“Miaraka Amin’ireo Tinareo Ianareo” (“Vous Êtes Avec Ceux Que Vous Aimez”)

Araka ity hadita ity, raha tia an'i Mohammed ianareo dia mandeha amin'ny làlany ary izay mandeha amin'ny làlany dia hiaraka aminy any ankoatra. Mba hanomanana ny fianakaviany sy ny mpanaradia azy amin'io fiombonambe io dia notiavin'ny Irak'Andriamanitra sy norohany izy ireo. Nampiasaina tamin'ny fomba mahomby io fitiavana io.

Manome ohatra hafa amin'ny fomba nanabeazany azy i Boukhari sy Mustin. Hoy I Ali mitantara izany:

"Tsy mba manana mpanampy ao antrano izahay ary I Fatima no manatanteraka ny raharaha ao antrano manontolo. Tsy misy afa tsy efitra iray ihany no amin'ny trano onenanay. Ao izy no mandrehitra afo ary nahandro sakafo. Maloto ny ankanjony satria tsofiny izany mba hampirehatra azy tsara. Izy ihany no manao mofo sy matsaka rano. Lasa misi mokony ny tànany noho ny fanodinana ny milina ary reraka ny lamosiny amin'ny fitanteran-drano. Nandritr'izany fotoana izany dia nisy babo an'ada maro nentina tany Medina. Nozarazarain'ny irak'Andriamanitra tamin'ireo izay nangataka izany. Noheveriko fa mba nanjataka mpanompo vavy tamin-drainy I Fatima. Ary izao no nataony"

Hoy I Fatima:

"Nankany amin'I Dada aho fa tsy tao izy. Nilaza tamiko I Aïcha fa hampitainy aminy ny hafatra raha vao tonga izy. Niverina nody aho. Niditra ny irak'Andriamanitra raha vao hatory iny indrindra izahay. Saika hifoha izahay kanefa tsy navelany fa nipetraka teo anelanelanay izy. Tsapako amin'ny vatako ny hatsikan'ny tongony. Nanontaniany izay ialinay ary nazaaiko taminy ny toe-javatra. Namely tamin'ny valinteny manintsona toy izao ny irak'Andriamanitra: "Fatima, matahora an'Andriamanitra ary aza manam-pahadisoana amin'ny asa fanompoanao azy. Te-hilaza zavatra vitsivitsy aminao aho. Rehefa hatory ianao, mitenena hoe "Soubhân Allah" (voninahitra ho an'Andriamanitra!), "alhamdouli-Allah" (Dera ho an'Andriamanitra!) ary "Allanou Alebar" (Lehibe indrindra Andriamanitra!), avereno intelopolo isanisany izany. Tsara ho anao noho ny manana mpanompo vavy izany".20

Ny teny tiany hambara amin'izany teny izany dia izao:

"Te hanodina ny lohanao ho any amin'ny fanjakana any ankoatra aho. Zavatra roa no hahafahanao mahatratra izany sy miaraka amilo: tanteraho amin'ny fanompoana ny vadinao. Raha mpanompo vavy no hiandraikitra ny asanao dia mety haosa anao izany. Tsy maintsy manana helatra roa ianao mba hahafahana manidina mankamin'ny laharana ambony kokoa. Ahoana no hahatonga ny olona ho tena mpanompo an'Andriamanitra tonga lafatra? ahoana no hahatonga ny olona ho olona tonga lafatra sy mahatanteraka ny adidiny tsy maintsy ataony? anjaranao ny mitady ny valin'izany fanontaniana izany. Alohan'ny zavatra rehtra anefa dia meteza ho andevo mahatoky an'Andriamanitra. Avy eo metezaho olona tonga lafatra amin'ny fanatanterahana ny andraikitra eo anatrehan'I Ali, lehilahy ambony maneho sy misolotena ireo masina rehetra any amin'ny fianakavianao. Raha manao izany rehetra izany ianao dia hiaraka amiko any am-paradisa, any no hifankahitan'ireo zavatra sy olona tonga lafatra".

Tsy afaka manalavitra an'I Ali aho. Nomen'ny irak'Andriamanitra ho fanambadiany tsy tamim-pisalasalana ny zanany vavy satria mendrika ny hanana vady toy izany sy ho taranaky ny Mpaminany izy. I Ali no mpanjakan'ny olo-masina noho io toe-javatra io. Hoy ny irak'Andriamanitra taminy: "Ry Ali, hanana ny taranany avokoa ny Mpaminany rehetra, ny zafikeliny sy ny taranany hafa, ny taranaky ny taranany. Izany no mahatonga ny hoe izay manaiky an'I Ali dia midika ho manaiky ny irak'Andriamanitra, ary ny manaiky ny irak'Andriamanitra dia midika hoe manaiky an'Andriamanitra. Toy izany koa, izay tia an'I Ali dia tsy maintsy tia ny mpa ary manaraka ny "Sounna" nataony.


[20] Bukhari, "Fadha'il al-Ashab," 9; Muslim, "Dhikr," 80, 81.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.