Ny Fanafihana Amin

Alohan'ny hanombohana ny fanadihadiana ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina dia misy lafin-javatra roa izay tsy maintsy resahintsika aloha. Araka ny finoana silamo dia heverina ho ambony indrindra amin'ny maha olona azy ny o. manambara iofotokevitra io toy izao ny CORAN: «Marina, nomenay voninahitra ny zanak'I Adama» (al-Isrâ 17:70). Vokany, raha vao olombelona, vehivavy na lahy, antitra na tanora, mainty na fotsy dia omem-boninahitra ny olombelona, arovana sy tsy azo atao an-keriny. Hanome lanjany lehibe ny fiainan'ny olombelona ny finoana silamo. Maro ireo andininy ao amin'ny CORAN sy ny hadita mandidy ny fiarovana ireo soa toavina fototra dimy[1] fantatra amin'ny anarana hoe «adh-dharoin'iyyât al-khamsa » (ireo fepetra dimy tsy azo ialana). Izy ireo dia ny aina, ny fivavahana, ny voninahitra, ny saina sy ny fananana. Noho izany dia tsy azo zimbazimbaina ny ain'ny olombelona, tsy azo lotoina ny voninahiny, tsy azo atao an-keriny ny fananany. Tsy azo tafihina any amin'ny taniny na any an-tranony ny olombelona, tsy azo tsy omena fahafahana izy, na sakanana tsy hampihatra ny fivavahany. Satria ny finoana silamo dia mihevitra ny olona tsirairay ho manana ireo soa toavina ananan'ny karazana manontolo ka ny famonoana olona iray dia heverina ho mitovy amin'ny mamono ny olombelona rehetra manontolo, ary mifanohitra amin'izany, ny manavotra ny ain'olona iray dia mitovy amin'ny manavotra ny ain'ny olona manontolo (al-Mâ'ida 5:32).

Ny olombelona dia tsy heverina amin'iolafiny io na amin'ny vondrona, na amin'ny lamin'ny zon'olombelona, na amin'ny lamina ara-pinoana afa tsy amin'ny fivavahana silamo. Tsy mahazo alalana hanao heloka amin'ny tenany koa ny olombelona; vokany, ny manala ny aina nomen'Andriamanitra antsika dia voarara. Toy ny tsy ahafahan'ny olona iray mamono olon-kafa no tsy ahafahan'ny olona mamono tena. Tsy aradalana ny famonoan-tena. Tsy leferin'ny finoana silamo ny famonoan-tena. Raran'ny CORAN masina (an-Nissâ' 4:29) sy ao amin'ny hadita maro izany, manambara koa ny Mpaminany fa ny famonoan-tena dia tsy ara-dalana amin'ny fivavahana silamo.[2]

Ilaina ny fandriampahalemana amin'ny finoana silamo

Ny dikan'ny hoe «Islam» dia fandriampahalemana, filaminana ary fahasalamana. Maniry ny fandriampahalemana mandrakariva ny finoana silamo. Ny silamo mino sy mampihatra io fivavahana io dia olona maniry fahatokisana amin'ny olon-drehetra sy amin'ny zava-drehetra. Olona tsy manao ratsy na amin'ny teniny na amin'ny ataony. Noho izany, miady amin'ny fisarahambazana nyfinoana silamo, amin'ny fifandirana, amin'ny korontana, amin'ny fanaovana jadona sy amin'ny fampihorohoroana. Araka izay asehon'ny hadita[3] maro sy ny andininy ao amin'ny CORAN[4] dia ilana ny filaminana amin'ny finoana silamo fa ny ady kosa dia «âridhi» (evt faharoa, tsy aradalana, kisendrasendra na araka ny toe-javatra). Ny fihetsiky ny silamo manoloana ny olon-kafa koa dia tsy maintsy mifanaraka amin'ny foto-kevi-pilaminana. Ao amin'ny finoana rehetra izay mametraka ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho hevitra fototra dia tsy laharam-pahamehana ny ady. Toy ny ady ataon'ny vatana salama tsara amin'ny otrikaretina izay manafika azy izany. Io dia toe-javatra manokana fa tsy mahafaobe sy mahazatra. Raha ny tena marina dia tsy leferin'ny silamo ny ady na dia eo aza ireo fitsipika mifehy azy ary na dia zava-misy eo amin'ny fiainan'ny olombelona aza no sady zavatra tena manamarika ny tantaran'ny zanak'olombelona. Amin'ny finoana silamo dia voafetran'ny fiarovan-tena ny ady, ao amin'ny faritra sy ny vala famaritana ny foto-kevitra ao amin'ny CORAN toy «ny fisaraham-bazana dia ratsy noho ny ady» (al-Baqara 2:191), tsy marina ny ady raha tsy hialana amin'ny korontana (izay mitarika amin'ny ady), ny fanararotam-pahefana ny jadona sy ny defetisma.[5] Amin'ny CORAN, indray mandeha monja teo amin'ny tantaran'ny olombelona dia voafetra amin'ny fotokevitra sy fitsipika ny ady (Gülen 2004, 238; Yazir 1979, 2/692).

Nametraka fitsipika mba hametrahana ny fifandanjana eo amin'ny ady ny finoana silamo. Heverin'ny finoana silamo fa fotokevitra tena ilaina ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana:

«Ry mpino! mba entitra (eo amin'ny asanareo) manoloana an'Andriamanitra ary meteza ho vavolombelona marina. Ary aoka ny tsy fitiavana vahoaka iray tsy hitarika anareo ho amin'ny tsy fahamarinana. Ampiharo ny fahamarinana: manakaiky kokoa ny famindram-po izany. Ary matahora an'Andriamanitra. Satria Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka izay ataonareo» (al-Mä'ida 5:8)».

Ankoatr'ireo fotokevitra fototra ireo, mandala ny zon'ny tsirairay hiaro ny fivavahany, ny fananany, ny taranany, ny voninahiny sy soa toaviny masina ny finoana silamo; ny fahafatesana amin'ny fiarovana ireo zo ireo dia mahatonga ho maritiora. Ny irak'Andriamanitra koa dia nilaza fa na iza na iza maty hoan'ny fananany dia maritiora, na iza na iza maty amin'ny fiarovana ny ainy dia maritiora, na iza na iza maty amin'ny fiarovany ny fianakaviany dia maritiora, na iza na iza maty amin'ny fiarovany ny fivavahany dia maritiora ary na iza na iza maty hoan'ny tanindrazany sy ny tokatranony dia maritiora.[6]

Mn fijerena ny toe-javatra miainga amin'ny fomba fijery ankapobeny dia ndeha isika hifantoka bebe kokoa mikasika ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina. Vondrona roa no arahantsika:

Ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina amin'ny fotoana milamina sy izay atao amin'ny fotoanan'ny ady.

Ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina amin'ny fotoana milamina

Voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy ampatsiahivina fa tsy mety ny mandray ny lalana sy ny fitsipika mifandraika amin'ny ady –toe-javatra heverin'ny silamo fa miavaka sy araky ny faritoe-javatra- sy ny mampihatra azy ireo amin'ny fotoana tsy misy ady. Tsy miatra afa tsy amin'ny fotoanan'ny ady ny lalanan'ny ady. Amin'ny fotoana mandry fahalemana sy amin'ny toerana sivily, nyfinoana silamo sy ny silamo dia mametraka laharana ambony hoan'ny soatoavina moraly sy arapivavahana, entiny ampahatsaram-po ny olon-drehetra sy amim-pamindram-po ary manao ny rehetra hiantohana nyf andriam sy ny filaminana ao amin'ny toerana iainany izy.[7] Mazava ho azy noho izany fa tsy mankasitraka ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina tanterahina amin'ny fotoana milamina na any amin'ny firenena aiza na aiza mba hikendrena zavatra, miaramila na sivily ny finoana silamo satria ny fanafihana toy izany dia miteraka famonoana ny tsy manantsiny.

Ny CORAN izay mandidy fa ny olombelona rehetra sy ny zavaboary rehetra dia entina amim-pahatsaram-po sy fitiavana dia manambara fa «na iza na iza mamono olona iray tsy meloka (…), dia toy ny mamono ny olombelona rehetra» (al-Mâ'ida 5:32). Araka ny efa nolazaintsika, ny mamono olona iray tsy misy antony mitombana dia heloka be vava mitovy lenta amin'ny olona manontolo. Izany dia avy amin'ny hoe raha mamono olona iray tsy amim-pahamarinana dia mitarika fa na iza na iza dia azo vonoina ary mandrisika ny tsy fanajana ny zon'ny olona sy ny fiarahamonina hianana. Izay manao heloka toy izany dia mizotra amin'ny lalana ratsin'ny fampijaliana mitondra miaraka aminy ny famonoana olombelona, izany zavaboarin'Andriamanitra tsara indrindra. Izany no maha mendrika ny fahatezeran'Andriamanitra hoan'ny olona iray lozabe izay mamono ampahabibiana olona iray, mendrika ny sazin'Andriamanitra any an-koatra toy ny namono ny olombelona manontolo koa izy. Ny CORAN masina dia tsy mametraka sazy enjana afatsy amin'ny heloka ninian'ny olombelona natao. Ny famakiana ady sy ny fandrahonana koa dia mampatahotra:

«Na iza na iza mamono mpino iray ankitsim-po dia ny afobe no anjarany, ho fonenany mandrakizay. Hikapohin'Andriamanitra amin'ny fahatezerany izy, hozoniny ary hanomanany sazy goavana» (an-Nissâ' 9:93).

Ny afobe mandrakizay no sazin'ny famonoana mpino iray ankitsim-po, na dia mamindrafo aminy aza Andriamanitra dia tsy hamela ny helony. Araka ny fanadihadiana io andininy io nataon'ny manampahaizana toandr'I Ibn Abbas dia lavina ny fifonan'izay mamono mpino ankitsirano ary alefa any amin'ny afo mandrakizay izy.[8] Io fanadihadiana io anisan'ny an'ireo manampahefana ambony ao amin'ny sehatry ny «tafsîr» (fanadihadiana ny CORAN); ilaina ny manome azy lanja lehibe.

Lazaina ao amin'io andininy io fa tsy ny mamono mpino ankitsim-po ihany no voasazy any amin'ny afobe fa izay manevateva an'Andriamanitra ihany koa. Tsara ny manamarika fa tsy misy fandrahonana mafy sy mampatahotra hafa tsy io ao amin'ny CORAN. Fanampin'io, ny famonoana tsy manantsiny dia voalaza koa fa «chirk» (manambatra an'Andriamanitra amin-javatra hafa, tsy azo avela io heloka io) (al-Fouqân 25:68; al-An‛âm 6:151); ny fametrahana miaraka ireo zavatra roa ireo dia maneho sy halebeazany sy ny faharatsiany.l

Ankoatra izany dia tsy azo atao ny mankasitraka asa famonoan'olona amin'ny fifotorana ao amin'ny loharanon'ny finoana silamo. Tsy misy silamo tonga saina manana ny andraiki-pinoana silamo afaka manao asa sahala amin'izany.

Ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina amin'ny fotoanan'ny ady

Efa hitantsika teo ny toetran'ny silamo manoloana ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina ao anatin'ny tontolo mandry fahalemana. Ankehitriny kosa isika dia hanadihady ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina izay mikendry sivily sy tsy manantsiny ao amin'ny toerana izay hiatrehan'ny silamo ady hiarovany ny fiainany, ny soa toaviny masina sy ny tanindrazany, amin'ny alalan'ny fahazavan'ny finoana silamo.

1-Tsy azo vonoina ireo tsy mpiady mandritry ny fotoanan'ny ady

Ny silamo tsirairay dia tsy maintsy miaina ny fiainana amin'ny foto-kevitry ny Irak'Andriamanitra mahery indrindra voalaza ao amin'ny CORAN.

Ny silamo rehetra dia heverina ho mpanome endrika amin'ny tontolom-piainany tsirairay, amin'ny fandehanana mivavaka ka hatramin'ny fomba fitondran-tena sosialy sy amin'ny fihetseham-po, mifanaraka amin'ny fitarihan'Andriamanitra. Na dia miady mba hiarovana ny zo tsy maintsy arovana aza, ny silamo dia voatery tsy maintsy milefitra eo anoloan'io fitarihana io. Ny dingana arahin'ny ady dia tsy manamarina ny fandikana io fitarihana io. Na dia amin'ny fotoanan'ny ady aza dia tsy mankasitraka ny famonoana ny tsy mpandray anjara amin'ny ady toy ny antitra, ny vehivavy sy ny zaza ny finoana silamo; ny olona toy izany dia tsy manana ny sata maha mpiady. Io fomba fiasa izay anisan'ny fitsipiky ny ady io dia foto-kevi-baovao napetraky ny finoana silamo teo amin'ny lalàna miaramila.

Ny foto-kevitra ankapobeny dia maniry ny tsy hamonoana ny tsy mpiady amin'ny fotoanan'ny ady araka ny voalazan'ny CORAN:

«Miadiva ao amin'ny làlan'Andriamanitra amin'izay miady aminareo ary mandika lalàna. Marina tsy sitrak'Andriamanitra ny mpandika lalàna!» (al-Baqara 2:190).

Ny fepetra «izay miady aminareo» ao amin'ny lahatsoratra niandohan'io andininy io dia tena manandanja lehibe. Mba hanazavana izany amin'ny lafiny gramera, ny fomba ampiasain'ny arabo dia milaza ny «fandraisana anjara» izay midika hoe: «ireo izay miditra ao amin'ny satan'ny mpiady». Midika izany fa tsy azo raisina ho kinendry ireo tsy mpiady.

«Ny fandrarana ny hamono ny tsy mpiady» araka ny hevitra io andininy io dia nazavain'ny Mpaminany tamin'ny alalan'ny asany sy ny teniny: maro ireo hadita milaza io lafin-kevitra io.[9] Matetika isika no mianona amin'ny filazana ny vitsivitsy amin'ireny mba hanazavana ny olana:

Tamin'ny fanafihana iray (ghazwa) dia nahita fatim-behivavy iray novonoina. Nomelohin'ny irak'Andriamanitra ny fitondran-tena toy izany ary hoy izy: «kanefa io vehivavy io dia tsy mpiady ka nahoana no novonoinareo?»[10], avy eo izy nandrara ny famonoana ny vehivavy sy ny ankizy.[11]

Ankoatra izany, nampitandrina ny mpitaritafika ny irak'Andriamanitra sy ireo tafika izay nalefany hiady: «Mandehana amin'ny làlan'Andriamanitra ianareo, miadia ao amin'ny lalan'Andriamanitra; raha misy fifanarahana voasonia eo aminareo sy ny mpifanandrina dia hajao izany; aza dikaina, aza manao ho «mouthla» (fanapahana ny ratsambatan'ny fatin'ny fahavalo: tapahina ny tanany, ny orony, amin'ny teny hafa, aza manao izay manitsakitsaka ny fahamendrehan'ny olombelona); aza mamono vehivavy, zaza sy antitra sy izay mialokaloka ao amin'ny trano fivavahana».[12]

Taorian'ny Mpaminany, ireo kalifa voatarika tsara (ireo kalifa 4 voalohany) koa dia nanaraka antsakany sy andavany ireo fitsipika ireo. Ary hatramin'izao andro izao dia mamerina ireo foto-kevitra ireo mandrakariva ny filoham-panjakana silamo rehetra, averiny amin'ireo mpitaritafika alefany any amin'ny sisintany izany amin'ny fanomezana azy ireo baiko sy torohevitra, nampiharina antsakany sy andavany izany rehetra izany teny andalan'ny tantara manontolo:

«Aza alana indrindra indrindra ao am-ponareo ny fahatahorana an'Andriamanitra. Aza adino fa raha tsy misy ny fitarihan'Andriamanitra dia tsy misy azonareo atao. Ny herim-po, ny fahrisihana sy ny «taqwa» (fahatahorana an'Andriamanitra) nananan'ny Mpaminany dia tsy maintsy atao filamatra sy modely. Aza osena ny saha fambolena. Mampiseho fanajana eo anoloan'ny mpisorona, ny mpitokamonina miaina ao amin'ny toeram-ponenany sy ireo izay tian'Andriamanitra; aza manao ratsy azy ireny na dia kely aza. Aza vonoina ny sivily, tandremo ny tsy fanajana eo anatrehan'ny vehivavy ary aza ampijaliana izay resy. Aza mandray ny fanomezan'ny mponina; aza mampiantrano ny miaramilanareo ao amin'ny tranon'izy ireo. Aza manadino ny fivavahana indimy isanandro. Matahora an'Andriamanitra ary aza adino fa mety ho tonga amin'ny fotoana rehetra ny fahafatesana na dia lavitra avy amin'ny toeram-piadiana aza ianareo. Noho izany, vonona ho faty mandrakariva (Gülen 2004, 238).

Samy miara-manaiky ireo manampahaizana eo amin'ny lalàna silamo fa rarana tanteraka ny famonoana vehivavy, ankizy, antitra, ny mpitakamonina sy ireo mivavaka sy manamasin-tena amin'ny fiderana ao amin'ny trano fitokanamonina, ny jamba sy ny manankilema tsy mpiady.[13]

Ao amin'io andininy voalaza io (al-Baqara 2:190), dia mandrara ny silamo tsy handika lalàna ny CORAN. Faritana amin'ny fomba roa ny fandikan-dalana» ao amin'ny fanadihadian'ny Mpaminany. Ny famonoana ireo tsy mpiady an-kilany aryny fampijaliana izay resy an-daniny. Raran'ny irak'Andriamanitra ny fanapahana ny ratsam-batan'ny maty[14] sy ny mamono olona araka ny fomba «sabr» (afatotra velona ny olona, kendrena amin'ny fitaovam-piadiana isankarazany amin'izay avy eo mandrapahafatiny).[15] Voarara ihany koa ny fanaovana fomba toy izany amin'ny akoho, noho izany dia mazava ho azy fa tsy azo ampiharina amin'ny olombelona.[16]

Fanampin'izany dia misarika ny saina ny irak'Andriamanitra amin'ny tsy maintsy hananan'ny silamo fitondran-tena mendrika na dia amin'ny ady amin'ny fahavalo aza: «Ireo izay miady amin'ny fomba tsara (amin'ny fitandremana ny soa toavina maha olona sy moraly) no olon'ny finoana (ahl al-imâm)»[17]

Nametraka lalana etika koa ny silamo na dia amin'ny famonoana ny biby aza; tsy mahagaga noho izany raha mandrara ny fanararaotana amin'ny ady aman'olona izy. Efa hatramin'ny taonjato marono nametrahan'ny Mpaminany ireo fitsipika etika amin'ny famonoana ny biby ireo rehefa manao sorona sy amin'ny fotoana rehetra. Misy toyny fandranitana ny antsy eo anoloan'ny biby natao sorona ohatra.[18]

Raha manao topi-maso vaovao mikasika ny fanafiana amin'ny fanaovana vivery ny aina amin'ny fahazavan'ny ireo fepetra rehetra ireo dia hita mazava fa ireo asa izay manala ain'olona maro dia tsy mifanaraka aminy fotokevi-pahendrena sy ankapoben'ny finoana silamo.

2-Tsy raisina ho kinendry ny sivily

Mifanohitra tanteraka amin'ny fotokevitry ny finoana silamo ny famonoana olona tsy manantsiny mandritry ny ady. Tsy mba nampiasa fomba fiady toy izany na oviana na oviana ny silamo na tamin'ny fotoan'andron'ny Mpaminany na ny an'ireo mpanaradia azy, na tamin'ny andron'ny «tâhi‛oun» (ny taranaka taorian'ny an'ireo mpanaradia ny Mpaminany), na tamin'izay nanaraka. Tsy nisy toy izany tamin'ireo asa nataon'ny silamo teo amin'ny tantara. Raha misy olona sasany te-hamoaka hevitra mifanohitra amin'izany dia tsy misy safidy hafa intsony, ny zavatra nanjo ireo mpanaradia ny Mpaminany tao La Mecque izay niharetany fampijaliana sy ireo nanaraka azy taty aoriana dia tsy nalefa na oviana na oviana tamin'ny asa natao ka ho porofo ampy.

Ao amin'ny loharanon'ny lalàna silamo rehetra dia hiadian-kevitra izao lafiny manaraka izao: azon'ny silamo iray atao ve mandritry ny ady no manafika irery ny tafiky ny fahavalo na vondrona iray kanefa fantatra mazava fa ho faty izy? Izao no valin'io fanontaniana io: raha mametraka fahapotehana ao amin'ny mpifanandrina ary manampy tsara amin'ny tolon'ny silamo, raha afaka manome herim-po ny asa toy izany mandritry ny ady dia azo tanterahina ary miady mandrapahafaty. Ohatra, tamin'ny andron'ny ady tao Ouhoud dia nisy andiana mpanaradia nanao toy izany (izany hoe nanafika ny fahavalo mba hanamafisana ny herim-pon'ireo silamo sy hanamafisana ny moraliny) avy eo nahazo ny fankasitranan'ny Mpaminany. Na dia izany aza, raha tsy mitera-pahavoaazana hoan'ny fahavalo ny fanafihana toy izany dia tsy azo tanterahina. Raha manafika amin'ny fomba toy izany anefa ilay olona voalaza kanefa fantany fa tsyhitondra vokatsoa hoan'ny silamo dia manjary voaresaka amin'ity andininy ity io olona io: «Ary mandamina amin'ny làlan'Andriamanitra. Ary aza milatsaka ao amin'ny fahapotehana amin'ny alalan'ny tananao ihany. Ary manaova ny tsara. Satria ankasitrahin'Andriamanitra ny mpanao soa» (al-Baqara 2:195)[19] Sarotra ny mandray io tranga hanamarinana ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery atao amin'ny fanaterana baomba amin'ny vatana sy manapoaka izany ao anaty olona tsy manantsiny. Alohan'ny rehetra dia ampahatsiahivina fa ny lafinjavatra lazaina ao amin'ny bokin'ny «Fiqh» dia tsy mikasika afatsy amin'ny fotoanan'ny ady sy ny kinendrin'ny miaramila fa ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery kosa dia atao amin'ny hikendrena sivily, dia ny tsy manatntsiny. Vokany, zavatra tena mifanohitra ireo roa ireo.

Porofo hafa heverin'ireo mankasitraka ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery fa azo aroso ny «tafarrous»' voalaza ao amin'ny boky «fiqh». Amin'ny «tatarrous», izany hoe raha mampiasa babo an'ady ny fahavalo, vehivavy sy zaza silamo ho toy ny fiarovana amin'ny ady (ampinga olombelona), dia azon'ny silamo atao ny manafika ny fahavalo amin'ny fandraisana ny fepetra rehetra ilaina mba hiarovana ny ain'ny babo[20]. Ary io zavatra io koa dia mbola tsy manan-kery raha tsy amin'ny fotoanan'ny ady ary tsy azo ampiasaina mba hanamarina ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina izay mikendry sivily sy tsy manantsiny, izany hoe ireo tsy mpiady.

3-Ny teny hoe irhâb ao amin'ny CORAN

Araka ny fantatry ny silamo, ny tenim-piderana voalaza ao amin'ny CORAN dia mitana toeram-boninatra. Ireo teny izay tsy mitondra afa tsy hevi-piderana indray koa dia manana ny maha izy azy manokana. Ny teny hoe «irhâb» dia anisan'ireo. Ny andinin'ny ao amin'ny CORAN izay mitantara io teny io dia ity manaraka ity:»Ary manao izay handovana amin'izy ireo izay hery rehetra anananareo sy ny soavay mba hampatahorana ny fahavalon'Andriamanitra sy ianareo sy ny hafa izay mbola tsy fantatrareo ankoatra izany kanefa fantatr'Andriamanitra. Ary heverina feno aminareo izay rehetra laninareo eny andalam-piadiana hoan'Andriamanitra ary tsy adino ianareo» (al-Anfâl 8:60).

Ary izay mino ny CORAN ary mampiasa azy ho fitaratra dia tsy maintsy mandray io teny io amim-panajana sy fahamendrehana araka izay tokony ho izy. Eto ny hevitra ara-bakitenin'ny hoe «irhâb» dia «mampatahotra». Matetika ny tahotra voalaza eto dia tahotra voajanahary teraka mba hanimba. Tsy manimba amin'ny nahimpony tanteraka anefa io fahatahorana io. Tsy maintsy mijanona ho tahotra fanaparitahana izy fa tsy voatery hanimba.[21]

Ny «moufassir» (manampahaizana silamo manokana amin'ny fandalinana ny CORAN) dia mandika ny teny hoe «irhâb» amin'io andininy io ho ny fanangonam-pitaovana toy ny fitaovam-piadiana ilaina sy mifanaraka amin'ny vanim-potoana mba hiatrahana ny fahavalo mba hametrahana hery fanaparitahana.[22]

Manazava I Rashid Ridchs fa ny teny hoe irhâb dia tsy midika afa tsy hoe mandrehitra ny afo mba hamakisana ny ady, ny mifanohitra amin'izany anefa, mikendry indrindra ny hanafoanana ny ady izany; raha atao amin'ny teny hafa dia hiarovana fa tsy hamotehana ny fiarahamonina. Ny fandinihany io andininy voalaza io dia: «Manomana ny fitaovana entina hiady araka izay azo atao mba hanakanana ny fahavalo –fantatra na tsia- mba tsy hiditra amin'ny ady na tsy hanao fanafihana».[23]

Ao amin'ny hadita, ny teny hoe «irhâb» dia manamarika ny fisaratsarahana[24], ary amin'io hevitra io koa no handalinana azy ao amin'ny fanadihadiana ny hadita.[25] I An-Nihâya izay manazava ny teny hoe (ghaîb) tsy fahita firy ao amin'ny hadita dia mamaritra ny teny hoe «irhâb» ho ny maha mahery mba ho afaka hanaparitaka ny fahavalo, manafika sy manaparitaka ny fahavalo manontolo.[26]

Ireo mpanaradia mendrika dia mamarana fa io andininy io dia midika ho fanoimanana ny ady mba hanaparitahana ny fahavalo. Ohatra, nandritry ny fanjakan'I ‛Omar dia soavaly 40 000 no vonona tao an-tsaha manodidina an'I Medina. Tsy ampiasaina amin'ny ady ireo soavaly ireo na dia misy ady maro hatrehina any amin'ny tany samihafa aza. Toy izany koa, soavaly 40 000 hafa ihany koa no vonona atao vonjy taitra (asolo ny maty) tany amin'ny toerana akaikin'I Siria. Atao tahiry ireo soavaly ireo –ireo biby voaisa tamin'ireo fitaovam-piadiana tamin'ny ady mafy indrindra tamin'izany andro izany- raha ohatra ka.[27]

Raha ny teny ho «rihâte» voalaza ao amin'ny andininy indray, io koa dia midika hoe, mametraka olona na biby any amin'izay toerana hametrahana azy, azo raisina ny hevitry ny hoe voahomana sy malina amin'io fomba io. Ny CORAN dia mampiseho tanjona amintsika ary toa mandidy aza hoe «arovy sy tohano ny fivavahantsika, ny voninahitsika, ny fahamendrehantsika, ny tanindrazantsika sy ny soatoavintsika manontolo eo anatrehan'ireo fahavalo izay ratsy fijery ireo zavatra ireo, handray ny fepetra rehetra ilaina mba hametrahana fahefana izay mamela antsika hanao izany rehetra izany, ary tsy hanome vahana na dia kely akory aza hoan'ny fahavalo»[28].

Ireo manampahaizana eo amin'ny lalana silamo ihany koa dia mampiasa ny teny hoe «irhâb» ho amin'ny hevitry ny fanapariahana[29]. Farany, rehefa dinihina ny rafitry ny teny hoe irhâb, ny fampiasana azy sy ny hevitra omena azy ao amin'ny fanadihadiana sy ny bokin'ny hadita, ao amin'ny bokin-dalana silamo sy ao amin'ny raki_bolana dia miseho izao zava-misy izao:

a)      Ny teny hoe irhâb araka izay voasoratra ao amin'ny CORAN dia mifamatotra amin'ny hoe i‛dâd: io teny io dia midika hoe vonona hiaro ny soatoaviny masina, mitarika ny fitandramana ny fandikandalana ziany, fisakanana ny jadona sy tsy fankasitrahana ny olombelona. Najaina sy nekena io toe-javatra io, najan'ny fiarahamonina sy ny firenena tamin'ny fotoana rehetra ary tsy mifanohitra amin'ny maha olona ny olona. Iza no afaka manda ny filana ny fitaovana haparitahana ny fahavalo sy handrahonana azy, ireo mpanao jadona, ny mpanafika sy ny firohotan'ny fahavalo?

b)      Ampiasain'ny manampahaizana silamo ny teny hoe irhâb ao amin'ny bokiny mba handikana ny hoe «manala ny risipon'ny fahavalo aloha sy mandritry ny ady, mampitahotra azy, mampihena ny herintsainy sy manao izay hahaosa azy ara-psikolojia».

Endrika samy hafa no nisehoan'ireo fitaovana fanapariahana ireo tamin'ny fotoana teo aloha: mitondra fitafiana vita amin'ny landy, lokoina mainty ny volo fotsy, mitondra firavaka sy fanampiny hafa, ravahana ny sabatra, miady irery manoloana nyt afika iray na manomana soavaly maro ho amin'ny ady. Ireo singa rehetra ireo dia nifanaraka tamin'ny ady tamin'izany fotoana izany.[30]

Ireo dikany roa omena ny teny hoe irhâb ireo ihany no ampiasaina ao amin'ny CORAN, ao amin'ny SONA sy ao amin'ireo boky hafa mifototra amin'ireo loharano roa ireo. Noho izany dia tsy marina ny mandika ny teny hoe «irhâb» ho famonoana ny tsy manantsiny eny amin'ny toeram-bahoaka amin'ny famatorana baomba amin'ny vatana, fandatsahan-drà, fampirehetana afo, fandravana trano fonenana, manely fampitahorana mba hametrahana korontana ao amin'ny fiarahamonina sy manalabaraka ny CORAN ho porofon'ny asa atao.

Ankoatra izany, te hisarika ny saintsika amina lafin-javatra iray manan-danja izahay: ny rakibolana arabo tranainy rehetra dia tsy manome afa tsy teny iray «ikhâfa» (mampitahotra) ho famaritana ny teny hoe «irhâb». Na dia izany aza dia hita ao amin'ireo rakibolana sasany natao tao amin'ny tapany faharoan'ny taonjato fa XX fa niova ny famaritana ny teny hoe «irhâb». Fanahiniana ve sa tsia, indrindra fa ao amin'ireo rakibolana novolavolain'ny tsy silamo, ny teny hoe «irhâb» dia faritany ho «fampihorohoroana»[31]

Mazava ho azy anefa na dia izany aza fa misy fahasamihafana lehibe eo amin'ny teny hoe «irhâb», izany hoe «mampatahotra amin'ny hery fanapariahana fa tsy miditra amin'ny ady» sy ny teny hoe: «fampihorohoroana» izay midika hoe mamono, mitifitra baomba, mandoro trano, mampatahotra ny vahoaka sy manao herisetra mba hampidirana ny fiarahamonina ao amin'ny korontana»[32]

4-Ny fanapahan-kevi-pitsarana iray dia tsy azo atao raha tsy misy antony manokana

Iray amin'ireo fomba fiasa fototry ny lalàna sila ny famaritana ny fetra sy ny faritoe-javatry ny fitsarana farany, raha tsy misy izany dia tsy misy didim-pitsarana azoavoaka satria arahina fanararaotana izany.

Raha jerena amin'ny fahazavan'io fepetra io ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery dia mazava fa tsy voafaritra tsara izay kinendry ary tsy fantatra mialoha izay ho faty. Tsy fidirana ny toerana hanaovana ny fanafihana, hatrany amin'ny toerana fivoriam-bahoaka toy ny tsena, ny toeram-pivarotana, ny toeram(pisakafoanana, kendrena tsy misy fiavahana ny rehetra, ny vehivavy, ny zaza, ny antitra, ny silamo na tsy silamo. Vokany, ny fidirana amin'ireny fanafihana an-jambany ireny izay tsy voafaritra akory izay kinednry dia mifanohitra tanteraka amin'ny fotokevitry ny lalana silamo.

5-Amin'ny finoana silamo dia ilay olo-meloka no raisina

Amin'ny finoana silamo dia miavaka arakaraky ny toe-javatra tsirairay ny famaizana: na iza na iza manana heloka dia ilay olona nantsoina hanao heloka no melohina. Toy izay efa averimberin'ny CORAN mandrakariva izany «tsy maka ny ratsy raha tsy amin'ny nahim-poany ihany, ny tsirairay: tsy misy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa» (al-An‛âm 6:164; an-Nahl 17:15; Fâtir 35:18). Fotokevitry ny lalana silamo ny fitsitokotoan'ny heloka sy ny famaizana. Satria ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery dia mikendry ny olona tsy manantsiny ka noho izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny ftokevidehiben'ny finoana silamo ka tsaraina ho tsy marina araka ny famolavolan'ny silamo ny fahamarinana.

6-Mandoto ny endrika sy ny maha silamo ny silamo ny fanaovana fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina

Ny fitaovana natao hanatrarana tanjona iray dia ary tsy maintsy manandanja ara-drariny tahaky ny tanjona koa. Araka izay efa voalazantsika tery ambony, ny fitoloman'ny olona iray mba hiarovana ny soatoaviny masina, ny fananany na ny fireneny dia anisan'ireo andraikitra ambony idnrindra hoan'ny olombelona. Ary ny manary ny aina amin'ny fiarovana sy fanatanterahana ireo andraikitra rieo dia làlana mankany amin'ny maha maritiora. Ny mifanohitra amin'izany, raha mametraka na mampiasa fitaovana iray tsy azo hamarinana mba hanatrarana tanjona toy izany dia mahazo ny tsiny any amin'Andriamanitra ary ny vokatra azo dia ny miafnohitra amin'izay nantenaina, nanasarotra kokoa ny toe-javatra izay tsy tokony ho amin'ny silamo. Ary na dia izany aza, ny irak'Andriamanitra sy ireo mpanaradia azy sy ny silamo izay nanaraka azy amin'ny maha solontenan'ny fandriampahalemana azy sy ny filaminana dia niaro mandrakariva ny maha silamo ny silamo amin'ny fotoana milamina sy amin'ny fotoanan'ny ady koa ary mitandrina hatrany. Ankehitriny, atao izay inoana fa mpampihorohoro ny silamo. Vokany, nanjary tsy maintsy tamin'izy ireo ny miavaka araka izay azo atao amin'ny fitondran-tena na asa izay mety hanamelohana azy ampahadisoana sy tsy an-drariny ho fampihorohoroana[33]. Zavatra manokana izany satria silamo vitsivitsy any amin'ny toerana sasantsasany no manao toy izany na eken'ireo olona ireo ho azo ampiasaina miaraka ny teny hoe «silamo» sy «Fampihorohoroana», handotoana ny endriky ny silamo ary manampy ireo izay manao ny rehetra handotoana azy nakitsirano fotsiny izao.rehefa ny silamo sasantsasany any amin'ny toerana isan-karazany eto ambonin'ny tany izay sorena noho ny fijaliana hiaretany no miasafidy ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ho fomba tokana hiadiana dia nahenika ny silamo manontolo io fanapahan-kevitra io fa tsy izy irery ihany. Vokany, na fanaovana vivery inona na fanaovana vivery inona izay ampiasana baomba na aiza na aiza zto antany dia mamatotra ny anaran'ny silamo sy izay mahakasika ny silamo manontolo.

Hazavaintsika io toe-javatra io amin'ny fitantarana zavatra iray tena ny vao tsy ela. Nirotsaka mivantana sy antsitrapo ny ho mpitaritolon'ny milisy tao amin'ny rezimanta iray nandritry ny ady lehibe voalohany I Bediüzzaman Nursi tany Turquie ary tena nanampy tanteraka nyv ahoaka sy ny firenena. Anndritry ny ady dia nisy miaramila armenianina namono taminkabibiana ny vehivavy sy ny zaza turc tany amin'ny toerana sasany ary nisy koa zaza armenianina vitsivitsy maty tany amin'ny toeran-kafa. Indray andro nisy zaza armenianina anarivony nangonina tao amin'ny faritra iadidian'I Saïd Nursi. Nandidy ireo miaramila izy mba tsy hanao ratsy na dia kely aza amin'izy ireo, avy eo nafahany ireo zaza ireo ary nalefany tany amin'ny fianakaviany izay nonina tany amin'ny sisintany rosianina teo akaiky. Nanome lesona lehibe, hoan'ireo armenianina io fihetsik'I Saïd Nursi io. Taorian'io zava-niseho io dia nolakaloka ny tsy hamono zaza silamo intsony ny armenianina: «Satria I Molla Saïd tsy namono ny zanatsika ka averintsika aminy izany, manomboka izao dia tsy hamono zaza silamo intsony isika». Noho ny fomba fiasa sy fitodnran-tena fakatahak'I Nursi izay mifanaraka amin'ny fomba fisainana silamo tokoa dia maro ireo zaza avotra aina[34].

FAMARANANA

Na amin'ny fotoanan'ny ady na amin'ny fotoana milamina dia tsy maintsy manaraka nyf epetran'ny finoana silamo ny silamo rehetra. Na inona na inona fijaliana sy fepetra sarotra iainany dia tsy maitnsy nifehy ny fihetseham-pony ao amin'ny faritry ny fotokevi-dehiben'ny finoana silamo izy. Tsy mahazo mirotsaka velively ao amin'ny asa izay tsy ankasitahin'ny finoana silamo izy. Manao heloka mahatsiravina ny manao fanafihana amin'ny fanaovana vivery amin'ny fotoanan'ny filaminana. Tsy azon'ny silamo atao ny mankasitraka famonoana olona an-kitsirano na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana. Ary na iza na iza silamo misaina sy manam-pinoana dia tsy mahazo manao toy izany.

Nyf anaovana vivery izay mikendry sivily amin'ny fotoanan'ny ady dia tsy azo atao satria rieo iharamboina dia vehivavy, zaza, antitra sy olon-kaa tsy andray anjara amin'ny ady izay olona raran'ny silamo tsy ho vonoina avokoa na amin'ny fotoanan'ny ady na amin'ny fotoana mandrifahalemana. Ankoatra izany, ny famonoana tsy manantsiny sy olona tsy miady dia famafazana tahotra sy fanararotana mandoto ny endriky ny finoana silamo ary fanasian-dratsy ny silamo rehetra koa.

Any amin'ny fonenana maromaro dia mandia fotoan-tsarotra ny silamo amin'ny sehatra sy ny lafim-piarahamonina amro, na dia izany aza, tsy manome zo azy ireo hanao vivery ny ainy izany. Ny nanao fanafihana kisendrasendra ao anaty vahoaka kanefa tsy fantatra akory izay ho faty, mamatotra baomba amin'ny vatana hitanjonana famonoana fotsiny sy manapoaka vanja mahery vaika eny ankavorian'ny tsy manantsiny sy ny zaza dia tsy mba fitondran-tena na oviana na oviana. Na dia maharomotra aza ny ady hazo mandika lalana na oviana na oviana sy tsy mahazo mandika ireo fotokevitra maha silamo toy ny hoe «ahoana ny famonoana, ahoana ny tokony hahafaty ary ahoana ny fomba fiady amin'ny fahavalo». Tsy misy amin'ny silamo ny miantso hamono vehivavy, ankizy sy ny olon-kafa tsy mandray anjara amin'ny ady. Mba hamaranana azy, ary miombon'alahelo amin'ireo rahalahy sy anabavinay silamo izahay ary mivavaka ho azy ireo, tianay anefa ny mamerina na dia izany aza fa ny fomba fiady izay nampiharin'ny silamo sasantsasany dia melohina noho ny fitondran-tena sasantsasany –izany no kely indrindra azo lazaina- ataon'ny olombitsy izay nisafidy io làlana tsy mifanaraka amin'ny maha olona ho foqmba amin'ny tolona io.

Dr. Ergun Capan – Doctorat sur le Tafsir (exégèse du Coran). Il travaille actuellement pour Akademik Araştırmalar Vakfı à Istanbul, et est le directeur de Yeni Ümit, une revue trimestrielle de sciences islamiques publiée en Turquie.


[1] Ach-chatibi, Mouwâfaqât, 2/7-10.
[2] Boukhari, al-Janâiz, 84; Mouslim, al-Imâm, 175.
[3] Boukhari, al-Jihâd, 112, Mouslim, al-Jiohâd, 19; Abou Dawoud, al-Jihâd, 89.
[4] Al-Baqara 2:208; An-Nissâ' 4:90, 94; Al-Mumtahana 60:8. Cf. Yazir, 1979, 4/2424. Zuhayli, Athâr al-Harb, p. 133-136.
[5] Sarakhsi, al-Mabsout, 10/5; Zuhayli, Athâr al-Harb, 90-94.
[6] Tirmidhi, ad-Diyyât, 21; Boukhari, al-Madhâlim, 33; Mouslim, al-Imân, 222.
[7] Cf. al-Moumtahana 60:8; al-Jâthiyya 45:14.
[8] Tabari, Jâmi‛al-Bayân, 4/294; Ibn Kathir, Tafsîr al-Qour'ân al-‛Adhîm, 2/332.
[9] See Tahawi, Charb Maww'âni al-Athar, 3/224-225; Tahanawi, I‛lâ'as-Sounane, 12/29.
[10] Abou Dawoud, al-Jihâd, 111.
[11] Boukhari, al-Jihâd, 147; Mouslim, al-Jihâd, 25.
[12] Tahanawi, I‛la'as-Sounane, 12/31-32; Ahmad ibn Hanbal, Mousnad, 1/300; Abou Dawoud, al-Jihâd, 82; Bayhaqi, as-Sounane al-Koubrâ, 9/90.
[13] Tahawi, Moukhtassar Ikhlâf al-Fouqahâ', 3/455-456.
[14] Boukhari, al-Madhâlim, 30; Abou Dawoud, al-Jihâd, 110.
[15] Mouslim, as-Sayd, 58-60; Ibn Maja, adh-Dhabâih 10. Voir Yazir, 2/694.
[16] Abou Dawoud, al-Jihâd, 120; Darimi, al-Adhâhî, 13.
[17] Abou Dawoud, al-Jihâd, 110; Ibn Maja, ad-Diyyât, 30.
[18] Abou Dawoud, al-Adhâhî, 12; Tirmidhi, ad-Diyyât, 14.
[19] Sarakhsi, al-Mabsout, 10/37; Jassas, Ahkâm al-Qour'ân, 1/327; Ibn al-Abidin, 1984., 4/127
[20] Sarakhsi, al-Mabsout, 10/154; Tahawi, Moukhtassar Ikhtilâf al-Fouqabâ', 3/43.
[21] See Ibn al Manzur, Lisân al-‛Arab, «r-h-b»; Raghib, Moufradât, «r-h-b»; Zabidi, Taj al-‛Arous, «r-h-b».
[22] Tabari, Jâmi‛al-Bayân, 6/42; ar-Razi, Mafâtih, 15/192; Alusi, 10/26; Yazir, Hak Dini Kr'an Dili.
[23] Rashid Ridha, Tafsîr al-Manâr, 10/66.
[24] Bazzar, Mousnad, 6/30; Ahmad ibn Hanbal, Mousnad, 3/493.
[25] Azim Abadi, ‛Awn al-Ma‛boud, 8/159.
[26] Ibn Athir, an-Nihâya fî Gharîb al-Hadîth, 2/262.
[27] Mawlana Shibli an-Numani, Bütün Yönleriyle Hazreti Ömer ve Devlet Idaresi, Istanbul : Hikmet Yayinlari, 1986. Traduit par Talip Yasar Alp.
[28] Voir Gülen, Sonsuz Nur, 2/190-192.
[29] Voir Sarakhsi, al-Mabsout, 10/42; Ibn al-Qudama, al-Kâfi, 40264; Bahuti, Kachchaf al-Ghina, 3/65; Abou Ishaq, ash-Shirazi, Mouhadhdhab, 2/231; Ibn al-Abidin, 6/305.
[30] Muhyiddin al-Ghazi, «Adhwâ'oun ‛alâ Kalimat al-irhâb,» al-Ba‛th al(Isâmî, No. 48, p. 84; Voir Ibn al-Abidin, 6/756.
[31] Oxford Wordpower, New York: Oxford University Press, 1999; Hans Wehr, Andriamanitra Doctionary of Medern Written Arabic, Veyrouth: Maktabat Loubnân, 1960; English Arabic Glossary. See encyclopaedia Britannica, 11/650-651.
[32] Jereo Muhyiddin al-Ghazi, al-Ba‛th al-Islami, No. 48, pp. 85-86; Dr. Jallul ad-Dakdak, «Hirabiyyun la irhâbiyyoun,» al-Mahajja, No. 208, pp. 5-6, 15 février 2004.
[33] Djawdate, Said. Islami Mücadelede Siddet Soruny, pp. 65-67.
[34] Nursi, Bediüzzaman Said. Tarihçe-i Hayati – Ilk Hayati, La Collection Risale-i Nur, p. 2134.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2020 Tranok'alan'i Fethullah Gülen. All Rights Reserved.
fgulen.com no loharano tsy manafintohina momba ilay manampahaizana Tiorka sy ara-tsaina malaza Fethullah Gülen.