• Home
  • Terrorisme
  • Ny Fampihorohoroana Sy Ny Fitaovam-Piadiana Simika Mitondra Mankamin'ny Fampihorohoroana

Ny Fampihorohoroana Sy Ny Fitaovam-Piadiana Simika Mitondra Mankamin'ny Fampihorohoroana

Nanome vola 110 tapitrisa dolara ny OMS (Organisation Mondiale de la Santé) mba hamonoana zavamaniry iray hita ao Sri Lanka (Ceylan). Ny tanora mihinana io zavamaniry io dia tsy matahotra ny fahafatesana ary mamono tena mora foana. Ny fepetra ilaina dia ny ialana amin'ny fianaky ny zavamaniry mamoafady toy izany manerantany. Nambaran'ny filazam-baovao izany ny taona 2003.

Ny vokatra azo tamin'ny fandinihana teo amin'ny «Fluocsetine» (Prozac), fantatra kokoa amin'ny anarana hoe (pilin'ny fahasambarana) dia nampiseho fa mampifoha ny finiaana hamono tena ao amin'ny olona ziy, miteraka hetsi-pandavana any amin'ny tontolon'ny saina. Ary ny taona lasa teo dia voarara tsy hiditra any Angletera ny «Parocsetine» (Serotat) noho ny vokatra mampamono tena aterany. Ny fihinana io fanafody io dia niadian'ireo matianina amin'ny fitsaboana hevitra.

Miteraka fanontaniana maro eo amin'ireo mifamatotra amin'ny psikofarakolojika ireofivoaran-javatra ireo: ahiatrika loza vaovao va isika?

Namela ny olona hanam-piniavana hamono tena ve isika teo ampanandramana ny fanasitranana azy? Mampilaza ve izany fa ny olona iray domelin'ireo fanafody ireo dia manjary robo? Mbola ratsy noho izany, moa va ny psikofarmakolojia dia nanjary fahalalana azo ampiasaina amin'ny fampihorohoroana?

Manambara ireo fivoaranaireo fa mora foana ny mamadika vondron'olona iray ho mpanao vivery ny ainy: ampy ny mamolavola kely fotsiny azy ireo amin'ny fomban'ny skoto ao aminy faritry ny laminasa manokana amin'ny fanofanana sy manome fanafody kely fotsiny miteraka tsy fahatsiarovan-tsaina avy eo ampana fanafody hafa izay manampy amin'ny fialana amin'ny tahotra.

Raha miainga amin'io fomba fijery io, rehefa dinihina ireo asa fampihorohoroana ny tamin'ireo taona lasa tato ho ato, indrindra fa ny fanafihana ny 11 septambra sy ny herisetra any Moyen-Orient dia tsapa fa ireo rehetra ireo tsapa fa marina ny filazana hoe ny fampihorohoroana dia voakajy ary amin'ny vanim-potoana voahomana sy tokanan'ny rafitra matanjaka.

Ny aretin'ny miaramila

Nandritry ny ady tany Etats-Unis teo anelanelan'ny taona (1864-1865) sy ny ady Franco-Prusse (1870-1871) dia nampiasaina natsindrona ny «morohine» mba ho fampitoniana hoan'ny miaramila. Ny «morphine» dia nampiasaina mba hanalefahana ny hirifiry, ny fahatapahana sy ny fahamaizana ary manampy ny miaramila hahazo aina kokoa. Matetika rehefa manadao ny toeram-pitsaboana izy dia manjary taizan'aretin'andoha, mangovitra, mando sy krampy. Io trangan-javatra io no atao hoe «aretin'ny miaramila». taty aoriana kely dia hita fa io aretina io dia tsy inona akory fa tsy fahatomombanana ao amin'ny miaramila. Noho izany, ny miaramila niaran'ny fanondromana «morphine» dia miharitra ny fambaran'ny tsy fahatomombanana raha vao tsy tsindronina «morphine» intsony.

Ny nahitana ny morphine

Ny sira hidrokloridan'ny «morphine» dia hita ao amin'ny ranoka azo avy amin'ny fakan'ny «pavot» iray esorina ny sarony mba hahazoana rongony. Amin'ny ankapobeny dia fohana amin'ny pipa io zavamahadomelina io ary indraindray misy mandrapaka, indrindra fa ireo manamboninahitra tany Eropa sy Extrême-Orient. Ny taona 1804 no nahafahan'ilay simista frantsay antsoina hoe Seguin nanaisotra rano madio tsy misy lokony avy amin'ny rongony, antsoina hoe «morphine». nataon'i Serturner,simista alemanina fanadihadiana siantifika izany ny taona 1812 ary naparitany ka nampitondrainy ny lohateny hoe «Fanadihadihana ny rongony». maro ireo fikarohana natao mba hahatonga ny «morphine» ho azo atsindrona ary azo ny fahombiazanany taona 1853.

Ny anaran'io fanafody io dia antsoina hoe «fanafody fanovamaso» na «fanafodin'ny fahasambarana» ary ampiasaina ho fanadontoana dia avy amin'ny anaran'Andriamanitra ny nofy sy ny torimaso dia i Morphée ao amin'ny angano Grika. Izay nampiasa ny «morphine» dia heverina fa eo antratran'i Morphée. Io zavatra atao heverina fa masina io dia nanjary zavapanaon'ireo mpanakarena izay tsy misaraka fanjaitra fonosana mosoara vita amin'ny landy ary rehefa te hitsindrona izy dia efa vonona izany. Farany, ny taona 1890 dia nisarika ny saina tamin'ny fiakinandoha amin'ny Morphine i Pichan tao amin'ny bokiny malaza nitondra ny lohateny hoe «Ny Morfemisma». Ny taona 1934 i Mozhar Osman dia namoaka boky milaza vaovao mitovitovy amin'izany izay nitondra ny lohateny hoe «keyij veren Zehirler» (ny poizina izay manome hafinaretana). Saika nitambaran'ireo maty hanina teo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny fiankinandoha tamin'ny «morphine». farany, raha vao tsikaritra ny vokany mampididoza dia nialana ny fampiasana ny «morphine» ho fampitoniana ny miaramila amin'ny ady. Tsy diso ny filazana ankehitriny fa ny «ecstasy» no maka ny toeran'ny «morphine» teo aloha.

Misy ve ankehitriny ny fanafody famonoantena?

Ny fanafody «psikedelika», izany hoe ireo izay mampiseho ny lafiny ara-panahin'ny olombelona dia voafaritra ho misy LSD sy meskalina tamin'ny taona 1954 ary nahasarika ireo teo amin'ny tontolon'ny mozika sy ny haitao manarapenitra.

Ny fanafody izay manana vokatra psikedelika sy sedatifa toy ny meskalina izay hita ao amin'ny «peyott», raketa any Amerika latina dia nampiasaina tamin'ny fombam-pivavahana ny «Aztèque» taloha. Ireo indianina avy any Amerika sy ny «Aztèque» izay mihinana io ravin-draketa io dia manjary tsy tompon'ny tenany, nantsoina hoe «zavamanirin'Andriamanitra». hita ny tao 1895 ny molekiola voalohany tao amin'ny meskalina. Taorian'ny taona 1940, tamin'ny alalan'ny fomba fiasa mitovy amin'ny farmakolojia dia hita koa ny LSD sy ny psilosiba. Ny meskalina sy ny ranoka ao amin'ny vondron'ny LSD dia miteraka fihetseham-pon-kafaliana ambony ary manova tanteraka ny fahatsapana halavirana sy halalina. Lasa miteniteny tsy ankijanona ny olona tratran'io fanafody io, indrindra fa ny lasa sy ny ho avy. Manaitra ny fihetseham-po ara-pivavahana io fanafody io ary manome fahatsapan-kery ambony. Mipoitra avokoa ny zavatra rehetra any amin'ny saina tsy tsaroan'ilay olona. Ao amin'ireo olona mpidoroka sy mpisotro alikaola anefa dia mbola misy voatanany sy voafehiny ihany izany, izay tratran'ny vokatry ny psikedelika anefa mamoaka ny zava-drehetra. Izany no antony ampiasan'ny sampam-pitsikilovana miafina toy ny CIA io zavamahadomelina io tao amin'ny tetikasa lehibe tao amin'ny taona 1960. voarara izany taty aoriana.

Ny LSD amin'ny maha zavamahadomelina azy dia ampiasaina amin'ny fanasana atidoha

Hitan'i D. Markus Hopmann tao amin'ny laboratorany ny 19 aprily 1943 ny LSD fa talanjona anefa izy tamin'ny vokatr'io zavatra io. Isaky ny iray minitra i Hopmann dia mandray naoty amin'ny fiovany.

Nampiasain'ny mpitsikilo ny LSD ny taona 1950 ka hatramin'ny taona 1966, ireo sampam-pitsikilovana miafina sy ireo vondrona mpanao heloka be vaa mba ahafahana miditra ao amin'ny atidohan'ny fahavalo,ny ary raha ilaina dia manova ny heviny. Tamin'ny fametrahana ny fifanarahana tao Helsinki ny taona 1964 dia voarara ny fanandramana amin'ny lohan'ny olombelona toy izany ary nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny asa toy izany.

Ny fampifangaroana io zavatra io aminy zavapisotro sy sakafon'ny olona mba hahazoana vaovao amin'ny fifotorana amin'ny fitondran-tena sy ny teny izay avokany vokatry ny fanapoizinana azy dia tsy ekena tanteraka aratsiansa. Io fomba fiasa io anefa dia azo natao mba hanaovana fanasana atidoha ny olona ao amin'ny toerana iray ohatra, omena zavamahadomelina toy ny LSD isan'andro izy ireo ary afantsika ao andohany ny hevitra tiana hipetraka ao aminy. Azo atao noho izany ny mitarika azy ireo amina tanjona manokana hatramin'ny fanaovana kamikazy.

Misy zavatra hafa ziay azon'ny vondrona ampiasaina ihany koa mba hahazoana ny fon'ireo mpikambana ao aminy sy manery azy hanao ny zavatra irina. Ary raha omena izany mihoatra amin'ny tokony ho izy ny olona izay volavolaina mba ho mpanao kamikazy amin'ny fanafody hafa izay mampitombo ny risipony sy manafoana ny tahotra ao aminy ny ho faty, manjary tsy ilaina ny sambondanitra tena manarapenitra indrindra.

Ireo fanafody mampitombo ny herim-po sy manala ny tahotra ho faty

Zavatra tsy aradalana ny «elstasy» izay fantatra amin'ny anarana siantifika hoe MDMA (Metile endioky metane fatamine). Antsoina hoe «zavamahadomelin'ny fandihizana» hoa izy, satria tena miparitaka izy io amin'ny toerana toy ireny, miantoka sy mahatonga hafatra na voajanahary ao amin'ireny izy. Ny zavatra ao anatin'ny «elstasy» izay vokarina amin'ny fomba tsy manaradalana dia ahitana kafeina betsaka, kokaina sy «siran'ny tsy fahafatesana». Io zavatra io izay antsoina koa hoe «Speed» dia anfetamina izay mampihetsika kokoa sy mampifoha mandritry ny ora maro dia mampitombo betsaka ny fitandremana, ary manome ny fihetseham-po homatanjaka sy feno hery. Mifanohitra amin'ny LSD, tsy manova ny hevitry ny zava-misy ny anfetamine. Mitsentsitra ny tahirin'ny scrotonina ao amin'ny atidoha izy –ranoka mifandray amin'ny fahatsiarevam-pahasambarana (NIDA 2004). Raha vao lasa ireo vaoktry ny zavamahadomelina ireo dia lasa mahia dia mahia ireo olona nihinana azy mandritry ny andro maromaro. Ny fahatokisana ambony ao aminy sy ny herim-po nofohazin'ny anfetamina tao amin'ny olona iray dia mitondra azy ho any amin'ny tontolo hafa mihitsy mba ahafahana mitahiry ny hery toy izany dia te-handray zavamahadomelina hatrany ilay olona. Raha misy fihetseham-pom-pialonana sy valifaty ao aminy dia manamafy io fihetseham-po io ny zavamahadomelina ka manosika azy hanatanteraka ny tanjona eny fa ana dia ho faty aza izy. Ankehitriny dia misy ireo fandalinana atao eo amin'ny sehatry ny psikofarmakolojia izay miasa ao amin'ny fomba hanairana ny ampahany aoao amin'ny atidoha izay tompon'andraikitra amin'ny fihetseham-pon'ny tahotra sy ny fahafatesana.

Famaranana

Taona arivo maromaro lasa izay no nisy vondrona mpampihorohoro nandrahona ny mpitarika, ny manampahaizana sy ny mpitondra tany amin'ny tany silamo. Niroso tamin'ny fahafatesana tsy tamin-tahotra izy ireo noho ny zavamahadomelina nohaniny. Ankehitriny dia niha mafy ny toe-javatra noho ny nampanjary mora foana sy azo atao ny fanasana atidoha sy ny manosika ireo olona sasany hanao zavatra tsy fanao vokatry ny teknika manarapenitra.

Na sampan'asa inona na rafitra na fanjakana manana laboratoara misy fitaovana arateknika avo lenta dia azo atao ny manafoana ny atidohan'ny vondron'olona amin'ny alalan'ny LSD sy mameno ny banga amin'ny alalan'ny fampihelezan-kevitra izay manana tanjona voafaritra. Aorian'izany dia ampy fotsiny ny manome azy ireo «ecstasy» na anfetamina hafa mba hampanaovana azy ireo izay tiana mandritry ny ora 8 na 10. ny mampalahelo dia tandindomin-doza ny fandriampahalemana maneran-tany noho ny siansa.

Prof. Nevzat Tarhan – Professuer de Psychiatrie et directeur actuel de «İDER – Fondation pour les Valeurs Humaines et la Santé Spirituelle.» Il est l'ancien directeur de «The Memory Center, Clinique de Psychiatrie» en Turquie.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.