Fivavahana

Ny fampihorohoroana izay miseho ho toy ny fikomiana hanoherana ny horohoro be iray izay niseho taorian'ny faharavan'ny firaisam-be sovietika dia nanjary loza mitatao hoan'izao tontolo izao noho ny zava-niseho ny 11 septambre 2001. ny hery tokana mahefa izay manohitra ny fampihorohoroana dia mihevitra ny faritoe-javatra ho anton'ny ady. Tsy nitarika ny zanak'olombelona –ary indrindra any Moyen-Orient- hiatrika ady fotsiny io fa hitarika ho amin'ny fanaovana rainazy sy fanarina ny soa toavina maha olombelona mihitsy aza. Vokany, ny «foto-kevitra iraisan'ny rehetra» sy ny lalàna «iraisam-pirenena» izay tanjon'ny firenena mikambana –rafitra najoro taorian'ny sedra maherivaikan'ny ady lehibe roa iraisan'izao tontolo izao- dia voahitsakitsaka ary nitranga ny olom-pifampitokisana maneran-tany. Manoloana ireo fivoarana ireo dia nanjary nanandanja goavana ny soa toavina ara-pivavahana sy ny etika.

Fivavahana

Ny fivavahana dia azo faritana ho fitambaram-pitsipika sy foto-kevitra nalefan'Andriamanitra mba hitarihana ny olombelona ho amin'ny fahasambarana eto an-tany sy any an-koatra.

Manomboka niaraka tamin'ny tantaran'ny zanak'olombelona ny tantaran'ny fivavahana. Ny fanazavan'ny olombelona voalohany mikasika ny toe-javatra akaiky na lavitra izay manodidina azy dia nifototra tamin'ny fivavahana. Nonosika ny fivavahana hanana anjara toerana lehibe teny andalan'ny antara tao amin'ny fitarihana ny olona toy ny siansa, ny kolontsaina, ny ara, ny lalana sy ny moraly izy.

Mamela ny olona hahita ny soa toavina ambony indrindra izay miafina ao amin'ny halalin'ny tena maha lona ny olona ny fivavahana ary mamela azy hahita hafaliana tsy azo fafana. Ny saina tsy mifandraika amin'ny fivavahana dia tsy mahita afa tsy zavatra tokana ary tsy manampahafahana hahatsapa ny fisiana ho toy ny zavatra manontolo izay. Ankoatra izany, ny fivavahana tsy misy fanahy dia miteraka olona mihidy ao anaty toerana tery izay manry ny tena hevita sy lanjan'ny fiainana marina raha tokony hibanjina ny tanjona iriana dia ny hanokatra ny tontolony.

Toy ny tsy ahafahan'ny olona mamaritra ny maha izy azy raha tsy manam-pinoana no tsy hahaizany mamaritra koa ny toeran'izy ireo ny andraikiny sy ny satany eo anivon'ny tontolo. Tsy misy ahiahy fa no voary tonga lafatra idnrindra sy tena manandanja eo amin'ny zava-drehetra. Ny singa mahatonga azy hanana ny maha izy azy dia ny toetrany ara-panahy fa tsy ny toe-batany. Raha mikasika ny vatantsika mantsy dia manana toetra maro itovizana amin'ireo voary hafa rehetra isika. Tahaka ireo taova rehetra hafa, ny vatantsika dia fitambaran'ny sela, zena sy sela madinika. Ny mametraka antsika hiavaka dia ny fahafahantsika misaina hino sy handray fahalalana sy ny fahatsapantsika ireo fanomezana ireo, izany hoe tokony ho olona tonga saina sy mandinika isika. Noho io toetra io no ahafahantsika mandalina hevitra tsy azo tsapain'tanana mamolavola foto-kevitra ankapobeny ary mamokatra soa toavina izay mamaritra ny fisainantsika sy ny asantsika. Ireo soa toavina ireo no mamolavola ny lalàna sy ny finoantsika.

Mametra ny olombelona ho zt feno ny rafiny ara-batana sy ara-panahy (fanahy sy vatana). Mamotipotika sy mandrovita io fahafenoana io ny hevi-diso sy ny finoan-diso: na izy ireo mamolavola olona ho fanahy fotsiny na vatana fotsiny. Ireo rehetra ireo dia niafara tamin'ny famoronana hevi-diso teo amin'ny fisiana manontolo. Ny tanjona avon'ny fivavahan'Andriamanitra dia ny hanangona ireo kasingam-pisiana ireo ao amin'ny faritry ny fahalalana sy ny fahendrena. Indraindray anefa dia ny fivavahana ihany no manalavitra ny tena maha izy azy ka niofoka ho dogma. Izany no nahatonga azy ireo tsy hahatanteraka ny andraikitra izay nahariana azy. Rehefa tonga izany dia na ny fivavahana manjary ideolojia fotsiny na fitambarana fombafomba ety ivelany fotsiny.

Araka ny voalazan'ny Imam Chatibi (maty ny taona 790), manam-pahaizana silamo dia ny fahatsaran'ny olombelona eto an-tany toy ny any an-danitra no tena tanjona fototry ny fivavahana. Vokany, hanjary isan'ireo tanjona fototry ny fivavahana ny fiarovana ny finoana, ny aina, ny fananana sy ny voninahitry ny olombelona:

«Ao amin'ny fivavahana manontolo, ny andraikitra nankinina tamin'ny olombelona dia ny hiaro ireto zavatra telo ireto: izay tsy azo avela (adh-Dharouri), ny ilaina (al-Hâdji) ary izay manatsara (at-Tahsînî)»

«Ny tsy azo ialana dia ireo mifandraika amin'ny zavatra tsy mainty misy raha te-hahazo zavatra ara-panahy sy ara-pitaovana. Ary raha very ireo zavatra tsy azo ialana ireo dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy sy potika ny fihodin'ny fandehan-javatra eto amin'izao tontolo izao, miseho ny fanjakazakana ary mety hiteraka fiafaran'ny fahavelomana aza. Toy izany koa, ny fahaverezan'ireo tsy azo ialana ireo dia mitarika fahaverezan'ny famonjena any an-koatra sy ny tombondahany nomena antsika ary miafara amin'ny famoizam-po. (Ny finoana, ny aina ny fanahy, ny voninahitra sy ny fananana no zbt tsy azo ialana izay tsy maintsy arovana amin'ny loza – Ed)».

«Fomba roa no azo hanatanterahana ny fiarovana ny tsy azo ialana: ny voalohany dia mifototra amin'ny fametrahana fototra mafy orina sy manamafy ny fanoheran'ny andry –izany hoe mampiorina azy ireo tsara amin'ny alalan'ireo singa efa misy eo amin'ny fiainana. Ny fomba hafa indray dia ny mameno ny banga- izany hoe atao mafy orina tsara ny tsy azo ialana amin'ny fandraisana ny fepetra ilaina hanakarana ny fanjavonan'ireo singa ireo. Ohatra, ny finoana, ny vavaka, ny zakta, ny fiahiniana masina, ny fifandiankanina sy ireo fomba fiderana hafa toy izany ka miantoka ny fiarovana ny fivavahana amin'ny maha zava-misy azy. Ny fisakafoanana, ny fitafiana, ny tranofonenana sy ny filana andavanandro dia miantoka ny fiarovana ny saina amam-panahy amin'ny maha zava-misy azy azy. Ny fitondran-tena eo imasombahoaka dia mikendry ny fiarovana ny fananana sy ny voninahitry ny tsirairay fa ny fahazarana kosa dia mikendry ny fiarovana ny fahasalamana sy ny fanahy amin'ny fametrahana fitsaboana. Ny sazy izay mitanjona ny fankaherezana hanao ny tsara sy manakana ny ratsy dia manome ny fiarovana amin'ny fametrahana zavatra sasany miiba any ivelan'ny fiarahamonina sy lavitra ilay olona. Ny tanjona dimy tety azo ialana amin'ny lalana silamo dia: ny fiarovana ny fivavahana, ny aina, ny fananana, ny voninahitra sy ny finoana. Heverina ho lalàna fototra izay tsy maintsy arovana ireo singa ireo ao amin'ny fivavahana rehetra.»

«Ny ilaina indray (al-Hâdjî) dia ireo zavatra ilaintsika mba hamongorana ny fahasarotana sy ny olana izay miseho matetika amin'ny fahaverezan'ny faniriana ara-batana na metafizikan'ny olona, indraindray ao amin'ny fomba fijery manokana sy sosialy. Raha tsy heverina ireo filana ireo dia tsy maintsy miatrika fahasarotana ny tompon'andraikitra rehetra ary ho tojo olana goavana. Ireo fahasarotana lazaina eto anefa –izay mitranga rehefa tsy mahazo fahafaham-po ireo filana hita vatana na tsy hita ireo- dia tsy mitovy lanja amin'ny loza miteraka zava-dratsy hoan'ny vahoaka. Ireo zavatra ireo izay azo apetraka ao amin'ny faritry ny fiderana, ny fahazarana, ny fitondran-tena sy ny sazy. (Ny fidiovana dia mijanona hoan'ireo izay tsy mahita rano, ny famelana tsy hifady hanina rehefa mandeha an-alana na koa ny fivavahana mipetraka hoan'izay tsy afaka mitsangana dia anisan'ireo tsy azo ialana – Ed).

Ankoatra izany, ireo singa mitarika mankamin'ny fanatsarana (at-Tahsîn) dia ny fametrahana fahazarana tsara sy ny fandosirana amin'ny fahazaran-dratsy mahamenatra izay tsy ataon'ny olon-drehetra tsara saina. Ireo karazam-pitondrantena ireo koa dia sokahiana sy antsoina «fahamarinana ara-moraly sy eo imasom-bahoaka», ary izay mitombina hoan'ireo vondrona roa voalohany (ny tsy azo ialana sy ny ilaina) dia mitombina amin'ny farany koa.(Chatibi 2/4).

Ny izany dia tsy azo sainina ny hahatsapa ny fiavahana raha tsinontsiniavina ny iray amin'ireo foto-kevitra telo ireo. Ny mampalahelo, hatramin'izany ka mandraka ankehitriny dia ny fivavahana izay heverina ho soa toavina masina dia toa anton-javatra miteraka trangan-javatra miiba toy ny herisetra, ny fampihorohoroana sy ny ady. Io zavamisy mafy io indrindra no manohitra na tsy maintsy manohitra ny fivavahana. Mba ahafahana manody io olona io sy manakana ny fivavahana tsy hampiasaina ho antom-piadiana dia tsy maintsy mirahiana ireo mpitarika fivavahana eto amin'izao tontolo izao ary mandray ny fepetra hiantohana ny fandriampahalemana, ny fifandeferana sy ny fifanakalozan-kevitra ara-pivavahana.

Ny fampihorohoroana

Heloka be vava mifanohita amin'ny maha olona ny fampihorohoroana. Lafin-kevitra roa tsy azo ampiarahina ny fampihorohoroana sy ny fivavahana satria ny fivavahana rehetra dia manilika sy manameloka ny fampihorohoroana. Tsy loza amin'ny maha loza azy fotsiny ny fampihorohoroana fa mitondra sy ahitana heloka 5 hafa koa ao aminy: manao heloka manohitra ny Mpahary ny mpampihorohoro, manohitra ny olombelona, manoloana ireo olona kendrena manokana, ary mandoana ireo fiarahamonina misy azy koa.

Araka ny finoana silamo, nomem-boninahitra ny zanak'olombelona (al-tsrâ 17:70) ary noharian'Andriamanitra tamin'ny endrika tena tonga lafatra (At-Tîn 95:4). Satria Andriamanitra no manome ny aina sy ny fahavelomana (Al-'Imrân 3:136) ka rarana ny mamono: aza vonoina afa tsy amin'ny fahamarinana tanteraka ny aina noharian'Andriamanitra (al-An'am 6:151); satria tsy misy olona faka manala aina nomen'Andriamanitra. Vokany, na iza na iza olombelona mamono olona tsy meloka ho namono olona na tamin'ny kolikoly teto antany dia toy ny mamono ny olona manontolo izy. Ary na iza na iza manavotra aina dia toy ny manavotra ny ain'ny olona manontolo» (al-Mâ'ida 5:32).

Ankoatra izany, araka ny andininy hoe: «Aza manaiky ho tarihin'ny tananao ao amin'ny fahasimbana» (al-Baqara 2:195), dia tsy misy olona manan-jo hitataovan-doza na hamono tena: «Ary aza mamono tena ianareo. Marina, Andriamanitra dia mamindra fo aminareo tokoa» (an-Nisa 4:29). Vokany, na inona na inona antony dia fitsipika ankapobeny amin'ny fivavahana silamo ny fandrarana ny fanaovan-dratsy amin'ny tena, heloka be vava eo anatrehan'ny olombelona izay tsy azo avela, tsy ahazoam-pamelana ny famoroana olona tsy manan-tsiny; amin'ny finoana silamo, misy andiany telo ny lalana: «Ny lalàn'Andriamanitra», «ny lalan'olombelona» ary «ny lalàna ananan'ny olona manoloana ny tenany» –Iretsy roa voalohany no tena mitana andraikitra goavana.

Amin'ny ankapobeny dia heverina ho finoana an'Andriamanitra sy fiderana azy ny lalàn'Andriamanitra sy ireo lalàna mikasika ny filaminana sy ny fananam-bahoaka, tsy hidiran'ny lalànan'ny tsirairay na fiarahamonina manokana. Azo rohitina mba hampidirana ireo lalanan'ny zava-miaina na tsy miaina ao amin'ny lalan'Andriamanitra ny foto-kevitra.

Ny zo hiaina ihany koa dia heverina fa tafiditra ao amin'ny lalan'Andriamanitra fa tsy lalàn'olombelona. Izany no mahatonga ny lalan'Andriamanitra, mifanohitra amin'ireo lalana lalàna hafa, tsy azo atao fitaovam-pamelan-keloka na fandavana. Ny lalàna toy izany dia tsy azon'ny olona ovana na arina. Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka izay nandika ny lalàny. Ny asa fampihorohoroana tao anatin'ireo taona lasa ireo izay natao hikomiana hanoherana ireo soa toavina manarapenitra indraindray ary indraindray koa mba hampielezan-kevitra, miaraka amin'ny famonoan-tena iombonana na tsirairay dia samy tsy ara-dalana amin'ny finoana silamo. Na inona antony na inona dia tsy mananjo hanao toy izany ny olona. Ny zava-nitranga sasany dia avy amin'ny tsy fahazoana na fandikana diso omena ny fiavahana fa ny hafa kosa dia avy amin'ny tsy fahampiampahalalana azo antoka sy madion'ny fivavahana.

Ankoatra izany dia tsara ny aloka ny manadihady sy mandinika ny fitomboan'ireo toe-javatra sy asa ratsy ireo. Na inona na inona tanjon'ny asa iray dia tsy maintsy fongorina sy foanana ny antony manosika ny olona sasany hanaparitaka fandrahonana. Andraikitra mifanaraka amin'ny maha olona sy tokony hataon'ny olona izany. Ny fanamaivanana ny toe-javatra toy izany sy fanakipiana ny maso amin'ny alalan'ny filazana an-tonjavatra diso, ny tsy fandraisana fepetra ilaina hiasorohana azy na ny fanohanana ireo izay manao ny hampiverimberina izany ihany koa dia heloka be vava eo anatrehan'ny maha olombelona.

Fanampiny, ampatsiahivina fa ny fihetseham-po avy amin'ny tahotra dia mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny fitondran-tenan'ny olona. Rehefa tandindomin-doza ny fihetseham-pom-pitiavan-tena dia matetika henatra no vokany na ratra ara-tsaina izay manosika ny olona hampiseho fihetsika maherisetra mikendry ny hamerina ny fitiavan-tenany.

Ary farany, ny tsy fahalalanana ny tsy fahampiam-pahalalana na fahadisony dia mampisakafo ny fiankinandoha ary ny fihankinandoha dia mitarika mankamin'ny fitiavana an-jambany ary ny fitiavana an-jambany mamoha ny varavarana mankamin'ny fampihorohoroana. Rehefa tsy fantatra ny fivavahana dia vao mainka miha sarotra ny toe-javatra. Ny olona tsy mahazo vaovao tsara mikasika ny seha-pinoany dia tsy afaka mametraka fifandraisana madio eo amin'ny soa toavina inoany sy ny fiainana entiny. Raha vao miala amin'ny fiainana hita maso izy, misy dikanyizy ary mametraka toetra tsy misy dikany na efa tsy te-hahalala ny soa toaviny ary mampiombo ny fahatsiarovan-tena ho ambany. Ao amin'ireo toe-javatra roa ireo dia mazava ho azy fa fahaverezan-dalana tanteraka izy.

Noho izany, ny fampihorohoroana dia vokatry ny tsy fisiam-bahaolana sy fahosana. Avy amin'ny tsy fahalalana ny tsy fisiam-bahaolana fa avy amin'ny tsy fahampiam-pitaovana kosa ny fahosana. Ny kendrena ara-tsaina dia mamokatra olana fa tsy vahaolana, ary mety ho ataon'ny hafa tsinontsinona. Ary satria izy ireo tsy afaka mampiasa ny loharano eo ampelantanana dia mivangongony olany ka mitarika ny fahalemena izay mahatonga fahasiahana –zavatra toa nanjary niombonana any amin'ny tontolo silamo noho ny antony samy hafa toy ireo voalaza teo ambony- no nametraka io hevitra io ho valan-dresaka lehibe amin'ny vaovao.

Ny jiady

Raha ny tena dikany, ny teny hoe jiady dia manana ziao heviny izao: ezaka, hafanam-po, fampiharana, fisedrana, manala ny herotra amin'ny ronono na noana. Toy ny ao amin'ny ady rehetra dia ampiasaina ny hery ary ampiharina ny ezaka: amin'io heviny io no hahafahan'ny jiady maka ny hevitra hoe ady. Na inona na inona fandikana atao aminy, rehefa raisina ireo dikany samy hafa dia endriky ny jiady 4 no mipoitra:

a) Ny endrika fiarovana: io hevitra io matetika dia ampiarahina amin'ny teny hoe jiady, «ghazw sy harb». Na dia miverimberina in-44 aza ny teny hoe jiady sy ireo teny avy aminy ao amin'ny CORAN dia 4 monja amin'ireo fampiasana azy no mifandray mivantana amin'ny ady.[1] Na izany aza, ny ankamaroan'ny andininy ahitana ny jiady ahitana ny mikasika ny ady dia ny hevitra maha ady ny jiady no toa tsikaritra voalohany.

b) Ny endrika ara-psikolojia ireo mpandinika silamo, indrindra fa ny Sofia dia nampiasa ny teny hoe «moudjâhada» teny avy amin'ny faka mitovy mba hilazana ny endrika ara-panahin'ny jiady –zavatra telo no avahany amin'izany, ny «moudjâhada hanoherana ny devoly dia ny «taquâ» (famindram-po), ny «moudjâhada hanoherana ny fahavalo dia ny jiady ary ny «moudjâhada» hanoherana ny izaho ara-nofo dia ny riyyâdha (fahamendrehana). Andininy folo ao amin'ny CORAN masina mikasika ny jiady no ahitana io fahaelo io.[2]

c) Ny endriny ara-tsaina: lazaina miaraka amin'ny fotoana «ijtihâd» izy io (fandikana) sy «tafakkour» (fandinihana). Ny Ijtihâd dia midika hoe manao ezaka goavana mba hanatrarana tanjona sarotra. Fanampiny, ny mpahay lalana silamo dia mamaritra io teny io toy izao: ezaka ataon'ny mpitsara mba hamoahana didim-pitsarana ara-pivavahana amina lafin-kevitra mifanohitra. Raha atao amin'ny teny hafa dia io no ezaka ataon'ny manam-pahaizana silamo mba ahatongavana amina fanapahan-kevitra amin'ny fampiasany ireo fahafahany ara-tsaina (amin'ny fifotorana amin'ny CORAN sy ny SONO), na amin'ny raharaha ara-pivavahana na tsy ara-pivavahana.

d) Ny endrika ara-tsosialy: io dia hanompoana sy hanampiana ny fiaraha-monina manontolo sy hanoherana ny tsy rariny. Amin'io heviny io, ny teny hoe jiady dia midika hoe fanampiana ny olona ary mitolona mba hanakanana ny asan'ny tsy rariny.[3]

e) Maro ireo hadita mifamatotra amin'ny endrika ara-psikolojikan'ny jiady. Nambara fa tamin'ny fierenany avy any an'ady dia hoy ny Mpaminany: «Niditra tao amin'ny jiady kely ho any amin'ny jiady lehibe isika»[4]. Hoy koa izy: «Ny «moudjâhid» dia izay manao ny jiady hanoherany ny izahony ara-nofo».[5] Ity hadita manaraka ity indray dia maneho ny endrika ara-tsosialin'ny jiady: nangataka tamin'ny iray tamin'ireo mpanaradia azy izay iray te-handray anjara amin'ny jiady (ao amin'ny heviny ady) ny irak'Andriamanitra raha velona ny ray aman-dreniny. Rehefa avy nahazo valiny miabo ny Mpaminany dia miteny tamin-dralehilahy mba hanao ny jiady ho azy ireo (izany hoe hijanona eo akaikiny mba hamelona azy)»[6]

Indray maka nanambara toy izao ny Mpaminany: «Izay miasa ho fanampiana ny maty vady dia toy ireo izay manao jiady ho an'Andriamanitra».[7]

Hoy koa izy: «Inona no jiady lehibe mihoatra ny milaza tanim'pahamarinana manoloana mpitondra manao jadona iray»[8] Mahakasika ny endrika ara-tsain'ny jiady dia maro ireo hadita mandrisika ny fandinihana, ny fikarohana sy ny fanovozam-pahalalana na ara-pivavahana na tsia.

Araka ny hita dia omen'ny finoana silamo vahana kokoa ny endrika ara-tsosialy, ara-psikolojia sy ara-tsainan'ny jiady noho ny ady. Tsy voatery ho ady akory no dikan'ny jiady ao amin'ny literatiora silamo. Satria ny olona nandany ny heriny manontolo sy ny fiezahany mba hiadiana tamin'ny fahavalo ka ziany no nanomezana hevitra mahakasika ny ady ny jiady. Misy teny hafa ampiasaina mba hilazana mivantana ny ady ao amin'ny CORAN: «qitâl, harb, moubâraba sy ma'raka». Araka izay soritan'I Muhammad Hamidullah, manampahaizana silamo dia voarara amin'ny silamo ny ady manan tanjona tsy voafaritr'Andriamanitra. Ny ady nandraisan'ny Mpaminany anjara dia na niarovantena na hanasaziana ireo niaradia tamin'ny fahavalo na namadika ny fiarahamonina silamo tamin'ny fanitsakitsahana ny fifanarahana na koa hiarovana ny tanin'ny silamo (Hamidullah 1995, 222-223). Izany anton-javatra izany no nahatonga ny fanampiana islamika tsy ho fanaovana herisetra velively, na halatra na fandrobam-panana. Ny mifanohitra amin'izany, ny tanjon'ireny ady ireny dia hametraka tontolo ahafahan'ny olona misafidy malalaka ny fiavahany. Ary ireo mpanafika silamo dia mamela malalaka ny mponina tany amin'ny tany notarihin'izy ireo hisafidy na hijanona amin'ny fivavahany na hivadika ho silamo. Amin'ity lafiny farany ity izy dia manefa ny hetra antsoina hoe «djizya» izay solon'ny Zakata sy ny Sadaka izay tsy maintsy alohan'ny olom-pirenena silamo.

Hatrany amboalohany ny finoana silamo dia nangataka ny mba hanaovana tsara fitondra ireo tsy silamo any amin'ny tany eo ambany fifehezan'izy ireo –na ireo olona ireo manaraka ny fivavahan'ny firenena voatafika na vao tonga taty aoriana kely- indrindra fa ny jiosy sy ny kristianina satria izy ireo dia noheverina ho toy ny olon'ny boky. Voalaza fa na dia tamin'ny fotoana farany nananan'ny Mpaminany aza dia mbola nandidy ny vahoakany hitondra tsara ireo tsy silamo izy tamin'ny filazana hoe: «Ireo izay manao ratsy fitondra ny jiosy sy kristianina dia manantrosa haverina amiko amin'ny andron'ny fitsarana farany»[9] «Ary ireo izay tsy marina eo anoloan'ny arovana (jiosy sy kristianina) dia tsy handre ny fofon'ny Paradisa»[10]

Amin'ny finoana silamo dia tsy azo dorana na simbana ny saha sy ny hazo amin'ny fotoanan'ny ady ary ny trano fivavahana sy ny toeram-ponenana dia tsy azo potehina. Voarara ihany koa ny famonoana ny vehivavy sy ny zaza sy ny antitra sy ny jamba ary ny relijiozy. Ny hetra alaina amin'ny tsy silamo dia tsy azo ampiasaina amin'ny tombotsoan'ny silamo fa ny hetram-pidiovana avy amin'ireo silamo kosa dia azo ampiasaina mba hamatsiana ny filan'ireo tsy silamo.[11]

Ao amin'ny lalàna navoakan'ny kalifa 'Omar hoan'I Abou Moussa Al-Achari rehefa voatondro ho governoran'I Basra ity farany dia hiatana toromarika mba hitondra amin'ny fomba mitovy ireo olona rehetra izay tonga eo amin'ny goernora, ireo izay manatrika fitsarana dia mba hipetra amin'ny laharana mitovy ao amin'ny efitranom-pitsarana; ary mba ho marina amin'ny fomba fijeriny ny andaniny sy ankilany avy ny governora fa tsy hanao fanavakavahana ara-pivavahana:

«Tsy mino va ny mpanankarena aminareo fa manao ny tsy marina ianao, ary ireo mahantra va tsy mihevitra fa ianjadian'ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny».[12]

Ny ady masina sy ny ady marina ao amin'ny krsitianisma

Ao amin'ny kristianisma izay miseho amin'ny maha fivavaham-pandriampahalemana azy dia mitana toerana lehibe ny hevitra hoe ady. Ny kristianina izay tena niharitra tokoa indrindra fa nandritry ny fotoanandron'ny Romanina dia nisafidy «ny famaliana milamina» ho fitaovana hifehezana sy hiatrehana ny fangejan'ny Romanina. Nanidy ny masony tamin'ireo endriky ny ady sy ny tolon'ny fivavahany izy ireo ary nisafidy hanao laharam-pahamehana ny fametrahana ireo endriny ara-pandriampahalemana sy fandeferana.

Hatrany amin'i Marcion de Sinop, ireo mpanoratra kristianina voalohany dia te-hanolo ho «Jehovah an'Andriamanitra Mpahary, mpitsara, mpitarika sy mahery» ao amin'ny testamenta taloha ary amin'ny hoe «Jesoa ilay Mesia, Andriamanitra fitiavana, mpamonjy sy mpamela heloka» ao amin'ny testamenta vaovao.

Araka ny soratra masin'ny kristianina, ny didy lehibe indrindra an'Andriamanitra dia ny fitiavana azy sy ireo akaikiny. Toy izany no nitiavan'i Jesoa ireo apostoliny, nampianariny hifankatia koa izy ireo tsirairay avy. Hoy i Jesoa ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Matio:

«Ary izaho milaza aminareo mba tsy hanohitra ireo masiaka. Ny nifanohitra amin'izany, raha misy mamelaka ny takolakao avia dia atolory azy koa ny havanana. Ary hoan'izay mitondra anao eo anatrehan'ny fitsarana mba haka ny fitafianao dia omeo azy koa ny hafa amin'ny akanjonao» (Matio 5:39-40).

Hitantsika ihany koa fa eo akaikin'io hafa-pitiavana io dia manana toerana lehibe ny ady ao amin'ny testamenta vaovao.

«Aza mino ianareo fa tonga hitondra filaminana eto an-tany aho; tsy tonga hitondra filaminana aho. Eny tonga hampisaraka ny lehilahy amin'ny rainy aho, ny zanaka vavy amin'ny reniny, ny vinanto vavy amin'ny rafozam-bavy» (Matio 10:34-35).

«Mihevitra va ianareo fa ny fandriampahalemana no hiaviako eto antony? Tsia, hoy aho aminareo fa ny fisaraham-bazana. Satria afaka fotoana fohy raha misy olona 5 ao antrano iray dia ho zarazaraina izy: ny telo hiady amin'ny roa, ny roa hiady amin'ny telo. Hisaratsaraka ny ray hanohitra ny zanaka lahy, ny reny handritra ny zanaka vavy, ny raofzam-bavy hanohitra ny vinanto vavy ary ny vinanto ary hiady amin'ny rafozam-bavy» (Lioka 12:51-53).

Araka ny voalazan'ny Baiboly dia misy herisetra sy loza hiatra amin'ny tany mba hanomanana azy amin'ny fiavian'I Jesoa fanindroany amin'ny fiafaran'ny fotoana, «izay no hampiatra izany amin'ny renjamby toy ny mamaky vazy tanimanga» (Apokalipsy 2:27).

«Haneno ny trompetra volamena 7 eo ampelatanan'ny anjely 7. rehefa mampaneno ny azy ny voalohany dia hilatsaka amin'ny tany ny avandra sy ny afo. Ka hirehitra ny 1/3n'ny tany, ho potipotika ny 1/3n'ny voary any an-dranomasina, ary hipatrapatraka avy any an-danitra ny kintana lehibe handoro toy ny afo ary maro ny olona ho faty» (apokalipsy 8:6-1).

Noho ny fanadihadiana natao tany Etats-Unis dia hita fa 30%n'ny mpino no mino fa hifarana amin'ny adin'ny Armageddon izao tontolo izao. Nitranga ireo vondrona fanatika ary ny sasany dia namono tena miaraka. Ohatra, nampianatra I Jim Jones izay mpitarika ny sekta «Temple du peuple» (People'sy ny Temple) tamin'ny toriteniny ny taona 1978 fa tonga ny fara andro ary izany no voalazan'ny Armageddon ao amin'ny Baiboly. Hoy ny nambarany: «Nikapoka ny andron'ny fitsarana farany, miaraka miaianga aminy ary ho voalohany amin'ny vahoaka» Araka ny fantatry ny tsirairay dia olona 913 no namono tena tamin'io tanjona io. (Halsel 2002, 21). Ankoatra izany, misy andiana kristianina sasany mihevitra fa efa tonga na manakaiky ny fiaran'izao tontolo izao, ary mihevitra fa tsy maitnsy manakaiky ny Mesia ka mankany Jerosalema mba ho faty any. Mampianatra antsika ny profesora François Mayer fa olona maro no mandositra an'I Etats-Unis mba hoany palestina noho io anton-javatra io nandritry ny taona 1850.

Rehefa nanomboka nogejaina ireo manankevitra tsy mitovy –toandr'I donatus sy ireo donatista izay tsy nanaiky ny Patriaka notonndroin'ny Constantin tamin'ny taon-jato faha IX+e, sy Arins Makedonius, I Nestorius sy ireo mpanaradia azy –dia niharandoza ny toetra tia fandriampahaleman'ny kristianisma.

Rehefa nandrohona an'I Roma ny Barabara ny taonjato faha V dia nanamafy ilay oloalaza kristianina, masindahy Augustin fa ara-drariny hoan'ny kristianina ny ady amin'ny lafin-javatra sasany. Izy no voalohany namonorona ny hoe «ady marina». Novelarin'I Marsindahy Thoma tao Aquin sy namboariny tsara io fotokevitra io tamin'ny taonjato faha XIII. Araka ny heviny, mba ahafahana miteny hoe «ady marina» dia tsy maintsy eo aloha ireo foto-kevitra 3 manaraka ireto:

1) Andraikitry ny manampahefana ara-drariny ny zo hamaky ady.

2) Ny ady dia tsy maintsy afototra amin'ny fiarovan-tena na amin'ny antony ara-drariny toy ny fiarovana ny zon'ny mpino.

3) Ny ady dia tsy maintsy manana tanjona hamongotra ny ratsy ary hampanjaka ny tsara.

Nanomboka tamin'ny taonjato faha X niaraka tamin'ny fanafihana an'I Espaina sy ny kroazadin'ny Eropa dia nisy fomba fiteny vaovao tafiditra tao amin'ny literatiora krsitianina dia ny hoe: «ady masina».

Io fomba fiteny io dia ahitana hevitra mandrisika ny fanafihana sy mametraka ny ady ho ara-drariny: «Manam-pahavalo Andriamanitra ary izy ireo dia te(hamotika izay rehetra mankatoa an'Andriamanitra. Ny fahavalon'Andriamanitra dia izay manohitra ny kristianisma ilay tena fivavahan'Andriamanitra, noho izany dia tsy maintsy resena sy potehina izy ireo».

Ny taonjato faha XIV dia hoy ilay Espaniola, masindahy Raymond Lune ilay lehilahy tsy nitsahatra niteny ratsy ny fomba namolavolan'ny silamo ny jiady: «Ireo misionera manandrana mamadika ny silamo ho krsitianina dia tsy maintsy maneho foto-kevi-pitiavana aloha. Tsy maintsy mampiasa ny fomba nentin'I Jesoa hititavana ny olon-drehetra izy. Faharoa, tsy maintsy mamela ny silamo hisafidy malalaka ny fiovana ho krsitianina izy, amin'izay nahimpony. Rehefa mamaly anefa izy ireo aorianan'ny filazana aminy ny krsitianisma, ilay fivavahana marina, dia ara-drariny ny fampanekena ay ireo amin'ny alalan'ny fampisan-kery» (Ramon 1983, 375).

Ny kroazady izay hitohy tao aantin'ny 300 taona dia namela fahatsiarovana nifaritra na hoan'ireo fiarahamonina tandrefana nitarika ny ady na hoan'ny silamo dia nahatsiravina izany. Izany no antony nametrahana idnray ny hoe «ady masina» fa natao hoe «ady marina» izay midika hoe ady hanoherana ny ratsy.

Niaraka tamin'ny Revolisiona Frantsay sy ny fahazavana dia nanary ny faritoe-javatra nisy azy ireo foto-kevitra ireo ary mody nomena endrika laika. Arak'izany, ny «ady marina» dia ady tsy manana tanjona ahnafika fa hiarovantena fotsiny. Tsy maintsy atao hanoherana ny fitondrana jadona izy ary ziay mola miatrika famoretana mahery vaika. Tsy maintsy tarihina manampahefana ara-drariny ny fanelanelanana rehetra ary tsy maintsy manam-petra. Ilay mpandinika amerikanina Michael Walser nandritra ny ady tany Vietnam dia nanokatra ady hevitra mikasika ny aradrariny sy halebeazan'ny etikan'io hevitra io.

Fandriampahalemana mandrakizay

Ilay filozofa alemanina Emmanuel Kant dia namelabelatra ny «fandriampahalemana mandrakizay» fa tsy ny hoe «ady marina». ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe «hoan'ny fandriampahalemana mandrakizay» izay nosoratany teo amin'ny faramparan'ny fiainany dia niasa teo amin'ny lafiny teoriha, plitika sy ny ara-dalana amin'ny heviny mikasika ny fandriampahalemana mandrakizay izy, mitohy sy hoan'ny rehetra. Nanao fikarohana lalina mba hahitana tontolo tsy misy ady izy sy ny fomba hametrahana ziany. Mandroso foto-kevitra 6 mba hametrahana «fandriampahalemana maharitra» eto an-tany i Kant:

1- Tsy misy fifanarahana tokony ho azo ekena raha mbola ahitana taratra ankolaka hevitra hanaovana ady vaovao.

2- Tsy misy firenena mahaleotena na kely na lehibe tokony ho eo ambany vahohon'ny fanjakana hafa na lova izany na takalo na vidiana na fanomezana.

3- Tsy maintsy alevina tsikelikely ny tafika maharitra.

4- Tsy tokony hisy fanjakana hampitrosa mba hanamafisana ny tombotsoany any ivelany (toy ny fidirana amin'ny ady).

5- Tsy tokony hisy fanjaka hitsabatsabaka amin-kery amin'ny fitantanana na fandaminana ny tany hafa.

6- Tsy misy fanjakana tokony hamela fanafiana ao anatin'ny ady toy ny fametrahana ho tsy azo atao ny fifampitokisana amin'ny fandriampahalemana ho avy (ohatra: ny fampiasana mpamono olona, ny fanapoizinana ny fandrisihana ny famadihana ao amin'ny firenena fahavalo).

Araka ny hevitr'I Kant, mba hametrahana fandrim mandrakizay dia tsy maintsy mitana ny andraikiny ny tsirairay ary mametraka ny soa toaina toy ny «fiheverana ny zavatra tsara» sy ny moralin'Andriamanitra»; satria miafitra ao amin'ny fandriampahalemana sy ny ady ny resaka etika. Lavitra ny fisakanana tontolo mahafinaritra ny toetran'ny olombelona no sady antoka lehibe hoan'ny fanapariahana ny fandriampahalemana.

Matetika no lazaina fa mifanohitra ny etika sy ny politika. Mba hanafoanana io fifanoherana io dia tsy maintsy ampigharina ao amin'ny sehatry ny lalana iraisambe ny «Tansandasalisma» izay teboka niaingan'ny idealisman'I Kant.ny lamina firenena mikambana izay napetraka taorian'ny ady lehibe faharoa dia saika hanao zavatra goavana, hampihatra ny hevitr'I Kant. Ny zavamisy hitantsika sy iainantsika amin'izao fotoana izao anefa dia toa miverina toy ny tany alohan'ny ady indray isika. Ny fomba tokana hampijanonana izany toe-javatra izany dia ny fampivelarana ny hevi-pahendrena faobe.

Ny tokony ilaina ny etika faobe

Tsy resaka politika sosialy na toekarena no fipetraky ny olona fototra mihatra amin'ny fiarahamonina maoderina ankehitriny fa resaka etika izay tsy azo lavina. Tsy afaka hitsoro na oviana na oiana ny farahamanina tsy manana ny andry fototra aramoraliny. Toy izay no hevitri' Leslie Liposon:

«Ny fandrosoana tandrefana dia tsy maintsy mila revolisionina aramoraly mifanaraka amin'ny hevitra maha olona: nanefa tsy fahombiazana ny fiarahamonina tandrefana nandritry ny taminy voalohan'ity taonjato ity ary nijanona hatreo ka nankany amin'ny faharavana. Ireo siantifika izay manda andraikitra amin'ny vokatra arapahendrenan'ny fikarohany, ny mpahy toekarena izay mihevitra fa ny famokarana mba hahazoana tombony dia tsy miankina amin'ny foto-kevitra moraly, ireo mpikaroka eo amin'ny lafiny politika izay mametra ny hevi-pahefana ho amin'ny endripomba fiasa teknika sy amin'ny lamina politika sasantsasany, sy ireo rehetra izay tsy manavaka ny fahalalana ratsy sy tsara ary manakipy ny masony amin'ireo zavatra vao mainka manimba ny fiarahamonina no meloka».

Nandritry ny taonjato roa dia namirapiratry ny fahombiazany ara-pitaovana ny tandrefana, namela ho amin'ny materialisma sy natanjaka ara-barotra ka najakazaka tamin'ny hafa rehetra. Ankehitriny, nosoloina ny fiankohofana amin'ny vokatra eo antoerana –fanompoan-tsampy manarapenitra- ny fiankohofana tamin'ny omby volamena.[13]

Tsy maintsy tadiavina any ivelan'izany anefa nyt anjona. Miafina ao amin'ny fiheverantsika ny maha olona izy rieo, ao amin'ny tantaran'ny fandrosoana rehetra, amin'ny dingam-pivoaran'ny zanak'olombelona dia tojo ny hetraketraky ny ratsy. Isika ihany koa anefa dia mbola nampiditra ratsy vaovao tao amin'ny taonjato faha XX, ratsy izay mifamatotra amin'ny fomba fiasa tsy mandray andraikitra izay ampiasaintsika rehefa mampihatra ny teknolojia ao amin'ny andaanandrom-piainantsika. Ny fisian'ny fitaovam-piadiana nokleary, ny fanolotoana sy ny fahapotehan'ny tontolo iainana, ny fitomboan'ny mponina any amin'ny toerana ahitana fari-piainana ambany dia ambany – toa tsy voavaha avokoa ireo olana ireo, ireo dia hiteraka ny iray amin'ireto toe-javatra ireto: na hitotongana ny endriky ny fandrosoana eto antany na dia any amin'ireo toerana tena manankarena aza na ny tany mihitsy no hanjary tsy azo iainana.

Mipetraka noho izany ity fanontaniana ity: inona no tsy maintsy ataon'ny olombelona mba hialana amin'ny fisehoan-javatra toy izany? Amin'ny hevitro dia mila fiovana ifotony isika izay miainga avy amin'ny fandrosoana fantatsika. Ny fiovana sy ny finiavana hiova ifotony ihany no afaka hanavotra antsika amin'ny fitotonganana. Fepetra roa no ilaina amin'io asa io: ny voalohany dia revolisiona eo amin'ireo rafitra misy antsika ary ny faharoa dia revolisiona eo amin'ny soa tovaintsika. Raha tsy maintsy arovana sy tsy maintsy tohizana hivoatra ny fandrosoana dia tsy maintsy aroso miaraka ireo zavatra roa ireo» (Lipson 2000, 298-300).

Nanamafy ilay Amerikanina, Japoney fiandohana antsoina hoe Francis Fukuyana izay nisarika ny sain'ny be sy ny maro ao amin'ilay teziny mitondra ny lohateny hoe: «Ny fiafaran'ny tantara?» fa ny loharanom-pandrosoana sy ny fivelaran'ny fiarahamonina dia mifototra eo amin'ny fifampitokisana ary ny zava-tsoa ara-tsosialy dia tsy voapetraka raha tsy misy io fahatokisana io. Ny fametrahana ny fahatokisana dia miankina betsaka amin'ny fametrahana ratfitra mafin'ny fiarahamonina sivily. Ny fiarahamonina dia manana rafitra sarotra izay ahitana vondrona, seha-panabeazana, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG), ny haino aman-jery, ny sindika, ny fikambanana mpanao asa soa, rafitra sy vondrona ara-pivavahana. Ny fiarahamonina sivily dia miohatra amin'ny alalan'ny fianakaviana izay mampita ny soa toavina mifandimby, ary mamolavola ny toetra izay ahafahan'ny tsirairay mivelona ao anatin'ny fiarahamonina lehibebe kokoa. Ny rafi-pianakaiana mafy sy mijoro tsara sy ny rafitra sosialy izay mitohy anefa dia tsy mitranga amin'ny alalan'ny lalana toy ny tranga ao amin'ny fitondrana, ny banky faobe na ny tafika. Tafahorina ny fiarahamonina sivily amin'ny alalan'ny fahazarana, ny fomba sy ny soa toavina moralin'ny tsirairay.

Araka ny hevitr'I Fukuyma dia ny kolontsaina no hery lehiben'ny fametrahana ho ao anatin'ny fiarahamonina sy ny fampielezana ny zavatra tsara ara-tsosialy. Io anton(javatra io no tsy maintsy hanaovan'ny fiarahamonina ezaka goavana mba hikarakarana ny soa toavina arakolotsaina izay nolovany tamin'ny lasany. Tsy voatery ho vahaolana eo amin'ny hatrany ny fomba fiasa rasionelina sy ny soa toavina miato; tsy maintsy ananana koa ny soatoavina moraly sy ara-panahy.

Nampipoitra ny tsy maintsy ilana tanteraka ny fandraisana fepetra izay hampitombo ny fifampitokisana eo amin'ny fiarahamonin-tsamihafa ny taonjato faha XXI. Tsy ho tonga amin'izany anefa raha tsy angonina ireo kolontsaina netnin-drazana sy ny rafitra moderina miaraka ao amin'ny vondron-kevitra aoz iainana. Tanteraka asa ara-toekaren'ny firenena moderina, tsy tamin'ny alaln'ny olona tsirairay izany fa tamin'ny alalan'ny lamina mitaky fiaramiasa ara-tsosialy avo lenta. Ny zo ho tompon-javatra, ny fifanarahana sy ny lalana ara-barotra dia samy lamina ilaina avooa mba hanorenana lamim-pihariana mankamin'ny tsena manarapenitra. Tsy misy dikany anefa ireo karazan-damina ireo raha tsy atambatra amin'ny fifampitokisana.

Tsy azo sainina ny maha tsy manarapenitra ireo lalàna sosialy sy fitsipika ireo. Raha tiana hiasa ny demokrasia moderna dia tsy maintsy atao miara mitoetra ny soatoavina rasionely sy moraly. Singa ilaina amin'ny fahombiazan'ny fiarahamonina tsy mbola hanjakan'ny Indostria ny lalana sy ny fifanarahana sy ny rasionalite ara-teokarena fa mbola tsy ampy izany. Ankoatran'io soatoavina izay mifototra amin'ny rasionalite io dia tsy maintsy ilaina koa ny soatoavina mifototra amin'ny fahazarana, ny fifandraisana, ny andraikitra moraly, ny andraikitra eo anatrehan'ny fiarahamonina ary ankoatra ireo ny fifampitokisana eo amin'ny fiarahamonina. Mbola tsy nilazan'ny toatrandro avokoa akory ireo soatoavina ireo. Ny mifanohitra amin'izany, maneho singa tsy azo tsinontsiniavina ho amin'ny fahombiazan'ny fiarahamonina manarapenitra izy ireo.

Raha atao amin'ny teny fohy dia mila etika iombonan'ny rehetra ity tontolo bentsika ity. Ny fomba fiasa «Etioka faobe» izay novelabelarin'ny manampahaizana protestanta toandr'I Hams Küng sy ry Joseph Kushel dia tsy maintsy atao manankarena, indrindra fa amin'ny fomba aratsainan'ny fomba amam-panao silamo.

Boky nanovozan-kevitra

Fukayana, Francis. Ankara 1998. nadikan'i Ahmet Bugadayli. Fanotana voalohany

Prof. Bekir Karliga – Professeur de Philosophie Islamique à l'Université de Marmara, Istanbul.


[1] At-Tawba 9:41, 73; al-Furqân 25:52; at-Tahrîm 66:9.
[2] Al-Hajj 22/78; at-Tawba 9:24, 88; al-Baqara 2:218; Al('Imrân 3:143; al-Houjourât 49:15; al-Mâïda 5:35; al-'Ankabout 29:6; al-Moumtahana 60:1.
[3] Al-Mâïda 5:54; at-Tawba 9:19; al-Anfâl 8:72; an-Nahl 16:110; al-Ankabout 29:6, 8; Louqmân 31:15.
[4] 'Ajlouni 1/424.
[5] Tirmidhi, Fadhâ'il al-Jihâd, 2.
[6] Boukhari, al-Jihâd, 138; Mouslim, al-Birr, 5.
[7] Boukhari, an-Nafaqa, 1; Mouslim, az-Zouhd, 41.
[8] Abou Dawoud, al-Malâhim, 17; Tirmidhi, al-Fitane, 13.
[9] 'Ajlouni 2/285; Baghdadi 8/370.
[10] Darimi, as-Sîra, 16.
[11] Ibn Rouchd 1/348.
[12] Bayhaqi, 10/150; Darakoutni, 4/206; Sarakhsi, 16/61.
[13] Avy eo namoaka zanak'omby ho azy ireo izy, vatana mitsena. Ary hoy izy ireo: «Ity no Andriamanitrareo sy Andriamanitr'i Moizy; manadino izy ireo»

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.