Fanamarihana

"Iza no olona lehibe mihoatra an'I Mohammed?" Izany no fideran'I Lamartine, mpahay tantara frantsay ny Mpaminany.

"Tsy misy na oviana na oviana olona manolo antsitrapo na tsy antsitrapo tanjona farany ambony dia ambony satria mihoatra ny maha olombelona io tanjona io: minatrika ny fifamatorana misy eo amin'ny voary sy ny mpahary, Andriamanitra hoan'ny olona ary ny olona an'Andriamanitra, mametraka indray ny hevitra voalanjalanja sy masin'ny faminaniana ao amin'ny korotan'Andriamanitra materialy sy lasa sampy.

Tsy nisy na oviana na oviana olona nahavita asa mivaingana tsy hain'ny herin'olombelona refesina tamin'ny alalan'ny fitaovana kely dia kely satria izy tsy mba nanana tetik'asa goavana hanatanterahana ziany afa tsy ny tenany ihany niampy ireo olona tsy mahalala na inona na inona tany amin'ny tany efitra.

Ary farany, tsy nisy olona na oviana na oviana nahatanteraka fivoarana goavana sy maharitra teto an-tany satria taonjato roa taorian'ny faminaniana no nampianarana nyf inoana silamo sy nampanjakana azy hanerana an'I Arabia, nampiditra ny maha tokana an'Andriamanitra tany Persan Khorasan, Transoviana, Inde andrefana, Siria, Egipta, Etiopia, ny Kaontinanta rehetra fantatra tany Afrika avaratra, nosy maro tany Mediterane, Espaina sy Gaule. Raha ny halebeazan'ny tetik'asa sy ny hakelin'ny fitaovana ary ny dadasiky ny vokatra no refy telo handrefesana ny zavabitan'ny olona, iza no olon'ny tantara manara-penitra ankehitriny no sahy hifampitaha amin'I Mohammed? Ireo malaza indrindra dia tsy nanetsika afa tsy fitaovam-piadiana, lalàna, fanjakazakana, tsy nampijoro afa tsy hery ara-pitaovana ihany izy ireny ary simba talohany aza matetika. Izy io nanetsika fanahy, lalàna, fanjakana, vahoaka, fitambaran'olona anapitrisany ao amin'ny roa ampahatelon'ny tany onenana fa izy kosa nampiasa fisoronana, Andriamanitra, fivavahana, hevitra, finoana, fanahy, nifototra tamin'ny boky izay nanjary lalàna izy, olom-pirenena ara-panahy nahasahana vahoaka samy hafa fiteny sy fihaviana ary nanjary toetra faka tahaka tsy hay fafana amin'io maha olom-pirenena azy io izy, ny fankahalana ireo Andriamanitra tsy marina ary ny fitiavana an'Andriamanitra tokana sy tsy azo tsapain-tànana.

Io fitiavan-tanindrazana mankahala ny fanevatevana ny lanitra io no mahamarina ny zanak'I Mohammed, ny fahazoana ny ampahatelon'ny tany no nahatonga azy ho fahagagana, tsy fahagagana nataon'olona fa fahagagana nataon'ny fiheverana lalina sy misy antony. Ny hevitra maha tokana an'Andriamanitra nambaran'ny fahambanian-tsain'ireo mpino Andriamanitra maro dia marina aminy ihany, handoro ny vavany sy ny molony ny fanompoana ny smapy ary nandrehitra afo tamin'ny ampahatelon'ny tany nandalovany.

Ny fiainany anefa, ireo teny tsy mendrika natao tamin'ny fifatorany tamin'ny tanindrazany, ny fahasahiany hiatrika ny tahotra ny sampy, ny faharetany miharitra izany tao anatin'ny 15 taona tao La Mecque, ny fanekeny ho mpanakorotam-bahoaka sy ireo mpiray tanindrazana niharam-pahavoazana kanefa tsy meloka, ny fandosirany tamin'ny farany, ny faminaniany tsy ankiato, ny adiny tsy mitovy sy tsy manantsahala, ny fahatokisany, ny fahombiazana, ny fiarovantenany mihoatra ny maha olombelona tao amin'ny tsy fahombiazana tamin'ny ady, ny faharetany tamin'ny fandresena, ny hetahetan-tsainy, ny fananam-panjakana, ny fivavahany tsy nanam-piafarana, ny fandreseny aorian'ny fasana dia manamafy ny fahareseny lahatra. Io faharesen-dahatra io no nanome hery azy hametraka dogma. Roa io dogma io: ny maha tokana an'Andriamanitra, ny maha tsy azo tsapain-tànana azy, ny iray milaza ny maha Andriamanitra an'Andriamanitra, ny hafa milaza ny tsy maha izy azy, ny hafa mankalaza ny hevitra amin'ny hery.

Filozofa, mpandahateny, apostoly, mpanao lalàna, mpiady, mpandresy lahatra, mpmetraka ny dogma voasaina amin'ny fivavahana tsy misy sary, mpanorina ny fanjakana roapolo eto an-tany sy ny fanjakan'ny fanahy, izay no Mohammed.

Iza no lehibe noho izy amin'ny fandrefesana handrefesana ny halebeazan'ny olombelona?"

[73] George Sarton, dans sa monumentale Introduction to the History of Science, divisa son ouvrage en chapitres chronologiques, intitulant chaque chapitre par le scientifique le plus éminent de cette période. Du milieu du IIe siècle AH (VIIIe siècle de l'ère chrétienne) au milieu du Ve siècle AH (XIe siècle de l'ère chrétienne), chaque tranche de 50 ans porte le nom d'un scientifique musulman. Ainsi nous avons "L'époque de al-Khawarizmi", "L'époque de al-Biruni", etc. Ces chapitres contiennent aussi les noms de beaucoup d'autres hommes de science musulmans importans et leurs oeuvres. (Tr.)

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.