Fanamarihana Hafa

Noho ny hevi-diso sy ireo fironana nandritry ny taonjato maro, indrindra fat any amin'ny tany tandrefana tamin'ity taonjato farany ity dia namaritra ny fivavahana ho toy ny finoana jamba sy fiderana tsy misy dikany ary fampihononantena fotsiny ny ankamaroan'ny olona. Maro ireo fampianaran-diso nivoatra tao amin'ny kristianina noho ny fahadisoana sy ny zavatra tsy marina ara-tantara teo amin'ny kristianisma. Nanampitrotraka io fahadisoana ion y silamo sasantsasany nifantoka amin'ny zavatr'ity tany ity amin'ny fanambaniana ny finoana silamo ho foto-kevitra sy lamina ara-tsosialy, toekarena sy politika fotsiny. Tsy fantatr'izy ireo ny zavatra ambaran'ny CORAN sy ao amin'ny faminaniana sy manerana ny tantaran'ny fivavahana silamo: ny finoana silamo dia mijoro tsara, tsy mitanila, mahazo ny hevitra sy ny fahafahana manao zavatra rehetra amin'ny olombelona, amin'ny saina, amin'ny fo sy amin'ny fisaintsainan'ny olona tsirairay, ary manerana ny endri-piainan'ny olona manontolo. Izany no antonym nanamafisan'ny Mpaminany ny maha zava-dehibe ny fanabeazana, ny varotra, ny fiompiana sy fambolena, ny asa sy ny fandinihana.

Fanampin'izany, nampirisika ny vahoakany hanao antsakany sy andavany izay nataony rehetra izy, nomelohiny ny hakamoana sy ny fangatahan-dava. Ohatra, hoy izy: "Tia any mpanompo mino sy kinga Andriamanitra"15 Hoy ny ambaran'ny CORAN: "Miasa fa ho hitan'Andriamanitra ny asanareo n any Iraka n any mpino" (9:105) Tsy afaka manao rainazy isika satria ny asantsika rehetra dia haseho amin'ny andron'ny fitsarana farany ary tsy tokony tsy min-kafanam-po mba hialana aminy. Manambara toy izao amim-pinoana ny irak'Andriamanitra "Rehefa manao zavatra ianareo, tian'Andriamanitra raha ataonareo tonga lafatra izany".16

Mandrisika ny olona hiasa ny finoana silamo ary mankasitraka ny fiezahana ara-dalàna mba hameloman-tena sy hitadiavana ny filan'ny fianakaviana ho toy ny ara fiderana. Mifanohitra amin'ny kristianisma taloha, tsy mametraka ho tanjona ary tsy manoro hevitra ny fiainana mitokamonina ny finoana silamo. Rarany ny fiparitahana sy ny haingo satria raha mandeha amin'io làlana io isika ka manao ambanin-javatra ny fivavahana dia tsy azo antoka ny fanantenantsika eto antany sy any andanitra. Manambara amin'ny teny mazava izay mamintina ny fiainana ekonomika sy sosialy sambatra sy ny fanambinana eto antany sy any ankoatra ny irak'Andriamanitra:"Rehefa tojo amin'ny fitotonganan'ny vidin-javatra ianareo an varotra, ataovy ny fiompiana, ifalio ny famolena ary raha manary ny hezaka amin'ny làlan'Andriamanitra ianareo mba hanarahana ny fivavahany dia homelohiny amin'ny fampijaliana mafy. Tsy hanala izany izy raha tsy efa miverina amin'ny finoanareo ianareo".17

Mamaritra tsara sy mazava ny toetra mampalahelon'ny silamo nandritra ireo taonjato vitsivitsy lasa teo ity hadita ity. Ny fikorontanan'ny varotra dia midika ho fahafatesan'ny toekarena sy ny fizorana amin'ny fitadiavam-pahavelomana tsy ara-dalàna. Ny fijanonana amin'ny fiompiana sy fambolena dia mariky ny hakamoana sy ny fialana amin'ny fikarohana siantifika. Milaza mazava ny CORAN fa nohariany ho mpitantana manarakaraka azy ny olombelona ary nankininy taminy ny fahafantarana sy ny fahalalana ny anaran-javatra.

Midika izany fa tsy tokony hifaly amin'ny fambolena sy ny fiompiana fotsiny isika fa hampandroso ny siansa sy hitrandraka ny otrik'arena ihany koa amin'ny fikatsahana ny lalàn'Andriamanitra amin'ny voary sy amin'ny fandinihana ireo tranga voajanahary. Tsy maitnsy mikatsaka ny fankatoavan'Andriamanitra sy mampihatra ny fivavahana silamo isika eo ampanaovana izany.

Ahitana andininy maro toy izao ny CORAN: Lazao: "Mitovy va izy ireo, iza no mahafantatra ary iza ireo tsy mahafantatra?" (39:9), manamafy ny maha zava-dehibe ny fahalalana izany.

Mananatra ihany koa izy fa "amin'ireo mpanompony dia ny manam-pahaizana no matahotra tanteraka an'Andriamanitra." (35:28), midika izany fa ny fiderana sy ny fitiavana tanteraka dia tsy vita raha tsy miaraka amin'ny fahalalana.

Ny maka fahalalana amin'ny fahalalana ara-pivavahana fotsiny fa tsy mikaroka sy mandinika dia mitondra mankany amin'ny fijanonana eo amin'ny fiompiana sy fambolena, amin'ny hakamoana sy ny fanaovana tsirambina amin'ny lalàn'Andriamanitra. Ny fahantrana sy ny hanoanana sy ny fijaliana no vokany farany.

Misarika ny saina amin'io toe-javatra manandanja io ao amin'ny hadita maro ny mpa Mohammed, ohatra: "Ny ora iray handinihantena sy hisaintsainana dia tsara kokoa noho ny fiderana ao anatin'ny taona iray"18 ary "Ny mpino mahery sy miorina tsara dia tsara noho ny mpino marefo"19 Ny matanjaka dia mila fahasalamanan ara-batana sy ara-panahy ary fahalalana siantifika sy teknika. Ny nanome dikany tery ny hoe: "matanjaka" ho amin'ny hery ara-batana fotsiny dia miteraka tsy fahampian'ny tena dikan'io zavatra iorenan'ny fahefana fototra io.

Mba hamaranana azy, ny silamo mendrika dia tsy maintsy mandalo amin'ny maha mpianatra tsara ao amin'ny sekolin'ny Mpaminany Mohammed. Ohatra amin'izany ry Ja‛far ibn Talib Abi, zanadrahalahin'ny Mpaminany nifindra monina tany Abisinia mba handosirana ny fampijaliana nataon'ny koraisita. Hoy izy indray andro tamin'I Nago mpanjakan'I Bisinia: "Ry mpanjka, taloha izahay dia nisotro rà sy nihinana fatim-biby, nijangajanga sy nangalatra, namono olona sy nangaro-paosy. Namoritra ny osa ny matanjaka. Ary nanao zavatra maro hafa mahamenatra sy ratsy koa izahay".20

Naneho ny ohatra tsara indrindra hoan'ny vahoakany tamin'ny finoana ny Mpaminany Mohammed, ny fiderana sy ny fitondrantena tsara -amin'ny teny fohy, tao amin'ny lafim-piainana manontolo- no nanaovany izany. Ny olona tao amin'ny vahoakany dia nihevitra fa henatra ny fananana zanaka vavy, nampianariny mafy izy ireo. Rehefa tonga niaraka tamin'ny hafatr'Andriamanitra ny Iraka dia niaina tsara sy nanana ny zony ny vehivavy madio. Indray andro, nisy tovovavy iray nantona ny Mpaminany ary nitaraina hoe: "Ry irak'Andriamanitra, manery ahi hanambady ny zanaky ny dadatoako ny raiko. Tsy te hanambady azy anefa aho". Nampitady io rainy ion y Mpaminany ary nandrara azy tsy hanao toy izany. Nampanantena azy ralehilahy fa hanajanona izany. Nitsangana io zaza vavy avy eo ka niteny hoe: "Ry irak'Andriamanitra, tsy nanankevitra ny hanohitra ny raiko aho. Ny hahafantatra raha afaka manery ny zanany vavy hanambady izay tsy sitraky ny fony ny rainy amin'ny lalàna silamo fotsiny ny nahatongavako.

Nananatra ny mpanaradia azy hanohitra ny fangatahana ny Mpaminany. Raha mahantra na mila zavatra ny mpianany dia tsy mangataka na oviana na oviana, na amin'iza na amin'iza. Tena nahasarotiny azy ireo io toe-javatra io ka nahatonga azy tsy hangataka fanampiana aza. Rha ohatra ka misy manjera ny karavasiny ny iray amin'izy ireo kanefa eny ambony rameva dia midina io ka izy ihany no maka azy fa tsy miandry fanampiana avy amin'ny olon-kafa.22

Nanompo saingy ny olona talohan'ny finoana silamo ary tsy nampiseho ny haja tokony ho an'ny ray amandreniny. Hoy ny hafatr'Andriamanitra amin'izy ireo: "Hoy ny Tomponao: "Aza manompo afa tsy Izy ary manaova tsara foe o anatrehan'ny Ray aman-dreny". (17:23) Nanova azy ireo tanteraka io didin'Andriamanitra io ary nanontany ny irak'Andriamanitra aza izy ireo raha ho voasazy raha tsy manome valisoa ka mamaly tsiny ny fijerin'izy ireo. Hoy ny handidian'ny CORAN azy ireo: "Aza manakaiky ny fananan'ny kamboty" (17:34) ary norarany izy ireo tsy hangalatra. Nahatonga azy ireo ho sarotiny tamin'ny zon'ny hafa izany ka tsy nitatitra afa tsy halatra iray na roa nandritry ny fotoana voatsodranon'ny fitarihan'ny Mpaminany ny tantara.

Maro tokoa ny vono olona tao Arabia talohan'ny finoana silamo. Na izany aza, rehefa tonga niaraka tamin'ny fandrarana ny Mpaminany: "Raha tsy ara-dalàna, aza mamono ny aina nataon'Andriamanitra ho masina" (17:33), foana tanteraka io zava-dratsy io. Noraran'ny irak'Andriamanitra ihany koa ny fijangajangana tsy ara-dalàna, namarana ny tsy fahamendrehana amin'ny fijangajangana rehetra izany. Mbola nahitana fijangajangana sasantsasany ihany anefa tamin'io vanim-potoana io.

"Indray andro, nisy lehilahy iray mahia dia mahia sy hatsatra nanantona ny Mpaminany ary nitaraina taminy hoe: "Ry irak'Andriamanitra ô, diovy aho". Nomen'ny irak'Andriamanitra lamosina izy kanefa nisisika sy namerina ny fangatahany inefatra ihany ralehilahy. Nanontany azy ny Mpaminany tamin'ny fara: "Inona no fahotana hanadiovako anao?" Namaly ilay lehilahy fa nijangajanga. Nitambesatra lalina tao antsainy io fahotana io ka natahota ny ho voasazy izy. Nanontany ireo izay nanatrika teo toy izao ny Mpaminany: "Moa va fanahy marina izy?" Rehefa novalina izy fa izy dia nanontany izy sao mamo. Hitan'izy ireo izy fa nisotro sy nihinana ny antonony. Nanoloana ny fiampangantenany tsy ankijanona, dia nandidy ny irak'Andriamanitra fa ho voasazy izy. Taorian'izany dia nipetraka sy nitomany izy. Andro vitsivitsy taty aoriana, niantso ny Mpaminany ilay niaraka tamin-dralehilahy mba ho dioviny. Nomeny lamosina ravehivavy ary noroahany. Nokikisan'ny tahotra anefa izy ka niangavy sao voasazy. Mbola noroahan'ny irak'Andriamanitra ihany izy sady nilazany hoe: "Mety ho bevohoka ianao. Mandehana ary ateraho ny zanakao". Izany no nanjo andravehivavy kanefa mbola nangataka ihany izy. Niala tsiny taminy ny irka: "Mandehana mody ary ampinonoy ny zanakao. Rehefa nodiovina ny zaza dia niverina ravehivavy. Rehefa nanalabaraka azy andritry ny fiaretany ny saziny ny sasany, dia hoy ny Mpaminany: "amin'ny anaran'Andriamanitra, ho afaka amin'ny fahotany ity vehivavy ity raha zaraina amin'ny mponin'I Medina ny fanenenany, ampy hamela heloka azy rehetra izy".23

Nametraka rafitra tonga lafatra ny Mpaminany Mohammed ary namolavola fiarahamonina mamirapirara na dia tsy I Platon, Thomas Moore na I Campanella. Amin'ireo ohatra anarivony dia ho lalaintsika ity hanamafisana io toe-javatra io:

"Tonga teo amin'ny irak'Andriamanitra I Abou Houraïra, iray tamin'ireo mpanaradia tena mahantra. Tsy nisakafo nandritry ny andro maro izy. Nentin'I Abou Talha tany aminy mba homena sakafo izy. Tsy ny isy azo nohanina afa tsy lasopy nokarakarain'ny vadiny hoan-janany anefa tao aminy. Nangataka tamin'ny vadiny izay tsy maintsy hatoany ravehivavy ary izao no fanapahan-kevitr'izy roa: ho ampandriana tsy misakafo ny zaza. Satria tsy nisy lasopy hanomezana fahafaham-po azy ireo dia ny vahiny no nomena. Efa teo andalan'ny hisakafo anefa izy ireo, nazeran'ny vadin'I Andriamanitra Abou Talha ny jiro ary novonoiny fanahiniana. Tao anatin'ny haizina vokatr'izany dia nanao toy ny misakafo izy iroe nandritry ny nisakafoanan'I Abou Houraïra irery. Ary izany no nataon'izy ireo. Nisakafo tsara I Abou Houraïra ary nandeha sy tsy nihevitra akory izay niseho.

Nankany amin'ny trano fivavahana izy ireo mba hivavaka maraina tamin'ny andro manaraka izany. Tamin'ny fiafaran'ny fivavahana dia nitodika tamin'izy ireo ny irka ary nangataka hoe: "Inona no nataonareo omaly hariva ka nahatonga ny fanambarana ny andininy midera anareo: izy ireo ihany no nisafidy izany na dia tsy nisy na inona na inona aza tao aminy?"24


[15] Munawi, Faydh al-Qadir, 2:290.
[16] Muttaqi al-Hindi, Kanz al-'Ummal, 3:907.
[17] Abu Dawud, "Buyu'," 54; Ibn Hanbal, Musnad, 2:84.
[18] 'Ajluni, Kashf al-Khafa', 1:370.
[19] Muslim, "Qadar," 34; Ibn Maja, "Muqaddima," 10; Ibn Hanbal, 3:366.
[20] Bukhari, "Wassaya," bu degil.
[21] Nasa'i, "Nikah," 36.
[22] Muslim, "Zakat," 108; Ibn Maja, "Jihad," 41.
[23] Muslim, "Hudud," 22-23.
[24] Bukhari, "Tafsir," al-Hashr, 59:6; Muslim, "Ashriba," 172.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.