareo sy ny fanananareo sy ny maha olona anareo ary tsara ho anareo izany raha fantatrareo. Hamela ny fahotanareo izy ary hampiditra anareo ao amin'ny saha hikorianan'ny rano sy ao amin'ny fonenana mahafinaritry ny sahan'I Edena? izany no fahombiazana goavana ambony homeny zavatra hafa izay tena tinareo ianareo: famonjena avy amin'Andriamanitra ary fandresena efa mby eo ambaravarana. Ary ambarao amin'ny mpino ny vaovao mahafaly". (61:10-13)

- Miasa toy ny fiasan'ny vatana ny fiarahamonina voarafitra tsara, mila loha (lehibe) maranintsaina izy". Zava-dehibe ny fanekena ny lehibe hoan'ny fanambinan'ny fiarahamonina. Ary rehefa nobeazina tao arabia ny irak'Andriamanitra, ary ny mponina dia niparitaka tahaka ny voan-javatra nopotipotehina ary tsy nanantsaina ny filana fanekena sy tamin'ny tombotsoa amin'ny saina mahay manaiky an'Andriamanitra sy mpitondra ny hafany sy amin'ireo ambony noho izy, ary nampiasainy ho toy tady mafy hampifandray azy ireo ny finoana silamo:

"Ry mpino, maneke an'Andriamanitra ary maneke ny Iraka nalefany sy ireo izay mpandidy aminareo. Ary raha miady hevitra ianareo, ataovy ho an'Andriamanitra izany sy ho an'ny mpitondra ny hafany, raha mino an'Andriamanitra sy ny andro farany ianareo. Fanjakana tsara indrindra izany ary tanteraho". (4:59)

"Ianareo mpino, rehefa mifanojo amin'ny tariky ny fahavalo ianareo dia mba entitra tsara, antsoy mandrakariva Andriamanitra mba hahombiazana. Ary maneke an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany; ary aza mifamaly ianareo raha tsy izany dia ho resy sy handany hery foana ianareo. Ary mahareta satria miaraka amin'izay miharitra Andriamanitra". (8:45-46)

Nahavitan-javatra maro ny fanekena nananan'ny mpanaradia ny Mpaminany. Ohatra rehefa nanendry tovolahy 28 taona, zanaka andevo nafhana ho mpitaritolona tao amin'ny tafika nahitana miaramila maro efa be taona, anisan'izany ry Abou Bakr sy Omar ary I Othma ny irak'Andriamanitra dia tsy nisy nanakiana nyr ehetra. Tranja hafa koa, tamin'ny fandidian'ny mpitaritolona ny miaramila iray hiditra ao anaty afo tany an'ady.

Na dia tsy mifanaraka loatra amin'ny foto-kevitra silamo aza io fandidiana io dia misy sasantsasany manaiky azy. Na izany aza dia misy ny sasany tsy manaiky ary mamono tena ary mandresy lahatra azy ireo hangataka amin'ny Mpaminany raha tsy maintsy manaiky amin'ny fandidiana tsy mifanaraka amin'ny maha silamo.8 Na dia tsy ara-dalana aza ny manaiky ny fandidiana hanao fahotana dia zava-dehibe ao amin'ny fiainam-piarahamonina ny fanekena ny lalàna, indrindra fa raha te handresy amin'ny ady.

- Tsy maintsy manam-paharetana ny mpino fa tsy manan-jo hotsoaka an'ady:

"Ianareo mpino rehefa mifanojo amin'ny tariky ny tsy mpino eny an-dalana dia aza manodin-damosina aminy mihintsy. Na izay na izay manome lamosina amin'io andro io raha tsy hoe paika ampiasaina amin'ny ady izany na mba hanatonana ny tarika lafiny. Anjara ratsy izany. (8:15-16)

Iray amin'ireo fahotana lehibe fito ny fitsoahana amin'ny ady satria miteraka fikorontan-draharaha sy manakivy ny hafa izany. Tsy miorina tsara ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra satria ity fiainana ity no tiany noho ny any ankoatra. Amin'ny fanaovana tetika amam-paika hankanesana amin'ny tarika afa ihany no ahafahan'ny mpino mandao ny sahan'ady.

Tamin'ny ady tao Yarmouk (636) dia silamo mahery fo 20000 no nandresy Byzintin 200000.9 Qabbas ibn Ashyam, iray tamin'ireo mahery fo dia tsy nilaza afa tsy ny fahatapahan'ny tongony ilany ora vitsy taty aoriana rehefa tsy maintsy nidina teny ambony soavaly. Fotoana kely taorian'izay dia nanatona ny kalifa ny zafikeliny ary niteny hoe: "Ry kalifa [Omar ibn Abd al-‛Aziz], izaho no zafikelin'ilay tapa-pe tamin'ny mitatao vovonana ka tsy hita izany raha tsy tamin'ny hariva".

Nandritra ny ady tao Mou‛ta (629) dia 3000 fotsiny ny miaramila silamo kanefa ny Bizantina dia nahatratra 100000.

Niady taminkerim-po ny silamo ary samy niala ny tafika roa avy eo. Na dia izany aza dia nihevitra ho nandao ny ady ny silamo ary ho menatra manoloana ny Mpaminany. Nandray azy ireo tsara anefa izy ary nankahery azy ireo. "Tsy mpandositra ady ianareo; niala mba hanatona ahy ianareo. Hahazo hery vaovao ianareo ary hiady amin'izy ireo indray".10 Niseho araka izay voalazany ny zavatra rehetra. Vokatr'izany, teo alohakelin'ny fahafatezany dia nanao be midina tany amin'ny faritra atsimon'I Siria ny tafika silamo, ary roa taona taty aoriana dia nandonan'ireo Bizantina mafy tao Yarmouk ny tafika silamo.


[1] 'Ajluni, Kashf al-Khafa', 1:424.
[2] Imam Rabbani, Ahmad Faruq as-Sarhandi, Maktubat, 1:157.
[3] Ibn Hanbal, Musnad, 3:344; 359.
[4] Comme chacun sait, les veillées de prières pendant la nuit offrent des instants où l'effet est plus fort et la récitation plus pénétrante.
[5] L'envoyé musulman au commandant perse pendant la guerre de Qadissiya. Elle eut lieu en 637, pendant le califat de 'Omar.
[6] Abu Dawud, "Malahim," 5; Ibn Hanbal, 5:278.
[7] Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 63; Ibn Kathir, Al-Bidaya, 6:336.
[8] Muslim, "'Imara," 39; Ibn Maja, "Jihad," 40.
[9] Cette bataille eut lieu pendant le califat de Abou Bakr. (Tr.)
[10] Abu Dawud, "Jihad," 96; Tirmidhi, "Jihad," 36; Ibn Hanbal, 2:70, 86.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.