Ny Fototry Ny Fanabeazana Mahomby

Ny tena mpanabe dia tsy maintsy manana fahamarinana maro ary anisan'ireny ireto manaraka ireto:

Voalohany: mitandrina tsar any zavatra mety hisy fiantraikany amin'ny tontolon'ny saina, ny fanahy sy ny izahon'ny olona, ary manabe azy tsirairay ho amin'ny fahamendrehana mety ho tratrany. Ambaran'ny CORAN ho fahany mandrisika amin'ny ratsy sy mahatonga handeha hatraiza hatraiza sy manindrona fanjaitra azy ireo mandrapanekeny ny filan'ny nofony ny izaho tsy voabe tsara. Ny izaho tsy voabe tsara dia mikatsaka ny tsy hahalalan'ny olona ny fanomezana nomen'Andriamanitra azy mba ahafahany manabe ny fisaintsainany sy ny fihetseham-pony ary ny fanahiny.

Milaza ny CORAN f ahoy I Josefa: "Tsy mba nandoto ny tenako aho na dia izany aza satria ny fanahy (ny fanahy mandrisika amin'ny ratsy n any izaho) dia tena mpandrisika amin'ny ratsy, na dia tsy nasian'Andriamanitra fahotana tamim-pamindram-po aza tao aminy" (12:53)ao amin'ny maha izy azy ny izaho ny fanosehana hanao ny ratsy. Na izany aza dia azo akarina mankamin'ny laharana ambony sy ny toerana hahalalany ny kilemany sy ny faharatsiany (nefs al-Lawana) amin'ny alalan'ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fitsipila ny "izaho", avy eo hatramin'ny fetra ilazan' azy hoe: "Ry fanahy nomena fitsaharana, miverena amin'ny tomponao, nomena fahafaham-po sy nekena" (89:27-28)

Hisy laharana ambonimbony kokoa noho ny (nefs) (amin'ny izaho) amin'ny fiadanana: io no fanahy voadio tsara. Ireo izay tonga amin'io fetra io no tena akaikin'Andriamanitra. Rehefa mijery azy ireo ianao dia hahatsiaro an'Andriamanitra, satria toy ny fitaratra hahitana ny andraikitr'Andriamanitra izy ireo. Ny fanirian'ny mpianany hanaraka ny fampianaran'ny Mpaminany Mohammed dia nahatonga ny ankamaroan'izy ireo hahatratra io fahamendrehana ara-moraly sy ara-panahy io. Olona anapitrisany no nanaraka sy manohy ny fanarahana ny ohatra nataon'izy ireo.

Faharoa: Miankina amin'ny maha hoan'ny rehetra azy sy ny fianahany ary fahatsaran'ny mpianatra nobeazina taminy ihany koa ny fanombanana ny rafi-mpanabeazana. Vonona ny hampita ny hafany maneran-tany ireo mpianatry ny Mpaminany. Mahakasika sy natao hoan'ny olon-drehetra ny hafatra entiny, mora foana no naneken'ny vahoaka samy hafa firenena, samy hafa fivavahana sy samy manana ny sokajin-taonany azy, hatrany Maroc, hatrany Egipta ka hatrany Filipina, hatrany Rosia ka hatrany Afrika afovoany. Nekena ny foto-keviny. Tsy niova hatrany amboalohany ny foto-kevitra sy ny rafi-pampianarana nentin'ny Mpaminany na dia teo aza ireo fiovana sy fitahiana ara-tsosialy, ekonomika, ara-tsaina sy siantifika ary teknolojika, izy no fanantenan'ny zanak'olombelona.

Fahatelo: Ny rafi-panabeazana dia tsaraina amin'ny herizikany hanova ny mpianatra beazina aminy. Efa nolazaina tery amony ny ohatra mikasika ny fiambinana amin'ny paraky sy ny sigara, mampiseho izany hoe manao ahoana ny fivavahana silamo sy ny fanapariahan'ny Mpaminany azy tamin'ny fanovana an'I Arabie hifanohitra tanteraka tamin'ny nahitana azy tao anatin'ny 20 na 30 taona monja. Sahy mifaninana amin'ireo izay mandà na mitsikera ny ifamin izahay raha mahavita amphany kely akory amin'izay nataony tany amin'ny tany efitr'I Arabia 1400 taona lasa izay, na handeha hatraiza hatraiza ka hahavita izany ao anatin'ny zato taona.

Noelanelanin'ny tany efitra midadasika tamin'ireo tany manakaiky azy I Arabia tamin'ny fotoana nampitan'ny Mpaminany ny hafatra. Eo amin'ny lafiny kolontsaina sy ara-tsaina indrindra eto antany io fivavahana io. Tsy nahitana fandrosoana ara-tsosialy na fivoarana ara-tsaina mendrika ho lazaina akory tao Hedjaz toerana nahaterahan'ny Mpaminany. Tsy afa-nihetsika teo ambany vahon'ireo fomba amam-panao mahery vaika sy Arabo sy ny lalàna morally tsy mendrika, niaina toy ny olon-dia ny olona. Nisotro divay sy niloka izy ireo ary niaina tao anatin'ny fijangajangana mandeha ho azy izay tsarain'ny fiarahamonina antonontonony ho tsy manaraka ny lalàna morally. Mampahafantatra ny asa fanaony amin'ny fametrahana saina eny ambaravarany ireo mpivarotena.

Tany tsy nisy lalàana sy mpitondra izany. Ny hery setra no amboniny zo tahaka izay hita amin'ny toerana maro ankehitriny, eken'ny rehetra ny haropaosy sy ny fandorana trano ary ny famonoana olona. Ny zava-mitranga tsy toy ny tany amboalohany dia ampy hiteraka fifandirana mety hivadika korontana tsy roa aman-tany hianaka manerana ny tany rehetra. Hanabe ny vahoaka miaraka amin'ny fisehoan'ny Mpaminany ireo olona ireo, ho foanany ny toetra ratsy sy ny hery setra, ho ravahany fahamarinana mendripiderana ny olon-dia tsy laitra fehezin'I Arabia ary ataony amin'izy ireo ny mpanabe manerantany.

Tsy ho ara-batana sy ara-miaramila ny fifehezany fa ny mifanohitra amin'izany, ho reseny hanjary olona tia azy amin'ny fony ireo, ho beaziny ny sainy ho mpanabe azy ho tarihiny ny fanahiny. Ho foanany ny toetra ratsin'izy ireo ary hamantsihany toetra tsara sy mendrika mba hananany toetra vaovao ao am-pon'ireo mpanaraka azy rehetra.

Tsy voafetra hoan'ireo mpiray tanindrazana sy naira niaina taminy ihany anefa io fiovana io satria mbola mitohy hatramin'izao hatrany amin'izay hiavian'ny hafany ny foto-keviny. Tsy nekena fotsiny tany Abia sy Siria; Raka, Persa, Afrika avaratra na Espana ihany ny fivavahana silamo hatrany amboalohany fa tsy nanary ny foto-keviny hatrany amboalohany izy –niavaka ny fandrosoan'ny silamo tany Espana fa saingy maty avy eo. Hatramin'ny fisehoany voalohany dia tsy nitsahatra intsony ny fipariahany.9

Maro ireo olo-malaza erantany nobeazina tao amin'ny sekolin'I Mohammed. Tsy ananana ahiahy koa fa maro ireo avy amin'ny sekoly hafa. najain'Andriamanitra tamin'ny mahery fo lehibe ny zanak'olombelona, tamin'ny olona ambony ara-panjakana, tamin'ny mpitarika tsy hay resena, tamin'ny olo-masina sy mpahay siansa lehibe. Na izany aza dia tsy namela dindo lalina mihoatra ny roan a iray tamin'ny endripiainanny zanak'olombelona ny ankamaroan'izy ireo satria nijanona tamina lafin-javatra vitsivitsy fotsiny.

Ny finoana silamo anefa dia làlan'Andriamanitra hoan'ny lafim-piainana rehetra, tamin'Andriamanitra mahakasika ny endripiainana rehetra –"Toy ny asa tànana tsara indrindra voarafitra tsara ka ny manontolony dia narindra tsara hifameno sy hifampiankina, tsy misy tsy tomombana ary rafitra tonga lafatra sy mafy ary mifandanga tsara no vokany" Araka ny voalazan'I Mohammed Asad10, jiosy nivadika ho silamo dia nanambatra ny azo tsapain-tànana sy ny tsy azo tsapain-tànana, ny ara-tsaina sy ny ara-panahy, ny eto antany sy ny any ankoatra, ny tanjona sy ny zava-misy sy ny ara-tsiansa amin'ny faminaniana voalaza ny mpianany.

Vao tany ampiadohana ny finoana silamo dia nandevina ny fifandirana ara-poko sy nanameloka ny fanavakavahana amin'ny volon-koditra sy ny fiaviana. Nataon'ny Mpaminany ho teo ambany fifehezan'I Zaïd (andevo mainty hoditraà ny koraisista ary maro ireo manampahaizana amin'ny siansa sy mpitarika nipoitra avy tamin'ny vahoaka babo. Anisan'ireny I Tariq in Ziyad, andevo nafahana nahazo an'I Espaina tamin'ny mpiady mahery fo 90000 ary nametraka ny foto-papandrosoana iray amin'ireo tsara indrindra maneran-tany. Taorian'io fandresena io dia nandeha tany amin'ny lapa fitehirizan'ny mpanjaka resy ny fananany izy. Ary hoy izy tamin'ny tenany ihany:

"Tandremo ry Tariq, andevo nofatorana rojo teo amin'ny vozonao ianao omaly. Andriamanitra no nanafaka anao, ary ankehitriny dia mpitaritolona nandresy ianao. Rahampitso anefa ianao hanjary nofo ho vovoka ao ambanin'ny tany. Ary amin'ny farany dia ho avy ny andro hijoroanao eo anatrehan'Andriamanitra".

Tsy nahasarika azy ny tany sy ny hatsarantarehiny ary notohizany ny fiainana tsotra sy mendrika. Fanabeazana toy inona no afaka hanova andevo ho olo-mendrika sy mendrikaja?

Tsy ny fanafihany an'I Espaina no tena fandreseny. Izany dia tonga tamin'ny fijoroany teo anatrehan'ny araben'ny mpanjakan'I Espaina sy ny nahatsiarovany fa ho faty izy indray andro any ka ho eo anatrehan'Andriamanitra. Noho io fandinihana io dia tsy naka harena ho azy samy irery intsony izy taty aoriana.mpitari-tolona lehibe hafa koa I Uqba ibn Nafi, nahazo an'I Agrika avaratra hatrany amin'ny manamorona ny ranomasina Atlantika izy. Nitsangana izy tany ary niteny hoe: "Andriamanitra ô, raha tsy noho ity ranomasim-be ity dia naheliko hatrany amin'ny faran'ny tany kely indrindra ny Anaranao loharanon'ny fahazavana".11

Mpiandry ny ondrin'I Uqba ibn Abi mu‛Ayt I Abd Allah ibn mas‛nd talohan'ny nivadihany ho silamo.12 Na izany aza anefa dia nanjary mpanaradia lehibe izy rehefa nivadika ho silamo. Olona narefo sy kely tsy nisy dikany teo anatrehan'ny olona anefa izy.

Nalefan'I Omar ho mpampianatra tany Konja izy nandritry ny naha kalifa azy. Tao anatin'ny fahalalana tanteraka izay napetrany tany no nipohiran'ireo mpahay lalàna fanta-daza silamo, anisan'ireny ry Alqama, Ibrahim an-Nabha'I, Hammad ibn Abi Soulayman, Soufyan ath-thawri ary indrindra ry Imam Abou Hanifa, ilay mpanorina ny sekolin-dalàna silamo lehibe indrindra.

Zanak'I Abou Jahl I Ikrima, ilay mpitarika nasiaka sy mafiloha nitarika ny tsy mpino koraisita. Farany, taorian'ny nahazoana an'I La Mecque dia nivadika ho silamo I Ikrima. Nanova azy tanteraka io vanim-potoana io, nanjary maritiora tamin'ny ady tao Yarmouk izy telo taona taty aoriana. Naira maty maritiora tamin'ny I Amir zanany lahy.

Poeta vehivavy nihorehana I Hansa talohan'ny nivadihany ho silamo. Taorian'ny nivadihany dia nilaozany ny poezia: "Tsy hanoratra poezia intsony aho satria efa manana ny CORAN izahay".

Namoy ny zanany efa-dahy tamin'ny adin'I Qadissiyya izy.

Nitomany tao anaty poezia io vehivavy manandaza io tamin'ny fahafatesan'ny anadahiny, tsy nanao toy izany anefa izy tamin'io fahavoazana manaraka io. Tsy nanao izany izy fa ny fankalazany an'Andriamanitra no nampitomboany ary faly izy nilaza hoe: "Andriamanitra ô, anao ny fiderana rehetra. Nomenao ahy amin'izao fahavelomako izao ny fahefana hanolotra ho anao ny zanako efa-dahy izay nomenao ahy".13

Ny sekolin'I Mohammed koa dia namokatra mpitarika marina indrindra teo amin'ny tantara. Ankoatran'I Abou Bakr, Orhman sy Ali sy ireo maro hafa nandimby azy ireo dia fantatra nandritry ny vanim-potoana rehetra ho ilay lehibe sy marina indrindra amin'ny olom-panjakana I Omar: hoy izy: "Nanadinan'Andriamanitra ahy amin'ny fitsarana farany raha misy ondry iray mianjera ao ambany tetezana, na ao amin'ny renirano lehiben'I Efrata aza ka maty ao".14 Raha ampitahainareo amin'I Omar paiana I Omar silamo dia hahita fahasamihafana lehib amin'izy roa ireo ianareo ary ho tsapanareo ny fanovan'ny silamo hatrany ifotony ny olombelona.


[9] Un écrivain occidental du XIXe siècle nous fait part de ses impressions sur l'influence des valeurs morales islamiques sur les Africains: "Quant aux effets de l'islam quand il est embrassé pour la première fois par une tribu noire, pourrait-il, à partir d'une vue d'ensemble, y avoir un quelconque doute justifié? Le polythéisme disparaît presque instantanément, la sorcellerie et tous les maux qui l'accompagnent s'éteignent graduellement, et les sacrifices humains deviennent de l'histoire ancienne. L'élévation morale générale est la plus notable; les indigènes, pour la première fois de leur histoire, se mettent à s'habiller, et comme il faut d'ailleurs. La saleté sordide est remplacée par quelque approche à l'hygiène personnelle; l'hospitalité devient un devoir religieux; l'ivrognerie, au lieu d'être la règle, devient, en comparaison, une rare exception. La chasteté est considérée comme l'une des plus grandes vertus, et dans les faits, l'une des plus communes. Désormais, c'est l'oisiveté qui abaisse, et le travail qui élève, au lieu du contraire. Les offenses sont désormais mésurées par un code écrit et non plus par les caprices arbitraires d'un chef de clan – un pas, comme chacun avouera, d'une grande importance dans le progrès d'une tribu. La mosquée offre une idée de l'architecture ô combien plus élevée que celle que les Noirs aient jamais eue. Une soif pour la littérature est créée, ainsi qu'un désir pour les ouvrages de sciences et de philosophie, et pour les commentaires coraniques. (Waitz cité par B. Smith, Muhammad and Muhammadanism, 42-3.) (Tr.)
[10] Al-Ezzati, An Introduction to the History of the Spread of Islam.
[11] Ibn Athir, Al-Kamil fi at-Tarikh, 4:106.
[12] Kufa, une célèbre ville des premiers temps de l'islam, est située sur la branche orientale de l'Euphrate, au sud des ruines de Babel (en Irak). (Tr.)
[13] Ibn Athir, Usd al-Ghaba, 7:88-90; Ibn Hajar, Al-Isaba, 4:287.
[14] Tabari, Tarikh, 5:195; Ibn Sa'd, Tabaqat, 3:305; Abu Nu'aym, Hilya, 1:53.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.