Asa Fampihorohoroana Sy Fanaovana Vivery Ny Aina

Noho ny fahazavan'ny CORAN sy ny SOUNNA

Mampalahelo fa ny firenena silamo dia mandalo fotoana tandindomin'ny asa fampihorohoroana na ao anatiny na any ivelan'ny firenen'izy ireo. Fepetra miiba maro toy ny fahatarana eo amin'ny lafiny toekarena, fahapotehana aratsosialy sy politika sy fitotonganan'ny kolontsaina no nanomana ny hoan'ny laminasam-pampihorohoroana any amin'ny tontolo silamo, indrindra fa any Moyen-Orient. Fantatra fa maro amin'ireo tambajotram-pampihorohoroana ireo no tohanan'ny manampahefana ao amin'ny toerana misy azy. Io fanohanana io dia apetraka mba hampiasana vondrona hanoherana tambajotram-pampihorohoroana hafa izay matanjaka tokoa ao amin'io firenena io ihany. Toa zava-misy manaraka ny zotram-potoana koa izy io, manjary mahery vaika ireo vondrom-pampihorohoroana ireo satria tohanan'ny fanjakana matanjaka ka tsy voafehy intsony. Ny tambajotram-pampihorohoroana sasany dia tohanana noho ny tombotsoa ara-oekarena sy politikan'ny hery avy any ivelany izay mitarika azy mankamin'ny tanjona voafaritra. Amin'io fomba fijery io, ny tambajotram-pampihorohoroana dia avy aminy «lafin-kevipiandaniana» samy hafa; mbola misy lafin-kevitra maizina goavana anefa amin'io toejavatra io.

Ny tsy fandrosoan'ny tontolo silamo teo amin'ny lafiny teknika sy siansa nandritry ny taonjato vitsivitsy sy ny fahataran'ny toekarenany dia miteraka fahalemena sy vokatra miiba hafa toy ny Iraka ara-kolotsaina. Ao amin'io tontolo voazarazara io no namoronan'ny tsy fahombiazan'ny firenena silamo faritra mampitambatra azy amin'ny faritra ara-jeografika tsy dia manao ahoana akory izay mivoha amin'ny fanelanelanana sy amin'ny fitsetsefana avy any ivelany. Noho ny krizy ara-kolotsaina manjaka amin'io ampahan-toerana amin'izao tontolo izao io dia heverin'ireo mponina ao aminy fa olon-kafa ireo avaratsaina avy ao aminy sy ireo manam-pahefana ao ary velom-pialonana noho izany izy ireo. Tsy mitsaha-mitombo ny fihetseham-po am-pikomiana ao amin'izy ireo manohitra ireo firenena heveriny fa imperialista sy ireo vondrona sy olon-tsotra izay toa manana tombotsoa na fifandraisana amin'ireo firenena ireo.

Raha atao amin'ny teny hafa, na dia tsy silamo aza ny mponina amin'io ampahany amin'izao tontolo izao io dia toy izany ihany no ataon'ny sasany ka miteraka vondrom-pampihorohoroana hafa indray koa. Ny ampahany sisa any amin'ireo firenena andalam-pandrosoana dia mety ahitana tsy fitovian-kevitra, fifandirana anaty sy hevi-panoherana ireo firenena imperialista –toe-javatra izay azo itarafana ny toe-javatra iainan'ny firenena silamo ankehitriny. Misy vondrona sasany mampifanindran-dalana ny fampianarana ny finoana silamo sy ny fanofanana mpampihorohoro any amin'ny firenena silamo ka antsoina hoe «asa fampihorohoroana islamika» ny fampihorohoroana. Ny hafa indray mamaritra ny asa fampihorohoroana amin'ny fifotorana amin'ny fametrahana ny silamo ho mpampihorohoro ary miantso azy ireo ho «ny mpampihorohoro islamika».

Aleo avelantsika hoan'ireo manam-pahaizana manokana momba azy ny asa fampihorohoroana fa hiverina amin'ireo lazaina fa fifamatorana eo amin'ny mpampihorohoro isika, ny finoana silamo sy ny silamo. Mazava tsara fa ny fampiasana ny soatoavina silamo toy ny jiady ho teny filamatra aaon'ireo tambajotra sy olona mandray anjara amin'ny fampihorohoroana no mahatonga ny olona hihevitra fa mifamatotra ny asa fampihorohoroana sy ny finoana silamo. Tsy mahagaga raha maniry hampiasa ny fitaovana rehetra heveriny fa mety ny mpampihorohoro, eny fa na dia hatramin'ny soa toavina ara-pivavahana aza mba hanomezan-drariny ireo asa ratsiny eo imasony sy mba hahazoana ny fanohanan'ny vahoaka. Tsy misy iambahambana fa mampiasa ny soa toavina ara-pivavahana ireo mpampihorohoro mba handresen-dahatra ireo mpanaradia azy hanao asa fampihorohoroana; tsy misy ratsy na dia kely akory aza hitany amin'ny fampiasana ho fitaovana ny soa toavina ho amin'ny tanjona kendreny manokana. Ny mahaliana antsika amin'ity famelabelarana ity dia ny hamantatra raha azo atao marina ara-tsiansa ny manambatra ny asa fampihorohoroana sy izay voalaza ao amin'ny CORAN sy ao amin'ny Sounna (lovan-tsofina mitatitra ireo fihetsika sy tenin'ny Mpaminany), ireo no loharano fototry ny finoana silamo. Ankoatra izany dia ho dinihintsika amin'ny fomba siantifika raha rariny ny hamafiana toetra ho mpampihorohoro ho «islamista», raha vao mpampihorohoro ny olona iray dia midika izany fa lavitra azy ny fahatsapana ny hevitra fototra iorenan'ny finoana silamo.

Ny hevitra hoe jiady

Satria misy vondrona mpampihorohoro sasany milaza ireo asa ratsiny ho «jiady» ka tsy maitsy hazavaina sy dinihina io hevitra io. Ny jiady no anarana asalotra ireo ezaka rehetra, ny fahasahiranana sy ny fiharetana ataon'ny silamo tsirairay mba hahazoana ny fankatoavan'Andriamanitra. Amin'io fomba fijery io, ny jiady dia endri-piderana izay mitohy sy maharitra mandrapiavin'ny fotoana farany. Raha ampidirina amin'izany ireo ezaka rehetra ataon'ny olombelona mba hanomezana fahafaham-po ny izahony ara-nofo, afangaro amin'ny ezaka fampahafantarana ny finoana silamo –mety ho vita izany amin'ny alalan'ireo manam-pahaizana izay mizara ny fahalalany, amin'ny alalan'ireo olona salama tsara izay manolotra ny asa ataony sy amin'ny mpanankarena manolotra fanomezan- sy ny ezaka sy ny faharetana mba hiarovana ny voninahitra sy ny fahamendrehan'ny silamo dia azo adika ho jiady avokoa. Mety hiseho amin'ny ady mitam-piadiana ihany koa ny jiady indraindray rehefa tafihina ny silamo ka mahazo fampahafantarana milaza mazava fa ho tafihana izy ireo. Voatery miady izy ireo mba hanohitra ny fahavalo mba hiarovan'izy ireo ny fahamendrehany sy ny voninahiny. Tafakatra mihoatry ny 60 ny isan'ireo ady notarihin'ny Mpaminany na notarihin'ny iray tamin'ireo mpanaradia azy. Tsy ny Mpaminany no mpanafika tamin'ireo ady ireo. Tsy manafika foko iray koa izy amin'ny antony tokana hoe tsy mino an'Andriamanitra sy ny mahatokana azy io foko io. Ny tanjon'ny ady rehetra izay notarihiny dia hanosika ny fahavalo sy ny fanafihana efa fantatra mialoha na mampandamoka ireo fanafihana any amin'ny fanomanana azy fotsiny. Nambara noho ireo ady efa natao ny andininy mandrisika ny silamo amin'ny jiady, ady tsy azo nialana. Mazava tsara ao amin'ny CORAN sy ny Sona fa ny fandriampahalemana ihany no foto-kevitra misy lanjany eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena. Anton-javatra manokana fotsiny ny ady. Ny ady izay natao mba hiarovana ny aina sy ny voninahitry ny silamo dia sombiny kely fotsiny amin'ireo zavatra nandrafitra ny jiady – fifampitohizana mivelatra hatrany amin'ny mandrakizay. Amin'io lafiny io, ny jiady izay miseho ho toy ny ady fiarovantena dia fitaovana ara-drariny. Ekena sy azo atao amin'ny silamo ny manohitra ny fanafihana ny fireneny na mandritra ny fitsetsefana sy ny fangejana. Fanampiny, ny adin'izy ireo amin'ny anton-javatra toy izany dia sady zo no andraikitra voajanahary. Tsy maintsy tandremana anefa ity hevitra manan-danja ity: tahaka izao ao amina lamina ara-dalana sy ara-drariny rehetra, ny hevitra fototra ao amin'ny lalana silamo dia ny hoe tsy mainty ara-drariny ny fitaovana ampiasaina mba hanatrarana tanjona ara-drariny. Izany no mahatonga ny CORAN tsy hianona fotsiny amin'ny famporisihana ny silamo hanohitra sy hiady fa mampianatra azy ireo ny fomba fitondrana ny ady koa.

Ahoana no ahafahana hilaza fa jiady ny famonoana olon-tsotra, vehivavy, ankizy sy antitra, ny fitifirana any anati fiara fitateram-bahoaka sy mpianatra, ny doro trano sy fiara sy trano fivarotana, ny fakana ankeriny miafara amin'ny famonoan'olona izay tsy misy ifandraisany amin'ilay toe-javatra akory? Ary ahoana no hilazana ireo mpampihorohoro mamotika ny mpiray fivavahana aminy? Raha tsy nahazo baiko avy amin'ny manam-pahefana fototra ireo mpampihorohoro ireo, raha tsy manao tatitra amin'izay manam-pahefana naniraka azy akory izy satria tsy misy izany ary raha manao izany amin'ny nahim-pony fotsiny izy, ahoana no ahafahana mamafy toetra ny asa ataony ho jiady? Moa ve ampy hiantsoana ny olona ho moudjahid (izay manao jiady) ny fanapoahany baomba eny afovoam-bahoaka tsy manantsiny, ireo baomba ireo izay afatony amin'ny vatany na ataony ao anaty fiarany? Ampy hoan'ireo olona ireo ve ny fianjoany ny tenany ho «moudjahidin» sy ny manome anarana ho jiady ny asa ataony mba ho avy amin'ny jiady marina tokoa ireo zavatra ataony ireo. Aoka ny mpamaky no hitsara izany amin'ny fifotorana amin'ireto ohatra manaraka eto ambany ireto mba hahafantarana na eny na tsia fa manan-jo hantsoina hoe mojahidina ireo olona ireo. Ndeha hazavaintsika amin'ny alalan'ny ohatra nataon'ny Mpaminany ny toe-javatra –asa izay mametraka ny lalàna fototry ny ady amin'ny finoana silamo.

Fitsipika mikasika ny endriky ny ady amin'ny jiady

Ho dinihina amin'ny fahazaran'ny CORAN sy amin'ny fifotorana amin'ny SONA an'ny Mpaminany ka ho fintinina amin'ireto lohahevitra manaraka ireto ny fitsipika mikasika ny maha ady ny jiady amin'ny finoana silamo.

1-Atao tsara fitondra ny fahavalo

Tsy mba nanantsaina hanamontsana ny fahavalo ny Mpaminany na aratsaina na arabatana na tamin'ny antony inona na tamin'ny antony inona, eny fa na dia tamin'ny fotoanan'ny ady aza. Avy amin'ny Mpaminanintsika no nianarana fa tsy maintsy manana indra fo amqin'ireo izay tafalatsaka ao amin'ny toe-javatra mampihetsika ny famindram-po sy ny famelan-keloka na dia fahavalo aza izy ireo. Ny taona fahavalo teo amin'ny Hezira (630), nandritry ny volana chawwal teo amin'ny tety andro ara-bolana dia nandefa an'i Khalid ibn al-Walid hiady tamin'ny fokon'ny Bani Jadhîma niaraka tamin'ny miaramila 300 ny Mpaminany. Nanafatra azy ireo tsy hiady izy raha tsy efa manafika io foko io. Niatrana ampiadiana anefa ireo Bani Jadhîma raha vao nahatsikaritra ny tafik'i Khalid ibn al-Walid. Nandritry ny ady dia nisy tovolahy iray avy amin'ny fianakaviana tsara fanahy novonoin'ny silamo teo imason'ny olon-tiany. Niantoraka teny amin'ilay lehilahy tiany sady tsakoahana indroa ravehivavy. Tsy nahazaka ny halalin'ny hirifiry ny fony ka maty teo an-tratran'ilay olontiany izy. Taty aoriana kely dia voatantara tamin'ny Mpaminany izany toe-javatra izany. Tena nalahelo izy ary nangataka hoe: «Tsy mba nisy olona voangoraka va taminareo? Rehefa nolazaina taminy koa fa namono babo anady maromaro I Kalida dia nanangana ny tanany izy sady nitalaho hoe: «Andriamanitra olombelona! Mianiana aminao aho fa tsy izaho no tompon'antoka tamin'izay nataon'I Khalid. Tsy nandidy azy hanao izay nataony aho!» (Ibn Kathir 1976, 3/391).

Taorian'ny fanafihana ny khaïbar dia nentin'I Bilal teo amin'ny Mpaminany I Safiya binti Houyaï sy ny rahavaviny sady namakivaky ny fatin'ireo jody. Rehefa nahita ny fatin'ireo havany ny rahavavin'I Safiya dia nitomany sy nitoreo mafy sy namaoka ny tavany tamin'ny tanany. Niteny tamin'I Bilal ny Mpaminany hoe: «Ry Bilal! Efa tsy mba mandre famindram-po ve ny fonao no mitondra ireo vehivavy ireo mamakivaky ny faty?» Hoy ny navalin'I Bilal: «Ry Mpaminanin'Andriamanitra! Tsy nihevitra aho fa tsy sitrakao izany» Araka ny fantatra dia niangavy an'I Safiya binti Houyaï hivadika ho silamo ny mpa ary rehefa nanaiky izy dia lasa vadiny. Tamin'ny alalan'izany no nahazahoan'I Safiya ny voninahitra ho isan'ireo renin'ny mpino.[1]

2-Ny fandrarana ny fampijaliana

Tsy nanome alalana ny fampijaliana ireo fahaalony na oviana na oviana ny Mpaminany. Anisan'ireo nanana ny maha izy azy tamin'ny paiana mekoanina I Souhail ibn Amr. Anisan'ireo nanevateva sy nampijaly ny Mpaminany izy talohan'ny nifindrany monina tany Medina. Babo an'ady izy tamin'ny ady tao Badra. Nalaim-panahy handositra izy indray andro kanefa tratra. Mpandahateny nihorehana I Souhaïl. Azo amin'ny alalan'ny teniny ny fon'ny olona. Hoy I Omar tamin'ny Mpaminany: «ry irak'Andriamanitra, mamela ahy ianao anala roa amin'ny nifiny mba tsy ahafahany miteny ratsy anao intsony». Tsy izao anefa no navalin'ny Mpaminany: «Tsia, tsy hampijaly azy aho na kely aza. Raha manao izany aho dia ho sazian'. Ary tsy maintsy manantena fa indray andro any izy haneho fitondran-tena tsy mampalahelo anao intsony».[2]  Taorian'ny fahafatesan'ny Mpaminany rehefa nisy fivadiham-pivavahana tao La Mecque dia niteny tamin'ny mekoanina toy izao I Souhaïl ibn Amr: «Ry mekoanina, ianareo no farany nanaiky ny fivavahan'Andriamanitra. Tandremo farafaharatsiny no mandao azy voalohany» Izany no nahafahany nanakana ny mponin'I La Mecque tsy hivadi-pinoana tamin'ny finoana silamo.[3]

Voaheloka ho faty noho ny famdihana nataony tamin'ny adin'ny lavaka I Nabbach ibn Qaïs, jiosy avy amin'ny fokon'ny Bani koraiza ka nentina teo amin'ny Mpaminany. Vaky ny oron'I Nabbach tamin'izay. Hnomelohin'ny Mpaminany ireo izay nitondra azy teo aminy:

«Fa maninona izy no natao izao? Tsy mino va ianao fa ampy ny fanamelohana ho faty? Hoy ny fialantsiny nolazain'ilay lehilahy: Natosiny aho mba ahafahany mandositra ka niady izahay».[4]

Indray andro nisy olona 8 tonga tao Medina ary nanambara fa hivadika ho silamo. Narary izy ireo ary nila fanampiana. Tsy zakan'ny fahasalaman'izy ireo ny toetr'andro tany Medina. Nalefan'ny Mpaminany tany amin'ny toeram-piandrasana rameva atao zakata[5]  izy ireo. Nijanona tany izy ireo nandritry ny telo volana ka salama tanteraka. Taorian'izany dia notapahin'izy ireo ny tongotra aman-tanan'ilay mpiandry biby ary novonoin'izy ireo tamin-kabibiana izy, notsindrininy tamin'ny tsilo ny masony sy ny lelany. Nangalarin'izy ireo ny rameva avy eo. Rehefa heno tany Medina ny vaovao dia nandefasana mpitaingitsoavaly 20 tany an-tsaha, teo ambany fitarihan'I Kourz ibn Jabir izany. Tratran'ireo mpanaraka avokoa ireo nahavanon-doza rehetra ary nentina tany Medina. Halatra sy vonoana olona, fivadiham-pitokisana sy fivadiam-pinoana no nanamelohana azy ireo. Nosaziana noho ny baikon'ny Mpaminany izy ireo[6], nanomboka tamin'io no nandrarany ny fampijaliana na inona antony na inona.[7]

3-Hajaina ireo maty avy amin'ny fahavalo

Tamin'ny fotoan'andron'ny Mpaminany dia nanana fomba nanapaka ny rantsambatan'izay maty amin'ny ady ireo paiana ary esoriny koa ny tsinainy avy eo, valifaty hono izany. Antsoina hoe «mouthla» io. Rehefa nahita ny fatin'I Hamza dadatony tapaka tongotra aman-tanana sy robaka tsinay tamin'ny ady tao Ouhoud ny Mpaminany dia sorena mafy ary hoy izy: «Raha ataon'Andriamanitra nandresy aho dia ataoko toy io nataony tamin'I Hamza io koa ny paiana 30 ho valifaty» Tamin'izany no nambara ity andininy manaraka ity:

«Ary rehefa manasazy ianao, ataovy amin'ny fahavalo nanafika ziay nataony taminao. Fa rehefa miharitra kosa ianao… marina sy tsara ho an'ny mpiharitra izany» (an-Nahl 16:126).

Taorian'ny fanambarana io andininy io dia tsy notanterahin'ny Mpaminany ny teniny ary nanefa ny fanomezana araka ny lalana silamo izy mba hialana tamin'ny lokaloka nataony.[8]  Hoy ny Mpaminany tamin'I Hamza ka te-hanao toy izany amin'ny vatana mangatsiakan'ireo paiana: «Mipetraha ianao! Ny valisoan'Andriamanitra no irio! Zavatra nasaina ho tandremantsika ny fatin'ireo paiana koraisita… Tia anao ve ny hotsarovana mandritry ny taona maro miaraka amin'ny fahatsiarovana izay nataonao miaraka amin'izany ary mitovy laharana amin'izay nataon'izy ireo?».[9]

Rehefa nanakaiky an'I Medina ny tafika mekoanina mba hanafika ny silamo tamin'ny ady tao Ouhoud dia tonga tao an-tananan'I Abwa izay toerana ahitana ny fasan'I Amina renin'ny Mpaminany. Ny sasany nanan-kevitra ny hiady ny fasana ka hamongotra ny taolmbalony ka hitondra izany miaraka aminy «Raha maka ny vehivavintsika I Mohammed indray andro any dia azontsika ampiasaina ho takalony izany ary omena azy ireo taolana rehefa averiny ny vehivavintsika. Fa raha tsy misy ny toe-javatra toy izany dia hanome volabe antsika ho takalon'ny taolana izy». Ireo izay mba tsara saina kosa namaly hoe: «Tsia, tsy rariny izany. Raha manao zavatra toy izany isika dia hofongarin'ny olon'I Khouzâ'Andriamanitra sy Bani Bakr ny taolambalon'ny razantsika ho valy faty»?. Mba nahay nitsinjo lavitra ihany izy ireo mba tsy hitranan'ny fomba amam-panao mahatsiravina.[10]

4-Tsy azo kasihina ny olon-tsotra sy ny tsy manantsiny

Matetika no voalaza ao amin'ny literatiora «at-tabâqât»[11]  sy «al-maghâzi»[12]  ny toe-javatra nampatsiavin'ny Mpaminany sy nananarany ireo mpanaradia azy ny mba hitandrovan'izy ireo ny ain'ireo izay tsy tafiditra amin'ny ady.

Taorian'ny fahazoana an'i La Mecque sy ny faneken'ireo mekoanina koraisita ny fivavahana silamo dia niantsy ady tamin'ny silamo ireo fokon'i Hawâzin, indrindra fa ireo Bani Hanifa izay nihevitra ho foko natanjaka taorian'ny koraisita. Nanampy azy ireo ny fokon'ny Thakifa. Tamin'ny fiafaran'ny ady izay nitranga tao Honaina dia nahita fatim-behivavy iray novonoina ny Mpaminany izay nitsirara teo amin'ireo fatina paiana.

«Inona ity hitako eto? hoy izy nanontany tena. Io dia vehivavy novonoin'ny tafik'I Khalid Ibn Walid, hoy ny navalin'ireo nanodidina azy. Mandehana tadiavo I Khalid! Ary lazao izy fa mandrara azy tsy hamono vehivavy sy zaza sy biby fiompy ny irak'Andriamanitra, hoy ny Mpaminany tamin'ny iray tamin'izy ireo. Ry irak'Andriamanitra! Kanefa tsy zanaka paiana va izy ireo? Hoy ny hafa Moa tsy zanaka paiana koa va ny tsara indrindra aminareo? Teraka tsy manantsiny ny zaza rehetra ary araka ny natiora madio (L'Islam), hoy ny navalin'ny Mpaminany»[13]

Tamin'ny fotoana namparary mafy ny Mpaminany efa teo ambavahoanan'ny fahafatesana no tonga ny fampilazana fa ny Arabo avaratra mitambatra amin'ny Bizantina dia manomana fanafihana an'I Medina. Nanome baiko ny tafika hiomana ny Mpaminany ary nametraka an'I Osma ibn Zaïd ho mpitaritafika. Nomeny azy izao fanamarihana manaraka izao: «Mitoloma ao amin'ny làlan'Andriamanitra, mitoloma ho an'Andriamanitra. Tohery ny mpifanandrina mandà an'Andriamanitra. Aza manao habibiana manoloana ny olona. Mba matotra amin'ny andraikitrao. Aza kapaina ny azo fihinam-boa. Aza vonoina ny biby fiompy. Azo vonoina ny mpitokamonina avy ao amin'ny trano fonenany mifantoka amin'ny fiderana, toy izany koa ny vehivavy sy ny zaza. Aza maniry hifanehitra amin'ny fahavalo. Raha tsy manao izany ianao dia ho tojo olana sy fisedrana mafy noho izy ireo»[14]

Nandritry ny ady tao Mou'ta dia nanapakevitra handefa miaramila 15 hiady tamin'ny fokon'I Ghatafan izay mpiray petrapetra tamin'ireo fahavalon'ny silamo ny Mpaminany. I Abou Qatada no notondroiny ho mpitaritafika. Nandidy azy izy hoe: «Aza vonoina ny vehivavy sy ny zaza!» Toy izany koa, nanapakevitra ny handefa tafika miisa 700 hanohitra ny vahoakan'I Douma al-Jandal izay fantatra araka ny voalazan'ny sampam-pitsikolovana fa manomana fanafihana ny Mpaminany. Nanome izao didy izao izy rehefa niresaka tamin'I ‛Abd ar-rahman ibn ‛Awj izay notndroiny ho mpitaritafika: «Mba mendrika sy azo hitokisana manoloana ny fananan'ny babo anady, tandrovy tsara ny andraikitrao, ary aza tapahina ny rantsambatan'ny maty, aa vonoina ny zaza. Izany no fampanantenana omenareo an'Andriamanitra ary izany koa no ohatra nomen'ny Iraka nalefany.[15]

Anisan'ny ohatra tena manindrona mikasika io lafin-javatra io ny fitondrantenan'I Khoubaïb ibn Adiyy. Tonga teo amin'ny Mpaminany nandritry ny taona fahatelo amin'ny tety andro silamo ny vondrona iray avy tamin'ny fokon'ny Alal sy al-Qarah ary niteny hoe: «Misy nifisy ny finoana silamo ny sasany aminay, noho izany dia andefaso ampahana silamo hampianatra anay ny CORAN sy hampahafantatra anay ny foto-kevitra sy ny lalàna silamo.[16]

Nifantina mpianatra 6 hanatanteraka io andraikitra io ny Mpaminany. Rehefa tonga tao amin'ny zaratanin'ny fokon'ny Houdhayl ireo vondrona ireo dia nijanona ary nipetraka hiala sasatra izy ireo. Tampotampoka teo nisy andian'olona nanafika azy.[17]

Nogadraina I Khoubaïb ibn Adiyy sy I Zaïd ibn rathina ary netnina tany La Mecque ka namidy tamin'ny paiana koraisita izay main'ny fitia te-hamaly faty noho ireo havany maty sy liandrà. Nofatorana rojo ny tongotr'I Khoubaïb ibn Adiyy. Niandry ny hovonoina izy. Nangataka fiaratra tamin'ny andevo afaka iray nantsoina hoe Mawiya izy mba hanalany ny volo samy hafa teny aminy. Nanome fiaratra ny zanaka natsangany 3 taona I Mawiya sady niteny hoe: «Mandehana omeo ny gadra ity» mbola tantarainy avy eo ny tohiny: «Nentin'ilay zazalahy teo amin'ilay gadra ny fiaratra. Avy eo hoy aho tamiko: «Ry Andriamanitro! Inona ity ataoko? Ary niazakazaja taorian'ilay zazalahy aho. Rehefa tonga teo akaikiny aho dia hitako mipetraka eo an-dohalik'I Khoubaïb ndeha hiteny aminy ilay zaza, ary niantsoantso aho. Nibanjina ahy I Khoubaïb ary niteny hoe: «Matahotra angaha ianao fa sao hamono ny zanakao aho? Miambina ahy tsy hanaozavatra toy izany na oviana na oviana Andriamanitra. Ny manala aina tsy amin'antony dia tsy anisan'ny fahazaranay ary aza mba mipetraka amin'ny anaranay. Tsy ianao mihitsy no ireo te-hamono ahy». Nentin'izy ireo tany Tan‛im, 10 km avy eo La Mecque I Khabaïb ibn Adiyy sy I Zaïd ibn Dathima ary novonoiny teo.[18]

Ireo ohatra rehetra voalazanay teo ambony ireo dia tsy inona fa fampiharana ny fotokevitra tena izy amin'ny jiady, foto-kevitra najoron'ny CORAN hatramin'ny fiafaran'ny fotoana, dia ny: tsy hiady afa tsy amin'ny mpiady ary tsy mamono ny olontsotra sy ny tsy manantsiny izay tsy voakasiky ny ady.

«Mitolona ao amin'ny làlan'Andriamanitra ary aza mandika lalàna. Marina, tsy tian'Andriamanitra ny mpandika lalana!» (al-Baqara 2:190)

«Ry mpino! Mba malina (amin'ny asanareo) eo anatrehan'Andriamanitra ary meteza ho vavolombelona marina. Aoka ny tsy fitiavana vahoaka iray tsy hanosika anareo tsy ho marina. Ampiharo ny fahamarinana: manakaiky kokoa ny famindram-po izany. Ary matahora an'Andriamanitra. Satria tena mahafantatra marina izay rehetra ataonareo Andriamanitra» (al-Mâida 5:8).

Ny mamely ny fahavalo tsy amim-pamindram-po, manapaka ratsambatan'ny maty, ny fampijaliana, ny mamono vehivavy sy ankizy dia midika ho fioharam-pefy amin'ny rariny mijoro, izany no mahatonga ireo rehetra ireo ho voararan'Andriamanitra amin'ireo andininy ireo.

5-Aza mikendry ny mpino silamo

Amin'ny fanamafisana fa voarara ny famonoana izay tsy silamo tsy manantsiny na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza dia tsy azo sainina ny finoana fa azo atao ny famonoana silamo tsy manantsiny. –Ny toe-javatra hoe afaka na tsy afaka mitifitra fahavalo ny silamo kanefa izy mampiasa mpino silamo ho toy fiarovantena dia mbola maneho lafin-javatra mifanohitra amin'ny lalàna islamika ihany koa- na dia tsy mitifitra aza dia miteraka faharavana.

Fony fahavelon'ny irak'Andriamanitra dia tsy nahitana na oviana na oviana silamo namono silamo hafa tamin'ny fotoanan'ny ady. Indray mandeha monja no nisy toe-javatra toy io saingy vokatry ny faha tsy nahy sy ny tsy nampoizina. Nandritry ny zava-niseho tao Bi'r al-Maonna, dia nogadraina I <(Amr ibn Oumayya, iray tamin'ireo mpampianatra, nafahana anefa rehefa tanteraka ny voady natao tamin'Andriamanitra. Teny an-dalam-podiana ho any Medina dia namono olondroa avy amin'ny fokon'ny Bani‛Amr izy rehefa nihevitra fa fahavalo izy ireo. Izy ireo anefa nivadika ho silamo ary niantohan'ny Mpaminany ny fiainan'izy ireo. Nampalahelo fatratra ny Mpaminany io toe-java-nitranga io. Nefainy ny vidin-dran'ireo olona roa ireo.[19]

Taorian'ny fahazoana an'I La Mecque dia tonga tany Medina I Harith ibn Dhirar olon'ny foko Bani Moustaliq ka nivadika ho silamo. Moa va izy no niandraikitra ny fivadian'ny fokony manontolo ho silamo. I Walid ibn Ouqba no notondroin'ny Mpaminany ho mpanangona ny Zakata tany amin'ny foko Bani Moustaliq. Rehefa nahita an'I Walid ireo vahoakan'ny Bani Moustaliq dia nivoaka mba handray ilay iraky ny Mpaminany. Raikitahotra anefa I Walid rehefa nahita azy ireo nanao be fiavy teo aminy ka niverinatany Medina avy nitantara izany tamin'ny Mpaminany:

«Ry irak'Andriamanitra, nosakanan'ireo Bani Moustaliq tamin'ny fanangonana ny Zakata aho. Tadiavin'izy ireo ho vonoina aho. Nanao be fiavy hiady aminao avokoa izy ireo». Naniraka an'I Khalid ibn Walid mba handinika ny zava-nisy ny Mpaminany avy eo. Nilaza izy fa tsy mitovy amin'izay voalazan'I Walid ibn Ouqba velively ny toe-javamisy.[20]  Vokatr'io toe-javatra io no nanambarana izao andininy manaraka izao:

«Ianareo izay mino! Raha misy mpamadika mitondra vaovao aminareo; jereo tsara ny tahotra fa tsy hahafantatra ny olona amin'ny hamaivanan-doha ianareo ary tsy hanenina ianareo amin'izay ataonareo» (al-Houdjourat 49:6).

Na inona antony na inona dia tsy eken'Andriamanitra marina indrindra ny famonoan'ny silamo ny silamo eny ampiadiana, eny fa na dia tsy nahy aza. Ny taona fa 6 tamin'ny Hezira (628) dia tonga tao Houdaibiya teo akaikin'I La Mecque ny Mpaminany, niaraka tamin'ireo mpanaradia azy hanatanteraka ny fivahiniana masina izy (‛oumara). Tsy navelan'ireo paiana mekoanina hiditra ny tanana anefa izy ireo. Tamin'io ny Mpaminany dia nanasonia fifanarahana miantoka ny fandriampahalemana ao anatin'ny 10 taona na dia ahitana toe-javatra tsy mety loatra hoan'ny silamo aza tao. Tamin'ny alalan'izany no nahafahana niala tamin'ny ady mahatsiravina. Toy izao manaraka izao no hanazavan'ny CORAN ny iray amin'ireo fahendren'ny fifanarahana tao Houdaïbiya:

«Izy ireo no tsy mpino ary izy no manakana ny lalanareo tsy ho any amin'ny «trano fivavahana masina» ary nanakana ny sorom-panomezana izay novonoina teo amin'ny toeram-pamonoana azy. Raha tsy nisy olona mpino sy vehivavy mpino (amin'ireo mekoanina) tao izay tsy fantatrareo ka mety ho nopotehinareo noho ny tsy fahafantarana ka ho meloka amin'izany zavatra azo omentsiny izany ianareo… Nisy izany rehetra izany mba hampidiran'Andriamanitra izay sitrany ao amin'ny famindram-pony. Ary rehefa ilazana ireo tsy mpino dia ho sazianay amin'ny sazy henjana tokoa izay tsy mpino amin'ireo mekoanina» (al-Fath 48:25).

Tamin'ny alalan'ny fifanarahana tao Houdaïbiyya no nahafahana niala tamin'ny mety ho famonoana silamo tsy an-drariny tao La Mecque ary ny ady mafy izay mety ho miafara tamin'ny ra mandriaka. Toa tsy ankasitrahin'Andriamanitra ny famonoana ny silamo izay tsy afaka nifindra moninatany Medina. Ankehitriny kosa dia nisy ny silamo mamono silamo ankitsirano fotsiny izao amin'ny asa heverin'ny sasany ho jiady. Ahoana no ahafahana mino fa mamela zavatra toy izany hiseho Andriamanitra?

6-Manao zavatra amin'ny fanajana ny laharana antanantohatra sy ny baiko

Foto-kevitra iray tena manandanja amin'ny endriky ny ady amin'ny jiady koa ny fifotorana amin'ny planina ankapobeny sy eken'ny silamo manontolo. Raha misy vondron'olona na olona mihetsika kanefa tsy naharay baiko avy amin'ny manampahefana ivo dia tsy manao izany afa tsy amin'ny saim-patany fotsiny izy ary tsy manaja ny olona manampahefana, korontana no vokatr'izany. Na dia tsy misy aza ny fahefana ivo dia tsy azo hamarinina ho fihetsika mahaleotena sy tsy mandray andraikitra izany; satria tsy mifanaraka ny korotana sy ny jiady. Amin'ny toe-javatra toy izany fa hitranga ny fihetsiketsehana, hanalavitra ny tanjony voalohany izy ary niteraka fahadisoana fa tsy zavatra tsara.

Nandritry ny vanimpotoanan'ny fahasambarana dia tsy nisy jiady, amin'ny heviny ady mitam-piadiana, natao tsy tamin'ny baikon'ny Mpaminany na ny fanomezany alalana mialoha. Zavatra vitsivitsy fotsiny no niseho toy izany ary tsy nisy baiko avy tamin'ny Mpaminany noho ny tampoka. Nandreraka fatratra ny Mpaminany ireo to-javatra ireo ka nananany izay naneo azy. Nomeny tsiny I Absoulah ibn Jahh rehefa nanao zavatra tsy nandidiana azy natao; nananatra an'I Khalid ibn al-Walid izy mba hitandro ny ain'ny vehivavy sy ny zaza; nefainy ny vindin-dran'ireo silamo novonoin'I ‛Amr ibn Oumayya.

Na dia ny toe-javatra nanjo an'I Abou Bassir aza tsy nametraka tranga manokana amin'io fitsipika io. Anisan'ny fokon'ireo Bani Thaqîj I Abou Bassir. Rehefa nivadika ho silamo izy dia nogadrain'ny paiana mekoanina. Taorian'ny fifanarahana tao Houdaïbyyia dia nahita fomba handosirana izy ka nandositra tany Medina, nialokaloka tany amin'ny silamo. Na dia izany aza anefa, araka ny fifanarahana tao Houdaïbyyia dia tsy manan-jo hitana mekoanina nivadika ho silamo izay nandositra an'I La Mecque mba hipetraka any Medina ny silamo. Izany no nahatonga ireo mekoanina roa naka azy tany Medina.

Noho ny fanajana ny fifanarahana dia naverin'ny Mpaminany teo anatrehan'ny mekoanina I Abou Bassir. Tsapan'ny Mpaminany ny fangirifirian'I Abou Bassir noho io toe-javatra io ka nampionona azy toy izao izy: «Mandehana ry Abou Bassir. Hanome anao lalan-kizorana sy fampiononana Andriamanitra, hoan'ireo mitovy aminao koa» (Ibn Hicham 1971, 3/37) Novonoin'I Abou Bassir ny iray tamin'ireo olona nitondra azy ho any La Mecque ka nandositra ny iray. Niverina tany Medina izy ka niteny tamin'ny Mpaminany hoe: «Ry irak'Andriamanitra! Tanteraka ny teninao ary nanafaka ahy tamin'ireo olona ireo Andriamanitra». Namaly ny Mpaminany hoe: «Mahery fo tokoa ianao! Ary raha nisy olona vitsivitsy namanao dia tsy nisy nahasambotra anao. Mandehana any amin'izay tianao aleha» (Waqidi 1966, 2 (626-627). Tamin'izay I Abou Bassir dia nitondra olona vitsivitsy niaraka taminy ary nentiny tany amin'ny tanana amorontsirak'I Is, any amin'ny lalana falehan'ny entam-barotra avy any La Mecque ho any Siri. Niangona nanodidina an'I Abou Bassir ireo rehetra izay nivadika ho silamo kanefa tsy nahazo nifindra monina tany Medina. Nosakanan'izy ireo ny lalan'ny entam-barotra mekoanina. Izany no nahatonga ny mekoanina hiangavy ny Mpaminany handray an'I Abou Bassir sy ireo namany ao amin'ny fiarahamonina silamo ao Medina. Noho izany dia nantsoin'ny Mpaminany ho any Medina izy ireo. Tsy maintsy niaro tena I Abou Bassir ary tonga tany soa amantsara; tsy nanan-kevitra ny hanao zavatra tsy miankina tamin'ny Mpaminany sy ny silamo izy. Rehefa tonga tany aminy ny baiko an-taratasy avy tamin'ny Mpaminany ho any Medina dia efa teo amavahoanan'ny fahafatesana izy. Taorian'ny fandevenana azy, araka ny baiko voasoratry ny Mpaminany dia niverina tany Medina ny 70 tamin'ireo namany fa ny sasany kosa nierina tany amin'ny tany nihaviany. (Ibn Abdoulbarr, 4/20; Diyarbakri, 2/25).

7-Ny fanampiana ny fahavalo amin'ny lafiny maha olona

Tsy voatery hiteraka fahadisoana hoan'ny fahavalo ny jiady. Tafiditra ao amin'ny tontolon'ny jiady ny fanampiana ny fahavalo raha mila izany izy. Ny fihetsika toy izany dia mety hampihena ny fanoherana, mety hampiova fo sy hevitra ireo fahavalo aza.

Nandritry ny fotoanan'ny hain-tany sy ny hanoanana nanjaka tany La Mecque taorian'ny nifindran'ireo silamo monina tany Medina dia nandefa arimbazaha sy daty sy mololo hoahn'ny biby fiompy sy volamena mba hatao vola hoan'ireo mekoanina ny Mpaminany. Na dia nanda ireo fanomezana ireo aza ny olona ambony teo amin'ireo paiana koraisita toandr'I Oumayya ibn Khalaf sy Safwan ibn Oumayya dia naneho ny hafaliany toy izao manaraka izao kosa I Abou Soufyane: «Hamaly soa ny zanadrahalahiko anie Andriamanitra satria tsy notsinontsinoaviny ny maha mpihavana» (Köksal 1981, 14/304).

Maneho ny fanampiana ny fahavalo koa ny zavatra niseho tamin'I Thoumama ibn Outhal, avy amin'ny fokon'ny Yamôma. Taorian'ny fivadihany ho silamo dia nanao ny fivahiniana masina tany La Mecque I Thoumama. Tsapan'ireo paiana fa nanjary silamo izy rehefa henon'izy ireo ny vavaka sy ny andininy novakiana, nosamborin'izy ireo izy ary saika ho vonoiny. Nandidy ny fanafahana azy anefa ireo olobe paiana satria natahotra sao tsy handefasan'ny vahoaka Yamâma sakafo. Rehefa tafaverina tany aminy I Thoumama dia notapahiny ny famatsiana ny mekoanina ka nanjary nijaly fatratra izy ireo. Nandefa solontena ho any amin'ny Mpaminany izy ireo mba hiangavy azy hiteny amin'I Thoumama mba tsy hanao ny fangajana ny fandefasana sakafo any La Mecque. Nandefa taratasy tany amin'I Toumama ny Mpaminany mba hampitsaharany ny ankivy. Noho izany dia namela ny vahoakany handefa sakafo tany La Mecque I Thoumama.[21]

8-Ny ady amin'ny maha zavatra tsy azo ialana azy intsony

Tsy zavatra tsara mandrakariva akory ny fampiasan-kery eo amin'ny faritoe-javatry ny jiady. Ohatra tsara amin'izany ny toe-javatra izay nandrarana ny ady mitampiadiana hatramin'ny ady tao Badr. Tamin'ny fifanarahana fa hifanampy faharoa tao ‛Aqaba[22]  izay niseho volana telo talohan'ny Hezira dia hoy i Abbas ibn Oubada: «Ry Irak'Andriamanitra! mianiana aminao eo anatrehan'Andriamanitra naniraka anao niaraka tamin'ny fivavahana marina sy ny boky aho fa ampy ny fangatahanao amiko ny fandefasanay ny vahoakan'i Mina hiady» na dia tonga tao Aqaba hanao ny tsenabe ka nampijaly ny Mpaminany aza ny mekoanina dia hoy ny navaliny: «Tsy nomena baiko hanao zavatra toy izao izahay; ankehitriny, mandehana manakaiky ny fanananareo». Ampy hilazana ziany fa ny valin'ny fampijaliana sy ny ompa sy ny fangejana dia mety ho zavatra hafa fa tsy ny fampiasan-kery ihany.

Fa naninona ny Mpaminany no nanome tsiny an'i Abdoullah ibn Jahch izay nalefa ho any La Mecque mba hitsikilo sy mba hahazoana ny vaovao nandritry ny volana fahafitoambinifolon'ny Hezira rehefa nanafika ny mpitatitra entambarotry ny koraisita izy ka nahafaty olona vitsivitsy sy nisambotra ny sasany? ankilany, satria io zavatra nataony io dia toa anatain'ny volana masina izay rarana tsy hanaovana ny ady ary an-daniny satria ny fepetra hamakiana ny ady tamin'ireo koraisita sy ny mpanaradia azy dia mbola tsy feno.

Voaporofo ny fahamarinan'ny politika nentin'ny Mpaminany niatrika ny ady rehefa nanao sonia ny fifanarahana tao Houdaïbyyia izy araka izay efa voalazantsika tery ambony (al-Fath 48:25) Azo i La Mecque taorian'ny taona roa niharetana, tsy nisy rà nandriaka noho ny zavatra natao nifototra tamin'ny fandriampahalemana. Ny zavatra nataon'ny Mpaminany dia ampy ho porofo fa tsy voatery hiady na hampiasa fitaovam-piadiana vao mahatratra ny tanjona tian-kotratrarina.

Nesorin'ny Mpaminany ny tobim-pamaharana tao Taïj izay saika hapetraka ela tao mba hisakanana ny fahafatesan'ny zaza amam-behivavy izay ao anatin'ny hery ary mety ho voan'ny tifitra an-jamban'ny fitaovam-pitifirana. Te-hiala amin'ny fahafatesan'olona maro avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ihany koa izy. Nanjary paik'ady sy politika mendrika izany izay namela azy ireo hahatratra ny tanjony tsy niditra tao amin'ny ady ary hisy vokany haingana: vola vitsy taty aoriana dia nilaza ny vahoakan'i Taïj fa ny tanin'izy ireo dia lasa toerana mitokana amin'ny an'ny tsy mpino ao amin'ny singantanin'i Arabia –niafara tamin'ny fahatongavana tany medina, nivadika ho silamo.

Raha fintinina ny asa ataon'ireo namono vehivavy sy ankizy sy antitra eny an-dalam-be izay tena ahitana olona maro, ireo izay nanapoaka sy mandoro fiara sy trano, ireo mampijaly sy mamono ny olona alainy an-keriny na ataony takalon'aina, ny fanaovana vivery ny aina amin'ny famonoantena sy ny olona tsy manantsiny miaraka amin'ny baomba mipoaka eny aminy na ao anaty fiarany –ireo asa rehetra ireo dia tsy nisy andraikitry ny manam-pahefana ara-dalana- dia tsy azo heverina ho toy ny jiady ary ireo olona ireo dia tsy azo faritana ho mojaidina. Tsy misy na dia kely aza manamarina ireo zavatra ireo ao amin'ny CORAN sy ny SONA. Tsy ny anarana omena ny zavatra iray akory no inona fa ny endriny, ny firafiny sy ny toetrany. Tsy mba ny silamo no namorona ireny fitaovana ireny mba handrenesana ny feony amin'ny ady mandatsa drà sy tsy mendrika. Io fomba fiasa io dia natomboky ny vondrona mpampihorohoro tsy silamo sy mpanjakazaka. Hatramin'izao dia tsy misy tombontsoan'ny silamo amin'ireo asa ratsy ireo. Ny mifanohitra amin'izany, namotika ny endriky ny silamo izy ireo –endrika naorina tamin'ny siansa sy ny fahalalana, ny lalàna sy ny fahamarinana, ny fitiavana sy ny fandriampahalemana. Tsy mba izany no entin'ireo zavatra ireo fa mitarika ny olona hametraka fifandraisana amin'ny silamo, ny silamo sy ny fampihorohoroana. Ireo asa ratsy izay mody antsoina hoe jiady ireo no tena nanome endri-dratsy ny finoana silamo.

Araka izay efa nisehoanay tao amin'ny fanadihadiana an-tsipirihany dia tsy mba manana ny toerany kely akory ao amin'ny endriky ny jiady ny fampihorohoroana. Ahoana no tokony hitondran'ny silamo ny tenany ary amin'ny faritoe-javatra toy inona, ahoana ary amin'iza no tsy maintsy hitolomany dia zavatra efa voafaritra mazava ao amin'ny CORAN sy ny SONA. Tsy misy na dia silamo iray aza afaka hitoetra ho silamo ary amin'izany ka manalavitra sy manohitra ny lalana voasoritr'Andriamanitra sy ny Mpaminany.

Prof. Hamza Aktan – Professeur de Loi Islamique à l'Université Atatürk, Erzurum.


[1] Ibn Hicham 1971, 3/350-351; Waqidi 1966, 2/673.
[2] Ibn Hicham 1971, 2/304; Tabari 1967, 2/465,561.
[3] Ibid
[4] Qöksal 1981, 1/353.
[5] Iray amin'ireo foto-pinoana silamo ny «zakât». Tokony hanome ampahany hatao fanomezana amin'ny fananany ny mpino tsirairay avy. Ny fanomezana rameva dia tsy maintsy ataon'izay manana rameva mihoatra ny 5, amin'io lafiny io dia osy na ondry koa no atao raha niraoka tao amin'ny toeram-piraofana nandritry ny taona izy.
[6] Boukhari, al-Houdoul, 17-18; Mouslim, al-Qassâma, 9-11.
[7] Waqidi, 2/570; kôksal 1981, 13/127.
[8] Ibn Hicham, 3/101; Haythami 6/120.
[9] Waqidi, 1/290.
[10] Ibid, 1/206.
[11] At-Tahaqât: anarana ankapobeny homena ny boky nosoratan'ireo mpanoratra ankehitriny, mpikambana ao amin'ny sekolim(padinihana iray na vondrona sofia eo amin'ny vanim-potoana 10 na 20 taona. Ny varotra voalohany tamin'ny at-Tabaqât dia ny an'i In Sa‛d at-Tabaqât al-Koubrâ iozay mitantara ny fiainan'I Al-Maghâzi boky mikasika ny fanafihana miaramila nataon'ny Mpaminany.
[12] Al'Maghâzi: boky mikasika ny fanafihana miaramila nataon'ny Mpaminany.
[13] Abou Dawoud, al-Djihâd, 111.
[14] Waqid, 3/117-118.
[15] Ibn Hicham, 4/280-281.
[16] Boukhari, al-Maghâzi, 28.
[17] Ibid.
[18] Ibn Hajar 1328; 1/418.
[19] Ibn Saïd, 2/53; Waqidi, 1/351-352.
[20] Ahmad ibn Hanbal 1985, 4/279; Zourkani 1973, 3/47.
[21] Ibn Hicham 4/228.
[22] A traduire

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.