Ny tsy fetezan-koresy

Ny tsy fetezan-koresy dia toetra ilain'ny Mpaminany. Ny teny arao adika hoe "tsy fetezan-koresy" eto dia "isma" izay midika hoe arovana, vonjena na ampiana. Endrika maro no isehoany ao amin'ny CORAN. Ohatra, rehefa nangataka ny zanany hiditra tao amin'ny sambo fiarany I Noé tamin'ny tondradrano dia namaly izy hoe: "Andeha hitady fialofana any antendrombohitra izay hiaro ahy amin'ny rano aho". Ary hoy I Noé taminy: "Tsy misy mpiaro hanohitra ny didin'Andriamanitra ankehitriny"(11:43).

Nampiasa teny toy izao manaraka izao ny vadin'ny manamboninahitra egyptianina antsoina hoe Putiphar ao amin'ny Baiboly: "Niezaka namalifaly azy aho kanefa niaro tena fatratra izy" (12:32). Miantso ny mpino hitana mafy ny tadin'Andriamanitra ny CORAN (ny CORAN sy ny silamo) tamin'ny fampiasana io tenyio amin'ny endrika samy hafa: "Ary mamikira miaraka amin'ny "Habl" (tady) ny'Andriamanitra inareo ary aza misaratsaraka" (3:103). Hitantsika ao amin'ity andininy ity koa io teny io: "Ary ho arovan'Andriamanitra amin'ny olona ianao" (5:67). Ny tsy fetezan-koresin'ny Mpaminany dia toe-javatra mijoro izay mifototra amin'ny hevitra sy fombam-paminaniana. Antony maro no ilana io toetra io.

Voalohany, tonga mba hampita ny hafatr'Andriamanitra ny Mpaminany. Raha ampitahaintsika amin'ny tarapahazavana sy ny rano madio io hafatra io (13:17, 24:35) dia tsy maintsy madio tanteraka ihany koa ny Mpaminany (mpampita azy) sy ny arkanjely Gabriely (nitondra azy). Ny fileferana dia tsy fahadiovana, teboka mainty ao am-po. Toy ny fitaratra manjopika izay taratry ny fanambaran'Andriamanitra amin'ny olona ny fo amam-panahin'I Gabriely sy ny Mpaminany, tavoara iray tsy azon-keloka izay ahatongavan'ny olombelona hiala hetaheta amin'ny rano madio sy avy amin'Andriamanitra.

Ny tasy mainty amin'io fitaratra iodia mitroka ampahany amin'io tarapahazavana io; ranom-potaka kely fotsiny dia efa ampy hampikorontana ny rano. Noho izany, raha tsy misy ny tsy fetezan-koresy dia tsy ho afaka mampita ny hafatra ny Mpaminany, amin'ny tena maha izy azy. Kanefa dia mampita izany tanteraka manontolo izy ireo araka ny hamafisin'ny CORAN:

"Ry mpitondra hafatra, ampitao izay nampidinin'ny tomponao taminao.

Raha tsy manao izany ianao dia tsy hanambarana hafatra intsony. Ary ho arojon'Andriamanitra amin'ny olona ianao. Marina, tsy mitantana ny olona tsy mpino Andriamanitra". (5:67)

«Nomeko anareo ny finoanareo ankehitriny, ary tanteraho ao aminareo ny zava-tsoako. Ary ankasitrahiko ho fivavahanareo ny finoana silamo».(5:3)

Faharoa, nampianatrany fotokevi-pinoana sy ny fitondrantena tamin'ny vahoakany ny Mpaminany. Tsy maintsy miseho sy maneho ny fanambaran'Andriamanitra tsy ahitana fahadioana na iray aza ny Mpaminany mba ahafahan'ny olona mianatra ny finoany ao amin'ny fahamarinany ary koa araka izay azo atao mba hahafahany mahazo antoka ny fahasambarany sy ny fanambinany ao amin'ny tontolo roa. Izany no anjara asany amin'ny maha mpitaridalana sy modely ho arahina:

«Ary manana ny ao amin'ny Mpaminany ho modely tsara ho arahina ianareo, hoan'izay rehetra manantena an'Andriamanitra amin'ny andro farany sy miantso an'Andriamanitra matetika» (33:21)

«Marina, nanana an'I Abrahama ho ohatra tsara ianareo sy tamin'ireo izay niaraka taminy (…). Nanana ohatra marina tsara avy aminy ianareo, hoan'izay manatena an'Andriamanitra sy amin'ny andro farany» (60:4,6)

Tsy mahazo manao na miteny afa tsy izay voamarin'Andriamanitra ny Mpaminany. Raha afaka manao ankoatra izany izy dia tsy ho ampy na dia fanitsiana ny fiainana manontolo aza. Ohatra, tamin'ny andron'ny fitsarana dia nilaza tamin'ireo izay nangataka azy ho mpanelanelana ho any amin'I Moizy I Abrahama, nanazava izy fa tsy afaka manao ny fanelanelanana ho azy ireo satria niteny intelo tamin'ny fomba tsy mazava tsara izy tamin'ny fiainany.156 Na dia tsy fahotana aza izany dia hitohy toy izany ny fanintsiana azy any ankoatra.

Fahatelo, mandidy ny mpino hanaiky ny didy sy ny fandraran'ny Mpaminany tsy misy ankanavaka sy manipika toy izao ny CORAN: "Tsy manan-tsafidy amin'ny fomba fiasanu intsony ny mpino raha vao manapa-kevitra amin'ny zavatra izay Andriamanitra sy ny Mpaminany" (33:36). Mananatra ihany koa ny CORAN fa: "Ny teny tokan'ny mpino rehefa antsoina ho eo amin'Andriamanitra sy ny Mpaminany mba ho tsaraina izy ireo dia ny hoe: "Naheno izahay ary nino" (24:51). Ny fanekena tanteraka ny Mpaminany dia midika fa marina sy tsy azo lavina ny didiny sy ny fandrarany.

Fanomezam-pahasoavana lehibe ny faminaniana izay nitondran'ny Mpaminany rehetra fangirifiriana lalina rehefa manatanteraka ny andraiki-pisaorana an'Andriamanitra izy ireo ary niaina mandrakariva tao amin'ny ahiahy sao tsy nidera an'Andriamanitra araka ny tokony ho izy. Nitaraina matetika tamin'Andriamanitra toy izao ny Mpaminany Mohammed:

"Voninahitra ho anao, tsy afaka mahafantatra anao toy izay ilain'ny fahalalanao izahay, ary tena fantatra! voninahitra ho anao. Tsy mahay midera anao araka izay ilain'ny fiderana anao izahay, sy ilay tena deraina!"

Ny andinin'ny CORAN izay heverina ho toy ny fahadisoan'ny Mpaminany indraindray noho ny fahadisoana nataony na mampiseho ny filany famelana amin'ny tompony noho ny fahotana sasany nataony dia tsy maintsy heverina amin'io fomba fijery io. Ny teny ao amin'ny CORAN: "‛afw (famindram-po) sy "maghfira" (famelan-keloka) dia midika ho fanomezana manokana sy hatsaram-po ihany koa, famelan'Andriamanitra noho ny fanaovana tandrevaka tamin'ny asam-pivavahana ihany koa:

«(…) Raha mifady hanina ny olona sasany ka tsy miaina amin'ny fahotana, dia ho avelan'Andriamanitra heloka sy ho voavonjy» (5:3)

«(…) Raha tsy mahita rano ianao dia mandehana eo amin'ny tany madio ary ataovy eo amin'ny endrikao sy ny tànanao izany. Andriamanitra dia tena mpanadio sy mpamela heloka» (4:43)

Ary farany, zavatra samy hafa ny fahotana sy ny famelan-keloka. Ireto avy izany: tsy manaiky ny didim-pivavahana, ary ny fialantsiny amin'izany; mandà ny fomba tsara na ny fahalalam-pomba (adab), ary ny fialantsiny amin'izany. Ny karazany fahefana izay tsy fahotana dia mifatotra amin'ny tsy fanaovan-javatra sasany araka ny tokony ho izy, izay ilaina amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fanakaikezana azy. Mety ho nanao izany ny Mpaminany sasany kanefa tsy azo heverina ho fahotana izany raha amin'ny famaritana ny hevitra iombonan'io teny io.

Ny lovan-tsofina ihany koa dia manaporofo ny tsy fetezan-koresin'ny Mpaminany. Hoy Andriamanitra tamin'I Moizy: "Ary ho aparitako aminao ny fitiavana avy amiko mba ho voabe eo ambany masoko ianao (20:39). Ary satria I Moizy dia nobeazin'Andriamanitra ihany ary nomaniny hanao ny asam-paminaniana, ahoana no ahafahany hanao fahotana noho izany?

Marina hoan'ny Mpaminany hafa rehetra izany. Ohatra, hoy ny irak'Andriamanitra mikasitra an'I Jesoa: "Tsy afaka mikasika an'I Jesoa na reniny I Satana tamin'ny fahaterahany", voaaro hatramin'ny fahaterahany mandrapahatonga ny fisandratany ho amin'ny fisian'Andriamanitra I Jesoa:

"Nanao famantarana teo aminy izy [ny zaza]. Hoy izy ireo: "Ahoana no hiresahantsika amin'ny zaza eo ampandriana" kanefa hoy [ny zaza]: "Izaho no tena mpanompon'Andriamanitra. Nanome ahy ny toky izy ary nanendry aho ho Mpaminany. Na aiza na aiza misy ahy dia mitsodrano ahy izy; ary nodidiany hivavaka sy hanome fanomezana aho; ary ny hatsaram-po manoloana ny reniko. Tsy nanisy herisetre na fahavoazana tamiko izy. Ary ho amiko anie ny fiadanana amin'ny andro hahaterahako, amin'ny andro hahafatesako, amin'ny andro hitsanganako ho velona". (19: 29-33)

Narovana tamin'ny fahotana rehetra hatrany amin'ny fahaterahany toy ny Mpaminany rehetra I Jesoa. Naniry hanatrika fampakaram-bady ny irak'Andriamanitra kanefa mbola zaza fa mbola tsy Mpaminany. Kanefa isaky ny te-hamonjy izany izy dia resin-torimaso.157 Nandritry ny fahatanorany izy dia nanampy ny dadatoany nanmboatra ny ka‛ba ary nitaona vato. Nandratra ny sorona ny vato ary nanoro hevitra azy I ‛Abbas dadatoany mba hanainga ny ampahany amin'ny akanjony hanarona ny sorona mba hiarovana azy; rehefa nanao izany kelikly izy dia nainjaka ny ampahany tamin'ny vatany, nianjera teo amin'ny lamosiny izy ary nijery tsy nipi-maso. Ny anjely niseho ary niteny tamin'ny hoe: "Tsy mendrika anao izao"158 afaka fotoana fohy dia lasa niteny tamin'ny olona mba hampihatra ny fomba tsara izy ary handinika tsara ny lalàm-pitondrantena voadidin'Andriamanitra toy ny fanaronana ny fe. Rehefa vita izany dia voaaro tamin'ny fomban-drazana fanaon'ny vahoakany ny Mpaminany ho avy rehetra.

Nilaza ny irak'Andriamanitra fa ny "zanak'I Adama rehetra dia nanao fahadisoana ary diso làlana ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia ny mpanitsy làlana"159. Midika izany fa malemy isika amin'ny maha olombelona antsika, tsy midika anefa izany fa voaozona ho diso isika. Na amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra na amin'ny fiarovany manokana izay ho hazavaintsika ery ambany, na amin'ny alalan'ny fitaovana asehony mba tsy hananam-pahotana sy tsy hisy fahadisoana, na nymasina indrindra izay manoy ny asam-paminaniana aza mety ho resy amin'ny lafin-javatra sasantsasany.

Andriamanitra mahery indrindra dia mampanantena fa hiaro ny mpino izay manaiky azy ao anatin'ny fanajana tanteraka sy izay mendri-piarovana avy aminy ary mampanantena izy fa hanome azy ireo fahaiza-mitsara masina mba ahafahany manavaka ny marina sy ny diso sy ny tsara amin'ny ratsy:

«Ry mpino! Raha matahotra an'Andriamanitra ianareo dia homeny anareo ny fahafahana manavaka ny tsara amin'ny ratsy, hamafa ny fahadisoanareo ary hamela heloka anareo. Ary Andriamanitra dia manana ny fahasoavana lehibe indrindra». (8:29)

Nanao dina tamin'ny mpino Andriamanitra raha mino azy izy ireo sy miezaka ho vavolombelon'ny teniny amin'ny fanambarana ny fivavahany, hanampy azy ireo izy ary hampitoetra azy tsara ao amin'ny fivavahana ary hiaro azy amin'ny karazam-pivilianan-dalana (47:7). Io fiarovana amin'ny fahavalo sy ny fahotana io dia miankina amin'ny fanohanany ny fivavahana silamo sy ezaka ataony mba hanapariahana azy mba hiderana an'Andriamanitra tokana ary tsy misy afangaro azy ao amin'ny finoana sy nyfiderana na eo amin'ny voary sy ny fanaraha-maso izao tontolo izao. Ary hoy Andriamanitra: "Raha mitana ny andraikitrareo eo anoloako ianareo dia mitana ny ahy aho". (2:40) ary raha mamela izany ianareo dia mamela koa izahay'. (17:8)

Miaro ny mpanompo azy amin'ny fahotana amin'ny fomba maro samyhafa Andriamanitra. Ohatra, afaka mametraka sakana eny an-dàlan'izy ireo izy, mametraka "mpilaza mialoha" ao am-pony na ataony maratra ara-batana mba hahafahany tsy manao fahotana; na afaka mampiteny andinin-tsoratra masina amin'ny olonakoa izy tahaka izay tonga tamin'ny zaza lahy iray nandritryny nanjakan'I Omar.

Teny saroriny sy mandinika tokoa ilay zaza lahy tamin'ny fiderana nataony isaky ny mivavaka ao amin'ny trano fivavahana. Raiki-pitia taminy ny vehivavy iray mipetraka eo akaikin'ny làlana falehany rehefa mivavaka ary nitady hanadala azy. Na dia nandà tamin'ny fihetsiny aza izy, tonga ny andro nandehanany kely tamin'ny làlan-kizorany. Tamin'io fotoana io indrindra no nahare izao izy: "Ireo izay mampihatra ny famindram-po, rehefa mikasika azy ny hevitr'I Satana dia miverina ao an-tsainy ny [sazin'Andriamanitra]: ary indro izy fa nanjary mahita ny mazava" (7:201). Resin'ny henatra teo anatrehan'Andriamanitra ary notafihin'ny fitiavana azy noho ny fanakanany azy tsy hanao io fahotana io, dia maty izy. Rehefa nahalala izany I Omar fotoana foy taty aoriana dia namangy ny fasany ary nikiakiaka hoe: "Ary hoan'izay matahotra ny hiseho eo anoloan'Andriamanitra tompony; hisy toerana roa ao!" (55:46). Nisy feo hafa taorian'ny fahafatesana, an'ilay zaza lahy maty na an'ny anjely nanatrika namaly hoe: "Ry mpitarika ny mpino! efa nomen'Andriamanitra ahy nyr oa amin'ny voalazanao".160

Miaro ny mpanompo mahatoky azy Andriamanitra. Hoy Andriamanitra ao amin'ny hadita iray "qudsi"161

"Tsy afaka manatona ahy ny mpanompo ahy raha tsy amin'ny alalan'ny zavatra tsara eo ambany masoko toy ny fahatanterahan'ny didy nandidiako azy ireo. Ankoatra ireo didy ireo dia afaka manatona ahy amin'ny alalan'ny fiderana izy mandrapitiavako azy. Raha vantany vao tiako izy, izaho no ho sofina handrenesany, maso hijereny, tànana handraisany sy tongotra hamindrany. Raha mangata-javatra amiko izy dia homeko haingana. Raha mitady fiarovana amiko izy dia harovako".162

Mitantana ny mpanompo azy hankamin'ny tsara Andriamanitra ary miaro azy amin'ny ratsy. Manao izay tsara ny mpanompo ary miala amin'ny fanaovan-dratsy. Tsy mangataka afa tsy ny tsara amin'Andriamanitra izy ary izay angatahany dia homena azy. Mitady fialofana eo akaikin'Andriamanitra hanoherana ny ratsy izy ary miaro azy araka izay tarainany a.

Tsy mety ho resy ny Mpaminany rehetra, tsy manam-pahotana, ary miaina am-pahamarinana tanteraka. Na dia nandefa Mpaminany maro aza Andriamanitra, tsy milaza mazava afa tsy eo amin'ireny ny CORAN. Heveriko fa rariny raha tanisaina eto izy ireo araka ny tamin'I Ibrahim Haqqi, olo-masina ary manampahaizana ara-pivavahana Turc tamin'ny taonjato faha XXIII sady manam-pahaizana manokana amin'ny astrolojia sy ny anatomia:

"Mampahafantatra antsika ny 28 amin'izy ireo Andriamanitra ao amin'ny CORAN: Adama, Hénoch, Noa, Houd sy Salih, Isaac sy Ismaela izay nanao sorona hoan'Andriamanitra, Jakoba, Josefa, Shon'ayb, Lota sy Joany Batista, Zakaria sy Arona, ny rahalahin'I Moizy izay niresaka tamin'Andriamanitra, Davida, Elia sy Joba, Elisée, namana akaikin'I Jesoa izay fanahy avy amin'Andriamanitra, Dhu al-Kifl sy Jonasa izay azo antoka fa Mpaminany"

Misy olona sasany mihevitra fa zavatra tsy maintsy tadidiana ary didian'ny finoana ny fitadidiana ny anaran'ny Mpaminany;

I Mohammed tian'Andriamanitra, ilay irak'Andriamanitra no tombokavatsan'ny Mpaminany rehetra. Tsy mifanara-kevitra amin'ny faminanian'I Ezra ny manam-pahaizana maro, ny an'I Khidhr sy ny an'I Dhu al-Qarnaïn. Ny sasany mametraka azy ireo ho Mpaminany fa ny sasany milaza azy ho olo-masin'Andriamanitra.

Mampanjavona ny ahiahy:

Misy andininy sasany manome tsiny ny Mpaminany sasany na mihevitra fa afaka manota ny Mpaminany arak ny famaritana iombonana homena ny fahotana. Alohan'ny hanazavana ohatra miavaka dia ho esorintsika aloha ny fanamelohana ny Mpaminany.voalaza ao amin'ny Genesisy (19:30-38) nomamoin'ny zanany roa vavy i Lota mba hahabevohoka azy ireo. Fanalambaraka tsy hay hinoana, maloto dia maloto no natao tamin'ny Mpaminany! nopotehin'Andriamanitra ny vahoakan'I Lota (Sodoma sy Gomoro) noho ny faharatsim-pitondratenany. Na ny Baiboly aza dia milaza fa i Lota sy ny zanany vavy sisa no voavonjy noho ny finoany sy ny fahamaotinany ary ny fitondrantenany tsara. Io fahotana heverina ho nataon'i Lota io dia impiry noho ireo ratsy nataon'ny vahoaka ka namotehan'Andriamanitra azy ireo.

Ao amin'ny Genesisy (38:15-18), i Joda zanaka lahin'i Jakoba dia lazaina fa niray tamin'ny vinanto vaviny. Bevohoka taminy io vehivavy io ary niteraka kambana. Ary taranak'izy ireo ny Mpaminanin'i Israely sasany. Ny andininy faha -49:4) ao amin'ny Genesisy koa dia nilaza fa nandry tamin'ny vadin-drainy i Ruben zanak'i Jakoba (Renikelin'i Ruben).

Na ny zanaka lahin'i Jakoba izay ambaran'ny CORAN ho (zanabadiny) izay nanana fitondrantena ho ohatra arahina na ireo vadiny dia tsy mba nanao ny fomba toy izany.165 Manambara mazava tsara ny mpaminanintsika fa tsy nisy karazam-pijangajangana toy izany tamin'ireo razambeny hatrany amin'i Adama ary ny Mpaminany rehetra dia mpirahalahy avy amin'ny ray iombonana. Taranak'i Abrahama ny mpaminanintsika hatramin'i Joda sy ireo mpaminanin'i Israely. Koa nahoana no ho ny iray amin'izy ireo no ho avy amin'ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna?

Ao amin'ny boky faharoan'i Samoela (andininy faha 11) dia voalaza fa raiki-pitia tamin'ny vadin'ny mpitarika ady iray i Davida ary nanao firaisana ara-nofo taminy. Araka ny voalazan'ny Baiboly dia nalefany tamin'ny laharana voalohany tamin'ny ady ny vadin-dravehivavy mba hahafahany mamono azy ary rehefa maty izy dia novadiany ilay vehivavy.

Raha ny tena marina dia Mpaminany nandray ny soratra masina i Davida (ny Salamo) ary ankalazaina ao amin'ny CORAN noho ny fiderany lalina an'Andriamanitra:

«Hiareto izay lazain'izy ireo; ary miantsoa an'i Davida, mpanompontsika nomena hery lehibe [amin'ny fiderana] sady ary feno famelan-kelona [amin'Andriamanitra]. Nanaiky azy hiderana an'Andriamanitra maraintsy hariva ny tendrombohitra ary miaraka aminy amin'ny fiderana an'Andriamanitra ny voro-manidina. Manamafy ny fanjakany izahay ary manome azy ny fahendrena sy ny fahaiza-mitsara» (38:17-20).

Na dia mpanjaka aza izy dia niaina tamin'ny fiainana tsotra ary nivelona tamin'ny hatsembohany. Nisaintsaina lalina an'Andriamanitra izay nitomaniany fatratra izy ary nifady hanina indray andro ao anatin'ny roa andro. Nasainy nataon'ireo mparadia azy io karazam-pifadian-kanina io rehefa nangataka izy hoe inona no fifadian-kanina mendrika indrindra.167 Moa va ny Mpaminany tsy mba afaka manao firaisana ara-nofo mihintsy na oviana na oviana; na amin'ny vehivavy manambady indrindra indrindra ayr manao teti-dratsy ny hahafatesan'ny mba hahafahana manambady azy io?

Ao amin'ny bokin'ny mpanjaka voaloha (11:1-8), na dia eo aza ny didin'Andriamanitra manao hoe: "Tsy hiditra ao aminy ianareo ary izy tsy hiditra ao aminareo, raha tsy misy izany dia hanodina ny fonareo ho amin'ny andriamaniny izy", dia voameloka ho nanambady vehivavy maro avy amin'ireo firenena paianina ny Mpaminany Solomona ary nanaraka ny sampiny sy ny andriamaniny. Moa va ny Mpaminany iray afaka manao heloka lehibe noho ny fanompoan-tsampy?

Raha tsy nambara ny CORAN dia nanana ahiahy tamin'ny fahamarinana sy ny fanompoana ary ny fahamendrehana ireo mpa teo aloha isika. Nanavotra an'I Jesoa tamin'ny fanaovan'ireo mpanaraka azy ho Andriamanitra ny CORAN sy fandavan'ny vahoakany ny faminaniany ary manazava fa tsy nanana zanaka lahy na zanaka vavy Andriamanitra; nanadio ny Mpaminanin'Israely koa ny CORAN tamin'ireo lolazaina fa fahotany ao amin'ny Baiboly milaza an'I Jesoa ho fanahy avy amin'Andriamanitra nampidinina tao amin'I Maria virijiny masina ny CORAN, I Abrahama naman'Andriamanitra mahafatrapo, I Moizy niresaka tamin'Andriamanitra, I Solomona toy ny mpanjaka ary Mpaminany nivavaka tamim-panetretena hoan'ny Tompony:

«Mamela ahy ianao Andriamanitra mba hisaotra anao amin'ireo soa sesehena nomenao ahy sy ny Ray aman-dreniko ary mba hanaovako asa tsara araka ny sitraponao ary ampidiro ao amin'ny famonjenao aho,ho anisan'ireo mpanompo anao marina». (27:19)

Tsy nanompo sampy na oviana na oviana I Solomona ary tsy nanota na dia mpanjaka lehibe sy natanjaka indrindra aza izy ary tsy resy na oviana na oviana dia nijanona ho mpanompo mahantran'Andriamanitra mandrapahafatiny.

Misy filazana maro samy hafa ihany koa tsy azo ekena. Ohatra: milaza ny Baiboly fa saika hitsodrano an'I Esao, zanany lahimato ny mpa Isaaka kanefa voatsodranony tamim-pahadisoana indray I Jakoba noho ny fihodinana nampanaoviny an'I Rebeka vadiny. (Genesisy 27). Milaza koa ny Baiboly fa niady tamin'Andriamanitra izay niseho taminy tamin'ny endrik'olombelona I Jakoba (Genesisy 32:24-30).

Ohatra hoan'ny Mpaminany tsirairay:

Misy manam-pahaizana silamo vitsy anisa manambara fa afaka manao fahotana maivana ny Mpaminany (Zalla: fahadisoana na heloka maivana). Mba hanamafisana izay oalazany dia mitanisa ohatra avy amin'ny fiainan'I Adama, Noa, Abrahama sy Josefa izy ireo. Alohan'ny hirosoana amin'io lafin-javatra io dia heverintsika etoana fa samy hafa tanteraka ny famaritana ny atao hoe fahotana sy fahadiasoana. Ny fahotana dia midika hoe tsy fanekena ny didin'Andriamanitra. Rehefa tojo ny fanontaniana tsy voavaliny ny Mpaminany dia miandry ny fanambarana avy amin'Andriamanitra. Indraindray ihany izy no manapakevitra amin'ny alalan'ny sainy manokana amina toe-javatra satria izy no "moujtahid" (mpitsara faratampony afaka manatsoaka lalàna amin'ny alalan'ny foto-kevitry ny CORAN sy ny Sounna) lehibe indrindra. Mety hanam-pahadisoana izy amin'ny fanapahan-kevitra sy fitsarana nataony. Na dia izany azan y fahadisoana izay nahitsin'Andriamanitra haingana dia tsy fahotana.

Ankoatra izay dia mikatsaka mandrakariva ny fankatoavan'Andriamanitra ny Mpaminany ary nanaiky izay tsara. Amin'ny anton-javatra hafa izay tsy ahazoany ny tsara sy tsy maintsy iononany amin'izay tsara ananany dia tsy midika izany fa nanota izy. Ohatra: raha heverina fa tsy maintsy manapa-kevitra ianao na hamaky ny CORAN ao anatin'ny 10 andro na tsy maintsy manaraka ny fitandremana ilaina amin'ny andininy tsirairay avy ao na hamaky azy ao anatin'ny 7 andro mba hahafahana maneho ny fitiavana lalina ny tenin'Andriamanitra. Raha nisafidy ny voalohany ianao ka tsy nahafantatra fa ny fankatoavan'Andriamanitra dia hita kokoa ao amin'ilay faharoa dia tsy azo tsaraina ho meloka fa nahavitra fahotana. Ary ny safidin'ny Mpaminany ho amin'ny tsara kanefa lasa amin'ny metimety fotsiny dia tsy azo heverina ho fahotana. Na izany aza, noho ny toerany eo anatrehan'Andriamanitra dia afaka manome tsiny kelyazy ihany Andriamanitra.

Hohazavaintsika ny ohatra sasantsasany miaina avy amin'ny fiainan'ireo Mpaminany tsirairay avy.

Ny Mpaminany Adama:

Nonina tao amin'ny sahan'I Edena I Adama talohan'ny fiainany teto an-tany. Noraran'Andriamanitra tsy hihinana amin'ny voankazo voarara manokana izy sy I Eva vadiny. Rsy nanaiky azy tamin'izany toe-javatra izany izy ireo ka noroahina tao amin'ny sahan'I Edena ary voatery hiaina teto an-tany. Na dia tsy annaiky ny mikasika ireo voankazo voarara azan y mpandinika ny CORAN dia mazava ho azy fa ny finoana amin'ny mari-pananahana tsy mitovy izany. Nanatona an'I Adama sy Eva ny Satana sady nilaza tamin'izy ireo fa io no "hazon'ny fiainana sy ny fanjakana tsy manam-pahataperana" (20:120). Na dia fantatr'I Adama sy Eva tsara aza fa tsy maintsy maty izy dia nanam-paniriana ny ho mandrakizay amin'ny alalan'ny taranaka izy ireo satria ny faniriana dia ao amin'ny zanak'olombelona. Mety ho avy amin'izao manaraka izao koa izany:

"Rehefa avy namela azy hahita ny miafina taminy –ny fianjahana- I Satana dia niteny taminy hoe: "Nandraran'ny Tomponareo anareo io hazo io mba tsy hahatonga anareo ho toy ny anjely sy ny zavatra tsy mety maty". Ary niozonozona tamin'izy ireo izy: "Tena mpanolotsaina marina ho anareo roa aho". Ary voafitany izy ireo". Ary rehefa nanandrana ny hazo izy avy eo dia nanjary nahita ny tenany nianjaka, ary nanomboka nanakona izany tamin'ny ravin-kazon'ny paradise izy roa. Ary niantso azy ny Tompony: "Tsy efa nandrarako anareo va io hazo io? Ary tsy efa nilazako va ianareo fa fahavalo ho anareo ny devoly?" (7:20-22)

Na dia ekentsika aza fa nihinana ny voankazo voarara I Adama, ary tsy fahafenoana sy fahadisoana maivana izany dia sarotra ny hihevitra izany ho toy ny fikomiana na tsy fanekena voadinik'Andriamanitra sy noleferiny satria mitarika antsika hino izany fa mety resy ny Mpaminany. Voalohany, tsy Mpaminany I Adama raha mbola tao amin'ny saha Edena. Faharoa, io fahadisoana io dia tsy vokatry ny fanahiniana na fandikan-dalàna niniana natao fa karazana fanadinoana fotsiny. Hoy ny vor mikasika io toe-javatra io: "Efa nilaza tamin'I Adama ihany izahay tamin'ny voalohany kanefa adinony izany, ary tsy nahita fahendrena hentitra tao aminy izahay" (20:115)

Tsy isaina any ankoatra ny fahotana vita tamin'ny fanadinoana. Hoy ny Mpaminany: "Tsy ho adinina amin'ny zavatra adinony ny vahoakako, ny fahadisoana tsy nahy sy izay notoriana hataony".168 Mampianatra antsika ity vavaka ity ny CORAN: "Tompo ô! aza disoana izahay raha tonga aminay ny fanadinoana ka manao fahadisoana!". (2:286)

Tsy nisafidy ny hanao io fahadisoana io I Adama. Na dia misy mihevitra io andininy io ho toy ny tsy fahampiam-pitandreman'I Adama tamin'ny fifanarahana tamin'Andriamanitra dia tsy mamela hanao izany ny faritoe-javatra tamin'izany. Nitodi-doha tamin'Andriamanitra I Adama sy Eva taorian'ny nanaovany fahadisoana, tao anatin'ny fanintsia-mendrika ary nitalaho tamin'Andriamanitra hoe: "Ry Tomponay ô, diso izahay. Ary raha tsy mamela heloka anay sy tsy mamonjy anay ianao dia ho anisan'ireo olom-bery izahay". (7:23)

Nanana andraikitra tamin'ny fahadisoan'I Adam any fanirian-dratsy. Nataon'Andriamanitra ho solontenany ety antany izy efa talohan'ny nahariany azy sym bola tsy nametrahany azy tao amin'ny saha Edena. Mazava tsara izany ao amin'ny CORAN:

"Rehefa nahatoky ny anjely ny Tomponao: "Hanisy solontena (kalifa) eny ambonin'ny tany aho. Ary hoy izy ireo: "Hanendry iray hanisy korontana sy rà mandriaka eny va ianao rehefa hanamasina sy hanome voninahitra anao eny izahay?". Ary hoy izy: "Marina, mahafantatra izay tsy fantatrareo aho!" (2:30)

Manondro io fahamarinana io ao amin'ny hadita koa ny irak'Andriamanitra:"Nihaona tany am-paradisa I Adama sy Moizy. Hoy I Moizy tamin'I Adama: "Ianao no rain'ny zanak'olombelona kanefa ianao no nahatonga ny fandroahana anay tao am-paradisa sy ny fidinanay an-tany". Hoy ny navalin'I Adama: "Ianao no ilay nifanenan'Andriamanitra mivantana. Tsy nahita ity tany ity tao amin'ny Torah va ianao: natao nihinana io voankazo io 40 taona talohan'ny nihinanany azy I Adama?"

Rehefa avy nitatitra io fihaonana ion y irak'Andriamanitra dia nanampy in-telo hoe: "Nampangina an'I Moizy I Adama".169

Zavatra voalohany nitsapana azy alohan'ny fiainana antaniny ny fiaianana sy ny fisedrana an'I Adama fony izy tao amin'ny saha Edena. Nahomby tamin'ireo fitsapana ireo izy. Rehefa novonjena tamin'ny fotaky ny fahotana sy ny fivilian-dàlana izy dia nanjary Mpaminany ary najaina ho rain'ny Mpaminany nifandimby, anisan'izany I Mohammed sy ny olo-masina anarivony. "Nofidin'ny Tompony izy ary nankatoaviny ny fanintsiana azy sy ny fitantanana azy". (20:122)

Ny Mpaminany Noa:

Niantso ny vahoakany ho amin'ny fivavahan'Andriamanitra nandritry ny 950 taona ny Mpaminany Noa. Rehefa mikiry tamin'ny tsy finoany sy ny ratsy izy ireo dia nampanamboatra azy ny sambo fiara Andriamanitra. Rehefa vita izany asa izany, araka ny didin'Andriamanitra, dia nafatratr'i Noa tao ny biby amam-borona lahy sy vavy iray avy tamin'ireo karazany sy ny fianakaviany (afa tsy ireo efa nomelohin'Andriamanitra) sy ny mpino (11:40).

Rehefa natopatopan'ny onja lehibe toy ny tendrombohitra izy ireo dia tsinjon'i Noa teny ambony sambo ny zanany iray tsy tafiditra tao an-tsambo fiara ka nantsoiny. Tsy nanaiky ny antsony anefa ny zanany sady niteny hoe: «Hialoka any antendrombohitra miaro ahy amin'ny rano aho» (11:43). Rehefa nahita ny zanany nilentika tany anaty rano I Noa dia niteny tamin'Andriamanitra hoe: "Ry Tompoko! marina ny zanako lahy sy ny zanako vavy ary marina ny fampanantenanao. Mpitsara marina indrindra ianao" (11:45). Ary hoy ny navalin'Andriamanitra: "Ry Noa! tsy anisan'ny fianakavianao izy satria nahavita zavatra mahatsiravina, aza mangataka amiko izay tsy anananao fahalalana akory. Nankahery anao mba tsy ho anisan'ireo maizintsaina aho". (11:46)

Misy manampahaizana sasany mihevitra fa fahotana ny antson'I Noa. Na izany aza sarotra ny hiray hevitra amin'izy ireo. Ary izay miasa amin'ny asam-pinoana ary manatanteraka ny andraikitra amin'ny fivavahana no zava-dehibe voalohany (toy ny fivavahana efa voatondro sy ny fanomezana) dia mandeha toy ny mpino. Izany no antonym nananaran'y Mpaminany Mohammed ny mpihatsaravelatsihy ho tsy ny silamo. Toa nanafina ny tsy finoany mandrapahatongan'ny tondradrano ny zanak'I Noa satria I Noa ihany no nivavaka toy izao taloha: "Tompo ô! avelao ny heloko, ny an'ny ray aman-dreniko sy ny an'ireo miditra ao amin'ny fonenam-pinoako sy hoan'ny mpino ary aza ampitomboina ny tsy marina". (71:28)

Neken'Andriamanitra ny fivavahany ary niteny taminy sy ny fianakaviany hiditra ao an-tsambo fiara izy afa tsy ireo izay mendri-pamaizana noho ny firaketany amin'ny tsy finoana. Anisan'ireo nalentiky ny rano ny vadin'I Noa. Tsy nangataka an'Andriamanitra hamonjy azy izy satria izy ihany dia efa nahafantatra fa tsy mpino ny vadiny. Mety ho nihevitra izy fa tena mpino ny zanany ary izany no namalian'Andriamanitra azy tamin'io fomba io (11:46).

Tsara fo sy nitandrina toy ireo Mpaminany rehetra koa I Noa. Nanankinany fiainany ho amin'ny tsara hoan'ny olombelona sy niasa tsy ankihato hitantana ny olona ho amin'ny fahamarinana sy ny fahasambarana ety antany sy any an-danitra ny Mpaminany tsirairay avy. Hoy Andriamanitra: "Mety halahelo ianao satria hiodina aminao izy ary tsy hino ny teny ambaranao!". (18:6)

Niantso ny vahoakany tsy ankijanona tao anatin'ny 950 taona I Noa. Rariny raha ho kivy ny Mpaminany sy ny Ray iray rehefa nampianatra kanefa ny zanany dia anisan'ireo tsy mpino ho melohina amin'ny sazy eto antany sy any annkoatra. Kanefa Andriamanitra dia ilay marina indrindra sy mpamonjy ka nitodidoha taminy haingana I Noa arynitady fialofana teo akaikiny; izay tsy nanana fahalalana no tsy nangatahany taminy:

"Ry Tompo, nitady ny fiarovanao aho mba tsy hangataka izay tsy ananako fahalalana. Ary raha tsy namela heloka ahy ianao ary tsy namonjy ahy, dia ho anisan'ireo olom-bery aho". (11:47)

Ny Mpaminany Abrahama:

I Abrahama "namana mahatoky an'Andriamanitra" dia iray amin'ireo Mpaminany lehibe. Nahafaly ny Mpaminany Mohammed ny mahataranany azy. "Izaho ilay nivavahan'I Abrahama ho tonga sy nambaran'I Jesoa tamin'ny vaovao mahafaly, ary tsy misy mitovy amin'I Abrahama afa tsy izaho amin'ny razako".170 Natsipy tao anaty afo noho ny finoany an'Andriamanitra tokana I Abrahama kanefananjary hatsiaka sy fiarovana ho azy ny afo noho ny sitrapon'Andriamanitra sy ny heriny.

Toy ireo Mpaminany rehetra dia tsy mba nisy fotoana na dia kely akory aza nanompo any zavatra ankoatran'Andriamanitra. Na dia izany aza dia misy tantara diso sy tsy marina hita amina fandalinana sasantsasany ny CORAN. Izany dia ay amin'ny fandikan-diso ity andininy manaraka ity:

"Rehefa notemerin'ny alina izy dia nahatsikaritra kintana ary niteny hoe: "Indro ny Tompoko". Ary rehefa nanjavona io dia hoy izy: "Tsy tiako ny zavatra izay manjavona". Ary avy eo rehefa nahita ny volana niposaka izy dia nanambara hoe: "Raha tsy mitari-dàlana ahyny Tompoko dia ho anisan'ireo diso làlana marina aho". Ary rehefa nahatsikaritra ny masoandro niposaka izy dia niteny hoe: "Indro ny Tompoko! lehibebe kokoa io". Ary rehefa nilentika ny masoandro dia hoy izy: "Ry vahoakako, tsy ankasitrahiko izay rehetra afangaronareo amin'Andriamanitra. Hanodina ny endriko manokana ho eo anoloan'ilay mpahary ny lanitra sy ny tany aho ary tsy mba anisan'ireo manafangaro azy amin'ny zavatra hafa". (6:76-79)

Maneho mazava io andininy io fa nanandrana nandresy lahatra ny vahoakany tamin'ny alalan'ny fampitoviana I Abrahama fa tsy misy na dia iray amin'ireo kintana aza mitovy amin'Andriamanitra. Niaina niaraka tamin'ireo saldeana tany atsinanan'I Mezopotamia I Abrahama, izy ireo dia mponina mahafantatra tsar any vainga eny andanitra ary miankohoka amin'izy ireny sy amin'ny sampy maro hafa.

Niadihevitra tamin-drainy aloha I Abrahama ary linaza taminy fa tsy misy sampy na dia iray aza mendrika ho deraina: "Hoy I Abrahama tamin'I Azara rainy: "Manompo ny sampy ho toan'Andriamanitra va ianao? Hitako ianao, ianao sy ny vahoakanao fa tena ao anatin'ny fahadisoan-dàlana mazava!" (6:74)

Satria I Azara no mpanamboatra ny sampy ka natombok'I Abrahama tamin'ny fanoherana azy ny asany. Taorian'izany dia nitady izay omba hitondrany ny vahoakany ho amin'ny fahamarinana izy. Manana fahalalana lalina mikasika ny kintana izy ireo ka nobeazin'Andriamanitra tamin'io toe-javatra io I Abrahama ary nampahafantatra azy zava-miafina metafizika maro miafina mba hahafahany mahatratra ny fahamarinana tanteraka ao amin'ny finoana sy hanitsy ny vahoakany amin'ny fahadisoan-dàlana:

"Ary nasehonay tamin'I Abrahama ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany mba hahafahany mampino ireo izay mino amim-paharesen-dahatra" (6:75)

Tamin'ny fandinihana tamin'ny fo amam-panahy natao tamin'ireo vainga eny an-danitra no nanombohan'I Abrahama niteny tamin'ny vahoakany fa tsy misy mety ho Andriamanitra ny kintana satria mety milentika izy. Na dia mino aza ireo olona sasany fa afaka mamantatra ny ho avy ao amin'ireny na hoe misy fiantrakany aminy ireny dia manambara ny fahalalana marina fa miposaka sy milentika arakaraka ny lalàn'Andriamanitra izy ireny ary maty ny fahazavany amin'ny atoandro. Noho izany, ahoana no tys maitnsy hiankohoka amin'ny kintana?

Ny dingana faharoan'ny fampitoviany dia naneho fan a dia mamiratra kokoa noho ny kintana azan y volana dia tsy mety ho Andriamanitra, satria milentika toy ny kintana rehetra ihany izy ary miova endrika isan'ora ary ny fahazana entiny dia miankina amina kintana hafa. manambara ampahibemaso I Abrahama eto fa tena notantanan'ny Tompony avy ireo izay tsy midera afa tsy Andriamanitra tokana dia ho diso làlana.

Ny fampitoviana farany nataon'I Abrahama dia maneho fa tsy azo ivavahana ny masoandro na dia lehibe sy mazava aza. Manjavona tsy hitantsika koa izy. Ny fiankohofana amin'ny zavatra amboarina koa dia hadalana tanteraka. Taorian'ny nanariana ny fivavahana tamin'ny zavaoary no nanambaran'I Abrahama ny finoany:

"Hanodina ny endriko tanteraka ho eo anoloan'izay nahary ny lanitra sy ny tany aho; ary tsy ho anisan'ireo manafangaro azy amin'ny zavatra hafa" (6:79)

Noho izany, fahadisoana mihoapampana ny nilaza avy amin'io andininy io fa niankohoka tamin'ny kintana I Abrahama tamin'ny fotoana voalohany niainany.

Ny zavatra faharoa noheverina fa fahadisoan'I Abrahama dia tamin'ny fiantsoany an'Andriamanitra haneho aminy hoe ahoana no ahafahany manangana ny maty. Hoy ny CORAN mikasika io toe-javatra io:

"Ary raha niteny I Abrahama hoe: "Tompo o! asehoy ahy, ahoana no hanangananao ny maty. Dia hoy Andriamanitra: "Mbola tsy mino ihany va ianao?" "Mino aho! hoy I Abrahama kanefa mba hahatoky tsara ny foko" (2:260)

Milaza ny Mpaminany ao amin'ny hadita iray fa sorona 70000 no manasaraka ny olona amin'Andriamanitra. Mitarika izany fa tsy manam-pahataperana ny fanatoanntsina an'Andriamanitra ary ny olona dia manana fatra-pahalalana sy fahatsapana tsy mitovy haavo, toy izany koa ireo fatrapahatakarana ara-panahy sy ara-tsaina. Satria tsy manam-petra Andriamanitra, tsy voafehy amin'ireo Andraikiny sy Anarany fotsiny, afaka mahazo fahalalana avy aminy ny tsirairay sy mety hahatratra fahafaham-po ambonimbony kokoa (arakaraky ny fatra-pahatakarany).

Nanana ny iray amin'ireo fatra-pahatakarana lehibe indrindra I Abrahama ary nil any fampitomboany isan'andro ny fahalalana an'Andriamanitra mba hahazoany sy hahatratrarany fahafaham-po ara-panahy tanteraka. Toy ny olombelona rehetra ao anatin'ny dingana fampivoarana ny tontolo ara-tsaina sy ara-panahy koa ny Mpaminany. Heverina fa mbola tsy mahafapo ireo dingana teo aloha ka izany no ilany sy anarahany fandresen-dahatra ambonimbony kokoa tsy ankijanona. Izany no antonym nangatahan'ny irak'Andriamanitra ny famelan-keloka avy aminy efa ho injato isan'andro sy nitalahoany fatratra matetika sady niteny hoe:

"Voninahitra ho anao! Tsy afaka mahafantatra anao araka izay takian'ny fahalalanao izahay, sy ilay tena fantatra voninahitra ho anao. Tsy afaka mankalaza anao tahaka izay ilaina amin'ny fankalazana anao izahay, ry ilay tena ankalazaina!"

Idnray andro nifanena tamin'I Mawlana Jalal ad-Din ar-Rumi I Muhyi ad-Din ibn al-‛Arabi ary nangataka taminy hoe: "Iza no lehibe indrindra; ny Mpaminany Mohammed izay niteny hoe: "Voninahitra ho anao. Tsy afaka mahalala anao araka izay takian'ny fahalalanao izahay, ry ilay tena fantatra!" sa I Bayazid al-Bistami izay nilaza hoe [tao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena lalina]: "Voninahitra ho ahy, deraina fatratra va aho?". Ny valintenin'I Mawlana dia niantefa amin'ireo izay mitsikera an'I Abrahama koa:

"Mampiseho ireo teny roa ireo fa lehibe tokoa noho Bayazid ny mpaminanintsika. Toy ny ranomasimbe ny fo amam-panahin'ny Mpaminanintsika, lalina sy midadasika kanefa mbola tsy mahafapo azy.

Tahaka ny siny kely kosa ny fanahin'I Bayazid raha ampitahaina amin'izany –mora fenoina ary mitobaka malaky".171

Mba hanilihana ny ahiahy mikasika ny faharesen-dahatr'I Abrahama dia hoy ny irak'Andriamanitra indray andro: "Raha misy fiahiahiana kely monja ny faharesen-dahatr'I Abrahama dia mbola mampiahiahy lavitra noho izy isika".172

Nandany ny andronm-piainany manontolo hiadiana amin'ny tsy finoana sy ny fanompoana Andriamanitra maro I Abrahama. Tsy nanao filazana tsy dia mazava afa tsy intelo izy teo amin'ny fiainany. Amin'ny teny hafa, nisafidy ny disintona ny fisainan'ny vahoakany tamin-javatra hafa tamin'ny faka ohatra tsy mivantana mifanaraka amin'ny fahamarinana izy. Nataony izany mba hialana amin'ny fifandirana na hahafahany manazava misimisy kokoa ny fahamarinana ara-pivavahana.

Kanefa misy manam-pahaizana sasany mihevitra fa lainga ireo ohatrohatra nataony ka tsy maintsy hazavaintsika eto (ohatrohatra = filazana tsy dia mazava).

"Filazana tsy dia mazava voalohany: rehefa tian'ny vahoakany hiaraka taminy tamin'ny fanompoam-pivavahan'izy ireo izy dia nijery ny kintana ary nilaza fa marary.

Tsy tena narary arabatana I Abrahama fa ny toe-javatra mety hamatopatotra azy amin'ny fahadisoan'ny vahoakany no nanorisory ny fanahiny sy ny sainy. Tsy azony saintsainina ny handeha hiankohoka amin'ny sampy fa ny mifanohitra amin'izany, vonona tanteraka ny handravarava ireo izy. Mba tsy hahafahany mandray anjara amin'ny lanonan'izy ireo no nilazany fa narary izy ary rehefa nandao azy izy ireo dia nopotipotehinyny sampin'ny vahoakany. Tsy lainga izany satria tena nanjary nararin'ny sampy izy ireo sy ny fanompoan-tsampiny izy. Izany no antonym nanaovany toy izany. Ary nidera azy tamin'izany ny CORAN:

"Tamin'ireo mpiray finoana taminy [tamin'I Noa], marina, anisan'ireny I Abrahama. Tonga teo anatrehan'ny Tompony tamin'ny fo madio izy. Rehefa niteny tamin-drainy sy tamin'ny vahoakany izy hoe: "Inoan no deraianreo?". Moa va mitady faminaniana any ivelan'Andriamanitra ao amin'ny fahadisoan-dàlanareo ianareo? ahoana no hevitrareo mikasika ny Tompon'izao rehetra izao?" Avy eo nibanjina ny kintana izy ary niteny hoe: "marary aho". Nikomy taminy izy ireo ary lasa. Nankeo amin'ny sampin'izy ireo izy avy eo ary niteny hoe: "Tsy misakafo va ianareo? fa inona no mahazo anareo no tsy miteny?" Hoy ireo nokapohiny tamim-pahatezerana tamin'ny tànany havanana ireo. (37:83-93)

Filazana tsy dia mazava faharoa: nampiasa ny fanesoana mba hanehoana ny fahamarinana I Abrahama. Araka izay hita ao amin'ny CORAN toy izao:

"Ary napetrakay teo amin'ny lala-mahitsy I Abrahama tany amboalohany. Ary fantatray tsara ny aminy. Rehefa niteny tamin-drainy sy ny vahoakany izy hoe: "Inona ireto sary vongana ifatoranareo?" dia hoy izy ireo: "Hitanay niankohoka taminy ny razanay". Hoy izy: "Marina, ianareo koa, ianareo sy ny razanareo dia samy diso làlana tanteraka". Ary hoy ireo: "Tonga eto aminay miaraka amin'ny fahamarinana va ianao sa mandrebireby anay fotsiny?". Ary hoy izy: "Ny Tomponareo dia ny Tompon'ny lanitra sy ny tany sy nahary azy ireo. Ary iray amin'ireo izay ho vavolombelon'iza aho. Ary tamin'ny anaran'Andriamanitra! nampiasako hafetsena ny sampinareo vantany vao lasa ianareo". Nopotipotehany izy ireo, "hormis" (sary vongana) no lehibe indrindra. Mety mbola hiverina aminy izy ireo: "Iza no nanao toy izao ny Andriamanitray? tena anisan'ireo tsy marina izy". Ary hoy ny sasany: "Naheno tovolahy iray niteny ratsy azy izahay; I Abrahama no anarany". Hoy izy ireo: "Ento eto anatrehan'ny olona izy mba ho vavolombelona ny rehetra". Ary hoy izy ireo "Ianao va ry Abrahama no nanao ny Andriamanitray toy izao?". Nanaiky izy: "Izy no nanao izany. Ity no lehibe indrindra amin'ny sampinareo. Mangataha ary aminy raha afaka miteny izy ireo". (21:51-63)

Misy mihevitra ny valintenin'I Abrahama farany ho toy ny lainga. Raha ny tena marina dia oha-panesoana manindrona tokoa io. Tian'I Abrahama hahatsapa ny vahoaka fa ny zavatra tsy afaka miteny, tsy afaka manao ny tsara n any ratsy dia tsy mendrika ny ho deraina. Nahomby ny heritreriny satria tsy nahita izay hiarovana ny sampiny afa tsy ny nanipy an'I Abrahama tao anaty afo izy ireo rehefa tsy nahatohitra ny zohin-keviny.

Tsy nilaza I Abrahama fa nopotehin'ny lehibe indrindra taminy ny sampin'izy ireo. Vakiontsika ampitandremana tsara izao: "Izy no nanao izany, avy eo nijanona" –Misy fijanonana milaza zavatra amin'ny famakiana ny andininy, avy eo hoy izy: "Ity no lehibe indrindra tamin'izy ireo!". Noho izany ny fehezanteny hoe: "Izy no nanao izany" dia milaza izay namotipotika ny sampy kanefa mba hisintonana ny sain'ny mpanatrika hankany amin'ilay sary vongana dia nanampy izy hoe: "Ity no lehibe indrindra tamin'izy ireo!"

Indray andro nilaza tamina vehivavy antitra iray ny Mpaminany fa ny olona antitra dia tsy hiditra any am-paradisa. Rehefa tsikariny fa nampalahelo azy mafy izany teniny izany dia nazavainy ny vazivaziny: "Satria hiditra any ho toy ny mbola tanora indray izy".173 Izany dia fomba toy izay nataon'I Abrahama ary noho izany tsy lainga.

Filazana tsy dia mazava fahatelo: I Abrahama sy I Saraha adiny. Ao amin'ny hadita ary koa ao amin'ny Baiboly (Genesisy 20:2-14) dia ahitana fa nangataka tamin'I Saraha vadiny mba hilaza azy hoe anabaviny fa tsy vadiny amin'izay manontany azy I Abrahama.174

Araka ny Baiboly dia nanao izany I Abrahama satria raha fantatra ny tena marina amin'I Saraha dia hovonoina I Abrahama. Tsy lainga izany satria hoy ny CORAN hoe: mpianadahy sy mpirahalahy avokoa ny mpino rehetra.

Mba hamaranana azy, tsy nandainga na oviana na oviana I Abrahama. Raha nandainga izy dia nomen'Andriamanitra tsiny tamin'izany. Tsy nisy fanomezantsiny natao taminy anefa hita ao amin'ny CORAN. Izany no antonym tsy handraisana ara-bakiteny ireo lovantsofina ara-paminaniana mikasika ny filazana zaatra tsy dia mazava loatra.

Ny nahiahiana ho fahalemen'I Abrahama:

Nanatanteraka ny andraikiny tamin'ny fiantsoana an'i Azara rainy, mpanamboatra ny sampin'ny faritra misy azy, handao ny fanompoan-tsampy ka nitodi-doha amin'Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany i Abrahama. Rehefa nandà rainy dia nilaozany dsady nitenyizy hoe hangataka amin'Andriamanitra mba hamela heloka azy. Notanany ny teny nomeny: «Avelao ny heloky ny raiko satria anisan'ireo diso làlana izy». (26:86)

Misy mihevitra fa fahadisoana io satria mbola tsy mpino ihany rainy taorian'izany. Sarotra inoana anefa izany satria I Abrahama dia Mpaminany voafidin'Andriamanitra mba hiantso ny olona ho amin'ny fahamarinana sy ho amin'ny famonjena. Tahaka ny Mpaminany rehetra, nandreraka azy mafy ny nahita mpanompon'Andriamanitra iray tsy manaraka ny làlan mankamin'ny fahasambarana sy ny famonjena eto antany sy any an-danitra. Abaribarin'ity andininy manaraka ity fa impiry no naniriany an-drainy ho tarihina:

«Ambara ao amin'ny boky i Abrahama. Tena olo-marina sy tena Mpaminany izy. Rehefa niteny tamin-drainy izy hoe: "Raiko ô! nahoana ianao no miankohoka amin'izay tsy mandrena mahita, ary tsy mba manome anao na inona na inona? Raiko ô, tonga tamiko tamin'ny fahalalana izay tsy mba noraisinao; noho izany araho aho, ho tarihiko amin'ny làla-mahitsy ianao. Raiko ô! aza midera ny Devoly satria tsy manaiky ny mpamonjy indrindra ny Devoly. Raiko ô! matahora ny hiavian'ny sazin'ilay Mpamonjy aminao sy ny hahatonga anao ho naman'ny devoly". (19:41-45)

Andraikitr'I Abrahama ny niantso ny olona hidera an'Andriamanitra na dia mitohy hatrany azan y fandavanyy. Na dia manambara mazava azan y CORAN hoe: "Marina tsy hino ny tsy mpino, ho toy izany ihany izy ireo na hanambaranao na tsia: tsy hino na oviana na oviana izy ireo". (2:6), tsy nitsahatra ny nanambara tamin'izy ireo na oviana na oviana ny irak'Andriamanitra. Ankoatry ny fiantsoany an-drainy ho amin'ny fahamarinana dia mbola nivavaka ho azy hatrany I Abrahama mandrapahafantarany fa fahavalon'Andriamanitra ny Rainy. Rehefa resy lahatra tamin'io toe-javatra io izy dia nisaraka taminy. Ambaran'Andriamanitra fa tsy fahadisoan'I Abrahama izany fa fahamarinany: "Marina I Abrahama, feno fandeferana sy famindram-po". (9:114)

Ambaran'Andriamanitra ihany koa ohatra tsara ho arahina ny fitondran-tenan'I Abrahama:

"Marina, manana ohatra tsara [ho arahina] an'I Abrahama ianareo sy amin'ireo izay niaraka taminy, rehefa nilaza tamin'ny vahoakany izy hoe:

"Tsy ankasitrahanay ianareo, ianareo sy izay iankohofanareo ankoatran'Andriamanitra. Ho lavinay ianareo mandrapahatonga anareo hino an'Andriamanitra tokana". Ny zavatra miavaka tamin'ny tenin'I Abrahama [nataony] tamin-drainy: "Hitalaho marina ny famindram-pon'Andriamanitra ho anao aho na dia tsy hahavita na inona na inona ho anao eo akaikin'Andriamanitra aza". "Ry Tompo, aminao no hametrahanay ny fahatokisana ary aminao nohiverenanay. Aminao no tsy maintsy hiafaran'ny zavatra rehetra". (60:4)

Nivavaka ho an-drainy I Abrahama mba hahafahany mitana ny teny nomeny (9:114). Rehefa hitany fa tena tapakevitra tanteraka ny ho tsy mpino rainy dia nisaraka taminy izy ary tsy nikatsaka izay hamelana heloka azy intsony.

Ary farany, marihintsika eto fa misy mpandalina ny CORAN sasantsasany tsy mihevitra an'I Azara ho rain'I Abrahama dia tsy mametraka fahadisoana izany, satria "avoakan'Andriamanitra avy amin'ny maty ny velona ary avoakany amin'ny velona ny maty" (3:27), mampiasa ny teny fohy hoe "ab" hoan'I Azara ny CORAN (ankoatry ny heviny hoe ray, dia midika koa hoe: dadatoa, rafozana, ray kely na dadabe).

Na dia nilazana mba tsy hitady ny famelana hoan'I Azara aza izy dia nilaza ny CORAN fa nivavaka toy izao izy rehefa tena nandroso ny taonany: "Ry Tomponay! avelao ny heloko sy ny an'ny Ray aman-dreniko sy ny an'ny mpino fitsarana farany" (14:41). Mampiasa nu fomba fiteny hoe "walid" (izay niteraka azy) izy ao amin'io vavaka io mba hanondroana ny rainy. Araka ny Baiboly dia I Terah no tena rain'I Abrahama marina. Andriamanitra anefa no mahafantatra izay tena izy.

Ny Mpaminany Josefa:

Ambara ao amin'ny CORAN ho ohatry ny fahadiovana ny Mpaminany Josefa. Nandritry ny fahazazany no nanirian'ireo rahalahiny hanipy azy any anaty lava-drano ary hamela azy any. Ary nisy mpivarotra nandalo teo ka nahita azy ireo ary mody namidin'izy ireo ho toy ny andevo tamina manamboninahitra egiptianina (mety ho minisitra) iray izy. Milaza ny anaran'izy io ho I Potifara ny Baiboly (Genesisy 37:36).

Taranaka Mpaminany I Josefa. Rehefa niteny tamin'ny irak'Andriamanitra ny olona sasany fa taranaka mpanjaka izy dia namafy izany izy sady niteny hoe: "Ny olo-mendrika zanaka mpanjaka, avy amin'ny mpanjaka dia zanaky ny mpanjaka koa. I Josefa zanak'I Jakoba izany, zanak'I Isaka, zanak'I Abrahama namana akaikin'Andriamanitra".175 Mbola zaza I Josefa rehefa tany amin'ny lava-drano ary izao no nambara taminy: "Ho ambaranao amin'izy ireo tsara izany toe-javatra izany fa tsy ho raharahiny" (12:15). Ary hatrany amboalohany izy no narovana tamin'ny hadalana rehetra.

Tovolahy tsara tarehy fatratra I Josefa ka nahasarika ny vadin'ny lehibeny. Naniry azy fatratra ravehivavy. Araka ny tenin'ireo vehivavy teo an-tanàna, voalaza ao amin'ny CORAN dia "Tena voasingotra tanteraka taminy raehivavy" (12:30). Nandramany nadalaina izy ary nidiny fanalahidy ny varavarana ka nantsoiny ho tonga teo aminy kanefa I Josefa izay nomen'Andriamanitra fahalalana sy fahaiza-mitsara madio dia namely hoe: "Ho arovan'Andriamanitra anie aho! Ny tompoko no efa nanome ahy fialofana tsy voaozongozona. Marina, tsy hahomby ny tsy marina". (12:23)

Nahatanteraka ny laharan'ny "ihsan" I Josefa Mpaminany izay faritan'ny Mpaminany ho fatra-pahatakarana hideran'ny mpino an'Andriamanitra toy ny hitany maso eo anoloany. Amin'ny teny hafa dia tonga saina tsara isaky ny jeren'Andriamanitra izy. Olona nataon'Andriamanitra ho mendrika koa izy, madio fo sy madio fisainana. Vokatr'izany, tsy namadika ny fanomezan'Andriamanitra ka ho lavo tamin'io fakam(panahy io izy. Raha nanantena na dia kely an-dravehivavy fotsiny aza izy dia nanjary tsy marina. Na dia ny hoe "Tompoko fotsiny aza, izay midika hoe lehibeny, dia ho nanao fahadisoana izy raha namadika ny fitokisan'ny lehibeny.

Hoy ny CORAN manohy ny fitantarana izany:

"Ary naniry azy fatratra ravehivavy. Ary tsy ho naniry azy izy na dia tsy nisy porofo mazava avy amin'ny tompony aza. Ary nataonay izay hialany amin'ny ratsy sy ny fitondran-tena tsy mendrika izy. Anisan'ny iray amin'ireo mpanompo marina nofidinay izy". (12:24)

Mampalahelo anefa fa misy mpandalina ny CORAN sasantsasany tsy mahazo tsar any tian'io andininy io ho lazaina ka manome azy hevitra toy izao: "Naniry azy ravehivavy ary nanana fironana ara-nofo taminy; ary naniry an-dravehivavy izy ka nanana fironana ara-nofo taminy koa, kanefa tamin'io fotoana io indrindry izy no nahita famantarana ay amin'ny tompony ka nijanona". Tsy nisy anefa nilaza marina izany "famantarana avy amin'ny tompony izany, zavatra mampihomehy no niheverany fa nipoitra sady nisafo molotra I Jakoba ka namonjy ny zanany tamin'io fahotana goavana io.

Fandikan-diso fotsiny izany, fanalambaraka atao amin'ny Mpaminany izay nomen'Andriamanitra voninahitra sy nataony ho ohatra tamin'ny fahaiovana fotsiny", ary mendrika indrindra amin'ny rehetra izy amin'ny hevitry ny irak'Andriamanitra. Mba hanafoanana ny endri-piahiahiana rehetra dia ho hadihadiantsika eto ny teny hoe "humma" izay adika ara-bakiteny hoe: "may ao anaty" ary mahadiso làlana ny mpanadihady sasany.

Ny "humma" dia midika ara-bakiteny hoe "miharitra, maimay, disadisa ao anaty, oharin'ny faniriana sy ny fiharetana". Misy foto-pisainana ara(pandinihana endri-teny sy hevi-teny milaza fa tsy maintsy ny heviny voalohany sy mateti-pitranga no raisina mba tsy hisehoan'ny tsy fifanarahana sy ny tsy fitoviana ao amin'ilay faritoe-javatra. Io foto-kevitra io, miaraka amin'ny roa hafa izay ho hazavaintsika etsy ambany no tsy hahazoana ny teny hoe "Humma" ao amin'ny heviny voalohany:

1- Tsy manan-javatra iombonana I Josefa sy io vehivavy io; manasaraka azy ireo n any lafim-pinoana, n any fnairiana, n any fomba fiainana. Samy manana ny fiaretany sy ny fitaintainany izy ireo, ary samy may amin-javatra tsy mitovy.

2- Ahitana ny matoanteny "humma" izay hanazavana ny fahamarinana sy ny fahamendrehan'ny mpino ao amin'ny andininy, izay mitondra ny fitiavana sy ny fiarovan'Andriamanitra. Tsy singan-tantara fotsiny ny andininy, marihintsika koa fa misy fijanonana isaky ny fomba filaza, maneho izany fa tsy mampitohy fisehoan-javatra izy fa maneho zava-misy telo samy hafa. amin'io lafiny io dia toy izao no teny hevitry ny andininy:

3- "May anaty noho ny fitiavany an'I Josefa ravehivavy. Nanorisory an'I Josefa io fitiavana io; nanorisory ny fahadiovany sy ny toetra tsarany ary voatohintohina tamin'izany ny fahamarinany. Tsy maintsy mitady lalan-kivoahana amin'io toe-javatra io izy. Tonga namonjy azy tamin'io fotoana namaivay ion y fanambaran'Andriamanitra ary nampanalavitra azy ny ratsy satria efa nataon'Andriamanitra ho mpanompo mendrika sy madio hatrany amboalohany izy. Tsy mba "mukhkis" (nodiovina sy nohamarinin'ny fitondran-tenany sy ny ezaka ara-panahiny manokana) izy fa "mukhlas" (nohamarinina sy nodiovin'Andriamanitra)".

4- Ankoatra izany: ny matoanteny "humma" dia tsy manambara fanombohana asa amin'io faritoe-javatra io satria hita amin'ny andininy eo aloha fa efa nanomboka ny asany ravehivavy: "nidiny tsar any varavarana ary hoy izy: "Avia, [vonona ho anao aho!]" (12:23) fa nandà I Josefa. Noho izany, mandiso ny voalazan'io andininy ion y milaza fa "humma" dia midika hoe "eo andalampanatanterahana" miaraka I Josefa sy ravehivavy, ary koa mandiso ny hoe: "Nankeo ambarabarana izy roa ary norovitin-dravehivavy avy aty afar any akanjon'I Josefa" (12:25). Mazava fa nankeo ambaravarana mba handositra I Josefa fa ravehivavy kosa nankeo mba hanenjika azy ary norovitiny avy aty afar any akanjony.

5- Na izany aza dia misy mihevitra fa naniry an'I Josefa ravehivavy ary naniry azy koa I Josefa raha tsy nahita ny famantaran'ny tompony. Satria izy dia narovana tamin'ny fahotana hatrany amboalohany ka tsy afaka ho nanana faniriana tamin-dravehivavy. Amin'ny lafiny rehetra, tsy naniry azy kely akory I Josefa ary tsy nanao na inona na inona taminy. Tsy mety resy toy ireo Mpaminany rehetra I Josefa.

Ny Mpaminany Mohammed

Ambony noho ireo Mpaminany rehetra ny irak'Andriamanitra. Hafa izy satria nalefa ho an'izao tontolo izao, hoan'ny olon-drehetra. Ny fivavahana nampitainy dia ahitana ireo foto-kevitra manandanga rehetran'ireo fivavahan nambara teo aloha sy izay reheat mahakasika ny famaliana ny olana eo amin'ny zanak'olombelona mandrapihavin'ny andro farany.

Araka ny filazan'I Boussirit, ny Mpaminany Mohammed dia "Masoandron'ny fahamarinana ary ny hafa toy ni kintana izay mandefa ny tarapahazavany mba hanazava ny alina amin'ny olona". Rehefa miposaka ny masoandro dia tsy hita intsony ny volana aman-kintana. Toy izany koa, rehefa miposaka "ny masoandrom-paminaniana" (toy Mpaminany Mohammed) mba hanazava ny tontolo rehetra dia manjary manjavona ny fahazavany kintana rehetra.

Tsy mety resy tahaka ireo teo alohany koa ny Mpaminany Mohammed. Na ao amin'ny CORAN na ao amin'ny bokin'ny tantara dia mahita isika fan a nanalabaraka azy tsy ankijanona azan y fahavalony dia tsy mba nanisy olana tamin'ny fahamarinany sy ny tsy fetezany ho resy.

Nilaza izy ireo fa "adala" izy –marina fa tian'Andriamanitra, "adalam-pitiavana" azy izy ary naniry sy nikatsaka misy ny hitantana ny vahoakany ho amin'izany. Azo lazaina noho izany fa "adalan'izy kanefa tsy amin'ny heviny hoe very saina. Milaza izy ireo fa mpanao fahagagana" mamosavy ny olona izy- marina, mahafaly azy izany kanefa tamin'ny maha izy azy sy tamin'ny finoana silamo ary tamin'ny CORAN nalainy avy amin'Andriamanitra. Kanefa tsy mpanao fanova-maso izy. Nolazain'izy ireo fa "Andriamanitra" izy –marina, manao faminaniana an-jatony izy, izay efa tanteraka ny ankamaroan'izany ary ho tanteraka tsy ho el any sisa. Kanefa tsy Andriamanitra izy.

Toy ireo filazan-javatra ao amin'ny CORAN izay voalaza teo aloha toa namay ahiahy teo amin'ny tsy fetezan-koresin'ireo Mpaminany sasany, ahitana fanamarihana na fanomezantsiny mikasika ny asan'ny irak'Andriamanitra koa ao amin'ny CORAN.

Alohan'ny hanadihadiana azy ireny anefa dia aveina etoana fa ny Mpaminany dia toy ny mpitsara lehibe mampiasany fisaintsainany koa rehefa tsy misy làlana mazava voambara mikasika toe-draharaha iray hadihadiana.

Na ny- vadin'ny Mpaminany aza dia tsy azo ampitahaina amin'ireo vehivavy silamo hafa rah any valisoa sy ny sazy avy amin'Andriamanitra no asian-teny (Jereo 33:30-32), ary Andriamanitra dia tsy mitondra ny Mpaminany tahaka ny fitondrany ny mpino tsotra. Ohatra: nomeny tsiny ny Mpaminany raha misotro ny ranon'I Kawthar (famosahan'ny paradise). Tsy azo heverina ho vokatry ny fahotana ny fanomezantsiny toy izany. Ankoatra izany, ireo tsiny ireo dia famindram-pon'Andriamanitra amin'ny ankapobeny izay maneho ny halehibeazan'ny Mpaminany sy ny fanakaikezany kokoa an'Andriamanitra.

Ny irak'Andriamanitra sy ny babo tamin'ny adin'I Badr:

Ny fiarahamonina kelin'i La Mecque dia nianjadian'ny fampijaliana lozantany. Niharitra izany tamim-paharetana ny vahoaka tao ary tsy nihevitra izay hamaly faty na oviana na oviana satria nandray ny irak'Andriamanitra ny CORAN hiantso ny tsy mpino ho amin'ny làlan'Andriamanitra sy ny fahendreny sy ny tsarany, handresy ny ratsy amin'ny alalan'ny tsara ary hamela ny helok'izy ireo sy ny asa ratsiny.

Rehefa nifindra monina tany Medina mba hoafaka miaina araka ny foto-kevitra islamika ny silamo dia namela izay alahelony tamin'izy ireo. Na izany aza anefa dia tsy nitsahatra niaran'ny fahavoazana avy amin'ireo tsy mpino, mpino andriamanin-kafa avy ao La Mecque sy ny vondona hafa izy ireo: ny jiosy tao Médine. Ankoatra izany, na dia niaro ampahatsorana ny fananany niaraka tamin'ireo mpifindra monina aza ny Aura (Ny mpamonjy voina) dia niharitra ny famoretana hatrany ny silamo rehetra. Tao anatin'ny toe-javatra sarotra, ary satria nanaovana fitondrana tsy rariny izy ireo dia nataon'Andriamanitra naharitra ny firohotan'ny fahavalo. Talohan'ny adin'i Bad indrindra izany.

Io ady io no voalohany nifanandrinan'ny silamo tamin'ny herimpamoretan'ny fahavalo. Na dia maro anisa noho izy ireo azan y fahavalo dia nandresy ny mpino. Hatramin'izao, raha lavitsika ny hevitr'ireo mpandalina ny CORAN sasany izay milaza fa ny Sourate Mohammed dia nambara talohan'ny Sourate Al-Arifal dia tsy misy didin'Andriamanitra nambara mikasika ny fomba fitondrana ireo babo an'ady. Mikasika izany dia tsy iza fa I Sa‛d ibn Un‛adh raha mahita ireo rahalahiny managadra ny fahavalo; tiany kokona raha vonoina izy ireo amin'ny fifanandrinana voalohany.

Taorian'ny ady dia nila hevitra tamin'ny mpanaradia azy tahaky ny fanaony matetika ny irak'Andriamanitra rehefa tsy misy fanambarana marina azony mikasika ny toe-javatra atrehina. Hoy Abou Bakr: "Ry irak'Andriamanitra, vahoakanao izy ireo. Na dia nanao ratsy anao sy ny silamo rehetra aza izy ireo dia ho azonao ny fony ary ho antonym mahatonga azy ho voatarika izany raha avelanao ny helony ary hahafaly azy izany."

Hafa ny hevitr'I Omar ary hoy izy: "Ry irak'Andriamanitra, endrika lehiben'I La Mecque ireo babo ireo. Raha vonointsika izy, tsy ho mafy amintsika ny miady amin'ny tsy finoana. Avereno amin'ny Ray amandreny silamo akaiky azy indrindra ny babo tsirairay.? Novonoin'I Ali I Aqil rahalahiny. Novonoin'I Abou Bakr I Abd ar-Dahman zanany. Ho vonoiko ny akaiky ahy indrindra".

Nijery an'I Abou Bakr ny irak'Andriamanitra ary niteny hoe: "Toan'I Abrahama izay niteny toy izao ianao:"Na iza na iza manaraka ahy dia ahy.isan'ireo izay tsy manaiky ahy dia ianao, ilay mpamela heloka, ilay tena mpamindra fo!" (14:36). Toan'I Jesoa ianao izay nilaza hoe: "Raha sazianao izy, ho mpanomponao izy. Ary raha avelanao ny helony dia ianao no mahery, Hendry" (5:118). Ary nijery an'I Omar izy avy eo ka niteny hoe: "Toan'I Noa ianao izay niteny hoe: Tompo ô! aza avela hisy tsy mpino eto antany" (71:26). Toan'I Moizy koa ianao izay niteny hoe: "Tompo ô! poteho ny fananany ary hamafiso ny fony mba tsy hinoany mandrapahazony ny sazy mamaivaivy" (10:88). Ary nanaraka ny hevitr'I Abou Bakr ny Mpaminany tan farany.176

Ny Mpaminany tsirairay dia nalefa mba hitantana ny vahoaka amin'ny làlan'Andriamanitra, ary ny asan'izy ireo tsirairay avy dia miorina amin'ny famelan-keloka. Matetika anefa ny famindram'po dia mil any fanapahana ny sandry iray tahaka izay nisy tamin'I Noa sy Moizy mba hahasalama tsar any vatana na koa miharitra hirifiry goavana. Ny finoana silamo dia làlala eo afovoany sy mapifandanga tanteraka ny fotoana sy ny fanahy lasa ambony loatra ary ahitana ny làlan'ireo Mpaminany teo aloha rehetra, misafidy arakaraka ny toe-java-misy.

Nalefaka ny silamo talohan'ny adin'I Badr kanefa kosa natanjaka ara-pitaovana ireo fahavalony, nampatahotra sy nilamina tsara. Nitaky koa ny toe-javatra fa "ny Mpaminany dia tsy afaka managadra alohany hanavahana ny tsy mpino amin'ny ady. (8:67), satria miady ho an'Andriamanitra izy ireo fa tsy hoan'ny zavatry ny tany. Na dia izany aza dia efa nodidin'Andriamanitra hoan'ny silamo ara-dalana tsar any fananan'ny babo an'ady. Ny fo madion'ny Mpaminany sy I Abou Bakr dia mahatsapa fa avelan'Andriamanitra haka ny fananan'ny babo an'ady izy. Noho izany nahafany ny babo ary nisy fananana takalon'izany talohan'ny mbola tsy nanambarana ny andininy mahakasika izany:"Bmola tsy nisy didi mialoha avy amin'Andriamanitra, sazy enjana noho azonareo tamin'izay nalainareo [vola takalon'ny fahafahana]. Hano ary ny fananan'ny babo an'ady azonareo raha ara-dalàna sy madio izany". (8:68-69)ambara amin'ny fomba mazava tsara ao amin'ny andininy hafa izany:

"Raha mifanehatra amin'ny tsy mpino (amin'ny ady) ianareo dia kapohy amin'ny vozony izy ireo. Ary rehefa voafehinareo izy dia fatory mafy. Avy eo, na izy afahana madiodio, na akana vola ho tambiny". (47:4)

Farany, ny silamo dia tsy mandà ny didy avy amin'Andriamanitra izay efa voambara, noho izany tsy manao fahotana. Fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny antenimiera izany.

Nanafaka ny mpihatsaravelatsihy tamin'ireo fadifady ny Mpaminany:

Natao tamin'ny taona faha 9 amin'ny tety andro silamo ny fanafahana, nandritry ny hafanana be tamin'ny fahavaratra arabo. Nalefa hifanandrina tamin'i Byzance ny miaramila, iray amin'ireo mahery indrindra amin'ny faritra. Tsy tahaka izay mahazatra azy.? nambaran'ny Mpaminany ny làlan-kaleha amin'ny ady. Ny sasany nangataka ny tsy handray anjara ary ny irak dia tsy nampandray anjara ireo izay nanao fialantsina mitombina. Tsy nanamarina izy raha nilaza ny marina izy ireo na tsia satria amin'ny maha silamo dua tsy maintsy mitsara amin'ny famantarana ety ivelany sy ny asam-pinoany.177

Ankoatra izany, manarona ny fahadisoantsika Andriamanitra ary ny Mpaminany dia tsy mba manome tsiny mivantana ny olona na oviana na oviana. Rehefa mahatsikaritra fahadisoana eny amin'ny olona izy na tsy fetezan-javatra iraisan'ny vahoakany, dia manome fampitandramana ankapobeny izy. Tsy mba manonona anarana manokana izy.

Maro ireo mpihatsaravelatsihy manome fialantsiny tsy marina, na dia izany aza dia neken'ny irak ny falantsininy. Tamin'izany indrindra no nanambarana ity andininy ity: «Mamela ny helokao Andriamanitra! fa nahoana ianao no manome alalana azy alohan'ny hahalalanao izay milaza ny marina sy hahafantarana ny mpandainga?". (9:43)

Na dia nisy manampahaizana sasany aza manamafy fa nomen'Andriamanitra tsiny ny Mpaminany Mohammed fa namotsotra fotsiny ny mpihatsaravelatsihy dia hafa noho izany ny fahamarinana. Imam fakhr ad-Din ar-Razi sy ireo maro hafa nahitana mpahay hainteny dia tena manambara marina fa ny hoe: «Mamela ny helokao Andriamanitra»dia fitserana mitovy amin'ny hoe: «Mitso-drano anao Andriamanitra» amin'ny teny frantsay. Ary ny tena dikan'ny fomba fitenenana dia hoe: «nomen'Andriamanitra famotsorana ianao». araka ny efa

nazavaintsika teo dia tsy misy intsony ny fahotana rehefa nekena ny famelan-keloka. Ohatra, hitantsika ao amin'ny famotsorana ny famelan-keloka satria tena mifanakaiky ny dikan'ny izy ireo.178

ankoatra izany, nentanin-katsaram-po satria tao anatin'ny fahamehana dia tsy naniry ny handà ny fialantsinin'ireo nanana fialantsiny mazava izy; ary tamim-pitendremana satria ireo izay nandray anjara tamin'ny ady dia marina satria enta-mavesatra ny manery azy ireo ho amin'izany ary loharanon-korotana: «Rehefa mivoaka miaraka aminareo izy dia tsy hanao afa tsy ny mampitombo korontana ho anareo ary hanabangabanga ny laharanareo, mitady hampisy fifanolanana eo aminareo» (9:47)

fantatry ny Irak'Andriamanitra izay mpihatsaravelatsihy: «Ho fantatrao marina amin'ny soratr'endriny izy ireo; ary tena ho fantatrao marina amin'ny figadonan'ny teniny» (47:30). Soa ihany fa tsy sitrak'Andriamanitra ny handehanany hiady:

«Ary raha te-jandray anjara (amin'ny ady) izy ireo dia niomana. Ho lavin'Andriamanitra anefa ny fiaingany; ataony kamo izy ireo. Ary hilazany hoe: "Mijanona miaraka amin'izay mijanona"» (9:46)

Ny dikan'ny andininy eto dia: "Homen'Andriamanitra famotsorana ianao! raha tsy noraisinao ny fialantsinin'izy ireo tamin'ny fangatahany hijanona dia ho niaraka mazava tsara tamin'ny mpihatsaravelatsihy ny marina". Araka izany, tsy nomen'Andriamanitra tsiny ny Mpaminany fa noderainy, nanome ny toerany ho azy izy.

Ny Sourate ‛Abasa

Ny faminaniana dia tsy tahaka ny asa azon'ny olondrehetra atao, manana endrika roa ny olona tsirairay: araka ny tany sy araka ny lanitra. Tonga vatana avy amin'ny vovoka novolavolaina tamin'ny piti-drano tsy misy antony akory isika. Na dia izany aza anefa dia nafahana tamin'ny «fofonain'Andriamanitra». Noho izany, afaka mivoatra ho amin'ny fetra farany ambony (na farany ambany). Ao amin'ny laharana farany ambony avokoa ny Mpaminany rehetra. Nofidian'Andriamanitra izy ireo ary nomeny ny fahamarinana aratsaina sy ara-panahy.

Mba hahafahana mahatsapa ny halebeazan'ny Irak'Andriamanitra, heverontsika fa noho ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahefany dia novany ho mpamolavola ny fomba amam-panao raitra amin'ny tantaran'ny olombelona ny vahoaka dia sy tara indrindra tany amin'ny tany efitra. Ankoatra izany, araka ny fitsipika hoe: «Izay manao zavatra iray dia mitovy amin'izay nanao azy; ny fankasitrahana amin'ny asa tsara tsirairay ataon'ny mpino, hatramin'ny andron'ny Mpaminany ka mandrapahatongan'ny andro farany, dia hiampy ny fankasitrahan'ny Mpaminany, mitarika ny fitohizan'ny fisandratany ara-panahy izany!;

Na dia izany aza, misy famakafakana ny CORAN tranainy sy ny asa mitovitovy amin'izany dia ahitana fanamafisana mifototra amina zavatra nindramina na tantara fohy tsy dia azo antoka loatra ary tsy mifanaraka amin'ny asa faminaniana. Ny tena mbola mahavariana ihany koa na dia ao amin'ny fiarahamonin'ny silamo aza dia ahitana mpikaroka sy manampahaizana dia mankasitraka ireo zavatra tsy mihaja manoloana ny Mpaminany sy ny faminaniana ary ny Sourra, angamba vonton'ny kolontsaina tandrefana izy ireo na vonton'ny fakampanahin'izao tontolo izao. Manararaotra ny hoe «mandray ny taratry nymasoandro ho an'ny masoandro ihany» dia mihevitra izy ireo fa malalaka ny mitsikera ny Mpaminany sy ny Sounna. Ny hevitr'izy ireo iray dia mifototra ao amin'ny andininy voalohany ao amin'ny Sourata ‛Abasa:

«Tsy faly izy ary nanome lamosina satria tonga eo aminy ny jamba. Milaza aminao izy fa mety hadio? na manambaa fa manararaotra azy ny fiverenana? hoan'ireo izay mahita hafinaretana ao amin'ny fanampiany (amin'ny hareny), ho maika hihaona aminy ianao. Kanefa inona no hanjo anao raha tsy madio izy. Ary hoan'izay tonga eo aminao ampahamehana kanefa matahotra, tsy hanana ahiahy aminy va ianao. (80:1-10)

Araka ny voasoratry ny mpandinika CORAN sasany, nampita hafatra tamim-pahamatorana sy fifantohana tamin'ny lohandoham-pisorona "païen qoraïchites" ny irak'Andriamanitra indray andro ary notapahin'ny jamba iray tampoka. I Abd Allah ibn Umm Maktum io lehilahy io, tena mahantra saiky tsy norarahin'ny olona matetika izy io. Mba te hanararaotra ny fampianaran'ny irak'Andriamanitra izy kanefa tsy nharitra. Vokany, nambara ho fanomezantsiny ny Mpaminany ireo andininy ireo.

Tena mampiahiahy noho ny antany maro koa ireto tantara ireto:

- ny fitanterana ny zava-niseho sy ireo mpanatrika dia tsy mitovy na ao amin'ireo bokin'ny loavantsofina mbola tsy nisy fiovana na ao amin'ny famakafakana ny CORAN. Ny fomba filaza sasany amin'ireo tantara ireo dia manisa olona fito ankoatran'I Ibn Umm Maktum.

- Andininy maro no manazava ny toetran'ny Mpaminany teo aloha manoloana ny mahantra. Tys azo heritreretina amin'ny Mpaminany izay manana ireo mpanaradia azy maro manoro hevitra azy no tsy ho faly amin'ny mahantra na ny hanome lamosina ny jamba mahantra sady tonga mba hihaino azy ity voalaza ity.

- Tsy nandray mandrakariva ny antson'ireo mpitarika "qoraïchite" izay nanery azy tsy hijery ireo silamo mahantra ny irak'Andriamanitra raha tiany ny hinoan'izy ireo ny fivavahana silamo.

- Manandanga lehibe amin'ny fomba fitondrantena ny CORAN amin'ny fisian'ny irak'Andriamanitra. Ohatra, tsy afaka mandeha ny mpino "raha tsy mangataka alalana aminy raha miaraka aminy izy ireo". Tsy mahazo midita ao antranony koa izy ireo raha tsy mahazo alalana avy aminy, hitan'izy ireo ho tsy misy dikany ny asany raha manao feo avo noho ny an'ny Mpaminany izy ireo ary koa ho voasazy any amin'ny helo raha ratsy fitondra azy. Izany angamba no nanomezantsin'ny an'I Ibn Umm Maktum raha nanapaka ny tenin'ny Mpaminany.

- Ibn Umm Maktum dia zanaky ny dadatoan'ni Khadija ary iray tamin'ireo manaiky ny fivavahana silamo hatrany ampiandohany. Nanana fomba fijery voamarika tamin'ny silamo izy. Nankinin'ny Mpaminany taminy indroa ny fitondrana an'I Médina nandritry ny andro niadiany. Noho izany, arahn'ireo voalaza ireo dia tsy ho afaka ny tsy hahalala fomba hanapaka tenin'ny Mpaminany izy rehefa niantso ireo mpitarika ho amin'ny fahamarinana ny Mpaminany. Jamba fotsiny izy fa tsy marenina.

- Masiaka loatra raha hoan'ny Mpaminany ny fanomezantsiny ny hita ao amin'io andininy io. Tsy ampiasaina ao amin'ny CORAN mihintsy ny matoanteny hoe "Tezitra" sy "manome lamosina" hilazana ny Mpaminany na ilazana ny mpino tsotra aza. Ampiasaina amin'ny mpisolotena laharana fahatelo, milaza ny vitsy izy ireo ao amin'io andininy io. Midika ho tsy fanajana sy fahambaniantsaina izany. Nampiasaina tamin'ireo mpitaritolona tsy mpino koa ireo voambolana ireo, tsy azo heritreretina ho ny Mpaminany no niantefan'izany fanomezantsiny izany.

- Ny mpandinika ny CORAN nilaza io toe-javatra io koa dia nanambara fa nirary soa an'I Umm Maktum ny Mpaminany taorian'izany: "Famonjena ho anao, ry ilay nahatongan'ny Tompoko hanome tsiny ahy". Io fanampiny io dia tsyhita ao amin'ny bokin'ny lovantsofina antoka.

- Tsara fo tokoa ny irak'Andriamanitra ary nanome izay nananany rehera mba hiarihana ny vahoakany. Hoy ny CORAN: "Marina, ho alaina aminareo ny irak'Andriamanitra ary ho avy aminareo, ho mafy aminy ny fahasahiranana mianjady aminareo, hijery anareo tanteraka izy, hankasitraka sy hamela heloka manoloana ny mpino izy" (9:128)

Aorian'izany fanazavana izany dia avelantsika ho an'Andriamanitra ny tena fahamarinana, ilay mahafantatra ny zava-dehetra.

Ny fanomezana nataon'ny foko Thaqif

Nandrana nitady fankasitrahana tamin'ny Mpaminany ny foko Thaqif alohan'ny nidirany tamin'ny finoana silamo, tao anatin'izany ny fanafahana amin'ny andraiki-pivavahana sasantsasany–nomena alalana hanao izany ny Irak'Andriamanitra! Noho izany tsy nisy silamo tsotra nanao fanamarihana tamin'izany, inona no lazaina amin'ny Mpaminany manokana! Hoy ny andininy milaza ny mikasika ny toe-javatra toy izany:

"Mila hamadika ireo nambaranay taminao izy ireo, [ao amin'ny fanantenana], hanao zavatra hafa ianao manoloana izany, ary hanolotra azy aminay. Ary handray anao ho namana akaiky izy ireo. Ary raha tsy entitra taminao izahay dia nety ho nitongilana tany aminy ianao. Navelanay ho andramanao anefa ny sosony roa amin'ny fiainana [sazy] sy ny sosony roa amin'ny fahafatesana [sazy] ary avy eo tsy nahita mpanavotra teo anatrehanay ianao". (17:73-75)

Voalohany indrindra, ny irak'Andriamanitra no iantefan'ny fanambaran'Andriamanitra mivantana. Izany no antony itenenan'Andriamanitra mivantana aminy mikasika ny didy hoan'ny rehetra sy hoan'ny tsirairay, ny zavatra tsy azoatao sy ny andraikitra; izany no nahatonga ny irak'Andriamanitra tsy hanao tsinontsinona izay nasaina nataony. Amin'ny maha solontena sy mpamolavola ny finoana silamo ary finoana silamo tonga nofo sy amin'ny maha ohatra tsara indrindra dia nampihatra antsakany sy andavany izay nambara taminy ny irak'Andriamanitra ary niaina tamimpahamendrehana ny tantaran'ny silamo manontolo.

Nampiasa ny irak'Andriamanitra sy ny fotoanany ary ireo mpiaradia aminy ho modely iorenan'ny finoana silamo Andriamanitra sy hiparitahan'izany finoana izany. Niasy toy ny voatsinampy nitsimohan'ny fomba amam-panao silamo ho any rehetra, ny hetsika samy hafa sy ny siansa –ny hazo manerantanin'ny finoana silamo- niha nahazo vahana izy. Izany no antony tsy hahafahana manadihady ny andininy amin'ny fomba hanomezantsiny ny Mpaminany mihintsy amin'ny zavatra tsy dia netinety vitany. Io olo-marina, tian'Andriamanitra io ary tamin'ny fitiavana azy no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao dia olona afaka tamin'ny adalana sy ny fahadisoana rehetra.

Nikatsaka mandrakariva tao am-pony ny fitarihana ny vahoakany ny irak'Andriamanitra. Mba hahatsapana tsara ny fitiavany sy ny firaketam-pony tamin'ny olombelona sy ny fisiana amin'ny ankapobeny dia dinihintsika tsara izay voalazan'I Said Nussi, manampahaizana sy masina amin'izao vanim-potoana iainantsika izao mikasika ny faniriana lalin'ny Mpaminany hoan'ny fitarihana sy ny zavatsoa hoan'ny fireneny:

"Tsy nahita fahafinaretana tamin'ity tontolo ity tamin'ny fiainako nandritry ny 24 taona aho. Lany teny amin'ny sahan'ny ady ny fiainako sy tamin'ny fangirigiriana hafa, tsy nisy fijaliana izay tsy nandramako, tsy nisy famoretana izay tsy niaretako. Tsy nampirona ahy ny Paradisa ary tsy natahorako ny helo. Raha tsy maintsyhovavolombelona aho fa tsy maintsy ho to ny finoan'ny fireneko (ny silamo rehetra), noho izany, tsy manam-pandavana ny ho may amin'ny afon'ny helo aho satria hiova hozaridainan-draozy ny foko mandritry ny firehetan'ny vatako".179

Hoy Andriamanitra nampionona azy Mpaminany tamin'io tsy finoana tsy nanampitsaharana io:"Mety ho rotidrotiky ny alahelo ianao satria nanome lamosina anao izy ireo ary tsy hino ny teny voalaza!" (18:6)rehefa nahita ny faniriana mivaivay tao amin'ny Mpaminany hitarika ny vahoakany ireo mpitarika ny foko Thaqif dia te-hitady fankasitrahana manokana. Nanampy aza izy ireo fa raha misy manohitra hafa dia afaka mandainga izy hoe izany no nodidian'ny Tompony tmainy. Raha amin'ny fomba fijerin'ny olombelona madiodio dia paik'ady tsara izany manao fifanarahana izany mba hahafahana manatanteraka andraikitra lehibe iray. Tsy ny irak'Andriamanitra anefa no nanao ny fivavahana silamo, ny hampita azy fotsiny no andraikiny tokana. An'Andriamanitra ny fivavahana. Manamafy io lefin(kevitra io ny andininy voalaza teo.

Ny fanambadian'I Zaynab

Nandritry ny vanim-potoana talohan'ny silamo ary mandraka ankehitriny dia niparitaka izay tsy izy ny fanandevozana ara-tsaina sy ara-toekarena ary ara-panahy. Tonga hanorotoro io fanandevozana io ny fivavahana silamo ary mikatsaka ny famahana io olana ara-tsosialy sy psikolojika io amin'ny dingana maro. Ary manana endrika ara-psikolojika lalina ny fanandevozana, noho izany dia mbola mila fepetra henjana ny fanafoanana azy tanteraka. Ohatra, rehefa nanafoana ny fananevozana tany Etats-Unis I Lincoln dia tsy maintsy naerina tamin'ireo tompony teo aloha ny ankamaroan'ireo andevo satria ny fahafahany mandray andraikitra hisafidy sy hitantana ny mombamomba azy ireo amin'ny maha olona afaka azy dia nofoanana tanteraka teo aminy tamin-kery ary izany no antony nahatonga ny famonoana ireo mpitarika azy.

Nametraka fomba fiasa tena matahotra ny silamo tamin'ny dingana voalohany teo amin'ny fitondrana ireo andevo araka ny asehon'ity hadita ity: "Ho vonoina ireo izay mamono ny andevony. Ireo izay managadra ny andevony sy mamela azy ho noana dia ho gadraina sy tsy homen-kanina. Izay mamositra ny andevony dia hovosirina koa".180 Ary "ny arabo dia tsy ambonin'ny tsy arabo ary ny tsy arabo dia tsy ambonin'ny arabo. Tsy ambony noho ny maintsy ny fotsy ary tsy ambonin'ny fotsy ny mainty. Ny fahamboninana dia ao amin'ny famindram'po sy ny tahotra an'Andriamanitra ihany".181

Tamin'ny dingana faharoa dia namela ny andevo hametraka ny maha izy azy ireo ny silamo sy ny fisaina maha olombelona azy. Nobeaziny tamin'ny maha silamo ny silamo izy ireo ary novoleny tao aminy ny fitiavam-pahafahana. Ary tamin'ny androm-pahaleovantenan'izy ireo dia tena nanjar olona nilaina tanteraka tao amin'ny fiarahamonina silamo amin'ny maha mpiompy sy mpanao taozavatra, mpampianatra, manampahaizana,governora, minisitra sy piraiminisitra izy ireo.

Zavatra natao hafa koa tamin'ny fotoana talohan'ny silamo izay mbola hita ao amin'ny lalàna sivilin'ireo firenena maro ankehitriny ny manome zo ny zaza natsangana hitovy tanteraka eo anatrehan'ny lalàna amin'ireo zaza nateraka. Vokatr'izany, ny ray iray dia tsy mahazo manambady olona maty vady na nisar-panambadiana tamin'ny zanany lahy. Nofoanana izany fomba izany na ny fananganana satria na ny fomba hafa nentina nanambara olona ho zanaka dia tsy afa mametraka fifandraisana azo ampitahaina, amin'izay misy eo amin'ny zaza sy ny ray aman-dreny tena niteraka azy ara-boajanahary.

Afrikanina mainty izya nalaina ankeriny I Zaïd ary natao andevo raha mbola zaza kely. Novidian'I Khadija tany amin'ny tsenan'andevon'I La Mecque izy (Khadija: vady voalohan'ny Mpaminany). Rehefa avy vadin'ny Mpaminany io vehivavy io dia nomeny ho fanomezana an'I Zaïd. Nafahan'ny irak'Andriamanitra izy ary nantsoiny hoe "zanako". Rehefa nahita an'I Zaïd ny Ray aman-dreniny ary tonga tao La Mecque mba haka azy dia nandà ny hiverina any aminy izy ary nilaza tamin'izy ireo fa tiany kokoa ny mijanona miaraka amin'ny Mpaminany.

Mba hanehoana ny fitoviana eo amin'ny mainty sy ny fotsy ary mba nahehoana fa ny fahamboniana dia ao amin'ny fahitsiana sy ny fitiavana an'Andriamanitra no mifototra fa tsy ao amin'ny firazanana sy ny fihavahana ara-tsosialy dia nampanambadiany an'I Zaïd I Zaynab bint Jahsh avy amin'ny foko Hahimites.

Tena silamo mpino tanteraka izy io ary manampahaizana manana toetra mendrika. Fantatry ny irak'Andriamanitra tsara izy io hatramin'ny fahazazany. Na dia ny Mpaminany aza no nokasain'ireo ray amandreniny ho vadiny dia neken'izyireo ny hanambadiany an'I Zaïd satria izany no fanirian'ny Mpaminany.

Na izany aza dia neken'I Zaïd fa ambany ara-panahy noho ravehivavy io izy. Nihaiky izy fa noho ny fahambonian-toetrany dia mendrika ny ho vadin'ny olona lehibe kokoa, ambonimbony kokoa noho izy ravehivavy io. Nangataka mandrakariva tamin'ny irak'Andriamanitra ny hisarahany taminy izy kanefa nandidy azy hanambady an'I Zaynab hatrany ny Mpaminany. Na dia izany aza, mahay mitsara I Zaïd ka nahita fa tsy mitovy amin'ny vadiny ka nisaraka taminy ihany tamin'ny farany.

Taorian'io dia nodidin'Andriamanitra hanambady an'I Zaynab ny irak'Andriamanitra na dia tsy eken'ny lalàm-piarahamonina iainany aza ny toy izany. Satria avy amin'Andriamanitra izany fanambadiana izany ka nanaiky ny didy hanambady an'I Zaynab izy:

"Avy eo rehefa navelan'I Zaïd ny fifandraisana rehetra taminy, dia tsy maintsy ataonay vadinao izy mba tsy hisy fanakanana ny mpino tsy hanambady ny vadin'ny zanaka natsangany intsony rehefa namela ny fifandraisana taminy io. Tsy maintsy tanterahina ny didin'Andriamanitra". (33:37)

Na dia nanahirana fatratra ny Mpaminany aza ny fanatanterahana izany fanambadiana izany dia nampiasain'Andriamanitra handeina ny fomba amm-panao tsy mendrika izy ary hametraka lalàna sy fomba amam-panao vaovao. Ny Mpaminany no voalohany mampihatra ny lalàna sy ny fitsipika apetraka sy ekena mba hisy fiantraikany eo amin'ny hafa izany. Iray tamin'ireo didy nananosarotra azy indrindra ny fanatanerahana azy io fanambadiaa an'I Zaynab io. Izany no nanaovan'I Anas ny fanamarihana toy izao: "Raha afaka nanafoana ny sasantsasany tamin'ireo izay nambara taminy ny irak'Andriamanitra dia nofoanany tsy tamim-pihambahambana io andininy io".

Toe-javatra sahala amin'izany no tokony ho nanalan'ireo fahavalo baraka ny Mpaminany. Na dia hita taratra tao amin'ny fandalinana ny CORAN sasantsasany aza ny fanamafisan'izy ireo vitsivitsy sy ireo fanalam-barakany dia tsy nisy fiantraikany ary tsy hisy hiantraika na oviana na oviana amin'ny fahadiovana sy ny fahamasinan'ny maha izy azy ny Mpaminany. Miray hevitra ny manam-pahaizana rehetra fa niaiana tamim-pahasambarana niaraka tamin'I Khadija izy, vehivavy maty vady zokiny 15 taona, ary tsy nisy hahatsikaritra fitondrantena tsy mendrika teny aminy nandritry ny 25 taona nanambadiany azy (nifarana tamin'ny fahafatesan'I Khadija izany). Mifanohitra tamin'ireo tanora rehetra, tsy mba nirehetan'ny faniriana ara-nofo izy. Maneho mazava tsara izany fa ny fanambadiany manaraka izay nitranga taorian'ny faha 50 taonany, taona fitsaharan'ny filana, dia mikendry tanjona hafa mihintsy.

Raha atambatra, toy ireo Mpaminany hafa rehetra dia tsy azo omentsiny ny irak'Andriamanitra ary tsy azon-keloka tamin'ireo nanendrikendrehana azy. Noho izany tsy ananana ahiahy azy koa tsy fetezany ho resy. 


[155] Bukhari, “Tayammum,” 1; “Salat,” 56.

[156] Muslim, “Iman,” 326.

[157] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 2:350-51.

[158] Bukhari, “Hajj,” 42; Ibn Kathir, “Al-Bidaya,” 2:350.

[159] Tirmidhi, “Qiyama,” 49; Ibn Maja, “Zuhd,” 30.

[160] Ibn Kathir, “Tafsir” 3:539.

[161] Une parole Prophétique dont le sens vient directement de Dieu.

[162] Bukhari, “Riqaq,” 38; Ibn Hanbal, 6:256.

[163] Juda n’est pas mentionné dans le Coran comme un prophète. Toutefois, le Coran parle des fils de Jacob comme des hommes dignes d’être suivis. Bien qu’ils aient fait du tort à Joseph par jalousie, ils ont dû se corriger plus tard. Selon la Bible, mais pas selon le Coran, certains Prophètes israëlites descendraient de Juda.

[164] Voir note 214 plus haut.

[165] Ibn Kathir, Al-Bidaya, 2:313-14.

[166] Bukhari, “Anbiya’,” 48; Muslim, “Fadha’il,” 144.

[167] Bukhari, “Tahajjud,” 7, “Sawm,” 59; Muslim, “Siyam,” 182.

[168] For different versions of the hadith, see, Bukhari, “Hudud,” 22; Abu Dawud, “Hudud,” 17; Tirmidhi, “Hudud,” 1; Ibn Maja, “Talaq,” 15,16. Notes 445

[169] Bukhari, “Tafsir,” 3; Tirmidhi, “Qadar,” 2; Ibn Hanbal, 2:287, 314.

[170] Muslim, “Iman,” 271.

[171] Mulla Jami‘, Nafahat al-Uns, 521.

[172] Bukhari, “Anbiya’,” 11.

[173] Ibn Kathir, Shama’il, 84-85.

[174] Bukhari, “Anbiya’,” 8; Muslim, “Fadha’il,” 154.

[175] Bukhari, “Anbiya’,” 21:19; Ibn Hanbal, 2:96, 332.

[176] Qurtubi, “Tafsir,” 8:31; Ibn Hanbal, 1:383.

[177] Il ne voulait pas leur faire révéler leurs véritables raisons. C’est pourquoi les Hypocrites, qui ont l’apparence de musulmans mais qui au fond sont incroyants, sont traités comme des musulmans dans les sociétés musulmanes. Il y en avait beaucoup à Médine à l’époque du Prophète. Il ne divulgua jamais leur identité.

[178] Qurtubi, 8:98-99; Fakhr ar-Razi, Mafatih al-Ghayb, 16:73-74.

[179] Said Nursi, Epitomes of Light (Mathnawi al-Nuriya) (Izmir, Kaynak: 1999), II.

[180] Abu Dawud, “Diyat,” 70; Tirmidhi, “Diyat,” 17.

[181] Ibn Hanbal, 411.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.