Ny Fanabeazana Amina Ohatra

Asehon'ny Irak'Andriamanitra amin'ny zavatra ataony izay tiany hampianarina avy eo adikany ho teny izany. Ahoana no mahatonga hatahotra amimpanajana sy fitiavana an'Andriamanitra, ahoana ny manetry tena, ahoana ny fiondrehana sy fipetraka rehefa mivavaka, ahoana ny fitomaniana hoan'Andriamanitra amin'ny alina –nataony avokoa aloha ny zava-drehetra ary avy eo vao nampitainy tamin'ny hafa. Vokatr'izany dia neken'ny fianakaviany sy ny mpianany ireo rehetra nataony satria mihatra ao am-po ny teniny. Avy eo dia niaina tamin'ireo lalana nampitain'ireo olona nentin'ny elatry ny fahamarinana sy ny fahadiovana ary ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny faniriana ho eo akaikiny hatraiza hatraiza ny hafatra. Nandeha tamin'ny toerana rehetra izy ireo ary nanaraka izay nalehan'ny Mpaminany Mohammed. Nanao toy izany koa ny hafa taty aoriana.

Nisy tontolom-pahatahorana an'Andriamanitra am-panajana tsy ankiato tao an-tranon'ny Mpaminany Mohammed. Izay mahita ny Mpaminany dia mahita ny fisintonan'ny paradise eny aminy sy ny tahotra ny elo. Tsy tafatombina izy mandritry ny fivavahana fa mangovitra ny tahotra ny afobe ary manidina amin'ny elatry ny faniriana ny Paradisa. Mahatsiaro an'Andriamanitra ireo izay mahita azy. Hoy I Imam an-Nasa'I: "Rehefa mivavaka ny irak'Andriamanitra dia aharenesam-peo toy ny avoakan'ny rano mangotraka"4. Mivavaka amin'ny fo mafana sy mitomany mandrakariva izy. Hitan'ny Aïcha miankohoka sy mangovitra matetika izy.5

Irin'ny manodidina azy sy alainy tahaka ny fomba fitondrantenany.

Nanana izany toetra izany avokoa ny ankamaroan'ny vady aman-janaky ny Mpaminany satria mampihatra sy mandidy ary mitatitra izany ataony sy iainany ny irak'Andriamanitra ary manome ohatra amin'ireo asa ataony. Azo refesina amin'ny fomba fitondran-tenany ny fiantrakan'ny olona iray eo amin'ny manodidina azy. Na dia manangona sy mampivondrona ny fahalalana azony rehetra teo amin'ny tontolon'ny fanaeazana azan y mpahay hay fampianarana rehetra dia tsy nahomby toy ny Mpaminany iray.

Maro tamin'ireo taranaky ny Mpaminany no namiratra toy ny masoandro teo anivon'ireo mpiara-belona taminy. Nobeaziny tsara ireo mpanaradia azy ary saika tsy nahitana olona nivadika tamin'ny fampianaran'ny finoana izy ireo.6 Tsy nysi tamin'ireo taranany nanjary mpanohitra ny finoana, anisan'ny zavatra mampiavaka azy manokana izany. Betsaka ireo voafatotry ny fampianarana mifanohitra amin'ny finoana sy nisitaka tamin'izany no niseho tamin'ny fianakaviana sy taranaky ny olo-masina maro kanefa tsy nisy tamin'ny taranak'I Mohammed namadika ny fakam-pianakaviana niaviany. Ary raha nisy naningana ka tsy fantatsika sy ny tantara dia tsy nanaraka ny lalàna izy ireny.7


[4] Nasa'i, "Sahw," 18.
[5] Ibid., "Ishrat an-Nisa'," 4.
[6] Ceux qui devinrent des apostats après la mort du Prophète ne sauraient être
considérés comme des Compagnons. (Tr.)
[7] Il y a une règle de logique: les exceptions n'invalident pas la règle. À notre connaissance, il n'y a eu aucun hérétique parmi ses descendants. Mais cela ne veut pas dire qu'il n'y en aura pas, parce que c'est possible. C'est en considérant cette possibilité que nous parlons avec précaution.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.