Fampitana Ny Hafatra

Andraikitra fahatelon'ny faminaniana ny fampitana ny fahamarinana islamika, fantatra amin'ny teny hafa hoe: «manao ny tsara ary mandrara ny ratsy». Milaza hoe «islamika» isika satria ny Mpaminany rehetra dia tonga tamin'ny alalan'ny finoan'Andriamanitra nifototra amin'ny fanekena azy. Ny fampitana olombelona hafatra io no antony lehibe nandefasana ny Mpaminany.

Maneho ny hatsaram-pony amin'ny alalan'ny fandefasana ny hazavan'ny masoandro sy ny hafany Andriamanitra ary maneho ny famonjeny sy ny fihantrany ny olombelona tamin'ny alalan'ny Mpaminany.nisafidy an'I Mohammed halefany ho mpamonjy ny olon-drehetra sy mba hametraka mandrakariva ny hafa-piantrana sy ny famonjena izy. Raha tsy nalefa hampiaina sy hamelona indray ny hafatry ny Mpaminany teo aloha izy sy hanaparitaka io fahalalana io manerana ny tany dia ho nivezivezy tao anaty tany efitry ny tsy finoana mampatahotra isika ankehitriny izao, tao amin'ny fahadisoan-dàlana sy ny tsy fahalalana.

Mikaroka mandrakariva ny valin'ny fanontaniam-pisiana toy izao ny filozofa sy ny mpahay fiarahamonina sy ny psikology: Iza aho? Avy aiza aho? Ho aiza aho amin'ny andro farany? Inona no dikan'ny fiainana? Inona no hevitry ny fahafatesantsika? Tena tsy fisiana tanteraka va ny fahafatesana sa varavarana mivoha mankany amin'ny fiainana vaovao mandrakizay? miady hevitra amin'ny fanontaniana maro isika tsirairay avy. Tsy misy afa tsy fanazavan'ny Mpaminany anefa no azahoantsika mahazo ny fahafahampo sy ny fitoniana marina!; amin'ny alalan'izy ireo no hahafantarantsika fa ity fiainana eto antany ity dia dingana kely fotsiny amin'ny fandehanantsika any amin'ny tontolon'ny saina tsy manam-paharitana sy ny tontolon'ny mandrakizay, toerana hamafazana voa mba hotazana any amin'ny mandrakizay! fahatongavana teto antany dia nandalo tao amin'ny tontolo anelanelan'ny fasana. Rehefa mahatanteraka izany isika dia ho afaka ahiahy aman-tahotra ary hanjary ho toy ny zaridaina mamony fakandrivotra izao tontolo izao ary toeram-pivondronan'ny mpinamana.

Nalefa hampita izany hafatra izany sy hanazava ny lalam-pahasambarana eto antany sy any ankoatra ny Mpaminany. Hiady hevitra amina toe-javatra lehibe telo mikasika ny fampitan'ny Mpaminany ny hafatr'Andriamanitra isika ankehitriny.

Fanasana izao tontolo izao ho amin'Andriamanitra

Mitondra ny olona sy ny fiainana amin'ny alalan'ny fomba tsy azo ovana ny Mpaminany, mitaky fahiratan-tsaina sy hevi-dalina, amin'ny alalan'ny fanahy sy ny fisaintsainana sy ny hevitra anaty sy ivelan'ny tsirairay.

Toy ny faty eo ampelantanan'ny mpanasa azy ny fihetsiky ny Mpaminany manoloana ny fanambaran'Andriamanitra: tsy tompon'ny tenany izy 86. mitantara sy mitari-dàlana ny Mpaminany araka izay fomba ilainy Andriamanitra mba hahafahany mitantana ny vahoakany. Tsy afaka mitari-dàlana na iza na iza izy raha tsy eo io fitarihan'Andriamanitra io. Raha manao tsinontsinona ireo manampahaizany izy dia ho lasa fiarahamonina mampahonena sy nofnofy no vokatra. Raha manao tsinontsinona ny fony sy ny fanahiny izy ireo dia ho saina be fotsiny no vokatr'izany, tsy ahitana zava-panahy. Satria ny olona tsirairay dia fitambaran'ny saina sy ny fanahy ary ny vatana ka tokony handray ny hafatra sahaza avy azy izy ireo.

Manankery ny olombelona. Noho izany dia tsy maintsy entina mankamin'ny asa mamorona ny tanjom-piainany tsara izy ireo araka izay voafaritr'Andriamanitra na ho amin'ny asa tsy amim-panahy sy tsy am-pisainana na ho amin'ny saina fotsiny tsy misy fandiniana ara-panahy.

Tsy afaka mankamin'ny lala-mazaa ny olona raha tsy mirindra ny asan'ny saina sy ny fanahy ary ny vatana, lala-mazava tsilovin'ny hafatra avy amin'Andriamanitra izay hahafahany mahatratra ny fahamendrehana sy ny tena maha olona marina. Nanaraka io tanjona io avokoa ny Mpaminany rehetra, ary izay te-hanaraka ny diany dia tsy maintsy miezaka mafy amin'izany. Lazao: «indro ny làlako: miantso ny olona amin'ny alalan'ny finoana an'Andriamanitra aho, mifototra amin'ny porofo mazava izaho sy ireo izay manaraka ahy.»(12:108)

Ny Mpaminany iray dia nankasitraka tanteraka sy nifantoka tamin'ny asany. Mpitsinjo ny hafa sy miaina ao amin'ny fahasambarana sy ny tsara ho an'ny hafa izy. Ny fahasambarany dia nifototra amin'ny fahitana ny olona minakina amin'Andriamanitra amin'ny fanantenana hahazo ny famonjena fa tsy miandry tambiny amin'ny asa ataony. Fantany fa avy amin'Andriamanitra ihany ny valisoany.voatsipika ao amin'ny CORAN io zava-dehibe io: "Ry vahoakako! tsy mangataka harena ho tambiny aminareo aho, ao amin'Andriamanitra ihany ny valin-kasasarako" (11:29)Natokana hampita ny hafatr'Andriamanitra ny Mpaminany. Nanao izay azony atao izy ireo, iaretany ampaharetana ny zava-dratsy eny fa na dia ny fampijaliana ara-batana aza ary manatanteraka ny andraikiny tsy amin'ahiahy amin'ny fahazoany vokatra amin antsony amin'Andriamanitra izy satria fantany tsara fa Andriamanitra ihany no afaka manome ny vokatra iriany. Ireo lafin-javatra fototra telo ireo no manefy ny làlam-pitondrantena ho ani'ireo izay te-hiantso ny olona hanaraka ny finoana silamo;

Ny paik'ady narahin'ny Mpaminany

Ny ezaka tsy an-kijanona dia toetre tena ilaina amin'ny fampitana ny hafatra ary singa iray manana ny maha izy azy amin'ny paik'adim-paminaniana. Ny Mpaminany dia azo lazaina fa mifatotra amin'ny fanatanterahana ny asany. Mametraka io tanjona io ho laharam-pahamehana ary manome lanja ireo anton-javatra rehetra ety hahatanteraka izany. Satria tsy tompon'andraikitra amin'ny vokatra izy, avelany ho an'Andriamanitra izany. Fantany fa tsy afaka hampanaiky ny sasany amin'ny hafatra izy satria tsy nalefa afa tsy ny hampita izany amin'izay fomba tsara rehetra mety: «Ianao (Mohammed) dia tsy handeha araka izay tianao: Andriamanitra no mitantana araka izay iriany. Fantany tsara kosa anefa na dia izany aza ny fitantanana tsara» (28:56)

Nisy Mpaminany maro tsy neken'olona nyhafatra nampitainy. Na izany ary dia tsy very fanantenana izy, ny miha osa izy ary tsy mba nampihatra ny fitaovana tsy nekena toy ny fampiasan-kery, ny fandrahonana sy ny famitahana na dia niharitra fampijaliana tsy hay leferina aza izy ireo. Rehefa naratra mafy tamin'ny adin'I Ouhoud ny Mpaminany dia nisy mpanaradia azy nangataka taminy hiantso ny loza avy amin'Andriamanitra hiatra amin'ny fahavalo.

Tsy nanao izany izy fa nivavaka ho azy ireo toy izao: "Andriamanitra ô, avelao ny heloky ny vahoakako satria tsy fantany izay ataony".87 Nanao izany izy na dia feno rà aza ny tavany.

Namaly tamin'ny fomba mitovy tamin'ireo fampijaliana nihatra taminy ny Mpaminany rehetra sy tamin'ireo fanorotorohana tsy marina nampiharina taminy. Ohatra:

"Hoy ny loholona tamin'ny vahoakany [Noé]: "Tena hitanay nivily làlana ianao". Ary hoy izy: "Ry vahoakako, tsy diso làlana aho fa mpitondra hafatra avy amin'ny Tompon'izao tontolo izao. Mampita aminareo ny hafatry ny Tompoko aho ary manome torohevitra marina anareo ary fantatro avy amin'Andriamanitra izay tsy fantatrareo" (7:60-62)

Nilaza toy izao ny loholona tsy mpino tamin'ny vahoakany [Houd]: "Marina, hitanay amin'ny adalana ianao ary heverinay fa anisan'ny mpandainga". Ary hoy izy: "Ry vahoakako, tsy misy fahadalana amiko fa mpitondra hafatra avy amin'ny tompon'izao tontolo izao ary mpanolontsaina mendri-pitokisana ho anareo" (7:66-68)

Tsy misy zavatra miova ao amin'ny tantaran'ny faminaniana. Nampita ny hafatra amin'ny tanjona tokana irin'Andriamanitra ny Mpaminany. Nandefasana mpitondra hafatra iray avy isam-pirenena:

"Na iza na iza mandeha amin'ny lala-mahitsy dia mandray izany ho azy ihany; ary na iza na iza mivily làlana, dia tsy mivily làlana afa tsy ho azy ihany. Ary tsy misy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa. ary tsy hanasazy na izy na izy alohan'ny handefasana mpitondra hafatra izahay" (17:15)

"Handefasanay mpitondra hafatra iray avy isaky ny firenena [mba hilaza aminy] hoe: "Derao Andriamanitra ary ialao ny ratsy" (16:36)

Niditra tao aminy tamin'ny fikorontanana ny irak'Andriamanitra rehefa avy nandray ny fanambarana voalohany. Nandidy azy toy izao Andriamanitra rehefa nifono ny fitafiany izy:

"Ianao ry Mohammed! mitafy akanjo lava! mitsangana ianao ary mananara. Ary ankalazao ny halehibeazan'ny Tomponao. Ary diovy ny fitafianao. Ary ialao ny fahotana rehetra. Ary aza nanao tanjona ny fahazoana tombony. Ary milefera hoan'ny Tomponao" (47:1-7)

"Olombelona! ianao mifono [ao anaty akanjo] io! mitsangana ianao [mba hivavaka] isan'alina rehetra afa tsy sombiny kely foana; ny antsasany na latsaka kely na mihoatra kely. Tanisao mazava sy miadana tsara ny CORAN. Hanambara teny manandanja aminao izahay. (73:1-5)Tsy nisy nikemo na nihemotra tamin'ny fandrahonana teo ampampitana ny hafatra ny Mpaminany rehetra. Tsy nahakivy azy ny famafisam-pon'ny olona ohatra:

Hoy I Noé: "Tompo ô! miteny ny vahoakako marain-tsy hariva aho; ny antso anefa toa vao mainka mampitombo ny fandosirany. Ary isaky ny miantso ary ireo mba ho avelanao heloka aho, manampitsofina izy ireo; mifono anatin'ny fitafiany sy mafy hatoka sy mampiseho avonavona fatratra izy ireo. Manaraka izany, miantso ary ampahibemaso aho. Avy eo niresahako manokana sy nanambarako miaraka izy ireo. Hoy aho: "Raiso ny famelan-keloky ny Tomponareo satria mpamela heloka lehibe izy" (7:5-10)

Rehefa manary ny Mpaminany nalefa ho azy sy manohy ny tsy finoany ny vahoaka iray dia matetika mihatra aminy ny fahatezeran'Andriamanitra. Ahitana ny faitantarana ny fahapotehan'ny mponina maro ny CORAN; azontsika jerena ny fahapotehany manerana ny tany.

Fiezahana tsy miova

Anisan'ny toetra lehibe iray mampiavaka ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra ny fampitana ny hafatra. Velona ahiahy isika raha vao noana sy mangetaheta na tsy afa-miaina tsara; izy kosa anefa dia velona ahiahy raha vao misy andro iray tsy nahafahany nampita ny hafatra avy amin'Andriamanitra tamin'ny olona. Sahirana tamin'ny fitarihana azy izy ary reraka noho ny tsy finoana ary nampitandraman'Andriamanitra azy tamin'ny fahasalamany: «Ho vonton'alahelo ianao satria manome lamosina anao izy ireo ary tsy mino ny teninao!»(18:6)

Niantso ny vahoakan'i La Mecque ankalamanjana na mitokana ny irak'Andriamanitra hakamin'ny làlan'Andriamanitra. Niantso ny olona tena mafy hatoka ny fiovan'i Abou Talib dadatony sady nanabe no niaro azy tamin'ny vahoakan'I La Mecque mpino Andriamanin-kafa izy. Nandritry ny faha 11 taon'ny faminaniany, rehefa maty I Abou Talib dia mbola niantso azy hino amin'ny fomba vaovao ny irak'Andriamanitra. Na dia izany aza dia nanodidina sy nanahana azy ny lahiben'ny mponin'I La Mecque.

Tena nomarihiny ka nitenenany toy izao ny tsy finoan'I Abou Talib:

"Hangata-pamelana amin'Andriamanitra maharitra araka izay sitrany aho"88. Tsy ela dia nisy andininy iray nambara taminy tsy hanao izany:

"Tsy andraikitry ny Mpaminany sy ny mpino ny mitalaho famelan-keloka hoan'ny mpino andriamanin-kafa. Ray aman-dreny izy kanefa niseho mazava ho olon'ny helo" (9:113)

Fantatr'I Abou Bakr, namana akaiky indrindra ny Mpaminany tsara ny nandatsahan'ny Mpaminany impiry impiry tao am-pony ny tokony hiovan'ny dadatoany. Nitondra ny rainy antitra izy indray andro, (izay niova tamin'ny andro nahazoana an'I La Mecque) teo anatrehan'ny irak'Andriamanitra sady nitomany mafy. Rehefa nanontany ny antony nitomaniany ny Mpaminany dia nanazava izy: "Ry irak'Andriamanitra tena naniry ny mba hiovan'ny raiko ho mpino aho ary nino izy ankehitriny. Ankoatra izany anefa, mba tiako hino koa I Abou Talib, satria izany nirinao. Na dia izany aza anefa tsy neken'Andriamanitra ho azy ny finoana. Izany no antony itomaniako".89

Ny ohatra tsara indrindra nanasany an'I Wahshi hankamin'ny finoana silamo – io lehilahy io dia namono an'I Hamza rahalahin-drainy tao Ouhoud. Nasain'ny Mpaminany ho tonga mpino silamo izy taorian'ny nahazoana an'I La Mecque. Nanda ny fanasana I Wahshi tamin'ny alalan'ny taratasy nitanisany ireto andininy ireto:

"Ho amasinina ireo izay tsy miantso Andriamanitra afa tsy Andriamanitra irery ihany sy tsy mamono ny anina masin'Andriamanitra; izay tsy mijangajanga satria na iza na iza manao izany dia ho voasazy ary ho roa avo eny ny saziny amin'ny andron'ny tsanganan-kovelona. Hiaina amim-pahafahambaraka mandrakizay izy"(25:68-69)

Nanampy toy izao ho tohin'ny andininy I Wahshi: "manasa ahy hanaiky ny finoana silamo ianao kanefa aho nahavita ireo heloka rehetra voalaza ireo. Nivelona tao amin'ny tsy finoana aho, nijangajanga tsy ara-dalana koa, ankoatra izany, novonoiko ny dadatoanao tena tianao tokoa. Moa ve ny olona toy izny azo avela heloka sy hanjary ho silamo?"

Namaly azy tamin'ny taratasy ahita ity andininy manaraka ity ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra:

"Marina, tsy mamela heloka Andriamanitra raha atambatra amin-javatra hafa. Ankoatra izany, mamela heloka izay maniry izany izy. Kanefa na iza na iza mampifangaro an'Andriamanitra amin-javatra hafa dia manota». (4:48)

Namaly izany taratasy izany i Wahshi ary nilaza fa ny famelan-keloka ampanatenaina amin'io andininy io dia miankina amin'ny sitrapon'Andriamanitra ary tamin'io no nandefasan'ny irak'Andriamanitra taratasy fanintelony taminy izay nahitana ity andininy ity:

«Ry mpanompoko izay nahavita zavatra tafahoatra tamin'ny sitrany manokana, aza kivy amin'ny famonjen'a. satria mamela ny fahotana rehetra Andriamanitra. Eny, izy no mpamela heloka, tena mpamonjy». (39:53)

Tamin'ny alalan'io fifandraisana an-taratasy io no namohan'ny irak'Andriamanitra ny fon'i Wahshi ho amin'ny finoana. Io no nahatonga an'i Wahshi hiova tanteraka ary nanjary mpanaradia.90

Na dia novonoina tamin'ny fomba mahatsiravina izay tena nampalahelo ny Mpaminany fatratra aza I Hamza dia hoy izy tamin'I Wahshi: "Aza dia mifandray amiko loatra ianao. Mety hampifoha ny fahatsiarovako ani Hamza izany ary enga anie aho tsy hampiseho aminao ny alaheloko";

Nanao izay azony natao mba hanekena izany fangatahany izany I Wahshi. Niafina ao ambadiky ny andry izy ary miezaka misarika ny sain'ny Mpaminany amin'ny fanantenana fa ho afaka hiseho aminy; rehefa maty kelikely ny irak'Andriamanitra dia nitady ny fomba rehetra hanarenana ny fahadisoany I Wahshi. Rehefa raikitra ny ady nifanatrahana tamin'ny Moussaïlima Le Menteur tao Yamama dia nandeha niady I Wahshi niaraka tamin'ny fanipazana nataony mba hahafaty an'I Hamza. Tamin'ny fotoana mafy indrindra dia nahita an'I Moussaïlima handeha handositra izy. Natsipiny taminy ny fiadiany ary maty izy. Taorian'izany dia niankohoka teo antrehan'Andriamanitra I Wahshi.91 niteny toy izao tamin-dranomaso mafy izy: "Mamela ahy hiseho aminao na ianao ankehitriny, olombelona! ry mpitondra ny hafatr'Andriamanitra"

Tsy nisy azo natao afa tsy ny nanantena tao an-tsaina fa namantsika tao Yamama ny irak'Andriamanitra ary nanoroka an'I Wahshi izy mba hampiseho fa mamela heloka azy ary nanaiky tanteraka ny maha mpanaradia mendrika azy.

Ohatra iray mampiseho ny fahamendrehana sy ny fiheveran'ny mpitondra hafatra ny hafa koa sy ny fitiavany ny zanak'olombelona sy ny fahasahiranany ho amin'ny fitarihana ny olona dia ny fanekeny an'I Ikrima ho namana. Ikrima dia anisan'ireofahavalo fatrapanenjika nys ilamo sy ny Mpaminany ary iray amin'ireo mpiray tetika ny hanoherana azy. Ny andron'ny fanafihana an'I La Mecque, satria maro ireo namany no mivadika ho silamo dia nisafidy ny handositra an'I Yemen niaraka tamin'ny vadiny I Ikrima. Nandresy lahatra azy I Oumm Hakam vadiny mba hitady ny Mpaminany ary hangata-pamelana aminy. Na dia teo aza ny halozany taloha dia noraisin'ny irak'Andriamanitra tsara I Ikrima:

"Tongosoa ry mpitaingin-tsoavaly nifindra monina!". Taorian'ny nanafihana an'I La Mecqye dia tsy nisy fifindran-toerana araka ny tena heviny intsony; nataon'ny Mpaminany ohatra ny lalan-davitra nalehan'I Ikrima hatrany Yémen nankany Médine.

Tohina mafy tamin'ny fahamendrehany I Ikrima ary nangataka taminy mba hitalaho amin'Andriamanitra hamela ny fahotany. Faly dia faly I Ikrima rehefa nataon'ny irak'Andriamanitra izany ary nampanantena izy fa handany roa avo eny amin'ny silamo izay laniny taminy ady. Nitana ny teniny tamin'ny ady natao tao Yarmuk izay namparatra azy I Ikrima. Hoy izy tamin'ny vadiny nahita azy nitomany avy ao anatin'ny trano lay teo akaikiny: "Aza mitomany fa tsy ho faty aho raha tsy vavolombelon'ny fandresena"

Fotoana fohy taorian'izay dia niditra I Hisham dadatoany ary nanambara ny fandresen'ny silamo. Nangata-bonjy mba ho afa-mitsangana I Ikrima ary raha vao tafatsangana izy dia niteny tamim-peo malemy hoe: "Ry irak'Andriamanitra, moa va aho nitana ny voady nataoko taminao?" ary hoy indray izy avy eo: "Aoka aho ho faty aminy fanekena tanteraka ary ataovy eo anilan'ireo olo-marina aho" (21:101) ary apetraho amin'Andriamanitra ny fanahiny.92

Nitomany ny zava-dratsin'ny olombelona ny irak'Andriamanitra nandritry ny androm-piainany. Tsy nitsahatra niantso ny olona ho amin'ny lalan'Andriamanitra izy. Nandritry ny nitoerany tao La Mecque dia nandeha teny andalambe sy namonjy ny fihaonambe isan-taona izy amin'ny fanantenana ny hahazo olona niova vaovao. Tsy nahakivy azy ny fanimbazimbana sy ny eso ary ny fampijaliana na dia indray mandeha aza. Rehefa nambara taminy izao andininy izao : "Ary ambarao ireo olona akaiky anao indrindra" dia manasa ny fianakaviana akaikiny indrindra hiara-misakafo taminy izy. Hoy ny fitantaran'I Aly izany taty aoriana kely:

"Nanasa ny olona akaiky azy tao aminy ny irak'Andriamanitra ary taorian'ny sakafo dia hoy izy tamin'izy ireo: "Nandidy ahy hampitandrina ny olona akaiky ahy indrindra Andriamanitra. Tsy misy azoko atao ho anareo any ankoatra raha tsy manambara ianareo fara faharatsiny fa tsy misy faminaniana afa tsy avy amin'Andriamanitra ihany". Nangataka azy ireo hanohana azy izy tamin'ny fiafaran'ny lahateniny. Zazalahy kely kely sandry sy mahia ranjo aho tamin'io fotoana io. Rehefa tsy nisy namaly na iza na iza dia nipetraka teo akaikin'ny fatsakana notazoniko aho sady niteny hoe: "Izaho ry irak'Andriamanitra". Intelo namerina ny teniny ny Mpaminany ary izaho irery no namaly ny teniny".93

Niaritra ny fanesoana tsy mijanona sy niha mafy hatrany ny irak'Andriamanitra, ny fampijaliana, ny kapoka, ny fandroahana tao anatin'ny fihaonambe. Nitorabato azy hatramin'ny zanak'I Ta‛if.

Tsy nisy afa tsy nandritry ny 12 taona tamin'ny fotoam-piasany no nahafahany no nahafahany nihaona tamin'ny olona avy any Medina tao amin'ny ‛Aqaba (tany ivelan'I La Mecque). Nilaza tamin'izy ireo ny finoana silamo izy ary nanaiky ireo. 70 ny olona avy any Medina no nanaiky teo amin'io toerana io ihany ny taona manaraka, ho silamo. Nindrana ny soriteny mahafinaritry ny Mpaminany izy irreo ary nampanantena fa hanampy azy raha tapa-klevitra fa hifindra monina any Medina izy. Nanendry an'I Mus‛ab ibn ‛Umayr mba hampianatra azy ireo ny finoana silamo ny Mpaminany. Fanombohan'ny dingana vaovao teo amin'ny fiainany io. Rehefa nifindra tany Medina izy ny taona manaraka dia nahitana mpino silamo iray fara fahakeliny isan-trano.94

Fanamarihana hafa:

Izay tena mendri-piderana tamin'ny fihetsiky ny Mpaminany refeha mampita ny hafatra izy dia ny fandraisany ohatra iray maneho hafanam-po mba hitarihana ny olona. Nanao izay azo natao mba hanahafana ny paik'adiny ny mpianany. Ohatra, tena nahomby ny tetika nampiasain'I Mus‛ab ibn ‛Umayr ary tena mendrika, nanjary silamo hatramin'ny olona faran'izay mafy hatoka indrindra toandr'I Sa‛d ibn Mu‛adh avy no nanjary silamo. Mafy dia mafy ny fanoheran'I Sa‛d ny zavatra nataon'I Mus‛ab tany amboalohany. Kanefa rehefa nangataka taminy tamim-pahalalam-pomba toy izao ity farany:

"Mipetraha aloha ianao ary henoy aho. Raha tsy sitrakao izay lazaiko, aza misalasala akory mamely ahy amin'ny sabatra eny an-tànanao"

Ary nanjary nisava ny hatezeran'I Sa‛d ary nanjary nivadika silamo izy rehefa nandao an'I Mus‛av.

Notohizan'ny Mpaminany hatrany ny fandefasana mpiaradia tamin'ireo tànana manodidina. Nalefany tany Yémen I Bara'ibn Azib ary i Talha tany Duwmat al-Jandal. Raha nisy namana tsy nahatanteraka ny andraikiny, vitsy anefa ireny, duia naniraka hafa indray hisolo ny toerany izy. Ohatra, tsy nahavoa ny fon'ny olona tao Yémen I Khalid sy Bara ka nandefa an'I Ali izy. Fotoana foy taorian'izay dia nanjary silamo ny ankamaroan'izy ireo.95

Zavatra iray lehibe koa ny fitondran-tenany taorian'ny fifanarahana tao Hondaïbiya. Nisy mpianatra sasany nilaza fa mafy dia mafy ny fepetra tamin'io fifanarahana io (hoan'ny silamo). Na izany aza dia fandriampahalemana no niseho taorian'ny fikorontanana sy ny ady. Maro tamin'ireo nanenjika ny silamo no nankatoa ny hafatra. Na dia ny mpanohitra natanjaka ny silamo toandr'I Khalid sy ‛Amr ibn al-‛As aza dia nanaiky ny fivavahana silamo.96

Noraisin'ny irak'Andriamanitra tamim-pamindram-po I Khalid: "Nanontany tena aho ny mbola mahatonga ny olona misaina toan'I Khalid ho mbola tsy mpino. Resy lahatra aho fa nanaraka ny finoana silamo ianao indray andro any".97 Nanome toky an'I ‛Amr ibn al‛As izay nangataka taminy ny famelan'Andriamanitra koa izy: "Tsy fantatrao va fa ho voafafa ny helok'izay manaraka ny silamo teo aloha?"98. Nanoratra hoan'ireo mpitondra ny firenena manakaiky azy ny irek'Andriamanitra taorian'ny fifanarahana tany Hondaïbiya. Nanoratra toy izay izy hoan'I Négu, mpanjakan'ny Abyssinie:

"Avy amin'I Mohammed, mpitondra ny hafatr'Andriamanitra, hoan'I Négu Ashana, mpanjakan'I Abyssinie. Fiadanana anie ho anao! Mideran'Andriamanitra, ilay mpanapaka, ilay mpamela ny fahadisoana rehetra, ilay mpiantoka ny fandriampahalemana sy ilay mpanaramaso ny voariny, amin'ny alalan'ity taratasy ity aho. Ambarako fa fanahy avy amin'Andriamanitra I Jesoa, teniny nomeny an'I Maria izay nadio indrindra, masina sy virijiny. Manasa anao ho an'Andriamanitra aho, ilay tokana tsy misy fangarony".99

Niantso an'I Négus hiova tamin'ny alalan'ny fiarahabana azy voalohany amin'ny fandriampahalemana ny irak'Andriamanitra satria koa kristianina ny Négus, nolazain'ny Mpaminany tamin'ny alalan'ny faminanian'I Jesoa ny finoany ary nohamafisiny ny maha madio sy virijiny an'I Maria sy notsipihiny ihany koa ny toetra iombonan'izy ireo.

Noraisin'I Négus ny taratasy ary norohany ary nasiany maripanajana teny amin'ny fiandohany. Taorian'ny famakiany azy dia nanaraka nyfinoana silamo tsy tamim-piambahambana izy ary namaly toy izao tamin'ny sorany:

"Hoan'ny Mohammed, irak'Andriamanitra, avy amin'I Négus. Mino aho fa irak'Andriamanitra ianao. Raha didianao ny hahatongavako dia hoavy aho kanefa tsy afaka hiova ho silamo ny olom-peheziko. Ry irak'Andriamanitra manamafy aho fa marina avokoa izay voalazanao".100

Tamim-pahamendrehana no nilazan'I Négus tamin'ilay niresaka taminy indray andro hoe: "Aleo kokoa mpanompon'I Mohammed toy izay ho mpanjaka". Nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana fanao amin'ny fahafatesana ny Mpaminany rehefa maty izy.101

Ity taratasy manaraka ity dia nalefa tamin'I Héraclès, amperoran'I Byzance:

"Amin'ny anaran'Andriamanitra, ilay mpamonjy ny rehetra, tena mpamonjy! avy amin'I Mohammed mpanompon'Andriamanitra sady mpitondra ny hafany, hoan'I Héraclès, sefo lehibean'ny Byzantina. Hamin'izay manaraka ny fitarihana anie ny famonjena! niantso anao araka ny fomban'ny silamo aho: araho ny silamo fa ho oavonjy ianao (aslam taslim); hanana fankasitrahana roa avy amin'Andriamanitra ianao. Raha manome lamosina ianao dia ho may miaraka amin'ny fanahin'ireo izay nanome lamosina (amin'ireo vahoakanao). "Ry olon'ny boky masina, tongava amin'ny teny iombonanany sy ianareo: tsy hidera afa tsy Andriamanitra isika, tsy misy na inona na inona hafangaro azy ary tsy handray na iza na iza ho tompo afa tsy Andriamanitra isika". Ary raha manome lamosina izy dia ilazao hoe: "Meteze ho vavolombelona toa anay, manaiky izahay". (3:64)102

Tohina tamin'ilay taratasy ny Amperora. Niantso an'I Abou Soufian tany Syria izay efa handeha hivarotra any La Mecque izy; toy izao no resak'izy roa ireo:

- Avy amin'ny fianakaviana inona io lehilahy io?
- Mpanjaka
- Tsy mbola nisy nanambara faminaniana va ny iray tamin'ny Razambeny?
- Tsia
- Nisy mpanjaka va tamin'ireo Razany?
- Tsia
- Ireo izay manaraka azy va anisan'ireo nahery fo sa olona osa?
- Osa
- Efa nisy nivadi-pinoana va ireo olona nanaiky hanaraka ny fivavahany?
- Mbola tsy nisy hatramin'izao
- Mitombo sa mihena ny isan'ireo mpanaradia azy?
- Mitombo isan'andro izy ireo
- Efa nandrenesanao lainga va taminy?
- Tsia
- Tsy mbola tsy nanatanteraka ny teny nomeny va izy?
- Tsia hatramin'izao fa tsy fantatro amin'ny ho avy.

Na dia fahavalo nanompo ny irak'Andriamanitra aza I Abou Soufyan dia nilaza ny marina tamin'izay voalaza afa tsy ny teniny farany izay nilaza fa mola ho olona tsy mendrika ny Mpaminany. Liana te-hahafantatra ny finoana ny Amperora kanefa noho ny fahitany ny fihetsik'ireo mpitondra fivavahana manodidina azy dia namarana toy izao izy: "Ao anatin'ny fotoana tsy ho ela dia ho lasana ny tany rehetra misy ahy"103. Milaza I Imam Bukhari fa nanaiky ny silamo ny evekan'iny faritra iny.104

Nandefa taratasy tamina mpanjaka hafa ny Mpaminany, anisan'ireny I Mouqawqos, governoran'I Egypta izay namaly tamin'ny alalan'ny fanomezana. Nisaratsaraka I Grésus sy Persa, toe-javatra nitranga tamin'ny fiafaran'ny fanjakany nandritry ny naha kalifa an'I Omar.106

Rehefa nandidy an'I Mohammed hampita ny hafatra Andriamanitra dia niresaka taminy tamin'ny fiantsoa azy ho mpitondra hafatra mba hampisehoana fa izy ny laharana ambony indrindra amin'ny Mpaminany. Miteny amin'ireo Mpaminany rehetra amin'ny anarany izy; ny teny hoe mpitondra hafatra dia maneho fa izy no lasa aloha indrindra tamin'ny fampitana ny hafatra. Nisintona olona maro ny fombam-piainana silamo nifototra tamin'ny foto-kevitra nampitainy, maro ary nitranga ny toe-javatra nahaliana toy izay voalaza ao amin'ny "Mizanci Murad Tarihi" (Tantara notantarain'I Mizanci Murad): tsy mpino I Auguste Compte filozofa frantsay, nanao fikarohana vitsivitsy mikasika ny silamo rehefa avy nijery ny fahapotehan'ny ampahany silamo tany Espagne. Rehefa fantany fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra I Mohammed dia hoy izy: "Tsy Andriamanitra I Mohammed fa tsy olona tsotra koa anefa"

Na izany aza dia hoy I al-Busiri: "Ny famaranana azontsika tsoahana tamin'ireo vaovao rehetra nangonina mikasika azy dia olombelona izy, kanefa ny tsara indrindra tamin'ireo voarin'Andriamanitra"

Lafin-javatra hafa manan-danja (Autres points importants):

Ireto lafin-kevitra telo ireto dia mitana anjara toerana lehie eo amin'ny fampitana ny hafatry ny finoana silamo: ny faharanitan-tsaina, ny fampiharana izay lazaina, ny tsy filana tambiny.

Voalohany, ilaina ny faharanitan-tsaina mba hahafahana mandrefy ny fiampitan'ny hafatra amin'ireo olona hampitana azy. Hoy ny hadita iray mikasika, izany: «Nandidiana antsika Mpaminany ny mampita ny hafatra arakaraka ny fatra-pahatakaran'ny olona». Ireo izay te hanaparitaka ny finoana silamo dia tsy maintsy mahalala ny fomba hanatonana ireo tsy silamo. Ho amafisintsika amina ohatra roa amin'ireo maro nataon'ny Mpaminany Mohammed izany:

Nahazo ny fon'I Omar tamin'ny alalan'ny fanindraindrana azy ny irak'Andriamanitra. Hoy izy tamin'I Omar: "Tsy azoko ny mahatonga ny olona nanatsaina toa anao handre ny zavatra tsy manana aina toy ny vato, ny hazo sy ny tany"; Nahatsapa ny fahatokisan'I Omar tamin'ny alalan'ny fitondran-tenany koa izy. Niantraika tamin'I Omar ny fitiavany ny fiderana an'Andriamanitra fatratra ka nahatonga azy ho tonga teo amin'ny Mpaminany, hanaiky hanaja azy fa zaza voabe tsara teo anoloan'ny ray mendri-kaja.

Nangataka tamin'ny Mpaminany ny fahafahana hijangajanga ny tovolahy iray (toa I Joulaïbib) indray andro satria tsy tantiny intsony hono. Samy nilaza izay filazany izay rehetra nanatrika. Ny sasany naneso azy, nisasany nisintona ny akanjony, ny sasany nikononkonona ny hikapoka azy. Nanatona azy kosa ny Mpaminany be fiantrana ary nanomboka niteny azy toy izao:

"Avelao hanao toy izany amin'ny ieninao va ny olona sasany?" hoy izy aloha.

Tsia na oviana na oviana ry irak'Andriamanitra! tsy manaiky izany aho, hoy ny valintenin'ilay tovolahy.

"Mazava ho azy fa tsy misy olona hanaiky ny reniny hanao zavatra mahamenatra toy izany", hoy ny Mpaminany.

Notohizany ny fametrahana ny fanontsaniana teo aloha tamin'I Houlaïbib fa nosoloiny hoe ny vadinao fotsiny ny reninao, ny anabavinao, sy ny rahavavindreninao. Namaly hatrany fa tsy manaiky izany I Joulaïib. Afaka tao anatin'I Joulaïbib ny filana hijangajanga tamin'ny faran'ny fifampiresahana. Nofaranan'ny irak'Andriamanitra tan vavaka izany resaka ara-panahy izany. Napetrany teo an-tratran'I Joulaïbib ny tànany ary nivavaka izy: "Andriamanitra ô! avelao ny helony, diovy ny fony ary arovy ny fahadiovany".107

Nanjary ohatry ny fahadiovana I Joulaïbib. Fotoana fohy taorian'izay dia nanambady noho ny fandinihana marina nataon'ny Mpaminany izy. Fotoana fohy taorian'izay dia maty maritiora izy rehefa avy nahafaty miaramila fito fahavalo tamin'ny ady. Rehefa nahita ny fatiny ny irak'Andriamanitra dia nametraka ny tànany teo amin'ny lohalina ary niteny hoe:

"Amiko ity, ary aminy aho".108

Fahombiazana sy fahalalana tamin'ny fanabeazana ny olona ny irak'Andriamanitra ary nandrafitra ireo porofo tsy azo lavina amin'ny faminaniany izany. Ny olona tena tsy nandroso, ny mpiteny ratsy, ny tsy nobeazina tsara, ny masiaka sy maizin-tsaina tamin'io vanimpotoana io dia niova ho mpitarika ny olombelona tena mendri-piderana tao anatin'ny fotoana fohy.

Manontany tena aho raha mahavita toy ny nataon'I Mohammed tao anatin'ny 23 taona, tanaty tany efitry ny fahamaizinan-tsaina nandritry ny taonjato 14 tany Arabia, ireo vonrona lehibe sy manam-pitaovana raitra amin'ny fanabeazana, fampitam-pahalalana manarapenitra, sosiology, psikology, ny mpampianatra sy ny mitovitovy aminy ankehitriny, afaka hahavita izany ao anatin'ny 100 taona va izy ireo na aiza na aiza tontolo mandroso eto amin'izao tontolo izao sa ampahany kely monja amin'izay vitan'ny irak'Andriamanitra. Raha ampitahaina ny ezaka sy ny tekinika manara-penitra ampiharina ma hamongorana ny fahazaran-dratsy tsy dia manahoana toy ny fifohan-tsigara – tsy misy fahombiazany loatra – amin'ny fahombiazana naharitry ny Mpaminany mba hamongorana ifotony ny fahazaran-dratsy manana ny maha izy azy, dia tsy azo ampitoviana na ampitahaina amin'ny fanabeazana ny olona ny Mpaminany.

Faharoa, ireo izay te-hampiako ny teniny amin'ny olona dia tsy maintsy manao izay lazain'ny vavany. Raha tsy manao izany izy ireo dia tsy hahita fahombiazana satria fantatra tsara fa ny atao no tena mandresy lahatra kokoa noho ny teny tenenina. Tena mazava ny voalazan'ny CORAN amin'io toe-javatra io: "Ianareo izay mino! nahoana ianareo no tsy manao izay voalazanareo? Fahavetavetana lehibe eo imason'Andriamanitra izany, milaza kanefa tsy manatanteraka izany" (61:2-3)

Vavolombelon'ny asany ny irak'a. izy no mendrika indrina amin'ny fiainana ny finoana silamo sy amin'ny fitiavana ary ny fanompoana an'Andriamanitra. Ampy matetika ny fahitan'ny olona iray izany ary tsy mila porofo hafa mba hinoana ny faminaniany. Ohatra, nino azy I Abd Allah inb Salam, manampahaizana jiosy nalaza tany Medina raha vao nahita azy indray mandeha monja ary niteny hoe: "Tsy mety ahitana lainga amin'ny endrika toy izao. Ny olona manana endrika toy izao dia ny irak'Andriamanitra ihany".109

Nilaza io toe-javatra io tamin'ity andinin-tononkalo ity I Abd Allah in Rawaha, pota nalaza taimn'izany fotoana izany:

"Na dia tsy nisy famantarana aza ny fahatongavany, ny fijerene kely fotsiny ny maha olona azy dia efa ampy ny hinoana azy".110

Tsy olona adaladala na tsy misaina ireo izay mino azy. Anisan'ireny ny olo-manankaja toy ny kalifa efatra voalohany (Abou Bakr, Omar, Othman ary Ali) smay mpitondra fanjakana lehibe izy ireo. Nanana fanahy ambony sy finoana lalina toan'I Ali izy ireo, ohatra, hoy izy: "Tsy hitombo ny fahamarinako na dia hiendaka aza ny voalin'ny tsy hita (izay manasaraka ny tontolo materialy amin'ny tontolo tsy materialy".111

Antony iray nitiavan'ny olona analiny maro ny Mpaminany Mohammed sy nanarahany ny finoana silamo ny fetezany ho ohatra velona, na dia ho fanentanam-panoherana tsy ankijanona. Niantso ny olona hidera an'Andriamanitra am-pahamendrehana izy ary izy no mendrika indrindra tamin'ny fiderana. Laniany amin'ny fivavahana ny antsasaky ny alina manontolo, amim-panetretena sy amin-dranomaso. Rehefa anontaniana ny antony hivavahany ao anatin'ny fotoana maharitra izy na dia reraka aza ny tongony kanefa izy tsy nanota dia hoy ny valinteniny:

"Tsy ho lasa andevo fantatra eo antrehan'Andriamanitra va aho?".112

Nitantara I Aïcha fa indray alina nangataka ny famelany hisasa sy hivavaka. Tena nitandrina ny zon'ireo vadiny izy izay miandry ny fankatoavany mba hanatanteraka ny fivavahana. Tamin'io dia nivavaka an-dranomaso mandramaraina izy. Naverimberiny matetika izao andininy manaraka izao:"Masina, amin'ny voarin'ny lanitra sy ny tany sy ao amin'ny fifandimbiasan'ny andro sy ny alina dia ahitana marika hoan'ireo manan-tsaina izay miantso ny anaran'Andriamanitra sy mandinika ny voarin'ny tany sy ny lanitrana mitsangana, na mipetraka, na mandry eo akaiky, sady milaza hoe: "Ry tomponay! tsy noharianao ho tsinontsinona ireny. Voninahitra ho anao! arovy amin'ny sazin'ny afo izahay. Tompo ô! na iza na iza ampidirinao ao anaty afo dia tena ho rakofanao fahafahambaraka. Ary tsy misy mpamonjy ny mpanao ny tsy marina! Tompo ô! renay ny antson'izay niantso ho amin'ny finoana: "Minoa ny tomponareo" ary raha vao mino izahay ry Tompo, aelao ny fahotanay, fafao ny ratsy vitanay, ary apetraho miaraka amin'ny olona tsara izahay rehefa maty. Tompo ô omeo anay izay nampanantenanao anay tamin'ny alalan'ny Mpaminany. Ary aza rakofana fahafahamaraka izahay amin'ny andron'ny fitsangann-kovelona. Satria ianao dia mantanteraka ny teny voalazanao".(3:190-194)113

Hoy koa I Aïcha mitantara:

"Taitra aho indray alina kanefa tsy teo akaikiko ny irak'Andriamanitra. Velom-pialonana aho satria natahotra fa sao tsy mba fanaony amin'ny vadiny hafa izany. Rehefa niarina teo am-parafara anefa aho dia voakasiky ny tanako ny tongony. Tsikaritso fa niankohoka sy nivavaka izy: "Andriamanitra ô! nitady fialofana amin'ny fankatohavanao aho mba hanoherana ny fahatezeranao, ny famindram-ponao hanoherana ny faizanao; mitady fialofana eo akaikinao aminao koa aho. Tsy afaka midera anao tahaka ny fideranao anao aho".114

Tso-piaina izy araka ny voalazan'I Omar rehefa nahita azy: "Ry irak'Andriamanitra, matory amin'ny fandriana tsara tarehy ny mpanjaka kanefa kosa ianao matory amin'ny tsihy marorao. Mitondra ny hafatr'Andriamanitra ianao ary mendrika fiainana tsotra mihoatra ny an'ny hafa". Hoy ny navalin'ny Mpaminany: "Tsy tianao ho azy va ny hasamaran'ny tany ary ho antsika ny hasambarana any ankoatra?"115. Velona ho an'ny hafa ny irak'Andriamanitra. Maniry fiainana raitra hoan'ny fireneny izy kanefa kosa tsy hivily làlana amin'ny sitrak'izao tontolo izao ny vahoakany; izy kosa niaina am-pahatsorana amin'ny fiainana tsitra.

Fahatelo, tsy niandry fankasitrahana tamin'ny fahavitan'ny andraikiny toy ireo Mpaminany hafa rehetra koa ny irak'Andriamanitra. Niaritra ny hetaheta sy ny hanoanana izy sy ny karazam-pahasahiranana isan-karazany. Nifindra monina an-terisetra izy ary niharan'ny fanafihana sy ny fandrika. Niharitra izany rehetra izany izy mba ho fahafaham-pon'Andriamanitra irery ihany, ary mba hahatsara ny zanak'olombelona; nahita azy nivavaka teo am-pitoerana I Abou Houraïra indray andro ary nanontany sao marary izy. Nampitomany an'I Abou Houraïra ny valintenin'ny irak'Andriamanitra: "Noana aho. Tsy nampanankery ahy hivavaka am-pitsanganana ny hanoanana"116. Zavatra iraisan'ny silamo ny hanoanana. Nihaona tany ivelan'ny trano ny Mpaminany sy I Abou Bakr ary I Omar indray alina. Rehefa nifanontany ny antony ivoahany izy tsirairay avy dia samy namaly hoe: "ny hanoanana".117

Nanjary nanankarena tao anatin'ny taona nifandimby ireo mpanaradia azy, saika ny ankamaroany, kanefa izy sy ny fianakaviany dia tsy niova ny fomba fiainanay. I Fatima zanany hany velona izay ihany no manatanteraka ny asa ao antokatrano ho an'ny fianakaviany. Indray andro ehefa nozaraina tao Medina ny babo tamin'ny ady dia mba nangataka tamindrainy izy raha mahazo maka mpanompo vavy iray. Ary hoy ny navaliny:

"Ry zanako vavy, tsy afaka manome na inona na inona anao aho raha tsy mbola afa-po ny vahoakan'I Suffa. Na izany aza, mamela ahy ianao hampianatra zavatra tsara noho ny mpanompo vavy anao. Alohan'ny hatorianao dia avereno in 33 bt gie "voninahitra ho an'Andriamanitra!", "Dera ho an'Andriamanitra" ary "Lehibe indrindra Andriamanitra" [Araka ny hadita hafa dia tsy maintsy averina in34 ny filazana farany]. Tsara hoan'ny fiainan-koavinao izany".118

Indray andro izy hitany nametraka firavaka tamin'ny tànany ary hoy izy nananatra azy: "Tianao va ny ilazan'ny mponin'ny tany sy ny lanitra fa mitondra rojon'ny afobe ny zanako avy?".119

Niaritra ny fampijaliana teto antany ny irak'Andriamanitra ankoatry ny tsy nandraisany valisoan'izao tontolo izao. Matetika izy no nianjera sy niosim-bovoka tamin'ny tany ary I Fatima ihany no namonjy azy. Indray andro raha nisy nikapoka tao Ka‛ba izy dia I Abou Bakr no namonjy azy sy nibedy ireo nahavanon-doza: "Hamono io lehilahy io va ianareo satria izy miteny hoe "Andriamanitra no Tompoko"".120


[85] Un jour, l’un des élèves d’Avicenne lui dit que, grâce à sa compréhension et son intelligence extraordinaire, il pourrait prétendre être prophète et rassembler autour de lui beaucoup d’adeptes. Avicenne resta silencieux. Le temps s’écoula, puis un hiver, ils entreprirent un long voyage. Avicenne se réveilla à l’aube, et réveilla son élève pour lui demander d’aller lui apporter un peu d’eau. L’élève avança quelques excuses pour s’éviter une telle peine. Avicenne avait beau insister, l’élève ne quittait pas son lit chaud et douillet. Juste à ce moment-là, on entendit l’appel à la prière: Dieu le plus Grand... J’atteste qu’il n’y a de dieu que Dieu. J’atteste que Mohammed est le Messager de Dieu... Avicenne profita de cette opportunité pour enfin répondre à la question de son élève: Te rappelles-tu quand tu m’as encouragé à proclamer ma Prophétie et qu’ainsi beaucoup de gens me suivraient? Considère donc cela: tu as été mon élève pendant des années et tu as profité de mes leçons, mais tu n’es même pas capable de quitter ton lit douillet pour m’apporter un peu d’eau à boire. Or cet homme, qui nous appelle à la prière comme d’autres l’ont fait depuis 400 ans, suit le (vrai) Prophète. Il a quitté son lit bien chaud, comme il fait tous les matins avec des centaines de milliers d’autres, est monté jusqu’au haut du minaret, et a proclamé l’unité de Dieu et la qualité de Messager de Mohammed. Maintenant, comprends-tu ma position vis-à-vis de celle du Prophète? (Tr.)

[86] Cette comparaison a été inventée par égard à la soumission du Prophète à la Révélation. Il accomplissait tout ce qui lui était ordonné de faire par la Révélation.

[87] Qadi Iyad, Shifa’ al-Sharif, 1:105; Bukhari, “Anbiya’,” 54;Muslim, “Jihad,” 105.

[88] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 3:153.

[89] Ibn Hisham, Sira, 4:48; Ibn Hanbal, 3:160; Ibn Hajar, Al-Isaba, 4:116.

[90] Haythami, Majma‘ az-Zawa’id, 7:100-1.

[91v Bukhari, “Maghazi,” 21; Ibn Hisham, Sira, 3:76-77.

[92] Hakim, Mustadrak, 3:241-43; Ibn Hajar, Al-Isaba, 2:496.

[93] Ibn Hanbal, 1:159; Haythami, 8:302-3. Notes 443

[94] Ibn Hisham, Sira, 2:73.

[95] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 5:120-21.

[96] Ibid., 4:272.

[97] Ibid., 4:273.

[98] Ibid., 4:271.

[99] Ibid., 3:104.

[100] Ibid., 3:105.

[101] Muslim, “Jana’iz,” 62-67.

[102] Bukhari, “Bad’u al-Wahy,” 6.

[103] Ibid.

[104] Ibid.

[105] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 5:324.

[106] Bukhari, “‘Ilm,” 7:1; Ibn Hanbal, 1:243.

[107] Ibn Hanbal, 5:256-57.

[108] Muslim, “Fadha’il as-Sahaba,” 131.

[109] Ibn Hisham, Sira, 163-64.

[110] Sa‘id Hawwa, Ar-Rasul, 1:9. Pour une version différente, voir Ibn Hajar, Al-Isaba, 2:307.

[111] ‘Ali al-Qari, Al-Asrar al-Marfu‘a, 286.

[112] Bukhari, “Tahajjud,”6; Muslim, “Munafiqin,” 81.

[113] Ibn Kathir, Tafsir, 2:164.

[114] Muslim, “Salat,” 221-2; Abu Dawud, “Salat,” 148; “Witr,” 5.

[115] Muslim, “Talaq,” 31.

[116] Abu Nu‘aym, Hilya, 7:107; Hindi, Kanz al-‘Ummal, 1:199.

[117] Muslim, “Ashriba,” 140.

[118] Bukhari, “Fadha’il as-Sahaba,” 9.

[119] Nasa’i, “Zinat,” 39.

[120] Bukhari, “ Fadha’il as-Sahaba,” 5; Ibn Hanbal, 2:205.