• Home
  • Terrorisme
  • Fampihorohoroana Sy Fanaovana Vivery Ny Aina: Fomba Fijery Silamo

Fampihorohoroana Sy Fanaovana Vivery Ny Aina: Fomba Fijery Silamo

Eo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery dia tenenina miaraka matetika ny teny hoe «silamo» sy «fampihorohoroana». Zary toa mahazatra ny maro ny fomba fiteny toy ny hoe «mpampihorohoro silamo». Impiry impiry no voatonona mifanakaiky ny teny hoe «fampihorohoroana» sy «silamo»? na koa manambara teny hafa idiran'ny fampihorohoroana ka miaraka mandrakariva amin'ny silamo? Moa ve ny loharano fototry ny silamo sy ny fombany any amin'ny toeran-tsamihafa sy teo anivon'ny tantara mamela ny fampihorohoroana? Na moa ve ny fampifamindranan-dalana ny silamo sy ny fampihorohoroana tsy finiavana te handoto ny endrika mamirapiratry ny finoana silamo fotsiny? Toa manahatahaka izany ny zava-miseho. Ny jiady –mivantana na an-kolaka- va midika ho fampihorohoroana? Ahoana no hevitry ny silamo mikasika ny fanaovana vivery ny aina, fanafihana izay tsy misy mahafantatra hoe aiza, rahoviana na entina hanohitra an'iza, na iza no hovonoina amin'ny habibiana?

Mba ahafahana mahita valiny mahafapo amin'ireo fanontaniana ireo sy izay mitovitovy aminy, sy mba hampitana izany valiny izany amin'ny vahoaka dia tsy maintsy mitodika amin'ny tantara isika ahafahana manao fanadihadiana mikasika io toe-javatra io miaraka amin'ireo manam-pahaizana mikasika izany. Nanontany azy ireo izahay satria ny fomba fiasa siantifika sy marina mba hahazoam-baovao dia ny manontany ireo manam-pahefana mahay. Toy ny tsy fetezan'ny fanontaniana mikasika ny fitsaboana amin'ny injenera no hiheveranay fa ny hevitry ny manampahaizana iray amin'ilay toe-javatra dia marina noho ny hevitry ny olona an-jatony tsy mahalala na inona na inona mikasika izany.

Ankehitriny dia misy tokoa ny korontana eo amin'ny lafiny terminolojia izay teny mampiahiahy tokoa mikasika amin'ireo teny mifamatotra amin'ny finoana silamo. Antony maro no mahatonga izany, ny iray tena mavesa-danja amin'ireny dia ny fiheveran'ny silamo araka izay saininy fotsiny ny finoana silamo ary ataony izany noho ny fianjahanjana mahatsiravina ianjerany. Antony hafa koa ny fanomezan'ny olon-kafa dika vilana ny CORAN, ny hadita (ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany: angon-teniny sy ny zavatra nataony), sy ireo fomba fiteny sy hevitra sarobidy iorenan'ny finoana silamo –izay voazava sy tena feno noho ny fanampian'ireo loharanony roa avy amin'Andriamanitra- raha ampifandraisina amin'ireo kolontsaina nahalehibe azy, sy naparitaka manerana izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny fomba maro samy hafa.

Ho hitantsika ato amin'ity boky ity ny lafin-kevitra toy ny fampihorohoroana, ny fanaovana vivery ny aina, ny jiady ary ny sasany dia nodinihina tamin'ny alalan'ny loharano hatrany am-boalohany toy ny matoan-dahatsoratra nosoratan'ny siantifika izay samy manam-pahaizana avy amin'ny tontolo siantifika silamo isan-karazany.

Ahitana fanadihadiana lalina mikasika ireto lafin-kevitra manaraka ireto ato amin'ity boky ity: i) Ny silamo, isan'andro ary amin'ny lafiny rehetra dia manatsara ny fandriampahalemana; ii) Ny CORAN dia mihevitra ny ain'olombelona ho ambony sy tsy azo atao tsinontsinona; iii) Heverin'ny silamo ho toy ny heloka be vava indrindra ny famonoana olona ary fahotana goavana, iv) Amin'ny silamo dia misy fepetra tsy maintsy arahina na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza; tsy azo vonoina ny tsy manantsiny tsy mandray anjara amin'ny ady; v) tamin'ny tantaran'ny ady dia ny Mpaminany Mohammed[1] no olona voalohany ny fitsipika arahina mandritry ny ady, vi) Heverin'ny silamo ho toy ny vono olona feno habibina indrindra ny fanaovana vivery ny aina, ary vii) azo tanterahina amin'ny alalan'ny fampiasana zava-mahadomelina simika ireo fanaovana vivery ny aina.

Manantena izahay fa izay voalaza ato amin'ity boky ity dia hanatsara ny fahazoana ny finoana silamo sy ny fomba fijeriny ny fampihorohoroana. Ny fomba tokana hanatsarana ny fampihorohoroana sy ny fanafihana mahery vaika mitovitovy amin'izany dia ny fahafantarana izay tena antony nahatonga azy. Raha mbola tsy mazava sy mifangaro izany toe-javatra izany, na inona antony na inona, dia tsy misy na iza na iza afaka hametra ny fampihorohoroana.


[1] Ao amin'ny boky rehetra izay ilazana ny Mpaminany Mohammed, ny anarany dia arahin'ny teny hoe «Hoaminy anie ny fiadanana sy ny tsodranon'Andriamanitra». izany dia mba hanehoantsika ny fanajana azy sady tsy maintsy atao koa izany amin'ny fivavahana. Misy teny mitovy amin'izany koa ampiasaina hoan'ireo Mpaminany hafa, ny mpanaradia sy ny silamo hafa fanta-daza. Mety hahatalanjona ny mpamaky tsy silamo izany indraindray.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2024 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.