Ny Fahamarinana

Ny fahamarinana no tena ivon'ny faminaniana. Tsy handrenesan-dainga na oviana na oviana amin'izy ireo, na famitahana. Hoy ny CORAN: "Ary hoy ny boky momba an'I Abrahama. Olona tena marina ary Mpaminany (19:4); ary voalaza ao amin'ny boky koa I Ismaela. Olona mitana ny teny nomeny izy ary mpitondra hafatra sy Mpaminany (14:54), ary voalaza ao koa I Idris [Enoch]; Olo-marina sy Mpaminany izy. Ary hasandratsika amin'ny laharana avo indrindra (19:56-57). Hita ao amin'ny CORAN koa fa nisy naman'ny gadra iray nilaza tamin'ny Mpaminany Josefa hoe: "O! ry Josefa, olo-marina ianao!" (12:46).

Tsy maintsy nomena fahamarinana ny Mpaminany satria tian'Andriamanitra ho marina ny olona rehetra, marina sy midera: "Ry mpino, matahora an'Andriamanitra ary miaraha amin'ny fahamarinana (9:199); Ny tena mpino dia ireo izay mino an'Andriamanitra ihany sy ireo mpitondra ny hafany, avy eo tsy misalasala ary miady amin'ny vatany sy ny fananany eny andalan'Andriamanitra. Izany no olo-marina (49:15). Hoy ny CORAN mikasika ny mpino tsy miahiahy manatanteraka ny teny nomeny ao amin'ny andininy hafa:

"Anisan'ireo mpino izy, lehilahy marina amin'ny fanompoany an'Andriamanitra. Efa tapitrohatra ny sasany amin'izy ireo [ary manjary maritiora] ary ny hafa miandry ny fiverenany; ary tsy misy ovany ny andraikitra noraisiny" (33:23).

Io andininy io no nanome voninahitra ireo maherifon'ny adin'ny Ouhoud izay anisan'ny nahatonga kion-dalana lehibe teo amin'ny tantaran'ny finoana silamo. Taorian'ny naharesen'ireo mpitarika qoraïchite tamin'ny ady tao Badr dia taona maro nifandimby no namolavolana fanomezan-tsiny ny finoana silamo tsy nisy fitsaharany. Teo am-pototry ny tendrombohitra Ouhoud, kilometatra vitsivitsy avy eo Médine no natao ny fihaonana. Nandresy voalohany ny silamo ary nandositra ny Qoraïchite. Tamin'io fotoan-dehibe io dia niala tamin'ny toerana nametrahan'ny Mpaminany azy ireo mpitifitra amin'ny zanatsipika mba hanenjika ny fahavalo.noararaotin'I Khalid ibn Walid, mpitaritafiky ny fahavalo mitaingin-tsoavaly izany mba hanodidinana ny silamo avy any afara. Vokatr'izany dia tsy maintsy nifindra toerana ny silamo. Lasa maritiory tamin'izany ny olona goavana toandr'I Haruza, Mus‛alo ibn ‛Umayr, Abd Allah ibn Jahsh sy ny Anas ibn Nadhr. Na dia ny Mpaminany aza naratra.

Voamarika teny an-dalana fa nandritra ny ady, ny irak'Andriamanitra, mpaminan'ny famelankeloka sy ny fiantrana, nalefa ho famonjena ny voary, dia nanangana ny tanany nankany an-danitra ary ny fahavalo: "Ry Andriamanitra, avelao ny heloky ny vahoakako fa tsy fantany izay ataony"1.

I anas ibn Nadhr diadadatoan'I Anas ibn Malik, ilay mpanampy ny irak'Andriamanitra. Na dia olo-mahatoky ny Mpaminany tao ‛Aqabah aza izy alohan'ny hifindra tany Médine noho ny anton-javatra, tsy mba nandray anjara tamin'ny ady tany Badr. Nalahelo izy tamin'izany ary hoy izy tamin'ny Mpaminany: "Ry irak'Andriamanitra, raha mbola avelan'Andriamanitra hifanehatra aminy indray isika dia hahita ny fijaliana hampihariko aminy izy ireo" niady tamin-kerim-po izy tany Ouhoud, indrindra fa teo amin'ny fotoana niaretan'ny silamo ny valin-kafatra. Alohakelin'ny tamimpitsikiana: "Henoko avy amin'Andriamanitra avy eto afaran'I Ouhoud ny fofon'ny paradisa".

Nidera y maritiry ny CORAN ao amin'ny andininy (33:23), izy ireo no nameno ny asany teo antrehan'Andriamanitra hatramin'ny Mpaminany nifandimby, sy ireo hafa miandry ny maritiry hampiseho fa olona mitana ny teniny izy ireo. Tsy izy irery ihany no deraina eto fa ny fiderana dia hoan'ireo izay mitana ny teniny sy ny fampanantenana nataony koa.

Fantatra tamin'ny fahamarinany talohan'ny finoana silamo ny irak'Andriamanitra. Ny monin'I La Mecque, eny fa na dia ireo tsy mpino aza dia miantso azy hoe "Al-Amin" (Ilay mendri-pitokisana sy marina). Na dia ny fahavalony aza tsy nilaza azy ho mpandainga talohan'ny naha Mpaminany azy. Ohatra, nanambaran'I Soufyan Abou ny Amperoran'I Byzance fa tsy mandainga na oviana na oviana izy. Taitran'ny zavatra nambaran'I Abou Soufyan izay tena mpanenjika ny Mpaminany fatratra ny Amperora ka nahatsapa ny havitr'I Mohammed: "Tsy marina raha olona tsy nandainga nandritry ny fiainany manontolo no hanarona lainga mifanohitra amin'Andriamanitra"2. Marina ny azy. Ahoana no hahatonga ny mpino handainga tampotampoka eo kanefa tsy nandainga na oviana na oviana izy teo amin'ny fiainany, hanohitra an' va izy kanefa efa mikasika ny faha 40 taonany ary efa manakaiky azy ny fasana?

Nilaza avokoa ny mponin'I La Mecque fa olo-marina ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra. Indray andro alohan'ny hiadihany ho silamo dia nanontany an'I ‛Ammar zanany lahy izay halehany I Yasir. Nilaza ilay io fa ho any amin'I Mohammed. Nahatoky izany valinteniny izany ny rainy fa tsy haninona na haninona ny zanany satria ho naman'I Mohammed, ary hoy indray I Yasir: "Lehilahy marina I Mohammed. Fantatry ny mponin'I La Mecque tsara izany. Tsy maintsy milaza ny marina izy raha te-ho Mpaminany satria tsy mbola nisy olona naheno azy nandainga".

Namporisika ny fanaovana ny marina hatrany ny irak'Andriamanitra araka ny hita ao amin'ny teniny tanterin'ireto hadita ireto:

- ampanantenao zavatra enina (6) aho ary hampanantenaiko anao ny paradia: milaza ny marina, tanteraho ny voadinao, tanteraho ny andraikitrao rehefa hanan-kinan-javatra ianao, aoka hadio mandrakariva, aza mijery izay tsy manaradalana ary aza manao izay voarara.3

- Ajanony izay mampiahiahy anao ary ataovy izay azo antoka. Manome fahafaham-po ny fahamarinana ary maha velona ahiahy ny lainga.4

- Lazao ny mairna na mahasorena anao aza.5

- Mba marina mandrakariva satria mitondra mankamin'ny fanajana ny fivavahan'ny fahamarinana ary ny fanajana ny fivaahana mitondra mankany amin'ny paradisa. Raha marina sy mitady ny fahamarinana mandrakariva ianao dia hosoran'Andriamanitra araka izany. Aza mandainga na oviana na oviana fa ny lainga mitondra mankamin'ny fahasiahana ary ny fahasiahana mitondra mankany amin'ny helo. Raha mikiry handainga sy mikatsaka ny famitahana ianao dia ho soratan'Andriamanitra araka izany koa.

Noho ny fahamarinany no nahatonga ny Mpaminany ho amin'ny laharana manakaiky an'Andriamanitra ary ambaran'ny andininy toy izao ao amin'ny CORAN matetika: "Avy eo nanakaiky izy ary nidina ambanimbany kokoa ary nanakaiky indray" (53:8-9).

Mitondra ny famonjena hatrany ny fahamarinana na dia mety hahafaty aza. Tsy maty afa tsy indray mandeha amin'ny fahamarinana kanefa fahafatesana avokoa ny lainga rehetra. Ohatra iray tena manazava izany ny nahazo an'I Ka‛b ibn Malik, poeta malaza Ausari izay nahatoky ny Mpaminany tao ‛Aqabah. Na dia tikony handray anjara tamin'ny ady aza izy dia tsy tonga tamin'ny raharaha miaramila, tsy nisy fialantsiny akory.

Sarotra dia sarotra ny ady tao Tabouk. Tao antin'ny fahavaratra tanteraka no nanaovana azy ary niadiana tamin'ny Ampira Romanina. Matetika no ataon'ny Mpaminany tsiliantsofina ny toerana hotafihina kanefa nolazainy izany tamin'ity indray mitoraka ity ary nirina handray anjara avokoa ny mpino rehetra. Tafahomana tsara I Ka‛b kanefa tamin'ny minitra farany dia tsy nanaraka ny tafika simalo izy. Rehefa tafaverina avy any an'ady ny Mpaminany dia nanontany antony tsy nandrain'ireo izay nijanona najara tamin'izany. Nitady fialantsikny sy nandainga ireo mpiatsaraivelatsihy fa milaza ny marina kosa I Ka‛b fa tsy mahay mandainga. Namoaka azy hiverina avy eo ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra. Taorian'izany dia tsy nanoina ny antson'ny Mpaminany I Ka‛b sy ireo mpino roa nanao toa azy. Tsy nisy silamo niresaka sy niteny azy ireo intsony. Nanambara ny fahadisoany teo imasombahoaka izy ireo ary nangataka ny famelana azy tamin'Andriamanitra nandritry ny 50 andro. Nipoitra taorian'izai izao andininy izao:

"Ary noraisiny ny alahelon'izy telo lahy izay nijanona tany afara, nifintina teo anatrehan'izy ireo ny tany midadasika, nahatsiaro tena ho teritery amin'ny maha olona azy izy ireo ary nihevitra fa tsy misy fialofana hafa ankoatra ny eo akaikin'Andriamanitra. Avy eo nekeny ny fitarainan'izy ireo mba hierina aminy indray satria Andriamanitra dia mpandray ireo mibebaka, mpamindra fo izy. (9:118)

Hoy I Ka‛b ibn Malik tamin'ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra taorian'io fambara io: "Mampanantena aho fa hilaza ny marina araka izay nianako".7

Ny fahamarinana no andry fototry ny faminaniana. Tsy misy hafa tsy izany satria raha mandainga ny Mpaminany dia mikorontana ambony ambany ny fivavahana sy izay mifamatotra aminy. Lainga indray maka fotsiny dia mety handiso ny asa fanompoana manontolo. Noho izany dia hoy Andriamanitra:

"Ary rehefa nanao ny teny izay nomeny anay uzy, nataonay tao amin'ny tanan-kavanana izany ary ataonay mamakivaky ny fonareo. Ary tsy misy aminareo hahasolo azy". (6a:44-47)

Tsy mbola nandainga na tsy nanantanteraka ny teny nomeny na oviana na oviana ny Mpaminany, na taoriana na nandritry ny faminaniany. Hoy ny mpianany iray:

"Nifanome fotoana izahay talohan'ny faminaniany. Telo andro lasa anefa aho vao nahatsiaro izany. Rehefa niazakazaka namonjy ny toerana nifanomezana aho dia nahita ilay Mpaminany tsy ho ela niandry ahy. Hoy fotsiny izy: "Ry tanora fanajy, miahiahy ahy ianao. Niandry anao teto nandritry ny telo andro aho".8

Ny sasan-tsasany amin'ireo faminaniany (Certaines de ses prédictions)

Ny olon'izao tontolo izao dia afaka mandrafitra ny fahamarinany amin'ny tsy fahafan'ireo mpifanandrina aminy maneho ny singa hanoherany azy. Kanefa kosa raha ny amin'ny Mpaminany izay mitondra ny lamina avy amin'Andriamanitra iraisan'ny rehetra, miandry zavatra ankoatra izany ny olona. Naniry fanazavana sy fitsipika ho an'ny rehetra izy ireo: ny teologia, ny lalàna, ny sosiolojia, ny psikolojia, ny ekonomia sy ny tantara, sy ny sisa. Ankoatra izany, mila mpaminany marina amin'ireo toe-javatra ireo izy ireo.

Ny fanazavan'ny irak'Andriamanitra mikasika ny teologia (ny tena maha Andriamanitra an'Andriamanitra, ny andraikitra sy ny anaran'Andriamanitra) dia tsy voatohitry ny filozofa sy ny manampahaizana ara-pivavahana. Tsy afaka manao izany izy ireo fa mandalina sy miezaka hahita ny fahamarinana avy aminy fotsiny. Ankoatra izany, nandinika lafin-kevitra ambony dia amony toy ny faniriana sy ny fahafahana tamin'ny fomba tena mandresy lahatra sy tsy azo lavina ny mpaminany.

Izay nolazainy mikasika ny firenena teo aloha sy ny Mpaminany teo aloha dia nohamafisin'ny fikarohana ara-tantara sy ireo teny voasoratra taloha. Na dia tsy mahay namaky teny sy nanoratra aza izy ka tsy mba afaka namaky teny sy nobeazin'ny mpanabe, dia nametraka lamina voasaina sy tena marina ary tena ampiarina ary tena fantatr'ireo tantara nifandimby. Ny fombam-piainana silamo nafototra tamin'iro lamina io dia azon'ny ankamaroan'ny olombelona nigohana fahasambarana nandritry ny taonjato maro. Noho izany, ny finoana sy ny lamim-piainana izay nambara taminy dia mbola manome zavatsoa ho an'ny hoavintsika amin'ny ankapobeny. Ny tontolo ho sambatra rahampitso dia naorina tamin'io fotokevitra io.

Amin'ireo faminaniana anjatony nataony izay efa tanteraka ny ankamaroany dia tiako ny maneho ampahany amin'izany etoana mba hanehoana aminareo ny fahamarinany.

Nolazain'I Omar fa indray andro rehefa avy nivavaka maraina ny Mpaminany dia nipetraka teo amin'ny toerana voatokana ho azy ka nitantara zavatra maro nanomboka tamin'ny fahariana izao tontolo izao ka hatramin'ny andro farany. Voalazany ny zava-niseho efa lasa sy izay ho avy amin'ny olombelona hatramin'io andro io. Ireo faminaniany ireo dia maneho fa Andriamanitra no mpanabe azy, ilay mahalala ny zava-drehetra, ary tsy nanambara afa tsy izay nambara taminy izy. Alohan'ny hanomezana ohatra miavaka dia hanazava lafin-javatra mikasitra ny fahafantarana ny tsy azo fantarina aloha isika.

Fahafantarana Ny Tsy Fantatra

Ny hevitra hoe tsy azo fantarina dia ny mihoatra ny faritra azon'ny fandrenesana sy ny metafizika, hatramin'ny metakosmika. Amin'izany dikany izany dia tsy ny dikany mahazatra intsony no dikan'ny lasa sy ny ho avy, ao antin'ny tsy fantatra izy ireo rehefa tsy ahitana fanamarihana azo antoka milaza azy. Amin'ny heviny akaiky ny tsy azo fantarina dia mahakasika ny ho avy ihany. Amin'io heviny faharoa io no tiako lilazana ity andininy milaza ny fahitana ara-paminaniana manaraka ity.

Andriamanitra no mahalala ny tsy fantatra voalohany indrindra. Hoy ny voalazan'ny CORAN:

"Izy no tompon'ny fanalahidin'ny tsy hay fantarina. Tsy misy afa tsy izy ihany no mahafantatra izany. Ary izy no mahafantatra ny mihidy ao anaty tany sy ny any amin'ny ranomasina. Tsy misy ravina latsaka tsy fantany. Ary tsy misy voa ao anatin'ny haizin'ny tany, na maina na mbola tsara izay tsy voalaza ao anatin'ny boky masina. (6:59)

Hoy izy: "Tsy nilaza aminareo aho manana ny tahirin'Andriamanitra aho na mahafantatra ny miafina, ary tsy milaza aminareo ho anjely koa. Tsy manao afa tsy manaraka izay nambara tamiko aho".

"Moa va toy ny jamba ny mahiratra? tsy mandinika va ianareo? (6:50).

"Tsy manana tombontsoa na fahavoazana aho, afa tsy izay irin'Andriamanitra; ary raha mahalala ny miafina aho dia manan-karena ary tsy ho voakasiky ny ratsy sy ny fahavoazana. Tsy iza aho fa ny mpananatra sy mpilaza ho an'ny olona izay mino ihany fotsiny (7:188).

Midika izany fa tsy misy na iza na iza mety hahazo anjara kely amin'io fahalalana io? ho dinihantsika ireto hevitra manaraka ireto mba hahafahana mamaly izany fanontaninana izany:

- Iza rehetra ananantsika (fahasalamana, fananana, fahefana, sns…) dia avy amin'Andriamanitra avokoa. Tsy manam-pahefana afa tsy izay nomeny antsika isika, na fahalalana afa tsy izay nampianarina antsika izay navelany nianarantsika. Toy izany koa ny namelany antsika hahita sy handre; izany no manamarina fa tsy manilika tanteraka ny fahafan'ny olombelona hahafantatra io andininy io, raha avelan'Andriamanitra ho fantatra ny ampahany amin'ny miafina.

- Ny foto-kevitry ny miafina dia mifamatotra amin'ny lasa sy ny ho avy. Ambaran'ny CORAN ho ao amin'ny faritry ny tsy azo fantarina ny tantara efa lasan'ny firenena. Ny fikarohana ara-tantara no mampahalala antsika ny lasa.

- Maro ny olona afaka mamantatra ny ho avy amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, mahita ny ho avy ao antin'ny nofiny na amin'ny fomba hafa mihoatra nyzavatra ambarantsika.

- Zavatra azo tsapain-tànana tahaka ny tontolo sy ny olombelona ny CORAN satria ny andininy tsirairay ao aminy dia mifamatotra akaiky amin'ny andininy hafa. noho izany ny afaka mandika voalohany ny CORAN dia ny CORAN ihany; midika izany fa miankina amin'ny fahazoana ny andininy hafa mifamatotra aminy no ahazoana ny andininy iray.

Fototra lehibe iorenan'ny finoana no ambara ao amin'io andininy voalaza io dia ny fahalalana ny miafina, toy ny fahefana, ny fahitana sy ny fandrenesana izay avy amin'Andriamanitra. Na dia izany aza dia nomeny ampahany amin'io fahalalana io ny iraka nofidiany:"Izy no mahafantatra ny misitery; tsy ambarany amin'iza na iza afa tsy izay ekeny ho mpitondra hafatra sy ihalohavan'ny mpiambina mailo ny misiteriny" (72:26-27)

Nanambara zava-miafina maro tamin'ny mpitondra ny hafany Andriamanitra, nomeny ny fireneny izay ilainy ho fantatra. Mihoatra ny 300 ny uisan'ny faminaniany hita ao amin'ny bokin'ny hadita ary mizara vondrona telo: izay nitranga tamin'ny androny, ny zava-niseho taorian'ny fahafatesany sy ny fanazavana saro-takarina raha tsy amin'ny fanazavana entin'ny fandrosoana ara-tsiansa.

Faminaniana mifanaraka tamin'ny fotoana niainany (Prédictions relatives à sa propre époque)

- Toy izay taterin'ny bokin'ny hadita tena marina, ao anatin'izany ry Sahih al-Bukhari, rehefa nitoriteny teo amin'ny toerana voatokana ho azy ny mpaminany dia namaly malalaka ny fanontaniana napetraky ny mpino rehetra avy eo. Nanontany azy tamina anton-javatra maro izy ireo avy eo nanontany azy izay rainy ny tovolahy iray antsoina hoe Abd Allah; tena nahazo vahana ny filazana tsy marina talohan'ny vanim-potoanan'ny silamo, misy milaza fai Hudhafa as-Sahmi izay nantsoiny ho ray no rainy. Nilaza taminy ny Mpaminany fa rainy tokoa i Hudhafa as-Sahmi. Afaka tamin'io filazana tsy marina io I Abd Allah ka nahazo aina ary nanomboka teo dia nantsoina hoe "Abd Allah ibn ibn Hudhafa as-Sahmi". Nitohy nametraka fanontaniana mandrapahitan'I Omar ny tsy fahafaliana teny amin'ny irak'Andriamanitra ny olona 9, nitsangana izy ka niteny hoe: "Afapo izahay manana an'Andriamanitra tomponay sy manana ny finoana silamo ho fivavahanay ary manana an'I Mohammed mpitondra hafatra ho anay". Nampahazo aina ny Mpaminany izany ka nidina ny toerana voatokana Sahih Muslim toy izao I Omar: alohan'ny tsy anombohan'ny adin'I Badr dia nihodidina tamin'ny sahan'ny ady ny mpama ary nanamarika toerana sasantsasany ka niteny hoe: "Hovonoina eto I Abou Jahl, etsy I Utba, ery I Chaïba ary eroa I Walid"; Amin'ny anaran'Andriamanitra, hitanay teo amin'ny toerana notondroiny ny vatana mangatsiakan'izy ireo.11

- Milaza toy izao I Ahmad ibn Hambal: "Nipetraka niaraka tamin'ireo mpiaradia aminy tao amin'ny trano fivavahany ny irak'Andriamanitra indray andro. Hoy izy tamin'izy ireo: "Ao anatin'ny minitra vitsy dia hisy olona hiditra amin'ny endrika mamirapiratra. Io no iray amin'ireo olona tsara indrindran'I Ymen ary hisy dia tanan'anjely eo amin'ny andriny". Niditra ilay lehilahy fotoana fohy taorian'izay ary nandohalika teo anoloan'ny Mpaminany ary nanambara ny fiovany. I Jarir ibn Abd Allah al-Bajali io.12

- Nitantara I Bayhaqi ao amin'ny "Dala'il an-Nubuwwah" ny: "Nanaiky ny finoana silamo I Abou Soufyan tamin'ny fanafihany an'I La Mecque kanefa mbola tsy nifantoka tsara tao am-pony ny finoana. Nisy hevitra nipoitra tao antsain'I Abou Soufyan nandritry ny fanatanterahan'ny Mpaminany ny fihodinana ny Ka‛ba fanaony: "Hanontany izay niseho aho raha manangana tafika vaovao mna hifanandrinana amin'ity lehilahy ity indray"13. Raha mbola niheritreritra izany izy dia nanatona azy ny Mpaminany ary niteny taminy hoe: "Raha manao izany ianao dia mbola ho resen'Andriamanitra"13. Nanamafy ny finoan'I Abou Soufyan izany ka nangataka ny famelana avy amin'Andriamanitra izy;nahatsapa izy ny farany fa toroin'Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra hevitra ny irak'Andriamanitra.

Toy izao no voalaza ao amin'ny bokin'ny Adita, Umaïr ibn Wahls fantatra amin'ny anarana hoe "olon'ny devoly" talohan'ny nivadihany izy dia niara nikomy tamin'I Safwan Umayya mba hamono ny Mpaminany. Nankany Médine izy mba hanatanteraka izany tanjona izany ary nilaza fa hivadika silamo. Nentina tao amin'ny trano fivavahana izy. Satria efa tsy mahatoky azy ny mpanaradia ny mpaminany dia nanao faribolana manodidina ny Mpaminany izy ireo. Nanontany izay antony ahatongavan'I Umaïr aty Médine ny Mpaminany. Tsy naharesy lahatra ny Mpaminany ireo lainga rehetra notenenin'I Umaïr ary hoy izy tamin'ny farany: "Satria tsy mety hilaza ny marina ianao dia ho lazaiko izany. Nifanaraka tamin'I Safwan mba hamono ahy ianao ary nomena rameva zato".

Nitazona mafy mafy tamin-tahotra ny tànan'ny Mpaminany I Umaïr rehefa voatsindrin'ny fahamarinan'izany valinteny izany ny tamim-pahagagana tanteraka, ary nivadika ho silamo avy eo. Nifantoka tanteraka tamin'ny fivaakany vaovao izy ary afaka fotoana fohy dia nantsoina hoe: "Ilay mpino tena mifantoka amin'ny finoana silamo".

Faminaniana mifanaraka amin'izay ho avy tsy ho ela

Ny bokin'ny hadita tena marina dia ahitana faminaniana 300 izay tsy maintsy ho avy aorian'ny fahafatesan'ny Mpaminany. Vitsivitsy amin'ireo ihany no ho tanisaintsika:

- Hoy I Bukhari sy Muslim araka ny voalazan'I Usama:

"Niaraka tamin'ny Mpaminany tamin'ny Mpaminany teo ambonin'ny tafon-trano lehibe iray aho indray andro tany Médine. Hoy izy rehefa nijery ny manodidina: "Mahita vanim-potoanan'ny ady anaty hipatrapatraka toy ny rano mitete eo ambonin'ny tranonareo aho".15

Tena natahotra I Omar fa mety hitranga ao amin'ny fiarahamonin'ny silamo ny korontana sy ny fisaraham-bazana.

Indray andro tao anatin'ny fanjakany dia nanontany an'I Hudhayy ibn al-Yaman izay nametrahan'ny Mpaminany zava-miafina maro indrindra fa ny zava-hiseho amin'ny ho avy sy ny famantarana ny mpihatsaravalatsihy izy mikasika ny korontana sy ny fisaraham-bazana. Hoy ny navalin'I Hudhayfa: "Ry Omar, tsy miankina aminao izany! misy varavarana manaraka azy ireo sy ianao" Nangataka I Omar raha nivoha ny varavarana na rotidrotika. Rehefa nilaza I Hudhayfa fa rotidrotika izy, dia tezitra I Omar sady niteny hoe: "Tsy azo akatona intsony izany ny varavarana!". I Omar no varavarana manelanelana ny silamo sy ny fisaraham-bazana.16 Raha nofitahin'ny andevon'I Persa izy ka notsatohany antsy dia nidiran-doza ny vondrom-piaraha-monina silamo. Nanomboka tamin'io andro io dia niaina tao anatin'ny korontana sy ny fisaraham-bazana ny fiaraha-monin'ny silamo.

- Mitantara an'I Aratt I Bukhari sy I Abn Dawud: "Nandritry ny fotoanan'ny korontana sy nyfifamonoana tao La Mecque, dia nitady ny irak'Andriamanitra nipetraka teo amin'ny aloky ny ka‛ba aho. Mbola andevo aho tamin'io fotoana io ary nogejain'ny mponin'ny La Mecque fatratra. Satria tsy afaka manao aho dia nangataka taminy mba hangataka amin'Andriamanitra fanampiana sy famonjena ho anay. Kanefa nijery ahy izy ary niteny hoe:

"Mbola ho ataon'Andriamanitra miharitra mafy noho izao ny fiaraha-monina silamo. Ho terena hitsotra ao anaty lavaka ny olona ary ho tapatapahina amin'ny antsy ao. Tsy hampiova azy amin'ny finoany anefaizany. Ho endahina velona ny hodiny fa tsy hihemotra izy manoloana ny fahavalo.

Tsy maintsy ho toavin'Andriamanitra io fivavahana io fa mahareta ianao. Hoavy ny andro ahafahan'ny vehivavy handeha irery hatrany San‛Andriamanitra ka hatrany Hadramawt tsy amin-tahotra afa tsy ny olon-dia. Na izany aza, mahareta ianao."

Hoy I Khabbab mamarana azy: "Nataon'Andriamanitra tanteraka avokoa izay voalazan'ny Mpaminany tamin'io andro io"17

- Nandritry ny aretiny farany dia niantso an'I Fatima zanany vavy teo andohafandriany ny Mpaminany. Nisento zavatra vitsivitsy taminy izy ary nitomany ilay zanany avy eo.

Avy eo naveriny taminy izany. Nampiseho hafaliana lehibe indray ilay zanany teto. Nahita izany rehetra izany I Aïcha ka nanontany an'I Fatima. Hoy nynavaliny: "Zavamiafin'ny irak'Andriamanitra izany". Notantarain'I Fatima taminy anefa izany taorian'ny nahafatesan'ny Mpaminany: "Nilaza tamiko fa ho faty izy tamin'ny voalohany noho io aretina io, izany no nampitomany ahy. Avy eo rehefa niteny tamiko izy fa izaho no voalohany hanaraka azy amin'ny fianakaviany aorian'ny fahafatesany dia faly aho".18 Maty tamin'io aretina io ny Mpaminany ary nanaraka azy Fatima enim-bolana taty aoriana".19

- Ao amin'ny ankamaroan'ireo hadita tena marina enina (6) dia hita ao ny nandraisan'ny Mpaminany ny zanany lahy kely, I Hassan teo an-tratrany ary nitenenany hoe: "Hanankaja lehibe ny taranaky ny zanako lahy. Antenaina fa hampihavana vondrom-piaraha-monina silamo (2) noho izy Andriamanitra"20. tena nanjary olona ambony I Hassa,. 35 taona taorian'io fotoana io dia niala tamin'ny maha kalifa azy izy ary nanome ny toerana ho an'I Mu‛awiya, manamafy ny fahamarinan'ny raibeny koa izany.

- Nemetraka ny tànany teo an-dohan'I Allah ibn Busr ny irak'Andriamanitra indray andro sady niteny hoe: "Ho velona mandritry ny 100 taona ity zaza lahy ity ary nanjavona ireo aretin-koditra amin'ny tarehiny ireo"21. velona 100 taona I Abd Allah ary tsy nahitana aretin-koditra intsony teny amin'ny tarehiny.

- Hita ao amin'ny tantaram-piainan'ny Mpaminany sy saika ao amin'ny hadita manontolo fa: hanao adivory manodidina an'I Médine ny silamo mandritry ny adin'ny "Fossé". Nandray anjara tamin'io asa io ny Mpaminany ary nivavaka hoan'ireo mpanaradia azy matetika toy izao izy mba hankaherezana azy ireo: "Ry Andriamanitra, raha tsy amin'ny fanampiana sy ny voninahitrao dia tsy ho afaka hahita ny làla-mahitsy izahay, tsy ho afaka hanome fanomezana sy hivavaka. Ampidino aminay noho izany ny fahatoniana ary hamafiso ny tongotray rehefa mifanatrika amin'ny fahavalo…!"23 [valintenin'ny mpanaradia azy]. "Ry Andriamanitra, tsy misy fiainana marina afa tsy ny any ankoatra, avelao ny aloky ny mpamonjy voina sy ny mpifindra monina (Ny Ansârs sy ny Mouhâdjirs)"22 (vavaky ny Mpaminany). Ary nipoitra ny vato lehibe rehefa nandavaka iry ireo. Miantso ny Mpaminany izy ireo rehefa tsy nahazaka izany. Tonga niaraka tamin'ny fanoitra izy ary nahapotipotika izany. Mirehitr'afo ny kapoka rehetra ary nilaza fanafihana hafa noho ny hafefan'Andriamanitra izany: "Nomena ahy ny fanalahidin'I Persa; nomena ahy ny fanalahidin'I Byzance; nomena ahy ny fanalahidin'I Yemen, sns…"24.

Tao antin'ny 20 taona, nanjary tamin'ny silamo ny ampahany betsaka tamin'I Byzance sy I Persa noho ny fitarihantafika namirapiratra nataon'I Khalid ibn Walid sy Sa‛DJIHAD ibn Abi Waqqas. Voatafik'I Sultan Mehmed mpandresy, mpitarika olo-marina I Byzance afaka fotoana fohy.

- Hoy ny filazan'I ‛Adiy ibn Hatim: nitaraina ny olona indray andro teo anatrehan'ny irak'Andriamanitra noho ny fahantrana sy ny tsy fananana ary ny tsy fandriam-pahalemana any amin'ny lalana tany efitra. Hoy izy tamin'izany: "Ry Adiy, raha ho ela velona ianao dia hahita ny vehivavy handeha amin'ny rameva hatrany Hira ka hatrany Ka‛ba izay toerana hanaovany ny fivahiniana mahazatra tsy amin-tahotra afa tsy Andriamanitra ihany. Hoavy ny andro hizarana aminareo ny tahirin'I Chosroés zanak'I Hormuz (lehiben('I Persa). Ho avy ny andro hitadiavan'ny olona izay omena fanomezana ka tsy hahita olona izy" tamin'ny fotoana naminaniany izany, nanafika ny mpandeha ny olon'ny foko tayy ary niaina tamin'ny andro mamirapiratra ny fanjakan'I Persa. Ny tenako anefa no vavolombelon'ny fahatanterahan'ny faminaniana roa; ary miandry ny fahatanterahan'ny faharoa koa aho"25.

Tsy velona ela mba hahita ny fahatanterahan'ny faminaniana fahatelo I ‛Adiy. Taorian'ny fahafatesany anefa rehefa I Omar ibn Abd al-‛Aziz no kalifa dia nanjary nanankarena ny olona ary tsy nahita mahantra tsy maintsy omena fanomezana (zakât) tao amin'ny tany midadasiky ny silamo intsony. Tafakatra ambony ny fari-piainan'ny olona ary tsy nisy zara-vilana hita teo amin'ny fitsinjarana ny harena.

- nandritry ny fanorenana ny trano fiangonan'ny Mpaminany tany Médine dia niasa mafy mba namita azy haingana ny olon-drehetra anisan'izany ny Mpaminany. Namotipotika vato ny sasany ary ny sasany nitaona izany nankany amin'ny fanorenana. Nandritra izany fotoana izany no nanatonan'I ‛Ammar ibn Yasir, isan'ireo silamo voalohany ny irak'Andriamanitra mba hanintonany ny fitiavan'ny Mpaminany, hoy izy: "Ry irak'Andriamanitra, novesaran'izy ireo torchis roa aho". Nitsiky sady namafa ny vovoka tamin'ny endrik'I ‛Ammar ny irak'Andriamanitra ary niteny taminy fa ho maritiry izy: "Laza inona! sa vaovao mahafaly, hisy vondrona mpihoko hamono anao ry ‛Ammar"16. aty maritiora I ‛Ammar 40 taona taorian'ny adin'ny Siffin, maty novonoin'ny tariky ny Mu‛awiya.

- Notsinjarain'ny Mpaminany ny zara asa amin'ny ady raha nangataka izany taminy ny lehilahy mongola iray, notadiaviny hitovy ny andraikitra. Namaly toy izao tamin'io tsy fahalalam-pomba io ny irak'Andriamanitra: "Iza moa no marina fa tsy izaho ihany? raha mampiseho tsy fiangarana aho dia ho very ary resy" Amin'ny teny hafa dia hoy izy: "Raha tsy marina dia ho very sy ho resy ianareo mponina manaraka ahy"27.

Tezitra tamin'io lehilahy io I Omar noho ny fangatahany ny Mpaminany hamahavaha io fihatsarambelatsihy io. Faly anefa ny Mpaminany sady nilaza hoe: "Hiseho amin'ny ho avy ny vondron'olona be takolaka sy kely maso sady petak'orona toan'io olona io hiseho. Hitantara ny CORAN izy ireo tahaka izay ataonao, toa heverina fa manandanja. Na dia izana aza tsy hisy vokany kely aminy akory izay lazainy. Hiala amin'ny fivavahana tahakan'ny fialan'ny zanatsipika amin'ny reniny izy. Ary ankoatra izany, hisy tavy lehibe hitombo eo amin'ny sandrin'ny iray amin'izy ireo".28

Nivadibadika ny taona ary nipoitra ny vondron'olona antsoina hoe kharidjites. Nitondra ireo famantarana voalza ireo izy ary nifototra tamin'ny fadikan-diso ny CORAN ka nikomy. Nifanatitra tamin'ny kalifa Ali izy ireo ary resiny tao Nahrawan. Nentina teo amin'ny sandriny. Ankoatry ny fanamarinana ny faminanian'ny Mpaminany dia nameno ny hevitry ny faminaniana hafa koa io tor-javatra io: "Ry Ali, reraka ny nampita ny CORAN aho; hiady amin'ireo mandika azy amim-pahadisoana ianao".29

- Indray andro nandry tao amin'ny Oumm Haram hoe nahoana izy no faly ka hoy ny navaliny "Nanofy aho fa nisy vondrona mpino silamo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany toy ny mpanjaka, niondrana an-tsambo ary lasa niady".

Nangataka taminy mba ho isan'ireo vondrona ireo I Oumm Haram. Nataony izany ary hoy izy "Ho isan'izy ireo ianao".30

Nikorisa ny taona. Niady tamin'ny Chypre ny silamo nandritry ny naha kalifa an'I Mu ‛awiya. Tao anatin'ny tafika niaraka tamin'ny vadiny Ubada ibn Samit I Oumm Haram. Maty tany izy ary novangiana matetika hatramin'izao ny fasany.

Faminaniana mifandraika amin'ny ho avy mbola ho ela

- Hoy ny irak'Andriamanitra indray andro: «Rehefa hanakaiky ny fiafaran'ny fotoana [ny andro farany] dia hiseho ny taranaky ny kantura. Ho be takolaka sy kely maso ary tesak'orona izy ireo»21. Mitovy amin'ny Mongola ireo famariparitana ireo, na dia ilazana ny kharidjite sasantsasany aza indraindray. Efa matetika no naminanian'ny irak'Andriamanitra ny fisondrotan'ny Mongola sy ny fahasimban'ny finoana silamo ary ny famonoana nataon'ny tandrefana ny silamo tany Andoulsie, roa tamin'ireo zava-niseho tena nahatsiravina no tena mamotika ny firenena silamo. Shairana mandrakariva amin'ny fitadiavana izay mahasoa ny vahoakany, nampiasa faminaniana maro izy mba hamerenana amin'ny silamo fa mitarika faharavana ny fiviliana amin'ny lala-mahitsy. Nampiasa ny mpanao ratsy sy mpangeja Andriamanitra mba hanitsiana ny mpanompo mpino azy, ary avy eo handevona sy hamotika ny mpanao didijadona, mpanjakazaka.

- Efa novinanian'ny Mpaminany ny fanafihana an'i Constantinople (Isatambul ankehitriny): «Marina, ho tafihina ny tanàn'i Constantinople. Mpitaritafika sy tafika mahery no hanao izany".32

Ny fanentanana no manampy ny Mpaminany amin'ny fiderana, hatramin'ny andron'I Mu‛awiya dia efa maro ireo mpitari-tolona nitady ny hevitra hanafiana io tanàna io. Nandritry ny iray tamin'ireo ady ireo no nahafaty maritiora an'I Abou Ayyub al-Ausari, mpanaradia mahafatrapo iray ary nalevina teo akaikin'io tanàna io.

Azon'I Ottoman Mehmed ihany I Constantinople tamin'ny farany.

Ankoatra io mpitaritolona malaza io dia nahavita be tamin'ny fakana io tanàana io koa I Hasan d'Ulubat sy I Kadi Hizir Çelebi mpiara-nianatra taminy sy I Ak Shamsaddin mpanabe azy. Ny iray tamin'izy ireo nisahana ny tafika ary ny hafa nisahana ny fanabeazana ara-pinoana sy ara-tsiansa. Ny fiderana ny Mpaminany dia samy nataon'izy rehetra.

- Efa tsinjon'ny Mpaminany ny antony lehibe haharava ny fanjakana Ottoman sy ny fiainana hampalahelon'ny silamo taorian'ny ady lehibe voalohany: "Hifampiantso tahaka ny olona mifanasa hisakafo hamely anareo ny firenena maro". Ary hoy ny hafa nanontany: "Hoavy va izany satria vitsy anisa izahay?" Hoy ny navalin'ny Mpaminany: "Tsia, ho maro anisa ianareo kanefa tsy hanankery toy ny tapakazo entin'ny riaka. Hoalan'Andriamanitra ao am-pon'ny fahavalonareo ny fahatahorana anareo ary hamboleny ao aminareo ny tahotra ny fahafatesana sy ny firaketana amin'ny tany".33

Tanteraka io faminaniana io nandritry ny ady lehibe voalohany ary namaritra izao toe-javatra mahazo antsika ankehitriny izao koa. Nisamatsamaka maro isika hanefa ny fahavalontsika mikatsaka firaisankina fatratra amin'ny fifotorana amin'ny tombontsoan'izy samy izy.

Natahotra antsika izy taloha satria noheverintsika ho toy ny efitrano fampakarambady ny vatapaty; tahaka ny zavatra iriana fatratra.

Ankehitriny kosa isika mifantoka loatra amin'ity tontolo ity ary mitady izay fomba rehetra handosirana ny fahafatesana na dia fantatsika aza fa sarotra izany. Niharan'ny famadihana koa isika. Tratran'ny fivadiham-pitokisana I Othman sy Ali ary nanjavona ny fanjakana Ottoman nahafinaritra, lasa fanomezana hoan'ireo olona lian-drà eto amin'ity tany ity. Niharan'ny famadihan'ireo firenena mpanaradia sy tsy niady taminy kely akory izy tamin'ny ady tamin'ny fanjakana "Ottoman".

- Efa novinanian'ny irak'Andriamanitra tao amin'ny hadita notanterin'I Omar ny fisehon'ny kominisma. Rehefa nijery niantsinanana izy dia nilaza hoe: "Tandremo, hoavy avy amin'itsy ila tany itsy ny fikoroqtanam-panjakana sy ny fifanonganana, ary avy ao no hanomboka ny vanim-potoanan'I Satana".34

Mihosina amin'ny ateisma sy ny hedoisma ny taonan'I Satana ary vanim-potoanan'ny Mpaminany kosa dia niorina amin'ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny kominisma sy kapitalisma vokany mahatsiravina dia mankahery ny fanoherana ny fivavahana sy ny fiantrana ary ny soa toaina moraly nentin-drazana, ao amin'ny hadita hafa dia nilaza ny Mpaminany fa hipoitra toy ny rivotra mena ny kominisma".

- Hoy ny irak'Andriamanitra indray andro: "Ho maina I Efrata ary hahatana tahirim-bolamena ao ambaniny. Na iza na iza vavolombelona mahita izany aminareo dia aza mikasika izany akory"35. Manaporofo ny ady lehibe nitranga manamorona an'I Efrata io hadita io. Na dia efa nahitana ady maro toy ny tany Iran sy Iraq aza io renirano io dia manambara ihany koa ny hisian'ny herisetra mahatsiravina amin'ny ho avy. Azo takarina amin'ny ara-keviny na ara-bakiteny io hadita io. Ohatra, lazaina ho toy ny "volamena mainty" ny solitany. Mety ho ny rano mihintsy koa no hanjary mamirapiratra toy ny volamena ary hahatonga adim-paritra na ady iraisam-pirenena; na ny tombontsoa azo avy amin'ny tohadrano amin'io renirano io no hisarika ny firenena hafa ka hahatonga ady lehibe. Mampitandrina antsika amin'ny lafiny rehetra ny irak'Andriamanitra fa ny faritr'I Efrata dia toy ny vanja milevina ao am-pon'ny silamo.

- Nanamafy ny irak'Andriamanitra fa ny kristianisma dia voadio tamin'ireo zavatry ny tsy finoana nindraminy ary nanaraka ny silamo, nanamafy ny fivavahana amin'Andriamanitra 36. Ho kion-dàlana lehibe eo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona izany, ary amin'ny fotoana nandraisan'ny fahavalo ny mpino dia nandresy sy hamotipotika ny solontenan'ny tsy mpino izy ireo.

- Efa novinanian'ny irak'Andriamanitra fa ny fivoaran'ny fambolena sy ny fiompiana, sy ny fivelaran'ny siansa sy tekinika dia hahafahan'ny mpiasa tany grenedy ary ny iray amin'izany dia ampy hanala ny ain'olona roapolo, ary hampanjombona ny olona ny potipotiny. Efa novinaniany koa fa ny varimbazaha ambolena amin'ny toerana kely noho ny lavarangana amin'ny trano dia ho ampy ho sakafon'ny fianakaviana iray ao anatin'ny taona.37 Tanteraka izany noho ny fahatongavan'ny bioteknologia sy ny zenetika.

- Fariparitan'ny irak'Andriamanitra ao amin'ny hadita iray ny fiafaranny fotoana: "Alohan'ny andro farany, hifampiarahaba avokoa ny olona, hitondra vola betsaka ny varotra ary hanampy ny vadiny amin'izany ny vhivavy, tsy ho voatsidika intsony noho izany ny Ray aman-dreny sy ny fianakaviana, hisolo ny fahamarinana ny porofo tsy marina sy ny vavolombelona mandainga ary hahazo ahana ny soratra".38

Nipoitra izany rehetra izany. Ny varotra no tena lahasa hahazoam-bola ankehitriny ary atao fitaovana amin'ny dokam-barotra hampisehoana vokatra samihafa ny vehivavy mba hisarihana mpividy. Tsy raharahiana intsony ny zon'ny Ray aman-dreny sy ny fianakaviana fa rehefa antitra izy dia aterina any amin'ny trano fitaizana be antitra. Tsy azo ihodivirana ny herin'ny haino aman-jery manarapenitra ary miparitaka ny lainga fa vitsy ny mahatohitra azy. Marina amin'ny lafiny rehetra izany, hatrany amin'ny varotra ka hatrany amin'ny fanaovana vavolombelona tsy marina amin'ny fitsarana.

- Miteny an'Andriamanitra ny Mpaminany ao amin'ny hadita "qudsi": "Ataoko azon'ny olona rehetra ny fahalalana amin'ny fotoana farany, na ny lahy na ny vavy, olon'afaka na andevo, antitra na tanora"39. Vokatr'izany, tsy ho ela dia ho afaka hanovo fanabeazana any an-tsekoly avokoa ny olon-drehetra, ny oniversite sy ny haino aman-jery. Manampahaizana sy siantifika maro no milaza fa ny ho "vanimpotoanan'ny vaovao" ny fotoana manaraka.

- Hoy ny irak'Andriamanitra ao amin'ny hadita iray tena marina: "Tsy ho avy ny andro farany raha tsy efa lasa fitaovana mahamenatra ny CORAN ary raha tsy efa lany hery sy tsy misy hery mandrava azy intsony ny finoana silamo".40

Azontsika jerena ny fahamarinan'izany faminaniana izany. Nanndritry ny taonjato iray izay dia ampijaliana ny silamo na dia ao amin'ny taniny aza. Ny mpino andriamanin-kafa sy ny tsy mpino anefa dia mahazo manely hatraiza ny tsy finoany, ny silamo no lasibatry ny fitenenan-dratsy, herisetra ara-bava na an-tsoratra, ara-batana koa aza. Voatery manafina ny finoany ny siolamo ary manjary miahiahy be mihintsy amin'ny fanehoany ampahibemaso ny finoany.

- Efa novinanian'ny Mpaminany ny fandrosoan'ny fifandraisana sy ny fitaterana. Hoy ny tohin'io hadita efa voalaza io: "Tsy ho avy ny ora farany raha tsy efa nihena ny elenelan-tany sy ny elanelam-potoana". Adikako hoe "miena" ny teny hoe "taqarub"41. Midika izany fa "mifanatona ny tsirairay" ary ny zavatra nandaniany fotoana maro tany aloha duia ho ataony ao anatin'ny fotoana foy monja alohan'ny andro farany.

Ankoatry ny faminaniany ny fitaterana sy ny fifandraisana manarapenitra dia milaza io hadita io fa mivoatra ny fotoana. Ho lasa toy ny atody tsikelikely ny tany ary mety hiteraka fiovan'ny fizaran-taona sy ny fotoana izany. Amin'ny fotoana voalazan'ny hadita dia fantatsika fa manana endrika samy hafa ny fotoana (fizarany, halavany, fikahiana azy, ny faharetany ao anaty na manodidina ny tany rehetra, sns). Raha afaka miala amin'io lamin'ny masoandro io ny zanal'olombelona dia hiova tanteraka ny fiheverana ny fotoana ankehitriny. Raha atao amin'ny teny foy dia nanambara zavatra maro ny irak'Andriamanitra ary efa tanteraka ny sasany amin'ireny ankehitriny ary milaza zaatra ara-tsiansa maro izy.

- Naminany toy izao koa ny irak'Andriamanitra: "Ho avy ny andro izay hiainan'ny olon-drehetra amin'ny faharavana, ho vovoka izay afa-miala amin'izany"42. Manazava ny heviny amin'ny toe-javatra roa manana ny maha izy azy ny Mpaminany:

· Hoavy ny fotoana hitondran'ny varotra ara-panjakana tombontsoa (faharavana). Tsy misy na iza na iza afa hiala amin'izany. Na dia ireo tsy nanao varotra mifototra amin'ny tombontsoa manokana aza, tsy tomponandraikitra tamin'ny tombotsoa azony akory dia mampiasa izany tsy an-tsitrapo, eny fa na dia manao izay ialana amin'izany aza.

· Te-hilaza angamba ny irak'Andriamanitra amin'ny fomba fiteny hoe: "haseho amin'ny vovony" hoe, hiseho ny vondrona kapilista ary hampitombo ny hareny amin'ny tombotsoa azony, izany no hampitontongana hatrany ny vondrona antonontonony ho any amin'ny fahantrana mihamahatsiravina hatrany. Hisy adin-tsaranga mafotaka vokatr'izany.

Tanteraka avokoa ny faminaniana rehetra. Mampalahelo fa ao anatin'ny endrika tsy tokony ho izy ny finoana silamo satria difotra ao anaty onaonan'ny faharavana izy na dia teo aza ny fananaran'ny CORAN fa na iza na iza mandray anjara amin'ny varotra mifototra amin'ny fitadiavana tombotsoa manokana dia "handray ny ady voalazan'ny Mpaminany sy Andriamanitra"(2:279). Raha nisaina tsara io fanambaran'ny CORAN io ny silamo dia tsy ho latsaka amin'izao toerana mampalahelo izao;

- Amin'ity hadita manaraka ity dia nilaza ny endrika mampalahelo eo amin'ny silamo ankehitriny ny irak'Andriamanitra: "Hoavy ny fotoana hiafenan'ny mpino tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy ankehitriny"43. Tamin'ny andron'ny Mpaminany dia niparitaka ny mpihatsaravelatsihy rehefa nandray anjara tamin'ny fanehoana ny fivavahana mahazatra tety ivelany. Araka ny voalazan'io hadita io dia niafina ny silamo ary nanao ny fivavahana mahazatra azy miafina. Voalaza ao amin'ity hadita hafa iray ity koa izany: "Hitranga ny fisarahambazana sy ny fahadisoan-dàlana. Ho menatra ny silamo iray manatanteraka ny fivavahana tokony hataony, ho menatra toy ny vehivavy avy nijangajanga".

- Efa novinavinain'ny Mpaminany ao amin'ny fitantarana iray hafa ny fahitana ny solitany ao Taleqan (any Iran): "Hisy vaovao mahafaly any Taleqan satria ho hita ao ny tahirin'Andriamanitra tsy vola anefa na volamena"44. Taloha ny antsoina hoe tahiry dia vola na volamena. Izany no nanamarinan'ny irak'Andriamanitra fa zaatra hafa ny tahiry ao Taleqan. Ankehitriny raha vao miresaka tahiry dia solitany avy hatrany no tonga ao an-tsaina. Na dia izany aza dia te-hilaza ny vatosoa sy ny uranioma koa izy. Niseho ny faminaniana raha izany no izy satria harena maro no hita ao anaty sy manodidina an'I Taleqan.

- Indro faminanian'ny Mpaminany hafa: "Hanara dia ireo izay nialoha làlana anareo ianareo na dia miditra any an-davaky ny androngo aza izy, hanao toa azy ianareo".

Nanontany azy ny mpianany raha midika izany fa ny Jody sy ny kristianina no nialoha làlana azy ireo ary hoy ny navaliny: "Iza no ankoatra azy hafa?"45. Niharitra olana mikasika izay hiavahany ny silamo nandritry ny taonjato roa. Naka tahaka an-hambany ny tandrefana izy ireo ary nandray hadalana izy te-handrava sy hamotika ny fombam-piainana teo aloha.

Faminaniana ny fandrosoana ara-tsiansa

Nanao faminaniana maro mikasika ny fandrosoana ara-tsiansa koa ny Mpaminany ary efa tanteraka ny maro tamin'ireny. Hitantara ohatra vitsivitsy amin'ireo anarivony aho mba hanazavana ny fahamarinan'izany.

· Nilaza toy izao ny irak'Andriamanitra araka ny voalazan'i Bukhari: «Tsy nandefa aretina tsy ahitam-panafody Andriamanitra».46 Mamporisika ny fikarohana medikaly io hadita io ankoatry ny fanamafisany fa azo sitranina ny aretina rehetra. Ao amin'ny hadita hafa dia milaza ny irak'Andriamanitra fa «misy fanafody natokana hoan'ny aretina tsirairay».47

Hoy ny filazana hafa «Aza atao atsirambina ny fitsaboana ny aretinareo satria Andriamanitra tsy nanao aretina tsy nandefasany fanafody. Ny fahanterana ihany no miavaka».48 Afaka mahita fanafody ho an'ny aretina rehetra ny zanak'olombelona kanefa tsy afaka manakana ny saina amaneritreritra hankamin'ny zavatra azo tsapain-tànana fotsiny ary tsy afaka mankana antsika tsy hoany am-paradisa na ny helo amin'ny fandalovana any ambohoka, ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahanterana, ny fasana sy ny fitranganan-kovelona. Mamporisika antsika hianatra hanasitrana ny Mpaminany kanefa manentana antsika tsy hanao ambanin-javatra ny fikarakarana ny any ankoatra koa.

Mamporisika antsika hanaraka ny fikarohana siantifika Andriamanitra amin'ny fitanterany ny zava-mahagaga vitan'ny Mpaminany. Nampahatonga saina ny olon'ny siansa izany ary mampiseho ny fetran'ny faniriany ihany koa. Tamin'ny famelany an'I Jesoa hamelona nymaty no anehoan'Andriamanitra fa afaka manasitrana afatsy ny fahafatesana isika.

Ny tantaran'ny tehin'I Moizy dia mampiseho amintsika fa afa mampiasa ny zavatra tsy manan'aina ho amin'ny tanjona isan-karazany isika, toy ny fahazahoana ny rano any ambanin'ny tany amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana tsotra toy ny tehana. Na dia izany aza tsy afaka mampitsory rano ny vatolampy amin'ny fikapohana azy amin'ny tehana isika na hanolo bibilava ny tehana izay zavatra roa natao hoan'I Moizy ihany.

Ny CORAN no tena zava-mahagagan'ny Mpaminany Mohammed ary manamarika ny fetran'ny fandresen-dahatra amin'ny fombafombam-panoratana tratran'ny zanak'olombelona. Manambara izany fa ny soratra sy ny andro farany. Nampiseho ohatra ireo Mpaminany ary hitantsika ny fetran'ny fandrosoantsika ara-materialy sy ara-panahy.

· Manoro hevitra ny hiaretana efapolo andro amin'ny fanombohan'ny areti-mifindra ny Mpaminany: "Raha mandre ianareo fa misy pesta any ho any, aza miditra any; ary raha tonga ao amin'ny toerana misy anareo ny pesta, aza miala ao handositra azy"49. Hoy koa izy araka ny voalazan'I Ahmad ibn Hanbal: "Andosiro tahaka ny andosiranareo ny liona ny boka".50

Milaza amintsika ny tokony hiarovan-tena amin'ny habokana ny irak'Andriamanitra amin'io hadita io. Eto ny 40 andro dia heverina ho fiarovana ny fiparitahan'ny habokana.

· Milaza I Imam Muslim ao amin'ny Sahih ny fa hoy ny mpitondra ny hafatr'Andriamanitra: "Raha lelafin'ny alika ny lovianareo dia diovy impito izany, amin'ny tany ny voalohany ary amin'ny rano ny 6 farany".51

Ahitana ireo foto-kevitra medikaly mikasika ny bakteria ireto io hadita io:

- Mety mitondra otrik'aretina izay mety hifindra amin'ny olombelona ny alika. Hitan'ny olon'ny siansa vao tsy ela akory izany.

- Misy zavatra mety hanimba ny fahasalaman'ny olombelona ao amin'ny ivin'alika.

- Mbola tsy fantatra tamin'ny andron'ny Mpaminany ny famonoana mikraoba sy ny fanalefahana. Na izany aza dia nanoro hevitra ny anasana ny lovia voalelaky ny alika amin'ny tany ny Mpaminany. Ankehitriny dia fantatsika fa ody fery tsara ny tany izay ahitana zavatra toy ny "tétracycline" ao aminy.

Maneho ny hevitra ifotoran'ny ekolojia ny Mpaminany ao amin'ny hadita iray mikasika ny alika ihany: "Raha tsy maneho fiarahamonina hafa ny alika, nodidiako ny hamonoana azy"52. Miditra izany fa ny karazan-javatra rehetra dia ilaina aminy lamina ekolojia.

- Araka izay lazaina ao amin'ny "Sahin al-Tirmidhi sy Abou Dawoud dia nanambara toy izao ny mpitondra hafatr'Andriamanitra:

- "Ny tso-dranon'ny sakafo dia mifototra amin'ny fanasana ny tànana aloha sy aorian'ny sakafo"53. manitsikitsika ny maha zava-dehibe ny fahadiovana io hadita io. Arakaraka ny hampiasantsika ny tànana no mampiangona ny mikroba ka mety tsy ho faty intsony raha tsy sasana ny tànana. Mandrisika antsika hanasa tànana izy raha vao mifoha ao amin'ny hadita iray satria: "Tsy fantatrareo izay nahazo ny tànanareo tao am-patoriana"54. Tsy nisy olona nahafantatra ny mikasika izay mikraoba anefa tamin'izany fotoana izany.

- Tahaka izay tanterin'ireo mpanaradia azy 40 ao anatin'ny hadita tena marina dia nametraka ny foto-kevi-pikojakojana ny nify ny irak'Andriamanitra: "Raha tsy natahorako ho enta-mavesatra hoan'ny fiarahamoniko dia nodidiko hanadio ny nifiny amin'ny miswak (hazo voajanahary) alohan'ny fivavahana 5 tsirairay izy"55. Zava-dehibe ny fanadiovana ny nify.

- Nanao izany ny Mpaminany tsy maintsy manao toy izany koa isika.

- Mandidy toy izao ny irak'Andriamanitra mikasika ny fahasalamana sy ny fandevonan-kanina: "Atokany hoan'ny sakafo ny iray am-pahatelon'ny vavoninareo rehefa misakafo ianareo, ny ampahatelony hafa hoan'ny zava-pisotro ary avelao tsy hisy na inona na inona ny sisa rehetra. Ankahalain'Andriamanitra ny vavony feno tanteraka".56 Ao amin'ny hadita iray mitovy amin'io dia hoy izy: "Ny tena atahorako hoan'ny fiarahamoniko dia ny be kibo, be torimaso, kamo sy tsy ampy fahamalinana".57

Na ireo zavatra tsirairay ireo nifanao aloha sy aoriana na nifampiatso. Izay kamo sy tsy mba miahiahy, tsy mahafehitena sy tsy mahay mitsara tena dia ho lehibe foana. Manentana azy tsy hahalala voky izany. Mampatory ny vavony feno loatra ary mahatonga ny olona ho be torimaso. Ny olona izay misakafo diso tafahoatra sy matory lava ary dia tsy hanana hafamarinana velively sy ny faharesen-dahatra lalina amin'ny finoana silamo. Toy izany ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao.

- Ity misy hadita iray mifamatotra amin'ny fahasalamana koa: "Tsaboy amin'ny "khôl" ny masonareo satria manome sakafo ny maso sy ny volomaso izy io"58. Maro ireo mitsabo no manamafy fa mahavita izany tokoa ny "khôl". Zavatra iray nasain'ny Mpaminany ampiasaina amin'ny fahasalamana koa ny "henné" (karazan-kazo) noho izy mampihena ny fianaky ny mikraoba sy mahatsara ny hoditra.59 Antibiotika sy mpanalefaka tena tsara ny "henné" ary tena mahomby noho ny ioda.

- Nitantara tamin'Houraïra I Bukhari fa hoy ny irak'Andriamanitra indray andro: "Ny voana nigela dia misy fanafody mahasitrana ny aretina rehetra hafa tsy ny fahafatesana"60. Tena marina io hadita io amin'ny fitsaboana. Ny marary dia mila sakafo be protida indrindra fa mandritry ny fotoana mamparary azy, mila vitamina sy sakafo mitondra hery koa ary mora levonina izy ireo. Ny fikarohana siantifika dia naneho vao tsy ela akory fa ahitana ireo toetra rehetra ireo ao amin'ny voana nigela.

- Hoy I Bukhari tamin'ny mpitondra hafatr'Andriamanitra: Raha misy lalitra latsaka eo amin'ny lovianareo dia lenteho tanteraka ao anaty sakafonareo izy alohan'ny analana azy. Misy aretina ao amin'ny elany iray ary misy fanafody ao amin'ny elany iray"61. Tsy nisy nahafantatra tamin'izany fotoana izany fa mitondra mikraoba ny lalitra dia avelany aty ivelany ny elany iray fa tsy ao anaty sakafo daholo mba ahafahany manidina avy eo. Ary mamela otrikaretina ao amin'ny sakafo izy avy eo. Rehefa alentika anefa izy dia vaky ny kitapokely hita ao amin'ny elany hafa ary manaparitaka zavatra mamono mikraoba izay mamono ny bakteria navelany. Fikarohana vao tsy ela akory io.

- Mitantara I Aïcha fa indray andro nangaaka tamin'ny Mpaminany I Fatima bint Khubash: "Ry irak'Andriamanitra, tsy mitsahatra mikoriana ny rako, tsy maintsy handao ny vavaka fanao va aho?" ary hoy ny navaliny: "Tsia, tsy azo atao izany, satria ny fadim-bolana izany fikorinandrà tsy mijanona"62. Raha tsy avy amin'ny faminaniany, ahoana no ahafahany manavaka ny fadim-bolana amin'ny fikorianan-drà tsy mijanona (aretina).

- Hoy ny fitantaran'I Tariq ibn Suwayed: "Narary aho ary nampiasa ny alkola ho fanafody. Satria tsy azo nampiasaina ny alkola ka nangataka tamin'ny Mpaminany aho raha mbola afaka mampiasa azy ho fanafody. Ary hoy izy: "Tsia, satria tsy fanafody io fa aretina ihany koa"63. Maro ny olon'ny siansa no mitovy hevitra fa na dia lakola kely fotsiny aza dia manimba ny fahasalamana ara-moraly sy ara-batana.

- Nanambara ny irak'Andriamanitra fa nisy zavatra 10 ilain'ny lehilahy ary nodidian'ny Mpaminany izany. Ny famorana no iray amin'ireny. Manampahaizana ara-tsiansa maro no milaza ankehitsiny fa ny loa tsitsy amin'ny lehilahy dia mora mitarika aretina hatramin'ny homamiadana. Vokatr'izany dia foraina ny olona maro any Afrika sy any Eropa.

Resy lahatra isika fa hahatsapa ny fahamarinan'ny finoana silamo ny tandrefana indray andro any ary ho tanteraka ny faminanian'I Saïd Nursi tamin'ny fanombohan'ny taon-jato faha XX hoe: "Lehibe noho ny fanjakana tandrefana ny fanjakana Ottoman toy ny maha lehibe ny fanjakana tandrefana noho ny fanjakana silamo. Hametraka eto antany izay antony eo antratrany izy roa ireo".65

Manazava ny fahamarinan'ny Mpaminany izahay hatramin'izao ary manasongadina ny an'ny Mpaminany Mohammed. Averinay indray fa ny faminanian'ny Mpaminany dia tanteraka avokoa satria tsy mandainga na oviana na oviana izy. Tonga mba hitantana antsika ho amin'ny lala-mahitsy izy hitarika antsika ho any am-paradisa izy. Raha mandainga izy na dia indray maka monja aza dia tsy ho afaka hitarika ny olona ho amin'ny fahamarinana. Ary ny fahamarinany, indrindra fa ny an'ny Mpaminany Mohammed dia toy ny masoandro ao amin'ny mandrakizay ka ho hitan'ny olona ao avokoa ny zava-drehetra. Izay ambaranay eto dia mahakasika ny fiainan-koavy, ny fitsanganan-kovelona, ny toerana hivoriana, ny andron'ny fitsarana, ny tetezana, ny paradisa sy ny helo.

 


[1] Muslim, "Jihad," 101; Bukhari, "Anbiya'," 54.

[2] Bukhari, Bad'u al-Wahy, 6.

[3] Ibn Hanbal, 5:323.

[4] Tirmidhi, "Qiyamah," 60; Ibn Hanbal, 1:200.

[5] Hindi, Kanz al-'Ummal, 3:344.

[6] Bukhari, "Adab," 69; Muslim, "Birr," 105; Abu Dawud, "Adab," 80.

[7] Bukhari, "Maghazi," 79; Muslim, "Tawba," 53.

[8] Abu Dawud, "Adab," 82.

[9] Il n'est pas dit précisément pourquoi le Prophète était en colère. Cependant, nous pouvons proposer plusieurs explications: certaines questions contenaient peut-être des choses inconvenantes ou qui semblaient inutiles, ou bien peut-être avait-il perçu des doutes dans leurs coeurs concernant son savoir et aurait donc voulu qu'ils cessent.

[10] Bukhari, al-'Ilm, 28-29.

[11] Muslim, "Janna," 76, 77.

[12] Ibn Hanbal, 4:360-64.

[13] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:348; Bayhaqi, Dala'il al-Nubuwwa, 5:102.

[14] Ibn Hajar, Al-Isaba fi Tamyiz as-Sahaba, 3:36.

[15] Bukhari, "Fadha'il al-Madina," 8; Muslim, "Fitan," 9.

[16] Bukhari, "Sawm," 3; "Fitan,", 17; Muslim, "Fitan," 27.

[17] Bukhari, "Manaqib," 22; Abu Dawud, "Jihad," 97.

[18] Ibn Maja, "Jana'iz," 65; Muslim, "Fadha'il as-Sahaba," 15; Ibn Hanbal, 3:197.

[19] La mort du Messager de Dieu toucha Fatima si profondément qu'elle exprima sa peine dans ces quelques vers: De quoi d'autre aurait besoin celui qui a senti la terre de la tombe de Mohammed? Aurait-on jamais besoin de quoi que ce soit d'autre? J'ai été frappée par de tels malheurs que s'ils étaient tombés sur des jours, Ils se seraient transformés en nuits!

[20] Bukhari, "Sulh," 9, "Fitan," 20; Ibn Hanbal, 5:49.

[21] Haythami, Majma' az-Zawa'id, 9:404-5.

[22] Bukhari, "al-Maghazi," 29, Hadith numéro 4100; Muslim, "Jihad," 127.

[23] Bukhari, "Maghazi," 29, Hadith numéro 4105; Muslim, "Jihad," 123, 124, 125.

[24] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 4:116; Ibn Hanbal, 4:303; Ibn Hisham, Sira, 3:230.

[25] Bukhari, "Manaqib," 25.

[26] Bukhari, "Salat," 63; Muslim, "Fitan," 70, 72, 73; Ibn Hanbal, 12: 161, 164.

[27] Bukhari, "Adab," 95; Muslim, "Zakat," 142; Ibn Hanbal, 3:56.

[28] Bukhari, "Adab," 95; Muslim, "Zakat," 142; Ibn Hanbal, 1:356.

[29] Ibn Hanbal, 3:82. Notes 441

[30] Bukhari, "Jihad," 3:8; Muslim, "'Imara," 160-61.

[31] Bukhari, "Jihad," 95, 96; Abu Dawud, "Malahim," 10; Ibn Maja, "Fitan," 36; Ibn Hanbal, 5:40, 45.

[32] Hakim, Mustadrak, 4:422; Ibn Hanbal, 4:335.

[33] Abu Dawud, "Malahim," 5; Ibn Hanbal, 5:278.

[34] Bukhari, "Fitan," 16; Muslim, "Fitan," 45; Ibn Hanbal, 2:50, 72.

[35] Bukhari, "Fitan," 24; Muslim, "Fitan," 30; Abu Dawud, "Malahim," 12:13.

[36] Muslim, "Iman," 244-47.

[37] Muslim, "Fitan," 110; Tirmidhi, "Fitan," 59; Ibn Hanbal, 4:182.

[38] Ibn Hanbal, 1:407, 408; Hakim, Mustadrak, 4:98, 448.

[39] Darimi, Muqaddima, 27.

[40] Hindi, Kanz al-'Ummal, 14:244.

[41] Haythami, Majma' az-Zawa'id, 7:324.

[42] Ibn Maja, "Tijara," 58; Ibn Hanbal, 2:494; Nasa'i, "Buyu'," 2.

[43] Hindi, Kanz al-'Ummal, 11:176.

[44] Ibid., 14:591.

[45] Muslim, "'Ilm," 6; Bukhari, "Anbiya'," 50.

[46] Bukhari, "Tib," 1.

[47] Abu Dawud, "Tib," 10; Muslim, "Salam," 69.

[48] Tirmidhi, "Tib," 2; Ibn Maja, "Tib," 1; Ibn Hanbal, 4:278.

[49] Bukhari, "Tib," 30; Muslim, "Salam," 98.

[50] Bukhari, "Tib," 19; Ibn Hanbal, 2:443.

[51] Muslim, "Tahara," 91.

[52] Abu Dawud, "Adahi," 21; Ibn Maja, "Sayd," 2; Ibn Hanbal, 4:85.

[53] Abu Dawud, "At'ima," 11; Tirmidhi, ""At'ima, 39; Ibn Hanbal, 5:441.

[54] Muslim, "Tahara," 87; Abu Dawud, "Tahara," 49; Tirmidhi, "Tahara," 19.

[55] Bukhari, "Jumu'a," 8; Muslim, "Tahara," 42; Abu Dawud, "Tahara," 25; Tirmidhi, "Tahara," 18; Nasa'i, "Tahara," 6; Ibn Maja, "Tahara," 7; Ibn Hanbal, 1:80.

[56] Tirmidhi, "Zuhd," 47; Ibn Hanbal, 4:132.

[57] Hindi, Kanz al-'Ummal, 3:460.

[58] Abu Dawud, "Tib," 14; Tirmidhi, "Tib," 9.

[59] Ibn Maja, "Tib," 29; Tirmidhi, "Tib," 13.

[60] Bukhari, "Tib," 7; Muslim, "Salam, "88.

[61] Bukhari, "Bad'u al-Khalq," 17; Tib, 58; Abu Dawud, "At'ima," 48.

[62] Bukhari, "Wudhu'," 63; Muslim, "Hayd," 62; Abu Dawud, "Tahara," 109.

[63] Muslim, "Ashriba," 12; Ibn Maja, "Tib," 27.

[64] Muslim, "Tahara," 49; Abu Dawud, "Tahara," 27.

[65] Said Nursi, Tarikhca Hayat (Biographie), 56.

 

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.