Ny Mpaminany Sy Ireo Vadiny

Ohatra fakantahaka teo amin'ny andraikitra maha ray sy maha vady ny Mpaminany Mohammed. Tsara fo sy mandefitra izy teo anoloan'ireo vadiny izay nihevitra fa tsy afaka miaina raha tsy misy azy na lavitr'azy.

Nanambady an'i Sawda, vadiny faharoa izy nandritry ny fiainana tao La Mecque. Afaka kelikely dia nanapakevitra ny hisaraka taminy izy noho ny antony manokana. Ontsa dia ontsa izy naheno izany ary nitaraina hoe: "Ry irak'Andriamanitra! tsy mangataka izao tontolo izao aminao aho! mijaly aho amin'ireo fotoana nomena iainako raha tsy te-hamangy ahy ianao. Amim-pamindram-po aza avela tsy ho vadinao aho. Te ho any ankoatra amin'ny maha vadinao ahy aho. Tsy misy ankoatra izany". Avy eo tsy nisaraka taminy ny irak'Andriamanitra ary tsy nitsahatra ny namangy azy.2

Indray andro dia tsikariny fa sorena I Haysa noho ny antony ara-bola tao antokatranon'izy ireo: "Raha iriny dia afaka misaraka aminy aho" hoy ny Mpaminany, na zavatra hafa mitovitovy tanjona amin'izany. Io hevitr'io dia nahamaika azy hiantso mpanelanelana handresy lahatra azy tsy hanao toe-javatra toy izany, tsy hiaina amin'ny fomba toy izany (ravehivavy). Notanany ho vady mendri-pitokisana ny zanak'ireo namana itokisany.

Nafantsikny tsara tao am-pon'ireo vadiny fa ho toy ny faharavana tsy ahitam-panafany eo amin'izy ireo ny ifsarahany amin'ny Mpaminany. Niaraka taminy tamin'ny fo tokoa izy ireo. Nanana ampahany tamin'ny fiainany voatso-drano izy ireo, malefaka sy voajanahary. Hofatin'ny fahadisoam-panantenana izy ireo raha laozany. Raha nisaraka tamin'ny iray tamin'izy ireo izy dia ny varavaran'ny andro farany sisa nandrasan'izay nisarahany.

Aorian'ny fahafatesany dia hisy fihetseham-po lalina sy fangirifiriana lalina. Isaky ny mamangy azy izy dia hitan'I Abou Bakr sy Omar ho latsa-dranomaso ny vadin'ny Mpaminany. Toa tsy hitsahatra ny alahelony mandritry ny fiainany. Namela tombokavatsa tamin'izy ireo tsirairay avy ny irak'Andriamanitra. Nisy fotoana nananany vady sivy ary nitovy tanteraka ny fitondrany azy ireo ary tsynisy olona tonga tamin'izy ireo. Vady tsara fo sy malefaka izy, tsy mitondra amin'ny fomba masiaka sy henjana. Raha atao amin'ny teny fohy dia izy no vady tonga lafatra.

Hoy izy andro vitsivitsy talohan'ny nahafatesany: "Navela hisafidy ny mpanompo na ity tany ity na ny Tompony. Nisafidy ny Tompony izy".3 Nitomany I Abou Bakr lehilahy tena nanan-tsaina tokoa, azony fa miteny ny tenany ihany ny Mpaminany. Nihombo isan'andro ny aretiny ary nampanaintaina azy noho ny aretin'andohany mafy dia mafy. Ary na dia nandritra io fotoan-tsarotra io aza dia mbola nitondra ny vadiny tamin-katsaram-po sy fahalefahana ihany izy. Nangataka ny hijanona tao amin'ny efitrano iray izy satria tsy nanankery ny hamangiana azy ireo tsirairay intsony. Neken'ireo vadiny izany ary nandany ny androny farany tao anefitranon'I Aïcha ny Mpaminany.

Nino tamim-pahendrena sy taminkatsaram-po ireo vadiny tsirairay avy fa izy no tiany indrindra. Toa tsy mampino mantsy ny hihevitra fa mitovy tanteraka sy marina amin'ny lehilahy iray ny fifandraisany amin'ireo vadiny sivy. Izany no antony nangatahan'ny Mpaminany famelana tamin'Andriamanitra tamin'ireo fironana tsy an-tsitrapo mety ho nataony. Nivavaka izy: "Mety ho naneho tsy araka ny nahim-poko fitiavana misimisy kokoa hoan'ny iray tamin'izy ireo manoloana ny hafa aho ary tsy marina izany. Noho izany, Tompo ô, mialoka eo akaikiny fahasoavanao aho amin'ireo zavatra ambonin'ny fahefako".4

Fahalefahana izany! nanontany tena aho raha misy olona sasany mahavita toy izany eo anatrehan'ireo vady aman-janany.

Rehefa manavita mampangina ireo filana anaty ao aminy ny olona, izay izy vao mahavita zavatra am-pisainana tsara ho azy ary afaka maneho fandavan-tena lehibe. Indraindray anefa dia ny fahadisoany no tena voalazany tsy nahy mandritry ny faharanitantsainy miha mitombo. Na dia tsy nanao fahadisoana aza ny irak'Andriamanitra tsy mitsahatra nikatsaka famelana tamin'Andriamanitra.

Niditra lalina tany amin'ny aty fanahin'ireo vadiny ny hatsaram-pony ary ny fahalasanany dia ho toy ny fisarahana tsy hay ihononana ho azy ireo. Tsy namono tena izy ireo satria voararan'ny lalàna silamo izany kanefa tena hirifiry sy ranomaso tsy ritra ny fiainany. Malemy fanahy sy malefa-pihetsika manoloana ny vehivavy rehetra ny irak'Andriamanitra ary mandidy ny lehilahy hafa handray azy ho ohatra. Faritan'I Sa‛d ibn Abi Waqqas ho toy izao ny hatsaram-pony:

Hoy I Omar:"Tany amin'ny Mpaminany aho indray andro ary nahita azy nitsikitsiky. Ho ataon'Andriamanitra mitsikitsiky mandrakariva anie ianao ry irak'Andriamanitra hoy aho, avy eo raha nanontany azy izay antony hitsikitsikiany. Mitsiky aho noho ireto vehivavy ireto hoy izy. Niady hevitra teto anoloako izy talohan'ny tsy nahatongavanao. Avotra anefa izy avy eo rehefa naheno ny feonao, hoy ny valinteniny sady nitsiky ihany. Taorian'izany valinteny izany dia nampakariko ny feoko ary hoy aho tamin'izy ireo: "Ry fahaalon'ny tenany ihany! Miahiahy amiko ianareo fa tsy miahiahy ny irak'Andriamanitra! Eny hoy izy ireo namaly, raha oharina amin'ny irak'Andriamanitra ianao dia toa maneho fahamafisana".5

I Omar koa anefa dia nalefaka teo anoloan'ny vehivavy. Indraindray aza toa ratsy ny lehilahy tsara tarehy indrindra raha oharina amin'ny hatsarantarehin'I Josefa. Toy izany koa, ny fahalefahan'I Omar dia toy ny hery setra sy fahasiahana raha oharina amin'ny an'ny Mpaminany. Fantatry ny vehivavy ny fahalefahana sy ny tambitambin'ny irak'Andriamanitra, heveriny ho entitra sy masiaka I Omar noho izany. Nahavita tsara tamim-pahamendrehana ny andraikitra maha kalifa azy anefa I Omar ary nanjary iray tamin'ireo natao faka tahaka taorian'ny Mpaminany. Mpitarika marina sy niezaka hatrany hanavaka ny tsara amin'ny ratsy izy. Nanana ny toetra rehetra mba hanjary ho kalifa izy. Raha miseho ho toa masiaka ireo toetra sasantsasany dia ireny nanampy azy hahatanteraka andraikitra ambony.

Ny fiaraha-mandiniky ny Mpaminany tamin'ireo vadiny

Nifandinika toe-draharaha manandanja tamin'ireo vadiny tahaka ny natao tamin'ireo namany ny Mpaminany. Marika fa tsy nila ny torohevitr'izy ireo izy satria tarihin'ny fanambaran'Andriamanitra kanefa na dia izany aza dia te-hampianatra ny fireneny izy fa ny lehilahy silamo dia tsy maintsy manome langa ambony ny vehivavy. Hevitra tena tsy fahita mihintsy izany tamin'io vanim-potoana io, ary mandraka ankehitriny manerana ny toerana maro eto ambonin'ny tany. Nanomboka nampianatra sy nanabe ny vahoakany tamin'ny fifandraisana tamin'ireo vadiny izy.

Ohatra, nahakivy sy tsy nahafaly ny silamo maro ny fifanarahana natao tamin'ny adin'ny Houdaïbiya satria ny iray tamin'ireo fepetra tao dia nandrara azy ireo tsy hanao fivahiniana masina tamin'io taona io. Tsy te(-hanaikyilay fifanarahana izy ireo fa hanoy ny fivahiniana masina ny La Mecque ihany ary vonona hiatrika izay mety ho vokatr'izany. Nandidy azy ireo hamono ny biby atao sorona sy hanala ny akanjo fitondra amin'izany anefa ny Irak'Andriamanitra. Tsy nankasitraka anefa ny mpanaradia sasany ary nanantena fa hiroa-hevitra ny Mpaminany. Namerimberina ny didiny izy kanefa mbola nisalasala ihany izy ireo. Tsy nanohitra azy izy ireo tamin'izany fa nanantena ny fiovan-keviny fotsiny satria efa teo an-dàlam-panatanterahana ny fivahiniana masina ary tsy te-hijanona eny antenantenan-dàlana.

Tsinjon'ny Mpaminany izany tsy fahafaliana izany ka niditra tao anatin'ny trano lainy izy ary nangataka ny hevitr'I Oumm Salama, vady niaraka taminy tamin'io fotoana io mikasika io ny toe-javatra io izy. Noho izany nanome hevitra azy izy na dia nihevitra fa tsy mila torohevitra izy. Nanomezany lesona lehibe hoan'ny lehilahy silamo io: tsy misy maha ratsy ny fifanakalozan-kevitra amin'ny vehivavy amin'ny toe-draharaha lehibe sy ny toe-javatra hafa.

Hoy I Oumm Salama taminy:'Ry irak'Andriamanitra, aza mamerimberina ny didinao. Mety hitarika ny fanoheran'izy ireo sy ny tsy fandraisany azy izany. Vonoy ny bibinao ho sorona ary soloy ny akanjo fitondranao amin'ny fivahiniana masina. Hanaiky izy ireo rehefa mahatsapa fa izay no fanapahan-kevitrao farany".6 Rehefa voalaza izany dia nandray ny antsy tao ampaosiny izy ary nivoaka ka nanapaka ny tendan'ny ondriny. Nanomboka nanao toy izany koa ny mpanaradia azy satria tsy hiova intsony ny heviny.

Nampiharin'ny irak'Andriamanitra tao amin'ny fianakaviany aloha ireo torohevitra sy fifampidinihana toy ireo asa tsara rehtra nataony vao nampihariny tamin'ny fiarahamonina misy azy. Na mandraka ankehitriny aza dia tsy dia azontsika loatra ny zavatra mikasika ny fifandraisan'ny Mpaminany tamin'ny vadiny fa toy ny mandeha tsy manan-tanjona isika, tsy mahatsapa ireo fanomezana lehibe miafina ao ambany tongotsika.

Ny nampalahelo dia lasa zavatra faharoa ao an-tsain'ny be sy ny maro ny vehivavy eny fa na dia main'ireo mpitonona ho mpiaro ny zon'ny vehivavy aza sy amin'ny silamo maro koa. Amintika ny vehivavy dia anisan'ny mpandrafitra ny zavatra iray ho manontolo, ampahany mahatonga ny ampahany hafa ho ilaina. Heverinay fa ny fitambaran'ireo ampahany roa ireo no tena isehoan'ny fitambaran'ny zanak'olombelona marina. Raha tsy nisy io fitambarana io dia tsy misy koa ny olombelona eny fa na ny faminaniana sy ny fahamarinana ary ny finoana silamo aza.

Namporisika antsika amin'ny alalan'ny teny fanambarany ho tsara fitondrantena manoloana ny vehivavy ny Mpaminany Mohammed.

Hoy izy: "Ny mpino mendrika indrindra dia ireo izya manana toetra tsara ary ny tsara indrindra aminareo dia izay nanao tsara fitondrana manoloana ny vadiny".7 Mazava ho azy fa nahazo ny haja syny voninahitra mendrika azy ny vehivavy ary tsy kabary ambony vavahady fotsiny fa nampiharina nandritry ny vanim-potoana niainan'ny Mpaminany Mohammed izany.

Ny safidy nomen'ny irak'Andriamanitra ireo vadiny (Le choix que le Messager de Dieu donna à ses épouses)

Nomeny safidy ireo vadiny na hiaraka aminy na hisaraka:

"Ry Mpaminany:"Raha ilain'ny fiainana ka irinao sy hisehoizany dia ataovy: mangataka aminao azahay hiaina amin'izany sy ho afaka amin'izany tsy misy tambiny. Kanefa raha Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany no irinao ho mpanapaka amin'izany dia manomana valisoa lehibe hoan'izay manao ny tsara aminareo Andriamanitra". (33:28-29)naniry hiaina amin'ny fiainana tsaratsara koa ny sasany tamin'ireo vadiny ary nangataka toy izao: "Tsy afa miaina aminy fiainana raitra toy ny ataon'ireo silamo sasany va izahay? tsy afaka hihinana sakafo tsara isan'andro sy hanana fitafiana tsara va izahay fara faharatsiny?" Amin'ny voalohany dia azo heritreretina ho marina ny faniriana toy izany. Na izany aza anefa, ireo vehivavy ireo dia avy amin'ny fianakaviana faka tahaka amin'ny fianakaviana silamo rehetra hatramin'ny andro farany.

Namaly izany tamin'ny fiatahana ny Mpaminany. Rehefa niparitaka ny vaovao dia niriotra nankany amin'ny trano fivavahana nandehanany ny rehetra sady nitomany. Ny alahelo kely manjony Mpaminany tiany dia ampy hampitsonika ny ranomasony ary manohina azy mafy ny zavatra kely manjo azy eo amin'ny fiainany. Safin-javatra hafa no fahitan'I Abou Bakr sy Omar io trangan-javatra io satria ny zanaka vavin'izy ireo koa dia nandeha nivantana tany amin'ny trano fivavahana. Te-hifanatrika aminy izy ireo kanefa tsy te-hiala amin'ny fiatahana nataony izy, taorian'ny faniriany fahatelo ao nahazo alalana hiditra tao aminy izy ireo ary nanome tsiny ny zanany vavy. Hitan'ny Mpaminany izay niseho kanefa toy izao fotsiny no nolazainy: "Tsy afaka janome izay tadiavin'izy ireo ho".8 Hoy ny CORAN: "Ry vadin'ny Mpaminany! tsy azo ampitahaina amin'ny vehivavy hafa ianareo". (33:32)

Ny hafa dia mety hahazo famonjena amin'ny fanatanterahana ireo zavatra tsy maintsy ataony, ireo tena manaraka ny finoana silamo kosa dia tsy maintsy manolotra ny vatana amamp-panahiny mba tsy hisehoan'ny fahalemena ao aminy. Marina fa ahitana tombotsoa ny maha vadin'ny Mpaminany kanefa ireo tombotsoa ireo dia miteraka andraikitra ho azy ireo. Volvolain'ny Mpaminany ho ohatra fakan'ny vehivavy rehetra tahaka tamin'ny fotoanandrony sy amin'ny fotoana ho avy izy ireo. Nampanahy azy indrindra ny hahafahan'izy ireo hifaly amin'ny tombotsoa azony amin'ny asa tsara ataony ety an-tany fotsiny ary voalaza ao amin'ity andininy ity izany: "Handany ny fanananareo ianareo ary hifaly amin'izany mandritry ny fiainanareo ety antany". (46:20)

Tsy ahitana ireo fitaovana tonga lafatra ao amin'ny fiainan-tokatranon'ny Mpaminany. Izany no antony nahatonga ireo vadiny hanao fangatahana mivantana na ankolaka amin'ny fomba mihaja. Tokana anefa ny sata mifehy azy ireo dia ny tsy fahafahany mianoka am fifaliana amin'ny zavatry ny tany. Nadritry ny fiainany ny olomasina sasany dia tsy afaka nanao izay danin'ny kibony.

Ohatra, tsy mba nihomehy nandritry ny fiainany mihintsy I Foudhayab. Tsy nitsiky afa tsy indray mandeha monja izy. Hoy izy tamin'izy ireo: "Ankehitriny dia henoko fa ho faty I Ali zanaka. Sambatra aho raha naheno fa notiavin'Andriamanitra izy, izany no mampitsiky ahy".9 Raha misy olona any ivelan'ny tranon'ny Mpaminany kanefa mino an'Andriamanitra ny adin'izy ireo ary heverina ho "renin'ny mpino" dia tsy maintsy hahazo ny laharana ambony.

Tsy mora ny midera ny mpanaradia ny Mpaminany na ety antany na any ankoatra. Noho izany, handalo fisetrana mafy ireo vadiny. Navelan'ny Mpaminany hisafidy malalaka izy ireo na ny tokantrano mahantrany na ny rendrarendran'izao tontolo izao. Raha misafidy an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany izy dia tsy maintsy mifaly amin'izay ananany. Zavatra mampiavaka ny fianakaviany izany. Satria fianakaviana miavaka io fianakaviana io ka tsy maitnsy miavaka koa ireo mamorona azy. Voafidy manokana ny loham-pianakaviana ka toy izany koa ny vady aman-janaka.

Niantso an'I Aïcha ny irak'Andriamanitra ary niteny hoe: "Te-hiresaka zavatra aminao aho. Tokony ho resahinao tsara amin'ny Ray aman-dreninao izany alohan'ny hanapahanao hevitra. Nilaza io andininy voalaza io izy avy eo. Toy izay faheno tamin'ny zaza vavy marina sy avy amin'ny ry marina ny fanapahakeviny avy eo: "Ry irak'Andriamanitra mila miresaka izany amin'ny ray aman-dreniko va aho ? Amin'ny anaran'Andriamanitra, misafidy an'Andriamanitra sy ny mpitondra ny hafany aho".10

I Aïcha ihany no mitantara amintsika izay mitranga taorian'izany:

"Nahazo valinteny toy izany hatrany avy amin'ireo vadiny rehetra ny irak'Andriamanitra. Tsy nisy na dia iray aza nilaza hevitra hafa. izay nolazaiko rehetra no nolazainy". Nilaza tamin'izany izy fa tsy hanao afa tsy ny ho iray amin'ny Mpaminany. Tsy afaka ny hanao ankoatra izany izy. Raha nangatahan'ny Mpaminany hifady hanina tsy ankijanona mandritry ny fiainany izy ireo dia ho nataony an-kafaliana izany. Izany no niharetany ny fahatrana mandrapahafatiny.niaina tamin'ny fiainana mirobaroba ny sasany tamin'ireo vadiny talohan'ny nanambadiany azy. Iray tamin'ireny I Safiyya izay nanary vady sy Ray ary nogadraina nandritry ny adin'ny Khaïbar. Tezitra mafy tamin'ny Mpaminany izy kanefa rehefa tsinjony izany dia niova tanteraka ny fihetseham-pony. Niharitra toy ny fiharetan'ireo vadin'ny Mpaminany hafa izy. Niharetan'izy ireo izany satria tafalatsaka lalina tao am-pony ny fitiavan'ny irak'Andriamanitra.

I Safiyya dia Jody. Nilazana zavatra manorisory tamim-panesoana sy fahasiahana mikasika izany izy indray andro. Nolazainy tamin'ny Mpaminany izany ary niteny taminy ny alahelony izy. Nampihonona azy ny Mpaminany ary niteny hoe: "Raha mbola mamerina izany izy ireo dia ilazao ho: "I Arona Mpaminany no raiko, ny Mpaminany Moizy no dadatoako, ary ny Mpaminany Mohammed no vadiko araka izay efa fantatrareo, ilay voafidy. Inona no anananareo ankoatraizay ananako no hahafahanareo miavonavona?"11

Manambara ny CORAN fa hoan'ny mpino dia "ny vadiny no renin'izy ireo" (33:6) Na dia efa taonjato 14 aza izay no lasa dia mbola finaritra hatrany isika milaza hoe "reninay" rehefa nilaza an'I Khadija sy Aïcha, Oumm Salama sy Hafsa ary ireo vadiny hafa. mahatsapa izany isika noho ny aminy. Manampitiavana ny tena reniny. Tsy ananana ahiahy fa tena lalina sy mafimafy kokoa io fihetseham-po io tamin'ny fotoan'andron'ny Mpaminany.

Lohampianakaviana fanao tanjona ny irak'Andriamanitra. Nahomby tamin'ny fikarakarana tanteraka ireo vadiny izy, ho firaketan'ny fony, mpanabe ny fanahiny, mpanabe ny sainy ary tsy nanadino ny raharahan'ny fireneny sy ny andraikiny ny tamin'izany koa anefa izy.

Nampiseho toetra ambony teo amin'ny lafim-piainana rehetra ny irak'Andriamanitra.

Tsy azon'ny olona nampitahaina taminy izy, eny fa na dia ireo noheverina fa olo-malaza tamin'ny vanim-potoana niainany aza. Tsy maintsy mijery azy ny mpikaroka –mahafantatra sy miaiky eo anoloany ny anjely- amin'ny fampahatsiahivana fa ambony toetra tamin'ny zavatra rehetra izy. Raha te-hahafantatra an'I Mohammed izy ireo dia tsy maintsy mijery azy amin'ireo habeny manokana. Tsy tratran'ny fisaintsainantsika izy satria tsy fantatsika na dia ny fomba hisaintsainana azy marina aza. Nomen'Andriamanitra manokana ho azy ny fahamboninana amin'ny lafin-javatra rehetra.


[1] Les raisons ne sont pas spécifiées dans les sources. Toutefois, les discussions rarissimes qu'il y avait entre ses épouses à cause de quelque jalousie les ont peut-être poussées à lui parler d'une façon malséante. Une autre raison pourrait être qu'elles aient demandé au Prophète, comme cela arrivait très rarement, quelque chose qu'il ne pouvait pas leur procurer. Il n'y a pas la moindre mention rapportant un quelconque désaccord entre le Prophète et ses épouses pour des raisons sexuelles. Les visites ne se restreignaient pas à des relations intimes. Il se peut qu'il ait été offensé par son mauvais comportement dans sa chambre.
[2] Muslim, "Rada'," 47.
[3] Bukhari, "Salat," 80.
[4] Tirmidhi, "Nikah," 41:4; Bukhari, "Adab," 68.
[5] Bukhari, "Adab," 68.
[6] Bukhari, "Shurut," 15.
[7] Abu Dawud, "Sunna," 15; Tirmidhi, "Rada'," 11.
[8] Muslim, "Talaq," 34, 35.
[9] Abu Nu'aym, Hilyat al-Awliya', 8:100.
[10] Muslim, "Talaq," 35.
[11] Tirmidhi, "Manaqib," 64.